Categories
Ekleziastika

Ekleziastika SASINY NATAON’NY MPANDIKA TENY

SASINY NATAON’NY MPANDIKA TENY

Maro sady lavorary ny fianarana azontsika tamin’ny lalàna sy ny mpaminany ama-mpanoratra sasany nanaraka azy, izay efa nahazoan’i Israely dera ara-drariny amin’ny fahalalana amam-pahendrena. Ary satria, tsy hoe mahazo fahalalana fotsiny, izay mamaky izany, fa tonga afa-manasoa ny hafa any ivelany koa, izay mianatra izany amim-pahazotoana, ka dia voatarika hamorona boky momba ny fampianarana ny fitsipi-pitondran-tena tsara amam-pahendrena koa i Jesò, raibeko, izay efa nilozoka mafy tamin’ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany mbamin’ny bokin’ny razantsika hafa; sady efa nahazo fahaizana fatratra amin’izany izy; koa izay maniry hianatra dia hilozoka amin’ity boky ity sy handroso hatrany hatrany amin’ny toe-piainana mifanaraka amin’ny lalàna.

Koa mamporisika anareo aho, hamaky azy amin-kamoram-po sy fitandremana; ary aoka mba handefitra ianareo amin’ny pejy sasany raha sendra misy teny vitsy toa tsy voadikanay tsara, na dia nataonay tamim-pitandremana tsara aza, ny fandikana azy, satria mba mihalefy ny teny hebrio, rehefa hadika ho fiteny hafa. Tsy amin’ity boky ity ihany no hahitana izany kilema izany; fa amin’ny lalàna sy ny mpaminany mbamin’ny boky masina hafa koa, dia tsy mba vitsy foana tsy akory ny hevitra tsy mitovy, raha ampitahaina ny dikany sy ny tena izy.

Nankany Ejipta aho tamin’ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan’i Everjeta, ka hitako, tamin’ny nitoerako tany, fa tsy mitovy velively amin’ny antsika ny fahalalana momba ny fivavahana any. Ka dia nataoko fa ilaina indrindra ny mikarakara sy misasatra kely ihany amin’ny fandikana io boky io. Noho izany dia nandany alina betsaka ary nikely aina mafy tokoa aho, tamin’iny fotoana iny amin’io asa io, mba hahatomombana azy tsara, sy hamoaka azy mba ho an’ireo mipetraka any an-tany hafa koa, izay maniry hahazo fahaizana sady vonon-kampifanaraka ny toe-piainany amin’ny lalàn’ny Tompo.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 1

Mistery ny fahendrena

1 Ny fahendrenarehetra dia avy amin’ny Tompo;

ao aminy mandrakizay izy.

2 Iza no mahisa ny fasika amin’ny ranomasina,

ny fiteten’ny ranonorana, ary ny andro efa lasa?

3 Zovy no mahatakatra ny haavon’ny lanitra sy ny haben’ny tany,

sy ny halalin’ny hantsan’ny fahendrena?

4 Voaary talohan’ny zavatra rehetra, ny fahendrena,

ary ny fahazavan’ny saina hatramin’ny mandrakizay.

5 Ny loharanon’ny fahendrena,

dia ny tenin’Andriamanitra

any an-tampon’ny lanitra,

ary ny lalàny, dia ny lalàna mandrakizay.

6 Iza no nanambaràna ny foto-pahendrena?

Zovy no nahalala ny heviny lalina?

7 Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena,

ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin’ny lalàny?

8 Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, dia ny Tompo.

9 Izy no nahary azy;

nahita Azy ka nampahalala azy;

10 nandrotsaka azy tamin’ny asany rehetra Izy,

sy amin’ny nofo rehetra, araka ny ambaratongam-panomezany.

Notolorany be izay tia Azy.

Tahotra an’Andriamanitra

11 Ny fahatahorana ny Tompo, dia haja amam-boninahitra,

ary fifaliana amam-pehiloha firavoravoana.

12 Ny fahatahorana ny Tompo mampiravoravo ny fo,

mampahazo fisariadriaka aman-kafaliana sy andro lava.

13 Izay matahotra ny Tompo,

hahita soa amin’izany amin’ny farany,

ary hahazo sitraka izy, amin’ny andro hahafatesany.

