Categories
Deterônômy

Deterônômy 21

Vono olona tsy hita fotony

1 «Raha misy maty vonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao hanananao azy, ka tsy fantatra izay namono azy,

2 dia aoka ny loholona ama-mpitsaranao handeha handrefy ny anelanelan’ny tanàna manodidina sy ny toerana misy ny faty.

3 Ary ny amin’ny tanàna akaikin’ny faty indrindra dia halain’ny loholona amin’izany tanàna izany ny vantotr’ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina, na nitari-javatra amin’ny jioga,

4 ka hitondra azy midina amin’ny sakeli-drano tsy ritra amin’ny fitoerana tsy mbola voavoly na voafafy, ary ao no hamolahany ny hatoky ny vantotr’ombivavy ao amin’ny sakeli-drano.

5 Dia hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, fa ireo no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitrao; ary araka ny tenin’izy ireo no hitsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra.

6 Hanasa ny tanany eo ambonin’ilay vantotr’ombivavy voafola-katoka teo amin’ny sakeli-drano ny loholona rehetra amin’ny tanàna akaikin’ny faty indrindra,

7 dia hiteny izy ireo, ka hanao hoe: Tsy nandatsaka ity ra ity ny tananay, ary tsy nahita izany ny masonay.

8 Ry Iaveh ô, avelao ny helok’i Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan’i Israely vahoakanao ny ra tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin’izy ireo izany ra izany.

9 Izany no hanesoranao eo afovoanao ny ra tsy manan-tsiny, amin’ny fanaovanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.»

Vehivavy babo

10 «Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka atolotr’i Iaveh Andriamanitrao eo an-tananao izy ary misy azonao sambo-belona izy ireo,

11 ka mahita vehivavy tsara tarehy anankiray amin’ny babo ianao, ka raiki-pitia azy sy maniry hanambady azy,

12 dia ento miditra ao anatin’ny tranonao izy. Amin’izay ny lohany haratany, ny hohony halany,

13 ny fitafiany tamin’ny nahababo azy havelany, ary izy hitoetra ao an-tranonao, hitomany ny ray aman-dreniny iray volana izy; raha efa izany dia handeha aminy ianao, ka ianao ho vadiny, izy ho vadinao.

14 Ary raha avy izay tsy hankasitrahanao azy intsony, dia avelao izy handeha amin’izay tiany, fa tsy ho azonao amidy vola, tsy hoentina toy ny andevo, satria efa novinadinao izy.»

Fizokiana

15 «Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak’ity halany,

16 dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak’ilay tiany ho solon’ny zanak’ilay halany amin’ny andro andidiany ny fananany ho an-janany, satria izy no tena lahimatoa.

17 Fa ny zanak’ity tsy tiany ihany no hataony lahimatoa, sy homeny anjaran-droa amin’ny ananany rehetra, satria santatry ny fahatanjahany io zanany io, ka an’io ny fizokiana.»

Zanaka manohitra

18 «Raha misy olona manan-janaka lahy maditra sy manohitra, tsy henoiny akory izay feon-drainy na feon-dreniny, ary na faizin’ireo aza izy dia tsy henoiny,

19 dia hosamborin-drainy aman-dreniny izy, ka hoentiny amin’ny loholon’ny tanàna, eo am-bavahadin’nyfitoerana onenany,

20 ary holazainy amin’ny loholon’ny tanàna hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra, tsy mihaino ny feonay, fa manaram-po amin’ny fahalotoana amam-pimamoana.

21 Dia hitora-bato azy ny olona rehetra eo an-tanànany ka ho faty izy. Ary izany no hamongorana ny ratsy eo afovoanao, ary handre izany i Israely rehetra ka hatahotra.»

Fepetra samihafa

22 «Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin’ny hazo,

23 dia tsy hiloaka alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy alevinao mihitsyandrotr’iny ihany, satria hiharan’ny fanozonan’Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoina ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lova.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 22

(Jereo Eks 23,4-5)

1 «Raha mahita omby na ondry mania an’ny rahalahinao ianao, dia aza ihodiviranao, fa avereno any amin’ny rahalahinao izany.

2 Raha tsy akaikinao anefa ny itoeran’ny rahalahinao, ka tsy fantatrao izy, dia raiso ao aminao ilay biby, ka ho ao aminao izy mandra-pahatongan’ny rahalahinao mitady azy, ary amin’izay dia haverinao aminy.

3 Toy izany koa no hataonao amin’ny ampondravavy, toy izany no ataonao amin’ny fitafiany, ary toy izany koa no hataonao amin’ny zava-bery rehetra, izay verin’ny rahalahinao ka hitanao, aza ihodiviranao izany.

4 «Raha hitanao lavo eny an-dalana ny ampondra na ombin’ny rahalahinao, dia aza ihodiviranao, fa tsy maintsy manampy azy mihitsy ianao hanarina ny lavo.

5 «Aoka ny vehivavy tsy hitafy fitafian-dehilahy, ary aoka ny lehilahy tsy hitafy fitafiam-behivavy, fa izay rehetra manao izany dia fahavetavetana eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao.

6 «Raha mahita akanim-borona ianao, eny an-dalana na eny ambony hazo, na etỳ amin’ny tany, na efa zanany na mbola atodiny, ka kotrehin-dreniny ao, na ny zanany na ny atodiny, dia aza alaina mban-dreniny ny zanany;

7 tsy maintsy alefanao handeha ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba ho sambatra sy ho lava andro ianao.

