Categories
Baròka

Baròka 1

I Baròka sy ny fivoriamben’ny Jody tany Babilôna

1 Izao no teny ao amin’ny boky nosoratan’i Baròka zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa zanak’i Sedekiasa zanak’i Sedeì zanak’i Helkiasa, tany Babilôna,

2 tamin’ny taona faha-5, andro faha-7n’ny volana, tamin’ny andro nahafahan’ny Kaldeanina an’i Jerosalema sy nandoroany azy.

3 Ny teny amin’ity boky ity dia novakin’i Baròka tamin’ny sofin’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny sofin’ny vahoaka rehetra izay tonga hihaino izany boky izany;

4 tamin’ny sofin’ireo lehibe sy ireo zanak’andriana, ary tamin’ny sofin’ny loholona sy tamin’ny sofin’ny vahoaka rehetra hatramin’ny kely indrindra, ka hatramin’ny lehibe indrindra, dia izay rehetra nitoetra tany Babilôna akaikin’ny ony Sodi.

5 Nitomany sy nifady hanina ary nivavaka tamin’ny Tompo izy ireo, nandre izany.

6 Nanangom-bola izy ireo araka izay zakany afoy avy, samy araka ny toe-pananany;

7 dia nampitondrainy ho any Jerosalema amin’i Jôakima zanak’i Helkiasa zanak’i Salôma, mpisorona, sy amin’ny mpisorona sasany mbamin’ny vahoaka rehetra niara-nitoetra taminy tany Jerosalema.

8 Azon’i Baròka indray tamin’izay ny fanaky ny tranon’ny Tompo, nentina avy any amin’ny Tempoly, ka nalefany ho any amin’ny tanin’i Jodà, tamin’ny andro faha-10n’ny volana Sivàna, dia ireo fanaka volafotsy nataon’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà;

9 nony efa nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Jerosalema i Jekôniasa, ny mpanapaka, ny antoka, ny lehibe mbamin’ny sarambabem-bahoaka amin’ny tany, ka nentiny ho any Babilôna.

10 Hoy izy ireo: Indro, mampitondra vola ho anareo izahay; izany vola izany ividiano izay hanaovana sorona dorana, sorona fanonerana, emboka manitra; manaova fanatitra koa, ary atolory eo ambonin’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitra.

11 Mivavaha ho an’ny ain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ary mba ho an’ny ain’i Baltasara zanany mba ho toy ny andro any an-danitrany androny eto an-tany;

12 ary homen’ny Tompo hery isika; hampamirapiratany amin’ny masontsika ny mazava; hiaina eo ambanin’ny alokalok’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna isika, sy eo ambanin’ny alok’i Baltasara zanany; ho lava andro hanompoana azy isika, sy hahita fitia eo imasony.

13 Mivavaha koa amin’ny Tompo Andriamanitsika, ho antsika; satria efa nanota tamin’ny Tompo Andriamanitsika isika; ary mbola tsy niala tamintsika mandrak’androany ny hatezerana amam-pahaviniran’ny Tompo.

14 Vakio ity boky ity, izay ampitondrainay anareo, mba hamakiana azy ampahibemaso, ao amin’ny tranon’ny Tompo, amin’ny andro fety sy amin’ny fivoriana.

15 ka ataovy hoe:

Fiaikena heloka

An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana; antsika kosa ny henatra amin’ny tava, araka izao hita anio izao, ho an’ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema,

16 ho an’ny mpanjakantsika sy ny mpanapaka, ho an’ny mpisorontsika mbamin’ny mpaminany, sy ho an’ny razantsika.

17 Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika;

18 ary tsy nanaiky Azy. Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, tsy nanaraka ny didin’ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika.

19 Hatramin’ny andro nitondran’ny Tompo ny razantsika hiala tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka ankehitriny, dia tsy nety hoentin’ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony.

20 Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon’izay ozona notononin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely.

21 Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, araka ny teny rehetra nataon’ireo mpaminany, izay nirahiny hankatỳ amintsika.

22 Dia nandeha isika, samy nanaraka ny fitongilanan’ny fony ratsy avy, mba hanompo andriamani-kafa, sy hanao ny ratsy eo imason’ny Tompo Andriamanitsika.

Categories
Baròka

Baròka 2

1 Izany no nanatanterahan’ny Tompo Andriamanitsika ny teniny, izay voalazany hamelezana antsika, na ny mpitsara izay nitsara an’i Israely, na ny mpanjakantsika ama-mpanapaka antsika, na ny olona rehetra amin’i Israely sy i Jodà.

