Categories
Amôsy

Amôsy 1

Lohateny

1 Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:

Sasin-teny

2 Hierona avy ao Siôna i Iaveh;

ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy;

ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona;

ary ny tampon’i Karmela, ho maina.

I Damasy

3 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telonataon’i Damasy,

– ary noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada

tamin’ny ambaràmbana vy,

4 dia handefaso afo ny tranon’i Hazaely

ka handevona ny lapan’i Ben-Hadada izany.

5 Homontsaniko ny hidin’i Damasa,

haringako ny mponina ao Bikata Avena,

ny mitana ny tehim-panjakana any Bet-Edena;

ary hoentina babo ho any Kirany vahoaka any Siria,»

hoy i Iaveh.

I Gazà sy i Filistia

6 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Gazà,

– sy noho ny efatra, – tsy hahemotro ny didy.

Satria olona babo an’andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany

mba hatolony ho any Edôma,

7 dia handefa ny afo anatin’ny mandan’i Gazà Aho

ka handevona ireo lapany izany;

8 haringako ny mponina rehetra ao Azota,

sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna;

dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako;

ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,»

hoy ny Tompo Iaveh.

I Tira sy i Fenisia

9 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Tira

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy,

satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy,

fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana,

10 dia handefa ny afo ao ambonin’ny mandan’i Tira Aho,

ka handevona ireo lapany izany.»

I Edôma

11 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Edôma,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy,

fa namono ny fangoraham-po

ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany

sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,

12 dia handefa afo ho ao TemànaAho

ka handevona ny lapan’i Bôsrà izany.»

I Amôna

13 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada,

mba hanitarany ny faritaniny,

14 hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i RahabaAho,

ka handevona ny lapany izany,

eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana,

sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.

15 Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany,

dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa»,

hoy i Iaveh.

Categories
Amôsy

Amôsy 2

I Moaba

1 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telonataon’i Moaba,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nodorany ny taolan’ny mpanjakan’i Edôma, nataony zary sokay,

2 dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho,

ka handevona ny lapan’i Kariotaizany;

ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be,

sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.

3 Hofoanako tsy hisy mpitsaraao aminy

ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpifehy ao aminy,» hoy i Iaveh.

I Jodà

4 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Jodà,

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria nanary ny lalàn’i Iaveh izy,

sady tsy nitandrina ny didiny,

ka nety havilivilin’ny sampin-daingany,

dia ireo izay narahin’ny razany,

5 dia handefa ny afo ho ao amin’i Jodà Aho

ka handevona ny lapan’i Jerosalema izany.»

6 Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Israely

– sy noho ny efatra – tsy hahemotro ny didy.

Satria namidiny vola ny marina;

ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;

7 satria iriny mafy ny hahitany vovo-tany

eo an-dohan’ny olona ory;

sy ataony izay hiketrahan’nylalan’ny madinika;

satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany

mba handotoany ny Anarakomasina;

8 satria lamba azony tamin’ny tsatòkano iamparany

eny anilan’ny ôtely rehetra eny;

ary ny divay avy amin’izay nosaziny lamandy no sotroiny

ao an-tranon’nyandriamaniny.

9 Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana

izay avo be hoatra ny sedera,

sy matanjaka hoatra ny oaka.

Noravako avokoa ny voany teny ambony,

sy ny fakany teo ambany.

10 Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho,

sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra,

mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.

11 Nanangana mpaminany, tamin’ireo zanaka lahinareo Aho,

sy nazareanina tamin’ireo zatovonareo,

sa tsy izany va, ry zanak’i Israely?»

– teny marin’i Iaveh. –

12 «Kanjo ny nazareanina nampisotroinareo divay;

ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!

13 Indro Aho efa hanosihosy anareo,

hoatra ny fanosihosin’ny sarety

raha feno amboara.

14 Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra;

ary ny matanjaka, tsy hahavonjy ny ainy;

15 ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra;

ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka;

ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.

16 Ary ny mahery fo amin’ny mahery

handositra miboridanaamin’izany andro izany»,

– teny marin’i Iaveh. –

Categories
Amôsy

Amôsy 3

I Israely

1 Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh

ny aminareo, ry zanak’i Israely,

ny amin’ny fianakaviana rehetra

nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, – dia ireto hoe:

2 Ianareo irery no fantatro

tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany;

ka izany no hamaizako anareo

noho ny helokareo rehetra.

