Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 1

TENY MIALOHA

1 Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,

2 hatramin’ny andro nampiakarana Azy, nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apôstôly izay nofidiny.

3 Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.

4 Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy, dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray, araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.

5 Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano, ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.

Ny Niakaran’i Jesoa any an-danitra

6 Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: «Tompoko, amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?»

7 Fa hoy ny navaliny azy ireo: «Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.

8 Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria ka hatrany amin’ny fara vazantany.»

9 Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo; ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.

10 Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indro nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany,

11 nanao hoe: «Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny i Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra.»

Ireo Apôstôly tafangona

12 Tamin’izay izy ireo dia niverina tany Jerosalema, avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay lalana azo aleha sabataraha eo Jerosalema.

13 Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihanafitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tomà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba.

14 Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany, sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

Ny nifidianana an’i Matiasy

15 Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo mpino i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:

16 Ry hava-malala, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;

17 fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao.

18 Nefa nahazo sahatamin’ny tambin’ny otany iny lehilahy iny, ary lavo nihohoka izy ka vaky ny kibony, sady niparitaka ny tsinainy.

19 Zavatra fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka io saha io dia nahazo anarana tamin’ny fiteniny hoe Haseldamà, izany hoe sahan-dra.

20 Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:

Aoka ho lao ny fonenany,

ka tsy honenan’olona akory›;ary koa:

‹Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.

21 Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika,

22 hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra, dia aoka hisy anankiray ho namantsîka mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.

23 Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy, dia i Josefa atao hoe Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina, ary i Matiasy,

24 ka nivavaka nanao hoe: «Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra, ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto,

25 mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.»

26 Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 2

Ny Pantekôty

1 Nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray izy rehetra,

2 ary tampoka, injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany,

3 sady nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy,

4 ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

5 Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra.

6 Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.

7 Gaga sy talanjona izy ireo ka vaky nanao hoe: «Andre! tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?

8 Ka ahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy;

9 dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita, sy ny mponina any Mesôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia,

10 Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin’i Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,

11 na Jody na Prôselita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra isika rehetra.»

12 Zendana foana izy rehetra fa tsy nahita izay antony, ka nifampilaza hoe: «Inona re no hevitr’izao e?»

13 Fa ny sasany kosa naneso nilaza hoe: «Mamon-divay vaovao ry zareo.»

Lahatenin’i Piera tamin’ny vahoaka

14 Tamin’izay, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera ka nanao antso avo tamin’ireo hoe: Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko.

15 Tsy mamo araka ny hevitrareo akory ireo olona ireo, fa vao amin’ny ora fahateloihany izao ny andro.

16 Fa izao hitanareo izao no ilay nambaran’ny mpaminany Joely hoe.

17 Amin’ny andro farany, hoy ny Tompo,dia handrotsahako amin’ny nofo rehetra ny Fanahiko, ka haminany ny zanaka lahinareo sy ny zanaka vavinareo, ary hahita tsindry mandry ny zatovonareo ary hanonofy ny antidahinareo;

18 eny, amin’izany andro izany dia handrotsahako amin’ny mpanompoko ny Fanahiko, ka haminany izy ireo na lahy na vavy.

19 Hampiseho fahagagana eny amin’ny habakabaka ambony Aho, sy famantarana ety amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka.

20 Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza;

21 ary na iza na iza no hiantso ny Anaran’ny Tompo amin’izay, dia ho voavonjy.

22 Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: i Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo,

23 dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;

24 fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,

25 araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.

26 Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin’ny fanantenana,

27 fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao.

28 Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao, ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko.

29 Ry hava-malala, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.

30 Fa noho ny maha mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny tenynapetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy amin’ny fanjakany,

31 dia ny fitsanganan’i Kristy ho velona avy any amin’ny maty, izay efa tsinjony mialoha, no nilazany fatsy ho foiny ao amin’ny fitoeran’ny maty izy, ary ny nofony tsy ho tratry ny lo.

32 Izany Jesoa izany no natsangan’Andriamanitra ho velona, ary vavolombelon’izany izahay rehetra;

33 ary nony efa nakarin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sy efa nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, dia nampidina izany Fanahy izany, araka izao hitanareo sy renareo izao.

34 Fa i Davida tsy niakatra any an-danitra; nefa tenany no nilaza hoe:Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako,

35 ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

36 Koa amin’izany àry, aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

Ireo olona nibebaka voalohany

37 Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany: «Inona àry, ry zareo, no hataonay?»

38 Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: «Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristyianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.

39 Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, aryho an’izay rehetra any lavitra any,rehefa metyho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»

40 Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: «Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.»

41 Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany.

