Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 30

Fanabeazana

1 Izay tia ny zanany mampanandrana azy matetika ny kotopia,

mba hananany hafaliana izany amin’ny andro aoriana.

2 Izay tsara fanabe ny zanany, hahazo tombon-tsoa avy aminy,

ary horehareha aminy eo anatrehan’ny olom-pantany.

3 Izay mampianatra ny zanany, hahatonga ny fahavalony hialona;

ary hifaly aminy eo anatrehan’ny sakaizany.

4 Raha avy izay hahafatesan-drainy, ho toy ny tsy maty akory izy,

fa avelany aoriany izay manahaka azy ihany.

5 Velona izy, mahita azy sy mifaly aminy;

maty indray tsy mba malahelo izy;

6 fa mamela olona hamaly ny nataon’ny fahavalony,

sy haneho fankasitrahana ny sakaizany.

7 Izay mampiangoty ny zanany hamehy ny feriny,

ary hangotikotika ny atiny isaky ny antsoantsony.

8 Tonga tsy azo entina, ny soavaly tsy voafolaka;

tonga adaladala ny zaza navela hanaram-po.

9 Tambatambazo ny zanakao, dia hampangovitra anao;

misangisangia aminy, dia hampalahelo anao.

10 Aza miara-mihomehy aminy,

fandrao ho avy izay tsy maintsy hiarahanao miory aminy;

ka hikitro-nify foana ianao, amin’ny farany.

11 Aza avela hanao ny danin’ny kibony izy, raha mbola tanora;

ary aza odian-tsy hita ny hadalany.

12 Ataovy miondri-doha izy, mandritra ny fahatanorany,

ary ataovy mangana ny tehezany dieny mbola zaza izy,

fandrao maditra tsy hanaiky anao intsony izy,

ka hanananao alahelo ao am-po.

13 Faizo ny zanakao, ary asaovy miasa izy,

fandrao tafintohina noho ny halemenao mahamenatra.

Fahasalamana

14 Aleo mahantra salama sy matanjaka,

toy izay manan-karena andalasin’ny aretina amin’ny vatany.

15 Tsara noho ny volamena rehetra ny fahasalamana aman-toe-tena tsara;

ary aleo vatana mavitrika, toy izay harena tsy hita lany.

16 Tsy misy harena tsaratsara kokoa noho ny hasalamam-batana

ary tsy misy hafaliana tsaratsara kokoa noho ny hafaliam-po.

17 Aleo maty toy izay velon-dratsy,

aleo fitsaharana mandrakizay, toy izay fijaliana lalandava.

18 Ny fananana atolotra amin’ny vava mikombona,

dia toy ny fanatitra fihinana, apetraka eo ambony fasana.

19 Atao inona ny fanatitra amin’ny sampy?

tsy mahahinana izany izy, na handre izay fofony akory:

20 toy izany ny olona tanahin’Andriamanitra amin’ny aretina:

mahita maso izy ka misento,

toy ny fisenton’ny eonòka, mitana virjiny eo an-tanany.

Hafaliana

21 Aza avela hianjadian’alahelo ny fonao;

ary aza mampahory tena amin’ny eritreritra.

22 Ny hafaliana ao am-po no fiainan’ny olombelona;

ary ny firavoravoan’ny olona no halavam-piainana ho azy.

23 Tiavo ny fanahinao, ka ampionony ny fonao,

ary roahy lavitra anao ny alahelo.

Betsaka ny matin’ny alahelo,

ary tsy misy soa azo amin’izany.

24 Mahafohy andro iainana ny hatezerana amam-pisafoahana;

ary maha antitra alohan’ny fotoana ny ahiahy.

25 Ny fo mazava sy tsara

miahy ny hanina izay antom-pivelomany

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 31

Harena

1 Ny fiaretan-torin’ny mpanan-karena mandany ny nofo;

ary ny ahiahy manala ny torimaso aminy.

2 Ny ahiahy lalandava misakana ny torimaso,

toy ny aretina mafy mampandositra azy.

3 Miasa ny manan-karena, mba hanangon-karena;

ary nony mitsahatra izy mivoky fahafinaretana.

4 Miasa ny mahantra, noho izy tsy manan-kivelomana;

ary nony mitsahatra izy, tsy manana na inona na inona.

5 Izay tia volamena, tsy ialam-pahotana,

ary izay fatra-pitady zava-mety lo, ho voky izany.

6 Maro no efa natolotra ho amin’ny faharavana,

noho ny amin’ny volamena,

ary teo anoloan’izy ireo ny fahaverezana.

7 Hazo manafintohinaho an’izay manatitra sorona aminy ny volamena:

ny adala rehetra ho voa amin’izany.

8 Sambatra ny manan-karena ho hita tsy manan-tsiny,

sy tsy mba nidodododo nitady volamena!

9 Iza moa izy, mba hankalazantsika azy hoe sambatra?

fa nanao zava-mahagaga teo amin’ny fireneny izy.

10 Iza no nozahan-toetra ny amin’izany, ka hita fa tsy manan-tsiny?

Aoka ho foto-boninahitra ho azy izany fizahan-toetra izany!

Iza no afa-nandika ny lalàna, ka tsy nandika azy?

afa-nanao ratsy ka tsy nanao izany?

11 Dia ho voaorina mafy ny fananany,

ary hitory ny soa ataony ny fiangonana.

12 Tafapetraka eo amin’ny fihinanana efa voaroso tsara ve ianao?

aza miloa-bava eo anoloany,

ary aza manao hoe: Indreto ny nahandro betsaka.

13 Aza manadino fa zava-dratsy ny maso mialona.

Moa misy zava-boaary ratsiratsy kokoa noho ny maso mialona va?

Koa mitomany izy amin’ny tava rehetra.

14 Aza manatsò-tanana amin’izay jerena;

ary aza mifanehatra aminy, eo amin’ny lovia.