Ny fitiavana an’Andriamanitra no fahendrena be voninahitra;

omen’Andriamanitra fahendrena izay olona isehoany,

mba hahabanjinany Azy.

14 Ny fahatahorana an’Andriamanitra, no fiandohan’ny fahendrena;

miara-miforonaamin’ny olo-marina,

hatrany an-kibon-dreniny izy.

15 Mamboatra fonenana mandrakizay ho azy,

ao amin’ny olombelona izy,

ary honina tsy hiala ao amin’ny taranany.

16 Ny fahendrena feno tanteraka, dia ny matahotra ny Tompo;

vokisany ny vokany izay manana azy.

17 Fenoiny zava-paniry ny tranony rehetra,

ary fenoiny ny vokany ny fitoeram-bokany.

18 Ny fehilohan’ny fahendrena, diany fahatahorana ny Tompo;

mampandroso fiadanana sy mahavokatra famonjena izy.

19 Nahita azy ny Tompo, dia namosaka azy,

ary samy fanomezan’Andriamanitra izy roa ireo.

Mampiboiboika be ny fahalalana sy ny fahazavan’ny saina izy,

sa mankalaza ny voninahitr’izay manana azy.

20 Ny foto-pahendrena dia ny fahatahorana ny Tompo,

ary ny sampany dia ny andro lava iainana.

21 Mandroaka ny fahotana ny fahatahorana ny Tompo,

ary mampidify ny hatezerana izay mifikitra aminy.

Faharetana sy fahafehezan-tena

22 Tsy azo hamarinina ny olona tsy marina sy foizina,

fa mitarika ny famongorana azy afonafon’ny hatezerany.

23 Miandry hatramin’ny fotoana ny olona mandefitra,

ka miverina aminy indray ny firavoravoany.

24 Afeniny hatramin’ny fotoana mety ny teniny,

ka tantarain’ny olo-mahatoky ny fahamalinany.

Fahendrena sy hitsim-po

25 Ny raki-pahendrena, misy foto-kevi-pahamalinana,

fa ny fitiavana an’Andriamanitra kosa,

dia fahavetavetana amin’ny mpanota.

26 Maniry fahendrena va ianao? Tandremo àry ny didy,

dia homen’ny Tompo anao izany.

27 Fa ny fahendrena amam-pahalalana,

dia ny fahatahorana ny Tompo;

ary ny ankasitrahiny,

dia ny fahamarinana aman-kalemem-panahy.

28 Aza mandà tsy hanana ny fahatahorana ny Tompo;

ary aza fo miefitrefitra no anatonanao Azy.

29 Aza mihatsaravelatsihy eo imason’ny olombelona;

ary tandremo ny molotrao.

30 Aza manandra-tena ianao, fandrao dia miongana;

ka hanafo-kenatra ny tenanao ianao.

Fa ny Tompo hanambara izay afeninao,

ka handronjina anao ho eo afovoan’ny fivoriana,

noho ianao tsy nilozoka tamin’ny fahatahorana ny Tompo,

ka feno fitaka ny fonao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 2

Tahotra an’Andriamanitra eo amin’ny fitsapana

1 Anaka, raha mandroso ianao hanompo ny Tompo,

omany ho amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.

2 Ahitsio ny fonao, ka mahareta,

ary aza mikoropaka foana amin’ny andron’ny fahoriana.

3 Miraiketa amin’Andriamanitra ianao, ka aza misaraka aminy,

mba hitomboanao ho amin’izay hiafaranao.

4 Ekeo avokoa izay manjò anao,

ary mandefera amin’ny fifandimbiasan’ny fietrenao.

5 Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin’ny afo;

ary ny olona ankasitrahin’Andriamanitra kosa,

amin’ny memin’ny fietrena.

6 Matokia an’Andriamanitra ary Izy hanarina anao;

mizora amin’ny lala-mahitsy, ary manantenà Azy.

7 Miandrasa ny famindram-pony, ianareo matahotra ny Tompo,

ary aza mivily lalana, fandrao dia levona ianareo.

8 Matokia Azy, ianareo matahotra ny Tompo,

dia tsy ho very valisoa ianareo.

9 Manantenà, ianareo matahotra ny Tompo, ny hasambarana,

ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.