Ny iray Fiangonana voalohany

42 Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.

43 Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema, ka raiki-tahotra ny olona rehetra.

44 Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra,

45 sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarainy tamin’izy rehetra, araka izay nilainy avy.

46 Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofotany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,

47 niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 3

Ny nanasitranana an’ilay malemy

1 Ary i Piera sy i Joany nankao an-Tempoly tamin’ny fotoam-pivavahana amin’ny ora fahasivy.

2 Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly.

3 Nony nahita an’i Piera sy i Joany ndeha hiditra ny Tempoly ralehilahy io, dia nangataka fiantrana tamin’izy ireo.

4 Nibanjina azy i Piera mbamin’i Joany nanao hoe: «Jereo izahay.»

5 Dia nataony tsara jery izy ireo, fa nanantena hahazo zavatra taminy izy.

6 Fa hoy i Piera: «Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mamindrà.»

7 Sady noraisiny tamin’ny tanany ankavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin’izay ny ranjony sy ny tongony,

8 dia niantsàmbotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin’izy ireo tao an-Tempoly namindra sy niantsambotsàmbotra, ary nidera an’Andriamanitra.

9 Nahita azy namindra sy nidera an’Andriamanitra ny vahoaka rehetra,

10 sady fantany tsara fa izy io indrindra no ilay nipetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana, ka gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy.

Lahatenin’i Piera tamin’ny vahoaka

11 Ary noho izy io tsy niala teo amin’i Piera sy i Joany, dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin’izy ireo teo amin’ny lavarangan’i Salômôna ka talanjona.

12 Nony nahita izany i Piera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry Israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io?

13 Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany,izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy.

14 Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.

15 Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona, ary izahay ireto no vavolombelon’izany.

16 Noho ny finoana ny Anarany no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao.

17 Ary ankehitriny, ry hava-malala, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpifehy anareo;

18 fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo tamin’ny vavan’ny mpaminany rehetra fa hijaly i Kristy.

19 Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo.

20 ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo, sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo, dia i Jesoa Kristy,

21 Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra ambara-piavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina, hatramin’ny ela.

22 Fa hoy i Môizy hoe:Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin’ny rahalahinareo; Izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo,

23 fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany, dia haringana tsy ho eo amin’ny vahoaka intsony.

24 Ary ny mpaminany rehetra izay niteny hatramin’i Samoely no mankatỳ dia samy nanambara izao andro izao avokoa.

25 Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika, raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe:Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,

26 ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany Azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 4

I Piera sy i Joany teo anatrehan’ny Sanedrìna

1 Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly, ary ny Sadoseanina,

2 sosotra izy ireo noho ny nampianaran’izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan’ny maty efa hita tamin’i Jesoa,

3 ka nosamboriny izy ireo, sy nataony an-tranomaizina ambara-pahamaraina ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’izay.

4 Maro anefa tamin’izay nandre ny tenin’izy ireo no nino, ka tonga dimy arivo ny isan’ny lehilahy.

5 Nony ampitso, dia nivory tao Jerosalema ny mpifehy, ny loholona, ny mpanora-dalàna,

6 ary i Ana lehiben’ny mpisorona, i Kaifa, i Joany, i Aleksandra, mbamin’ny havan’ny mpisorona rehetra,

7 ka nasainy nentina teo anatrehany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: «Amin’ny fahefan’iza, na amin’ny anaran’iza no anaovanareo izany?»

8 Tamin’izay i Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Ry mpifehy ny vahoaka sy loholon’i Israely,

9 raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,

10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.

11 Iny Jesoa iny novato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa;

12 ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»

13 Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian’i Piera sy i Joany, satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo;

14 nefa tsy hitany izay hanoherany azy ireo noho ilay lehilahy sitrana hitany nitsangana teo akaikin’izy roa lahy.

15 Ka dia nasainy niala teo amin’ny fivoriana aloha izy roa lahy, ary izy ireo kosa niara-nihevitra,

16 nanao hoe: «Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Raha ny fahagagana nataony aloha, dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany, ka tsy azontsika lavina;

17 fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka kosa, ndeha horahonantsika izy, mba tsy hiteny amin’izany Anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.»

18 Dia nantsoiny izy ireo ka norarany mafy mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin’ny Anaran’i Jesoa intsony.

19 Fa namaly i Piera sy i Joany ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Tsaraonareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra;

20 fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.»

21 Tamin’izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an’Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo,

22 sady ity lehilahy sitrana tamim-pahagagana koa moa efa olona efapolo taona mahery.

