Categories
Deterônômy

Deterônômy 1

Toerana sy andro nanaovana azy

1 Izao no teny nataon’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely rehetra tany an-dafin’i Jordanytany an’efitra, tany Arabaha, tandrifin’i Sofa, anelanelan’i Faràna, i Tofela, i Labàna, i Haserôta sy i Di-Zahaba.

2 Lalana iraika ambin’ny folo andro i Kadesa-Barne, raha avy eo Horeba ka mihazo ny lalana amin’ny tendrombohitra Seira.

3 Tamin’ny taona fahefapolo, volana faharaika ambin’ny folo, andro voalohan’ny volana, dia niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy, araka izay rehetra nodidian’i Iaveh holazainy amin’izy ireo,

4 dia nony efa nandresy an’i Sehôna mpanjakan’i Amôreana, izay nonina tao Hesebona, sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tao Atarôta sy Edraia.

5 Tany an-dafin’i Jordany, amin’ny tany Moaba, dia nanomboka nivaofy izao lalàna izao i Môizy nanao hoe:

Famarafaràna tao Horeba

6 «Niteny tamintsika i Iaveh Andriamanitsika tany Horeba nanao hoe: Ampy izay ny haelan’ny nitoeranareo tamin’ity tendrombohitra ity,

7 ka mihodìna dia miaingà; mandehana mankany amin’ny tendrombohitry ny Amôreanasy any amin’ny manodidina azy rehetra, any amin’i Arabaha, any amin’ny Tendrombohitra, any amin’i Sefelà, any amin’ny Negeba, any amoron’ny ranomasina, any amin’ny tanin’ny Kananeaninaary any Libàna, hatrany amin’ny ony lehibe dia ny ony Eofrata.

8 Indro, ataoko eo anoloanareo izany tany izany, ka mandehana, alaovy hanananareo azy, ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba rainareo, homena azy, dia ho azy ireo sy ny taranany mandimby azy.»

9 «Toy izao no nitenenako taminareo tamin’izany andro izany: Tsy zakako izaho irery ny mitondra anareo.

10 Efa nampitombo anareo i Iaveh Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny an-danitra ianareo.

11 Enga anie, ka hampitomboin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo ho inarivo tahaka izao ianareo sy hotsofiny rano, araka ny efa nampanantenainy anareo.

12 Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny lolohanareo sy ny entanareo ary ny adinareo?

13 Ka mifidiana olon-kendry sy manan-tsaina, ary hita toetra eo amin’ny fokonareo, dia hataoko lehibenareo izy.

14 Namaly ahy ianareo, ka nanao hoe: Tsara izany zavatra aposakao hatao izany.

15 Dia naka ny lohan’ny fokonareo aho, izay olon-kendry sy hita toetra ka nataoko mpifehy anareo, ho tomponarivo, tompon-jato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo, ary ho mpitsara amin’ny fokonareo.

16 Tamin’izay koa no nomeko izao didy izao ny mpitsara anareo: Henoy ny rahalahinareo, ka tsarao ara-drariny izay zavatra ifanolanan’izy ireo sy ny rahalahiny samy izy, na izy sy ny vahiny mitoetra aminy.

17 Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarànareo; henoy toy ny lehibe ny kely; aza matahotra olona na iza na iza, fa an’Andriamanitra ny fitsarana; ary izay zavatra sarotra loatra aminareo, ento aty anatrehako ho henoko.

18 Toy izany no nandidiako anareo tamin’izay zavatra rehetra tokony hataonareo.»

Tsy fetezana hino tao Kadesy

19 «Nony niala tany Horeba isika, dia namaky ilay efitra malalaka sy mahatsiravina hitanareo nankany amin’ny tendrombohitry ny Amôreana, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo antsika, ka tonga tany Kadesa-Barne.

20 Dia hoy aho taminareo: Tonga amin’ny tendrombohitry ny Amôreana izay omen’i Iaveh Andriamanitsika ho antsika ianareo.

21 Indro ataon’i Iaveh Andriamanitrao eo anatrehanao izany tany izany, ka iakaro izy, dia alao ny zanakao, araka ny efa voalazan’i Iaveh Andriamanitry ny razanao taminao; aza matahotra na mivadi-po akory.

22 «Dia nanatona ahy ianareo rehetra, ka nanao hoe: Aoka isika haniraka olona hialoha antsika hisafo ny tany, dia hilaza amintsika ny toetry ny lalana hiakarantsika sy izay toetry ny tanàna hahatongavantsika.

23 Hitako fa mety izany, ka dia naka roa ambin’ny folo lahy taminareo aho, iray avy isam-poko.

24 Dia lasa ireo namaky ny tendrombohitra ka tonga tany an-dohasahan’i Eskôla sy nisafo azy.

25 Nataony teny an-tananay ny vokatry ny tany nentiny nankany amintsika ary nanao filazana momba izany tamintsika izy; dia hoy izy: Tsara ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitsika ho antsika.

26 Tsy nety niakatra anefa ianareo, fa nandà ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo.

27 Nimonomonona tany an-dainareo ianareo, nanao hoe: Ny fankahalan’i Iaveh antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin’ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tanan’ny Amôreana, sy handringanany antsika.

28 Aiza no hiakarantsika? Fa efa nahaosa ny fontsika loatra ny nilazan’ny rahalahintsika hoe: Ny firenena ao, dia sady vaventy no lava noho isika, ny tanàna lehibe, ary avo manakatra ny lanitra ny mandany; ary ny taranaky ny Enakima aza efa hitanay tany.

29 Dia hoy aho taminareo: Aza mivadi-po na matahotra an’ireo akory;

30 fa i Iaveh Andriamanitrareo izay mandeha eo alohanareo, dia Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra efa nataony ho anareo tany Ejipta teo imasonareo,

31 ary tany an’efitra koa; ary hitanao tao izay nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao, fa toy ny fitondran’ny olona ny zanany, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, hatramin’ny nahatongavanareo amin’ity toerana ity.

32 Na dia izany aza anefa ianareo tsy mbola nitoky an’i Iaveh Andriamanitrareo,

33 izay nandeha teo alohanareo teny an-dalana, hitady toerana hitobianareo: ny alina Izy teo amin’ny afo hanoro lalana nety halehanareo; ny antoandro indray teo amin’ny rahona.»