8 «Raha manao trano vaovao ianao, dia asio arofanina manodidina ny tafon-tranonao mba tsy hanisy ra amin’ny tranonao ianao, raha sendra misy olona mianjera avy aminy.

9 «Aza fafazana voan-javatra roa karazana ny tanimboalobokao, fandrao samy holazaina zavatra masina avy izy, na ny zavatra nafafinao na ny vokatry ny tanimboalobokao.

10 «Aza mampiray jioga ny omby sy ny ampondra hiasa tany.

11 Aza mitafy lamba voatenona tamin’ny volon’ondry mifahana rongony.

12 «Asio sahondrany ny zorony efatra amin’ny lamba itafianao.»

Fanalam-baràka tovovavy

13 «Raha misy lehilahy nampakatra vehivavy ho vadiny, sy efa nandeha taminy, nefa tonga tsy tia azy indray,

14 ka manendrikendrika azy amin’izay mahafa-baraka sy mahafa-pofona azy, manao hoe: Nampakatra ity vehivavy ity aho, kanjo nony nandeha taminy aho dia hitako fa tsy virjiny izy.

15 Dia halain’ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virjiny, ka haposany amin’ny loholon’ny tanàna eo am-bavahady.

16 Ary hiteny amin’ny loholona ny rain-drazazavavy, hanao hoe: Nomeko ho vadin’io lehilahy io ny zanako vavy, kanjo nony tsy tiany,

17 endrikendrehiny amin’izay mahafa-baraka azy, lazainy hoe: Hitako fa tsy virjiny ny zanakao. Nefa indreto ny famantarana fa virjiny ny zanako vavy. Sady velariny eo anatrehan’ny loholon’ny tanàna amin’izay ny fitafiany.

18 Dia hosamborin’ny loholon’ny tanàna izany lehilahy izany, ka hofaiziny.

19 Hampandoavina azy, volafotsy zato sikla izy. Ary homeny ny rain-drazazavavy izany, noho izy nanala baraka ny iray amin’ny virjinin’i Israely, sady hitoetra ho vadiny ravehivavy ka tsy azony isaorana raha velona koa izy.

20 Raha marina ihany kosa anefa izany, ka hita tokoa ny tsy maha-virjiny an-drazazavavy,

21 dia hoenti-mivoaka ho eo am-baravaran-drainy razazavavy, ka hitora-bato azy mandra-pahafatiny ny mponina ao an-tanànany, satria zava-betaveta loatra no efa nataony teo amin’i Israely, tamin’ny nijangajangany tao an-tranon-drainy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.»

Fijangajangana

22 «Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy manam-bady dia hovonoina ho faty avokoa izy roa, na ralehilahy nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoan’i Israely.

23 «Raha misy zazavavy virjiny efa fofom-badin’olona, ary misy lehilahy mifanehatra aminy ao an-tanàna ka mandry aminy,

24 dia ento mivoaka ho eo am-bavahadin’ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty: razazavavy moa noho izy tsy niantso tao an-tanàna, ralehilahy kosa noho izy nametaveta ny vadin’ny namany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.

25 Fa raha any an-tsaha kosa ralehilahy no mifanehatra amin-drazazavavy fofom-badin’olona ka manao an-keriny mandry aminy, dia ralehilahy nandry taminy ihany no hatao maty,

26 aza maninomaninona an-drazazavavy, satria tsy manan-keloka tokony hahafaty azy izy, sahala amin’ny raha misy olona namely ny namany ka mamono azy izany, zavatra iray ihany ireo;

27 any an-tsaha izy no nifanehatra taminy, ary niantso ihany razazavavy fofom-badin’olona, fa tsy nisy namonjy azy.

28 «Raha misy lehilahy mifanehatra amin-jazavavy virjiny tsy mbola voafofo, ka misavika azy sy mandry aminy, ary tratra izy roa;

29 dia hanome volafotsy dimampolo sikla an-drain-drazazavavy ity lehilahy nandry taminy, ary ho vadiny razazavavy, satria efa nanala baraka azy izy, ka tsy azony isaorana raha mbola velona koa izy.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 23

1 «Tsy hisy olona haka ny vadin-drainy na hanainga ny firakofan-drainy.»

Ireo atao tsy anisan’ny fiangonana

2 «Izay torotoro vihy na tapa-pilahiana, dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh.

3 Ny teraka amin’ny fanambadiana mahadiso, dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh. Na dia ny taranany fahafolo aza tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh.

4 Ny Amônita sy ny Moabita dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh, na dia hatramin’ny taranany fahafolo aza, dia tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh na oviana na oviana; satria tsy tonga nitsena hanina sy rano anareo izy teny an-dalana, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta: sady nampaka sy nanamby vola an’i Balaama, zanak’i Beôra avy any Petôra, any Mesôpôtamia, hanozona anao.

5 Saingy tsy nihaino an’i Balaama i Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao i Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan’i Iaveh Andriamanitrao anao.

6 Aza manan-draharaha amin’izay hahitany soa na hiadanan’izy ireo, na oviana na oviana, raha mbola velona koa ianao.

7 Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:

8 azo raisina hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh ny zaza nateraka avy amin’izy ireo, hatreo amin’ny taranaka fahatelo.»