15 Tsarao araka ny anao ny fanirian’ny namanao,

ka ataovy amim-pisainana ny zavatra rehetra.

16 Mihinàna araka ny fanaon’olona amin’izay eo anoloanao,

ary aza mitsamontsamona, fandrao dia maharikoriko ny olona ianao.

17 Ianao no mijanòna voalohany noho ny mahatsara taiza anao,

ary aza dia miseho ho tsy afa-po, fandrao dia manafintohina.

18 Raha tafapetraka miaraka amin’ny maro ianao,

aza manatsò-tanana alohan’ny hafa.

19 Zavatra kely toy inona dia ampy ho an’ny olona tsara taiza!

Noho izany eo am-pandriana izy, miaina malalaka tsara.

20 Ny torimaso mahasoa no an’ny ambavafo mahalala onony,

mifoha maraina ny olona toy izany sady mavitri-tsaina.

Ny fijaliana amin’ny tsy fahitan-tory, ny fandoavana,

aman’areti-mandalo kosa no an’ny olona tsy mahalala onony.

21 Raha mba voataona hihinam-be loatra ianao,

dia mitsangàna ka mitsangantsangàna eny an-kalalahana, fa hihamaivamaivana.

22 Mihainoa ahy, anaka, ka aza manamavo ahy,

ary ho hitanao ny hamarinan’ny teniko amin’ny farany:

mazotoa amin’izay rehetra ataonao,

dia tsy havenin’aretina akory ianao.

23 Izay mahafoy malalaka amin’ny fanasana

dia tsofin’ny molotra rano,

ary marina ny teny ilazana ny hazavam-pony.

24 Ny tanàna manontolo no indray mimonomonona

amin’izay kahihitra amin’ny fanasana ataony,

ary marina ny teny ilazana ny fahidiany.

Ny divay

25 Aza manao ho dontolahy amin’ny divay,

fa efa nahavery olona maro ny divay.

26 Ny memy no izahan-toetra ny vy, raha aofana izy;

ny divay no izahan-toetra ny fo, raha mifanditra ny mpirehareha.

27 Toy ny fiainana ho an’ny olona ny divay,

raha sotroina am-patrany marina.

Fiainana toy inona no an’izay tsy manan-divay?

Fa ny hampiravoravo ny olona no nanaovana ny divay.

28 Firavoravoan’ny fo amam-pifalian’ny fanahy,

ny divay raha sotroina amim-potoana sy am-patrany marina.

29 Fangidiam-panahy ny divay raha isotroana be,

raha mirehidrehitra sy mifandiditra ny olona.

30 Ny hamamoana dia mampirehitra ny hatezeran’ny adala sy mampipotraka azy:

mampihena ny hery ary mahatonga ratra.

31 Amin’ny fanasana, aza mandevilevy ny namana,

ary aza maneso azy raha mbola ao anatin’ny fifaliana izy;

aza manao teny fanalam-baraka azy,

ary aza manery azy amin’ny fitakian-javatra aminy.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 32

Ny fanasana

1 Voatendry ho mpanjakan’ny fanasanava ianao? Aza manandra-tena.

Aoka ho eo amin’ny mpiara-mihinana toy ny iray aminy ihany ianao:

karakarao aloha izy ireo, vao mipetraka ianao.

2 Rehefa vita avokoa ny didy iandraiketanao, makà toerana,

mba hifalianao noho ny amin’izy ireo,

sy handraisanao fehiloha, amin’ny nandaminana tsara ny fanasana.

3 Mitenena, ry anti-panahy, fa tandrifinao izany;

nefa mitenena amim-pahamarinana sy fahaizana sady aza misakantsakanany zava-maneno.

4 Fa raha mihaino ny mozika ny olona, aza mandraraka teny maro,

ary aza manampatra ny fahendrenao, tsy amin’ny fotoana.

5 Toy ny fitomboka vatosoa voapetaka amin’ny volamena,

ny kônsertra mireondreona eo amin’ny fanasana.

6 Toy ny fitomboka vatosoa maitso amin’ny firavaka volamena,

ny kalokalo malefaka miaraka amin’ny divay tsara.

7 Mitenena, ry zatovo, raha misy soa ho anao amin’izany,

indroa saiky be, raha anontaniana ianao.

8 Afohezo ny teninao, zava-be amin’ny teny vitsy;

aoka ho toy ny olona manam-pahaizana, fa mahay mangina.

9 Raha eo amin’ny lehibe, aza manao ny tenanao ho sahala aminy;

ary amin’ny toerana misy anti-panahy, mbà vitsy teny.

10 Tselatra mamirapiratra no mialoha ny kotro-baratra;

toetra mahafinaritra kosa no mialoha lalana ny zatovo maotona.

11 Rehefa tonga ny fotoana, mitsangàna ary mihinàna fa aza milasilasy,

modia faingana any an-tranonao, fa aza tsy miraidraika.

12 Any milalaova, manaràna fo amin’izay angotingoty tianao,

kanefa aza manota amin’ny teny an’avonavona.

13 Ary noho izany rehetra izany, misaora an’Ilay Nahary

izay manetsaka anao amin’ny zava-tsoa avy aminy.

Tahotra an’Andriamanitra

14 Izay matahotra ny Tompo mandray ny fampianarana,

ary izay mazoto mitady Azy, hahazo sitraka aminy.

15 Izay mitady ny lalàna, hahazo fahafaham-po aminy;

fa ho an’ny mpihatsaravelatsihy izy no antony hahalavo azy.

16 Izay matahotra ny Tompo no hahita ny fitsarana marina;

ka hampamirapiratra ny teny fitsarana marina, hoatra ny fanilo.

17 Mandà famaizana ny mpanota;

ary mahita fialan-tsiny araka izay tiany izy.