Vavaky ny Apôstôly teo amin’ny fanenjehana

23 Nony afaka teo izy roa lahy, dia lasa niverina tany amin’ny namany ka nanambara tamin’izy ireo izay nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona taminy.

24 Vao nandre izany kosa ireto havana iray finoana, dia niara-nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô! Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy.

25 Ianao no niteny tamin’ny Fanahy Masina sy tamin’ny vavan’i Davida razanay sady mpanomponao hoe:Nahoana no nitabataba ny firenena, ary no nisaina teti-dratsy foana ny vahoaka?

26 Niodina ny mpanjakan’ny tany, ary niray tetika ny andrian-dehibe mba hanohitra ny Tompo sy ilay Kristiny.

27 Faefa nikaon-dohamarina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,

28 ka hanatanteraka izay voatapaky ny tananao sy ny lahatrao rahateo.

29 Ary ankehitriny, Tompo, jereo ny fandrahonany, ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa,

30 sady ahinjiro ny tananao mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin’ny Anaran’i Jesoa Mpanomponao masina.

31 Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.

Ilay Ankohonam-piangonana voalohany

32 Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.

33 Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona, ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.

34 Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo,

35 ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.

Fahafoizan’i Barnabe

36 Nisy levita anankiray atao hoe Josefa izay nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnabe (izany hoe zanaky ny fanalana alahelo), teraka tany Sipra:

37 nanan-tany izy, ka namidiny, dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 5

Fitak’i Anania sy i Safira

1 Ary nisy kosa lehilahy anankiray atao hoe Anania, sy i Safira vadiny, nivarotra tany,

2 nefa nanafenany ny vidin’ny tany, araka ny tetika niraisan’izy mivady, vao nentiny napetraka teo an-tongotry ny Apôstôly ny vola sisa.

3 Fa hoy i Piera: «Ry Anania, nahoana i Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin’ny vidin’ny tany?

4 Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»

5 Nony nandre izany teny izany i Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raiki-tahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany.

6 Dia nitsangana ny tovolahy, nofonosiny ny fatiny, ka nentiny nalevina.

7 Nony afaka tokony ho adim-pamantaranandro telo, dia inty tamy koa ny vavy, tsy nahalala izay nanjò teo akory.

8 Ka hoy i Piera taminy: «Lazao amiko, moa izany ihany va no nivarotanareo ny taninareo?» «Eny, izany ihany,» hoy izy.

9 Dia hoy i Piera taminy: «Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro mby eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ka hitondra anao koa.»

10 Niaraka tamin’izay dia lavo teo an-tongony izy, ka afaka ny ainy. Ary nony tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty izy, ka nentiny naleviny tany anilan’ny lahy.

11 Dia raiki-tahotra mafy ny Eglizy manontolosy izay rehetra nandre izany.

Famintinana

12 Betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin’ny vahoaka, tamin’ny tanan’ny Apôstôly. Niara-nipetraka teo ambanin’ny lavarangan’i Salômôna ny mpino rehetra,

13 ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana tamin’izy ireo; nefa ny vahoaka nankalaza azy.

14 Nitombo isa isan’andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy,

15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy.

16 Maro koa ny olona nidodododo nankao Jerosalema avy tamin’ny tanàna manodidina nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto, ary sitrana avokoa izy rehetra.

Nosamborina ny Apôstôly, dia afaka tamin’ny fomba mahagaga

17 Tamin’izay dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka.

18 Nasainy nosamborina ny Apôstôly, dia nataony an-tranomaizina.

19 Fa nony alina kosa dia nisy Anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina, ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe:

20 «Mandehana mankao amin’ny Tempoly, ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin’izany fiainana izany.»

21 Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra maraina koa tao amin’ny Tempoly ka nampianatra.

Teo anatrehan’ny fitsaran’ny Sanedrìna

Tonga kosa ny lehiben’ny mpisorona sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrìna mbamin’ny loholona rehetra tamin’ny zanak’i Israely, ary naniraka nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apôstôly.

22 Dia nandeha ny iraka, nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony, ka lasa niverina nilaza izay hitany hoe:

23 «Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana; kanjo nony novohainay, tsy nisy olona tao anatiny.»

24 Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany.

25 Fa tamin’izay kosa inty nisy olona anankiray tonga nilaza tamin’izy ireo hoe: «Indreo ry zareo nataonareo tao an-tranomaizina ireny ao an-Tempoly ao, sady mampianatra ny olona.»

26 Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao torahan’ny vahoaka vato.

27 Dia nentiny izy ireo ka napetrany tao amin’ny Sanedrìna, sy nadinin’ny lehiben’ny mpisorona hoe:

28 «Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.»

29 Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.

30 Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.