10 Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro;

iza no nanantena ny Tompo, ka nahazo henatra na oviana na oviana?

Zovy no naharitra tsy niala tamin’ny fahatahorana Azy, ka mba nilaozana?

iza no niantso Azy, ka latsa no hany azony?

11 Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo,

ary mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory Izy.

12 Loza ho an’ny fo ketraka sy ny tanana osa

sy ny mpanota miroa lalana!

13 Loza ho an’ny fo kanosa, fa tsy matoky an’Andriamanitra izy!

ka tsy mba hahazo fiarovana.

14 Loza ho anareo manary faharetana!

Hanao ahoana ianareo, amin’ny andro hamangian’ny Tompo?

15 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba mandà tsy hihaino ny teniny,

ary izay tia Azy, mitandrina ny lalàny, tsy mivadika!

16 Izay matahotra ny Tompo, mitady izay sitrany,

ary izay tia Azy mivoky ny lalàny.

17 Izay matahotra ny Tompo, mamboatra ny fony,

ary mampaharitra ny fanahiny amim-panetren-tena eo anatrehany,

18 manao hoe: «Ho lavo eo an-tanan’ny Tompo izahay,

fa tsy eo an-tanan’ny olombelona;

satria, araka ny haben’ny fahefany no haben’ny famindram-pony koa.»

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 3

Adidy amin-dray aman-dreny

1 Anaka, henoy aho, rainareo,

ary ataovy izay hahazoanareo ny famonjena.

2 Fa sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;

ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany izy.

3 Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;

4 ary fanangonan-karena ny manaja ny reny.

5 Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany,

ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.

6 Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,

izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.

7 Izay matahotra ny Tompo, manaja ny ray aman-dreniny,

ary manompo toy ny tompony izay nahitany masoandro.

8 Hajao ny rainao, na amin’ny asa, na amin’ny teny,

mba hirotsahan’ny tso-dranony aminao,

9 fa ny tso-dranon-dray mampiorina mafy ny tranon-janany,

ary ny ozon-dreny kosa mamongotra izay efa miorina.

10 Aza mirehareha amin’ny fahafaham-barakan-drainao;

fa tsy mety hahazoanao voninahitra ny henatra mahazo azy:

11 satria ny voninahitry ny rainy no iavian’ny hajan’ny olombelona;

ary ny reny voatevateva dia henatra ho an’ny zanany.

12 Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,

ary aza mampalahelo azy, amin’ny andro iainany.

13 Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,

ary aza manatsinontsinona azy, rehefa be indrindra ny tanjakao.

14 Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;

ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

15 Fa hotsarovan’ny Tompo ianao, amin’ny andron’ny fahoriana;

ka ho toy ny ranomandry amin’ny andro tony,

no ho fahalevon’ny fahotanao.

16 Izay mahafoy ny rainy, manahaka ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra,

ary ozonin’Andriamanitra izay mampahatezitra ny reniny.

Fanetren-tena

17 Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao,

dia ho tian’ny olona izay ankasitrahin’Andriamanitra ianao.

18 Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena

dia hahita sitraka amin’Andriamanitra ianao;

19 fa lehibe ny fahefan’Andriamanitra,

ary ankalazain’ny manetry tena Izy.

20 Aza mitady izay sarotra loatra ianao,

ary aza mikaroka izay tsy tratry ny herinao ianao.

21 Izay andidiana anao no tsy maintsy heverinao,

fa tsy manana inon-katao amin’ny zava-miafina ianao.

22 Aza milozoka amin’izay ambin-draharaha,

fa ny naseho anao aza izao, efa tafahoatra

noho ny azon’ny sain’olombelona fantarina.

23 Efa nampivaona olona maro be ny fahadisoan-keviny

ka nampivaona ny hevitr’izy ireo, ny hambo mahameloka.

24 Izay tia zava-mampidi-doza, hahita loza amin’izany,

ary ny fo mafy mianjera amin’ny loza, amin’ny farany.

25 Ny fo mafy ho tototry ny fahoriana,

ary ny mpanota, manovona ota ny ota.

Fiavonavonana

26 Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona;

fa efa latsa-paka ao aminy ny tsirin’ny fahotana.

27 Ny fon’ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana,

ny mahita sofina mitandrina no fanirian’ny hendry.