18 Ny olona manan-tsaina, tsy mba maneso anatra na inona na inona,

fa ny olon-kafa sy ny mpiavonavona,

tsy mba voasakan-tahotra na inona na inona;

ary nony efa avy nanao izy, dia tsy manam-pieritreretana akory,

(ka amin’izany dia miharihary ny fahadalany).

19 Aza manao na inona na inona tsy amim-piheverana,

dia tsy hanan-kanenenana ianao, aorian’ny asa.

20 Aza mandeha amin’ny lalana efa simba,

dia tsy ho tafintohina amin’ny vato ianao.

21 Aza matoky ny lalana mitovy tantana;

ary mitandrema tena ianao amin’ny zanakao.

22 Ny fanahinao no itokio, amin’izay rehetra ataonao;

fa fanarahana ny didy koa izany.

23 Izay mitoky amin’ny lalàna, dia mihaino tsara ny didiny,

ary izay matoky ny Tompo, dia tsy mba hiharam-patiantoka.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 33

1 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba tongan’ny loza,

nefa raha zahan-toetra izy, dia vonjen’ny Tompo.

2 Ny olona hendry, tsy mba mankahala ny lalàna,

fa izay manao fihatsarambelatsihy aminy,

dia toy ny sambo anatin’ny tafio-drivotra.

3 Ny olona manan-tsaina, mitoky amin’ny lalàna,

ary ho azy ny lalàna dia mendrika hitokiana

toy ny filazan’ny Orima.

4 Omàny ny teninao, dia hohenoina ianao,

angony ny fahalalanao, vao mamaly ianao.

5 Sahala amin’ny kodiaran-tsarety ny fon’ny adala;

ary sahala amin’ny lahin-tangerina mihodina ny sainy.

6 Ohatra amin’ny sakaiza mifaniratsira, ny lahin-tsoavaly:

izay mitaingina azy rehetra, anenoany avokoa.

Saranga tsy mitovy

7 Nahoana ny andro iray

no mihoatra noho ny andro iray hafa,

nefa masoandro iray ihany

no iavian’ny hazavan’ny andro rehetra amin’ny taona?

8 Ny fahendren’ny Tompo no nanisy avakavaka amin’izy ireo;

Izy no nanendry fotoana samihafa sy fety.

9 Ka ny andro dia misy nasandrany sy nohamasininy,

ary misy nataony ho anisan’ny andro andavanandro.

10 Toy izany ny olombelona dia avy amin’ny tany avokoa;

dia ny tany nanaovana an’i Adama.

11 Nefa navakavahan’ny Tompo tamim-pahendrena lehibe izy ireo;

ary nampandehaniny amin’ny lalana samihafa.

12 Ny sasany, nambininy sy nasandrany;

ny sasany nohamasininy sy nampanakaikeziny Azy,

ny hafa kosa nozoniny sy naetriny,

ary naongany hiala amin’ny fitoerana nipetrahany.

13 Toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy,

ka ataony araka izay itiavany azy;

toy izany ny olombelona eo an-tanan’Ilay nanao azy,

ka homeny araka izay heviny avy izy ireo.

14 Eo anatrehan’ny ratsy ny tsara,

eo anatrehan’ny fahafatesana ny fiainana;

toy izany koa ny mpanota dia eo anatrehan’ny marina.

15 Diniho torak’izany avokoa ny asan’ny Avo Indrindra:

Mifanindrana tsiroaroa izy, ka ny iray mifanohitra amin’ny iray hafa.

16 Izahoizay tonga farany,

dia nanokana ny fiaretan-toriko ho an’ny fahendrena;

tahaka an’izay mitsimpona voaloboka aorian’ny fitoazana azy,

fa noho ny fitahian’ny Tompo nandroso any aloha aho

ka nameno ny famiazana, hoatra ny mpioty voaloboka.

17 Mieke fa tsy miasa ho an’ny tenako samy irery aho,

fa ho an’izay rehetra mitady ny fahendrena koa.

18 Koa mihainoa ahy, ianareo lehiben’ny vahoaka;

mampandria sofina amiko ianareo mpitondra fiangonana.

Fahaleovan-tena

19 Na zanaka, na vady, na rahalahy, na sakaiza,

dia aza misy omenao fahefana aminao,

raha mbola velona koa ianao.

Ka aza afoy ho an’ny hafa ny harenao,

fandrao ianao indray no voatery tsy satry hiambezo aminy.

20 Raha mbola velona sy manam-pofon’aina koa ianao,

aza ivarotana tena na iza na iza nofo.

21 Satria aleo ny zanakao no mangataka aminao,

toy izay ianao no hangata-maso amin’ny tanan’ny zanakao.

22 Amin’izay rehetra ataonao mahareta ho tompony,

ary aza asiana takaitrany iray ny lazanao.

23 Rehefa tonga ny fara andro iainanao,

sy ny fotoana hahafatesanao, vao zarao amin’ny mpandova ny anananao.

Ny mpanompo

24 Ny vilona sy ny tsora-kazo ary ny entana no an’ny ampondra,

ny hanina sy ny famaizana ary ny asa kosa, an’ny mpanompo.

25 Ampiasao ny mpanomponao, dia hanam-pitsaharana ianao,

fa raha avelanao hanao izay tiany izy,

dia hitady fahafahana.

26 Ny jioga aman-koditra no mampilefaka ny hatoka;

ny fampijaliana amam-pangirifiriana no an’ny mpanompo ratsy fanahy.

27 Iraho izy hiasa, mba tsy hipetraka midonana-poana;

fa mampiana-dratsy maro ny fidonanaham-poana.

28 Asaovy manomboka miasa izy, fa izany no tandrify azy;

ary raha tsy manaiky izy, tereo ny parapaingony.

Nefa aza mihoatra ny etra, na amin’iza na amin’iza;

ary aza manao zavatra mifanohitra amin’ny rariny.