Fifidianana sy sazy

3 Miara-mandeha va ny olona roa,

raha tsy efa nifanaiky izy?

4 Mierona any an’ala va ny liona,

raha tsy efa nahazo remby?

Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora,

raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?

5 Latsaka amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody,

raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao?

Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika,

raha tsy efa nahazo zavatra izy?

6 Trômpetra va no haneno ao an-tanàna,

ka tsy hivadi-po ny vahoaka?

Misy lozatonga amin’ny tanàna va,

raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?

7 Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh,

raha tsy efa nanambara ny heviny miafina

tamin’ny mpaminany mpanompony.

8 Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra?

Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?

Nihasimba i Samaria ka ho levona

9 Ampandrenesoeo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao,

ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa,

ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo,

ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy,

sy izato fahasiahana ao anatiny.»

10 Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo,

– teny marin’i Iaveh, –

dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana

ao anatin’ny lapany.

11 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

«Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy,

ka ny herinao hendahany aminao;

ary ny lapanao ho voaroba.»

12 Izao no lazain’i Iaveh:

«Toy ny fanatsoakan’ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan’ny liona

ny ranjo roa na tendron-tsofina iray,

no famonjy ny zanak’i Israely

izay mipetraka ao Samaria,

eo an-joron’ny sezabe, eo ambonin’ny ondana

avy any Damasy.»

Teny mamely an’i Betela sy ireo tranony mierinerina

13 Mihainoa ianareo ka lazao marina

eny amin’ny taranak’i Jakôba,

– teny marin’ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika: –

14 Amin’ny andro hamaliako an’i Israely noho ny fandikany ny lalàna,

no hamaliako ny momba an’ireo ôtely ao Betela koa;

hokapaina ny tandroky ny ôtely ka hianjera amin’ny tany.

15 Hasiako ny trano ririninaaman-trano fahavaratra;

hosimbana ny trano ivoara

ary horavàna ny trano maro – teny marin’i Iaveh. –

Categories
Amôsy

Amôsy 4

Teny mamely ireo vehivavy tao Samaria

1 Henoinareo izao teny izao,

ry omby vavin’iBasàna,

izay eny an-tendrombohitr’i Samaria,

dia ianareo izay mampahory ny osa,

sy manosihosy ny tsy manana,

ianareo izay milaza amin’ny vadinareo hoe:

Mitondrà hosotrointsika!

2 Nianiana tamin’ny fahamasinany, ny Tompo Iaveh:

Indro ho avy aminareo ny andro

hipaohana anareo amin’ny farango,

sy ny taranakareo amin’ny firombaka.

3 Hivoaka eo amin’ny banga

samy amin’izay hitsiny avy ianareo,

dia horoahina ho any Armôna, – teny marin’i Iaveh. –

Diso hevitra i Israely, tsy nibebaka ary nofaizina

4 Mankanesa any Betelaka manotà;

sy any Galgalà, ka mampitomboa ny fahotana!

Ento isa-maraina ny soronareo;

ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!

5 Ataovy manetonany fanati-pisaorana tsy misy lalivay;

miantsoa ny fanatitra an-tsitrapo, ka torio ampahibemaso izany!

Fa izany no tianareo, ry zanak’i Israely,

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

6 Koa noho izany nataoko madio nifyianareo

teny an-tanànanareo rehetra teny

sy mosaren-kanina eny amin’ny fonenanareo rehetra;

nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

7 Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo,

raha mbola telo volana sisa vao ho fararano;

tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana;

fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana;

ny faritany iray tondrahan’ny orana;

fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.