2 Nandrahonany antsika, fa hahatonga loza lehibe amintsika Izy, dia loza tsy mbola nisy toa azy tatỳ ambanin’ny lanitra rehetra; araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, araka izay efa niseho tokoa tany Jerosalema,

3 fa hoe: samy hihinana ny nofon’ny zanany lahy isika, sy ny nofon’ny zanany vavy avy.

4 Ary napetrany eo ambanin’ny tanan’ny mpanjaka rehetra manodidina antsika izy ireo, mba ho fandatsa sy fitalanjonan’ny firenena rehetra, amin’izay namelezan’ny Tompo antsika.

5 Ka isika natao hanapaka, no tonga mpanoa; satria nanota tamin’ny Tompo Andriamanitsika, tamin’ny tsy nanekentsika ny feony.

6 An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana, fa ny henatra manafotra ny tarehy no antsika sy ny razantsika, araka izao hita izao.

7 Ireo loza rehetra voalazan’ny Tompo ny amin’ny momba antsika, tonga tamintsika avokoa izao.

8 Ary tsy mba nivavaka tamin’ny Tavan’ny Tompo akory isika, hampiverenany antsika hiala amin’ny hevitry ny fontsika ratsy.

9 Koa notandreman’ny Tompo ny loza, ka nampiaviany hanjò antsika; satria marina ny Tompo, tamin’ny asa rehetra nandidiany antsika.

10 Ary isika tsy nihaino ny feony, tsy nitandrina ny didin’ny Tompo, izay nataony teo anoloantsika.

Fitalahoana

11 Ary ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitr’i Israely, izay nitondra ny vahoakanao niala tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny tanana mahery, sy tamim-pahagagana amam-pamantarana, tamin’ny fahefana lehibe aman-tsandry nahinjitra, sady nampanan-daza ny Anaranao, araka izao hita anio izao:

12 Nanota izahay, nanao asa manohitra ny fivavahana izahay, nanao ny tsy marina izahay, ry Tompo Andriamanitray, amin’ny mikasika ny didinao rehetra.

13 Aoka mba ho afaka aminay ny hatezeranao, fa efa sisany kely foana izahay eny amin’ny firenena nanelezanao anay!

14 Tompo ô, henoy ny vavakay amam-pifonanay. Vonjeo izahay noho ny amin’ny Tenanao, ary ataovy mahita fitia eo imason’ireo nitondra anay ho babo izahay,

15 mba hahalalan’ny tany rehetra fa Tompo Andriamanitray Ianao, satria ny Anaranao efa voaantso amin’i Israely sy ny taranany.

16 Tompo ô, aoka Ianao hitsinjo avy any amin’ny fonenanao masina, ka hihevitra anay, aoka hanongilan-tsofina sy hihaino anay;

17 sokafy ny masonao, ka jereo: Tsy mba ny maty izay any amin’ny Seoly, izay efa niala tao anatiny ny fanahiny, no manome voninahitra ny Tompo sy mankatò Azy,

18 fa ny velona, izay malahelo noho ny haben’ny loza manjò azy, izay mandeha mitanondrika sady lany hery, izay mavozovozo ny masony sy efa noana ny fanahiny, dia izy io no manome voninahitra Anao, ry Tompo, sy mankatò Anao.

19 Tsy mba noho ny fahamarinan’ny razanay ama-mpanjakany anefa, no anamparanay ny fivavahany eo anatrehanao, ry Tompo Andriamanitray.

20 Fa efa nalefanao hamely anay ny fahatezeranao amam-pahaviniranao, araka ny efa voalazanao tamin’ny vavan’ny mpaminany, mpanomponao; nataonao hoe: Izao no lazain’ny Tompo:

21 Aondreho ny sorokareo sy ny vozonareo, ka manompoa ny mpanjakan’i Babilôna;dia honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo.

22 Fa raha tsy mety mihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo ianareo, amin’ny fanompoana ny mpanjakan’i Babilôna,

23 dia hatsahatro eo amin’ny tanànan’i Jodà sy any ivelan’i Jerosalema, ny hira fifaliana sy ny hira firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny hiran’ny ampakarina, ary ho tonga efitra tsy misy mponina avokoa ny tany rehetra.

24 Tsy nety nihaino ny feonao izahay, amin’ny fanompoana ny mpanjakan’i Babilôna, ka dia notanterahinao ny teninao voatonon’ny vavan’ny mpaminany mpanomponao: nilaza fa ny taolan’ny mpanjakantsika, sy ny taolan’ny razantsika, hoesorina hiala ao am-pasany.