Fahadiovan’ny toby

9 «Raha mandeha am-pitobiana hiady amin’ny fahavalonao ianao, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.

10 Raha misy olona tsy madio eo aminao noho ny zava-mahazo azy tamin’ny alina, dia hivoaka ny toby izy ary tsy hiditra ao amin’ny toby,

11 fa handro amin’ny rano izy nony harivariva ary hahazo miditra ny toby rehefa maty masoandro.

12 Aoka hisy toerana iray any ivelan’ny toby ka ho ao no hivoahanao,

13 ary asio lapely iray ny fitaovanao hihadianao lavaka, rehefa hipetraka any ivelany ianao, ka nony avy eo, dia totofy ny fivalananao.

14 Fa nandeha eo afovoan’ny tobinao i Iaveh Andriamanitrao, mba hiaro anao hampanaiky resy ny fahavalonao eo anoloanao, ka tsy maintsy ho masina ny tobinao, ka tsy hahitan’i Iaveh zava-tsy mety ao aminao, mba tsy hialany aminao.»

Fiarovana ny Israelita

15 «Aza atolotra ny tompony intsony, ny andevo milefa mialoka ao aminao.

16 Aoka izy hitoetra eo aminao, eo amin’ny taninao, amin’ny toerana hofidiny, amin’ny anankiray amin’ny tanànanao, amin’izay mahafinaritra azy; aza mampahory azy ianao.

17 «Aoka tsy hisy mpijangajanga amin’ny zanakavavin’i Israely, aza misy mpijangajanga ny zanakalahin’i Israely.

18 Aza misy enti-manefa voady any an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan’alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo.

19 «Aza mampanàna amin’ny rahalahinao na vola, na hanina, na zavatra hafa azo ampananaina.

20 Ny olon-kafa firenena no azonao ampananàn-javatra, fa aza mba mampanàna amin’ny rahalahinao, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao, amin’izay rehetra hataonao, any amin’ny tany hidiranao hanananao azy.

21 «Raha mivoady amin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa izany, fa raha tsy izany dia hampamoahin’i Iaveh Andriamanitrao mihitsy ianao ny amin’izany, ka hivesatra fahotana.

22 Raha tsy mivoady ianao, dia tsy hisy fahotana ao aminao.

23 Fa ny teny naloaky ny vavanao dia tandremo sy efao, araka ny voady nataonao an-tsitrapo tamin’i Iaveh Andriamanitrao sy notononin’ny vavanao.

24 «Raha miditra ny tanimboaloboky ny namanao ianao, dia mahazo mihinam-boaloboka araka izay tianao sy hivoky amin’izany, nefa aza misy ataonao ao an-tsobikanao.

25 Raha mamaky tanimbarin’ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-baryamin’ny tananao, fa tsy hijinjanao amin’ny antsy ny varin’ny namanao.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 24

Fisaoram-bady

1 «Raha misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy, ka avy izay tsy nahitan-dravehivavy fitia eo imasony indray, fa misy zava-mahadikidiky hitany aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy izy, ka rehefa voatolony eo an-tanany izany, dia halefany hiala ao an-tranony izy.

2 Ary rehefa niala tao aminy izy, dia handeha ka afaka manambady olon-kafa.

3 Raha tsy tia azy koa ity vadiny faharoa, ka nanoratra taratasy fisaoram-bady ho azy, sy efa nanolotra izany eo an-tanany, sady efa nampiala azy tao an-tranony, na sendra maty izany lehilahy nanambady azy fanindroany izany,

4 dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay vadiny voalohany efa nisaotra azy, rahefa voaloto izy, satria fahavetavetana eo imason’i Iaveh izany, ka aza mampiditra fahotana amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao.»

Fiarovana samihafa koa

5 «Ny lehilahy vao nampaka-bady dia tsy handeha hiantafika ary tsy hampanaovina raharaha momba ny fitondram-bahoaka, fa ho afaka hikarakara ny tokantranony herintaona izy ary hampifaly ny vady vao nampakariny.

6 «Aza misy maka ny vato roa fikosoham-baryho antoka, na ny vatony ambony, fa maka ny aina ho antoka izany.

7 «Raha misy olona azo nangalatra ny anankiray amin’ny rahalahiny ao amin’ny zanak’i Israely ka nanandevo azy, na nivarotra azy, dia hoheloin-ko faty izany mpangalatra izany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.

8 «Tandremo amin’ny fery habokana, ka tovy tsara sy araho izay rehetra hatoron’ny mpisorona levitika anareo, araho tsara avokoa izay rehetra nandidiako azy.

9 Tsarovy ny nataon’i Iaveh Andriamanitrao tamin’i Maria teny an-dalana, tamin’ny nivoahanareo tany Ejipta.

10 «Raha nampisambo-javatra ny namana ianao, na inona na inona izany, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy,

11 fa andraso eo alatrano, ary ilay nampisamborinao dia hitondra ny antoka eo aminao eo alatrano.

12 Raha mahantra izany lehilahy izany, dia aza mandry mitana ny antoka avy aminy ianao,

13 fa raha maty masoandro avereno mihitsy any aminy ny antoka mba handriany amin’ny lambany, ka hitso-drano anao izy, dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao izany.

