Categories
Deterônômy

Deterônômy 11

Fitondran’i Iaveh an’i Israely

1 «Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao ary tandremo izay asainy tandremanao, dia ny lalàny amam-pitsipiny ary ny didiny, mandritra ny andronao rehetra.

2 Tsy ny zanakareo izay tsy mahalala sy tsy nahita ny fananaran’i Iaveh Andriamanitrareo, fa ianareo ankehitriny no aoka hiaiky ny fahalehibeazany, ny tanany mahery, ny sandriny nahinjitra;

3 ny fahagagana aman’asa nataony teo afovoan’i Ejipta, tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta sy tamin’ny taniny rehetra;

4 ny nafitsony tamin’ny tafik’i Ejipta, ny soavaliny aman-kalesiny; akory izany namarinany ny ranon’ny Ranomasina Mena, hanafotra an’ireny, fony izy nanenjika anareo! Akory izany nandringanan’i Iaveh azy ho levona mandraka androany!

5 Aoka hiaiky ianareo ny nataony ho anareo tany an’efitra mandra-pahatonganareo amin’ity fitoerana ity;

6 izay nataony tamin’i Datàna sy i Abirôna zanak’i Eliaba, zana-dRobena, fa nivava ny tany ka nitelina azy mbamin’ny fianakaviany sy ny lainy ary ny olona rehetra momba azy teo afovoan’i Israely rehetra.

7 Fa ianareo efa nahita maso ny asa lehibe nataon’i Iaveh».

Fampanantenana ny fampitandremana

8 Koa tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio, mba hahery ianareo ka hiditra ho tonga tompon’ny tany izay ndeha halehanareo hakana azy ho fanananareo;

9 ary mba ho lava andro any amin’ny tany izay efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razanareo homena azy sy ny taranany, tany tondra-dronono aman-tantely.

10 Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin’ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana.

11 Fa ny tany halehanareo mba hanananareo azy, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha izay mifoka ny rano avy amin’ny ranonoran’ny lanitra,

12 tany kolikolen’i Iaveh Andriamanitrao, ary tsinjovin’ny mason’i Iaveh tsy tapaka hatramin’ny voalohan’ny taona ka hatramin’ny faran’ny taona.

13 Raha mankatò ny didiko, izay andidiako anareo anio ianareo amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo sy amin’ny fanompoana Azy amin’ny fonareo rehetra, sy amin’ny fanahinareo rehetra,

14 dia rotsahako ranonorana ny taninareo amin’ny fotoana, na loha-orana na fara-orana, ary ianao hanangona ny varinao sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao;

15 hasiako ahitra koa ny sahanao ho an’ny biby fiompy, ary hihinana ka ho voky ianao.

16 Mitandrema tena fandrao voasodoka ny fonareo, ka mivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehan’ireny ianareo;

17 dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, ka ny lanitra hohidiany ary tsy hisy ranonorana; ny tany tsy hahavanona ny vokany, ary ianareo ho lany ringana faingana any amin’ny tany soa omen’i Iaveh anareo.

Famaranana

18 Koa ataovy ao amin’ny fonareo sy amin’ny fanahinareo àry izao teny lazaiko anareo izao: Fehezo ho famantaranareo amin’ny tananareo izy, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonareo.

19 Ampianaro ny zanakareo izany, resaho aminy izany, na mitoetra ao an-tranonao ianao, na mandeha amin’ny dia alehanao, na mandry ianao na miarina.

20 Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izany sy eo amin’ny vavahadinao,

21 mba ho maro toy ny andron’ny lanitra ambonin’ny tany ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razanareo homena azy.

22 Fa raha mitandrina tsara izao didy rehetra asaiko tandremanareo izao ianareo, ka tia an’Andriamanitrareo sy mandeha amin’ny lalany rehetra ary miraiki-po aminy:

23 i Iaveh kosa handroaka ireo firenena rehetra eo anoloanareo, ary ianareo hampanaiky firenena lehibe sy mahery noho ianareo.

24 Ho anareo avokoa ny tany rehetra hodiavin’ny faladian-tongotrareo; hatramin’ny efitra ka hatrany Libàna, ary hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny ranomasina andrefana, no ho faritanareo.

25 Tsy misy olona hahatoha anareo fa araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, dia handatsaka tahotra sy horohoro amin’ny tany rehetra hodiavinareo Izy.