25 Ka indro fa natsipy teny ambonin’ny tany tokoa izany, nahahy tamin’ny hafanan’ny masoandro sy ny hatsiaky ny alina; ary ny razanay dia maty tamin’ny fijaliana mangidy, dia matin’ny hanoanana, ny sabatra, mbamin’ny pesta.

26 Ny trano izay niantsoana ny Anaranao, naetrinao amin’izao toetrany ankehitriny izao, noho ny haratsian’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.

27 Izay nataonao taminay, ry Tompo Andriamanitray ô, dia araka ny hatsaram-ponao rehetra, sy araka ny famindram-ponao lehibe rehetra,

28 araka ny nambaranao tamin’ny vavan’i Môizy mpanomponao, tamin’ny andro nandidianao azy hanoratra ny lalànao teo anatrehan’ny zanak’i Israely,

29 nataonao hoe: «Raha tsy mihaino ny feoko ianareo, izao olona zavon-tany be izao dia hampanjariako vitsy dia vitsy, any amin’ny firenena hampielezako azy

30 Fa fantatro fa tsy hihaino Ahy izy ireo satria vahoaka mafy loha izy. Handinika ao am-pony anefa izy, any amin’ny tany fahababoany,

31 ka hahalala fa Izaho no Tompo Andriamaniny ary homeko fo mahalala izy, sy sofina mahahaino.

32 Dia hidera Ahy any amin’ny tany fahababoana izy, sy hahatsiaro ny anarako.

33 Ary handà tsy ho mafy hatoka intsony izy, sy tsy hanaraka ny foto-keviny mamohehatra, satria hahatsiahy ny nanjò ny razany, izay nanota teo anatrehan’ny Tompo.

34 Koa hampodiko izy ho any amin’ny tany efa nianianako nampanantenaina ny razany, dia i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba, ka izy ireo no ho tompon’izany; ary hahamaro azy Aho, ka tsy hihavitsy izy.

35 Hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho, mba ho Andriamaniny Aho, ary mba ho vahoakako izy ireo, ka tsy handroaka an’i Israely vahoakako intsony hiala amin’ny tany efa nomeko azy.»

Categories
Baròka

Baròka 3

1 «Ry Tompo tsitoha Andriamanitr’i Israely ô, fanahy ory sy saina poritra no mitaraina aminao.

2 Mihainoa, ry Tompo, ary mamindrà fo, fa nanota teo anatrehanao izahay,

3 fa Ianao mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay; ary izahay dia maty tsy an-kifody.

4 Ry Tompo tsitoha Andriamanitr’i Israely, henoy ny vavak’ireto maty amin’i Israely sy ny taranak’ireo nanota teo anatrehanao, fa tsy nihaino ny feon’ny Andriamaniny ireny, ka fototr’izao loza mipetraka aminay izao.»

5 Aza tsarovanao intsony ny helokyny razanay, fa ny herinao sy ny Anaranao no tsarovy amin’izao fotoana izao.

6 Satria Ianao no Tompo Andriamanitray, ka hidera Anao izahay, ry Tompo.

7 Izany no nanaovanao ao am-ponay ny fahatahorana Anao, mba hiantsoanay ny Anaranao; dia hideranay Anao atỳ amin’ny fahababoanay; fa nesorinay tao am-ponay ny heloky ny razanay, izay nanota teo anatrehanao.

8 Indreto izahay ankehitriny, atỳ amin’ny fahababoanay, nanelezanao anay, hatao fandatsa, sy fanozona ary onitra, araka ny heloka rehetra nataon’ny razanay, izay nihataka tamin’ny Tompo Andriamanitray.

III NY FAHENDRENA, TOMBON-TSOA NOMENA AN’I ISRAELY

9 Mihainoa, ry Israely, ny lalàm-piainana;

manongilàna sofina, hianatra ny fahamalinana.

10 Ahoana sy ahoana ange, ry Israely, ity ianao

no atỳ amin’ny tanim-pahavalo;

ka reraka atỳ amin’ny tanin’ny firenen-kafa,

sy mandoto tena amin’ny maty,

11 ka atao ho anisan’izay efa tafiditra any amin’ny Seoly?

12 Nandao ny loharanom-pahendrena Ianao,

13 satria, raha nandeha tamin’ny lalan’Andriamanitra ianao,

dia ho nitoetra tamin’ny fiadanana mandrakizay!

14 Fantaro izay misy ny fahendrena,

sy ny hery, ary ny fahazavan-tsaina,

mba ho fantatrao miaraka amin’izany koa

izay misy ny fahazavana ho an’ny maso, sy ny fiadanana.

15 Iza no efa nahita ny toerana misy ny fahendrena;

ary zovy no efa niditra tao amin’ny firaketany?