29 Raha mana-mpanompo ianao, dia aoka ho toy ny tenanao izy,

fa tamin’ny ra no nahazoanao azy.

30 Raha mana-mpanompo ianao,

ataovy toy ny tenanao no fitondra azy,

fa izany no hanintonanao azy, hiraikitra amin’ny fanahinao.

31 Raha ratsy fitondra azy ianao, ka mitsoaka mandositra izy,

aiza no lalan-kalehanao hitady azy?

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 34

Ny nofy

1 Fanantenam-poana sy mamitaka no andrandrain’ny adala;

ary ny nofy mampisidina ny ketrina.

2 Toy ny mitady hisambotra aloka sy hahataka-drivotra,

ny mandraiki-tsaina amin’ny nofy.

3 Zavatra iray araka ny iray hafa, no hitan’ny olona amin’ny nofy;

toy ny sarin’ny tavan’olona anankiray, eo anoloan’ny tavany.

4 Inona no madio, mety hipoitra avy amin’ny fahalotoana?

Inona no marina mety hipoitra avy amin’ny lainga?

5 Zava-poana ny fanandroana sy ny fambara ary ny nofy,

tahaka ny anjoanjom-pieritreretana ao am-pon’ny vehivavy bevohoka.

6 Aza avela hiraikitra amin’izany ny fonao,

afa-tsy raha nirahin’ny Avo Indrindra, amin’ny famangiana.

7 Fa efa namily lalana olona maro ny nofy,

ary lavo izay nanankina ny fanantenany taminy.

8 Ny lalàna no tanteraka tsy misy fitaka,

toy ny hahatanterahan’ny teny misy fahendrena, aloaky ny vava mahatoky.

Ny dia aleha

9 Mahay zavatra betsaka ny olona nahita fianarana;

ary miteny amim-pahendrena ny olona ela nikarohana.

10 Izay tsy nozahan-toetra, kely zava-pantatra;

ary izay efa nandeha nivahiny, be fahamalinana.

11 Nahita zavatra betsaka aho tany am-pivahiniako,

ka be noho ny teniko ny fahaizako.

12 Matetika no efa saika maty aho,

fa voavonjy noho izany fikarohana izany.

Ny sorona

13 Ho velona ny fanahin’izay matahotra ny Tompo;

fa amin’ny Mpamonjy azy ny fanantenany.

14 Izay matahotra ny Tompo, tsy matahotra na inona na inona,

tsy mangovitra izy fa Andriamanitra no fanantenany.

15 Sambatra ny fanahin’izay matahotra ny Tompo!

Iza no iankinany, ary iza no manohana azy?

16 Ny mason’ny Tompo dia eo amin’izay tia Azy;

mpiaro mahery Izy, ary fiankinana mafy,

fialofana amin’ny rivotra avy atsinanana,

fialofana amin’ny hainandro mirehitra avy atsimo,

fiambenana amin’ny fanafintohinana, vonjy amin’ny fahalavoana;

17 manandratra ny fanahy, manazava ny maso,

manome fahasalamana, fiainana amam-pitahiana Izy.

18 Fanatitra vazivazy ratsy,

ny harena azo tsy an-drariny atao sorona;

ary ny vazivazin’ny mpanota,

tsy ankasitrahin’Andriamanitra.

19 Tsy ankasitrahin’ny Avo Indrindra

ny fanatitry ny mpankahala fivavahana,

ary tsy ny hamaroan’ny zavatra atao sorona no amelany ny heloka.

20 Mamono zanaka eo imason-drainy,

izay manatitra sorona nalaina tamin’ny fananan’ny mahantra.

21 Ny mofon’ny malahelo no ain’ny mahantra;

fa izay manala izany aminy, dia mpamono olona.

22 Mamono mahafaty namana, izay maka ny fivelomany;

mandatsa-dra izay mitana ny tambin’ny mpikarama.

23 Ny iray manorina, ny hafa kosa mandrava;

inona no azon’ireo afa-tsy ny fisahiranana ihany?

24 Ny iray mivavaka, ny iray kosa manozona;

ny feon’iza amin’izy roa tonta ireo no hohenoin’ny Tompo?

25 Izay misasa, avy nikasika ny maty, mikasika azy indray,

inona no azony tamin’ny nisasany?

26 Toy izany ny olona mifady hanina noho ny fahotany,

raha miverina manota indray izy:

iza no hihaino ny fivavahany ary hampaninona azy ny fietreny?

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 35

Ny lalàna sy ny sorona

1 Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro,

2 ary ny miraikitra amin’ny didy,

dia manolotra sorom-pihavanana.

3 Ny misaotra dia manao fanatitra lafarina tsara indrindra;

4 ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.

5 Ny ankasitrahin’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy;

ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.

6 Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao,

7 fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.

8 Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina;

ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra.

9 Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina;

ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany.

10 Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be;

ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.

11 Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao,

ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.

12 Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,

amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao.

13 Fa manome valy ny Tompo,

ka hamerina impito hoatry ny nataonao.

Manao ny rariny Andriamanitra

14 Aza mitady hanangoly azy amin’ny fanatitra,

fa tsy horaisiny akory izany,

15 ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina;

fa mpitsara ny Tompo,

ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.

16 Tsy mizaha tavan’olona hamono antoka ny mahantra Izy,

ary mihaino ny vavak’izay ampahorîna.

17 Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho,

na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy.

18 Tsy mirotsaka eo amin’ny takolany va ny ranomason’ny mpitondratena,

19 ary moa tsy mipoaka ny fidradradradrany

mamely an’izay mampitomany azy?

20 Horaisina tsara izay manaja an’Andriamanitra

araka ny fomba ankasitrahiny,

ary tafasondrotra hatrany amin’ny rahona ny fivavahany.

21 Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry teny,

fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin’Andriamanitra izany;

tsy hitsahatra izy, raha tsy efa nojeren’ny Avo Indrindra;

dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana.

