Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 1

NY ZANAKY NY HEBRIO ANY AN-DAPAN’I NABOKODONOZORO

1 Tamin’ny taona fahatelonanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, tonga i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilônahamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.

2 Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Senaara, ao amin’ny tranon’ny andriamaniny, sady napetrany tao amin’ny firaketan’ny andriamaninyny fanaka.

3 Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonòkany, ny mpanjaka, hitondra ny sasantsasanyamin’ny zanak’i Israely izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana,

4 ny zatovotsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany, nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara, hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka, sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina.

5 Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro, amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony, mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka, rehefa nobeazina telo taona izy ireo.

6 Anisan’ireo i Daniela, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa, avy amin’ny taranak’i Jodà.

7 Nomen’ny lehiben’ny eonoka anaranaizy ireo: ka i Daniela nataony hoe Baltasara, i Ananiasa nataony hoe Sidràka, i Misaely nataony hoe Misàka, ary i Azariasa nataony hoe Abdenegao.

8 Tapa-kevitra tao am-pony i Danielafa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony: ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy mba tsy hanery azy handoto tena.

9 Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniela.

10 Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniela: «Matahotra ny mpanjaka tompoko, aho, fa tenany no nandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo; fa ahoana moa izy no hahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo? Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.»

11 Dia hoy i Daniela tamin’ny mpikarakara sakafo notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniela, i Ananiasa, i Misaely, sy i Azariasa:

12 «Masìna ianao, manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao: hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina ihany omena anay.

13 Ka rehefa afaka izany, samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka, dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.»

14 Nekeny ny hatak’izy ireo, ka nizaha toetra azy izy hafoloana.

15 Nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka.

16 Ka dia nentin’ilay mpikarakara sakafo ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroina, fa hanin-kotrana no nomeny azy.

17 Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy, samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra; ary i Daniela nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.

18 Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra, dia nentin’ny lehiben’ny eonòka ho eo anatrehan’i Nabokodonozora izy ireo.

19 Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka, ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniela, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa; ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo.

20 Tamin’ny zavatra rehetra ilàm-pahalalana, nanontanian’ny mpanjaka azy ireo, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra, teo amin’ny fanjakany manontolo, ny fahambonian’izy ireo.

21 Toy izany i Daniela hatramin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosy.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 2

ILAY SARIVONGANA VITA AMIN’NY ZAVATRA SAMY HAFA

1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nabokodonozora, nanonofy i Nabokodonozora, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita tory intsony izy.

2 Nampanalain’ny mpanjaka ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny mpimasy, ary ny Kaldeanina, hivaofy ny nofiny aminy; dia tonga ireo, ka nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka.

3 Ary hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo: «Nanonofy aho, ka nitebiteby ny fanahiko, te-hahalala izany nofy izany.»

4 Namaly tamin’ny teny arameaninany Kaldeanina, nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao! Lazao amin’ny mpanomponao ny nofy, dia hambaranay kosa ny heviny.»

5 Ary namaly ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nanao hoe: «Zavatra efa notapahiko izao: Raha tsy ampahalalainareo ahy ny nofy sy ny heviny, ny tenanareo hotetehina, ny tranonareo hatao fanarian-java-maloto.

6 Fa raha ambaranareo amiko kosa ny nofy sy ny heviny, dia fanomezana amam-panatitra lehibe no horaisinareo amiko; koa ambarao amiko ny nofy sy izay heviny.»

7 Namaly fanindroany izy ireo, nanao hoe: «Aoka ny mpanjaka hilaza amin’ny mpanompony ny nofy; ary izahay kosa hanambara ny heviny.»

8 Dia namaly ny mpanjaka nanao hoe: «Fantatro marimarina fa mitady hahazo andro lava ianareo, satria hitanareo fa zavatra efa notapahiko izany.

9 Matoa tsy ampahalalainareo ahy ny nofy, dia ny miara-mamoron-dahateny mandainga sy mamitaka, hataonareo eo anatrehako, mandra-piovan’ny toe-draharaha, no hany hevitrareo; ka ambarao ahy ny nofy dia ho fantatro fa hahalaza ny heviny amiko tokoa ianareo.»

10 Fa izao no navalin’ny Kaldeanina, teo anatrehan’ny mpanjaka nataony hoe: «Tsy misy olona atỳ ambonin’ny tany, izay mahazo mampahafantatra izany fanontanian’ny mpanjaka izany. Ka tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nanontany zavatra toy izany tamin’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy na Kaldeanina.

11 Sarotra ny zavatra anontanian’ny mpanjaka, ka tsy misy afaka hanambara eo anatrehan’ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra tsy manam-ponenana etỳ amin’ny olombelona.»

12 Tamin’izay, tezitra sy nisafoaka mafy ny mpanjaka, ka nasainy novonoina avokoa ny olon-kendrin’i Babilôna.

13 Navoaka ny didy, ka novonoina ny olon-kendry, ary notadiavina hovonoina koa i Daniela sy ny namany.

Teny nataon’i Daniela

14 Dia nivoaka i Ariòka, lehiben’ny mpiambin’andriana, hamono ny olon-kendrin’i Babilôna, ka teny feno fahamalinana sy fahalalana no navalin’i Daniela azy.

15 Niteny izy ka nanao tamin’i Ariòka komandin’ny mpanjaka hoe: «Inona no anton’ity teny fitsarana mafy avy amin’ny mpanjaka?» Dia nolazalazain’i Ariòka taminy ny toe-javatra.

16 Ary niditra nangataka andro tamin’ny mpanjaka i Daniela mba hilazany ny hevitry ny nofy amin’ny mpanjaka.

17 Niaraka tamin’izay dia nody tany an-tranony i Daniela ary nampandre ny raharaha an’i Ananiasa sy i Misaely ary i Azariasa namany,

18 sady namporisika azy ireo hangataka ny famidram-pon’ny Andriamanitry ny lanitra, ny amin’izany zava-miafina izany, mba tsy hamonoana an’i Daniela sy ny namany miaraka amin’ny olon-kendry hafa ao Babilôna.

19 Dia naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana amin’ny alina, ilay zava-miafina, ka nisaotra ny Andriamanitry ny lanitra i Daniela.

20 Niloa-bava i Daniela ka nanao hoe: «Hisaorana mandrakizay anie ny Anaran’Andriamanitra, fa Azy ny hery amam-pahendrena.

21 Izy no mampiova ny andro amam-potoana, manongana ny mpanjaka sy manangana ny mpanjaka, manome fahendrena ny olon-kendry, sy fahalalana ho an’ny mazava saina.

22 Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina, mahalala ny ao anatin’ny haizina, ary ao aminy no itoeran’ny mazava.

23 Ianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no ankalazaiko sy deraiko, fa nomenao hery amam-pahendrena aho ary nampahafantarinao ahy ankehitriny ny zava-nangatahinay, ka nasehonao taminay ny zava-miafin’ny mpanjaka.»

24 Ka dia lasa i Daniela nankao amin’i Ariòka, ilay nasain’ny mpanjaka namono ny olon-kendrin’i Babilôna; nandeha izy ka nanao taminy hoe: «Aza mamono ny olon-kendrin’i Babilôna, fa ento aho ho eo anatrehan’ny mpanjaka, hanambara aminy ny hevitry ny nofiny.»

25 Dia nentin’i Ariòka faingana i Daniela hiditra ho eo anatrehan’ny mpanjaka, ka hoy izy taminy: «Nahita olona tamin’ireo babo avy any Jodà aho, hilaza ny hevitry ny nofy amin’ny mpanjaka.»

26 Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin’i Daniela, izay atao hoe Baltasara, hoe: «Hainao ambara amiko va ny nofy nofisiko mbamin’ny heviny?»

27 Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, ka nanao hoe: «Ny zava-miafina anontanian’ny mpanjaka, dia tsy hain’ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny olo-mahay taratasy, na ny mpanandro ambara amin’ny mpanjaka.

28 Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, izay mahay maneho ny zava-miafina; ary Izy mampahafantatra an’i Nabokodonozora ny tsy maintsy ho tonga any am-paran’ny andro any. Ny nofy amam-pahitanao teo am-pandrianao dia izao:

29 Ianao, ry mpanjaka ô, teo am-pandrianao, dia velona eritreritra tao an-tsainao, ny amin’izay ho avy manaraka izao andro izao; ary ilay mahay maneho ny zava-miafina kosa, nampahafantatra anao izay ho avy.