16 Aiza ny mpanapaka ny firenena,

mbamin’izay nahafolaka ny bibin’ny tany,

17 sy izay nilalao ny voromanidina,

18 sy nanangona volafotsy amam-bolamena,

izay anankinan’ny olombelona ny fitokiany

sady tsy misy farany ny fananany?

Ireo olona manangona vola, sy misahiranaamin’izany,

tsy ho hita soritra akory ny asa nisasarany!

19 Fa lasa izy, nidina any amin’ny Seoly,

ary hafa no mitsangana mandimby azy.

20 Nisy ihany zatovo nahita ny fahazavana,

ka nonina teto ambonin’ny tany,

nefa tsy nahita ny lalan’ny fahendrena izy;

21 na nahalala ny sakeli-dalana akory;

ny zanany koa tsy nahazo an-tsaina azy io;

lavitra ny lalany izy ireo.

22 Tsy re nolazaina tany amin’ny tany Kanaana izy,

na hita tany Temàna.

23 Ireo zanak’i Agaraizay mitady ny fahendren’ny tany,

ireo mpandranto avy any Merà sy Temàna;

ireo mpivaofy fanoharana sy ireo mpikaroka fahamalinana,

tsy misy nahalala izay lalan’ny fahendrena,

na nahatadidy ny sakeli-dalany akory.

24 Ry Israely ô, akory ny halehiben’ny tranon’i Iaveh,

akory ny halalaky ny tany anjakany!

25 Malalaka tsy misy fetra izy,

sady avo tsy hita lany.

26 Tany, hatramin’ny fahiny fahagola, no nitoeran’ireo olo-malaza goavam-be,

ranjanana sy mahay amin’ny ady.

27 Nefa tsy izy ireo no nofidin’Andriamanitra,

ary tsy izy ireo no natorony ny lalan’ny fahendrena.

28 Dia maty izy, fa tsy nanana ny fahalalana marina,

maty izy, noho ny hadalany.

29 Iza no niakatra tany an-danitra, ka nisambotra ny fahendrena

sy nampidina azy avy amin’ny rahona?

30 Iza no nita ny ranomasina, ka nony nahita azy

dia nitondra azy notambazana volamena madio indrindra?

31 Tsy misy olona mahalala ny lalany,

na mba namantatra tsara izay sakeli-dalany akory.

32 Fa Ilay mahalala ny zavatra rehetra no mahalala azy;

Izy no mahita azy amin’ny fahiratan-tsainy,

dia Ilay nanorina ny tany ho mafy mandrakizay,

sy nameno azy ireo biby manan-tongotra efatra;

33 Ilay maniraka ny fahazavana, dia lasa io,

sy miantso azy, dia manaiky amim-pangovitana izy.

34 Ireo kintana mamirapiratra eo amin’ny fitoerany,

ka mifaly erỳ,

35 dia antsoiny ka mamaly hoe: Indreto izahay!

dia mamirapiratra amin-kafaliana ireo, ho an’Ilay nahary azy.

36 Izy no Andriamanitsika

ary tsy misy hafa mitovy aminy.

37 Nahita ny lalan’ny fahendrena rehetra Izy

ka nanome izany ho an’i Jakôba mpanompony,

sy ho an’i Israely olo-malalany.

38 Raha efa izany, dia niseho teto an-tany Izy

ka niresaka tamin’ny olombelona.

Categories
Baròka

Baròka 4

1 Ny fahendrena dia ilay bokin’ny didin’Andriamanitra

sy ny lalàna maharitra mandrakizay.

Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin’ny fiainana,

fa izay mandao azy kosa ho any amin’ny fahafatesana.

2 Miverena, ry Jakôba, sy mifikira aminy,

ary mizora amin’ny fahazavany mamirapiratra.

3 Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrao,

na ho an’ny firenen-kafa ny tombon-tsoanao.

4 Sambatra isika, ry Israely ô,

fa nanambaràna izay sitrak’Andriamanitra!

IV TARAINA AMAM-PANANTENAN’I JEROSALEMA

5 Matokia, ry oloko,

fahatsiarovana an’i Israelyô!

6 Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena,

tsy mba ny haringana;

fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,

no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.

7 Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,

tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,

fa tsy tamin’Andriamanitra.

8 Nanadino an’Ilay namela anareo ianareo,

dia Andriamanitra mandrakizay,

ary nampalahelo an’Ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;

9 Fa hitany miantefa aminareo

ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:

Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,

fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.

10 Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;

sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.

11 Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,

fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.

12 Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondratena

sy nilaozan’ny maro be!