22 Tsy hampiandry akory ny Tompo,

tsy handefitra intsony Izy, amin’ny mpampahory;

mandra-panorotorony ny valahan’ireo olona tsy miantra ireo,

23 sy hanaovany famaliana ny firenena;

mandra-pandringany ny ankamaroan’ireo mpiteny ratsy an’Andriamanitra,

sy hanapatapahany ny tehim-panjakan’ny mpankahala fivavahana;

24 mandra-pamaliny ny olona, araka ny asany,

sy hamaliany ny asan’ny olona araka ny heviny;

25 mandra-pandrainy eo an-tanany ny adin’ny vahoakany,

sy hampifaliany azy amin’ny famindram-pony.

26 Tsara tamin’ny fotoana nampahoriana an’i Israely ny famindram-po,

toy ny rahona mitondra orana, amin’ny fotoana main-tany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 36

Vavaka hahafahan’i Israely sy hiarenany

1 Mamindrà fo aminay,

ry Tompo Andriamanitr’izao rehetra izao, ka jereo:

2 ary arotsahy amin’ny firenena rehetra ny fampahatahoranao.

3 Atsangano hamely ny firenen-kafa ny tananao,

ary aoka ho tsaroan’ny ainy ny herinao.

4 Araka ny nanehoanao ny fahamasinanao teo anatrehan’izy ireo namay anay,

no anehoy ny fahalehibeazanao eo imasonay,

mamay ny mpampahory anay.

5 Ary aoka ho fantatr’izy ireo, tahaka ny nahafantaranay,

fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo!

6 Avereno indray ny famantarana, ataovy indray ny fahagagana,

7 ankalazao ny tananao sy ny sandrinao ankavanana.

8 Hetseho ny haviniranao, arotsaho ny hatezeranao,

9 aringano ny mpankahala, fongory ny fahavalo.

10 Hafaingano ny fotoana, ary tsarovy ny fianianana;

ka aoka hankalazaina ny asanao lehibe!

11 Aoka holevonin’ny afo mahamay izay sendra afa-nandositra,

ary ho hitan’izay mampahory ny vahoakanao ny fahaverezana.

12 Montsàny ny lohan’ny lehiben’ny fahavalo,

izay manao hoe: «Tsy misy afa-tsy isika ihany!»

13 Angony avokoa ny fokon’i Jakôba

ka avereno aminy indray ny lova

toy ny tamin’ny voalohany.

14 Tompo ô, mamindrà fo amin’ny vahoakanao,

izay antsoina amin’ny Anaranao,

sy amin’i Israely izay nataonao toy ny lahy matoa.

15 Iantrao ny tanàna misy ny fitoeranao masina,

dia i Jerosalema fitoerana fitsaharanao.

16 Fenoy ny teny tò avy aminao i Siôna

ary ny voninahitrao, ny vahoakanao.

17 Mitsangàna ho vavolombelona

miaro an’ireo zava-boaarinao hatramin’ny voalohany

ary tanteraho ny fampanantenana nataonao tamin’ny Anaranao.

18 Valio soa ireto olona manantena Anao,

ary aoka ho hita fa tò ny teny ny mpaminaninao.

Henoy, Tompo ô, ny vavak’izay mitalaho aminao.

19 araka ny tso-dranon’i Aarôna tamin’ny vahoakanao,

ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany,

fa Ianao no Tompo Andriamanitra amin’ny taona rehetra.

Mahaiza mamantatra

20 Mandray hanina isan-karazany ny vavony,

nefa misy hanina tsaratsara kokoa noho ny hafa.

21 Fantatry ny lanilany amin’ny tsirony ny henan-java-dia;

ary fantatry ny fo manan-tsaina toy izany koa ny teny mamitaka.

22 Mahatonga alahelo ny fo ratsy,

nefa mitandrin-tena aminy ny olona mahalala zavatra.

Vehivavy hofidina

23 Raisin’ny vehivavy izao karazam-bady rehetra izao,

nefa misy zazavavy tsaratsara kokoa noho ny hafa.

24 Mahamiramirana endrika ny hatsaran-tarehim-behivavy,

ary mihoatra noho ny fanirian’ny lehilahy fatratra indrindra.

25 Raha hita eo amin’ny lelany koa ny hatsaram-po

aman-kalemem-panahy,

dia tsy anisan’ny zanak’olombelona tsotra izao intsony ny vadiny.

26 Efa nahazo ny fototry ny hareny ny olona mahazo vady,

izay manana mitovy aminy sy andry hiankinany.

27 Eo amin’izay tsy misy fefy, dia lasan-ko fandrobana ny tany:

eo amin’izay tsy misy vehivavy,

ny lehilahy dia misento mirenireny.

28 Zovy moa no hatoky ny jiolahy mailaka

izay mitety tanàna ombieny ombieny?

Toy izany ny lehilahy tsy manam-ponenana;

fa izay aharivan’ny andro no andriany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 37

Sakaiza sandoka

1 Ny sakaiza rehetra samy milaza hoe: «Izaho koa sakaizanao»;

nefa misy sakaiza amin’ny anarany fotsiny.

2 Moa va tsy alahelo mila hahafaty,

raha namana aman-tsakaiza no mivadika ho fahavalo?

3 Ry hevi-dratsy ô, nivoaka avy aiza ianao,

mba hanototra fitaka ny tany?

4 Ny mpinamana mifaly amin’ny fifalian’ny sakaizany;

kanjo mivadika mamely azy izy amin’ny andro mahory.

5 Misy namana miombona alahelo amin’ny sakaizany,

mba hahavoky ny kibony.

Kanjo ny ampingany no raisiny, nony manoloana ny ady.

6 Aza manadino ny sakaizanao ao am-ponao;

ary aza manary ny fahatsiarovana azy,

ao anatin’ny harem-be.