Fitiavana ny mahantra

28 Ny rano mamono ny afo midedadeda indrindra;

ary ny fiantrana manonitra ny fahotana.

29 Izay mamaly ny soa natao, mitsinjo ny ho avy,

ka hahita fiankinana izy, amin’ny andro mahory.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 4

1 Anaka, aza manala fivelomana ny mahantra;

ary aza mampiandry maso ny tsy manana.

2 Aza mampahory ny fanahin’ny noana;

ary aza mampitombo fahoriana ny olona tsy manana.

3 Aza vao mainka mahatezitra ny fo misafoaka;

ary aza milasilasy fanome ny mahantra.

4 Aza atositosika ny mpangataka ory,

azy aza iambohoan-tava ny mahantra.

5 Aza miamboho tsy mijery ny malahelo

ary aza avela hisy antony hanozonany anao;

6 fa raha manozona anao amin’ny fahorian’ny fony izy,

dia hohenoin’Ilay nanao azy ny fangatahany.

7 Ataovy mahafinaritra ny be sy ny maro ianao;

ary aondreho ny handrinao eo anoloan’ny lehibe.

8 Henoy teny ny mahantra;

ary omeo valy amin-kamoram-po izy hahafinaritra azy.

9 Afaho amin’ny tanan’ny mpampahory azy, izay ampahoriana;

ary aza osa foana raha mitsara ianao.

10 Aoka ho toy ny ray amin’ny kamboty ianao,

ho toy ny vady amin’ny renin’izy ireo,

dia ho toy ny zanaky ny Avo indrindra ianao;

ary ho tianao mihoatra noho ny reninao izy.

Fahendrena, manabe

11 Manandratra ny zanany ny fahendrena,

ary miahy an’izay mikatsaka azy izy.

12 Izay tia azy, tia fiainana;

ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana.

13 Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany,

ary amin’izay rehetra hidirany dia hitsofan’ny Tompo rano azy avokoa.

14 Izay manompo azy manompo ny Masina,

ary izay tia azy, tia ny Tompo.

15 Izay mihaino azy, hitsara ny firenena;

ary izay manatona azy honina feizay.

16 Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany,

ary ny taranany, hitana ny fananana azy.

17 Satria amin’ny voalohanyizy,

miara-mandroso amin’ny lalan-tsarotra miaraka aminy;

mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy;

mampijaly azy amin’ny fifehezana mafy,

mandra-pitsapany azy, amin’ny didiny.

18 Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin’ny lala-mahitsy indray izy,

ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafina aminy.

19 Raha mania anefa izy, dia ilaozany,

sy avelany hahita loza.

Fitandremana ny henatra olona

20 Tandremo ny fotoana, ary fadio ny ratsy,

ka aza misy tokony hahazoanao henatra amin’ny tenanao.

21 Misy henatra mitarika ny ota;

ary misy henatra mitarika voninahitra amam-pahasoavana.

22 Fadio izay henamaso olona, hanimba ny fanahinao,

ary aza dia menatra hahitanao fahaverezana.

23 Aza mitàn-teny amin’ny fotoam-pamonjena

ary aza manafim-pahendrena, mba hireharehana foana.

24 Fa amin’ny fiteny no hahalalana ny fahendrena,

ary amin’ny tenin’ny lela, no isehoan’ny fahaizana.

25 Aza manohitra ny marina

fa menara noho ianao tsy ampy fahalalana.

26 Aza menatra ny hiaiky heloka

ary aza manoha ny fandehan’ny ony.

27 Aza manaiky izay olona adala,

ary aza resin-kenamason’izay olo-manam-pahefana.

28 Miadia miaro ny marina, mandra-pahafatinao,

ary ny Tompo Andriamanitra hiady hiaro anao.

29 Aoka ianao tsy ho mafy teny,

na ho kamo aman-kanosa amin’ny asanao.

30 Aoka tsy ho toy ny liona ianao ao an-tranonao,

na ho be haitraitra eo amin’ny mpanomponao.

31 Aoka ny tananao tsy hitsotra raha handray,

nefa hihemotra kosa nony hanome.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 5

Harena sy hasahiana loatra

1 Aza miankina amin’izay harenao,

ary aza manao hoe: «Manan-karena ampy aho!»