8 Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa,

mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny;

nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

9 Nasiako ianareo, tamin’ny fahalòvan’ny vary sy tamin’ny tomboka;

ny zaridainanareo maro, ny tanimboalobokareo,

sy ny aviavy aman’ôlivanareo,

dia ny valala no nihinana izany,

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

10 Ianareo, nanirahako ny pesta;

toy ny fisian’izany any Ejipta;

novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo,

ary tamin’izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo;

nampanetona ny hamaimbon’ny tobinareo Aho

ka tonga eo am-bavoronareo;

nefa tsy niverina tamiko ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

11 Nahatonga fanakorokoroanaao anatinareo Aho

toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra

an’i Sôdôma sy Gômôra,

ary ianareo izany, dia toy ny forohana

voatsoaka tamin’ny hain-trano;

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

12 Ka noho izany, izao no hataoko aminareo, ry Israely.

Koa rehefa izany no hataoko aminao,

dia miomàna amin’izany fihaonana amin’ny Andriamanitrao izany ianareo, ry Israely.

Fiderana an’Andriamanitra

13 Satria izy no namorona ny tendrombohitra,

sy nahary ny rivotra;

izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona,

izay mahatonga ny maraina ho maizina,

sy mandia ny tampon’ny tany!

Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.

Categories
Amôsy

Amôsy 5

Fitomaniana an’i Israely

1 Henoinareo izao teny izao,

izay tononiko ny amin’ny momba anareo,

– hira fitomaniana, – ry taranak’i Israely:

2 Efa lavo, efa tsy hahatsangana intsony,

ilay virjinin’i Israely!

Mitsingàdina amin’ny tany izy,

ary tsy hisy hanarina azy.

3 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Ny tanàna namoaka arivo lahy hiantafika,

dia hitana zato lahy;

ary izay namoaka zato lahy hiantafika,

dia hitana folo lahy ho an’ny taranak’i Israely.

Raha tsy mibebaka tsy voavonjy

4 Fa izao lazain’i Iaveh, amin’ny taranak’i Israely:

Tadiavo Aho, dia velomy ianareo.

5 Aza mitady an’i Betela, aza mankany Galgalà,

aza miampita ho any Bersabea!

Fa i Galgalà ho lasan-ko babo;

ary i Betela hanjary tsinontsinona.

6 Tadiavo i Iaveh, dia velomy ianareo,

fandrao milatsaka, toy ny afo, amin’ny taranak’i Josefaizy,

ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, i Betela.

7 Ovany ho abisintany hitsiny,

ary azerany amin’ny tany ny rariny!

Fiderana an’Andriamanitra

8 Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy;

mampody ho maraina ny haizina,

ary ny andro ho alim-pito;

miantso ny rano ao an-damosina,

dia mampiely azy eo ambonin’ny tany;

Iaveh no anarany.

Fandrahonana

9 Ataony mipoaka ny faharavana mamely ny mahery,

ary mianjera amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.

10 Mankahala eo am-bavahadyizay mananatra izy ireo;

ary tsy tia mainty an’izay miteny amim-pahamarinana.

11 Koa noho ianareo manitsakitsaka ny mahantra,

sy mampandoa hetram-baryazy;

dia nanao trano vato voapaika ianareo,

nefa tsy hitoetra ao aminy;

namboly voaloboka faran’izay tsara ianareo,

nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

12 Fa fantatro fa maro ny helokareo

ary lehibe ny fahotanareo,

ianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly,

ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.

13 Koa dia mangina ny olon-kendry amin’izao andro izao,

satria andro ratsy izao.

Famporisihana

14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy,

mba ho velona ianareo,

ka homba anareo i Iaveh Andriamanitry ny tafika,

araka ny lazainareo.

15 Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo,

ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny;

angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika,

dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!

Akaiky ny famaizana

16 Koa izao no lazain’i Iaveh,

ny Andriamanitry ny tafika, ny Tompo:

Hisy hidradradradra eny amin’ny kianja rehetra eny:

hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! eny an-dalambe rehetra eny;

hisy hiantso ny mpiasa hisaona,

sy higogogogo, miaraka amin’izay mahay midridridridry.

17 Hitomany ny olona eo amin’ny tanimboalobokarehetra:

fa handalo eo afovoanao Aho, hoy i Iaveh.

Ny andron’i Iaveh

18 Loza ho an’izay maniry ny andron’i Iaveh!

ho inona ho anareo moa, ny andron’i Iaveh?

Ho haizina izy, fa tsy ho fahazavana.