Mpanolo-tsaina

7 Samy manoro hevitra avokoa ny mpanoro hevitra;

nefa misy manoro hevitra mikendry ny soa ho an’ny tenany.

8 Mitandrema tena amin’ny mpanoro hevitra,

ary ataovy izay hahalalanao izay mety hahasoa azy aloha; –

fa ny soa ho an’ny tenany no hanoroany hevitra. –

Mba tsy hilokàny ny aminao,

9 sy tsy hanaovany hoe: «Tsara ny lalanao»;

dia hihataka manandrify anao izy hizaha izay hanjò anao.

10 Aza maka hevitra amin’ny olona manao jery vilana anao,

ary afeno an’izay mialona anao ny fikasanao.

11 Aza maka hevitra amin’ny vehivavy, ny amin’ny rafiny;

amin’ny kanosa, ny amin’ny ady;

amin’ny mpivarotra, ny amin’ny takalo;

amin’ny mpividy, ny amin’ny varotra;

amin’ny mpialona, ny amin’ny fankasitrahana;

amin’ny olona tsy mangoraka, ny amin’ny asa fiantrana;

amin’ny kamo, ny amin’ny asa hatao na inona na inona;

amin’ny mpikarama ao an-trano, ny amin’ny famitan-javatra;

amin’ny mpanompo kamo, ny amin’ny lahasa lehibe;

aza miankina amin’ireo olona ireo, amin’ny hevitra iray akory.

12 Fa aoka ho matetika ianao no ao amin’ny olona tia vavaka,

izay fantatrao ho mpitandrina ny didy,

manana fo araka ny fonao,

ary hiaraka ory aminao, raha lavo ianao.

13 Manaraka izany dia aoka hifikitra amin’izay hevitry ny fonao ianao,

fa tsy misy olona mahatoky toa azy, ho anao.

14 Fa indraindray ny fon’ny olombelona milaza zavatra betsaka

mihoatra noho ny tily fito voapetraka hitily eo amin’ny havoana.

15 Ary amin’izany rehetra izany, mangataha amin’ny Avo Indrindra,

mba hitari-dalana anao mazava tsara.

Ny tena fahendrena sy ny fahendrena sandoka

16 Mialoha ny asa rehetra ny teny:

mialoha ny asa atao rehetra ny fandinihana.

17 Zavatra efatra no miseho ho mariky ny fiovaovan’ny fo:

18 ny tsara sy ny ratsy, ary ny fiainana sy ny fahafatesana,

ka ny lela mandrakariva no tompon’ireny.

19 Misy olona malina sy mpampianatra ny maro,

nefa tsy vanon-ko inona, raha ho an’ny tenany.

20 Maharikoriko ny olona mihambohambo ho hendry amin’ny teniny:

tsy hanan-kohanina no hiafarany.

21 Fa tsy momba azy ny fankasitrahan’ny Tompo,

satria tsy manam-pahendrena akory izy.

22 Misy hendry izay hendry ho an’ny tenany;

ary ny vokatry ny fahalalany dia azo antoka eo amin’ny molotra.

23 Ny olona hendry dia mampianatra ny fireneny,

ary azo antoka ny vokatry ny fahalalany.

24 Feno fanambinana ny olona hendry,

ary mitory azy ho sambatra izay rehetra mahita azy.

25 Voafetra ihany ny isan’ny andro iainan’ny olombelona;

fa ny andron’i Israely tsy hita isa.

26 Ny hendry dia tonga mahatoky eo amin’ny vahoakany,

ary ny anarany ho velona mandrakizay.

Fahalalana onony

27 Anaka, ny fanahinao no ilao hevitra amin’izay fomba fiainanao,

fantaro izay manimba azy, ka aza omena azy izany.

28 Fa ny zavatra rehetra na inona na inona

tsy mahasoa ny olona rehetra na iza na iza

ary tsy dia samy mahita fiadanana amin’ny zavatra rehetra avy.

29 Aza dia tsy mety afa-diana eo anoloan’izay hanim-py,

ary aza dia mianjera ihany amin-kalianana, amin’ny nahandro,

30 fa ny fihinanan-doatra mitarazo faharisarisana;

ary ny tsy fahalalana onony mitarika amin’ny areti-mandalo aza.

31 Nahafaty olona maro ny tsy fahalalana onony,

fa ny mifady no manalava ny andro iainany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 38

Fitsaboana sy aretina

1 Omeo ny dokotera ny haja tandrify azy, noho ny filanao azy;

fa izy ihany koa dia noarîn’ny Tompo.

2 Fa ny Avo Indrindra no iavian’ny fahasitranana;

ary na ny mpanjaka aza andraisany fanatitra.

3 Manandratra ny lohany ny fahaizan’ny dokotera,

ka igagana izy, eo anatrehan’ny lehibe.

4 Ny Tompo mampahavokatra ny tany ny fanafody avy amin’ny tany,

ary ny olona manan-tsaina tsy mba manao izany tsy ho zavatra.

5 Moa tsy dia ny hazo anankirayva no nahamamy ny rano mangidy,

mba ho fantatry ny olona rehetra ny hasiny?

6 Nomeny fahaizana ny olona

hahazoany voninahitra amin’ny fanomezany mahagaga.

7 Amin’izany fanomezana izany no ampahazoan’ny olona ny fahasitranana

sy hanafahany ny fanaintainana.

8 Izany no anaovan’ny mpanao fanafody zavatra miharoharo,

ka vantany vao vita ny asany,

dia miely eto ambonin’ny tany ny fahasalamana avy aminy.

9 Anaka, raha marary ianao, aza manao ny torohevitro ho tsinontsinona,

fa mangataha amin’ny Tompo, dia hositraniny ianao.

10 Fadio ny fandikan-dalàna, ahitsio ny tananao,

ary diovy ny fonao amin’ny ota rehetra.

