Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 1

Sasin-teny

1 Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany Anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;

2 ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy, araka ny zavatra rehetra hitany.

3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.

Fiarahabana

4 Mamangy ny Eglizy fito any Azia aho, Joany: ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany;

5 ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,

6 sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron’Andriamanitra Rainy, eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay doria. Amen.

7 Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.

8 Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.

Fahitana nanomanana an’i Joany

9 Izaho Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy, dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmosy, noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa.

10 Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,

11 nanao hoe: «Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea.»

12 Dia niherika nankany amin’ilay feo niteny tamiko aho, ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro, maro rantsana.

13 Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany;

14 ny lohany sy ny volony dia fotsy toy ny volon’ondry fotsy, ary mangatsakatsaka toy ny oram-panala; ny masony tahaka ny lelafo;

15 ny tongony toy ny varahina manganohano voadio tamin’ny memy afo, ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be.

16 Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.

17 Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;

18 efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.

19 Koa soraty ny zavatra efa hitanao, sy izay ankehitriny, ary izay mbola ho avy koa any aoriana;

20 izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 2

I Efezy

1 Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:

2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny;

3 ary manana fandeferana ianao, ka niaritra noho ny Anarako, ary tsy ketraka.

4 Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin’ny fitiavana voalohany ianao.

5 Koa tsarovinao izay nihemoranao dia mibebaha, ka miverena amin’ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin’ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao.

6 Misy anananao sitraka ihany anefa, dia izao: mankahala ny asan’ny Nikôlaitaizay halako koa ianao.

7 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahyamin’ny Eglizy: «Izay mandresy, havelako hihinanany ny hazon’ny fiainana izay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra»

I Smirna

8 Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Smirna: Izao no lazain’ilay Voalohany sy Farany, Izay efa maty ka velona indray:

9 Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena ianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin’ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan’i Satana.

10 Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana

11 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.

I Pergama

12 Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Pergama: Izao no lazain’Ilay manana ny sabatramarani-dany roa:

13 Fantatro ny itoeranao, dia eo amin’ny misy ny seza fiandrianan’i Satana; nefa mitana mafy ny Anarako ianao, ka tsy nandà ny finoana Ahy na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky Ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin’izay onenan’i Satana.

14 Manan-teny kely aminao anefa Aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran’i Balaama, izay nanome fo an’i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan’ny zanak’i Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga.

15 Toy izany koa, ao aminao dia misy olona manaraka fampianarana manahaka ny an’ny Nikôlaita.

16 Koa mibebaha, fa raha tsy izany dia ho avy aminao faingana Aho, ka hamely an’ireo amin’ny sabatry ny vavako.

17 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy. Izay mandresy dia homeko mana miafina, sady homeko vato fotsy misy anaram-baovao voasoratra tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany.

I Tiatira

18 Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Tiatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano.

19 Fantatro avokoa ny asanao, ny finoanao, ny fitiavanao, ny fiantranao, ny fandeferanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.

20 Manan-teny kely aminao anefa Aho, satria i Jezabelailay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin’ny sampy.

21 Efa nomeko andro hibebahana izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany.

22 Ka indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary hozoim-pahoriana lehibe izay mijangajanga aminy, raha tsy mibebaka amin’ny asa nampianarin-dravehivavy azy.

23 Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.

24 Ary indreo ianareo mpino sisa any Tiatira, izay tsy manana izany fampianarana izany, sy izay rehetra tsy nahalala ireny antsoin’ny sasany hoe sain-dalin’i Satana ireny, dia izao kosa no lazaiko aminareo: Tsy hovesarako zavatra hafa ianareo,

25 fa tano mafy aloha izay anananareo, mandra-piaviko.

26 Ary izay handresy ka haharitra amin’ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin’ny firenena;

27 hifehy azy amin’ny tehim-by izy, hanorotoro azy, toy ny vilany tany,

28 araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko, ary homeko azy ny kintana fitarika andro.

29 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 3

I Sarda

1 Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty.

2 Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan’Andriamanitra ny asanao.

3 Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.

4 Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa atỳ aminao atỳ Sarda, ka ireo hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika.

5 Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.

6 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.

I Filadelfia

7 Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Filadelfia: Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha.

8 Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany ianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny Anarako; koa indro, varavarana mivohatsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao.

