Categories
Deterônômy

Deterônômy 31

Ny asa anirahana an’i Jôsoe

1 Ary nanao izao teny izao tamin’i Israely rehetra koa i Môizy ka nanao tamin’izy ireo hoe:

2 «Efa roapolo amby zato taona androany aho izao, ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony, ary i Iaveh efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita an’io Jordany io ianao.

3 I Iaveh Andriamanitrao no hita eo alohanao, Izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao, ka dia hahazo azy ireo ianao. I Jôsoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan’i Iaveh.

4 Toy ny nataon’i Iaveh tamin’i Sehôna sy i Oga, mpanjakan’ny Amôreana, izay naringany mbamin’ny taniny, no hataony amin’ireo koa.

5 Hatolotr’i Iaveh aminareo izy, ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo.

6 Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»

7 Dia nantsoin’i Môizy i Jôsoe, ka hoy izy taminy, teo anatrehan’i Israely rehetra: «Mahereza ary matanjaha tsara, fa ianao no hiditra miaraka amin’ity vahoaka ity, any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razany homena azy ireo; ary ianao no hampanana azy ireo izany.

8 Fa i Iaveh no handeha eo alohanao, Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy, ka aza matahotra na mivadi-po ianao.»

Hovakina eo amin’ny fotoam-pivavahana ny lalàna

9 Nosoratan’i Môizy izany lalàna izany, dia natolony tamin’ny mpisorona, taranak’i Levì mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, mbamin’ny loholon’i Israely rehetra.

10 Ary nomeny izao didy izao izy: «Aorian’ny isam-pito taona amin’ny fotoan’ny taom-panafahana, amin’ny fetin’ny Tabernakla,

11 raha ilay tonga hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao iny i Israely rehetra, any amin’ny fitoerana izay hofidiny; dia vakio eo anatrehan’i Israely rehetra ity lalàna ity, mba hohenoiny.

12 Vorio avokoa ny vahoaka, na lahy na vavy, na ankizy na vahiny eo anatin’ny vavahadinao, mba hihaino ka hianatra ny hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrareo, ka hitandrina tsara sy hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.

13 Ary handre izany ny zanany, izay tsy mahalala, ka hianatra ny hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrareo, amin’ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ny tany izay efa hankanesanareo hanananareo azy, rehefa tafita an’i Jordany ianareo.»

Tenin’i Iaveh amin’i Môizy

14 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro, antomotra ny fotoana hahafatesanao; koa antsoy i Jôsoe, ary tongava ao an-trano lay fihaonana ianareo, mba hanomezako azy ny didiko.» Dia nandeha nankao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Jôsoe,

15 ka niseho tao an-trano i Iaveh tamin’ny andry rahona, ary ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana.

16 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.

17 Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?

18 Izaho anefa amin’izany andro izany dia hanakona ny tavako noho ny ratsy rehetra nataony, tamin’ny niviliany hanaraka andriamani-kafa.»

Ny tononkira vavolombelona

19 «Koa soraty izao tononkira izao. Ampianaro ny zanak’i Israely, ary ataovy eo am-bavany mba ho vavolombelona hoentiko miampanga ny zanak’i Israely izany tononkira izany.

20 Satria izy ireo rehefa tafiditra eo amin’ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana, tany tondra-dronono sy tantely, ka efa nihinana sy voky, ary nihamatavy, dia amin’izay izy no hivily hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy ary haniratsira Ahy sy hivadika ny fanekeko.

21 Koa rehefa hidiran-doza amam-pahoriana be izy, dia izao tononkira izao no ho vavolombelona hiampanga azy, fa tsy ho very tadidy,tsy ho afaka am-bavan’nytaranany izao. Satria efa fantatro izay saina eo aminy hatramin’ny ankehitriny, na dia alohan’ny hampidirako azy any amin’ny tany nampanantenaiko tamim-pianianana aza».

22 Dia nosoratan’i Môizy androtr’izay ihany izany tononkira izany, ka nampianariny ny zanak’i Israely.

23 Ary i Iaveh nanome didy an’i Jôsoe, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: «Mahereza sy matanjaha tsara, fa ianao no hampiditra ny zanak’i Israely any amin’ny tany nampanantenaiko azy tamim-pianianana, ary Izaho homba anao».