26 Indro aho nametraka tso-drano sy ozona eo anoloanareo anio;

27 tso-drano, raha mankatò ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio, ianareo;

28 ozona, raha tsy manaiky ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo, fa mivily hiala amin’ny lalana izay andidiako anareo anio, ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.

29 Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao, any amin’ny tany izay halehanao hakana azy ho fanananao, dia tonòny eo an-tendrombohitra Garizima ny tso-drano ary eo an-tendrombohitra Ebàla kosa ny ozona.

30 Ireo tendrombohitra roa ireo, dia moa tsy any an-dafin’i Jordany ambadiky ny lalana mihazo any andrefana, any amin’ny tanin’ny Kananeanina, monina amin’ny Arabaha, tandrifin’i Galgalà, akaikin’ny terebintan’i Môre?

31 Fa ndeha hita an’i Jordany ianareo, ka halainareo ho anareo ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo dia hanana azy ianareo ary honina ao.

32 Mitandrema tena tsara àry hanatanteraka ny lalàna sy ny fitsipika ataoko eo anoloanareo anio.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 12

2. DIDY AMAN-DALANA ARAKA NY DETERÔNÔMY

1 «Izao no lalàna amam-pitsipika izay tsy maintsy arahinareo tsara any amin’ny tany izay efa nianianan’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo homena ho fanananareo amin’ny andro rehetra hiainanareo amin’izany tany izany.»

Ny toerana hanaovana ny fombam-pivavahana

2 Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan’ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny any an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny ambanin’ny hazo maitso rehetra eny.

3 Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.

4 Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrareo;

5 fa tadiavo Izy, amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra, mba hametrahany ny Anarany sy hataony fonenany, ka ao amin’io no halehanao.

6 Ao no hanateranareo ny soronareo dorana, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo ary ny voatokan’ny tananareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.

7 Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.

8 Aza manao toy izao ataontsika ankehitriny izao, dia izao samy manaraka ny saim-pantany izao;

9 fa izao ianareo tsy mbola tonga amin’ny fitsaharana aman-dova omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.

10 Fa hita an’i Jordany ianareo, ka honina any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrareo ho lovanareo, dia homeny fitsaharana ianareo, tsy hohelingelenin’ny fahavalo manodidina anareo, ka handry fahizay.

11 Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.

12 Dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo lahy mbamin’ny zanakareo vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinareo, mbamin’ny Levita izay anatin’ny vavahadinareo, satria tsy mba niara-nandray anjara na lova taminareo izy.

Fepetra momba ny sorona

13 Mitandrema mba tsy hanatitra ny sorona doranao amin’izay fitoerana rehetra hitanao;

14 fa izay fitoerana izay hofidin’i Iaveh amin’ny fokonao anankiray ihany no hanateranao azy, sy hanaovanao izay rehetra andidiako anao.

15 Ny mamono zavatra sy mihinana ny henany anefa, dia azonao atao araka izay tianao any anatin’ny vavahadinao rehetra any, araka ny fanambinana homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka samy mahazo mihinana amin’izany ny olona, na ny madio na ny maloto, toy ny fihinana gazela sy serfa;

16 ny rany tokana no aza hanina, fa araraho amin’ny tany toy ny rano.

17 Tsy azonao hanina ao anaty vavahadinao ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao, ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, ny fanolorana rehetra nanaovanao voady, ny fanatitra an-tsitraponao, ny voatokan’ny tananao;

18 fa eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fitoerana voafidin’i Iaveh Andriamanitrao no hihinananao azy, dia ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny zanakao vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinao, mbamin’ny Levita ao anatin’ny vavahadinao, dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’ny fizakana ny harena rehetra harin-tananao.

19 Mitandrema tsy hanary ny Levita mandritra ny andro rehetra hahavelomanao ao amin’ny taninao.

20 Rehefa nitarihan’i Iaveh araka ny nampanantenainy anao ny faritry ny taninao, ka hoy ianao: te-hihinan-kena aho, fa mahatsiaro liana te-hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena isaky ny maniry izany ianao.

21 Raha lavitra anao ny fitoerana nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hametrahana ny Anarany, azonao amonoana ny omby sy ny ondrinao izay nomen’i Iaveh anao, araka ny efa nandidiako anao; ary hihinana izany eo anatin’ny vavahadinao isaky ny maniry izany ianao.

22 Toy ny fihinanana gazela sy serfa no hihinananao azy, ka na ny olona madio na ny olona maloto dia samy mahazo mihinana azy.

23 Fa ataovy raikitra ny tsy fihinanana ny ra, satria ny ra no aina, ka tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin’ny hena ianao.