14 «Aza mampahory ny mpikarama mahantra sy tsy manana, na ny anankiray amin’ny rahalahinao izany, na ny anankiray amin’ny vahiny mitoetra amin’ny taninao, ao anatin’ny vavahadinao.

15 Omeo androtr’iny ihany ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany trosa izany, fa mahantra izy, ka andrasan’ny fanahiny izany; raha tsy izany dia hotaraininy amin’i Iaveh ianao, ary hahazo fahotana.

16 «Ny ray tsy hovonoina ho solon-janany, ny zanaka tsy hovonoina ho solon-drainy; fa isam-batan’olona dia samy ho fatin’ny fahotana nataony avy.

17 «Aza manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka.

18 Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa ianao, saingy navotan’i Iaveh Andriamanitrao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany.

19 «Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any an-tsaha, aza miverina haka izany intsony, fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asan-tananao rehetra.

20 Raha manintsana ny fototr’ôliva ianao, dia aza savana indray ato aoriana, fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ny sisa mijanona.

21 Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza tsimponina indray atỳ aoriana ny salohiny sisa, fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.

22 Tsarovy fa efa mba andevo tany amin’ny tany Ejipta koa ianao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 25

1 «Raha misy fifanjihiran’olona, ka efa niseho teo anatrehan’ny mpitsara izy ireo, ary efa notsaraina, ka ny marina nafahana, ary ny meloka nohelohina,

2 raha ny kapohina no tandrify an’izay meloka, dia asain’ny mpitsara hivalandotra amin’ny tany izy, ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony ny isan’ny kapoka hamely azy.

3 Tsy atao mihoatra ny efapolo anefa ny isan’ny kapokaasainy hamelezana azy, fa raha tohizana hatao betsaka mihoatra noho izany ny kapoka hamelezana azy, sao dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.

4 «Aza fehezina ny vavan’ny omby mively vary.»

Mitondra loloha

5 «Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin’ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.

6 Ary ny voalohan-janany lahy haterany no handova ilay rahalahy maty sy haka ny anarany, mba tsy ho faty eo imason’i Israely izany anarana izany.

7 Raha tsy tian-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo am-bavahady ravehivavy ka hanao hoe: Tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny eo imason’i Israely ny rahalahin’ny vadiko, fa tsy mety manambady na mitondra loloha ahy izy.

8 Dia hampiantso an-dralehilahy sy hiteny aminy ny loholon’ny tanàna, ka raha mikiry izy, manao hoe: Tsy hanambady azy aho,

9 dia hanatona azy eo anatrehan’ny loholona ravehivavy, sy hanala ny kapa amin’ny tongonyary handrora amin’ny tavany sady hanao hoe: Toy izao no hatao amin’ny lehilahy tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.

10 Ary ny fianakaviany dia hantsoiny eo imason’i Israely hoe: fianakavian’ilay afa-kapa.»

Fanampiny

11 «Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin’ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tanan’ilay mamely azy sy maninjitra ny tanany mandray ankasarotana an’itsy mpanompo,

12 dia tapaho ny tanany, aza miantra maso akory.

13 «Aza asiana vato roa, mahery sy osa, ao an-kitaponao.

14 Aza asiana efahroa, lehibe sy kely ao an-tranonao.

15 Fa vato tonga ohatra sy marina no tano, ary efah tonga ohatra sy marina no tano, mba ho lava andro eo amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao.

16 Fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izay manao izany zavatra izany, dia izay manao ny zavatra tsy marina.

17 «Tsarovy ny nafitsok’i Amaleka anao teny an-dalana, tamin’ny nivoahanao avy tany Ejipta,

18 dia ny nifanenany taminao teny an-dalana sy namelezany anao avy ao aoriana, dia izay rehetra efa trotraka nanaraka eo aoriana, fa ianao efa reraka sy valaka; tsy nanana tahotra an’Andriamanitra kely akory izy.

19 Ka raha avy izay hanomezan’i Iaveh Andriamanitrao fitsaharana anao, tsy hohelingelenin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anao, any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao mba hanananao azy, dia vonoy tsy ho etỳ ambanin’ny lanitra intsony ny fahatsiarovana an’i Amaleka, aza manadino izany.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 26

Ny santa-bokatra

1 «Rehefa tonga any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao ianao, ka efa tompon-tany sy tafaorim-ponenana any,

2 dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany.

3 Misehoa eo anatrehan’ny mpisorona izay manao raharaha amin’izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin’i Iaveh Andriamanitrao aho anio, fa tonga eto amin’ny tany nianianan’i Iaveh tamin’ny razantsika homena antsika.

4 Dia horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao, ka hapetrany eo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao.

5 Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.

6 Mafy ny nitondran’ny Ejiptianina antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika.

7 Koa nitaraina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin’i Iaveh ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika,

8 ka tanana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan’i Iaveh antsika avy tany Ejipta.

9 Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy, ary nanome antsika an’ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.

10 Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.

11 Raha efa izany dia miaraha mifaly amin’ny Levita sy amin’ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.»

Ny fahafolon-karena isan-telo taona

12 «Rehefa tapitra natokanao avokoa ny fahafolon-karenarehetra avy amin’ny vokatrao, amin’ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin’ny vavahadinao sy hivokisany,

13 dia lazao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin’ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza.

14 Tsy nisy nohaniko ireo zavatra ireo tamin’ny fisaonako, na navoakako ny tranoko tamin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina raha nisy maty, fa nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitro aho, ary nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.