30 Ary izaho kosa, tsy tamin’ny fahendrena ato amiko, mihoatra noho ny an’ny olombelona rehetra, no nahitako izany zava-miafina izany, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka, ny hevitry ny nofy, sy hahalalanao ny hevitry ny fonao.

31 Ianao nijery, ry mpanjaka ô, ka indro nisy sariolona lehibe. Tena makadiry izany sariolona izany, sady namirapiratra mahagaga; nijoro teo anatrehanao izy io, ary mahatsiravina ny fijery azy.

32 Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany; volafotsy ny tratrany aman-tsandriny; varahina ny kibo amam-peny;

33 vy ny ranjony, ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.

34 Mbola mijery eo ianao no indro, nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana, namely ity sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga, ka nahatorotoro azy.

35 Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena, sady nanjary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra, ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany; ary ilay vato namely ny sariolona kosa, zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.

36 Izany no nofy; ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.

37 Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka, izay nomen’ny Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,

38 sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra, na aiza na aiza itoerany, ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra, dia ianao no loha volamena.

39 Manarakaraka anao, hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambanynoho ianao; manaraka izany, hisy fanjakana fahatelo, ho varahina, izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.

40 Dia hisy fanjakana fahefatrakoa ho mafy toy ny vy; fa toy ny manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra, toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra, no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.

41 Ny nahitanaony tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.

42 Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana mafy ila sy malemy ila, izy.

43 Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga no tsy hifampitambarany.

44 Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho ravamandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fanapahany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay,

45 araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana, tamin’ny tendrombohitra, ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena.

Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka izay ho avy rahatrizay; marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.»

Fiekem-pinoan’ny mpanjaka

46 Tamin’izay i Nabokodonozora rafitra nihohoka sy niankohoka teo anatrehan’i Daniela sady nandidy hanolotra fanatitra aman-java-manitra taminy.

47 Dia niteny tamin’i Daniela ny mpanjaka, ka nanao hoe: «Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa nahay nanambara izany zava-miafina izany ianao.»

48 Tamin’izany ny mpanjaka dia nanandratra an’i Daniela sy nanolotra fanomezana maro sady sarobidy ho azy, nanome azy ny fanapahana ny faritany rehetra momba an’i Babilôna, ary nanendry azy ho lehibe indrindra amin’ny olon-kendrin’i Babilôna rehetra.

49 Noho ny fangatahan’i Daniela, dia nanendry an’i Sidràka sy i Misàka ary i Abdenegao ny mpanjaka, ho tonian’ny raharaha amin’ny fehin’i Babilôna, ary i Daniela nijanona tao an-dapa.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 3

Nanangana sarivongana volamena i Nabokodonozora

1 Ary i Nabokodonozora mpanjaka nanao sariolona volamena enimpolo hakihony haavony, enina hakiho ny sakany, natsangany teo amin’ny tanilemaka Doràao amin’ny faritanin’i Babilôna.

2 Dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nivory ny solo-mpanjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriambaventy, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, ary ny mpifehy rehetra isam-paritany mba ho tonga hanatrika ny fitokanana ilay sariolona natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka.

3 Koa nivory ny solo-mpanjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriambaventy, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, mbamin’ny mpifehy rehetra isam-paritany, ho amin’ny fitokanana ny sariolona natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka, ary nitsangana teo anatrehan’ity sariolona natsangan’i Nabokodonozora izy ireo.

4 Nisy mpikabary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Izao no ampahalalaina anareo vahoaka amam-pirenena sy samihafa fiteny:

5 Raha vao renareo ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara, mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa ianareo, hitsaoka ny sariolona volamena natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka.

6 Na zovy na zovy tsy miankohoka sy tsy mitsaoka, dia hatsipy miaraka amin’izay, ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay.»

7 Ka raha vao ren’ny vahoaka rehetra ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny, nitsaoka ny sariolona natsangan’i Nabokodonozora mpanjaka.

Fiampangana sy fanamelohana ny Jody

8 Tamin’izay kosa dia tamin’io fotoana io indrindra, nisy Kaldeanina nanatona, nanaratsy ny Jody.

9 Niteny izy ireo ka nanao tamin’i Nabokodonozora mpanjaka, hoe: «Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao!

10 Ianao, ry mpanjaka, efa namoaka didy, fa ny olona rehetra handre ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara, mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, dia tsy maintsy miankohoka hitsaoka ny sariolona volamena;

11 ary na zovy na zovy tsy hiankohoka hitsaoka, dia hatsipy amin’ny memy mirehitra afo mivaivay.

12 Misy kosa anefa Jody, notendrenao ho tonian’ny raharaha amin’ny fehin’i Babilôna, dia i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, ka ireo olona ireo mamotsifotsy anao, ry mpanjaka; tsy manompo ny andriamanitra ary tsy miankohoka eo anatrehan’ny sariolona volamena natsanganao.»

13 Tamin’izay tezitra sy nisafoaka i Nabokodonozora, ka nasainy nalaina i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, dia nentina ho eo anatrehan’ny mpanjaka, izy telo lahy ireo.

14 Dia niteny i Nabokodonozora, ka nanao tamin’ireo hoe: «Fanahy inianareo va, ry Sidràka, Misàka ary Abdenegao, no tsy anompoanareo ny andriamanitro sy tsy itsaohanareo ny sariolona volamena natsangako?

15 Ankehitriny, moa vonon-kiankohoka hitsaoka ny sariolona nataoko ianareo, raha vao mandre ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara mbamin’ny zava-maneno isan-karazany? Fa raha tsy mitsaoka azy ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay, ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay, ka iza moa no andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako?»

16 Fa namaly i Sidràka, i Misàka, ary i Abdenegao, ka nanao hoe: «Ry Nabokodonozora ô, tsy misy tokony havalinay anao.

17 Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitra tompoinay, dia hovonjeny amin’ny memy mirehitra afo mivaivay sy amin’ny tananao izahay, ry mpanjaka ô!

18 Ary na tsy hataony aza izany, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo izay andriamanitrao izahay, na hiankohoka eo anatrehan’izay sariolona volamena natsanganao.»

19 Dia feno fahatezerana i Nabokodonozora, ary niova tamin’i Sidràka sy i Misàka ary i Abdenegao ny tarehiny. Nanohy niteny indray izy, ka nasainy nohafanaina ny memy impito mihoatra noho ny niheveran’ny olona ny tokony hanafanana azy;

20 ary ny miaramila sasany izay matanjaka indrindra amin’ny tafiny, no nasainy namatotra an’i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, sy hanipy ireo ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay.

21 Tamin’izay ireo lehilahy ireo mbola miakanjo ny akanjo vitiny, ny akanjo lavany, ny kapaotiny, mbamin’ny fitafiany rehetra, dia nafatotra sy natsipy tao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay.

22 Noho ny tenin’ny mpanjaka efa nahamaika, sady tafahoatra loatra ny namanàna ny memy, dia matin’ny lelafo ireo lehilahy nanipy an’i Sidràka, i Misàka sy i Abdenegao tao.

23 Ary izy telo lahy kosa, i Sidràka, i Misàka, i Abdenegao, dia voatsipy am-patorana tao anatin’ny memy mivaivay.

Izao manaraka izao, tsy hitako tao amin’ny boky hebrio.

Tononkiran’i Azariasa tao anaty afo

24 Tao anatin’ny lelafo izy ireo, dia nandehandeha, nidera an’Andriamanitra sy nisaotra ny Tompo.

25 Ary i Azariasa, nitsangana nanao ity fivavahana ity; ka niloa-bava tao afovoan’ny lelafo nanao hoe:

26 «Hisaorana anie Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny razanay;

mendrika homen-dera amam-boninahitra mandrakizay ny Anaranao;

27 fa marina Ianao amin’izay rehetra nataonao taminay,

ary marina avokoa ny asanao rehetra;

mahitsy ny lalanao, ary an-drariny ny fitsarànao.

28 Satria fitsarana an-drariny no nataonao,

tamin’ny loza rehetra nentinao namely anay,

sy namely an’i Jerosalema, tanàna masin’ny razanay;

fitsarana an-drariny no nanaovanao izany rehetra izany

noho ny fahotana nataonay.

