Fitondram-panjakana
1 Ny mpanapaka hendry,
mitana ny vahoakany ao anatin’ny fifehezany;
ary ny fitondran’ny olo-manan-tsaina dia voalamina tsara.
2 Araka ny toetry ny filohan’ny vahoaka ihany
no toetry ny mpandraharahany;
ary araka ny fitondran’ny lehiben’ny tanàna ihany
no toetry ny mponina ao aminy.
3 Ny mpanjaka tsy mahalala, mahavery ny vahoakany,
fa mandroso kosa ny tanàna amin’ny fahiratan-tsain’ny mpitondra.
4 Eo an-tanan’ny Tompo, ny fahefana hanjaka amin’ny tany,
ary amin’ny fotoana mety no ananganany olo-mahay ho eo.
5 Eo an-tanan’ny Tompo ny fahombiazan’ny olona;
Izy no mametraka eo an-kandrin’ny mpitondra ny fahefan-kifehy.
Tohero ny fiavonavonana
6 Na inona na inona natao taminao tsy an-drariny
dia aza mitahiry lolom-po amin’ny namanao,
ary aza manao na inona na inona, amin’izay asa fiafonafonana.
7 Ankahalain’Andriamanitra sy ny olombelona ny fiavonavonana;
ary heloka eo anatrehan’izy roa tonta ny tsy fahamarinana.
8 Mifindra avy amin’ny firenena iray
ho amin’ny firenen-kafa ny fanapahana
noho ny tsy fahamarinana, ny fanevatevana,
ary ny fitsiriritana ny harena.
9 Ahoana ange no iavonavonan’ny vovoka sy lavenona?
fa ny rantsambatany dia asiako fangozohozoana
mandritra ny andro iainany:
10 ny aretina, lava; ny mpanao fanafody, mihomehy;
ary ny mpanjaka anio ho faty rahampitso.
11 Nony maty ny olona,
dia ny olitra sy ny biby aman-kankana no anjarany.
12 Ny fiantombohan’ny fiavonavonana,
dia amin’izay isarahan’ny olona amin’ny Tompo,
sy amin’izay analaviran’ny fo an’Ilay nanao azy.
13 Satria ny fahotana no fiantombohan’ny fiavonavonana,
ary izay miraikitra amin’izany
mampiraraka ny fahavetavetana toy ny orana.
Izany no anirahan’ny Tompo famaizana mahatalanjona,
sy amelezany ny ratsy fanahy fandringanana tanteraka.
14 Aongan’ny Tompo ny seza fiandrianan’ny mpanapaka,
ka ny olona malemy fanahy no apetrany hisolo azy.
15 Fongoran’ny Tompo ny fàkan’ny firenena,
ka ny manetry tena no asosony hisolo azy.
16 Savorovoroin’ny Tompo ny faritanin’ny firenena,
ka enjehiny horavana hatramin’ny fiorenan’ny tany.
17 Maro no lazoiny, dia aringany ny mponina ao;
novonoiny tsy ho amin’ny tany ny fahatsiarovana azy.
18 Tsy mba natao ho an’ny olona, ny fiavonavonana,
na ho an’izay natera-behivavy, ny fahatezerana midaondaona.
Ny olona mendri-kaja
19 Taranaka inona no hajaina? Ny taranak’olombelona.
Taranaka inona no hajaina? Izay matahotra ny Tompo.
Taranaka inona no tsiratsiraina? Ny taranak’olombelona.
Taranaka inona no tsiratsiraina? Izay mandika ny didy.
20 Hajaina eo amin’ny rahalahiny ny mpitondra azy,
toy izany koa eo imason’ny Tompo, izay matahotra azy.
21 Na mpanan-karena, na andriana, na mahantra,
dia ny fahatahorana ny Tompo no voninahiny.
22 Tsy rariny ny maniratsira ny mahantra manam-pahendrena;
tsy mety ny manaja ny mpanota.
23 Manan-kaja avokoa ny lehibe, ny mpitsara, ny be fahefana,
fa tsy misy lehibe noho ny matahotra ny Tompo amin’izy ireo.
24 Ny olona afaka, dia mpanompon’ny andevo hendry,
ary ny olona manan-tsaina, tsy himonjomonjo.
25 Aza mampiady karajia raha hanao ny asanao,
ary aza mirehareha, amin’ny andron’ny fahorianao.
Fanetren-tena sy ny marina
26 Aleo ny olona miasa amin’ny zavatra rehetra
toy izay ny mitsangantsangana sy be rehaka, nefa tsy manan-kanina.
27 Anaka, hajao ny fanahinao, amin’ny halemem-panahy,
ary omeo azy ny haja mendrika azy.
28 Zovy moa no hanao ho marina izay olona manota amin’ny fanahiny?
ary iza no hanaja izay manala baraka ny fiainany?
29 Hajaina ny mahantra noho ny fahaizany,
ary hajaina ny mpanan-karena noho ny hareny.
30 Fa izay hajaina ao anatin’ny fahantrana,
dia hohajaina manao ahoana kosa ao anatin’ny harena?
ary izay afa-baraka ao anatin’ny harena,
dia ho afa-baraka manao ahoana kosa raha ao anatin’ny fahantrana?