31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.

32 Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany zavatra izany.»

33 Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin’ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.

Tenin’i Gamaliela

34 Fa nitsangana teo amin’ny Sanedrìna kosa ity Farisianina anankiray atao hoe Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly.

35 Dia hoy izy: «Ry Israelita, tandremo ihany izay hataonareo amin’ireo lehilahy ireo.

36 Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teôdasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efajato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona.

37 Taorian’izany indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy.

38 Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin’olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy;

39 fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.»

40 Dia narahin’izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apôstôly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo sy norarany mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany.

41 Nony niala tamin’ny Sanedrìna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran’i Jesoa.

42 Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan’andro tao an-Tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no Kristy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 6

Ny nanorenana ny asan’ireo Fito lahy

1 Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahîna loatra tamin’ny fizaràna ny fiantrana isan’andro ny mpitondratena tao aminy.

2 Ka novorin’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: «Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.

3 Koa amin’izany, ry hava-malala, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany;

4 ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny.»

5 Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny i Etienina lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôselita avy any Antiôkia.

6 Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanananony efa vita ny fivavahana.

7 Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

Ny nisamborana an’i Etienina

8 Ary feno fahasoavana sy herim-po i Etienina, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.

9 Fa ny sasany avy amin’ny sinagogan’ny Libertinina, sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etienina,

10 ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo,

11 dia namoky olona hilaza hoe: «Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an’i Môizy sy Andriamanitra izy io»

12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin’i Etienina sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin’ny Sanedrìna.

13 Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: «Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna.

14 Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen’i Môizy antsika.»

15 Ary raha nibanjina an’i Etienina ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrìna, dia hoatra ny Anjely no fijeriny ny tarehiny.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 7

Ny lahatenin’i Etienina

1 Ary hoy ny mpisorona: «Moa dia izany tokoa va?»

2 Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,

3 ka nanao taminy hoe: ‹Ilaozy ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hatoroko anao.›

4 Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeanina izy ka nonina tany Haràna. Ary nony maty irainy, dia nasain’Andriamanitra nifindra amin’ity tany onenanareo ankehitriny ity izy.

5 Tsy mba nomeny lova teto izy, na dia tany iray dia aza; nefa kosa fony mbola tsy nanan-janaka akory izy, dia efa nampanantenainy fahomeny ho lovan’izy sy ny taranany ity.

6 Izao no nolazain’Andriamanitra: ‹Honina amin’ny tany hafa ny taranany, ary handevozina sy hampahorina efajato taona.

7 Nefa hotsaraiko, hoy ny Tompo, ny firenena izay hanandevo azy, ary raha efa izany dia hivoaka izy ka hanompo Ahy amin’ity tany ity.›

8 Dia nomenyfanekena amin’ny famoranai Abrahama, ka nony niteraka an’i Isaaka dia namora azy tamin’ny andro fahavalo;i Isaaka kosa niteraka sy namora an’i Jakôba, ary i Jakôba namora an’ireo Patriarka roa ambin’ny folo lahy.»

9 «Ary ireo Patriarkanialona an’i Josefa ka namidiny ho any Ejipta izy; nefa nomban’Andriamanitra kosa.

10 Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sadynomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.

11 Tamin’izay dia nisy mosary eran’i Ejipta sy i Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika.

12 Nony ren’i Jakôba fa nisy hanina tany Ejipta,dia naniraka ny razantsika ho any Izy, voalohany izay.

13 Ary tamin’ny fanindroany dia fantatry ny rahalahiny i Josefa, sady fantatr’i Faraôna koa ny niaviany.

14 Tamin’izay i Josefa dia nampaka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny mpianakaviny rehetra izay nisyolona dimy amby fitopolo.

15 Dia nidina tany Ejipta i Jakôba, ka tany no nahafatesan’izy sy ny razantsika.

16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hemora tany Sikema.»

17 «Nony efa akaiky ny fotoana hahatanterahan’ny teny napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nitombo sy nihabetsaka ny olona tany Ejipta,

18 mandra-pitsangan’ny hafa tany, izay tsy nahalala an’i Josefa.

19 Nanao hafetsen-dratsy tamin’ny firenentsika izany mpanjaka izany, ka nampahory ny razantsika tamin’ny famoretana azy hanary ny zaza vao teraka, mba tsy ho velona ireny.»

20 «Tamin’izany andro izany no nahaterahan’i Môizy,izay tsara tarehy teo imason’Andriamanitraka notezaina telo volana teo an-tranon-drainy aloha.

21 Ary nony nariana indray, dia nalain’ny zanaka vavin’i Faraôna, sy notezainy ho zanany izy,

22 ka nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny mponina any Ejipta, sy nahery tamin’ny teniny aman’asany.