29 Satria nanota sy nanao ratsy izahay nihataka taminao,

ary diso tamin’ny zavatra rehetra.

30 Tsy nihaino ny didinao izahay

ary tsy nitandrina izany,

sady tsy nanao izay nandidianao anay,

izay hany ho nahasambatra anay.

31 Izay rehetra nentinao namely anay,

izay rehetra nataonao taminay

dia fitsarana an-drariny no nanaovanao izany.

32 Nanolotra anay ho eo an-tanan’ny fahavalo ratsy Ianao,

dia ireo mpivadika mikiry hamely anay,

sy ny mpanjaka faran’izay ratsysy loza be indrindra eto an-tany.

33 Ary ankehitriny izahay tsy sahy miloa-bava,

voan’ny henatra aman-datsa ny mpanomponao,

mbamin’izay rehetra mitsaoka Anao.

34 Aza dia ho voatolotrao mandrakizay anie izahay noho ny amin’ny Anaranao,

ary aza dia foananao ny fanekenao.

35 Aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao,

noho ny amin’i Abrahama sakaizanao,

sy i Isaaka mpanomponao

ary i Israely masinao,

36 izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka

ho toy ny kintana eny an-danitra,

sy ny fasika eny amoron-dranomasina.

37 Fa efa nahena teo imason’ny firenena rehetra izahay, Tompo ô,

sady voaetry ankehitriny amin’ny tany rehetra,

noho ny fahotana nataonay.

38 Amin’izao fotoana izao izahay tsy manana

mpanapaka na mpifehy, na mpaminany,

na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra,

na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray

eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.

39 Nefa, Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay

amin’izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena

40 toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman’ombalahy

na zanak’ondry matavy arivo;

aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao,

mbamin’ny fanekenay anao,

fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.

41 Ankehitriny izahay manaraka Anao amin’ny fonay rehetra,

matahotra Anao sy mitady ny Tavanao.

42 Aza atao fola-tana-manondro izahay

fa ento araka ny hamoram-ponao

sy araka ny haben’ny famindram-ponao!

43 Vonjeoamin’ny fahagagana ataonao izahay,

ary omeo voninahitra ny Anaranao, Tompo ô!

44 Aoka ho menatra izay rehetra manisy ratsy ny mpanomponao,

aoka ho safo-kenatra noho ny fahaverezan’ny fahefany rehetra;

ary ho torotoro ny tanjany;

45 aoka ho fantany fa Ianao no Tompo sy Andriamanitra tokana

ary mpanjaka be voninahitra amin’ny tany rehetra.»

46 Ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nanipy azy telo lahy tao anatin’ny memy, izany, tsy nitsahatra ny namàna azy tamin’ny solika, vorovoro-drongony, ditin-kazo, aman-drantsam-boaloboka.

47 Nisondrotra efapolo hakiho teo ambonin’ny memy ny lelafo,

48 ka nahamay ireo Kaldeanina tratrany teo akaikin’ny memy niantsampazany.

49 Fa nidina nankeo amin’ny memy kosa niaraka tamin-dry Azariasa sy ny namany ilay anjelin’ny Tompo ka nahàtany tsy ho eo amin’ny memy ny lelafo;

50 ary ny teo afovoan’ny memy, nataony toy ny nifofofofoan’ny rivotra mandefa ranonando; ary tsy nikasika azy ireo akory ny lelafo, sady tsy nandratra na nampaninona azy kely akory.

Tononkiran’izy telo lahy

51 Koa indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an’Andriamanitra toy ny vava iray ihany izy telo lahy tao anatin’ny memy nanao hoe:

52 «Isaorana Ianao, ry Tompo, Andriamanitry ny razanay

mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hankalazaina mandrakizay.

Isaorana ny Anaranao masina sy be voninahitra,

mendrika ny fiderana ambony indrindra

sy ny fankalazana mandrakizay.

53 Isaorana Ianao ao amin’ny tempolin’ny voninahitrao masina

mendrika ny dera amam-boninahitra ambony indrindra mandrakizay.

54 Isaorana Ianao, ao amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakanao

mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

55 Isaorana Ianao, izay maninteraka ny hantsana ny fijerinao

mipetraka eo ambonin’ny Kerobima,

mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.

56 Isaorana Ianao, eo amin’ny habakabaky ny lanitra,

mendrika ny dera amam-boninahitra mandrakizay.

57 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

58 Isaory ny Tompo, ry Anjelin’ny Tompo,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

59 Isaory ny Tompo, ry lanitra,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

60 Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

61 Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

62 Isaory ny Tompo, ry masoandro amam-bolana,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

63 Isaory ny Tompo, ry kintan’ny lanitra;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

64 Isaory ny Tompo, ry orana aman’ando;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

65 Isaory ny Tompo, ry rivotra alefan’Andriamanitra;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

66 Isaory ny Tompo, ry afo aman-kafanàna;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

67 Isaory ny Tompo, ry hatsiaka aman-kafanàna;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

68 Isaory ny Tompo, ry ando amam-panala,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

69 Isaory ny Tompo, ry erika mangatsiaka amam-panala;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

70 Isaory ny Tompo, ry ranomandry aman’oram-panala;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

71 Isaory ny Tompo, ry andro aman’alina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

72 Isaory ny Tompo, ry mazava sy maizina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

73 Isaory ny Tompo, ry helatra aman-drahona maizina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

74 Aoka ny tany hisaotra ny Tompo,

aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.

75 Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

76 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry zava-maniry amin’ny tany,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

77 Isaory ny Tompo, ry loharano;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

78 Isaory ny Tompo, ry ony aman-dranomasina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

79 Isaory ny Tompo, ry biby ngeza

mbamin’izay mihetsiketsika rehetra ao anaty rano,

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

80 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry voromanidina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

81 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry bibidia amam-biby fiompy;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

82 Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

83 Aoka i Israely hidera ny Tompo,

aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.

84 Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

85 Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

86 Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

87 Isaory ny Tompo, ry olo-masina

sy ianareo manetry tena ao am-po;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

88 Isaory ny Tompo, ry Ananiasa sy Azariasa sy Misaely;

derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Fa nanesotra antsika tamin’ny Seoly Izy,

ary nanafaka antsika tamin’ny herin’ny fahafatesana;

namonjy antsika tamin’ny memin’ny afo mamaivay Izy;

ary nanesotra antsika teo afovoan’ny afo.

89 Ankalazao ny Tompo, fa tsara fo izy;

fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

90 Ianareo rehetra, olona tia vavaka;

misaora ny Tompo, Andriamanitry ny andriamanitra;

derao Izy ary ankalazao, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»

Miaiky ny zava-mahagaga i Nabokodonozora

91 Talanjona loatra tamin’izay i Nabokodonozora mpanjaka, ka nitsangana faingana. Niteny izy ka nanao tamin’ireo mpanolo-tsainy hoe: «Tsy olona telo lahy nifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny memy?» Dia hoy ny navalin’ireo ny mpanjaka: «Izany tokoa, ry mpanjaka.» Ary hoy izy niteny indray: «Izaho anefa, indreo, mahita efa-dahy tsy mifatotra,

92 mandehandeha ao afovoan’ny afo, tsy misy maninomaninona akory, ary ny fijery an’ilay fahefatra hoatra ny zanak’andriamanitra.»

93 Dia nanatona ny varavaran’ny memy mirehitra mivaivay i Nabokodonozora, ka dia niteny izy nanao hoe: «Ry Sidràka sy Misàka sy Abdenegao, mpanompon’Andriamanitra avo indrindra, mivoaha ary avia.» Dia nivoaka avy ao afovoan’ny afo, i Sidràka sy i Misàka sy i Abdenegao.

94 Ary nivory ny solo-mpanjaka, ny masoivoho, ny governora mbamin’ny mpanolo-tsain’ny mpanjaka, nijery ireto olona, ka tsy nahefa na inona na inona tamin’ny vatany ny afo, tsy nisy may ny volon-dohany, tsy niova akory ny akanjony, na nisy fofon’afo akory.

95 Niteny i Nabokodonozora ka nanao hoe: «Hisaorana anie ny Andriamanitr’i Sidràka sy i Misàka sy i Abdenegao, fa naniraka ny Anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy sy nandika ny didin’ny mpanjaka, ary nanolo-tena mba tsy hanompo na hitsaoka andriamani-kafa afa-tsy ny Andriamaniny ihany.