11 Atero ny emboka amam-panatitra lafarina;

ary mamonoa sorona matavy, tahaka ny efa raikitra fa ho faty ianao.

12 Raha efa izany ampandrosoy ny dokotera,

fa izy koa dia noarîn’ny Tompo,

ary aoka tsy hanalavitra anao izy, fa mila azy ianao.

13 Misy ihany izay ahombiazan’ny tanany,

14 fa hangataka amin’ny Tompo koa izy ireny,

mba hoekeny ny hampahazoany ny fitsaharana,

amam-pahasitranana hahalava andro fiainana ny marary.

15 Aoka izay manota eo imason’ny Mpahary azy,

no ho latsaka eo an-tanan’ny dokotera!

Fisaonana

16 Anaka, itomanio ny maty,

ary aoka ho rafitra migogogogoianao

toy ny olona mijaly mafy.

Manaraka izany, ataovy amin’ny vatanyizay fikarakarana tandrify azy,

ary aza atao tsirambina ny fandevenana azy.

17 Mamoròna ranomaso mangidy, mandefasa sento mafy,

ary manaova fisaonana, araka ny sahaza azy,

indray andro na indroa andro, mba tsy hisian’ny vava ratsy.

18 Raha efa izany, mionòna ianao, mba hampisava ny alahelo,

fa mety hiavian’ny fahafatesana ny alahelo,

ary mandreraka ny hery rehetra ny alahelon’ny fo.

19 Rehefa entina ny maty, tokony hiara-dasa aminy koa ny alahelo;

tahaka ny fiainan’ny mahantra, mifanohitra amin’ny fony.

20 Aza avela hianjadian’ny alahelo ny fonao,

roahy izy, tsarovy ny hiafaranao.

21 Aza manadino izao: tsy misy fiverenana intsony;

ny maty tsy hosoavinao; ary ny tenanao hasianao ratsy.

22 Tsarovy fa toy ny didy nahatra taminy izay hahatra aminao,

ny ahy omaly; ny anao anio.

23 Rehefa mitsahatra ny maty,

avelao hitsahatra koa ny fahatsiarovana azy;

ary mionòna ianao ny aminy, amin’ny fahalasanan’ny fanahiny.

Asa tanana

24 Ny fahendren’ny mpanoratra

dia azo noho ny fananana andro malalaka,

ary izay tsy manan-draharaha himasoana, dia tonga hendry.

25 Ahoana no hahatonga hendry ny mitondra ny angadin’omby,

izay maniry ny hampiasa ny fanindronana ho solon’ny lefona,

mampandroso ny ombiny, sy tafaharo asa amin’ireny,

ary tsy mahay miresaka afa-tsy amin’ny zanak’ombalahy.

26 Ny hanoritra asa no ilofosany amin’ny fony rehetra,

ny hampahazo vilona ny vantotr’ombivaviny no karakarainy fatratra.

27 Manao toy izany koa rehefa mety ho mpandrafitra sy mpanorina trano,

izay manohy ny raharahany andro aman’alina;

mbamin’ny mpisikotra marika amin’ny fitomboka:

ny hahasamihafa ny endri-javatra no ikelezany aina;

ny hahavita ny sary marina tsara no ilofosany tokoa,

ary ny hahatomombana ny asany no karakarainy fatratra.

28 Torak’izany ny mpanefy mipetrakaeo akaikin’ny riandriany,

sy mibanjina ny vy mbola akorany;

ny fofon’afo mampitsonika ny nofony;

nefa miaritra izy tsy mihontsana amin’ny hafanan’ny fatam-panefeny;

ny fikatrokatroky ny tantanana mankarenina ny sofina;

ary ny masony nifantoka amin’ny môdelin’ny fanaka;

ny hahalavorary ny asany no ilofosany amin’ny fony tokoa,

ny hahalambolambo azy lavorary tsara no karakarainy fatratra.

29 Torak’izany koa ny mpanao tanimanga,

mipetraka eo amin’ny asany,

sy manodina ny kodiarana amin’ny tongony:

ny asany ihany no ahiny lalandava

ary ny hahavitany izay siny voafetra no ikelezany aina mafy.

30 Ny tanany no mamolavola ny tanimanga,

ary eo anoloan’ny tongony no hanalemeny azy;

izay hahatsara ny varinesiny no ilofosany amin’ny fony tokoa,

izay hahadio ny lafaorony no karakarainy fatratra.

31 Ny tanana no ampoizin’ireo olona ireo hahavitana ny zavatra rehetra;

ary samy manam-pahaizana ny amin’ny asany avy izy ireo.

32 Raha tsy misy azy ireo ny olona dia tsy hahorina tanàna iray akory,

tsy hankany amin’ny tany hafa, na handeha hivahiny.

33 Kanefa izy ireo tsy mba ilaina eo amin’ny fivoriana

fakàn-kevitry ny vahoaka

na hahazo laza eo amin’ny fivoriana;

tsy mba hanam-pahaizana ny fanekena momba ny rariny,

tsy mba hahazo toerana eo amin’ny sezan’ny mpitsara;

tsy hivaofy ny rariny sy ny hitsiny;

ary tsy mba ho hita mamoaka oha-teny.

34 Izy ireo anefa no fototry ny zavatra ilaina momba izao fiainana izao,

ary ny asany momba ny raharahany no anaovany fivavahana.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 39

Ny mpanora-dalàna

1 Hafa noho izany izay mampiasa ny sainy,

sy mandinika ny lalàn’ny Avo Indrindra.

Mikatsaka ny fahendren’ny taloha rehetra izy,

ary ny androny malalaka dia atokany hisainana ny faminaniana.

2 Mitahiry ao an-tsainy ny filazan’ny olo-malaza izy,

ary mahatakatra ny oha-teny miolakolaka.

3 Mikaroka ny hevi-miafina amin’ny ohabolana izy,

ary mihevitra ny oha-teny misy ankamantatra.