23 Nony efapolo taona izy, dia tonga tao an-tsainy ny hamangy nyzanak’i Israely rahalahiny.

24 Dia nahita anankiray tamin’izy ireo nampahorîna izy, ka niaro azy, sy namono nahafaty an’ilay Ejiptianina nampahory azy mba hamaliany faty an’ireo.

25 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny, fa ny tanany no hamonjen’Andriamanitra azy, kanjo tsy fantany.

26 Ny ampitson’iny, dia tojo roa lahy niady izy, ka nanao izay hihavanany sy nilaza hoe: ‹Ry sakaiza, mpirahalahy ianareo, ka nahoana no dia mifamely?›

27 Fa natosik’ilay namely maina ny namany izy ka nataony hoe: ‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara anay?

28 Sao dia tadiavin’ialahy hovonoina, tahaka an’ilay Ejiptianina omaly koa anie aho?›

29 Dia nandositra i Môizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin’ny tany Madiàna, ary niteraka zanaka roa lahy tany.»

30 «Rehefa afaka efapolo taona,dia nisy Anjelyniseho taminy, tany an’efitry ny tendrombohitra Sinaia, teo anaty lelafo amin’ny hazo kely milobolobo.

31 Gaga i Môizy nahita izany;ary nony nanatona handinika izy, dia nandre ny feon’ny Tompo nanao hoe:

32 ‹Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba.› Tera-kovitra terỳ i Môizy ka tsy sahy nijery akory.

33 Ary hoy ny Tompo taminy:‹Esory ny kiraro amin’ny tongotrao, fa masina io tany hitsahinao io.

34 Efa hitako ny fahorian’ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany, ka nidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny handeha hirahiko ho any Ejipta ianao.›»

35 «Io ilay Môizy nolaviny sy nataony hoe:‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara?›Kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban’ilay Anjely niseho taminy tao amin’ny hazo kely milobolobo.

36 Izy ihany no nanafaka azy ireo,tamin’ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta,sy tao amin’ny ranomasina Mena, arytany an’efitra efapolo taona.

37 Io Môizy io ihany koa no nilaza tamin’ny zanak’i Israely hoe:‹Andriamanitra hanangana Mpaminany anankiraytahaka ahy ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, dia hihaino azy ianareo.›

38 Izy ihany koa, tamin’ny fiangonana tany an’efitra, nomban’ny Anjely niteny taminy teny an-tendrombohitra Sinaia sy ny razantsika, no nandray ny tenin’ny fiainana sy namindra azy tamintsika.

39 Nefa tsy nety nanaiky azy ny razantsika, fa nanohitra azy, ary vao mainkamanina an’i Ejipta aza

40 ka nanao tamin’i Aarôna hoe: ‹Anaovy andriamanitra izahay hitari-dalana anay, fa tsy fantatray izay nanjò an’ilay Môizy nitondra anay avy tany Ejipta iny.› »

41 Dia nanao sarin-janak’omby izy ireo tamin’izany andro izany,ka nanao soronatamin’io sary io, ary niravoravo tamin’ny asan-tanany.

42 Fa nilaozan’Andriamanitra izy ireo, ka navelany hanompo ny tafiky ny lanitra.

43 Tsia, fa ny tranolain’i Môlôka no nentinareo sy ny kintan’i Raifàna andriamanitrareo, dia ireo sarin-javatra hataonareo hivavahana. Noho izany, dia hafindrako ho any an-dafin’i Babilôna kosa ianareo, araka izay voasoratra amin’ny bokin’ny mpaminany hoe:Ry taranak’i Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra tamiko ianareo, nandritra ny efapolo taona tany an’efitra?

44 Ny tranolain’ny fanekena dia tao amin’ny razantsika tany an’efitra, araka ny didin’Ilay nilaza tamin’i Môizy hanao azy araka ny marika efa hitany.

45 Io tranolay io, tamin’ny andron’i Jôsoe, dia noraisin’ny razantsika ka nentiny niditra tany amin’ny tanin’ireo firenena izay noroahin’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo, ary naharitra hatramin’ny andron’i Davida.

46 Nankasitrahin’Andriamanitra io mpanjaka io, ka nangatakamba hanao trano ho an’ny Andriamanitr’i Jakôba;

47 kanefai Salômôna ihany no nanao trano ho Azy.

48 Tsy mitoetra ao amin’izay trano nataon-tanan’olona anefa ny Avo indrindra araka ny voalazan’ny mpaminany hoe:

49 Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?

50 Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?

