Categories
Akjea

Akjea 1

Naorina indray ny Tempoly

1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosampanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:

2 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon’i Iaveh indray.

3 Ary tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany manao hoe:

4 Ary ho anareo kosa moa dia fotoana

hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina,

amin’izao aharavan’io trano io izao?

5 Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Diniho tsara ny lalanareo.

6 Namafy be ianareo, fa nijinja kely;

mihinana, fa tsy ampy hahavoky;

misotro, fa tsy ampy hahafa-po;

mitafy, fa tsy ampy hanafàna;

ary ny mpikarama mahazo ny karama

hatao an-kitapo loaka.

7 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Diniho tsara ny lalanareo.

8 Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo,

ary ataovy ny trano;

hankasitrahiko sy hahazoako voninahitra izany, hoy i Iaveh.

9 Nanantena be ianao, nefa tsy nisy afa-tsy kely foana;

nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany.

Nahoana? – teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

Satria ny Tranoko mbola rava;

nefa ianareo isany, samy maimay be ihany ny amin’ny tranony avy.

10 Noho izany ny lanitra tsy nandefa ny ando ho anareo,

ary ny tany mandà tsy hanome ny vokany.

11 Niantso ny fahamainana Aho,

ho amin’ny tany sy ny tendrombohitra,

ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo,

sy izay rehetra mety ho vokatry ny tany,

mbamin’ny olona sy ny biby,

ary ny asan-tanana rehetra.

12 Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.

13 Ary i Akjea, irak’i Iaveh, araka ny didin’i Iaveh, niteny tamin’ny vahoaka, nanao hoe: Momba anareo Aho – teny marin’i Iaveh.

14 Ary notairin’i Iaveh ny fanahin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, ny fanahin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, sy ny fanahin’ny vahoaka sisa rehetra; ka dia tonga izy ireo ary niasa tamin’ny Tranon’i Iavehn’ny tafika Andriamaniny,

15 tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahenina, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa.

Categories
Akjea

Akjea 2

Ny voninahitry ny Tempoly

1 Tamin’ny volana faha-7, andro faha-21n’ny volana, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

2 Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà, sy amin’i Jesosy zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:

3 Iza aminareo sisa velona,

no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha,

sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny?

Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?

4 Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela,

– teny marin’i Iaveh. –

Matokia, ry Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe!

Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany,

– teny marin’i Iaveh, – ary miasà!

fa momba anareo Aho, – teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

5 Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo,

fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta;

ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.

6 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela,

no mba hanozongozonakony lanitra sy ny tany,

– mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.

7 Hanozongozona ny firenena rehetra Aho

ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra;

ary hofenoiko voninahitra ity trano ity,

hoy i Iavehn’ny tafika.

8 Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

9 Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity,

ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany;

ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

Filàna hevitra amin’ireo mpisorona

10 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

11 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mangataha amin’ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe:

12 Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. –

13 Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-patykosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.

14 – Dia niteny indray i Akjea nanao hoe:

Toy izany ity vahoaka ity,

toy izany ity firenena ity eo anatrehako, –

– teny marin’i Iaveh; –

toy izany ny asa rehetra ataon’ny tanany;

izay ateriny eo dia maloto.

Fampanantenana fahavokaran’ny tany

15 Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany;

dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa,

natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.

16 Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra,

tsy nahazo afa-tsy folo;

ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana,

tsy nahazo afa-tsy roapolo.

17 Nasiako tamin’ny vary maty fotsy,

sy ny ahi-dratsy aman-kavandra ianareo;

nasiako avokoa ny asan-tananareo;

nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

18 Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany,

ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy,

ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh,

diniho!

19 Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra?

Na ny voaloboka aza, na ny aviavy,

na ny ampongabendanitra, na ny ôliva,

tsy misy nahavokatra kely akory;

fa hatramin’izao andro izao kosa, dia hotahìko ianareo.

Fampanantenana ho an’i Zôrôbabela

20 Tonga fanindroany tamin’i Akjea ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro faha-24n’ny volana nanao hoe:

21 Lazao amin’i Zôrôbabela, governora any Jodà, hoe:

Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;

22 haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana,

hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena;

hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy;

ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy

samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.

23 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iavehn’ny tafika,

halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela,

ry mpanompoko, – teny marin’i Iaveh, –

ka hataoko toy ny fanombohan-kase;

satria efa voafidiko ianao, – teny marin’i Iavehn’ny tafika.