15 Tsinjovy eny amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio i Israely vahoakanao, mbamin’ny tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, araka ny efa nianiananao tamin’ny razanay.»

I Israely vahoakan’i Iaveh

16 «I Iaveh Andriamanitrao no nanadidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra ireo.

17 Nampanambara tamin’i Iaveh ianao androany, fa Izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany, hitandrina ny didiny sy ny lalàny amam-pitsipiny, ary hihaino ny feony.

18 Ary i Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa ianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary Izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra nataony, na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, araka ny efa voalazany.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 27

Fanoratana ny lalàna

1 Ary i Môizy sy ny loholon’i Israely dia nanome izao didy izao tamin’ny vahoaka: Tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio.

2 Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao dia manangàna vato lehibe ka hosory sokay,

3 ary soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianareo, mba hidiranao eo amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, izay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitry ny razanao taminao.

4 Any an-tendrombohitra Hebalano hatsanganareo ireo vato nandidiako anareo androany ireo rehefa tafita an’i Jordany ianareo, dia hosoranao sokay izy.

5 Ary handrafitra ôtely eo ianao ho an’i Iaveh, dia ôtely vato tsy voapai-by.

6 Vato tsy voavoatra no handrafetanao ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, ary manatera sorona dorana eo amboniny ho an’i Iaveh Andriamanitrao.

7 Manatera sorom-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao.

8 Ary soraty amin’ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ity lalàna ity ka ataovy velona tsara ny soratra.

9 Dia niteny tamin’i Israely rehetra i Môizy sy ireo mpisorona levitika ka nanao hoe: Mangina ka mihainoa, ry Israely: Androany no efa tonga vahoakan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.

10 Koa henoy ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, araho ny didy aman-dalàny izay andidiako anao anio.

11 Nomen’i Môizy didy ny vahoaka androtr’izay nataony hoe:

12 Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, dia ireto no hitoetra hitso-drano ny vahoaka ao an-tendrombohitra Garizima: I Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Josefa ary i Benjamina;

13 ary ireto no hitoetra hanozona ao an-tendrombohitra Hebala: I Robena, i Gada, i Asera, i Zabolôna, i Dana, ary i Neftalì.

14 Dia hiteny ny Levita, ka amin’ny feo avo no hilazany amin’ny olona rehetra ao amin’i Israely hoe:

15 Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

16 Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

17 Aoka ho voaozona izay mamindra ny orim-baton’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

18 Aoka ho voaozona izay mamery lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

19 Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

20 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny vadin-drainy fa manainga ny firakofan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

21 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny biby, na biby inona na biby inona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

22 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

23 Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

24 Aoka ho voaozona izay mamono an-takona ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

25 Aoka ho voaozona izay mandray kolikoly mba hamono aina, dia ny ra tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

26 Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 28

Tso-drano ampanantenaina

1 Raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka manaraka sy mitandrina ny didiny rehetra andidiako anao anio, i Iaveh Andriamanitrao hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany.

2 Izao fitahiana rehetra izao no ho tonga aminao sy ho azonao, raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao.

3 Ao an-tanàna ianao hotahîna; any an-tsaha ianao hotahîna.

4 Hotahina ny naloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny teraky ny biby manompo lehibe sy madinika.

5 Hotahina ny sobika sy ny vata fitahiriza-mofonao.

6 Miditra ianao hotahina, mivoaka ianao hotahina.

7 Ny fahavalo mitsangan-kiady aminao hataon’i Iaveh vaky mandositra eo anoloanao; lalana iray no nandrosoany hiady aminao, fa lalana fito kosa no handosirany eo anoloanao.

8 Handidy ny fitahîny homba anao i Iaveh, amin’ny sompitrao sy amin’ny asan-tananao rehetra. Hotahîny ianao any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.

9 Hampaharitra anao i Iaveh ho vahoaka masina ho Azy, araka ny efa nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka mandeha amin’ny lalany;

10 dia ho hitan’ny firenena rehetra fa antsoina aminao ny Anaran’i Iaveh ka hatahotra anao izy ireo.

11 Hofenoin’i Iaveh soa ianao, dia ny aloaky ny kibonao, ny teraky ny biby fiompinao, ary ny vokatry ny taninao, any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razanao homena anao.

12 Hovohan’i Iaveh ho anao ny raki-tsoany, dia ny lanitra, handatsahany ny ranonorana amin’ny fotoany eo amin’ny taninao, sy hitahiany ny asan-tananao rehetra. Firenena maro no hampisamboranao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.

13 Halahatr’i Iaveh ho lohany ianao, fa tsy ho rambony. Ho ambony mandrakariva ianao, fa tsy ho ambany na oviana na oviana, raha tahiny ianao mitandrina ny didin’i Iaveh Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy,

14 fa tsy mivily ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavian’ny didy rehetra andidiako anao anio mba hanaraka sy hanompo andriamani-kafa.