Ny lalàna apetraka eo anilan’ny Fiaran’ny Fanekena

24 Nony efa tapitra voasoratr’i Môizy tamin’ny boky anankiray ny tenin’ity lalàna ity,

25 dia nanome izao didy izao tamin’ny Levita mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh izy:

26 «Raiso ity bokin’ny lalàna ity ka apetraho eo anindran’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo, ka eo izy dia vavolombelona miampanga anao.

27 Fa fantatro ny ditran’ny fonao sy ny hamafy hatokao; amin’izao aho mbola velona eo aminareo izao aza, efa niodina tamin’i Iaveh ianareo, ka mainka izany fa rehefa maty aho.»

Vorìna i Israely hihaino ny tononkira

28 «Koa vorio eto amiko ny loholona rehetra amin’ny fokonareo sy ny mpitsara anareo, dia hanonona izao teny izao amin’ny sofiny aho, ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona miampanga azy.

29 Satria fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba marina tokoa ianareo, dia hivily hiala amin’ny lalana nasaiko nalehanareo ianareo, ka ho tratry ny loza, any amin’ny andro aoriana any, noho ianareo nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh sy nampahatezitra azy tamin’ny asan-tananareo.»

30 Dia nolazain’i Môizy hatramin’ny farany, teo an-tsofin’ny fiangonan’i Israely rehetra, izao tononkira izao:

Categories
Deterônômy

Deterônômy 32

TONONKIRAN’I MÔIZY

1 Mampandria sofina, ry lanitra, fa hiteny Aho;

ary aoka ny tany hihaino ny teny haloaky ny vavako.

2 Aoka hirotsaka toa ranonorana ny fampianarako;

ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko,

dia tahaka ny tandrifin-drahona amin’ny zava-maitso,

toy ny rano mitete amin’ny ahi-maitso.

3 Fa hitory ny Anaran’i Iaveh aho:

ka omeo voninahitra ny Andriamanitsika.

4 Ny vatolampy, lavorary ny asany,

ara-drariny ny lalany rehetra;

fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy;

marina sy mahitsy.

5 Nanota taminy izy ireo, tsy mba ny zanany fa ny faikan’izy ireo,

taranaka ratsy sy mpivadika.

6 Izany va no avalinareo an’i Iaveh,

ry vahoaka adala, tsy manam-pahendrena?

Tsy Izy va no Rainao sy Mpahary anao,

Izay nanao anao sy nanorina anao?

7 Tsarovy ny andro taloha,

saino ny taona tamin’ny taranaka taloha,

anontanio an-drainao, fa hatorony anao,

amin’ny anti-panahy, fa halazany anao:

8 Nony nomen’ny Avo indrindra zaratany ny firenena,

nony natokotokony ny zanak’olombelona,

dia nametra ny faritanin’ny vahoaka Izy;

araka ny isan’ny zanak’i Israely.

9 Satria ny anjaran’i Iaveh dia ny vahoakany,

ary i Jakôba no anjara lovany.

10 Hitany tany an-tany efitra izy,

dia tao an-tany foana misy biby dia mierona,

ka nofefeny sy nokolikoleny

ary notandremany toy ny anakandriamasony.

11 Mova tsy ny voromahery manaitaitra ny zanany madinika

sy manidintsidina eo ambonin’ny zanany

no namelarany ny elany nandraisany azy,

sy nitondrany azy teo ambonin’ny elany.

12 I Iaveh irery no nitondra azy;

fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.

13 Teo ambonin’ny havoana amin’ny tany no nampiakarany azy;

ary ny vokatry ny saha no nohanin’i Israely:

nampitsentsefiny azy ny tantely avy amin’ny vatolampy

sy ny diloilo avy amin’ny vato mafy indrindra;

14 ary ny hero-dronono avy amin’ny ombivavy sy ny rononon’ondry,

mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry,

sy ny ondralahy teraka tany Basàna sy ny osilahy,

ary ny vary faran’izay tsara indrindra;

ary ny ran’ny salohim-boaloboka no nosotroinao dia ny divay mandroatra.

15 Kanjo nihanatavy i Jesorònaka nibohy;

– eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao,

ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy

sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.

16 Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo

ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana.