4 Manao raharaha eo amin’ny lehibe izy;

ary miseho eo anatrehan’ny mpanapaka.

Mivahiny any an-tanin’ny firenen-kafa izy,

fa te hahalala ny soa sy ny ratsy eny amin’ny olona eny.

5 Mazoto fo tokoa izy ny mandeha vao maraina

hanatona ny Tompo nanao azy:

mivavaka eo anatrehan’ny Avo Indrindra izy;

manoka-bava hanao fivavahana,

ary mifona noho ny fahotany.

6 Raha izany no sitrapon’ny Tompo, izay lehibe,

dia ho feno fanahin’ny fahazavan-tsaina izy;

ka hamafy mikararana ny tenim-pahendrena,

ary hanome saotra ny Tompo, amin’ny fivavahany.

7 Ho hainy taritina ny fahamalinana amam-pahaizany,

ary hianatra ny misterin’Andriamanitra izy,

8 Hitory ny fahaizan’ny fampianarana izy,

ary hirehareha amin’ny lalàn’ny faneken’ny Tompo.

9 Maro no hidera ny fahazavan-tsainy,

ary tsy ho very tadidy na oviana na oviana izy;

tsy ho levona ny fahatsiarovana azy,

ary haharitra amin’ny taona mifandimby ny anarany.

10 Ny fireneny hitory ny fahendreny;

ary ny fiangonana hankalaza ny fiderana azy.

11 Raha mbola velona izy, mijoro ho malaza noho ny arivo hafa ny anarany;

ary rehefa hitsahatra indray izy, vao mainka hitombo ny voninahiny.

Miderà an’Andriamanitra

12 Mbola iriko ny hamoaka ny vokatry ny fandinihako,

satria feno toy ny volana eo amin’ny fenomanany aho.

13 Mihainoa ahy, ianareo zanaka tia vavaka, ary mitomboa

hoatra ny rôzy amoron’ny ranovelona:

14 aoka handraraka, hoatra ny emboka, ny fofonareo manitra;

ataovy mivelatra hoatra ny lisy ny voninareo.

Alefaso ny hanitrareo, ary mihirà hira fiderana,

ka mankalazà ny Tompo, noho ny asa rehetra nataony.

15 Omeo voninahitra ny anarany;

ataovy antso avo ny fiderana azy,

amin’ny hiran’ny vavanareo sy ny valihanareo,

ary ankalazao izy ataovy hoe:

16 Tsara dia tsara avokoa ny asan’ny Tompo,

ary ho tanteraka amin’ny fotoany izay rehetra efa nalahany.

17 Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»

fa samy hotadiavina amin’ny fotoany avy ny zavatra rehetra.

Tamin’ny teniny no niangonan’ny rano, toy ny antontan-javatra iray ihany,

ary ny tenin’ny vavany iray ihany no nisian’ny fiangonan-drano.

18 Noho ny didiny dia tonga izay tiany;

ary tsy misy mahasakana ny famonjena irahiny.

19 Eo anatrehany avokoa ny asan’ny nofo rehetra,

ary tsy misy afa-miery amin’ny masony.

20 Mahatratra hatramin’ny mandrakizay

ka hatramin’ny mandrakizay ny fijeriny,

ary tsy misy zava-mahagaga eo anatrehany.

21 Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»

fa noarîny hanan-toniany avokoa ny zavatra rehetra.

22 Tondraka hoatra ny ony ny fitahian’ny Tompo,

ary manondraka ny tany hoatra ny safodrano.

23 Manampatra ny hatezerany ho anjaran’ny firenena, toy izany koa izy,

tahaka ny nanaovany ny tany mando tsara ho tanin-tsira.

24 Mahitsy ny lalany ho an’ny olo-masina,

ary toy izany koa dia antom-pahalavoana ho an’ny ratsy fanahy izany.

25 Ny soa noarîna ho an’ny tsara, hatramin’ny voalohany,

ary toy izany koa ny loza ho an’ny ratsy fanahy.

26 Izao no zavatra ilaina indrindra, hiveloman’ny olombelona,

ny rano, ny afo, ny vy, ny sira,

ny lafarinam-bazaha, ny ronono, ny tantely,

ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ary ny fitafiana.

27 Zava-tsoa ireo zavatra ireo, ho an’ny olona tia vavaka;

fa miova ho loza kosa izy ho an’ny mpanota.

28 Misy rivotra hanaovana famaliana,

ka ny loza avy aminy no avoakany amin’ny fisafoahany.

Hanampatra ny heriny izy, amin’ny andro fandravana,

dia hampitony ny hatezeran’Ilay nanao azy.

29 Ny afo aman-kavandra, ny mosary mbamin’ny pesta,

dia zava-noarîna ho famaizana avokoa ireny;

30 torak’izany koa ny nifin’ny biby masiaka,

ny maingoka sy ny menarana,

mbamin’ny sabatra mpandringana mampidi-doza ny ratsy fanahy.

31 Mifaly amin’ny didin’ny Tompo ireo zava-boaary ireo;

eto ambonin’ny tany ireny vonon-ko amin’izay ilana azy,

ka rehefa tonga ny fotoana, tsy diso manatanteraka ny didiny izy.

32 Izany no naharetako tsara, tamin’ny hevitro, hatramin’ny voalohany,

ka nony efa nandinika aho, dia nanao azy an-tsoratra:

33 Tsara avokoa ny asan’ny Tompo;

ka ataony vonona amin’izay ilany azy ny zavatra rehetra ilaina.

34 Tsy misy tokony hilazana hoe: «Ity ratsiratsy kokoa noho itsy»;

fa samy ho fantatra ho tsara avokoa izy, amin’ny fotoany.

35 Ary ankehitriny, mihirà, amin’ny fo rehetra sy amin’ny vava,

ka misaora ny Anaran’ny Tompo.