Ozona

15 Fa raha tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao kosa ianao, mba hitandremanao ny didiny rehetra sy ny lalàna rehetra andidiako anao anio, dia izao ny ozona rehetra ho tonga sy hihatra aminao:

16 Ao an-tanàna ianao hozonina; any an-tsaha ianao hozonina.

17 Hozonina ny sobika amam-bata fitahiriza-mofonao.

18 Hozonina ny aloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny teraky ny biby fiompinao lehibe sy madinika.

19 Miditra ianao hozonina, mivoaka ianao hozonina.

20 Ozona, horohoro ary fampitahorana no hatsindrin’i Iaveh anao amin’izay raharaha hataonao rehetra mandra-paharingana sy levona faingana anao, noho ny haratsian’ny asa nataonao, izay nahafoizanao ahy.

21 Hopetahan’i Iaveh areti-mandringana ny tenanao, mandra-pahalevona anao tsy ho eo amin’ny tany vao hidiranao hanananao azy.

22 I Iaveh hikapoka anao amin’ny areti-mampitsimozimozy, tazo, fanaintainana, hafanana mahamay, andro mihantona, aretim-bary sy niela, ka hoenjehin’ireo ianao, mandra-pahalevona anao.

23 Ny lanitrao eo ambony lohanao ho varahina, ary ny tany eo ambany tongotrao ho vy.

24 Ny vovoka amam-pasika no ranonorana halatsak’i Iaveh amin’ny taninao, ka hidina avy any an-danitra hankaminao, mandra-pahalany ritra anao.

25 Hataon’i Iaveh resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.

26 Hohanin’ny voromanidina rehetra sy ny biby dia ny fatinao, ary tsy hisy hanaitra an’ireny.

27 I Iaveh hikapoka anao amin’ny didran’i Ejipta, fivontosam-body, anakandro, ary hatina tsy lai-panafody.

28 I Iaveh hikapoka anao amin’ny firediredena, fahajambana, ary fahaverezan-tsaina,

29 hitsapatsapa amin’ny mitataovovonana, toy ny jamba amin’ny haizim-pito ianao; tsy hahomby amin’ny lalana halehanao, hampahorina isan’andro ianao, ary hobaboina, nefa tsy hisy hamonjy anao.

30 Hifamofo amim-behivavy ianao, fa olon-kafa no hahazo azy; hanao trano ianao fa tsy honina aminy; hamboly voaloboka ianao, fa tsy hahazo ny vokany.

31 Hovonoina eo imasonao ny ombinao, fa tsy hihinana amin’izany ianao, hotsoahana eo anatrehanao ny ampondranao, fa tsy haverina aminao izy, ary hatolotra ny fahavalonao ny ondrinao, fa tsy hisy hamonjy anao akory.

32 Hatolotra ny firenena hafa ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ka ny masonao foana no hipitrapitra sy ho valalanina tontolo andro noho ny alahelo azy, fa ny tananao tsy hahefa na inona na inona.

33 Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin’olon-kafa tsy fantatrao akory, ary ianao hampahorina sy homongoin’ny sasany isan’andro.

34 Hanjary adala ianao amin’ny fijerena ny zavatra ho hitan’ny masonao.

35 Hasian’i Iaveh fery ratsy tsy lai-panafody ny lohalikao sy ny fenao, hasiany hatrany am-paladianao ka hatrany an-tampon-dohanao.

36 Hampandehanin’i Iaveh ianao sy ny mpanjaka natsanganao ho lohanao, ho any amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razanao, dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo any ianao,

37 ka hanjary figagan’ny olona sy fanao angano amam-pihomehezana ianao, any amin’izay vahoaka rehetra hitondran’i Iaveh anao any.

38 Be no voan-javatra hoentinao any an-tsahanao fa kely no hakarinao, satria ho lanin’ny valala ireny.

39 Hamboly voaloboka ianao, sy hanolikoly azy koa, fa tsy hisotro ary tsy hioty na inona na inona akory, satria hohanin’ny fositra ireny.

40 Hanana fototr’ôliva ianao amin’ny faritaninao rehetra, fa tsy hihosotra diloilo akory, satria hihintsana ny ôlivanao.

41 Hiteraka zazalahy aman-jazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.

42 Ho lanin’ny bibikely ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao.

43 Ny vahiny monina eo aminao hisondrotra hatrany ho ambony noho ianao; fa ianao kosa hietry mandrakariva ho ambany;

44 izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy mba hampisambotra azy, izy ho lohany fa ianao kosa ho rambony.

45 Hianjera aminao avokoa ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika sy hahatratra anao tokoa, mandra-paharinganao mihitsy, noho ianao tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, hitandremanao ny didy aman-dalàny nandidiany anao.

46 Ary ho famantarana amam-pahagagana ho anao sy ny taranakao mandrakizay.

Ady sy sesitany mety hisy

47 Noho ianao tsy nanompo an’i Iaveh Andriamanitrao an-kafaliana sy an-jotom-po ho valin’ny fananam-be amin’ny zavatra rehetra;

48 dia amin’ny hanoanana sy hetaheta, ary amin’ny fitanjahana sy tsy fananana na inona na inona kosa no hanompoanao ny fahavalonao, izay halefan’i Iaveh hamely anao; hanisy jioga vy ny vozonao mandra-pandringany anao Izy.

49 Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;

50 firenena mahatsiravina endrika, tsy handala ny antitra na hangoraka ny tanora akory.

51 Holaniny ny teraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-pahalevona anao. Tsy misy hamelany ho anao, na vary, na divay vaovao, na diloilo, na teraky ny biby fiompinao, na lehibe na kely, mandra-pandringany anao.