2 Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao,

mba hanafa-po fanirian’ny fonao;

3 ary aza manao hoe: Zovy moa no Tompoko?

Fa tsy maintsy hosazin’ny Tompo ianao.

4 Aza manao hoe: Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?

Fa mahari-po ny Tompo.

5 Aza dia afaka ahiahy ny amin’ny fanonerana,

ka manampy ota ny ota.

6 Aza manao hoe: Be famindram-po Andriamanitra,

ka hamela ny heloka maro be.

Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana;

ary mianjera amin’ny mpanota ny fahavinirany.

7 Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo,

ary aza mangataka andro isan’andro izao,

fa hipoaka tampoka ny hatezeran’ny Tompo,

ka ho levona ianao amin’ny andro hamaliany.

8 Aza miankina amin’izay harena azo tsy an-drariny,

fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin’ny andro mahory.

Fihenjanana sy fahafehezan-tena

9 Aza mikororoka amin’ny rivotra rehetra,

ary aza mandeha amin’ny lalana rehetra,

fa izany no fanaon’ny mpanota miroa lela.

10 Miorena amin’ny fihevitrao

ary aoka ho tokan-teny ianao.

11 Ny mihaino no aoka hahafaingana anao;

fa ny mamaly, aoka hiadana ianao.

12 Raha mahita hevitra ianao, no mamalia ny namanao;

fa raha tsy izany kosa, tampeno amin’ny tananao ny vavanao.

13 Ny voninahitra sy ny henatra, samy ao amin’ny teny;

ary ny lelan’ny olona, dia mampidi-doza azy.

14 Aza mihatsy ny hantsoina ho mpanaratsy;

ary aza mamela-pandrika amin’ny lelanao;

fa mianjera amin’ny mpangalatra ny henatra;

ary misy fanamelohana mafy mahatratra ny miroa lela.

15 Aza diso na be na kely.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 6

1 Aza sakaiza ka hanjary fahavalo,

fa laza ratsy no ho anjaran’ny ratsy fanahy

sy henatra amam-pahafaham-baraka;

toy izany ny mpanota miroa lela.

2 Aza manandra-tena avy amin’ny nahim-ponao,

fandrao baboina ny fanahinao toy ny baboin’ny ombalahy.

3 Hihinana ny ravinao ianao,

handevona ny voankazonao,

ary hazo maina sisa havelanao aminao.

4 Ny fanahy ratsy, mahavery izay manana azy;

ataony fihomehezan’ny fahavalony izy.

Fisakaizana

5 Ny teny mora, mahamaro sakaiza,

ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.

6 Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao,

nefa iray monja amin’ny arivo no ilao hevitra.

7 Raha te hahazo sakaiza ianao,

fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy,

fa aza malaky matoky azy foana.

8 Satria misy sakaiza manao an’androny,

fa hihataka izy, amin’ny andro mahory anao;

9 misy sakaiza ho tonga fahavalo,

ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.

10 Misy sakaiza, raha hiara-komana aminao,

fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao.

11 Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao,

ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao.

12 Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy,

ary hiery anao.

13 Halaviro ny fahavalonao,

ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao.

14 Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery,

ka nahita rakitra izay nahita azy.

15 Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky;

tsy misy vato-mizàna, azo andanjana ny vidiny.

16 Ody aina ny sakaiza mahatoky;

izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.

17 Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina,

satria manahaka azy ny sakaizany.

Fianarana ny fahendrena

18 Anaka, milozoha amin’ny fianarana,

hatramin’ny vao tanora ianao,

dia hahita ny fahendrena ianao, mandra-pahafotsin’ny volonao.

19 Manatòna azy, toy ny mpiasa tany sy ny mpamafy,

ary miandrasa ny vokatsoa avy aminy.

Fa fotoana vitsivitsy no hisahirananao hiasa azy,

ary vetivety foana dia hihinana ny vokany ianao.

20 Sarotra hanihina aoka izany izy raha ny tsy mahalala!

Ka tsy haharitra hiraikitra aminy ny adala.

21 Fa toy ny vato mavesatra fitsapana, manindry azy izy,

ka tsy ela akory dia akifiny erỳ.

22 Satria manamarina ny anarany ny fahendrena:

tsy miseho amin’ny be sy ny maro izy.