96 Ka izao no lalàna avoaka amin’ny Anarako: Ny olona rehetra na inona fokony, na inona firenena amam-piteniny, izay miteny ratsy ny Andriamanitr’i Sidràka sy i Misàka sy i Abdenegao, dia hotetehina madinika, sady hatao fanarian-java – maloto ny tranony, satria tsy misy andriamani-kafa mahay mamonjy hoatra izany.»

97 Tamin’izay ny mpanjaka, nanambina an’i Sidràka sy i Misàka ary i Abdenegao, teo amin’ny faritanin’i Babilôna.

Lasa adala i Nabokodonozora

98 Ho an’ny foko sy firenena amam-piteny samihafa rehetra, i Nabokodonozora mpanjaka: Homena fiadanam-be anie ianareo.

99 Noheveriko ho mety ny manambara ny famantarana amam-pahagagana nataon’Andriamanitra Avo indrindra tamiko.

100 Akory ny halehiben’ny famantarany; akory ny herin’ny fahagagany! Fanjakana mandrakizay ny fanjakany: ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fanapahany.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 4

Mitantara ny nofiny i Nabokodonozora

1 Izaho Nabokodonozora, sady niadana tao an-tranoko no nitombo laza tao an-dapako.

2 Nanonofy zavatra nampatahotra ahy aho, ka nitebiteby azon’ny eritreritro teo am-pandriako, sy ny fahitan’ny saiko.

3 Koa namoaka didy aho hampaka ny olon-kendrin’i Babilôna rehetra ho tonga eo anatrehako mba hampahalala ahy ny hevitry ny nofy.

4 Dia tonga ny olo-mahay taratasy, ny mpisikidy, ny Kaldeanina, mbamin’ny mpanandro; ka nolazaiko teo anatrehany ny nofy, nefa tsy nampahalala ny heviny tamiko ireo.

5 Nony farany, tonga teo anatrehako i Daniela ilay natao hoe Baltasara ny anarany, araka ny anaran’ny andriamanitro, sady manana ao anatiny ny fanahin’ireo andriamanitra masina, ka nambarako teo anatrehany ny nofy, nataoko hoe:

6 «Ry Baltasara, lehiben’ny mpahay taratasy ô, fantatro fa ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao; fa ambarao ahy ny fahitana hitako tamin’ny nofy, mbamin’ny heviny.

7 Izao no fahitana hitan’ny fanahiko teo am-pandriako: Nahita aho, ka indro tokazo avo be teo afovoan’ny tany.

8 Nitombo sy nihanahery ny hazo nahatakatra ny lanitra ny tendrony, hita hatrany amin’ny faran’ny tany izy;

9 tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany, nisy hohanin’izao rehetra izao teo aminy; nialoka teo ambaniny ny biby an-tsaha, nipetraka teny amin’ny rantsany ny voromanidina, ary nahazo hanina avy aminy ny nofo rehetra.

10 Nibanjina izany fahitan’ny fanahiko izany teo am-pandriana aho, ka indro nisy mpiambina masina, nidina avy any an-danitra,

11 niantso mafy nanao hoe: ‹Kapao ny hazo, tapaho ny rantsany, ahintsano ny raviny, aelezo ny voany; aoka hiparitaka ny biby eo ambaniny, ary hiala amin’ny rantsany ny voromanidina.

12 Kanefa avelao ao amin’ny tany ny fototry ny fakany, fa asio rojo vy amam-barahina, eo afovoan’ny ahitra any an-tsaha. Dia aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka hiombonany amin’ny biby ny ahitra amin’ny tany.

13 Aoka ny fony tsy ho fon’olombelona intsony, fa fom-biby no homena azy, ka fetr’androfitono holanina aminy.

14 Ity teny fitsarana ity miankina amin’ny didin’ireo mpiambina; ary ity raharaha ity dia lahatr’ireo masina, mba hahafantaran’ny velona fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany no omeny an’izany, ary ny olona ambany indrindra asandrany ho amin’izany.›

15 Izany no nofy hitako, izaho Nabokodonozora mpanjaka, ary ianao kosa, ry Baltasara, no aoka hilaza ny heviny fa tsy nisy nahay nampahafantatra tamiko, ny olon-kendry rehetra teo amin’ny fanjakako; ianao no mahay izany, satria ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina.»

Voasan’i Daniela ilay nofy

16 Dia vaka teo aloha kelikely i Danielaizay atao hoe Baltasara; ary nampitebiteby azy ny eritreriny. fa niteny indray ny mpanjaka nanao hoe: «Aoka tsy hitebiteby ianao amin’ny nofy sy amin’ny heviny.» Namaly i Baltasara nanao hoe: «Tompokolahy ô, ho amin’ny fahavalonao anie ny nofy, ary ho amin’izay mankahala anao anie ny heviny.

17 Ny hazo hitanao izay nihalehibe sy nihanahery nahatakatra ny lanitra ny tendrony, hita amin’ny tany rehetra izy;

18 tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany; nisy hanina ho an’izao rehetra izao teo aminy: nialofan’ny biby an-tsaha teo ambaniny; ary nipetrahan’ny voromanidina ny rantsany,

19 io hazo io dia ianao ihany, ry mpanjaka ô, ianao izay nihalehibe sy nihanahery, ka nitombo sy nahatakatra ny lanitra ny halehibeazanao; ary mihatra amin’ny faran’ny tany ny fanapahanao.

20 Ny nahitan’ny mpanjaka mpiambina masina, nidina avy any an-danitra, nanao hoe: ‹Kapao ny hazo, ary ravao izy; kanefa avelao ao amin’ny tany ny fototry ny fakany, fa asio rojo vy amam-barahina, eo afovoan’ny ahitra any an-tsaha; dia aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy ary aoka hiombonany amin’ny biby, any an-tsaha, mandra-pahalanin’ny fetr’andro fito aminy›,

21 dia izao no heviny, ry mpanjaka ô! Didin’ny Avo Indrindra tsy maintsy hihatra amin’ny mpanjaka tompoko izany.

22 Horoahina hialaamin’ny olombelona ianao; ho any amin’ny biby any an-tsaha ny fonenanao; hampihinanina ahitra hoatra ny omby ianao, havela ho kotsan’ny andon’ny lanitra ianao, ary fetr’andro fito no holanina aminao, mandra-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan’ny olombelona, sy manome izany ho an’izay tiany.

23 Ary ny nandaharana ny fototry ny fakany, mba havela kosa, dia mbola haverina aminao indray ny fanjakanao, rehefa ekenao fa an’ny lanitra ny fizakana.

24 Koa ankasitraho, ry mpanjaka, izao torohevitro izao: onero amin’ny fahamarinana, ny fahotanao; ary amin’ny fiantrana ny mahantra ny helokao; ndrao mba maharitra ahay ny fiadananao.»

Tanteraka ny nofy

25 Nihatra tamin’i Nabokodonozora mpanjaka, avokoa izany zavatra rehetra izany.

26 Nony afaka roa ambin’ny folo volana, raha ilay nitsangantsangana teo amin’ny tafon’ny lapan’ny mpanjaka teo Babilôna iny ny mpanjaka

27 dia niteny ka nanao hoe: «Tsy ity va no Babilôna lehibe izay naoriko ho fonenam-panjakana tamin’ny haben’ny heriko, mba ho voninahitry ny fiandrianako.

28 Fa mbola teo am-bavan’ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy feo nidina avy any an-danitra nanao hoe: Ampahalalaina ianao, ry Nabokodonozora, fa niala lavitra anao ny fanjakanao.

29 Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, ho any amin’ny biby any an-tsaha ny fonenanao; hampihinanina ahitra hoatra ny omby ianao, ary holalovana fetr’andro fito ianao, mandra-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mizaka izany ho an’izay tiany.»

30 Dia tanteraka tamin’i Nabokodonozora teo no ho eo ihany izany teny izany, nesorina hiala amin’ny olombelona izy; nihinana ahitra hoatra ny omby izy nokotsain’ny andon’ny lanitra ny vatany, mandra-panirin’ny volony hoatra ny an’ny voromahery, ary ny hohony hoatra ny an’ny vorona.

31 «Nanandrandra ny masoko teny an-danitra anefa aho, izaho Nabokodonozora, nony tapitra ny fetr’andro, ka dia nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra aho ary noderaiko sy nomeko voninahitra Ilay velona mandrakizay ary manana fanjakana maharitra amin’ny taranaka mifandimby.