24 Aza mihinana izany, fa araraho amin’ny tany toy ny rano izy.

25 Aza mihinana izany mba ho sambatra ianao, ianao sy ny zanakao mandimby anao amin’ny fanarahana izay mahitsy eo imason’i Iaveh.

26 Fa ny fanatitra masina andidiana anao mbamin’izay nanaovanao voady, dia aloavy ary mankanesa amin’izay fitoerana nofidin’i Iaveh,

27 dia atero eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, ny soronao dorana, ny nofony sy ny rany; ary amin’ny sorona hafa, ny ra dia haidina eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny nofony dia hohaninao.

28 Tovy sy henoy izao zavatra rehetra andidiako anao izao, mba ho sambatra mandrakizay ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, amin’ny fanatanterahana izay tsara sy mahitsy eo imason’i Iaveh.

Aza manaraka ny fivavahan’ny Kananeanina

29 Rehefa ho voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena amin’izay tany halehanao mba handroaka azy eo anoloanao, ka efa voatosikao izy, ka ianao no honina amin’ny taniny:

30 dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho.

31 Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.

32 Tovy sy araho izay rehetra andidiako anareo, fa aza ampiana, aza anesorana.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 13

Aza manaraka ny fanompoan-tsampy

1 Raha misy mpaminany na mpanonofy mitranga eo aminao, milaza famantarana na zava-mahatalanjona aminao,

2 sady tanteraka tokoa ny famantarana na ny zava-mahatalanjona nolazainy, nataony hoe: Andeha hanatona andriamani-kafa sy hanompo azy, nefa andriamanitra tsy fantatrao izany,

3 dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo i Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an’i Iaveh Andriamanitrareo amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra ianareo.

4 I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy.

5 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, sy nanafaka anao tany amin’ny trano fanandevozana, no efa notorìny mba hampivily anao amin’ny lalana nasain’i Iaveh Andriamanitrao alehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.

6 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny vehivavy izay am-pofoanao, na ny sakaiza toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, diaandriamanitratsy fantatrao na ny razanao akory,

7 anisan’ireo ny andriamanitry ny vahoaka manodidina anao na akaiky na lavitra, hatramin’ny faran’ny tany rehetra,

8 dia aza mety hotaominy na mihaino azy, aza miantra maso azy, na mitsitsy azy, na manarontsarona azy,

9 fa vonoy ho faty izy, ka ny tananao mihitsy no aoka hiainga voalohany hamely azy ho faty vao ny tanan’ny vahoaka rehetra.

10 Tonafy vato izy mandra-pahafaty azy, fa efa nitady hampiala anao amin’i Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.

11 Ary handre izany i Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony.

12 Raha ny iray amin’ny tanàna nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao honenana no lazain’ny olona anao hoe:

13 Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo,

14 dia manaova famotorana sy anontanio tsara. Fa raha marina izany ary voaporofo izany zavatra izany, raha tanteraka teo afovoanao izany fahavetavetana izany,

15 dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra.

16 Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony.

17 Rehefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin’ny tananao, mba hiononan’i Iaveh amin’ny firehetan’ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny ianao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao,

18 raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fitandremana ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, amin’ny fanaovana izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 14

Fomban-tsampy iray hofadìna

1 Zanak’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo. Aza mitetika ny tenanareo; aza misy faritra haratanareo amin’ny elanela-masonareo, noho ny amin’ny maty.

2 Fa vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ary nofidin’i Iaveh mba ho vahoakany manokana amin’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.

Biby madio sy biby maloto

3 Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.

4 Izao no biby fihinanareo: ny omby, ny ondry sy ny osy,

5 ny serfa, ny gazela, ny daima, ny osy dia madinika, ny antilôpa, ny ombimanga, ny osy dia.

6 Rehefa mety ho biby mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika dia hano;

7 fa aza mihinana izay mandinika fotsiny, na izay mivaky kitro sy misampan-tongotra fotsiny, toy ny rameva sy ny bitro, fa mandinika ireo, fa tsy mivaky kitro, maloto aminareo ireny;

8 toy izany koa ny kisoa, mivaky kitro ihany izy fa tsy mandinika, haloto aminareo izy, koa aza mihinana ny henany, aza mikasika ny fatiny.

9 Izao no biby hohaninareo amin’izay rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombo aman-kirany dia hohaninareo,

10 fa aza mihinana izay rehetra tsy misy vombo aman-kirany, maloto aminareo izany.