52 Hataony fahirano ianao, anatin’ny vavahadinao rehetra, mandra-paharavan’ny manda avo sy mafy amin’ny taninao, izay nitokianao. Hataony fahirano ianao ao amin’ny vavahadinao rehetra sy amin’ny tany rehetra, izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao.

53 Hohaninao ny naloaky ny kibonao, dia ny mofon’ny zanakao lahy aman-janakao vavy, izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao, fa ho mafy loatra ny horohoro amam-pahoriana haneren’ny fahavalonao anao.

54 Ny lehilahy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady mandry eo am-pofoany ary ny zanany sisa tsy novonoiny,

55 ary tsy misy homeny amin’ny mofon-janany izay hohaniny, satria tsy hisy sisa intsony ao aminy noho ny hamafin’ny horohoro amam-pahoriana haneren’ny fahavalonao anao, anatin’ny vavahadinao rehetra.

56 Ny vehivavy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, izay malemilemy sy sarotsarotiny ka tsy sahy manitsaka ny tany amin’ny faladiany akory, dia ho ratsy fijery ny vady mandry eo am-pofoany, sy ny zanany lahy aman-janany vavy,

57 noho ny amin’ny ahitra izay nivoaka avy eo anelanelan’ny tongony, sy noho ny zanany vao teraka, satria hohaniny mangingina izany, fa tsy manana na inona na inona izy, noho ny hamafin’ny horohoro amam-pahoriana haneren’ny fahavalonao anao, anatin’ny vavahadinao rehetra.

58 Raha tsy tandremanao tsara ny fanarahana ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, izay voasoratra amin’ity boky ity, ka tsy atahoranao ity Anarana be voninahitra sy mahatahotra ity hoe Iaveh Andriamanitrao,

59 dia hataon’i Iaveh mahatsiravina mihitsy ny loza hamelezany anao sy ny loza hamelezany ny taranakao, loza lehibe sady tsy tapaka, aretina mafy sady tsy azo sitranina.

60 Hataony hihatra aminao indray ny aretina rehetra tany Ejipta izay nampangovitra anao, ka hiraikitra aminao izany.

61 Fanampin’izany, hataon’i Iaveh mahazo anao koa, ny aretina amam-pery isan-karazany izay tsy voasoratra amin’ny bokin’ity lalàna ity, mandra-paharinganao.

62 Ianao efa maro toy ny kintana eny an-danitra iny, ka ho olom-bitsy sisa tavela aminao, noho ianao tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao.

63 Ho toy ny nifalian’i Iaveh tamin’ny nanasoavany sy nampitomboany anao ihany no hifalian’i Iaveh koa amin’ny handringanany sy handravàny anao kosa, ka hofongorana ianareo amin’ny tany hidiranao hanananao azy.

64 Haelin’i Iaveh any amin’ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany ianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.

65 Any amin’izany firenena izany ianao, dia tsy ho afaka ahiahy ary tsy misy tany hitsaharan’ny faladianao; fo tebiteby, maso manjambena ary fanahy miferinaina no homen’i Iaveh anao any.

66 Ny ainao hihevingevina eo anoloanao, ianao hangovitra andro aman’alina, ka tsy hanampò izay ho velona intsony ianao.

67 Maraina ianao hanao hoe: Malakia hariva! Hariva ianao hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hampivadi-po anao sy ny zavatra ho hitan’ny masonao.

68 Haverin’i Iaveh an-tsambo ho any Ejiptaianao, hihazo ny lalana voalazako taminao hoe: Tsy ho hitanao intsony izany, ary any ianareo hivaro-tena ho andevolahy sy andevovavy amin’ny fahavalonareo nefa tsy hisy mpividy.

Famaranana

69 Izao no tenin’ny fanekena nandidian’i Iaveh an’i Môizy hatao amin’ny zanak’i Israely, tany amin’ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tany Horeba.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 29

Fampahatsiahivana ny Eksaody sy ny fanekem-pihavanana

1 Niantso an’i Israely rehetra i Môizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon’i Iaveh teo imasonareo, tany amin’ny tany Ejipta, tamin’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,

2 dia ny fizahan-toetra lehibe, ireo famantarana amam-pahagagana lehibe efa hitan’ny masonao.

3 Mandrak’androany anefa dia mbola tsy nomen’i Iaveh fo mahalala sy maso mahita ary sofina mahare ianareo.

4 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an’efitra; nefa ny fitafiana teny an-koditrareo tsy tonta, ny kapa tamin’ny tongotrareo tsy tonta,

5 tsy mofo nohaninareo, tsy divay na labiera nosotroinareo; mba hahazoanareo mahalala fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

6 Toy izany no nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity. Nivoaka nitsena antsika hiady tamintsika i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, sy i Oga mpanjakan’i Basàna, fa resintsika

7 ka nalaintsika ny taniny, dia nomentsika ho zaratanin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’ny Manasita.

8 Koa tandremo àry ny tenin’ity fanekena ity, ary araho izy, mba hahomby ianareo, amin’izay rehetra hataonareo.

9 Miseho eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo, ny fokonareo, ny loholonareo, ny mpifehy anareo, ny lehilahy rehetra amin’i Israely,

10 ny zanakareo sy ny vadinareo ary ny vahiny eo an-tobinao hatramin’ny mpikapa hazonao ka hatramin’ny mpantsaka ranonao,

11 mba hiditra amin’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrao, sy amin’ny fianianany; dia nyfanekenaizay ataon’i Iaveh Andriamanitrao aminao anio,

12 mba hanandratany anao anio ho vahoakany, dia Izy no ho Andriamanitrao, araka ny nolazainy taminao sy nianianany tamin’ny razanao Abrahama sy Isaaka ary Jakôba.