23 Mihainoa, anaka, ka raiso ny hevitro,

ary aza ariana ny torohevitro.

24 Ampidiro amin’ny parapaingonyny tongotrao,

ary amin’ny fehivozony ny vozonao.

25 Aondreho hibaby azy ny sorokao,

ary aza sosotra ianao, amin’ny famatorany.

26 Tongava any aminy, amin’ny fonao rehetra,

ary araho ny lalany, amin’ny herinao rehetra.

27 Araho ny diany, ary katsaho izy,

fa hiseho aminao izy ho fantatrao.

Ka rehefa azonao kosa, aza ialana intsony.

28 Satria, hahita ny fiadanana ianao, amin’ny farany;

ary hanjary foto-pifaliana ho anao izy.

29 Ny parapaingony, ho tonga fiarova-mahery ho anao,

ary ny fehivozony ho fitafiana be voninahitra.

30 Fa firavaka volamena no eo an-dohany;

ary lamba tenona Hiasinta no fehilohany.

31 Hotafianao ho akanjom-boninahitra izany,

ary hataonao eo an-dohanao, ho fehiloham-pifaliana.

32 Anaka, raha tianao dia hahazo fahalalana ianao;

ary raha mikely aina ianao, dia ho tonga mahay.

33 Raha mazoto mihaino ianao, hahazo fianarana;

ary raha mampandry sofina, dia ho tonga hendry.

34 Mitoera eo amin’ny fivorian’ny anti-panahy;

izay olon-kendry iraiketo fo.

35 Mazotoa mihaino ny teny rehetra momba an’Andriamanitra,

ary aoka tsy hidify aminao ny foto-kevitry ny fahendrena.

36 Raha mahita olo-manan-tsaina ianao,

vao maraina diatongava eo akaikiny,

ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany.

37 Saintsaino ny didin’ny Tompo,

ereto mandrakariva ny fitsipiny;

fa izy no hankahery ny fonao,

ary ny fahendrena irinao, homena anao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 7

Torohevitra samihafa

1 Aza manao ratsydia tsy hahazo anao ny ratsy.

2 Halaviro izay tsy an-drariny dia hanalavitra anao ny tsy an-drariny.

3 Anaka, aza mamafy amin’izay nosoritan’ny tsy fahamarinana,

raha tsy te-hijinja impito torak’izany ianao.

4 Aza mangataka ny fanapahanaamin’ny Tompo,

na fitoeram-boninahitra amin’ny mpanjaka,

5 Aza mitady hiseho ho marina eo anatrehan’ny Tompo,

na mikendry hiseho ho hendry eo anatrehan’ny mpanjaka.

6 Aza maniry ho tonga mpitsara,

fandrao tsy ampy hery hamongotra ny tsy rariny ianao;

fandrao dia raiki-tahotra eo anoloan’ny manam-pahefana ianao,

ka hilainao hariana ny tsy fiangaranao.

7 Aza manisy ratsy ny mponina rehetra iray tanàna,

ary aza miantoraka eo afovoan’ny vahoaka.

8 Aza fehezina indroany fahotana,

fa na amin’iray aza tsy afa-maina tsy akory ianao.

9 Aza manao hoe: «Hodinihin’Andriamanitra ny hamaroan’ny fanatitra,

ka rehefa manolotra izany amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia horaisiny.»

10 Aza osa amin’ny fivavahanao;

ary aza manao tsirambina amin’ny fanaovam-piantrana.

11 Aza mandatsa ny olona ory fo,

fa misy Iraymanetry sady manandratra koa.

12 Aza mamoron-dainga hamelezana ny rahalahinao;

aza manao izany, hamelezana ny sakaizanao koa.

13 Mitandrema mba tsy hilaza lainga iray akory,

fa ny lainga sesilany tsy mihodina ho soa.

14 Aza be teny raha miaraka amin’ny anti-panahy,

ary aza mamerimberinany teny fivavahanao.

15 Aza mankahala ny asa manasatra;

na ny asa tany naorin’ny Avo Indrindra.

16 Aza manao ny tenanao ho isan’ny mpanota maro be indrindra;

tsarovinao fa tsy ho ela akory ny famaliana.

17 Aoka hanetry mafy tokoa ny fanahinao ianao,

fa afo aman-kankanano sazin’ny mpankahala fihavanana.