11 Hano avokoa ny vorona madio rehetra.

12 Izao no tsy hohaninareo: ny egla, ny orofiray, ny papango;

13 ny voromahery, ny fanindry, mbamin’ny aotoro isan-karazany;

14 ny goaika isan-karazany,

15 ny ostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, mbamin’ny hitsikitsika isan-karazany;

16 ny vorondolo, ny ibisy, ny vorondolo be;

17 ny pelikano, ny manarana, ny vivỳ,

18 ny vano be, mbamin’ny vano isan-karazany, ny lavasanga, sy ny manavy.

19 Ny biby kely manana elatra rehetra, dia hevero ho maloto, ka aza homana azy.

20 Fa ny vorona madio rehetra no hano.

21 Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin’ny vahiny. Fa ianao dia vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao.

Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.

Fahafolom-pananana isan-taona

22 Atokano ny fahafolon’ny vokatrarehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona.

23 Ary hohaninao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’izay fitoerana hofidiny hamponenany ny Anarany, ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, mba hianaranao hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrao mandrakariva.

24 Nefa raha lavitra loatra ho anao ny lalan-kaleha ka tsy azonao entina any izany noho ny halaviran’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany, rehefa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao,

25 dia takalozy vola ny fahafolom-bokatrao, ka fihino eo an-tananao ny vola dia mankanesa amin’ny fitoerana izay nofidin’i Iaveh Andriamanitrao.

26 Amidio an’izay rehetra irin’ny fanahinao amin’ny vola: na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikôla, izay rehetra tian’ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ary mifalia ianao sy ny ankohonanao.

27 Aza manary ny Levita izay ao anatin’ny vavahadinao, fa tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy.

Fahafolom-pananana isan-telo taona

28 Amin’ny faran’isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany, ary ataovy eo anatin’ny vavahadinao.

29 Ka aoka ho avy amin’izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ama-mpitondratena izay ao anatin’ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 15

Ny taona sabatìka

1 Amin’ny faran’ny isam-pahafito taona, dia manaova fanafahana.

2 Ka toy izao no hanaovana ny fanafahana: ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola dia hanao famelana ny amin’izay nampisamboriny ny namany. Tsy hanery namana aman-drahalahiny izy rehefa voaantso ny fanafahan’i Iaveh.

3 Azonao terena ny olon-kafa firenena; fa izay anao amin’ny rahalahinao kosa, dia aoka hanaovan’ny tananao famelana,

4 mba tsy hisy mahantraeo aminao. Fa hambinin’i Iaveh marina tokoa ianao, any amin’ny tany izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao ho fanananao,

5 raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fanarahana tsara ny didiny rehetra izay nandidiako anao anio.

6 Fa dia hanambina anao i Iaveh Andriamanitrao araka ny efa voalazany taminao; hampisambotra amin’ny firenena maro ianao, fa ianao tsy mba hisambotra kosa; hanapaka firenena maro ianao fa tsy mba hotapahiny.

7 Raha misy mahantra ny rahalahinao ao anatin’ny anankiray amin’ny vavahadinao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra,

8 fa aoka hivelatra aminy ny tananao; ka hampisambotra azy izay sahaza ilainy araka ny mahory azy.

9 Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponao ity hevitra tsy mendrika ity hoe: Akaiky ity ny taona fahafito, taom-panafahana, ka ho ratsy maso amin’ny rahalahinao mahantra ianao amin’izay, ka tsy hanome na inona na inona azy, ka hitaraina amin’i Iaveh hiampanga anao izy, ka sao milonjo ota ianao.

10 Tsy maintsy manome azy ianao, ary aza misy alahelo ny fonao, raha manome azy ianao, fa izany no hanambinan’i Iaveh anao amin’ny asanao rehetra sy amin’ny raharaha rehetra hataonao.

11 Na oviana na oviana ny tany tsy hilaozan’olona ory; ka izany no anomezako anao ity didy ity: Aoka hamelatra ny tananao amin’ny rahalahinao ianao, amin’ny ory sy ny mahantra eo amin’ny taninao.

Ny olona andevozina

12 Raha mivaro-tena aminao ny iray amin’ny rahalahinao hebrio na lahy izany na vavy, dia hanompo anao enin-taona izy; amin’ny taona fahafito, dia hovotsoranao ho afaka aminao izy.

13 Ary rehefa alefanao aminao izy, dia aza alefa hiala maina,

14 fa anomezo falim-pò mihitsy izy, avy amin’ny biby madinika fiompinao sy ny avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao; ny harena izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.