Ho an’ny taranaka ho avy koa ny Fanekem-pihavanana

13 Tsy aminao ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao

14 fa amin’izay rehetra eto amintsika anio, eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika, sy amin’ireo tsy eto amintsika anio koa na iza na iza.

15 Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay namakiantsika ny tanin’ny firenena izay nandalovanareo;

16 efa hitanareo ny fahavetavetan’izy ireo sy ny sampy vato aman-kazo, volafotsy amam-bolamena, tany amin’izy ireo.

17 Koa aoka tsy hisy aminareo anio, na lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily miala amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho fototra hiteraka poizina sy absinta.

18 Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.

19 Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany i Iaveh, fa hirehitra amin’izany olona izany ny fahatezeran’i Iaveh sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity, ary hovonoin’i Iaveh tsy ho eto ambanin’ny lanitra ny anarany.

20 Hosarahin’i Iaveh amin’ny fokon’i Israely rehetra izy, ka hatolony amin’ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.

21 Ny taranaka any aoriana, ny zanakareo mbola ho teraka handimby anareo mbamin’ny vahiny avy amin’ny tany lavitra, hahita ny loza sy ny aretina hamelin’i Iaveh izany tany izany,

22 dia ny solifara sy ny sira, fanakilana an’izany tany rehetra izany, izay tsy hofafazana, tsy hanome vokatra avy aminy, tsy haniriana ahitra akory, toy ny tamin’ny fikorontanan’i Sôdôma sy i Gômôra, i Adamà sy i Sebôima, izay nakorontan’i Iaveh tamin’ny fahatezerany amam-pahavinirany,

23 ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe:

24 Noho izy ireo nahafoy ny fanekena tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nataony tamin’izy ireo, fony Izy nampivoaka azy avy tany amin’ny tany Ejipta

25 ka nandeha nanompo andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehan’ireny andriamanitra tsy fantany akory, na nomen’i Iaveh ho anjarany,

26 dia nirehitra tamin’izany tany izany ny fahatezeran’i Iaveh, nazerany taminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity.

27 Fahatezerana sy fahavinirana amam-pisafoahana lehibe no nanatsoahan’i Iaveh azy hiala amin’ny taniny, sy nanilihany azy ho any an-tany hafa, tahaka izao ankehitriny izao.

Fiverenana avy any an-tsesitany sy fibebahana

28 Ny zava-miafina, an’i IavehAndriamanitsika; fa ny zava-nambara kosa, antsika sy ny taranatsika mandrakizay, mba hanatanterahantsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.

Categories
Deterônômy

Deterônômy 30

1 Rehefa tonga izay hiharan’izao zavatra rehetra izao aminao dia ny tso-drano sy ny ozona izay nataoko teo anoloanao ary hataonao ho zavatra tokoa indray izany any amin’ny firenena handroahan’i Iaveh Andriamanitrao anao,

2 ka miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ianao sy ny taranakao, araka izao andidiako anao anio izao,

3 i Iaveh Andriamanitrao kosa hampody izay babo aminao sy hamindra fo aminao. Hangoniny avy amin’ny firenena nanelezan’i Iaveh anao indray ianao.

4 Na dia efa any amin’ny fara vodilanitra aza ny voasesitany aminao, dia avy any no hanangonan’i Iaveh Andriamanitrao anao, any no hangalany anao.

5 Ary haverin’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny tany efa nananan’ny razanao, ka hanana izany ianao. Hanisy soa anao Izy ary hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.

6 Hoforàn’i Iaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, hitiavanao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra mba ho velona ianao.

7 Ary hazeran’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fahavalonao, izay nankahala sy nanenjika anao, ireny fanozonana rehetra ireny.

8 Ka dia hihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao indray ianao, sy hanaraka izao didy rehetra andidiako anao anio izao,

9 ka hanototra soa anao i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny asan-tananao, ny naloaky ny kibonao, ny teraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, fa hifaly aminao indray i Iaveh manisy soa anao, toy ny nifaliany tamin’ny razanao,

10 raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàna voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, raha miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra.

11 Izao didy andidiako anao izao tsy dia hoe, ambiny ho anao na ivelan’ny takatrao.

12 Tsy any an-danitra izy ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka izany ho antsika mba hanarahantsika izany?

13 Tsy any an-dafin’ny ranomasina izany, ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hampita ny ranomasina haka izany ho antsika, sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy?

14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy.

Lalana roa

15 Indro, nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy,

16 tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Iaveh Andriamanitrao sy handeha amin’ny lalany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny, mba ho velona ianao, sy hihamaro ary hambinin’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy.

17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa mety hotarihina hiankohoka amin’andriamani-kafa sy hanompo azy,

18 dia ambarako anareo dieny ankehitriny, fa ho ringana tokoa ianareo; tsy ho lava andro any amin’ny tany efa hidiranareo hanananareo azy, rehefa tafita an’i Jordany, ianao.

19 Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,

20 amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana Aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.