19 Toy ny olona mandositra ny liona,

nefa tonga mitsena azy kosa ny orsa;

miditra ao an-tranony izy, mitehin-tanana amin’ny rindrina

dia kaikerin’ny menarana!…

20 Moa tsy haizina va ny andron’i Iaveh fa tsy fahazavana,

haizina tsy misy mangirana?

Tsy ankasitrahina ny fombam-pivavahana ivelany

21 Hàlako sy tsy ahoako akory izay fetinareo,

tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo.

22 Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo

tsy mankatelina izany Aho;

ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy

tsy jereko velively.

23 Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo;

aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo!

24 Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana;

ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!

25 Moa nanatitra sorona amam-panatitra ho Ahy va ianareo,

ry taranak’i Israely, nandritra ny efapolo taona tany an’efitra?

26 Ny lain’nympanjakanareono nolanjainareo,

mbamin’i Kijoma, ny sampinareo,

aman-kintan’ny andriamanitrareo,

izay nataonareo ho anareo;

27 koa hoentiko hatao sesitanyambadik’i Damasyianareo, hoy i Iaveh:

Andriamanitry ny tafika no Anarany.

Categories
Amôsy

Amôsy 6

Matokitoky foana ny mpiliba

1 Mila loza ireo mandry feizayao Siôna,

sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria;

dia ireo malaza indrindra amin’ilay firenena, lohan’ny firenena,

ireo izay hatonin’ny taranak’i Israely!

2 Miampità ho any Kalneianareo ka zahao;

avy ao dia mankanesa any Hamata ilay lehibe:

midìna koa any Geta ao amin’ny Filistinina:

moa miadana noho ireto fanjakana ireto va ireo tanàna ireo,

ary lehibe noho ny anareo va ny tanin’izy ireo?

3 Ianareo manao ny andro mahoryho mbola lavitra

ary mampanatona ho akaiky ny fanjakan’ny fahasiahana!

4 Mandrimandry eo ambony farafara ivoara izy ireo;

sy mivalandotra eo amin’ny sofàny;

mihinana ny zanak’ondry avy amin’nyandian’ondry izy ireo,

sy ny zanak’omby voafahy ao an-tranon’omby.

5 Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy;

namorona zava-maneno, toa an’i Davida.

6 Kôpy lehibe no isotroany divay;

diloilo manitra faran’izay tsara no ihosorany;

ary tsy mankararirary azy akory ny lozamanjò an’i Josefa.

7 Koa ho lasa izy ireo hatao sesitany

ho lohan’ny lasan-ko babo;

ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian’ireo mpanaram-batana ireo.

Hahatsiravina ny famaizana

8 Efa nianiana tamin’ny Tenany, ny Tompo Iaveh,

– teny marin’i Iaveh Andriamanitry ny tafika. –

Tsy tiako mainty ny avonavon’i Jakôba,

ary halako ny lapany;

ka hatolotro mbamin’izay rehetra ao aminy ny tanàna.

9 Ary raha misy folo lahy no sisa

ao amin’ny trano iray, dia ho faty ireo.

10 Ho tonga ny havany anankiray

mbamin’izay mandoro ny faty, ka hitondra ny faty,

dia hoesoriny ny taolam-paty, hiala ao an-trano;

ary ny anankiray hilaza amin’izay ao amin’ny faran’ny trano:

Mbola misy ihany va ato miaraka aminao?

ka holaviny hoe: Tsy misy olona intsony!

Dia hataon’ilay voalohany hoe: Mangìna!

Fa tsy tokony hotononina ny Anaran’i Iaveh.

11 Satria, indro i Iaveh fa efa mandidy,

ka nampianjerany trano lehibeho rava foana,

ary ny madinikaho montsana.

12 Moa ny vatolampyihazakazahan’ny soavaly,

na ampiasana ny omby va izany?

no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny,

ary ho abisinta ny vokatry ny rariny.

13 Dia mifaly ianareo amin’izay zava-poana;

ianareo manao hoe:

«Tsy tamin’ny herinay va, no nahazoanay fahefana?»

14 Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely,

– teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika –

hanangana firenena anankiray hampahory anareo,

hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata

ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’nyefitra.