15 Tsarovy fa efa mba andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, saingy nanafaka anao i Iaveh Andriamanitrao, ka izany no anomezako anao anio izao didy izao.

16 Raha ny ankizy lahinao anefa no manao aminao hoe: Tsy te hiala aminao aho noho ny fitiavany anao sy ny ankohonanao, sady finaritra izy ao aminao,

17 dia alaovy ny haolo ka teveho eo amin’ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Toy izany koa no hataonao amin’ny ankizy vavinao.

18 Aoka tsy ho mafy aminao ny hamotsotra ny ankizy lahinao ho afaka aminao, satria nahazoanao avo sasaka noho ny karaman’ny mpikarama ny nanompoany anao enin-taona, dia hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra hataonao.

Ny voalohan-teraka

19 Atokàny ho an’i Iaveh Andriamanitrao ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinao, na vaventy na madinika; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinao,

20 fa aoka hohaninao sy ny ankohonanao izany isan-taona eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny fitoerana izay hofidiny,

21 Raha manan-kilema anefa izy, fa mandringa na jamba na misy kilema ratsy hafa na inona na inona, dia aza atolotra ho sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao,

22 fa hano ao anatin’ny vavahadinao ihany, ka na olona maloto na olona madio, dia samy hihinana azy, toy ny fihinana gazela na serfa.

23 Saingy ny rany kosa no aza hanina, fa araraho amin’ny tany toy ny rano.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 16

Ireo fety: Paka sy ny Azima

1 «Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao, fa tamin’ny volana Abiba, raha alina, no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta.

2 Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany, no hamonoanao ny soron’ny Paka, amin’i Iaveh Andriamanitrao, ny ondry sy ny omby.

3 Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin’ireo sorona ireo, fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin’ny andro rehetra iainanao.

4 Aoka tsy hisy lalivay ao aminao amin’ny faritaninao rehetra mandritra ny hafitoana, ary aza misy avela hiloaka alina ho tra-maraina ny henan’ny sorona novonoinao tamin’ny harivan’ny andro voalohany.

5 Tsy ho azonao amonoana ny soron’ny Paka avokoa tsy akory ny tanàna rehetra homen’i Iaveh Andriamanitrao anao,

6 fa amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany ihany no hamonoanao ny soron’ny Paka, amin’ilay hariva maty masoandro iny, izay fotoana nivoahanao tany Ejipta.

7 Atsatsiho ny sorona ary hano eo amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao; ary nony maraina dia modia ho any an-dainao.

8 Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona ianao.»

Fety hafa

9 Hanisa herinandro fito ianao, ka raha vao santarina amin’ny antsim-bary ny vary dia hatombokao ny fanisana herinandro fito;

10 dia hankalaza ny fetin’ny Herinandro ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny fanolorana an-tsitrapo avy amin’ny tananao, araka izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao.

11 Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany no hifalianao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ianao, ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ny Levita ao anatin’ny vavahadinao ary ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena mitoetra eo afovoanao.

12 Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa ianao, ka tandremo ny hanatanteraka ireo didy ireo.

13 Hafitoana no hankalazanao ny fetin’ny Tabernakla, rehefa voaangonao ny vokatra avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao.

14 Mifalia amin’izany fety izany ianao, mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ary ny Levita sy ny vahiny mbamin’ny kamboty sy ny mpitondratena ao anatin’ny vavahadinao.

15 Hafitoana no hankalazanao ny fety, ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, fa hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny vokatra rehetra, sy amin’ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly eram-po tokoa ianao.

16 Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, any amin’ny fitoerana izay hofidiny, dia amin’ny fetin’ny Azima, sy ny fetin’ny Herinandro, ary ny fetin’ny Tabernakla; ka aoka tsy ho tanam-polo fotsiny no hisehoany eo anatrehan’i Iaveh,

17 fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fanambinana nomen’i Iaveh Andriamanitrao azy.

Ny mpitsara

18 Asio mpitsara sy andriambaventy ny tanàna homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, araka ny fokonao avy, ary hitsara ny vahoaka ara-drariny izy.

19 Aza mampandefitra ny rariny, aza mizaha tavan’olona ary aza mandray kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry sy mampivadika ny tenin’ny marina.

20 Araho an-tsakany sy an-davany ny rariny mba ho velona ianao, sy hanana ny tany izay homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.

Fomba diso

21 Aza anangananao asera, na hazo na inona na inona, eo an-danin’ny ôtely, izay hatsanganao ho an’i Iaveh Andriamanitrao.