32 Atao tsinontsinona eo anatrehany ny mponina rehetra eto an-tany; manao izay tiany amin’ny tafiky ny lanitra, sy amin’ny mponina eto an-tany izy; tsy misy olona mahavely ny tanany, ka hanao aminy hoe: Fa inona ity ataonao?

33 Tamin’izay fotoana izay ihany dia nody tamiko ny saiko, dia niverina tamiko koa ny fahandrianako amam-pamirapiratako ho voninahitry ny fanjakako; nantsoin’ny mpanolo-tsaina amam-pifehiko aho, ka tafapetraka amin’ny fanjakako indray, ary nitombo aza ny fahefako.

34 Ankehitriny aho, izaho Nabokodonozora, dia midera, mankalaza, manome voninahitra ny Mpanjakan’ny lanitra; marina avokoa ny asany, mahitsy ny lalany, ary hainy aetry izay mandeha amim-piavonavonana.»

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 5

Fanasan’i Baltasara

1 Nanao fanasana lehibe i Baltasarampanjaka, ho an’ny tompomenakeliny arivo lahy: ary nisotro divay teo anatrehan’ireo arivo lahy izy.

2 Nentanin’ny divay i Baltasara, dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy nalain’i Nabokodonozora rainy, teny an-Tempoly izay ao Jerosalema, mba hisotroan’ny mpanjaka aman-tompomenakely mbamin’ny vadiny sy vaditsindranony.

3 Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-Tempolin’ny tranon’Andriamanitra, izay ao Jerosalema, ny tompomenakely, ny vady mbamin’ny vaditsindranony.

4 Nisotro divay izy ireo, ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy, varahina sy vy, ary vato aman-kazo.

5 Tamin’izay, dia nisy rantsan-tanan’olona niseho, nanoratra tandrifin’ny fanaovan-jiro maro rantsana, teo amin’ny lalotra sokay amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka, ary hitan’ny mpanjaka ny tendron’ny tanana nanoratra izany.

6 Nivaloarika terỳ ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavanin’ny andilany, ary niady ny lohaliny.

7 Dia niantso mafy ny mpanjaka nampaka ny mpisikidy, ny Kaldeanina, ny mpanandro, ary niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin’ny olon-kendren’i Babilôna hoe: «Na zovy na zovy mahavaky io soratra io, sy mahalaza ny heviny amiko, dia hampitafiana jaky, hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho mpanapaka fahatelo amin’ny fanjakako izy.»

8 Koa niditra avokoa ny olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nahavaky izay zavatra voasoratra, na nahalaza ny heviny tamin’ny mpanjaka.

9 Tsiravina fatratra i Baltasara mpanjaka tamin’izay, nivaloarika ny endriny, kivy ny tompomenakeliny.

10 Nony nandre ny tenin’ny mpanjaka sy ireo tompomenakeliny ny mpanjaka vavy, dia niditra tao an-trano fanasana; niteny ny mpanjaka vavy nanao hoe: «Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao. Aoka ny eritreritrao tsy hampitebiteby anao, ary ny tarehinao tsy hivaloarika.

11 Fa eto amin’ny fanjakanao, misy lehilahy anankiray izay itoeran’ny fanahin’ireo andriamanitra masina; tamin’ny andron-drainao, hita tao aminy ny fahazavana, ny fahazavan-tsaina, ny fahendrena toy ny fahendren’ireo andriamanitra. Koa izy no notendren’i Nabokodonozora mpanjaka rainao, ho lehiben’ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny Kaldeanina, mbamin’ny mpanandro, satria hita tao aminy avokoa, dia amin’i Daniela, izay nomen’ny mpanjaka anarana Baltasara,

12 ny saina ambony, ny fahaizana amam-pahalalana mivaofy ny hevitry ny nofy, sy hampahafantarana ny ankamantatra ary hamaly ny fanontaniana sarotra. Koa aoka hantsoina i Daniela fa izy no hilaza ny hevitr’izany.»

13 Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela. Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin’i Daniela hoe: «Ianao va, no ilay Daniela, isan’ny babo avy any Jodà, nentin’ny mpanjaka raiko avy any Jodea?

14 Efa reko ny aminao, fa hoe ao anatinao ny fanahin’ireo andriamanitra, sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina sy fahendrena mahagaga.

15 Ary izao, vao avy nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry ama-mpisikidy, hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; nefa tsy nahalaza ny hevitr’ireo teny ireo tamiko izy ireo.

16 Ary izaho efa nandre ny aminao fa mahay milaza hevi-javatra, sy mahavaly fanontaniana sarotra ianao; koa raha mahavaky io soratra io ianao, sy mahalaza amiko ny heviny, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ho mpanapaka fahatelo eto amin’ny fanjakako ianao.»

17 Dia niteny i Daniela, ka nanao, teo anatrehan’ny mpanjaka, hoe: «Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao; ary omeo ny hafa ny fanatitrao. Fa ny voasoratra, hovakiko amin’ny mpanjaka ihany, ary ny heviny hampahalalaiko azy koa.

18 Ry mpanjaka ô, ny Andriamanitra Avo Indrindra, efa nanome an’i Nabokodonozora rainao ny fanjakana amam-pahalehibeazana, ny voninahitra amam-piandrianana;

19 ary noho ny fahalehibeazana nomeny azy, raiki-tahotra sy nangovitra teo anatrehany avokoa ny vahoaka rehetra, sy ny firenena aman-tsamihafa fiteny; namono izay tiany hovonoina izy, ary namelona izay tiany hovelomina; nanandratra izay tiany hasandratra izy, ary nanetry izay tiany haetry.

20 Kanefa, nony avy izay niavonavonan’ny fony, sy nihamafisan’ny fanahiny mba hampianjonanjona azy, dia naongana hiala amin’ny seza fiandrianana izy, sady nesorina aminy ny fahalehibeazany.

21 Noroahina hiala amin’ny zanak’olombelona izy, nanjary hoatra ny an’ny biby ny fony, ary teo amin’ny ampondra dia, ny fonenany; nampihinanina ahitra hoatra ny omby izy; ary nokotsain’ny andon’ny lanitra ny vatany, mandra-pahalalany fa ny Andriamanitra Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan’ny olombelona, sy manandratra izay tiany ho amin’izany.

22 Ianao koa ity, ry Baltasara zanany, tsy nampietry ny fonao, na dia nahalala izany rehetra izany aza.

23 Fa nitsangan-kanohitra ny Tompon’ny lanitra ianao, nentina teo anatrehanao ny kapoakan’ny tranony, ary nisotro divay tamin’izany ianao sy ny tompomenakelinao mbamin’ny vadinao sy ny vaditsindranonao, noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahina, vy sy vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mahare, na mahalala na inona na inona akory; fa ilay iankinan’ny lalanao indray no tsy nankalazainao!

24 Dia tamin’izany no nanirahana io tendro-tanana io avy amin’ny Anarany sy nandaharana izay voasoratra ao.

25 Ary izao no soratra voalahatra: Mene Mene, Tesel, Ofarsin!

26 Ka izao no hevitr’ireo teny ireo: Mene (voaisa): nisain’Andriamanitra ny fanjakanao, dia notaperiny.

27 Tesel (voalanja): nolanjaina tamin’ny mizàna ianao, ka hita fa maivana.

28 Perès (voazara): hozaraina ny fanjakanao, ka homena ny Meda sy ny Persa.»

29 Tamin’izay, araka ny didin’i Baltasara, i Daniela dia nampitafina jaky, nasiana rojo volamena ny vozony, ary namoahan-teny fa ho mpanapaka fahatelo amin’ny fanjakana izy.

30 Tamin’io alina io ihany i Baltasara, mpanjakan’ny Kaldeanina dia novonoina.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 6

1 Ary ny fanjakana noraisin’i Dariosa, ilay Meda, izay efa tokony ho 62 taona ny andro niainany.

Fialonan’ireo solo-mpanjaka

2 Sitrak’i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka 120, hizarazarany ny fanjakana manontolo.

3 Ary nisy mpanao raharaham-panjakana telo lahy, anisan’ireo i Daniela, natao ambonin’izy ireo, ka tsy maintsy amoahan’ny solo-mpanjaka ny toe-draharaha, mba tsy hahafaty antoka ny mpanjaka.