51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva ianareo; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.

52 Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo ny hahatongavan’ilay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy.

53 dia ianareo izay nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’ny Anjely, kanefa tsy nitandrina azy.

54 Nony nandre izany izy ireo, dia nisafoaka ny fony, ary nihidy vazana taminy izy.

I Saoly mpanenjika

55 Fa i Etienina kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: «Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.»

56 Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadìny no niara-niantoraka taminy.

57 Dia notarihiny tany ivelan’ny tanàna izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.

58 Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etienina kosa nivavaka nanao hoe: «Jesoa Tompo ô! raiso ny fanahiko.»

59 Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.» Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 8

1 Tamin’izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apôstôly ihany.

2 Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etienina, sady nitomany azy fatratra.

3 Fa i Saoly kosa nanenjika ny Eglizy; nidirany nosarihiny tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina.

I Filipo tany Samaria

4 Ry zareo niely tamin’izay, dia nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra.

5 Ary i Filiponidina tany an-tanànan’i Samaria, ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.

6 Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy.

7 Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;

8 ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!

I Simôna mpanao mazia

9 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Simôna, izay efa tao an-tanàna rahateo: mpamoha angatra nahatalanjona ny vahoakan’i Samaria izy io, ka nanao ny tenany ho zavatra.

10 Nanaraka azy avokoa ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe, fa «ity lehilahy ity no Herin’Andriamanitra izay atao hoe Hery lehibe,» hoy izy ireo.

11 Efa voarebirebin’ny zava-mahatalanjona nataony hatry ny efa izy ireo, ka izany no nanarahany azy.

12 Fa rehefa nino an’i Filipo izay nitory ny fanjakan’Andriamanitra sy ny Anaran’i Jesoa Kristy izy ireo, dia natao Batemy avokoa na lahy na vavy.

13 Na ny tenan’i Simôna aza dia mba nino; ary rehefa natao Batemy izy dia tsy nahasaraka an’i Filipo, sady talanjona erỳ nahita ny famantarana amam-pahagagana lehibe tanteraka teo anatrehany.

14 Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.

15 Nony tonga tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina;

16 satria vita Batemy tamin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.

17 Dia nametrahany tananaizy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina.

18 Nony hitan’i Simôna fa fametrahan’ny Apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nanolotra vola azy izy.

19 nanao hoe: «Mba omeo ahy koa izany fahefana izany mba handray ny Fanahy Masina izay rehetra hametrahako tanana.» Fa hoy i Piera taminy:

20 «Aoka ho very miaraka amin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bolany fanomezan’Andriamanitra.

21 Tsy manana anjara amin’ity raharaha ity ianao na dia kely aza, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra.

22 Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ary mangataha amin’ny Tompo mba hamela izany hevitry ny fonao izany raha azo atao,

23 satria hitako fa mbola anatin’ny fialonana mangidy sy voafatotry ny ota mihitsy ianao.»

24 Dia namaly i Simôna ka nanao hoe: «Mivavaha ho ahy amin’ny Tompo ianareo, mba tsy hanjò ahy izay voalazanareo.»

25 Nony efa nanambara sy nitory ny tenin’ny Tompo izy roa lahy, dia niverina tany Jerosalema, ka nitory ny Evanjely tamin’ny vohitra maro eran’i Samaria.

I Filipo manao Batemy ilay olom-bositra

26 Ary nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo ka nanao hoe: «Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.»

27 Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiôpia, olom-bositra sy manamboninahitra lehibe tao amin’i Kandasy mpanjakavavin’i Etiôpia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tao Jerosalema mba hivavaka.

28 Nony niverina izy, ka nipetraka teo ambonin’ny kalesiny, dia namaky ny bokin’i Izaia mpaminany.

29 Ary hoy ny Fanahy Masina tamin’i Filipo: «Mandehana manatona io kalesy io.»

30 Dia nihazakazaka i Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin’i Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: «Moa fantatrao tsara va izay vakinao?»

31 Ka hoy izy: «Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?» Dia nangataka an’i Filipo hiakatra ho eo aminy izy.

32 Ary izao no novakiny tao amin’ny Soratra Masina:«Nentina hovonoina mova tsy ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak’ondry moana eo anatrehan’ny mpanety Azy.

33 Fitsarana miangatra erỳ no nanesorana Azy;ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin’ny tanin’ny velona izy?»

34 Dia niteny tamin’i Filipo ilay olona nanao hoe: «Masìna ianao, iza no antsoin’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany ve sa olon-kafa?»

35 Ary i Filipo niloa-bava, nanomboka tamin’ireo tenin’ny Soratra Masina ireo, ka nitory an’i Jesoa taminy.

36 Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: «Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao Batemy?»