Fampianaran’i Iaveh tao Kadesy

34 Ren’i Iaveh ny fimonomonon’ny teninareo ka nentin’ny hatezerana Izy, dia nianiana nanao hoe:

35 Tsy hisy olona amin’ity taranaka ratsy ity, hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,

36 afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, izy no hahita azy, ary izy sy ny zanany no hanomezako ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tsara an’i Iaveh izy.

37 Ianareo ihany koa, no nitezeran’i Iaveh ahy, ka nanaovany hoe: Ianao koa tsy hiditra any;

38 fa i Jôsoe mpanomponao zanak’i Nona, no hiditra any; ankaherezo izy, fa izy no hampahazo an’i Israely izany tany izany;

39 ary ny zanakareo madinika izay nolazainareo hoe lasan-ko babo, ny zanakareo mbola tsy mahalala izay tsara sy ratsy ankehitriny, dia ireo no hiditra any, ireo no homeko azy, ary ireo no hanana azy.

40 Fa ianareo kosa, mihodìna ary miaingà ho any an’efitra amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena.

41 Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin’i Iaveh izahay! Koa hiakatra ihany izahay, dia hiady araka izay rehetra efa nandidian’i Iaveh Andriamanitsika antsika. Dia samy namehy fiadiana teny am-balahana ianareo tsirairay avy, ka nioman-kananika ny tendrombohitra tsy amim-piheverana akory.

42 Fa hoy i Iaveh tamiko: Lazao amin’izy ireo hoe: Aza miakatra ianareo ary aza miady, fa tsy eo afovoanareo Aho, ka aza atao izay handresen’ny fahavalonareo anareo.

43 Nilaza taminareo aho; fa tsy nohenoinareo, notsipahinareo ny tenin’i Iaveh, be hambo loatra ianareo ka niakatra ny tendrombohitra.

44 Kanjo nivoaka hanehatra anareo ny Amôreana izay monina amin’izany tendrombohitra izany, ka notanahiny ianareo toy ny fanaon’ny renitantely sy noreseny tao Seira ka hatrany Hormà.

45 Dia niverina ianareo, ka nitomany teo anatrehan’i Iaveh; nefa tsy nihaino ny feonareo i Iaveh, na nanongilana ny sofiny taminareo.

46 Nitoetra ela be tao Kadesa ianareo, dia izay fotoana nijanonanareo tao.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 2

I Israely sy i Edôma ary i Moaba

1 Dia nivily lalana isika, ka nandeha ho any an’efitra, amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena, araka ny nandidian’i Iaveh ahy, ary ela isika no nihodina manodidina ny tendrombohitra Seira.

2 Ary hoy i Iaveh tamiko:

3 Ampy izay ny nihodinanareo manodidina ity tendrombohitra ity, mandehana indray amin’ny lalana mianavaratra.

4 Omeo teny ny vahoaka ataovy hoe: Hamaky ny tanin’ny rahalahinareo ianareo izao, dia ny taranak’i Esao, izay monina any Seira. Hatahotra anareo izy;

5 nefa mitandrema tsara mba tsy hisy hifandiranareo aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny, na dia eram-paladia aza; ny tendrombohitra Seira efa nomeko an’i Esao hananany azy.

6 Ka aoka hovidinareo vola aminy ny hanin-kohaninareo, hovidinareo vola aminy na dia ny rano hosotroinareo aza.

7 Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.

8 Koa nandalo lavidavitra ny rahalahintsika zanak’i Esao izay monina any Seira isika,lavidavitrany lalana amin’i Arabaha sy i Elata ary i Asiôngabera; nivily isika dia nihazo ny lalana mankany amin’ny efitr’i Moaba.

9 Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.

10 Ny Emima, vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima, no nonina tany fahiny.

11 Izy ireo koa heverina ho Rafaïma toy ny Enakima, nefa Emima no iantsoan’ny Moabita azy.

12 Ny tany Seira koa fahiny, dia nonenan’ny Hôreanina, nefa noroahin’ny taranak’i Esao ireny nataony lany ringana teo anatrehany, dia izy ireo no nonina nisolo ireny, toy ny nataon’ny zanak’i Israely tamin’ny tany ananany, izay nomen’i Iaveh azy.

13 Koa ankehitriny, mitsangàna ianareo, ka mandehana mita ny ranon-driaka Zareda.

Tonga tao ampita atsinanan’i Jordany

Dia nita ny ranon-driaka Zareda isika.

14 Valo amby telopolo taona no naharetan’ny diantsika hatrany Kadesa-Barne ka hatramin’ny nitantsika ny ranon-driaka Zareda, dia mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin’izany taranaka izany, araka ny efa nianianan’i Iaveh tamin’izy ireo.

15 Fa ny tanan’i Iaveh koa no namely azy, mba handringana azy tsy ho eo amin’ny toby, mandra-pahalany ritra azy.

16 Nony efa ringan’ny fahafatesana, tsy ho eo amin’ny vahoaka intsony ny lehilahy mpiantafika rehetra,

17 dia niteny tamiko i Iaveh nanao hoe:

18 Mandehana amin’izao mamaky ny faritr’i Moaba, dia i Ara,

19 ka ho tonga any akaikin’ny taranak’i Amôna ianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin’ny taranak’i Amôna, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.

20 Natao ho tanin’ny Refaima koa izany tany izany fa fahiny dia nonina tao ny Refaïma izay nantsoin’ny Amônita hoe Zômzômima,

21 vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima. Naringan’i Iaveh ireny teo alohan’ny Amônita izay nandroaka azy sy nonina nisolo azy;

22 toy izany no nataon’i Iaveh ho an’ny taranak’i Esao izay monina any Seira, tamin’ny nandringanany ny Hôreana, teo anoloany, dia noroahiny ireny, ka ireo no nonina nisolo ireny mandrak’androany.

23 Ny Heveanina izay nonina tamin’ny vohitra hatrany Gazà koa, dia naringan’ny Kaftôrima, izay nivoaka avy tany Kaftora sy nonina nisolo ireny.