Efa lao aho, noho ny fahotan’ireo zanako,

satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra;

13 tsy nasiany raharaha ny didiny,

tsy nandeha tamin’ny lalan’ny didin’Andriamanitra,

ary tsy nanaraka ny lalan’ny fahaiza-manaiky,

araka ny fahamarinana.

14 Aoka ho avy ny mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna!

Tsarovy ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy,

izay nampiharin’ny Mandrakizay tamin’izy ireo.

15 Fa nasainy tonga hamely azy ireo ny firenena avy lavitra,

firenena masiaka, manao teny barbarianina,

16 tsy mahalala manaja ny anti-panahy,

na mangoraka ny ankizy madinika,

fa nifaoka ny malalan’ny mpitondratena

sady namela ahy ho irery voasaraka tamin’ny zanako vavy.

17 Ary hataoko ahoana moa ny famonjy anareo?

18 Ilay nahatonga izany loza izany taminareo,

dia Izy ihany no hanafaka anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo.

19 Mandehana, anaka, mandehana,

fa izaho tafajanona irery!

20 Nesoriko ny akanjo fitondra amin’ny andro firavoravoana,

fa ny lasàkan’ny fifonako no nitafiako;

hitaraina amin’ny Avo Indrindra aho, mandritra ny andro iainako.

21 Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,

ary Izy hanafaka anareo amin’ny fahefana

sy amin’ny tanan’ny fahavalonareo.

22 Ilay Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo,

ka tonga amiko ny hafaliana avy amin’ilay Masina, noho ny famindram-po

hataon’ilay Mandrakizay, Mpamonjy anareo, ho tonga aminareo.

23 Izaho namela anareo handeha tamin-dranomaso amam-pisaonana;

fa Andriamanitra kosa hamerina anareo amiko, amin-kafaliana

sy amim-piravoravoana ho mandrakizay.

24 Toy ny nahitan’ireo mifanolo-bodirindrina

amin’ny Siôna ny fahababoanareo

no hahitanay faingana ny famonjena anareo, amin’Andriamanitra,

izay ho tonga aminareo amim-boninahitra lehibe,

sy amin-daza mamirapiratra ho an’ilay Mandrakizay.

25 Anaka, lefero amim-pahendrena ny fahatezeran’Andriamanitra tonga aminareo.

Ny fahavalonareo nanenjika anareo;

fa vetivetydia ianareo kosa indray no hahita ny faharavàny,

sy hanitsaka ny hatony, amin’ny tongotrareo.

26 Nandia lalana maraorao ny zanako malemilemy indrindra;

notsoahana toy ny andian’ondry norobain’ny fahavalo izy ireo.

27 Matokia, anaka, ary miantsoa ny Tompo;

fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.

28 Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra

no hikatsahanareo azy amin-kafanam-po impolo heny

rehefa tafaverina aminy ianareo.

29 Satria ilay nahatonga loza taminareo,

dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa

amin’ny famonjena anareo.

30 Matokia, ry Jerosalema,

fa hampionona anao Ilay nanome anao ny Anarany.

31 Loza ho an’izay nanisy ratsy anao,

sy nifaly tamin’ny fahavalonao!

32 Idiran-doza izay tanàna naha-andevo ny zanako!

Idiran-doza izay nandray azy ireo ho babo!

33 Toy ny nifaliany tamin’ny faharavanao,

sy nihobiany tamin’ny fahalavoanao,

no halahelovany amin’ny faharinganany.

34 Hesoriko aminy ny hafaliany noho ny hamaroan’ny mponina ao aminy,

dia hiova ho fisaonana ny reharehany.

35 Hisy afo avy amin’ilay Mandrakizay, ho tonga aminy

ho amin’ny andro lava,

ary mandritra ny andro ela

dia ho fonenan’ny fanahy ratsy izy.

36 Mijere miantsinanana, ry Jerosalema,

ka jereo ity hafaliana tonga aminao, avy amin’Andriamanitra.

37 Fa indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha taloha,

tonga izy, tafavory hatrany atsinanana ka hatrany andrefana

amin’ny feon’Ilay Masina,

miravoravo amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

Categories
Baròka

Baròka 5

1 Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;

fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra

tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy.

2 Mihodidìna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,

ataovy eo an-dohanao ny hamamin’ny voninahitr’ilay Mandrakizay.

3 Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao,

amin’ny tany rehetra, ambanin’ny lanitra.

4 Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:

Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka.

5 Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoanao,

mitazàna miantsinanana,

ka jereo irerỳ zanakao tafavory noho ny tenin’ilay Masina,

hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,

miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.

6 Mandeha tongotrano nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;

fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,

hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.

7 Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa

rehefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola,

ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hamarin-tampona ny tany,

mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana,

ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.