17 Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy,

dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany,

andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela,

izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.

18 Nandao ny Vatolampy izay niteraka anao ianao

ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.

19 Nahita izany i Iaveh, ka tezitra,

nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.

20 Hoy izy: «Hafeniko azy ny Tavako,

dia ho hitako izay hiafarany,

fa taranaka mpivadibadika izy,

zaza tsy manana hitsim-po.

21 Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy

ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona,

ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho,

sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.

22 Fa nirehitra ny afon’ny fahatezerako,

ka mandoro ny fonenan’ny maty hatrany amin’ny faran’ny ambany,

mandevona ny tany amam-bokatra eo aminy,

mandrehitra ny tendrombohitra hatramin’ny fotony.

23 Havangongoko aminy ny loza,

holaniko aminy ny zana-tsipìkako;

24 hofezahin’ny mosary izy,

holevonin’ny tazo amam-pesta mpandringana;

ary halefako hamely azy koa ny nifin’ny biby,

mbamin’ny poizin’ny biby mikisaka amin’ny vovoka.

25 Avy any ivelany, dia hovonoin’ny sabatra ny zaza,

ary ao anaty kosa dia hisy fivadiham-po;

na ny zatovolahy na ny zatovovavy,

na ny zaza mbola minono na ny efa antitra.»

26 Saiky hataoko hoe: Hofaohiko amin’ny indray mitsoka ireo,

hofoanako tsy ho eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,

27 raha tsy noho ny tahotro ny hireharehan’ny fahavalo

sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy,

ka hilaza hoe: Ny tanany no nahery;

fa tsy i Iaveh no nanao izany rehetra izany.

28 Fa firenena tsy manam-pahendrena izy,

ary tsy misy saina eo aminy.

29 Raha mba hendry dia ho nahalala izao,

sy ho nahafantatra ny tokony hiafarany.

30 Hataon’ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo,

hataon’ny roa lahy ahoana ny fampandosirana ny iray alina,

raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy,

raha tsy i Iaveh no efa nanolotra azy?

31 Fa tsy mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’izy ireo:

vavolombelon’izany ny fahavalontsika.

32 Fa karazam-boaloboka avy any Sôdôma no foto-boalobony,

sy avy any amin’ny sahan’i Gômôra;

voaloboka misy poizina no mba voalobony,

sampaho mangidy no mba azy.

33 Poizina avy amin’ny dragona no divainy,

poizina mahafaty avy amin’ny aspika.

34 Moa tsy zavatra voaafina ato amiko va izany.

Sy voaisy fitomboka ato amin’ny rakitro?

35 Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana

amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony,

fa antomotra ny andro hahitany loza,

ary ho avy faingana izay anjara ho azy.

36 Fa homen’i Iaveh rariny ny vahoakany,

ary nony mpanompony dia hanenina izy,

rehefa hitany fa lany hery ireo,

ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.

37 Dia hiteny izy hanao hoe: Aiza izay Andriamanitrareo?

dia ny vatolampy nialofany,

38 izay nihinana ny saboran-tsorona nataony

sy nisotro ny divaim-panatitra nararany?

aoka hoe hitsangana ireny, aoka hamonjy anareo!

Aoka hoe hampialoka anareo ambanin’ny fiarovany!

39 Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy,

ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko;

Izaho no mahafaty sy mahavelona;

Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana.

Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.

40 Eny manangana ny tanako manandrify ny lanitra Aho

no manao hoe: Velona mandrakizay Aho!

41 Rehefa hanasa ny sabatro manelatrelatra

sy handray ny fitsarana ny tanako,

dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko,

ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.

42 Homamoiko ra ny zana-tsipìkako,

ary hihinana mofo ny sabatro;

dia ny ran’ny voavono sy ny babo,

ary ny loha lava volon’ny fahavalo.

43 Ry firenena, aoka hanao horakora-pifaliana ianareo,

ho voninahitry ny vahoakany.

Fa valian’i Iaveh ny ran’ny mpanompony

asiany valim-bonoana izay mandrafy Azy.

Dia manao fanonerana ho an’ny taniny,

ho an’ny vahoakany Izy.

44 Tonga i Môizy ka nilaza ny teny rehetra amin’izany tononkira izany mba ho ren’ny vahoaka, ary nomba azy i Jôsoe zanak’i Nona.