24 Koa mitsangàna ianareo mandehana mita ny ranon-driaka Arnôna. Indro atolotro eo an-tananao i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, Amôreana, mbamin’ny taniny. Atombohy ny fakàna azy, ka tafiho izy.

25 Hatramin’ny anio dia haeliko amin’ny vahoaka rehetra mbamin’ny lanitra ny horohoro aman-tahotra ny anaranareo; ka raha vao mandre ny lazanareo izy dia hangovitra sy hangorohoro noho ny aminao.

Ny nandresena an’i Sehôna

26 Teo an’efitra Kademôta dia nandefa iraka hankany amin’i Sehôna, mpanjakan’i Hesebona aho, nitondra tenim-pihavanana, nampilaza taminy hoe:

27 Aoka mba hamaky ny taninao aho, dia homba ny lalam-be fotsiny, fa tsy hivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.

28 Hamidinao vola amiko ny hanin-kohaniko; ny rano hosotroiko hatakalonao vola amiko; fa ny handalo mandeha tongotra fotsiny no tadiaviko.

29 Efa nanao izany tamiko ny taranak’i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitàko an’i Jordany, ho any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitray anay.

30 Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sehôna mpanjakan’i Hesebona; fa efa nohenjanin’i Iaveh Andriamanitrao ny fanahiny, ary efa nohamafisiny ny fony, mba hanolorany azy ho eo an-tananao araka ny hitanao amin’izao anio izao.

31 Hoy i Iaveh tamiko: Indro aho, nanomboka nanolotra anao an’i Sehôna sy ny taniny. Atombohy ny fanafihana azy mba hahazoanao ny taniny ho fanananao.

32 Dia nivoaka i Sehôna mbamin’ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Jasà;

33 ka natolotr’i Iaveh Andriamanitsika sy noresentsika izy sy ny zanany ary ny vahoaka rehetra.

34 Afatsîka tamin’izay ny tanànany rehetra, nataontsika anatemany tanànany rehetra, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, tsy nasiantsika niangana izy na dia iray aza.

35 Fa ny biby fiompiny kosa sy izay mety ho babo tao amin’ny tanàna afatsîka no norobaintsika ho antsika.

36 Hatrany Harôera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo anatin’ny lohasaha, ka hatrany Galaada, dia tsy nisy tanàna sarotra anihina ka tsy afatsîka, fa natolotr’i Iaveh Andriamanitsika ho antsika daholo.

37 Tsy nisy nakaikenao anefa ny tanin’ny taranak’i Amôna, ary na aiza na aiza koa teo amoron’ny ranon-driaka Jabaoka, na ny tanàna eo amin’ny tendrombohitra na ny toerana rehetra efa nandraran’i Iaveh Andriamanitsika anao.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 3

Tafaorina tany ampita atsinanan’i Jordany

1 Dia nihodina isika ka niakatra tamin’ny lalana mankany Basàna, ary nivoaka hifanehatra amintsika i Oga mpanjakan’i Basàna mbamin’ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Edraìa.

2 Hoy i Iaveh tamiko: Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tany Hesebona.

3 Koa natolotr’i Iaveh Andriamanitsika teo an-tanantsika koa i Oga mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny vahoakany rehetra; dia nasiantsika izy mandra-paha-tsy nisy niangana ny vahoakany na dia iray aza.

4 Afatsîka ny tanànany rehetra tamin’izay; tsy nisy tsy azontsika tamin’ireny na dia iray aza, dia tanàna enimpolo, ny faritany Aragôba rehetra, ny fanjakan’i Oga tany Basàna.

5 Tanàna mimanda daholo ireo tanàna rehetra ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady hidiny avokoa; ary mbola tsy anisan’izany ny tanàna tsy mimanda be dia be.

6 Nataontsika anatema izy, toy ny nanaovantsika an’i Sehôna, mpanjakan’i Hesebona; natao anatema ny tanàna, ny lehilahy, ny vehivavy sy ny zaza;

7 fa ny biby fiompy sy izay mety ho babo tao amin’ny tanàna no norobaintsika ho antsika.

8 Koa tamin’izany andro izany dia azontsika tamin’ny mpanjakan’ny Amôreana roa, ny tany any an-dafin’i Jordany, hatramin’ny ranon-driaka Arnôna, ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna;

9 Sariôna no iantsoan’ny Sidonianina an’i Hermôna, ary Sanira no iantsoan’ny Amôreana azy;

10 dia ny tanàna rehetra amin’ny tany lemaka, Galaada rehetra ary Basàna rehetra, hatrany Selkà sy Edraìa, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga tany Basàna.

11 I Oga mpanjakan’i Basàna, no hany taranaky ny Refaima sisa tavela. Moa tsy ao Rabata va, ao amin’ny taranak’i Amôna, ny farafarany, farafara vy?Sivy hakiho ny halavany, efatra hakiho ny sakany, amin’ny hakihon-dehilahy.

12 Dia azontsika tamin’izay, izany tany izany. Nomeko ny Robenita sy ny Gadita ny hatrany Arôera izay manerinerina amin’ny lohasahan’i Arnôna sy ny antsasaky ny tendrombohitr’i Galaada mbamin’ny tanànany.

13 Ary nomeko ny antsasaky ny fokon’i Manase ny sisa amin’i Galaada sy ilay faritanin’i Basàna manontolo izay fanjakan’i Oga. Ny tany Argoba rehetra sy Basàna rehetra no atao hoe tanin’ny Refaima.

14 I Jaira, zanak’i Manase no nahazo ny tany Argoba, hatramin’ny sisin-tanin’ny Gesorianina sy ny Makatianina, ary nantsoiny amin’ny anarany ny vohitr’i Basàna izay atao hoe vohitr’i Jaira, mandrak’androany.

15 Nomeko an’i Makira i Galaada.

16 Ny Robenita sy ny Gadita nomeko ny sasany amin’i Galaada hatramin’ny ranon-driaka Arnôna, ny am-pamatonan’ny lohasaha no faritra aminy, hatramin’ny ranon-driaka Jabaoka, sisin-tanin’ny zanak’i Amôna,

17 mbamin’i Arabaha, ka i Jordany no faritra ao, hatrany Kenereta ka hatrany amin’ny ranomasin’i Arabaha sy ny Ranomasin-tSira eo ambodin’ny kisolosolon’i Fasgà any atsinanana.