8 Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,

nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa

noho ny didin’Andriamanitra.

9 Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely,

amin’ny fahazavan’ny voninahiny,

hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

Kôpian’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia an’ireo hoentin’ny mpanjakan’ny Babilônianina ho babo any Babilôna, milaza amin’izy ireo ny nasain’Andriamanitra ambara aminy.

Categories
Baròka

Baròka 6

1 Noho ny fahotana nataonareo teo anatrehan’Andriamanitra, dia hoentin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna ianareo.

2 Ka rehefa tonga any Babilôna ianareo, dia hitoetra any taona maro amam-potoana lava, hatramin’ny taranaka fahafito; fa rehefa afaka izany, no hitondra anareo mivoaka avy any amim-piadanana Aho.

3 Ary any Babilôna ianareo dia hahita andriamanitra volafotsy na volamena na hazo, izay entin’ny olona an-tsoroka, sady maharaiki-tahotra ny firenena.

4 Koa mitandrema fa aza mba tahaka an’ireo hafa firenena ianareo, na mba mety ho azon-tahotra an’izany andriamanitra izany.

5 Fa rehefa mahita ny vahoaka be mifanizina eo aloha na avy eo aoriana sy hanome voninahitra an’ireny ianareo, dia izao no lazao ao am-ponareo: «Ianao, ty Tompo, no tsy maintsy hotsaohina!»

6 Fa momba anareo ny Anjeliko, ka izy no miahy ny ainareo.

7 Fa ny lelan’ireoandriamanitraireo, nolamboin’ny mpanao taozavatra; petahana volamena sy volafotsy, nefa fitaka ihany izy, fa tsy mahateny akory.

8 Hoatra ny atao amin’ny zazavavy tia haingo, noraisin’olona ny volamena, dia nanamboarany fehiloha hatao eo an-dohan’ireo andriamanitra ireo.

9 Ny mpisorona aza, sahy maka volamena amam-bolafotsy amin’ny andriamaniny, dia entina ataony amin’izay ilàny azy;

10 ny vehivavy janga ao an-tranonyaza hanomezany. Ravahan’izy ireo amin’ny fitafiana sarobidy, hoatra ny olona, ireo andriamanitra volafotsy, na volamena, na hazo ireo;

11 nefa tsy maharo tena amin’ny harafesina na ny olitra akory.

12 Rehefa avy notafiana akanjo jaky izy ireny, dia tsy maintsy fafàna koa ny tavany, noho ny vovoka ao an-tranony fa mandrakotra azy matevina be.

13 Indro, misy anankiray mitana tehim-panjakana, mova tsy ilay mpanapaka amin’ny faritany izy; nefa tsy hahavono izay manisy ratsy azy.

14 Misyanankirayhafa koa, mitan-tsabatra na famaky amin’ny tanany; nefa tsy mahay miaro tena amin’izay fahavalo ama-mpangalatra velively! Hita mazava amin’izany fa tsy andriamanitra akory ireny;

15 ka aza matahotra azy.

Tahaka ny vilany ananan’olona, rehefa vaky dia zary tsinontsinona; toy izany koa ny andriamanitr’izy ireo.

16 Raha apetrakareo ao an-trano izy ireny, dia fenon’ny vovoka avy amin’ny tongotr’izay miditra ao ny masony.

17 Toy ny fanidy tsara ny varavaran’ny trano maizina, izay asiana ny olona nanisy ratsy ny mpanjaka, na ny olona efa hoentin-kovonoina, no fiaron’ny mpisorona ny tranon’ireo andriamaniny, amin’ny varavarana mafy, amin’ny hidim-baravarana aman-karetsaka, fandrao robain’ny mpangalatra ireny.

18 Mandrehitra lalampy izy ireo, sady ataony maro be noho ny ho an’ny tenany, nefa iretsy andriamaniny tsy afa-mahita iray amin’izany akory.

19 Toy ny anankiray amin’ny sakamandimbin-trano izy ireo, ka ny olona milaza fa ny atiny efa lanin’ny bibikely, mivoaka avy amin’ny tany sy mandevona azy mbamin’ny fitafiany, nefa izy tsy mahatsiaro izany akory.

20 Ny tavany, nanjary maintin’ny setroka mipololotra avy ao an-trano.

21 Ny tenany aman-dohany, anidintsidinan’ny vorondolo aman-tsidintsidina, mbamin’ny voron-kafa; hatramin’ny saka avy no mikarenjy toy izany eo.