4 Nihoatra noho ny mpanao raharaham-panjakana ambony sy ny solo-mpanjaka rehetra anefa i Daniela, fa nisy fanahy ambony tao aminy, ka nihevitra ny hanendry azy ho mpifehy ny fanjakana manontolo ny mpanjaka.

5 Noho izany, nitady izay hiampangana an’i Daniela ny amin’ny momba ny fanjakana, ireo mpanao raharaham-panjakana ambony sy solo-mpanjaka, nefa tsy nahita iray akory, na dia izay tsininy kely foana aza; fa marina izy, ka tsy nisy diso na tsiny akory taminy.

6 Dia hoy ireo olona hoe: «Tsy hahita izay hiampangana an’io Daniela io akory isika raha tsy amin’ny lalàn’ny Andriamaniny no hahitantsika zavatra hiampangana azy.»

7 Izay ireo mpanao raharaham-panjakana ambony sy solo-mpanjaka ireo, dia nirodorodo nankany amin’ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: «Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.

8 Niray hevitra avokoa ny mpanao raharaham-panjakana ambony rehetra, ny masoivoho, ny solo-mpanjaka, ny mpanolo-tsaina, mbamin’ny governora, fa tokony hanao lalàm-panjakana sy hamoaka didy fa na zovy na zovy hanao fivavahana amin’andriamanitra, na amin’olombelona, afa-tsy aminao irery ihany, mandritra ny 30 andro, dia hatsipy ao an-davaky ny liona.

9 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, avoahy ny didy, ary soraty ny lalàna, mba tsy ho azo ovana, araka ny lalàn’ny Meda sy ny Persa tsy azo ovana.»

10 Koa dia nosoratan’i Dariosa mpanjaka tokoa izany didy aman-dalàna izany.

Vavak’i Daniela

11 Nony ren’i Daniela fa voasoratra ny didy, dia lasa izy niditra tao an-tranony, izay nisy varavarankely mivoha manandrify an’i Jerosalematao amin’ny efitra ambony. Nandohalika intelo isan’andro izy, nivavaka sy nidera an’Andriamanitra araka ny fanaony teo aloha.

12 Tamin’izay ireo olona, dia avy nirodorodo ka nahita an’i Daniela nivavaka sy niantso an’Andriamanitra;

13 dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy ny amin’ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe: «Moa tsy nanoratra lalàna ianao fa na zovy na zovy mivavaka amin’andriamanitra na amin’olombelona, afa-tsy aminao irery mandritra ny 30 andro, ry mpanjaka, dia hatsipy ao an-davaky ny liona?» Namaly ny mpanjaka nanao hoe: «Marina tokoa izany, araka ny lalàn’ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovana.»

14 Dia niteny indray izy ireo, ka nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: «I Daniela anankiray amin’ireo babo avy amin’i Jodà anefa, ry mpanjaka, namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao; fa manao ny fivavahany intelo isan’andro.»

15 Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany; raikitra tao am-pony ny hanafaka an’i Daniela, ka mandra-pilentiky ny masoandro izy, nitady hamonjy azy ihany.

16 Fa nirodorodo nankao amin’ny mpanjaka ireo olona ireo, ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa lalàn’ny Meda sy ny Persa ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra efa navoaky ny mpanjaka.»

Alatsaka ao an-davaky ny liona i Daniela

17 Tamin’izay ny mpanjaka nanome teny hitondra an’i Daniela sy hanipy azy ao an-davaky ny liona. Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin’i Daniela hoe: «Ny Andriamanitrareo izay tompoinao mandrakariva anie, no hanafaka anao!»

18 Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka, ka nasian’ny mpanjaka fitomboka tamin’ny fanombohan-kaseny sy ny fanombohan-kasen’ireo andriantompomenakeliny, mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniela.

19 Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany tsy nitendry hanina mandritra ny alina, tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy, ary lasa lavitra azy ny torimaso.

20 Vao maraina koa ilay nangiran-dratsy iny ny andro dia niarina ny mpanjaka, ka nidodododo nankany an-davaky ny liona.

21 Nony mby teo akaikin’ny lavaka izy, niantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo, ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: «Ry Daniela mpanompon’Andriamanitra velona ô, nahavonjy anao tamin’ny liona va ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva?»

22 Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniela: «Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao!»

23 Ny Andriamanitro efa naniraka ny Anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona, ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo, satria hita fa tsy manan-tsiny teo anatrehany aho, sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka ô!

24 Faly dia faly ny mpanjaka ny amin’i Daniela fa nasainy nesorina tao an-davaka i Daniela. Dia nesorina tao an-davaka i Daniela, ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy, satria nino ny Andriamaniny izy.

25 Fa nandidy kosa ny mpanjaka, ka ireo olona nilaza ratsy an’i Daniela dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona, izy mbamin’ny vadiny aman-janany. Ka mbola tsy nipaka tamin’ny vody lavaka akory dia noraisin’ny liona, ary notapahiny ny taolany rehetra.

Fiekem-pinoan’ny mpanjaka

26 Tamin’izay i Dariosa mpanjaka nanoratra ho any amin’ny foko amam-pirenena rehetra mbamin’ny samihafa fiteny, izay monina eto ambonin’ny tany nanao hoe: «Hitombo fiadanana anie ianareo!

27 Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan’ny olona eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniela eran’ny fanjakako rehetra, fa Izy no Andriamanitra velona, maharitra mandrakizay, ny fanjakany tsy mba ho rava, ary ny fanapahany tsy hanam-pahataperana.

28 Manafaka sy mamonjy izy ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra sy etỳ an-tany. Izy no nanafaka an’i Daniela tamin’ny hohon’ny liona.»

29 Ary nambinina io Daniela io tamin’ny nanjakan’i Dariosa sy tamin’ny nanjakan’i Syriosa, ilay Persa.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 7

Fahitana an’ireo zava-manana aina

1 Tamin’ny taona voalohanynanjakan’i Baltasara, mpanjakan’i Babilôna, nanonofy sy nahita fahitana tao an-tsainy i Daniela, nony tao am-pandriana izy. Dia nosoratany tatỳ aoriana ny nofy, notantarainy ny fotopototry ny zavatra.

2 Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: «Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotraavy amin’ny vazantany efatra:

3 ary niakatra avy eo amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibesamihafa.

4 Ny voalohany ohatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony hoatra ny olona, ary nomena fon’olombelona izy.

5 Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsaniainga ny ila tenany, nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny, ary izao no nolazaina taminy: Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!

6 Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa hoatra ny leoparda, nanana ela-borona efatraizany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana.

7 Raha efa izany, nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatramahatsiravina; mampihoron-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.

8 Nodinihiko ireo tandroka, ka indro nisy tandroka hafa kelynipoitra eo amin’izy ireo, ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona, sy vava nilaza zava-dehibeity tandroka ity.»

Fahitana ilay Anti-dahy sy ny Zanak’olona

9 «Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan’ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany;

10 ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.

11 Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.

12 Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan’ny andro iainany, mandra-piavin’ny andro amam-potoana.

13 Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak’olonatamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra; nandroso izy nankeo amin’ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;

14 dia nomena azy ny fahefana sy ny voninahitra amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.»

Fivoasana ilay fisehoana hita

15 «Nitebiteby ny saiko tao anatiko, izaho Daniela, ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.

16 Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izay nilaza ny hevitr’izany:

17 Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;

18 nefa ireo olo-masin’ny Avo Indrindrano handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay doria alaovalo.

19 Tiako ho fantatra marina tamin’izay, ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahina ny hohony, nihinana sy nikepokepoka azy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;

20 sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany.

21 Nijery aho ka indro niady tamin’ireo olo-masina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka,

22 mandra-pahatongan’ilay anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an’ireo olo-masin’ny Avo Indrindra, sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo olo-masina ny fanjakana.

23 Izao no nolazainy tamiko: ‹Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany, hafa noho ny fanjakana rehetra, hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.

24 Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany; hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo; ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.

25 Hanao teny manohitra ny olo-masin’ny Avo Indrindra, sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna, ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masinamandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa, ary ny antsasaky ny fetr’andro.

26 Ary hatao ny fitsarana, ka hoesorina aminy ny fahefany, mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.

27 Ary ny fanjakana sy nyfanapahana amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etỳ ambanin’ny lanitra rehetra, homena ny vahoakan’ny olo-masin’ny Avo Indrindra; fanjakana mandrakizay ny fanjakany, ary hanompo azy sy hanoa azy ny fahefana rehetra.›

28 Izany no niafaran’ny teny. Nahatsiravina ahy i Daniela loatra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko nefa notahiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 8

Ny fahitana

1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Baltasara mpanjaka, nisy fahitana niseho tamiko izaho Daniela, taorian’ilay niseho tamiko taloha.