Categories
Amôsy

Amôsy 7

Fahitana voalohany: ny valala

1 Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko,

dia indro Izy fa namorona valala,

tamin’ny fotoana vao itsimohan’ny kolokolo,

dia ny kolokolo avy nijinjana ho an’ny mpanjaka.

2 Nony tapitra lanin’ireny avokoa ny ahitra amin’ny tany,

dia hoy aho: «Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka!

Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»

3 Ary nanenina amin’izay i Iaveh.

«Tsy hisy izany» hoy i Iaveh.

Fahitana faharoa: ny afo

4 Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko:

dia indro tonga i Iaveh hanasazy amin’ny afo,

dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo,

sy nandevona ny anjara-lovan’ny Tompo.

5 Ka hoy aho: «Mba mitsahara, ry Tompo Iaveh ô!

Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»

6 Nanenina i Iaveh.

«Tsy hisy izany koa,» hoy ny Tompo Iaveh.

Fahitana fahatelo: ny kofehy pilao

7 Izao no nasehon’i Iaveh tamiko:

dia indro fa nitsangana teo ambonin’ny rindrina mijoro ny Tompo

ary nisy hofehy pilao teny an-tanany.

8 Hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Amôsy?»

Ka namaly aho hoe: «Kofehy pilao».

Dia hoy ny Tompo: «Indro Aho manisy ny kofehy pilao,

eo amin’i Israely vahoakako;

fa tsy hamela ny helony intsony.

9 Ny fitoerana avon’i Isaakaho foanana;

ny fitoera-masin’i Israely horavana;

ary hitsangana hamely ny taranak’i Jerôbôamaamin’ny sabatra Aho.»

Voaroaka hiala tao Betela i Amôsy

10 Ary i Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely hoe: «Mitetika ny hikomy aminao eo amin’ny taranak’i Israely i Amôsy; tsy zakan’ny tany intsony ny teniny rehetra.

11 Satria izao no tenin’i Amôsy: ‹I Jerôbôama ho fatin’ny sabatra; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »

12 Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy: «Ry mpahitaô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.

13 Fa aza maminany atỳ Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atỳ, ary tranom-panjakana.»

14 Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa: «Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy.

15 Ary nalain’i Iaveh tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’i Iaveh tamiko hoe: ‹Mandehana ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako.›

16 Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin’i Iaveh ianao: Hoy ianao hoe: ‹Aza maminany ny hamelezana an’i Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak’i Isaaka!…›

17 Koa izao no lazain’i Iaveh:

‹Ny vadinao hovetavetainaao an-tanàna;

ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra;

ny taninao, hozarainaamin’ny famolaina,

ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto;

ary i Israely hoentin-ko babohiala amin’ny taniny.› »

Categories
Amôsy

Amôsy 8

Fahitana fahefatra: Ny Voankazo masaka iray harona

1 Izao no nasehon’ny Tompo Iavehtamiko:

dia indreto voankazo masaka iray sobiky.

2 Ary hoy izy: «Inona no hitanao, ry Amôsy?»

Dia hoy ny navaliko: «Voankazo masakairay sobiky.»

Ka hoy i Iaveh tamiko: «Tonga ny farany

ho an’i Israely vahoakako:

Tsy hamela azy intsony Aho, izao sisa izao.

3 Amin’izany andro izany, ny hira ao an-dapa

ho zary finaonaonana

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Ny faty ho betsaka,

ary hazera hatraiza hatraiza amim-panginana ireny.»

Ireo mpanambaka sy mpifetsy

4 Mihainoa izao ianareo mihinana ny mahantra,

sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany,

5 manao hoe:

Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana;

mba hahazoantsika mivarotra vary;

ary ny sabatamba hamohantsika ny tranom-bary,

ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina;

ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.

6 Dia hovidintsika vola ny fadiranovana,

ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy,

sady hivarotantsika ny vary loha-kororòka?

7 Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba i Iaveh:

Raha hohadinoikomandra-piavin’ny farany,

izay rehetra nataon’izy ireo.

8 Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany,

ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy?

Hisondrotra tahaka an’i Nilany tany manontolo,

hisondrotra sy hietry tahaka an’i Nilan’i Ejipta izy.

Fanambaràna famaizana mahagaga: Haizina sy fisaonana

9 Amin’izany andro izany, izao no hitranga,

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Ny masoandro halentiko mitatao vovonana;

ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.