22 Ho fantatrareo amin’izany fa tsy andriamanitra akory ireny, ka aza matahotra azy.

23 Ny volamena apetraky ny olona handravahana azy, raha tsy misy manesotra ny harafesina aminy, tsy hainy ampamirapiratina akory, satria tsy mandre na inona na inona aza izy, tamin’ny nandrendrehana azy.

24 Novidin-dafo loatra ireo sampy ireo, nefa tsy misy fofon’aina kely akory.

25 Tsy manan-tongotra izy ireo, fa olona no milanja azy an-tsoroka, ka maneho amin’ny olona izy amin’izany ny tsy fahefany mahamenatra, Aoka hiara-menatra aminy koa izay manompo azy.

26 Raha potraka amin’ny tany izy, tsy afa-miarina ho azy; ary raha atsangan’olona izy, tsy afa-mihetsika ho azy eo; ary raha mirona izy, tsy afa-mijoro ho azy. Toy ny atao eo anatrehan’ny matyny fanatitra atao eo anatrehany.

27 Amidin’ny mpisorona ny sorona aterin’ny olona aminy, ka entiny manasoa ny tenany; ny vadin’ireo no manao omby sira amin’izany, sady tsy mba misy omeny na ny mahantra na ny kilemaina.

28 Na ny vehivavyvao avy niteraka, na izay mbola amin’ny toetra maloto, samy mikasika ny sorony. Koa rehefa fantatrareo amin’izany fa tsy andriamanitra ireny, dia aza atahoranareo.

29 Ary ahoana àry no hiantsoana an’ireny hoe andriamanitra? Fa vehivavy no tonga manolotrany fanatiny amin’ireo andriamanitra volafotsy, na volamena, na hazo ireo.

30 Ny mpisorona, aoan-tempolin’izy ireo, dia mipetraka, ny akanjony rovitra, ny lohany aman-tavany voaharatra; ary ny lohany tsy misatroka.

31 Minaonaona mikiakiaka eo anatrehan’ny andriamaniny izy ireo, mova tsy ny any amin’ny fihinanam-be raha misy maty.

32 Esorin’ny mpisorony ny fitafian’izy ireny, dia atafiny ny vadiny aman-janany.

33 Na asian-dratsy na asian-tsoa, samy tsy hisy voavaliny izany; tsy mahay manangana mpanjaka izy, na manongana azy.

34 Tsy mahay manome harena koa izy, na dia variraiventy aza. Raha misy nanao voady taminy, ka tsy manefa izany, dia tsy mitaraina izy.

35 Tsy hanafaka olona iray akory amin’ny fahafatesana izy, na hanatsoaka ny osa eo an-tanan’ny manam-pahefana.

36 Tsy hampihiratra jamba izy, na hahafaka olona amin’ny fahoriana manjò azy.

37 Tsy hamindra fo ny mpitondratena izy, na hanisy soa ny kamboty.

38 Manahaka ny vatolampy miendaka avy amin’ny tendrombohitra ireny sampy hazo voapetaka volamena sy volafotsy ireny; ka izay manompo azy no hahazo henatra.

39 Ahoana àry no hinoana na hilazana fa andriamanitra ireny?

40 Ny Kaldeanina aza, manala baraka azy ireny; fa nony mahita olona tsy mahateny izy ireo, dia manolotra azy an’i Bela, sady mangataka mba ho afa-miteny ilay moana, mova tsy ny mahare zavatra iny ilay andriamanitra.

41 Ary na dia fantany aza izany, dia tsy mety mahafoy ny sampiny izy; satria tsy manam-pandrenesana ireny.

42 Ny vehivavy mietra tady, mandeha hipetraka eny an-dalam-be eny, mandoro lafarina ratsiratsy foana;

43 nony misy mpandalo mitarika ny iray amin’izy ireo, ka nandry taminy, dia maneso ny namany eo akaikiny izy, fa tsy mba noheverina ho mendrika izany haja izany; ka tsy mba nahita ny randran-jozorony tapaka.

44 Fitaka avokoa izay rehetra atao momba nysampy; ka ahoana no hinoana na hilazana fa andriamanitra izy?

45 Ny mpanao taozavatra ama-mpanefy volamena no nanao azy ireny; tsy mety ho hafa toetra afa-tsy araka izay itiavan’ny mpanao azy izy.

46 Ary ireo namorona azy tsy manana andro lava iainana; ka aiza indray no haharetan’izay asa nataony?

47 Fitaka sy latsa no hany sisa navelany ho an’ny taranany.

48 Nony injay misy ady, na loza hafa, dia miara-midinika ny mpisorona, hahitany izay hieren’izy sy ireo andriamaniny.

49 Ahoana ange no tsy hahalalan’ny olona fa tsy andriamanitra ireo izay tsy maharo tena amin’ny ady, na ny loza hafa?

50 Ho hita any aoriana any fa fitaka fotsiny ireo sampy hazo voapetaka volamena sy volafotsy ireo; hiharihary amin’ny firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra fa tsy andriamanitra izy ireo, fa asan-tanan’olombelona ihany; ary tsy misy ao aminy izay asan’Andriamanitra akory.