2 Ary nahita aho tamin’ny fahitana, ary nony nijery aho dia indro tany Sosa, ilay tanàna mimanda any amin’ny faritanin’i Elama, no nisy ahy; ary nahita aho tamin’ny fahitana, ka teo amoron’ny ony Olayaho.

3 Natopiko ny masoko, dia nahita aho, dia indro nisy ondralahy iraynitsangana teo amoron’ny ony, nanan-tandroka roa izy io, avo ny tandronyroa, nefa lava noho ny namany ny anankiray, ary ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.

4 Hitako ilay ondralahy fa nanoto niankandrefana, nianavaratra, nianatsimo; tsy nisy biby nahatoha teo anoloany, tsy nisy olona nahafaka teo an-tanany; nanao izay tiany izy, ary nihalehibe.

5 Izaho izany dia nandinika fatratra teo, ka indro nisy vantotr’osilahytonga avy any andrefana, teo ambonin’ny tany rehetra, tsy nitehin-tany akory, ary nanan-tandrokaniharihary tsara teo anelanelan’ny masony, izany osilahy izany.

6 Nankeo amin’ilay ondralahy nanan-tandroka roa izay efa hitako nitsangana teo amoron’ny ony izy, ary niezaka hikatroka amin’io, tamin’ny firehitry ny heriny.

7 Dia hitako izy nanatona ilay ondralahy, nisafoaka taminy, mamely ity ondralahy ary nanapaka ny tandrony roa, ary tsy nanan-kery akory mba hanoha azy ilay ondralahy; fa nazerany tamin’ny tany, nohoseny tamin’ny tongony; ary tsy nisy nahavonjy an’ity ondralahy teny an-tanany.

8 Nitombo fatratra ilay vantotr’osy lahy ary nony efa nahery izy, tapaka ilay tandrony lehibe, fa tandroka efatraindray no hitako nisolo iny tamin’ny vazantany efatra.

9 Nisy tandroka kelyiray nipoitra avy tamin’ny anankiray tamin’ireo, nitombo fatratra teny atsimoeny sy teny atsinanana, ary tany amin’ny tany be voninahitra.

10 Nitombo izy nahatakatra ny tafiky ny lanitra, nazerany amin’ny tany ny sasany tamin’izany tafika izany mbamin’ny kintana, ka nohoseny tamin’ny tongony.

11 Nitombo nahatakatra ny filohan’ny tafika izy, ka nesoriny tamin’io ny fanompoana tsy tapaka ary voarava ny tokotanin’ny fitoerana masina.

12 Nisy tafika anankiray voatolotra tamin’ny fahavalo noho ny fivadihana, mbamin’ny famonoana tsy tapaka, ary nazeran’ny tandroka tamin’ny tany ny fahamarinana: nanao izany izy ka nahefa.

13 Dia nisy masina anankiray reko niteny, ka hoy ny masina anankiray hafa, tamin’ilay niteny: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay asehon’ny fahitana ny amin’ny fanompoana tsy tapaka, ny fahotana mampahory, mbamin’ny fandaozana ny fitoerana masina sy ny tafika hohitsakitsahina?»

14 Ary hoy izy tamiko: «Hatramin’ny telon-jato amby roa arivo maraina sy hariva, fa rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina.»

Ny Anjely Gabriely manazava ilay fahitana

15 Raha mbola nahita izany fahitana izany aho Daniela, sady nitady hahafantatra ny heviny, dia indro nisy nitsangana teo anatrehako, niseho toy ny tarehin’olona.

16 Ary injay, nisy feon’olona reko avy ao amin’ny ony Olay niantso nanao hoe: «Ry Gabriely, lazao azy ny hevitry ny fahitana!»

17 Dia nankeo amin’ilay toerana nitsanganako izy, ka raiki-tahotra sy niankarapoka nihohoka tamin’ny tany aho, nony nanatona izy. Ary izao no nolazainy tamiko: «Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa amin’ny momba ny fotoana farany, izany fahitana izany.»

18 Mbola niteny tamiko teo izy, no nihohoka tamin’ny tany aho voan’ny torimaso, nefa notohininy aho, dia nampitsanganiny teo amin’ny fitoerana nisy ahy

19 sy nilazany hoe: «Indro hampahafantariko anao, izay ho tonga any amin’ny fotoam-pahatezerana any am-parany, fa zavatra ho amin’ny fotoana any am-parany, izany.

20 Ilay ondralahy manan-tandroka roa hitanao, dia ny mpanjakan’ny Meda sy ny Persa;

21 ilay osy lahy lava volo, dia ny mpanjakan’i Javàna ary ilay tandroka lehibe tanelanelan’ny masony, no mpanjaka voalohany.

22 Izany tandroka izany no tapaka ary ireo tandroka efatra no nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana amin’izany firenena izany, nefa tsy hitovy hery aminy.

23 Amin’ny faran’ny fanjakan’izy ireo, rehefa feno isa ny mpivadika, dia hisy mpanjaka anankiray hitsangana;

24 hitombo fahefana, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany, hanao fandravana mahagaga: hahefa izay kendreny hatao, ary hanimba ny mahery sy ny vahoakan’ny olo-masina.

25 Noho ny hafetseny hahavoa ny fitaka any an-tanany: hiavonavona am-po izy, ary handringana olona maro mitoetra feizay: hitsangan-kanohitra ny mpanjakan’ny mpanjaka izy, nefa ho torotoro tsy kasihin-tanan’olombelona akory.

26 Marina ny fahitana naposaka ny amin’ny hariva sy ny maraina: nefa aoka hahoronao izany fahitana izany, fa mbola ho amin’ny andro any aoriana any.»

27 Ary izaho Daniela torana sy nandraingiraingy andro maro, vao nitsangana nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Talanjona tamin’ny fahitako aho fa ny olona tsy nisy nahafantatra izany.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 9

Vavak’i Daniela

1 Tamin’ny taona voalohanynanjakan’i Dariosa, zanak’i Asoerosa, taranaky ny Meda, nampanjakaina tamin’ny fanjakan’ny Kaldeanina:

2 tamin’ny taona voalohany nanjakany izaho Daniela nandinika, tamin’ny famakiana ny boky, ny isan’ny taona izay nanaovan’i Iaveh teny tamin’i Jeremia mpaminany ka tsy maintsy tanterahina ho tapitra amin’ny faharavàn’i Jerosalema, dia fitopolo taona izany.

3 Natodiko any amin’ny Tompo Andriamanitra ny tavako ary nioman-kivavaka sy hifona amin’ny fifadian-kanina sy amin’ny lasàka aman-davenona aho.

4 Nivavaka tamin’i Iaveh Andriamanitro aho, ary niaiky heloka, nanao hoe: «Indrisy, ry Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao,

5 izahay efa nanota sy nahavita heloka aman-dalànao.

6 Tsy nahinao ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin’ny Anaranao tamin’ny mpanjakanay ama-mpanapaka anay sy tamin’ny razanay mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany.

7 Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa ny fangaihaizan-tava kosa tahaka ny amin’izao anio izao no anay, dia an’ny olona any Jodà, ny mponina any Jerosalema, sy i Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, any amin’ny tany rehetra nandroahanao azy, noho ny helony izay nataony taminao.

8 Tompo ô, anay ny fangaihaizan-tava, an’ny mpanjakany, an’ny mpanapaka anay, an’ny razanay, satria nanota taminao izahay.

9 Fa an’ny Tompo Andriamanitray kosa, ny famindram-po amam-pamelan-keloka, satria niodina taminao izahay.

10 Tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitray izahay, mba hanarahanay ny lalàny, nataony teo anoloanay tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.

11 Nandika ny didinao avokoa i Israely, sady niodina tsy nihaino ny feonao, ka dia nianjera taminay ny ozona aman-tsahato voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra, satria nanota taminy izahay.

12 Notanterahiny ny teny nolazainy hamelezana anay mbamin’ny mpitsara nitsara anay: ka nataony iharan-doza lehibe tokoa izahay, fa tsy mbola nisy tahaka ny namely an’i Jerosalema, hita tetỳ ambany masoandro.