18 Aza atakalo vola ny sakaiza,

na volamenan’i Ofira ny rahalahy.

19 Aza mihodina handao vady manan-tsaina sy tsara fo,

fa mihoatra noho ny volamena ny hafinaretana avy aminy.

20 Aza ratsy fitondra ny mpanompo miasa, mahatoky,

na ny mpikarama mahafoy tena hanompo anao.

21 Tiavo ny mpanompo manan-tsaina;

aza mandà ny mandefa azy.

Ny ankizy

22 Manana biby fiompy va ianao, kolikoleo izy,

ary raha mahasoa anao, andraso ao aminao.

23 Manan-janaka lahy va ianao, ampianaro izy;

ary ampanekeo ny jioga izy, hatramin’ny fahazazany.

24 Manan-janaka vavy va ianao, tandremo ny fahadiovany,

ary aza manao tarehy mariadriaka aminy ianao.

25 Ampanambadio ny zanakao vavy dia ho afaka amin’ny raharaha lehibe ianao,

ary lehilahy manan-tsaina no omeo azy.

26 Manam-bady araka ny fonao va ianao, aza misaotra azy,

fa aza manolo-tena ho an’ny vehivavy mifanohitra aminao.

Ny ray aman-dreny

27 Hajao amin’ny fonao rehetra ny rainao;

ary aza manadino ny fijalian-dreninao.

28 Tsarovy fa izy ireo no nahatongavanao teto an-tany,

ka inona no hamalianao izay nomeny anao?

Ny mpisorona

29 Matahora ny Tompo amin’ny fonao rehetra,

ary omeo voninahitra lehibe ny mpisorony.

30 Tiavo amin’ny herinao rehetra Ilay nanao anao,

ary aza mahafoy ny mpandraharahany.

31 Matahora ny Tompo, ary manajà ny mpisorona;

omeo azy ny anjarany, araka ny voadidy hatramin’ny voalohany,

dia ny sorona noho ny ota aman-tsoroka fanomezana,

ny fanatitra masina amam-boaloham-bokatra.

Ny mahantra sy ny mijaly

32 Atsory amin’ny mahantra koa ny tananao,

mba ho feno ny tso-drano azonao.

33 Omeo amin-tarehy tsimintsimina ny velona na iza na iza,

ary aza lavinao tsy hasian-tsoa ny maty.

34 Aza diso mankeo amin’izay mitomany,

ary miaraha ory amin’izay ory.

35 aza hadinoina ny fitsaboana marary,

fa izany asam-pitiavana izany no hitsaran’Andriamanitra anao.

36 Amin’ny asanao rehetra, tsarovy ny hiafaranao,

dia tsy hanota ianao, na oviana na oviana.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 8

Fahamalinana sy fandinihana

1 Aza mifanditra amin’ny olona manam-pahefana,

fandrao dia latsaka eo an-tanany ianao.

2 Aza mifanjihitra amin’ny olona mpanankarena,

fandrao ny lanjam-bolany no entiny miady aminao;

fa efa nahavery olona maro ny volamena,

ary efa navaonany mbamin’ny fon’ny mpanjaka aza.

3 Aza mifanditra amin’ny olona basivava,

ary aza tohofana kitay ny afony.

4 Aza manao vazivazy amin’ny olona ratsy taiza,

fandrao dia afa-baraka ny razanao.

5 Aza mananihany ny olona mivily hiala amin’ny ota;

tsarovy fa mendrika hosazina avokoa isika rehetra.

6 Aza maneso olona amin’ny fahanterany;

fa ny sasany amintsika, efa miha-antitra ihany koa.

7 Aza mifaly raha misy olona maty,

tsarovy fa ho faty avokoa isika

Ny fomba ifandovana

8 Aza manao tsirambina amin’ny tenin’ny hendry,

ary dinidinihonao ny foto-keviny,

fa amin’izy ireny no hahazoanao fianarana,

sy hahaizanao manompo ny lehibe.

9 Aza avela tsy ho henonao ny tenin’ny anti-panahy,

fa izy koa dia mba nahare tamin’ny razany;

ka amin’izy ireny ho hianaranao ny fahendrena,

sy hahaizanao mamaly rehefa ilaina izany.