22 Aza mba manao tsangam-bato izay halan’i Iaveh Andriamanitrao.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 17

1 Aza atao sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao ny omby na zanak’ondry manan-kilema na misy takaitra, satria fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.

2 Raha eo afovoanao, amin’ny iray amin’ny tanànanao izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fivadihana ny fanekeny,

3 ka lasa mankamin’andriamani-kafa, hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, dia eo anatrehan’ny masoandro na ny volana na ny zava-drehetra milahatra eny an-danitra, izay tsy nasaiko hatao;

4 rehefa misy milaza izany aminao ka efa renao izany, dia fotory tsara, ka raha marina izany ary voaporofo tokoa izany, ka tanteraka tokoa teo imason’i Israely izany fahavetavetana izany,

5 dia avoahy eo am-bavahady izay lehilahy na vehivavy meloka nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty na lehilahy na vehivavy.

6 Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana ho faty izay tokony ho faty, fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja tsy hamonoana azy.

7 Ny tanan’ny vavolombelona no hiainga voalohany hamono azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.

Ny Levita mpitsara

8 Raha misy ady momba ny vonoana olona, na fifanolanana, na fandratràna olona, zavatra ifandirana ao anaty vavahadinao, ka ataonao sarotra loatra, dia hitsangana ianao ary hiakatra any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao;

9 dia handeha hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, sy ny mpitsara izay tompon-draharaha amin’izany andro izany. Hila hevitra aminy ianao ka hambarany aminao izay araka ny lalàna.

10 Dia ataovy araka izay didim-pitsarana hatorony anao, any amin’ny fitoerana nofidin’i Iaveh, ary tandremo mba hifanaraka tsara amin’izay hampianariny no hataonao.

11 Araka ny lalàna ampianariny anao sy ny didim-pitsarana holazainy aminao no ataovy, fa aza mivily amin’izay hambarany anao, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

12 Hoheloin-ko faty izay mety hoentim-piavonavonana, ka amin’ny ataony dia tsy hihaino ny mpisorona mitoetra eo hanompoany an’i Iaveh Andriamanitrao, na tsy mihaino ny mpitsara. Izany no hamongoranao ny ratsy eo amin’i Israely.

13 Fa hatahotra ny vahoaka rehetra rehefa mandre izany, ka tsy hety hoentim-piavonavonana intsony.

Ireo mpanjaka

14 Raha avy izay hahatafidiranao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ary efa azonao ho fanananao izy sy efa niorim-ponenana any ianao, ka manao hoe: Mba te-hana-mpanjaka hifehy ahy toy ny firenena rehetra manodidina ahy, aho;

15 dia izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjaka hifehy anao; eo afovoan’ny rahalahinao ihany no hangalanao mpanjaka izay hatsanganao hifehy anao, fa ny olon-kafa firenena, izay tsy rahalahinao, dia tsy ho azonao halaina ho mpanjakanao.

16 Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy i Iaveh taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony amin’ny sisa.

17 Aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao mivily ny fony, ary aoka tsy hamory volafotsy sy volamena be miavosa izy.

18 Raha vao tafapetraka amin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hosoratany amin’ny boky anankiray ho azy ny dikan’izao lalàna izao, ka hataony mifanaraka amin’ilay ao amin’ny Levita mpisorona.

19 Ho eny aminy sy hovakiny amin’ny andro rehetra iainany izany, mba hianarany hatahotra an’i Iaveh Andriamaniny sy hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy izao fitsipika rehetra izao, amin’ny fanarahana azy,

20 mba tsy hisandratan’ny fony ambonin’ny rahalahiny, ary tsy hiviliany ny didy na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho lava andro ao amin’ny fanjakany izy sy ny taranany eo afovoan’i Israely.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 18

Ny fisoronana levitika

1 Ny mpisorona levitika, ny fokon’i Levì rehetra dia tsy mba hanana anjara na lova miaraka amin’i Israely, fa ny soron’i Iaveh atao amin’ny afo sy izay lova avy aminy no hiveloman’izy ireo.

2 Tsy mba hanan-dova eo amin’ny rahalahiny izy, fa i Iaveh no lovany, araka ny efa voalazany tamin’izy ireo.

3 Izao no anjaran’ny mpisorona avy amin’ny vahoaka amin’izay misorona omby na ondry: omena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny.