10 Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana;

ny hira fifalianareo, ho fitomaniana;

ny andilana rehetrahosikinako lasàka,

ny loha rehetra hataoko sola;

ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana;

ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.

Hetaheta ny Tenin’Andriamanitra

11 Indro tamy ny andro,

– teny marin’ny Tompo Iaveh, –

hanirahako hanoananaamin’ny tany;

tsy mba hanoanana momba ny mofo,

na hetaheta momba ny rano,

fa ny faniriana te-handre ny tenin’i Iaveh.

12 Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina,

ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo,

hatrany amin’ny avaratra, ka hatrany amin’ny atsinanana;

hivezivezy atsỳ arỳ, hitady ny tenin’i Iaveh,

nefa tsy hahita izany izy ireo.

Fanambaràna famaizana indray

13 Amin’izany andro izany, dia ho reraka ny virjiny tsara tarehy,

mbamin’ny tovolahy, azon’ny hetaheta.

14 Ry zareo, mianiana amin’ny fahotan’i Samaria,

ka manao hoe: Amin’ny Andriamanitrareo, ry Dàna!

Amin’ny lalan’iBersabea!

dia samy ho lavo tsy haharina intsony.

Categories
Amôsy

Amôsy 9

Fahitana fahadimy: ny haharavan’ny toerana masina

1 Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtelyaho,

ka hoy izy: «Asio ny koronosy,

ary aoka hihozongozona ny tokonana;

dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra!

Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra;

tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.

2 Raha mitsofoka ho any amin’ny Seoly izy ireo

hotsoahan’ny tanako avy any;

raha miakatra any an-danitra,

hampidiniko avy any.

3 Raha miery any an-tampon’i Karmela izy,

hotadiaviko any, sy halaiko ihany;

ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy,

hodidiako hanaikitra azy any ny bibilava.

4 Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy,

hodidiako hamono azy any ny sabatra.

Ka hifàntoka aminy ny masoko,

nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.

Fiderana an’Andriamanitra

5 Ny Tompo Iavehn’ny tafika

mikasika ny tany ka miempo izy,

ary misaona avokoa ny mponina eo aminy;

misondrotra tahaka an’i Nila izy manontolo,

ary mietry tahaka ny onin’i Ejipta izy.

6 Manao ny ambaratonganyany an-danitra izy,

ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany;

miantso ny ranoeo amin’ny ranomasina izy,

dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany;

Iaveh no Anarany.

Tsy hotsimbinina i Israely

7 Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va ianareo, raha amiko,

ry zanak’i Israely? – teny marin’i Iaveh. –

Moa i Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta,

sy ny Filistinina avy tany Kafitôra, ary ny Sirianina avy tany Kira?

8 Indro, ny mason’ny Tompo Iaveh

mifàntoka amin’ny fanjakana mpanota;

ka hofongorana tsy ho eo ambonin’ny tany izy.

Ny mpanota ihany no ho faty

Nefa tsy dia hofongorako manontolotsy akory

ny taranak’i Jakôba, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

9 Fa indro efa hamoaka didy Aho,

ka hosivaniko any amin’ny firenena rehetra any ny taranak’i Israely,

toy ny fanasivana vary amin’ny sivana,

ka tsy hisy latsaka amin’ny tany ny voa tsara.

10 Ho fatin’ny sabatra avokoa ny mpanota, amin’ny vahoakako,

izay manao hoe: Tsy hanakaiky anay akory ny loza

tsy hahatratra anay akory ny loza.

4. MBOLA HITSANGANA NY FANJAKAN’I DAVIDA KA HIARINA

11 Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray,

ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;

ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;

12 mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,

mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,

– teny marin’i Iaveh, – izay manao izany zavatra izany.

13 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

ka ny mpiasa tanyhahatratra ny mpijinja;

ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy;

hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,

ary ny havoana rehetra hitsonika.

14 Hampodiko indray ny baboamin’i Israely vahoakako;

ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;

ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy;

hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.

15 Hamboleko eo amin’ny taniny izy,

ka tsy hongotana intsony hiala amin’ny tany,

izay efa nomeko azy», hoy i Iaveh Andriamanitrao.