13 Nidona taminay avokoa izao loza izao, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’Andriamanitra; kanefa izahay tsy nanao izay hampitony an’i Iaveh Andriamanitray, tamin’ny fialanay amin’ny helokay sy amin’ny fieritreretanay amim-pitandremana ny fahamarinanao.

14 Ka dia nandrasan’i Iaveh ny loza, ary nampihariny taminay; satria, marina i Iaveh Andriamanitray amin’ny asany rehetra nataony, ary tsy nihaino ny feony izahay.

15 Koa ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitray ô, izay nanala ny vahoakanao avy any amin’ny tany Ejipta tamin’ny tananao mahery, sy nanao anarana ho Anao, tahaka ny amin’izao anio izao, efa nanota izahay, efa ratsy izahay.

16 Tompo ô, enga anie ka hihodivitra tsy hihatra amin’i Jerosalema, tanànanao sy tendrombohitrao masina, ny hatezeranao amam-pahaviniranao araka ny fahamarinanao rehetra; fa noho ny fahotanay aman-keloky ny razanay, no nahatonga an’i Jerosalema sy ny vahoakanao ho fandatsa eo amin’izay rehetra manodidina anay.

17 Ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao; ka ampamirapirato amin’ny fitoeranao masina efa noravana, ny Tavanao, noho ny fitiavan’ny Tompo.

18 Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao ka henoy, ahirato ny masonao ka jereo ity fahorianay sy ny tanàna niantsoana ny Anaranao. Fa tsy noho ny fahamarinanay no ametrahanay ny fifonanay eto anoloanao; fa noho ny famindram-ponao lehibe.

19 Tompo ô, mandrenesa; Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa ka miasà; aza ela, ry Andriamanitra ô, noho ny aminao; fa ny Anaranao no voaantso amin’ny tanànanao sy ny vahoakanao.»

Ny Anjely Gabriely manazava ny faminaniana

20 Mbola miteny eo aho mivavaka miaiky ny fahotako amam-pahotan’i Israely fireneko, ary mametraka ny fifonako eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitro, ho an’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra;

21 mbola miteny eo amin’ny fivavahako eo aho, no indro ilay lehilahy Gabriely, hitako taloha tamin’ny fahitana, tonga teo amiko tamim-panidinana faingana, sahabo ho tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva.

22 Nanoro ahy sy niresaka tamiko izy ka nanao hoe: «Ry Daniela ô, tonga aho amin’izao fotoana izao, hanokatra ny sainao.

23 Vao niantomboka ny vavakao, dia nisy teny nivoaka, ka ny hampahalala izany anao no nahatongavako, fa olo-malalan’Andriamanitra ianao. Koa henoy amim-pitandremana ny teny, ary fantaro ny fahitana.

24 Fitopolo herinandro no voafetraho an’ny firenenao sy ny tanànanao, hanampina ny fahotana, hanonitra ny heloka, hampiditra ny fahamarinana mandrakizay, hanisy tombokase ny fahitana amam-paminaniana ary hanosotra Ilay Masinaindrindra.

25 Aoka ho fantatrao sy ho azonao àry, fa hatramin’ny hivoahan’ny didy anankirayizay hampanorina indray an’i Jerosalema ka hatramin’ny voahosotra anankiray, ny filohany anankiray izay, dia ho fito herinandro, sy 62 herinandro, dia haorina indray izy mbamin’ny kianja sy ny tamboho manodidina, amin’ny andro mampahory.

26 Ary rehefa afaka ny 62 herinandro, hoesorina ny voasoratraanankiray izay, ka tsy hisy ho azy. Ary ny vahoakan’ny filohany anankiray ho avy, handrava ny tanàna amam-pitoerana masina; ny hiafarany dia ho amin’ny fahasaforan-drano, ary hatramin’ny farany dia hisy ady izay efa voatapaka momba ny fandringanana.

27 Hanao fanekena mafy amin’ny maro be izy, mandritra ny herinandro; ka ao antenatenan’ny herinandro dia hatsahany ny sorona amam-panatitra; ary hisy mpandrava ho avy amin’ny elatry ny fahavetavetana, ka izany dia haharitra mandra-pihatran’ny fandravana sy izay efa voatapaka amin’ilay efa rava.»

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 10

Fahitana ilay lehilahy mitafy rongony madinika

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia nisy teny nambara tamin’i Daniela, izay natao hoe Baltasara, marina izany teny izany, ary ady lehibe no lazainy. Azony an-tsaina ny teny, sady fantany hevitra ny fahitana.

2 Tamin’izany andro izany aho Daniela, nisaona nandritra ny andro roatokombolana.

3 Tsy nihinan-kanim-pỳ akory aho, tsy nisy niditra ny vavako na hena na divay; ary tsy nihosotra aho, mandra-pahatapitry ny andro roatokombolana maninjitra.

4 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana voalohanyaho, teo amoron’ny ony lehibe atao hoe Tigra.

5 Nanopy ny masoko nijery aho, ka indro, nisy lehilahy anankiray, nitafy rongony fotsy, sy nihetra tamin’ny hetra volamena avy any Ofaza.

6 Tahaka ny krizôlita ny tenany, hoatra ny hela-baratra no fijery ny tarehiny, tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, mivolom-barahina manganohano ny sandriny amam-tongony, hoatra ny feon’olona maro be ny feony, raha miteny izy.

7 Izaho Daniela irery no nahita ny fisehoana fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita ny fisehoana; azon’ny tahotra mafy izy ireo, ka nandositra niery.

8 Dia izaho irery no nijanona teo, ka nahita izany fisehoana lehibe izany, ka tsy nisy hery sisa intsony tafajanona tao amiko, ny tarehiko niova volo, fa tonga nivaloarika aho, ary tsy nisy hery intsony tamiko.

Fisehoan’ny Anjely

9 Reko ny feony niteny, fa vao nandre ny feony niteny aho, dia nirona natory, ka nihohoka tamin’ny tany.

10 Dia injay tanana nanohitra ahy, ka nampianariny ahy handohalika sy hitehin-tanana.

11 Dia hoy izy tamiko hoe: «Ry Daniela, olo-malalan’Andriamanitra ô, fantaro izao teny holazaiko aminao izao, ka mitsangàna ianao fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny.» Nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana aho nangovitra.

12 Ary hoy izy tamiko: «Aza matahotra, ry Daniela, fa hatramin’ilay andro voalohany nandatsahanao am-po ny hahalala ny hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao, ary izaho no tonga dia noho ny teninao.

13 Fa nitsangana teo anoloako, 21 andro, ilay filohan’ny fanjakan’i Persa, ary i Misely anisan’ireo filohany ambony no tonga nanampy ahy, ka nijanona teo akaikin’ny mpanjakan’i Persa aho.

14 Ary ny hampahafantatra anao ny hanjò ny firenenao any am-parany any, no nahatongavako, satria mbola fahitana ny amin’ny any aoriana koa izany.»

15 Tamin’ny nilazany izany teny izany tamiko, dia niondrika tamin’ny tany ny tarehiko, sady tsy nahateny aho,

16 Fa indro kosa nisy anankiray nitarehin-janak’olombelona, nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho, ka niteny dia nilaza tamin’ilay nitsangana teo anatrehako, nanao hoe: «Tompokolahy ô, very hevitra aho, azon’izany fahitana izany, ka tsy manan-kery intsony.

17 Hataon’ity mpanompon’ny Tompoko ity ahoana moa no fiteny amin’ny tompoko eo. Amin’izao sady tsy manan-kery aho, no tsy nisy aina intsony akory koa.»

18 Fa ilay nitarehin-janak’olombelona indray no nanendry ahy sy nankahery ahy. Dia hoy izy tamiko:

19 «Aza matahotra, ry olo-malalan’Andriamanitra; ho aminao anie ny fiadanana! Matokia, matokia!» Mbola niteny tamiko teo izy, dia efa nahazo hery aho, ka nanao hoe: «Efa nankahery ahy ianao.»

Filazana ny faminaniana

20 Hoy izy tamiko: «Fantatrao va ny nahatongavako atỳ aminao? Ankehitriny aho, ary amin’ny fotoana handehanako, dia indro ho avy ny filohan’i Javàna.

21 Hambarako anao anefa ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana, ary tsy misy mitsangana momba azy hanohitra an’ireo afa-tsy i Misely filohanareo ihany.»