4 Homenao azy koa ny santatry ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao ary ny santatry ny volon’ondrinao;

5 satria izy no voafidin’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’ny fokonao rehetra, hitoetra eo anatrehan’i Iaveh sy hanao ny fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh, dia izy sy ny zanany mandrakizay.

6 Raha misy Levita miala amin’ny anankiray amin’ny tanànanao, amin’izay fitoerana onenany ao amin’i Israely na aiza na aiza, ka tonga araka ny fanirian’ny fony amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh,

7 sy manao fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny, toraky ny rahalahiny rehetra, ny Levita, izay mitoetra eo anatrehan’i Iaveh,

8 dia hanana anjara fivelomana toraky ny an’ireo koa izy, afa-tsy izay azony amin’ny fivarotana ny anjara lovany.

Ny mpaminany

9 Rehefa tafiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra maka tahaka ny fahavetavetan’ireo firenena ireo.

10 Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody,

11 mila hevitra amin’ny mpamoha angatra sy amin’ny mpamosavy ary manontany ny maty;

12 fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.

13 Aoka ho marina tanteraka amin’i Iaveh Andriamanitrao ianao.

14 Fa ireo firenena horoahinao no mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy, fa ianao kosa tsy avelan’i Iaveh Andriamanitrao hanao izany.

15 Hanangana mpaminany anankiraytahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, i Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy.

16 Izany no nangatahinao tamin’i Iaveh Andriamanitrao tany Horeba, tamin’ny andro nivoriana, nataonao hoe: Aoka tsy ho ny feon’i Iaveh Andriamanitro intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.

17 Dia hoy i Iaveh tamiko: Tsara ny voalazan’izy ireo.

18 Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.

19 Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany.

20 Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany.

21 Ary raha ianao hanao anakam-po hoe: Ahoana no hahalalantsika izay teny tsy nolazain’i Iaveh?

22 Rehefa miteny amin’ny Anaran’i Iaveh ny mpaminany, nefa tsy tonga, ary tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia izany no teny tsy nolazain’i Iaveh: fiavonavonana no nilazan’ny mpaminany izany; aza matahotra azy ianao.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 19

Izay nahafaty olona sy ny tanàna fialofana

1 Rehefa voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena izay omen’i Iaveh anao ny taniny, rehefa voaroakanao izy, fa ianao no efa monina amin’ny tanànany sy ny tranony,

2 dia manokàna tanàna telo eo afovoan’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.

3 Ataovy tsara voatra ny lalana mankao, ary zarao ho faritany telo ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao, mba hahazoan’izay mahafaty olona rehetra mandositra amin’ireo tanàna ireo.

4 Toy izao ny hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha.

5 Ohatra ka misy olona mandeha hikapa hazo any an’ala, miaraka amin’ny olon-kafa anankiray; dia manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, fa mitsoaka amin’ny zarany ny lela famaky ka mahavoa ilay namany sy mahafaty azy: handositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo ilay olona, dia ho velona aina.

6 Raha tsy izany dia henjehin’ny mpamaly ra mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin’ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao hala volo teo aloha.

7 Izany no anomezako anao izao didy izao: Manokàna tanàna telo.

8 Ary raha itarin’i Iaveh Andriamanitrao ny faritaninao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao; ka omeny anao avokoa ny tany rehetra nampanantenainy ny razanao homena anao,

9 raha toa ianao mitandrina sy manaraka izao didy rehetra omeko anao anio izao, amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao sy amin’ny fizorana amin’ny lalany mandrakariva, – dia ampio telo koa ireo tanàna telo ireo,

10 mba tsy halatsaka amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao, ny ra tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy ra ao aminao.

11 Fa raha olona mankahala ny namany kosa no manotrika hamely azy, ka irotsahany sy asiany ka mahafaty azy tokoa, ary mandositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo,

12 dia haniraka hisambotra azy ny loholona amin’ny tanànany, sy hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly ra, mba ho faty izy.

13 Aza miantra azy ny masonao fa esory amin’i Israely ny ra tsy manan-tsiny, dia hiadana ianao.

Ny orim-bato

14 Aza mamindra ny orim-baton’ny namanao efa vitan’ny razany amin’ny lova ho azonao eny amin’ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.

Ny vavolombelona

15 Raha vavolombelona iray monja dia tsy hoekena hiampanga olona, ny amin’ny heloka na ota anankiray na ota inona na ota inona natao. Fa ny tenin’ny vavolombelona roa na tenin’ny vavolombelona telo ihany no hanaporofoana izany.