37 Dia hoy i Filipo: «Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao, dia azo atao ihany izany.» Ary namaly izy nanao hoe: «Mino aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.»

38 Dia nasainy najanona ny kalesy, ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy i Filipo, ka nanao Batemy azy i Filipo.

39 Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo, nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy.

40 Fa i Filipo kosa tonga tany Azota, ary nitory ny Evanjely tamin’ny tanàna rehetra nandalovany mandra-pahatongany tany Sezarea.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 9

Ny niantsoana an’i Saoly

1 Tamin’izany i Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,

2 nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany, na lahy na vavy.

3 Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy.

4 Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahyianao?»

5 Ka hoy izy: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Ary hoy ny Tompo: «Izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.»

6 Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: «Tompo ô! inona no tianao hataoko?»

7 Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy ataonao.» Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza.

8 Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasy.

9 Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro.

10 Tao Damasy fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe: «Ry Anania.» Dia hoy izy: «Inty aho, Tompoko.»

11 Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy; tadiavo ao an-tranon’i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa efa mivavaka izy izao.»

12 (Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahyanankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy).

13 Ary i Anania namaly hoe: «Tompoko, reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io tamin’ny olonao masina tao Jerosalema;

14 ary atỳ indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona indray koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.»

15 Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidyho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;

16 ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.»

17 Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tananataminy nanao hoe: «Ry Saoly rahalahy, i Jesoa Tompo Izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao sy ho feno ny Fanahy Masina.»

18 Niaraka tamin’izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao Batemy;

19 ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray.

Toritenin’i Paoly tany Damasy

Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly,

20 ary nitory teo amin’ny sinagoga niaraka tamin’izay izy, ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.

21 Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: «Tsy ity va ilay nanenjika an’izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atỳ mba hitondra azy am-patorana ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona»

22 Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy, naneho marimarina tamin’izy ireo fa i Jesoa no Kristy.

23 Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jody;

24 fantatr’i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan’izy ireo andro aman’alina ny vavahady mba hamonoany azy;

25 kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobika, dia nampidininy tamin’ny manda.

Famangian’i Paoly tany Jerosalema

26 Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy.

27 Tamin’izay nalain’i Baranabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly, dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy.

28 Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo.

29 Niresaka tamin’ny Jentily koa izy, ary niady hevitra tamin’ny Helenista; kanjo notadiavin’ireo hovonoina.

30 Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa.

Andro nilamina

31 Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.

I Piera nanasitrana malemy tao Lidà

32 Tamin’izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin’ny olona masina izay nonina tao Lidà koa,

33 ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,

34 ary nanao taminy hoe: «Ry Enea, hanasitrana anao i Jesoa Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao.» Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.

35 Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Sarôna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa.

I Piera nanangan-ko velona an’i Dôrkasy vehivavy tao Jôpe

36 Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.

37 Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroina ny fatiny, dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony.

38 Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany; ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: «Aza miatoato hankatỳ aminay.»

39 Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.

40 Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.

41 Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.

42 Niely eran’i Jôpe manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo.

43 Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe, tao amin’ny mpandòn-koditra anankiray atao hoe Simôna.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 10

I Piera nankany amin’i Kôrnely, mpifehy zato rômanina

1 Ary tany Sezarea nisy lehilahy anankiray atao hoe Kôrnely, kapiteny tamin’ny antoko miaramila atao hoe Italianina.

2 Olona tia vavaka sy natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra, ary nanao fiantrana be tamin’ny olona sy nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva.

3 Indray antoandro tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia nisy Anjelin’Andriamanitra anankiray hitany miharihary tamin’ny tsindrimandry, niditra tao aminy, sy nilaza taminy hoe: «Ry Kôrnely!»

4 Dia nijery azy izy, ka raiki-tahotra, sy nanao hoe: «Ahoana, Tompoko?» Ary hoy ny Anjely taminy: «Tafakatra eo anatrehan’Andriamanitra ho fahatsiarovana anao ny vavakao sy ny fiantranao.

5 Koa ankehitriny, maniraha olona ho any Jôpe haka an’i Simôna anankiray, izay atao hoe Piera.

6 Mitoetra ao an-tranon’i Simôna mpandòn-koditra eo amoron-dranomasina izy, ary izy no hilaza aminao ny tsy maintsy ataonao.»

7 Nony lasa ilay Anjely niteny taminy, dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony i Kôrnely sy miaramila anankiray tia vavaka, anisan’izay nanao raharaha taminy,

8 ka rehefa nitantarany ny zavatra rehetra izy ireo, dia nirahiny ho any Jôpe.