9 Indro, atolotro anao ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao Aho.

10 Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny fandeferana, Izaho kosa hitandrina anao amin’ny andron’ny fakam-panahy, izay ho tonga amin’izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany.

11 Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

12 Izay handresy dia hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny Anaran’ny Andriamanitro, sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitro, sy ny Anarako vaovao.

13 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.

I Laodisea

14 Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laodisea: Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra.

15 Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana ianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana ianao;

16 fa noho ianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan’ny vavako ianao.

17 Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, hahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza.

18 Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, dia hanan-karena ianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao dia hahiratra ianao.

19 Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha.

20 Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.

21 Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.

22 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 4

IREO DINIDINIKA MIALOHA NY «ANDRO LEHIBE» AN’ANDRIAMANITRA

1 Taorian’izany, dia hitako fa indro nisy varavarana mivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an’ny trômpetra, dia niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.

2 Niaraka tamin’izay, dia voatsindrin’ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetrakateo ambonin’ny seza fiandrianana.

3 Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin’ilay nipetraka; ary voahodidina avana miendrik’emeraoda ny seza fiandrianana.

4 Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.

5 Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany.

6 Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatrafeno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.

7 Ilay Zava-manana aina voalohany moa toy ny liona, ny faharoa tahaka ny zanak’omby, ny fahatelo nanan-tava toy ny an’ny olona, ary ny fahefatra sahala amin’ny voromahery manidina.

8 Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe:

Masina, masina, masina

ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra,

izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.

9 Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay,

10 ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:

11 «Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 5

1 Ary indro, hitako teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.

2 Dia indro, nisy Anjely mahery anankiray niantso tamin’ny feo mafy hoe: «Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombokaseny?»

3 Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra na nahajery azy akory.

4 Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy.

5 Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko: «Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny liona avy amin’ny fokon’i Jodà sy solofon’i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombokaseny fito.»

6 Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.

7 Dia tonga Izy ka nandray ny boky teny an-tanan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.

8 Nony nandray ny boky Izy; dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.

9 Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.

10 Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etỳ ambonin’ny tany.»

11 Dia hitako, sady reko koa ny feon’Anjely maro, nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo,

12 nanao tamim-peo mahery hoe: «Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra, ary ny saotra.»

13 Ary reko ny voaary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray nilaza hoe: «Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja, ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay!»

14 Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe: «Amen.» Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 6

Ny Zanak’ondry manokatra ny tombokase fito

1 Ary hitako fa nosokafan’ny Zanak’ondryny iray tamin’ny tombokase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Avia hijery.»

2 Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azydia nanana tsipìka, sy nomena satroboninahitra, ary lasa toy ny mpandresy ndeha handresy.

3 Nony nosokafany ny tombokase faharoa, dia reko ny zava-manana aina faharoa nanao hoe: «Avia hijery.»

4 Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka, ary ilay nitaingina azy dia navela hanesotra ny fihavanana amin’ny tany, mba hifamonoan’ny olona, ka nomena sabatra lehibe izy.

5 Nony nosokafany ny tombokase fahatelo, dia reko ny Zava-manana aina fahatelo nanao hoe: «Avia hijery.» Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty, ary ilay nitaingina azy dia nitana mizàna teny an-tanany.

6 Sady nisy toy ny feo koa reko avy tao afovoan’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Denieiray ny varimbazaha eran’ny fatam-bary; denie iray ny vary orja intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny divay sy ny diloilo.»

7 Nony nosokafany ny tombokase fahefatra, dia reko ny feon’ny Zava-manana aina fahefatra, nanao hoe: «Avia hijery.»

8 Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy dia atao hoe i Fahafatesana, sady nanaraka azy ny Fonenan’ny maty. Nomena fahefana amin’ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin’ny mosary aman-tsabatra, sy amin’ny fahafatesana mbamin’ny biby masiaka etỳ an-tany.

9 Nony nosokafany ny tombokase fahadimy, dia hitako teo ambany ôtely ny fanahin’ireo novonoina noho ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’iJesoaizay nananany.

10 Ary niantso tamim-peo mahery izy ireo, nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô! rahoviana re Ianao vao hitsara sy hanadina ny ranay amin’ny mponina eny ambonin’ny tany?»