Ny lalàna, loharanon’aina

45 Nony tapitra voalazany tamin’i Israely rehetra izany teny rehetra izany,

46 dia hoy izy tamin’izy ireo: «Raiso amin’ny fo mazoto izao teny rehetra ambarako eto anatrehanareo anio izao, izay tsy maintsy andidianareo ny zanakareo koa, mba hanarahany tsara ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.

47 Satria tsy zavatra tsy ahoan-tsy ahoana ho anareo izany, fa fiainanareo, ary izany teny izany no hahalava andro anareo, eo amin’ny tany efa ho azonareo amin’ny fitàna an’i Jordany.»

Fanambaràna ny hahafatesan’i Môizy

48 Androtr’izay ihany dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

49 «Miakara any amin’io tendrombohitr’i Abarima io, amin’ny tendrombohitra Nebao, amin’i Moaba, tandrifin’i Jerikao, ka tazano ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely ho fananany.

50 Ho faty eo amin’ny tendrombohitra hiakaranao ianao, dia hangonina any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Aarôna rahalahinao tany an-tendrombohitra Hôra, sy nanangonana azy tany amin’ny razany;

51 satria nanota tamiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, amin’ny efitra Sina, ka tsy nankamasina Ahy, teo afovoan’ny zanak’i Israely.

52 Ho hitanao tandrifinao ny tany, nefa tsy hiditra eo amin’izany tany izany izay omeko ny zanak’i Israely ianao.»

Categories
Deterônômy

Deterônômy 33

Tso-dranon’i Môizy

1 Izao no tso-drano nataon’i Môizy, olon’Andriamanitra, tamin’ny zanak’i Israely, talohan’ny nahafatesany.

2 Hoy izy:

«Tonga avy tany Sinaia i Iaveh,

niposaka ho azy ireo avy any Seira Izy;

namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Faràna Izy,

ary nivoaka teo afovoan’ny masina tsy omby alinalina;

ary nitselatra ho azy ireo avy eo ankavanany ny

tsirim-pahazavana.

3 Tiany koa ny vahoaka,

eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra,

mipetraka ao an-tongotrao izy ireo,

ary samy mandray ny teninao avokoa.

4 Nanome didy antsika i Môizy;

lovan’ny fiangonan’i Jakôba.

5 Tonga mpanjaka ao amin’i Jesoròna izy,

nony nivory ny lohan’ny vahoaka

mbamin’ny fokon’i Israely rehetra.

6 Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena,

ary aoka tsy hihena ho vitsy ny lehilahy ao aminy.»

7 Izao kosa ny amin’i Jodà; hoy izy:

«Henoy ny feon’i Jodà, ry Iaveh,

ary ento hiverina amin’ny vahoakany izy.

Ny tanany no hiady ho an’i Israely

ary hiaro hanampy azy hamely ny fahavalony.»

8 Ny amin’i Levì dia hoy izy:

«Ny Orimanao sy ny Tomimanaodia amin’ny olonao masina,

izay nozahanao toetra tao Masà

izay nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meribà,

9 izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe:

Tsy nahita azy ireo aho,

izay tsy nahalala ny rahalahiny

na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany,

fa nankatò ny teninao izy,

ary nitana ny fanekenao.

10 I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao,

ary i Israely ny lalànao.

Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy,

sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.

11 Tahio ny heriny, ry Iaveh ô!

ankasitraho ny asan’ny tanany;

folahy ny andilan’izay mandrafy azy

sy izay mankahala azy: aoka tsy hiarina intsony ireny.»

12 Ny amin’i Benjamina dia hoy izy:

«Malalan’i Iaveh izy, ka handry feizay monina eo akaikiny;

arovan’i Iaveh lalandava izy,

mipetraka eo anelanelan’ny sorony».