9 Nony ampitso, raha mbola teny an-dalana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin’ny tanàna, i Piera kosa niakatra teo ambonin’ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin’ny ora fahenina.

10 Raha efa izany, dia noana izy ka te hihinana; kanjo, ny olona nanao nahandro ho azy, izy azon-tsindrimandry.

11 Nahita ny lanitra nisokatra izy sy zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra ho etỳ an-tany.

12 Ary tao anatiny nisy ny biby rehetramanan-tongotra efatra, sy ny biby mandady etỳ an-tany, ary ny voromanidina;

13 Dia nisy feo nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Piera; mamonoa ka mihinàna.»

14 Fa namaly i Piera ka nanao hoe: «Sanatria, Tompoko, tsy mbola nihinan-javatra fady sy maloto aho.»

15 Fa hoy indray ilay feo taminy: «Aza ataonao hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.»

16 Intelo no naverina natao izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’izay ilay zavatra.

17 Mbola mieritreritra ny hevitry ny zavatra hitany tamin’ny tsindrimandry eo i Piera no inay tonga ao am-bavahady ny irak’i Kôrnely manontany ny tranon’i Simôna.

18 Dia niantso izy ireo, ka nanontany raha mitoetra ao i Simôna, izay atao hoe Piera.

19 Amin’izany i Piera dia mbola nieritreritra ny fahitana eo ihany, ka hoy ny Fanahy taminy: «Indreo misy olona telo lahy mitady anao;

20 koa mitsangàna, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, fa aza misalasala, satria izaho no naniraka azy.»

21 Dia nidina niaraka tamin’izay i Piera, nanatona ireo lehilahy ireo, ka nanao taminy hoe: «Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ny nahatongavanareo atỳ?»

22 Ary hoy ny navalin’ireo: «I Kôrnely kapiteny, lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra ary ankasitrahin’ny Jody rehetra, no nahazo teny tamin’ny Anjely masina anankiray mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino ny teninao.»

23 Dia nampiantrano azy mba handry ao i Piera.

Nony ampitso, dia niainga niaraka tamin’izy ireo izy mbamin’ny rahalahy sasany tao Jôpe.

24 Ny ampitson’izay indray, dia niditra tao Sezarea izy. Efa niandry azy izany ry i Kôrnely mbamin’ny havany sy ny sakaiza malalany izay nangoniny.

25 Vao niditra i Piera, dia notsenain’i Kôrnely, ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy.

26 Fa nasain’i Piera nitsangana izy, nataony hoe: «Mitsangàna, fa olona ihany aho.»

27 Sady niresaka taminy izy no niditra tao an-tranony, ary namantana olona betsaka tafavory tao.

28 Dia hoy izy tamin’izy ireo: «Fantatrareo fa fady amin’ny Jody ny mikambana amin’ny Jentily na ny miantrano ao aminy; nefa nasehon’Andriamanitra ahy, fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy madio.

29 Koa tsy nisalasala aho, fa nandeha raha vao nampanalainareo, ka inona àry izato anton’ny nampangalanareo ahy?»

30 Dia hoy i Kôrnely: «Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin’ny ora fahasivy, ka nanao hoe:

31 ‹Ry Kôrnely, nekena ny vavakao, ary notsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.

32 Koa maniraha ho any Jôpe, ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera, mitoetra ao an-tranon’i Simôna mpandòn-koditra eo amoron-dranomasina, fa izy no hilaza aminao.›

33 Dia naniraka ho any aminao niaraka tamin’izay aho; ka tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, vory eto anatrehanao izahay rehetra, mba hihaino ny zavatra rehetra asain’Andriamanitra lazainao aminay.»

Lahatenin’i Piera tany amin’i Kôrnely

34 Dia niloa-bava i Piera ka nanao hoe: «Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra:

35 fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny, na aiza na aiza firenena misy azy.

36 Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy,mba hanambara fiadananaamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay Tompon’izao rehetra izao.

37 Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorìn’i Joany:

38 dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izaynohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masinasy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.

39 Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo;

40 nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary,

41 tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy; rehefa nitsangan-ko velona Izy.

42 Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty.

43 Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.»

Natao Batemy ireo Jentily voalohany

44 Mbola miteny eo i Piera no nidina tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina,

45 ka talanjona fatratra ny mpino voafora tonga teo niaraka tamin’i Piera, nahita fa nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina,

46 satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo.

47 Dia hoy i Piera: «Azo lavina tsy hatao Batemy amin’ny rano va ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto?»

48 Koa ireo, nasainy natao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo; izy kosa nangatahin’ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.