Categories
Efezianina

Efezianina 1

Fiarahabana

1 I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, dia mamangy ny olona masina (any Efezy), mbamin’ny mpino ao amin’i Kristy Jesoa;

2 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Rafitr’Andriamanitra momba ny famonjena

3 Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahyany an-danitra,

4 sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,

5 ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;

6 nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.

7 Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,

8 izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,

9 fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny,

10 rehefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.

11 Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,

12 mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.

13 Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombokasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina,

14 sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotanaan’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.

Fandresen’i Kristy sy ny maha ambony Azy noho ny hafa

15 Noho izany, nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

16 dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako,

17 mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;

18 ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,

19 ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino, hita amin’ny fiàsan’ny heriny tsitoha.

20 Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany, tamin’ny nananganany azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,

21 ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa,

22 fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,

23 izay tenany, famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.

Categories
Efezianina

Efezianina 2

Omena maimaim-poana ny famonjena ao amin’i Kristy

1 Fahiny dia matin’ny fahadisoana amam-pahotanareo ianareo,

2 ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.

3 Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa no toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filàn’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.

4 Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,

5 na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);

6 niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,

7 mba hanehoany amin’ny andro ho avyny haben’ny harem-pahasoavany, amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.

8 Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,

9 tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.

10 Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

Fihavanan’ny Jody sy ny Jentily ary fihavanany amin’Andriamanitra

11 Tsarovinareo Jentily araka ny nofo àry, dia ianareo antsoin’ny voaforan-tanana hoe tsy voafora,

12 fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.

13 Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.

14 Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tontaho iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana;

15 tao amin’ny nofonyno nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany;

16 fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.

17 Ary tonga Izy, nitoryfihavanana taminareo izay lavitra,sy nitoryfihavanana tamin’ireo izay akaikykoa,

18 Satria aminy no fahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany.

19 Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra;

20 ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.

21 Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo;

22 ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.

Categories
Efezianina

Efezianina 3

I Paoly mpandraharaha ny Mistery momba an’i Kristy

1 Ary noho izany, izaho Paoly mpifatotr’i Kristy Jesoa noho ny aminareo Jentily

2 raha mba renareo ihany ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,

3 izany hoe, ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nalazako tamin’ny teny fohifohy teo.

4 Ny famakiana izany no hahaizanareo mamantatra ny fahalalako ilay zava-miafina tao amin’i Kristy,

5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha, toy ny nanambaràna azy ankehitriny tamin’ny Apôstôly masina sy ny mpaminanyao amin’ny Fanahy,

6 dia izao: Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody ao amin’i Kristy Jesoa noho ny ninoany ny Evanjely;

7 ary izaho no voatendry ho mpandraharaha amin’izany, araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra nomena ahy tamin’ny herin’ny fahefany.

8 Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,

9 sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra.

10 Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin’ny alalan’ny Eglizy, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra,

11 araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika,

12 izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana Azy.

13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriako ho anareo, fa voninahitra ho anareo izany.

Vavak’i Paoly

14 Eny, noho izany no andohalihako amin’ny Ray,

15 Izay angalàn’ny fianakaviana rehetra any an-danitrasy etỳ an-tany anarana,

16 mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anatyamin’ny Fanahy,

17 sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,

18 ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olomasina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny,

19 sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.

20 Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,

21 eny, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Eglizy, sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. Amen.

Categories
Efezianina

Efezianina 4

Fiantsoana mba ho iray

1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo,

2 amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;

3 mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;

4 fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;

5 tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,

6 ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.

7 Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.

8 Izany no anaovan’ny Soratra Masina hoe:Niakatra any ambony Izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an’ny olona.

9 Inona no ilazana hoe: «niakatra Izy» afa-tsy noho Izy efa nidina ho any ambanin’ny tany koa?

10 Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra.

11 Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,

12 mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,

13 mandra-pahatongantsika rehetraao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy;

14 dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;

15 fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy.

16 Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.

Ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy

17 Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany,

18 fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony,

19 ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra.

20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy,

21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa,

22 hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareoefa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy,

23 mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo,

24 ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.

25 Ario àry ny lainga, kasamia milaza ny marina amin’ny namany avy,fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra.

26 Tezera, fa aza manota,ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.

27 Aza omena fidirana ny demony.

28 Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.

29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.

30 Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay nanasiana tombokase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.

31 Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.

32 Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.

Categories
Efezianina

Efezianina 5

1 Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo.

2 Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izaynanolo-tena tamin’Andriamanitranoho ny fitiavany antsikamba ho sorona amam-panatitra mani-pofonahamonjy antsika.

3 Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo,

4 Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin’ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana.

5 Satria fantaro tsara fa rehefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filàn-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.

6 Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.

7 Aza miombona amin’ireny ianareo.

8 Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.

9 Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra.

10 Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra.

11 Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,

12 satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;

13 fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rehefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa.

14 Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna avy any amin’ny maty, dia hanazava anao i Kristy.

15 Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry;

16 hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.

17 Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitrapon’ny Tompo.

18 Aza mimamo divay,satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.

19 Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.

20 Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Fifampitondrana ao an-tokantrano

21 Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy.

22 Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo;

23 fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy.

24 Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra.

25 Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy,

26 mba hanamasina azy rehefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny rano sy ny teny izy,

27 ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.

28 Toy izany koa no tsy maintsy itiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

29 Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy,

30 satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany, isika.

31 Noho izany,handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa.

32 Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.

33 Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

Categories
Efezianina

Efezianina 6

1 Ianareo zanaka, maneke ao amin’ny Tompony ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.

2 Manajà ny ray aman-dreninao,io no voalohan-didy misy teny fampanantenana, dia ny hoe:

3 mba hahita soa sy ho ela velona etỳ ambonin’ny tany ianao.

4 Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.

5 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena an’i Kristy;

6 aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa;

7 ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona;

8 satria fantatrareo marina fa isam-batan’olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian’Andriamanitra soa, amin’izay soa nataony avy.

9 Ianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin’izy ireo, ka ajanòny ny fandrahonana, satria fantatrao fa tsy mba mizaha tavan’olona ilay Tompon’izy ireo sy ianareo, any an-danitra.

Ady ara-panahy

10 Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.

11 Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.

12 Fa tsy amin’ny nofo aman-drano iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.

13 Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rehefa niala nenina.

14 Aza miraika, famisikìna fahamarinana, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra,

15 kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo;

16 fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy.

17 Raiso koa nyfanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha,ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.

18 Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;

19 dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran’ny Evanjely,

20 (izay anaovako ny raharahan’ny ambasadaoro eto am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho.

Vaovao momba ny tenany sy veloma farany

21 Ary ny amin’ny hahalalanareo izay toetra sy ataoko atỳ, dia iny i Tisìko, havana malala, sady mpandraharaha mahatoky ao amin’ny Tompo, hampandre anareo ny zavatra rehetra;

22 fa izany indrindra no nandefasako azy ho atỳ aminareo, ka dia sady handre ny toetranay ianareo, no halàny alahelo koa ny fonareo.

23 Fiadanana anie ho an’ny havana iray finoana, ary fitiavana amam-pinoana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo!

24 Fahasoavana anie ho an’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy lefy!