Fepetra farany nataon’i Môizy

18 Nanome didy anareo aho tamin’izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa ianareo rehetra, rehefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan’ny rahalahinareo, dia ny zanak’i Israely.

19 Fa ny vadinareo ihany sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, fantatro fa manana biby fiompy betsaka ianareo, no hijanona amin’ny tanàna nomeko anareo;

20 mandra-panomen’i Iaveh fitsaharana ny rahalahinareo, tahaka ny nataony taminareo koa, ka mahazo ny tany nomen’i Iaveh azy koa izy any an-dafin’i Jordany. Izay vao samy hiverina amin’ny anjara lova nomeko anareo avy ianareo.

21 Nanome didy an’i Jôsoe koa aho tamin’izany andro izany nanao hoe: Masonao no nahita izay rehetra nataon’i Iaveh Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy ireo. Toy izany koa no hataon’i Iaveh amin’ny fanjakana rehetra halehanao hiadiana.

22 Koa aza matahotra azy ianareo, fa ny Tenan’i Iaveh Andriamanitrareo no hiady ho anareo.

23 Nitaraina tamin’i Iaveh aho tamin’izany andro izany, nanao hoe:

24 Ry Iaveh Tompo ô, vao naneho ny halehibeazanao sy ny tananao mahery tamin’ny mpanomponao Ianao, fa na any an-danitra na etỳ an-tany, aiza moa no misy andriamanitra mahefa ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?

25 Aoka re aho hita, aoka re aho hahita izany tany soa any an-dafin’i Jordany izany, izany tendrombohitra tsara tarehy sy Libàna!

26 Fa tezitra tamiko i Iaveh noho ny aminareo, ka tsy nihaino ahy. Hoy i Iaveh tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko ny amin’izany zavatra izany intsony.

27 Miakara any an-tampon’i Fasgà, dia atopazo miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ka tazano amin’ny masonao, fa ianao tsy hìta io Jordany io.

28 I Jôsoe no omeo didy, dia ankaherezo sy hatanjaho, fa izy no handeha eo alohan’ity vahoaka ity, ary izy no hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.

29 Dia nijanona teo an-dohasaha tandrifin’i Bety-Fogôra isika.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 4

Ny nivadihan’i Fogôra sy ny tena fahendrena

1 «Ary ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo.

2 Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin’izany akory, fa tandremo ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay handidiako anareo.

3 Masonareo no nahita ny nataon’i Iaveh, noho ny amin’i Baala-Fogôra. Naringan’i Iaveh teo afovoanareo avokoa izay rehetra nanaraka an’i Baala-Fogôra;

4 fa ianareo rehetra nifikitra tamin’i Iaveh Andriamanitrareo kosa, mbola samy velona daholo izao anio izao.

5 Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’i Iaveh ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany hidiranareo hanananareo azy.

6 Koa tandremo sy tanteraho izany, fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason’ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe: Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!

7 Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an’i Iaveh Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika azy?

8 Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina, toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?»

Fanambaràna tao Horeba sy ny zavatra takina

9 Kanefa mitandrema tena ianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan’ny masonao, na mamela azy hiala amin’ny fonao, na dia indray andro amin’ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.

10 Tsarovy ny andro nisehoanao teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, tany Horeba, fony i Iaveh nilaza tamiko hoe: Angony ho atỳ amiko ny vahoaka fa hampandrenesiko azy ny teniko, mba hianarany matahotra Ahy, amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany, sy hampianariny ny zanany koa.

11 Dia nanatona ianareo, ka nitoetra teo ambodin’ny tendrombohitra, ary ny tendrombohitra nirehitra afo nanakatra ny tampon’ny lanitra teo afovoan’ny haizina sy rahona amana haizim-pito.

12 Izay vao niteny taminareo tao anatin’ny afo i Iaveh, ka renareo ny feony miteny, fa tsy hitanareo endrika Izy; feo ihany no renareo.

13 Namoaka ny fanekeny izay nodidiany hotandremanareo Izy, dia ny Didy Folo; ary nosoratany tamin’ny takelaka vato roa izany.

14 Nodidian’i Iaveh aho, tamin’izany andro izany, hampianatra didy amam-pitsipika anareo, mba harahinareo any amin’ny tany efa hidiranareo mba hakanareo azy ho fanananareo.

15 Koa rehefa tsy nahita endrika akory ianareo, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh taminareo, tao anatin’ny afo tany Horeba, dia tandremo tsara ny fanahinareo,

16 sao dia miharatsy ianareo, ka manao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia sarin-tsampy na inona na inona izany: sarin-dehilahy na vehivavy,

17 sarim-biby miaina etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manidina eny amin’ny habakabaka,

18 sarim-biby mandady amin’ny tany, sarin-kazandrano mivelona anaty rano ambanin’ny tany;

19 fandrao raha miandrandra ny lanitra ianao, ka mahita ny masoandro amam-bolana sy ny kintana, dia ny zavatra rehetra milahatra eny an-danitra, dia ho voatarika hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanao fombam-pivavahana aminy; nefa ireny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, ho anjarany;

20 fa ianareo, dia nalain’i Iaveh ka nentiny nivoaka avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, dia tany Ejipta, mba ho tonga ilay vahoaka voatokana ho lovany tahaka izao ankehitriny izao.

Ny sazy ho avy sy fibebahana

21 Ary tezitra tamiko i Iaveh noho ny aminareo, ka nianiana Izy fa tsy hita an’i Jordany aho, ary tsy hiditra any amin’ny tany soa omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao.

22 Ho faty amin’ity tany ity aho, fa tsy hìta an’i Jordany, fa ianareo no hìta azy, sy hanana izany tany soa izany.

23 Mitandrema tena ianareo, mba tsy hanadino ny fanekena nataon’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, sy tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia ny sarin-javatra na inona na inona, nandraran’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.

