Categories
2Timote

2Timote 1

Fiarahabana sy fisaorana an’Andriamanitra

1 Izaho Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa,

2 mamangy an’i Timote, zanako malala: ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika.

3 Misaotra an’Andriamanitra Izay tompoiko amin’ny saina madio aho, araka ny nataon’ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman’alina amin’ny fivavahako.

4 Tsaroako izany ranomasonao, ka maniry hahita anao aho mba ho feno fifaliana.

5 Tsaroako koa ny finoana tsy misy famahony ao anatinao, izay nitoetra tao amin’i Loisa renibenao taloha, dia tao amin’i Eônisa reninao indray, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izao.

Ireo fahasoavana azon’i Timote

6 Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.

7 Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.

8 Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,

9 izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,

10 sy naharihary ankehitriny, tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, Ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.

11 Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny Jentily;

12 ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetrakatamiko mandra-piavin’izay andro izay.

13 Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

14 Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika, no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.

15 Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan’ireny i Figèlo sy i Hermôgena.

16 Fa homen’ny Tompo famindram-po kosa anie, ry i Onesifôro mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako,

17 fa vao mainka koa nitady ahy fatratra aza izy tany Rôma ka nahita ahy;

18 ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay, ary ianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.

Categories
2Timote

2Timote 2

Hevitry ny fijaliana iaretan’ny kristianina apôstôly

1 Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;

2 ary aoka ny fampianarana renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, hafindranao amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray.

3 Miareta ny anjara fijalianao amin’ny maha-miaramila tsaran’i Kristy Jesoa anao.

4 Ny miaramila te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao;

5 izay mifaninana hahazo loka amin’ny kianja filalaovana koa, tsy mahazo satroboninahitra raha tsy niady ara-dalàna;

6 ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka raha efa izany vao mandray ny vokatra.

7 Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.

8 Tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely toriko,

9 izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.

10 Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.

11 Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;

12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;

13 raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny Tenany.

Fanoherana ireo mpampianatra sandoka

14 Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.

15 Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.

16 Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany,

17 ary mihinana toy ny fery mihady ny tenany; amin’ireny i Himeneo sy i Fileto,

18 izay nania tamin’ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan’ny maty, ary mandrava ny finoan’ny sasany.

19 Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe:Fantatry ny Tompo ny Azy,sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetramanonona ny Anaran’ny Tompo.

20 Tsy fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao amin’ny trano be soa, fa fanaka hazo sy tany koa, ka ny sasany hajaina, fa ny sasany kosa atao tsinontsinona.

21 Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin’ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an’ny tompony ary voaomana amin’ny asa soa rehetra.

22 Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.

23 Ialao ny ady hevitra adaladala sy tsy misy antony, satria fantatrao ihany fa mahatonga fifandirana ireny.

24 Fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra,

25 mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen’Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy,

26 ka hody ny sainy, ary ho afaka amin’ny fandriky ny demony izy, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitrapony.

Categories
2Timote

2Timote 3

Fampitandremana amin’ny loza amin’ny andro farany

1 Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra;

2 fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka,

3 tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy,

4 mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra,

5 ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.

6 Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,

7 ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana.

8 Tahaka ny nanoheran’i Janesy sy i Jambresy an’i Môizy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana,

9 kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin’ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany.

10 Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,

11 ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo.

12 Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,

13 fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.

14 Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao,

15 sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.

16 Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana,

17 mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.

Categories
2Timote

2Timote 4

Fiangaviana amin’ny fomba manetriketrika

1 Izao no angatahina aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:

2 mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,

3 Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy;

4 dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.

5 Fa ianao kosa, malìna amin’ny zavatra rehetra, miareta amin’ny fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao.

I Paoly eo amin’ny faran’ny fiainany

6 Fa izaho dia mova tsy ny efa haidinaho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako.

7 Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho;

8 hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.

Fara hafatra

9 Tongava faingana atỳ amiko ianao; fa nilaozan’i Demasy aho, noho ny fitiavany an’izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalonika izy.

10 I Kresensy lasa nankany Galasia, ary i Tito any Dalmasia,

11 i Lioka irery no eto amiko, ka alao i Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy.

12 I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy.

13 Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy ao amin’i Karposy rehefa mankatỳ ianao, ary ny boky koa, fa indrindrany taratasy hoditra.

14 Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.

15 Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.

16 Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!

17 Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.

18 Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

Veloma sy firariana farany

19 Veloma any amin’i Priska sy i Akilasy ary ny fianakavian’i Onesifôro.

20 Nijanona any Kôrinto i Erasta; ary navelako any Mileto i Trôfima fa narary.

21 Aza ela, fa tongava atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobôlo, sy i Pôdensy, sy i Lino, ary i Klaodià, mbamin’ny havana rehetra iray finoana.

22 Ho ao amin’ny fanahinao anie i Jesoa Kristy Tompo. Ary ho ao aminareo anie ny fahasoavana.