11 Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina niandry kely aloha mandra-pahafenon’ny isan’ny mpanompo namany sy ny havany, izay hovonoina toa azy koa.

12 Nony nosokafany ny tombokase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny ra;

13 ary ny kintan’ny lanitra niraraka tamin’ny tany, toy ny voan’aviavy manta mihintsana fa voahozongozon’ny rivotra mafy.

14 Ny lanitra niampirina toy ny horonan-taratasy, ary ny nosy aman-tendrombohitra rehetra nesorina tamin’ny toerany.

15 Ny mpanjakan’ny tany, ny lehibe sy ny mpifehy arivo, ny mpanan-karena sy ny olo-mahery, ary ny mpanompo sy ny tompo dia nisitrika tany amin’ny zohy sy vaton’ny tendrombohitra,

16 ary nilaza tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: «Mianjerà aminay, ka afeno amin’ny Tavan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry izahay;

17 fa tonga ny Androm-pahatezerany lehibe, ka iza no mahajanona?»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 7

Ireo mpanompon’Andriamanitra, hotsimbinina

1 Taorian’izany, nahita Anjely efatra aho, nitsangana tamin’ny vazantany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka, na amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo iray akory.

2 Dia nahita Anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona, ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina nanimba ny tany aman-dranomasina,

3 nanao hoe: «Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay fitomboka eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.»

4 Ary reko ny isan’izay voaisy fitomboka tamin’ny fokon’i Israely rehetra, ka 144.000 izy:

5 dia 12.000 voaisy fitomboka avy amin’ny fokon’i Jodà; 12.000 avy amin’ny fokon’i Robena; 12.000 avy amin’ny fokon’i Gada;

6 12.000 avy amin’ny fokon’i Asera; 12.000 avy amin’ny fokon’i Neftalì; 12.000 avy amin’ny fokon’i Manase;

7 12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;

8 12.000 avy amin’ny fokon’i Zabolôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Josefa, ary 12.000 avy amin’ny fokon’i Benjamina no voaisy fitomboka.

Fandresen’ireo olom-pinidy any an-danitra

9 Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.

10 Niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe: An’Andriamanitra Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, sy ny Zanak’ondry ny famonjena!

11 Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny Anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra,

12 nanao hoe: «Amen! An’ny Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery!»

13 Tamin’izay, ny iray tamin’ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: «Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no niaviany?»

14 Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.

15 Koa indreo izy eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny, ary hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony.

16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa.

17 Fa ny Zanak’ondry, izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony.»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 8

Ny Tombokase fahafito

1 Nony nosokafan’ny Zanak’ondry ny tombokase fahafito, dia nisy fanginana sahabo ho antsasak’adiny tany an-danitra.

Ny fivavahan’ny Olomasina manafaingana ny Andro Lehibe

2 Nony afaka izay, dia nahita ireo Anjely fitomitsangana eo anatrehan’Andriamanitra aho, ary nomena trômpetra fito izy ireo.

3 Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra:

4 ary ny fofon’ny emboka manitra, avy amin’ny vavaky ny olo-masina, dia niakatra ho eo anatrehan’Andriamanitra avy amin’ny tanan’ny Anjely.

5 Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.

Ny Trômpetra efatra voalohany

6 Ary niomana hitsoka ny trômpetra ny Anjely fito izay nitondra ny trômpetra fito.

7 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo ra nalatsaka tamin’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra.

8 Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra mirehitra nazera tany anaty ranomasina, ka nanjary ra ny ampahatelon’ny ranomasina,

9 maty ny ampahatelon’ny zava-manana aina tao amin’ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon’ny sambo.

10 Nitsoka ny trômpetra koa ny Anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe anankiray, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy any an-danitra, nianjera tamin’ny ampahatelon’ny ony, sy tamin’ny loharano.

11 Imangidy no anaran’io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano, ary maro ny olona matin’ny rano, noho izy tonga mangidy.

12 Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.

13 Nanaraka izany dia nijery aho, ary nandre feom-boromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny lanitra, niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany, noho ny feon’ny trômpetra telo sisa izay efa hotsofin’ny Anjely.»

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 9

Ny Trômpetra fahadimy

1 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahadimy, ka hitako kintana anankiray avy any an-danitra, nilatsaka tetỳ an-tany; nomena azy io ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa.