24 Fa i Iaveh Andriamanitrareo anie, ka afo mandevona, sy Andriamanitra saro-piaro.

25 Rehefa avy izay hiterahanareo sy hahaloa-jafy anareo ka efa ela no nonenanareo tamin’ny tany, raha miharatsy ianareo, ka manao sarin-javatra voasikotra ho anareo, na sarin’inona izany na sarin’inona, ka manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hampahatezitra Azy,

26 dia miantso ny tany aman-danitra aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa vetivety foana ianareo, dia ho fongotra eo amin’ny tany izay halehanareo hakanareo azy ho fanananareo, amin’ny fitànareo an’i Jordany; tsy ho lava andro eo ianareo, fa haringana mihitsy.

27 Haelin’i Iaveh any amin’ny firenena ianareo, ka ho olom-bitsy any afovoan’ny firenena hitondran’i Iaveh anareo.

28 Asan-tanan’olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita, na mandre na mihinana na manimbolo.

29 Any ianao hitady an’i Iaveh Andriamanitrao, ka hahita Azy ianao raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.

30 Ao anatin’ny fahoriana manjò anao, rehefa zoin’ireo zavatra rehetra ireo ianao any amin’ny andro farany any, dia hiverina amin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka hihaino ny feony;

31 satria Andriamanitra mamindra fo i Iaveh Andriamanitrao, ka tsy hahafoy anao na handringana anao; tsy hanadino ny fanekeny tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy.

Lehibe ny fifidianan’Andriamanitra

32 Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!

33 Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renareo, ka mbola velona ihany izy?

34 Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan’ny firenena iray hafa, tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’i Iaveh Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?

35 Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao, fa i Iaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.

36 Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy, sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany; ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.

37 Noho ny fitiavany ny razanao, dia nifidy ny fara mandimby azy ireo izy, ka nampivoaka anao avy tany Ejipta, tamin’ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe,

38 handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.

39 Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa i Iaveh no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony, sy etỳ amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.

40 Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.

Toerana sy andro nanaovana azy

41 Tamin’izany i Môizy dia nanokana tanàna telo any an-dafin’i Jordany any atsinanana,

42 ho fialofan’izay nahafaty ny namany tsy nahy, fa tsy fahavalony teo aloha, mba ho velona aina izay mandositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo.

43 Dia i Bôsôra any an’efitra amin’ny tany lemaka ho an’ny Robenita; i Ramôta any Galaada ho an’ny Gadita; ary i Gôlàna any Basàna ho an’ny Manasita.

44 Izao no lalàna nambaran’i Môizyteo anatrehan’ny zanak’i Israely,

45 dia didy aman-dalàna sy fitsipika nomen’i Môizy ny zanak’i Israely tamin’ny nivoahany tany Ejipta,

46 tany an-dafin’ny Jordany tao an-dohasaha tandrifin’i Bety-Fogôra, amin’ny tanin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, nonina tao Hesebona, izay noresen’i Môizy sy ny zanak’i Israely tamin’ny nivoahany tany Ejipta.

47 Naka ny tanin’io ho fananany izy ireo mbamin’ny an’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreana, an-dafin’i Jordany any atsinanana;

48 hatramin’i Aôera amoron’ny ranon-driaka Arnôna, ka hatramin’ny tendrombohitra Siôna, dia Hermôna izany,

49 mbamin’ny Arabaha rehetra an-dafin’i Jordany, any atsinanana, ka hatramin’ny Ranomasin’ny Arabaha eo ambodin’i Fasgà.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 5

Ny didy folo

1 Ary niantso an’i Israely i Môizy ka nanao taminy hoe: «Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa.

2 Nanao fanekena tamintsika i Iaveh Andriamanitsika tany Horeba.

3 Tsy tamin’ny razantsika no nanaovan’i Iaveh izany fanekena izany, fa tamintsika rehetra izay eto ankehitriny izao, samy velona avokoa.

4 Niteny nifanatrikataminareo tany an-tendrombohitra i Iaveh tao anatin’ny afo,

5 ary nitsangana teo anelanelan’i Iaveh sy ianareo aho tamin’izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo ianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy:

6 «Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta tamin’ny trano fanandevozana.

7 Aza manana andriamani-kafa eo anatrehako.

8 «Aza manao sarin-javatra voasikotra, na izay mety ho endriky ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na etỳ amin’ny tany ambany, na any amin’ny rano ambanin’ny tany.

9 Aza miankohoka eo anatrehany na manompo azy, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin’izay mankahala Ahy;

10 fa mamindra fo amin’ny taranaka arivo mifandimby kosa, amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko.

11 «Aza manonom-poana ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, fa tsy havelan’i Iaveh ho afa-potsiny, izay manonom-poana ny Anarany.

12 «Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao.

13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny asanao rehetra.

14 Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny ankizy lahinao na ny ankizy vavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizy lahinao sy ny ankizy vavinao.

15 Tsarovy fa efa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, ary tanana mahery sy sandry ahinjitra no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; koa izany no nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata.

16 «Manajà ny ray aman-dreninao, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao, mba hohalavaina ny andronao sy ho sambatra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.

17 «Aza mamono olona.

«Aza maka vadin’olona.

«Aza mangalatra.

«Aza mitsangana ho vavolombelona tsy marina hamely ny namanao.

18 «Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an’ny namanao.

19 «Ireo no teny nolazain’i Iaveh tamin’ny fiangonanareo rehetra tamin’ny feo mahery, tany an-tendrombohitra, tao anatin’ny afo sy ny rahona, ary ny haizim-pito, ka tsy nampiany na inona na inona. Nosoratany tamin’ny takelaka vato roa natolony ahy ireo.

20 «Nanatona ahy ianareo, rehefa nandre ny feo avy teo amin’ny haizina, raha nirehitra afo daholo ny tendrombohitra, dia ny filohan’ny fokonareo rehetra sy ny loholonareo, ka hoy ianareo:

21 Indro i Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalebeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin’ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona.

22 Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.»

Manelanelana i Môizy

23 «Satria tamin’izao nofo rehetra izao, zovy moa no efa nandre ny feon’Andriamanitra velona, niteny tao afovoan’ny afo, tahaka antsika, nefa mbola velona ihany?

24 Koa ianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika, dia ianao no hilaza aminay izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany.