13 Ny amin’i Josefa dia hoy izy:

«Tahin’i Iaveh ny taniny;

azy ny ando fanomezan-tsoan’ny lanitra

ny rano amin’ny hantsana lehibe monina ao ambany;

14 ny vokatsoamasakyny masoandro;

ny voan-javatra soa indrindra isam-bolana;

15 Ny vokatsoa indrindra avy amin’ny tendrombohitra fahagola;

Ny fanomezana tsara indrindra avy amin’ny havoana mandrakizay,

16 Ny fanomezana tsara indrindra avy amin’ny tany sy ny fahavokarany.

Ny fankahasitrahan’ilay nitoetra teo amin’ny zava-maniry milobolobo anie

ho tonga eo an-dohan’i Josefa,

eo amin’ny tampon’ny lohan’ny andrian’ny rahalahiny!

17 An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera,

tandrok’ombimanga no tandrony;

amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra

hatrany amin’ny fara vazantany.

Toy izany ny alinalin’i Efraima,

Toy izany ny arivoarivon’i Manase».

18 Ny amin’i Zabolôna dia hoy izy

«Mifalia, ry Zabolôna, amin’ny fandehananao,

ary ianao, ry Isakara, ao an-dainao.

19 Miantso ny vahoaka ho ao an-tendrombohitra ireo;

ao izy hanatitra sorom-pahamarinana,

fa hitsentsitra ny habetsahan-javatra avy amin’ny ranomasina izy,

sy ny harena miafina ao amin’ny fasika».

20 Ny amin’i Gada dia hoy izy:

«Hisaorana anie Ilay manome fitoerana malalaka an’i Gada!

Mandry toy ny liom-bavy Izy;

ka mamiravira ny sandry na ny loha aza

21 Nifidy ny voalohan-tany ho azy izy;

fa anjara-mpifehy no voaafina ao,

ary nandroso nialoha lalana ny vahoaka,

nanatanteraka ny fahamarinan’i Iaveh izy

sy ny fitsaràny, niaraka tamin’i Israely».

22 Ny amin’i Dana hoy izy:

«I Dana dia liona vantony,

miantoraka avy ao Basàna».

23 Ny amin’i Neftalì dia hoy izy:

«Vokin’ny tombon-tsoa ianao, ry Neftalì,

ary feno ny fitiavan’i Iaveh;

ka raiso ho fanananao ny ranomasina sy ny any atsimo».

24 Ny amin’i Asera dia hoy izy:

«Hotahina eo amin’ny zanak’i Jakôba anie i Asera,

aoka izy ho tian’ny rahalahiny indrindra

ka hanoboka ny tongony amin’ny diloilo.

25 Aoka ho vy amam-barahina ny karetsaka hidinao,

ary hifamàtra amin’ny andronao ny fiadananao.

26 Tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ry Jesoròna ô!

izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao,

sy mandia ny rahona, amin’ny voninahiny.

27 Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana,

ny sandriny mandrakizay no anohanany anao;

mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy,

sady milaza hoe: Aringano.

28 Mandry feizay i Israely;

miboiboika miavaka ny loharanon’i Jakôba,

ao amin’ny tany be vary aman-divay,

ary ny lanitra ao aminy mampitsororoka ny ranonando.

29 Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao!

Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh,

izay ampingan’ny famonjena anao,

sabatry ny voninahitrao.

Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao,

fa ianao kosa handia ny havoany».

Categories
Deterônômy

Deterônômy 34

Ny nahafatesan’i Môizy

1 Niakatra avy eo an-tany lemak’i Moaba i Môizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.

2 Ary nasehon’i Iaveh azy avokoa ny tany rehetra dia i Galaada hatrany Dana; i Neftalì rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny ranomasina andrefana;

3 Ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao; dia ny tanànan’ny rofia, hatrany Segôra.

4 Dia hoy i Iaveh taminy: «Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe: Homeko ny taranakao izany. Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao».

5 Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia teo amin’ny tanin’i Moaba, araka ny didin’i Iaveh.

6 Ary nalevina teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Moaba, tandrifin’i Bety-Fogôra izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.

7 Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy.

8 Nisaona an’i Môizy telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Moaba ny zanak’i Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.

9 Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy, ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

10 Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin’i Israely intsony sahala amin’i Môizy izay fantatr’i Iaveh mifanatrika,

11 na ny amin’ny famantarana amam-pahagagana nanirahan’i Iaveh azy tany Ejipta, hanaovany izany tamin’i Faraôna sy ny mpanompony mbamin’ny taniny rehetra,

12 na ny amin’ny tanany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra izay vitan’i Môizy teo imason’i Israely rehetra.