Fahamalinana

10 Aza mampirehitrany arin’ny mpanota,

fandrao dia levon’ny firedaredan’ny lelafony ianao.

11 Aza mifanandrina amin’ny miavom-bava maneso anao,

fandrao amitsahany ianao, iandrasany vava latsaka.

12 Aza mampisambotra an’izay mahery noho ianao,

ary raha misy nampisamborinao azy ataovy anisan’ny very.

13 Aza miantoka mihoatra noho izay zakanao;

ary raha niantoka ianao manahia ho toy ny handoa.

14 Aza manana ady amin’ny mpitsara,

fa noho ny hajany no hanapahan’ny olonany momba azy.

15 Aza miara-dalana amin’ny olona sahisahy foana,

fandrao tonga enta-mavesatra ho anao izy;

fa ataony araka ny haitraitrany ny zavatra rehetra.

Ka hiara-bery aminy ianao, noho ny hadalany.

16 Aza mifanditra amin’ny olona foizina,

ary aza mamaky ny efitra miaraka aminy;

fa tsinontsinona eo imasony ny ra latsaka,

ka hakapony, lavitra ny vonjy any, ianao.

17 Aza miara-midinika amin’ny adala,

fa tsy mahatam-bava izy, na amin’inona na amin’inona.

18 Aza manao zavatra ilaina afenina eo imason’ny vahiny;

fa tsy mahalala izay mety hataony ianao.

19 Aza mamboraka ny fonao amin’ny olona rehetra,

raha tsy te hahazo valy ratsy ianao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 9

Ny vehivavy

1 Aza saro-piaro ny vady mandry eo ampofoanao;

ary aza mamoha sain-dratsy hahavoa anaoao am-pony.

2 Aza dia mandolotra ny fanahinao amin’ny vadinao,

fa hitsanganany hanohitra ny fahefanao izany.

3 Aza mandeha hifanena amin’ny vehivavy janga,

fandrao tafalatsaka amin’ny famandrihany ianao.

4 Aza mijanona ela miaraka amin’ny mpihira vavy;

fandrao dia voafandriny amin’ny fahaizany ianao.

5 Aza mahari-pijery vehivavy,

fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy ianao.

6 Aza manolo-tena amin’ny vehivavy janga,

fandrao dia very lova ianao.

7 Aza mijerijery atsy amin’arỳ eny an-dalamben’ny tanàna,

ary aza misodisody eny amin’ny fitoerany mangingina.

8 Avilio ny masonao tsy ho amin’ny vehivavy bikàna,

ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa;

fa maro no efa sodokan’ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy,

ka mirehitra hoatra ny afo ny fanirian-dratsiny.

9 Aza miara-mipetrakaamim-behivavy manam-bady,

na oviana na oviana;

aza mandry ilika hiara-mihinana aminy;

aza miara-misotro divay aminy, eo amin’ny fihinanam-be

fandrao tafahodina mankaminy ny fonao,

ka voatariky ny filàn-dratsinao ho amin’ny fahaverezana ianao.

Fifandraisana aman’olona

10 Aza mahafoy ny sakaizanao ela,

fa tsy mahaleo azy ny vaovao.

Na divay vaovao, na sakaiza vaovao,

aoka hihantitra vao hosotroinao an-kafaliana.

11 Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota,

fa tsy fantatrao izay ho faharavàny.

12 Aza mankasitraka ny fahafinaretan’ny mpankahala fivavahana,

tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin’ny Seoly.

13 Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hampamono,

dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana ianao.

Ary raha manatona azy ianao, mitandrema tena amin’ny heloka rehetra,

fandrao dia alàny ny ainao.

Fantaro fa mandeha mamaky ny fandrika ianao,

ary mitete eny ambonin’ny nongonongon’ny mandan’ny tanàna.

14 Tandremo araka izay azo atao ny namanao,

ka makà amin’izay hendry.

15 Miresaha amin’ny olona manan-tsaina,

ary ny amin’ny lalàn’ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra.

16 Aoka ho olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao;

ary ny fahatahorana an’Andriamanitra no ataovy voninahitrao.

17 Ny tanan’ny olona kinga no hiderana ny asany,

ary ny tenin’ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry.

18 Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tanànany,

ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin’ny resany.