25 «Ren’i Iaveh teo am-pitenenanareo tamiko ny teninareo, ka hoy i Iaveh tamiko: Efa reko ny teny nolazain’io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.

26 Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany.

27 Mandehana lazao amin’izy ireo hoe: Miverena any an-dainareo.

28 Fa ianao kosa, mijanòna eto amiko, dia holazaiko aminao ny lalàna sy didy amam-pitsipika rehetra hampianarinao azy, mba harahiny any amin’ny tany izay omeko azy ho fananany.»

Fitiavana an’i Iaveh, votoatin’ny lalàna

29 «Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia;

30 fa amin’ny zavatra rehetra mizora amin’ny lalana nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo, mba ho velona ianareo, ka ho sambatra sy ho lava andro any amin’ny tany hanananareo.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 6

1 Izao no lalàna sy didy amam-pitsipika nasain’i Iaveh Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo any amin’ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;

2 mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ka hitandrina ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao, ka hohalavaina ny andronao.

3 Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, araka ny nolazain’i Iaveh Andriamanitry ny razanao anao.

4 Mihainoa, ry Israely: I Iaveh Andriamanitsika, dia Izy ihany no Iaveh.

5 Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.

6 Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.

7 Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.

8 Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrinaeo anelanelan’ny masonao.

9 Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranaoizy, sy eo amin’ny vavahadinao.

10 Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanareo, homena anao, tanàna sady soa no lehibe tsy nahorinao,

11 trano feno zava-tsoa isan-karazany tsy nofenoinao, dobo famorian-drano tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr’ôliva tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky ianao;

12 ka tandremo fandrao manadino an’i Iaveh izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.

13 Matahora an’i Iaveh Andriamanitrao, manompoa Azy ary aoka ny Anarany no hianiananao.

Aza mivadika amin’i Iaveh

14 «Aza manaraka andriamani-kafa, amin’izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo.

15 Fa i Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan’ny fahatezeran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, sy hofongarany eto ambonin’ny tany.

16 «Aza maka fanahy an’i IavehAndriamanitrareo, tahaka ny nakanareo fanahy Azy tany Masah.

17 Tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, ny lalàna amam-pitsipika nandidiany anareo.

18 Ny mahitsy sy tsara eo imason’i Iaveh no ataovy, mba ho sambatra ianao sy hiditra ao amin’ny tany soa izay nampanantenain’i Iaveh ny razanao tamim-pianianana mba hanananao azy,

19 rehefa voaroakany eo anoloanao, araka ny voalazan’i Iaveh, ny fahavalonao.

20 «Raha manontany anao ny zanakao, indray andro any, manao hoe: Ahoana moa ny amin’ireo didy sy lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh Andriamanitsika anareo ireo?

21 dia lazao amin’ny zanakao hoe: Andevon’i Faraôna tany Ejipta izahay; ary tanana mahery no nitondran’i Iaveh anay nivoaka avy tany Ejipta;

22 fahagagana amam-pamantarana lehibe sy mandoza no nataon’i Iaveh, namelezany an’i Ejipta sy i Faraôna mbamin’ny ankohonany rehetra, teo imasonay;

23 ka Izy no nampivoaka anay avy tany, dia ny mba hitondrany anay amin’ny tany nampanantenainy ny razantsika tamim-pianianana,

24 ary i Iaveh nandidy antsika hanaraka izany didy rehetra izany, sy hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika mba ho sambatra mandrakariva isika, sy hitahirizany antsika ho velona, araka izao ankehitriny izao.

25 Ho fahamarinana ho antsika izany, raha mitandrina hanaraka ireo didy rehetra ireo isika eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika, araka ny nandidiany antsika.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 7

I Israely vahoaka voatokana

1 «Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany halehanao hakana azy ho fanananao, ary firenena maro no efa voaroakany eo anoloanao, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina, ny firenena fito, maro isa sady mahery noho ianao,

2 ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.

3 Aza maka vady amin’ireny; aza omena ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alaina ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy;

4 fa havilin’ireny tsy hanaraka Ahy ny zanakao lahy izay hanompo andriamani-kafa, ka hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, dia haringany vetivety ianao.

5 Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;

6 satria vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao. Ianao no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana eo amin’ny vahoaka hafa rehetra ambonin’ny tany.»

Fifidianan’i Iaveh sy fitiavany manokana

7 «Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa, no niraiketan’i Iaveh taminareo sy nifidianany anareo; vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo;

8 fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo, dia nentin’i Iaveh nivoaka, tamin’ny tanana mahery, sy navotany tamin’ny trano fanandevozana ianareo, dia tamin’ny tanan’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta.

9 «Koa aoka ho fantatrao àry fa i Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.

10 Fa mamaly an-kitsiranokosa an’izay mankahala azy, amin’ny fandringanana azy; tsy hitaredretra akory Izy ny amin’izay mankahala Azy, fa hovaliany an-kitsirano izao.

11 Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsipika andidiako anao anio, ka tanteraho izany.

12 «Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka izany, dia hotanterahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao kosa, ny fanekena amam-pamindram-po efa nianianany tamin’ny razanao.

13 Ho tiany sy hosoaviny ary hampitomboiny ianao, hosoaviny ny naterakao sy ny vokatry ny taninao koa, dia ny varinao, ny ranom-boalobokao vaovao, ny diloilonao, ny terak’ombinao, ny zanak’ondrinao, any amin’ny tany nianianany tamin’ny razanao homena anao.

14 Hohasoavina mihoatra noho ny firenena rehetra ianao, tsy hisy momba aminao, na lahy na vavy, na amin’ny biby fiompinao.

15 Hampanalavirin’i Iaveh anao ny aretina rehetra, ary tsy hisy halefany aminao akory ny areti-mandoza nanjò an’i Ejipta izay fantatrao; fa izay rehetra mankahala anao no hampahoriny amin’ireny.

16 Levòny ny vahoaka rehetra hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao; aza miantra azy ny masonao; ary aza manompo izay andriamaniny, fa ho fandrika ho anao izany.»

Ny herin’Andriamanitra

17 «Ary raha hoy ianao anakampo hoe: Firenena maro noho izaho ireo, ka hataoko ahoana no fandroaka azy?