16 Raha misy vavolombelona mitsangana hanomboka olona ho nanao heloka,

17 dia hiseho eo anatrehan’i Iaveh izy roalahy miady, eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara izay tompon’anjara raharaha amin’izany andro izany;

18 ary hanao famotorana tsara ny mpitsara, koa raha hita fa vavolombelona mandainga ilay vavolombelona, fa nanao filazana tsy marina niampangany ny rahalahiny,

19 dia ampiharo aminy izay nokendreny hatao amin’ny rahalahiny. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.

20 Rehefa handre izany ny olon-kafa dia hatahotra ary tsy hisy sahy hanao zavatra ratsy tahaka izany eo aminao intsony.

Ny valy araka ny natao

21 Aza miantra maso akory: aina no solon’ny aina, maso no solon’ny maso, nify no solon’ny nify, tanana no solon’ny tanana, tongotra no solon’ny tongotra.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 20

Ny ady sy ny mpiantafika

1 «Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka mahita soavaly aman-kalesy sy vahoaka maro noho ianao, dia aza matahotra azy fa momba anao i Iaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.

2 Rehefa mioman-kiady ianareo, aoka handroso ny mpisorona, dia hiteny amin’ny vahoaka ka hanao amin’izy ireo hoe:

3 Mihainoa, ry Israely. Miomàna hanafika ny fahavalonareo anio ka aza rera-po, aza matahotra, aza mihorohoro ary aza manam-badi-po eo anoloany,

4 fa i Iaveh Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo hamely ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo.

5 Dia hiteny amin’ny vahoaka ny manamboninahitra ka hanao hoe: Iza no nanao trano vaovao, ka mbola tsy nitokana azy? Aoka hiala izy ka hody any aminy, fandrao maty an’ady ka olon-kafa ny hitokana azy.

6 Iza no namboly tanimboaloboka, ka mbola tsy nahazo vokatra taminy? Aoka izy hiala ka hody any aminy, fandrao maty an’ady, ka olon-kafa no hahazo ny vokany.

7 Iza no nifamofo tamim-behivavy fa mbola tsy nampakatra azy? Aoka hiala izy ka hody any aminy, fandrao maty an’ady, ka olon-kafa no hampakatra azy.

8 Mbola hiteny amin’ny vahoaka ny manamboninahitra ka hilaza aminy hoe: Iza no matahotra ary iza no rera-po? Aoka izy hiala ka hody any aminy, mba tsy ho ketraka toy ny azy koa, ny fon’ny rahalahiny.

9 Rehefa tapi-miteny amin’ny vahoaka ny manamboninahitra dia hitsangan-kitarika ny vahoaka ny mpifehy antoko-miaramila.»

Fanafihana tanàna

10 «Rehefa mby akaikin’ny tanàna ianao, dia taomy hanao fihavanana izy.

11 Raha valiany fihavanana sy vohainy ianao, dia ho mpandoa hetra sy mpanomponao avokoa ny olona rehetra ao.

12 Fa raha tsy manao fihavanana aminao kosa, fa te hiady aminao izy dia ataovy fahirano.

13 Ka rehefa hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia vonoy amin’ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra.

14 Fa ny vehivavy kosa, ny zaza, ny biby fiompy sy ny zavatra rehetra ao an-tanàna, izay mety ho babo, dia alaovy ho anao; ho azonao hanina ny babo rehetra avy tamin’ny fahavalonao, izay homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.

15 Toy izany no hataonao amin’ny tanàna rehetra lavitra dia lavitra anao, tsy anisan’ireto tanànan’ireto firenena ireto.

16 Fa raha ny amin’ny tanànan’ireo firenena izay nomen’i Iaveh Andriamanitra ho lovanao, dia aza misy velomina ao, rehefa mety ho manam-pofon’aina koa.

17 Fa atokany ho anatema ireo firenena ireo, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ary ny Jeboseanina, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao,

18 mba tsy hampianarany anareo hanaraka ny fahavetavetana rehetra ataony amin’ny andriamaniny, ka tsy hanota amin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo.

19 Raha ela no anaovanao fahirano ny tanàna iray sy hiadianao aminy hakana azy dia aza levonina kapaina amin’ny famaky ny hazo, fa hohaninao ny voan’ireny ka aza alavo; sady olona koa ve ny hazo any an-tsaha, ka dia hataonao fahirano?

20 Fa ny hazo fantatrao fa tsy fihinam-boa kosa, dia azonao levonina sy alavo ihany ka hanaovanao milina hamelezana ny tanàna miady aminao, mandra-paharesiny».