2 Dia nosokafany ny lavaka tsy hita noanoa, ka setroka toy ny avy amin’ny memy lehibe no nipololotra avy any; maizin’ny setroka avy any an-davaka terỳ ny masoandro sy ny habakabaka.

3 Io setroka io indray, namoaka valala niely tetỳ an-tany, sady nomena hery toy ny an’ny maingoka etỳ an-tany ireo,

4 ary norarana tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny fitombok’Andriamanitra teo an-kandriny ihany.

5 Tsy ny hamono azy anefa, fa ny hampanaintaina azy dimy volana no nasaina nataon’izy ireo, ary fanaintainana toy ny an’ny olona kaikerin’ny maingoka no hafitsony azy;

6 ka hitady ny fahafatesana ny olona amin’izany andro izany, fa tsy hahita azy; ary haniry ny ho faty izy, fa handositra azy ny fahafatesana.

7 Ireo valala ireo dia nanahaka ny soavaly vonon-kiady; satroboninahitra toa volamena no teny an-dohany; sahala amin’ny tavan’olona ny tavany;

8 tahaka ny volom-behivavy ny volony; ary mitovy amin’ny nifin-diona ny nifiny.

9 Ny fiarovan-tratran’izy ireo dia toy ny akanjo vy; ny fikopakopaky ny elany, sahala amin’ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady;

10 ny rambony tahaka ny an’ny maingoka, sady nisy fitsindrona, ary ny rambony no nanan-kery hampanaintaina ny olona dimy volana.

11 Ny mpanjaka filohan’izy ireo, dia anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa, izay atao hoe Abadôna amin’ny teny hebrio, ary Apôliôna amin’ny teny grika.

12 Lasa izay ny loza voalohany; fa indro hisosoka koa ny loza roa sisa.

Ny trômpetra fahenina

13 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahenina, dia inay nisy feo reko nivoaka avy tamin’ny zoro efatry ny ôtely volamena eo anatrehan’Andriamanitra,

14 nilaza tamin’ny Anjely fahenina nitana ny trômpetra hoe: «Vahao ny Anjely efatra mifatotra any Eofrata ony lehibe.»

15 Dia novahana ireo Anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin’ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon’ny olona;

16 ary roan-jato tapitrisa no isan’ny miaramila an-tsoavaly; fa nahare ny isany aho.

17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, tamin’ny fahitana: nivolon’afo sy hiasinta ary solifara ny fiarovan-tratran’ny mpitaingina azy, nilohan-diona ny lohan’ny soavaly, sady nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany,

18 Ary ireo loza telo nivoaka tamin’ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona;

19 fa amin’ny vavany sy ny rambony no misy ny herin’ny soavaly, satria toy ny menarana ny rambony sady manan-doha ka amin’izany no amelezany.

20 Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;

21 tsy nisy nibebahany koa na ny vonoana olona, na ny ody mahery, na ny fijangajangana, na ny halatra nataon’izy ireo.

Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 10

Antomotra ny sazy farany

1 Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.

2 Nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ny tongony ankavanana moa natsatony tamin’ny ranomasina, ary ny ankavia kosa tamin’ny tany;

3 niantso tamin’ny feo mahery toy ny fieron’ny liona izy, ka vao niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.

4 Nony nandre ny feon-kotrokorana fito aho, dia ndeha hanoratra, kanjo nandre feo avy any an-danitra nanao tamiko hoe: «Asio tombokase ny voalazan’ny kotrokorana fito, fa aza soratana.»

5 Tamin’izay ilay Anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo ambonin’ny tany dia nanandratra ny tanany ankavanana tany an-danitra,

6 ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;

7 fa amin’ny andro hampandrenesan’ny Anjely fahafito ny feony, amin’ny fitsofana ny trômpetra, dia ho tanteraka ny misterin’Andriamanitra, araka ny nampilazainy ny mpaminany mpanompony,

Ilay boky kely hatelina

8 Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: «Mandehana alao ny boky kelymivelatra eny an-tanan’ilay Anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.»

9 Dia nankany amin’ilay Anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: «Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.»

10 Noraisiko ny boky teny an-tanan’ity Anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.

11 Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe: «Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.»