18 dia aza matahotra azy, fa tsarovy ao an-tsainao ny nataon’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’i Faraôna sy i Ejipta rehetra.

19 Masonao no nahita ny fampahoriana lehibe, ny fahagagana sy ny zavatra mahatalanjona, ny tanana mahery sy aman-tsandry ahinjitra izay nampivoahan’i Iaveh Andriamanitrao anao; toy izany no hataon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny vahoaka rehetra atahoranao.

20 Fa na hisy ho afa-mandositra hiery tsy ho hitanao aza, dia handefasan’i Iaveh Andriamanitrao fanenitra hamely azy mandra-paharingany.

21 Aza mivadi-po amin’izy ireo, fa eo afovoanao i Iaveh Andriamanitrao, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.

22 Horoahin’i Iaveh Andriamanitrao tsikelikely eo anatrehanao ireo firenena ireo; tsy ho azonao ringanina vetivety izy, fandrao dia mihamaro ny biby dia, ka hamely anao.

23 Hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao izy; ary hataony mivarahontsana foana, mandra-pahalàny ringana azy.

24 Hatolony eo an-tananao ny mpanjakan’izy ireo, ary ho foananao atỳ ambanin’ny lanitra ny anaran’ireny. Tsy hisy olona hahatohitra anao mandra-paharinganao azy.

25 Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.

26 Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa ianao; aoka ho zavatra hàlanao indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 8

Ny fitsapana tany an’efitra

1 «Mitandrema tsara hanaraka ny didy rehetra nandidiako anareo androany, mba ho velona ianareo, sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay nianianan’i Iaveh homena ny razanareo.

2 Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.

3 Nampietry tena anao Izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.

4 Ny fitafiana tsy nihatonta teny aminao, ny tongotrao tsy nivonto, mandritra izao efapolo taona izao,

5 mba hiekenao ao am-ponao, fa toy ny ampianaran’ny olombelona ny zanany, no ampianaran’i Iaveh Andriamanitrao anao,

6 ary mba hitandremanao ny didin’i Iaveh Andriamanitrao amim-panarahana ny lalany, sy amim-pahatahorana Azy.»

Ireo fakam-panahy tany an-tany nampanantenaina

7 «Fa efa hampidirin’i Iaveh Andriamanitrao, any amin’ny tany soa ianao, dia tany misy ranon-driaka aman-doharano, sy rano lalina miboiboika avy amin’ny lohasaha aman-tendrombohitra;

8 tany vokatra varimbazaha, orja, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra;

9 tany be ôliva sy diloilo aman-tantely; tany hihinanana mofo amim-panaranam-po sy tsy hanananao zava-mahory; ny vato amin’izany tany izany dia vy ary ny tendrombohitra ihadiam-barahina.

10 Hihinana ianao dia ho voky, ary hisaotra an’i Iaveh Andriamanitrao noho ny tany soa nomeny anao.

11 Tandremo fandrao manadino an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka manao tsirambina ny fitandremana ny didiny sy ny fitsipika aman-dalàny izay andidiako anao anio,

12 fandrao rehefa mihinana ianao, ka voky sy manao trano, ka monina an-trano soa,

13 ary mahita ny omby aman’ondrinao mihamaro, sy ny volafotsy amam-bolamena mitombo, ary ny fanananao rehetra mitombo,

14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao i Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana,

15 izay nitondra anao tany amin’ny efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin’ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,

16 izay nanome mana hohaninao tany an’efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao, ary hanisy soa anao any aoriana,

17 fandrao ianao hanao anakampo hoe: Ny heriko aman-tanjaky ny tanako no nahavoriako izao harena izao.

18 Tsarovy i Iaveh Andriamanitrao, fa Izy no nanome hery hamorianao izany, mba hahatanteraka ny fanekeny, izay nianianany tamin’ny razanao, araka izao ankehitriny izao.

19 Raha manadino an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka tonga andriamani-kafa no harahinao sy hotompoinao ary eo anoloany ianao no hiankohoka, dia milaza marimarina aminareo aho izao, fa ho faty tokoa ianareo.

20 Tahaka ny firenena aringan’i Iaveh eo anoloanareo, dia ho ringana koa ianareo, satria tsy mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 9

Avy amin’i Iaveh ny fandresena, fa tsy avy amin’ny fahamarinan’i Israely

1 Mihainoa, ry Israely. Ndeha hita an’i Jordany ianao izao, ary handroso haka firenena lehibe sy mahery noho ianao, tanàna lehibe misy manda manakatra ny lanitra.

2 Vahoaka vaventy, lava, taranaky ny Enakima, izay fantatrao sy renao laza hoe: Zovy no hahatohitra ny taranak’i Enàka?

3 Koa aoka ho fantatrao anio, fa i Iaveh Andriamanitrao, no hita eo alohanao, toy ny afo mandevona, Izy no handringana azy ireny, Izy no hampietry azy eo anoloanao, dia handroaka azy ianao sy handringana azy haingana, araka ny voalazan’i Iaveh taminao.

4 Rehefa roahin’i Iaveh Andriamanitrao eo anoloanao ireny, aza manao anakam-po hoe: Noho ny fahamarinako no nitondran’i Iaveh ahy haka ity tany ity hananako azy; noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh azy eo anoloanao.

5 Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan’ny teny efa nianianan’i Iaveh tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao.

6 Koa aoka ho fantatrao, fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’i Iaveh Andriamanitrao izany tany soa izany ho fanananao, fa vahoaka mafy hatoka ianao.

Nivadika i Israely tao Horeba, fa nifona i Môizy

7 Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an’i Iaveh Andriamanitrao tany an’efitra. Hatramin’ny andro nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, ka hatramin’ny nahatongavanao teto amin’ity fitoerana ity, dia niodina tamin’i Iaveh ihany ianareo.

8 Tany Horeba aza dia nihantsy ny fahatezeran’i Iaveh ianareo, ka tezitra taminareo i Iaveh, ka saika handringana anareo.

9 Fony aho niakatra tany an-tendrombohitra handray ny takelaka vato, – ireo takelaky ny fanekena nataon’i Iaveh taminareo – nijanona tany an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano,

10 dia nomen’i Iaveh ahy ny takelaka vato roa, nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra sy misy ny teny rehetra nolazain’i Iaveh taminareo tany an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana.