51 Amin’iza indray àry no mbola tsy hazava ihany fa tsy andriamanitra ireo?

52 Izy ireo tsy hahatsangana mpanjaka amin’ny tany na oviana na oviana, na hahalatsaka orana amin’ny olombelona.

53 Tsy hahay hitsara ny raharaha momba ny tenany, na haharo amin’ny tsy rariny; satria tsy mahefa na inona na inona, hoatra ny voronkahaka mihevaheva anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy.

54 Ary raha avy izay hianjeran’ny afo amin’ny tranon’ireo andriamanitra hazo, voapetaka volamena sy volafotsy ireo, ny mpisorony ho vaky mandositra sy ho voavonjy; fa izy kosa ho levona toy ny sakamandimby ao afovoan’ny afo.

55 Tsy hahatohitra mpanjakairay na tafika iray akory izy; ka ahoana no anekena sy iheverana azy ho andriamanitra?

56 Tsy afa-mandositra ny mpangalatra aman-jiolahy ireo andriamanitra hazo, voapetaka volafotsy amam-bolamena ireo.

57 Halain’ny olona mahefa noho izy ireo ny volafotsy amam-bolamena sarobidy natafin’ny olona an’ireo; ireo andriamanitra ireo kosa tsy hahavonjy tena!

58 Koa aleo mpanjaka maneho ny heriny, na vilany mahasoa ao an-trano, ampiasain’ny tompony, toy izay izany andriamanitra sandoka izany; na aleo varavaran’ny trano, miaro izay ao aminy, toy izay izany andriamanitra sandoka izany; na aleo andry hazo ao an-tranon’ny mpanjaka, toy izay izany andriamanitra sandoka izany.

59 Ny masoandro amam-pahazavana mbamin’ny kintana izay mamirapiratra sy alefa hahasoa ny olombelona, dia manaiky an’Andriamanitra.

60 Torak’izany koa, ny helatra raha miseho, maha-te-hijery; ny rivotra koa, mifofofofo amin’ny tany rehetra;

61 ary ny rahona koa, rehefa didian’Andriamanitra hitety ny tany rehetra, manatanteraka izay nandidiana azy.

62 Torak’izany koa ny afo, raha irahina avy any ambony handevona ny tendrombohitra mbamin’ny ala, manefa izay nandidiana azy. Fa ny sampy kosa, tsy mba azo ampitahaina amin’ireo zavatra rehetra ireo akory, na amin’ny hatsaran-tarehy, na amin’ny hery.

63 Koa tsy mety ny mihevitra na milaza an’ireo ho andriamanitra, satria tsy mahay manavaka izay rariny izy, na afa-manisy soa ny olombeloa.

64 Koa rehefa fantatrareo àry fa tsy andriamanitra ireny, dia aza matahotra azy.

65 Tsy mahay manozona na mitso-drano ny mpanjaka ireny;

66 tsy maneho famantarana any an-danitra amin’ny firenena, na mamirapiratra hoatra ny masoandro; na mahazava hoatra ny volana.

67 Aleo ny biby, toy izay ireny; satria ny biby mahay mandositra ka hahita fialofana dia hanasoa ny tenany ahay.

68 Koa amin’izany, na avadika atsy na avadika aroa, dia tsy mazava amintsika ny maha-andriamanitra an’ireny; koa aza matahotra azy.

69 Toy ny kiady anaty saham-boatango, tsy maharo na amin’inona na amin’inona, torak’izany koa ny andriamanitra hazon’izy ireo, voasarona volamena amam-bolafotsy.

70 Sahala amin’ny tsilo milobolobo anaty tanimboly izay itaingenan’ny vorona rehetra; na sahala amin’ny faty voatsipy amin’ny toerana maizimaizina, ny andriamanitra hazon’izy ireo, voasarona volamena amam-bolafotsy.

71 Na ny jaky sy ny lamba mena mangatrakatraka izay mihasimba eny amin’izy ireo aza, maneho fa tsy andriamanitra izy. Ary na ny tenan’izy ireo aza, dia ho levona no hiafarany sy hanjary fahafaham-baraka amin’ny tany.

72 Aleo ny olo-marina tsy manan-tsampy, fa tsy mba manan-katahorana ny ho menatra izy.