11 Nony tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina, vao nomen’i Iaveh ahy ny takelaka vato roa, ny takelaky ny fanekena.

12 Tamin’izay dia hoy i Iaveh tamiko: Mitsangàna ka midìna faingana miala eto, fa mihasimba ny vahoakanao nentinao nivoaka avy tany Ejipta: vetivety foana dia niviliany ny lalana nasaiko nalehan’izy ireo; fa nanao sarin-javatra anidina ho azy izy.

13 Ary hoy i Iaveh tamiko: Hitako fa vahoaka mafy hatoka ity vahoaka ity.

14 Avelao haringako izy, hofoanako tsy ho atỳ ambanin’ny lanitra ny anarany, fa ianao kosa no hataoko firenena mahery sy maro isa noho ity vahoaka ity.

15 Dia nihodina aho, ka nidina avy tany an-tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo, ary ny takelaka roa nisy fanekena, teny an-tanako roa.

16 Nijery aho, ka indreo ianareo fa efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitrareo; nanao zanak’omby anidina ho anareo ianareo, ary nivily haingana niala tamin’ny lalana nasain’i Iaveh nalehanareo.

17 Koa noraisiko ny takelaka roa, dia tanako no nanjera azy, ary namakivaky azy teo imasonareo aho.

18 Ary niankohoka teo anatrehan’i Iaveh tahaka ilay teo aloha aho, efapolo andro sy efapolo alina, tsy nihinan-kanina na nisotro rano noho ny fahotana rehetra nataonareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’i Iaveh ka nahatezitra Azy.

19 Satria tsiravina aho nahita ity hatezerana amam-pahavinirana nirehetan’i Iaveh taminareo, ka efa saika hataony levona ianareo, saingy mbola nihaino ahy indray i Iaveh tamin’izay.

20 Tezitra mafy tamin’i Aarôna koa i Iaveh, ka efa saika hataony levona izy; ary nifona ho an’i Aarôna koa aho tamin’izany andro izany.

21 Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak’ombyvolamenaka nodorako tamin’ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin’ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany.

Fahotana hafa. Vavak’i Môizy

22 Nampahatezitra an’i Iaveh koa ianareo, tany Tabeerà sy Masah, ary Kibrôta-Hataavà.

23 Ary raha nasain’i Iaveh handeha avy ao Kadesa-Barne ianareo, nataony hoe: Miakara, alaovy ho anareo ny tany izay omeko anareo; dia notoherinareo ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy nino Azy ianareo na nanaiky ny feony.

24 Niodina tamin’i Iaveh ihany ianareo hatramin’izay andro nahalalako anareo izay.

25 Niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ihany aho, nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina, izay niankohofako; satria efa nilaza handringana anareo i Iaveh.

26 Nifona tamin’i Iaveh aho, ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, aza mandringana ny vahoakanao, ny lovanao, izay navotanao tamin’ny fahalehibeazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny tananao mahery.

27 Tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mpanomponao, fa aza heverinao ny ditran’ity vahoaka ity, na ny faharatsiany amam-pahotany,

28 fandrao dia lazain’ny tany namoahanao anay hoe: Tsy azon’i Iaveh natao ny nampiditra azy ireo any amin’ny tany nampanantenainy azy; sady halany izy ireo ka izany no namoahany azy, mba hahafaty azy atỳ an’efitra.

29 Kanefa ireo no vahoakanao sy lovanao izay navoakanao avy tany Ejipta, tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny sandrinao nahinjitra.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 10

Ny fiaran’ny fanekena sy ny nifidianana an’i Levì

1 «Tamin’izany andro izany dia hoy i Iaveh tamiko: Mandidia takela-bato roa tahaka ireo voalohany, ka miakara ho atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra, ary manaova koa fiara hazo anankiray,

2 dia hosoratako amin’ireo takelaka ireo ny teny tamin’ny takela-bato voalohany nomontsaninao, ka hataonao ao anaty fiara izany.

3 Dia nanao fiara anankiray tamin’ny hazo akasià aho, sy nandidy takela-bato roa tahaka ireo voalohany dia niakatra tany an-tendrombohitra nitondra ny takelaka roa teny an-tanako.

4 Nosoratany teo amin’ireo takelaka ireo izay voasoratra tamin’ny voalohany, dia ny teny folo, izay efa nolazain’i Iaveh taminareo, teny an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana; dia natolotr’i Iaveh ahy izany.

5 Nihodina aho, dia nidina avy any an-tendrombohitra, napetrako tao anatin’ilay fiara nataoko ny takelaka, ary nipetraka tao izy araka ny nandidian’i Iaveh ahy.»

6 Niala tao Berôta-Bene-Jakàna ny zanak’i Israely hankany Môserà. Tao no nahafatesan’i Aarôna sy nandevenana azy; i Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.

7 Niala tao izy ireo hankany Jetebata tany be sakeli-drano.

8 Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.

9 Izany no tsy mba hananan’i Levỳ zaratany na lova eo amin’ny rahalahiny, fa i Iaveh no lovany, araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitrao taminy.

10 Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha no nitoerako tany an-tendrombohitra dia nihaino ahy indray i Iaveh tamin’ity, ka tsy sitrak’i Iaveh ny nandrigana anao.

11 Hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna; aoka ianao hialoha lalana ny vahoaka, aoka izy hiditra sy haka ho azy ny tany efa nianianako tamin’ny razana homena azy ireo.»

Famorana ny fo

12 Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;

13 ary amin’ny fitandremanao ny didin’i Iaveh sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao?

14 Jereo fa an’i Iaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.

15 Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’i Iaveh ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo, no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao.

16 Koa forao ny fonareo, ary aza henjanina intsony ny hatokareo.

17 I Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,

18 fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.

19 Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.

20 Matahora an’i Iaveh Andriamanitrareo, manompoa Azy; miraiketa aminy, ary ny Anarany no ataovy fianianana.

21 Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao, izay nanao ho anao ny zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.

22 Ny isan’ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo, fa ianao kosa ankehitriny dia efa nataon’i Iaveh Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.