Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 50

I Simôna mpisorona

1 I Simônazanak’i Oniasa no mpisorona lehibe,

namboatra ny tranon’ny Tompo tamin’ny andro niainany,

ary nanamafy ny tempoly nandritra ny andro niainany;

2 izy no nandatsaka ny fototra hanovona avo sasaka

ny manda avo izay manohana ny manodidina ny Tempoly.

3 Tamin’ny androny no nanaovana ny famorian-drano;

ny varahina nanaovana azy mitovy habe amin’ny vavan’ny ranomasina.

4 Nikarakara ny vahoakany izy, mba hiaro azy amin’ny faharavana,

ary nanamafy ny tanàna, hahatoha ny fahirano.

5 Endrey izany fiandrianany, teo afovoan’ny vahoaka tafavory manodidina,

nony nivoaka ny trano misy fisalobonana izy!

6 Fa toy ny kintana fitarikandro manjopiaka maninteraka ny rahona,

toy ny volana amin’ny andro maha-fenomanana azy,

7 toy ny masoandro mamirapiratra

eo ambonin’ny tempolin’ny Avo Indrindra,

ary toy ny avana mamirapiratra eo amin’ny rahona mazava;

8 toy ny vonin-drôzy amin’ny andro lohataona;

toy ny lisy eo amoron’ny rano;

toy ny sampan-kazo mani-pofona, amin’ny andro fahavaratra;

9 toy ny zava-manitra, eo ambonin’ny afo fanembohana,

toy ny vazy volamena am-ponjany,

voaravaka vatosoa isan-karazany;

10 toy ny fototr’ôliva efa mitsiry voa,

ary toy ny sipresa mijoalajoala anatin’ny rahona.

11 Rehefa manao ny akanjom-boninahitra izy,

ka voatafy ny fanamiany rehetra,

ary miakatra eo amin’ny ôtely masina,

dia mampamirapiratra ny manodidina ny fitoerana masina.

12 Fa rehefa mandray ny lanin-tsorona,

avy eo an-tanan’ireo mpisorona izy,

ka mijoro eo akaikin’ny fatan’ny ôtely,

hodidinin’ireo rahalahiny manao faribolana,

dia miseho ho toy ny sedera kanto any Libàna izy,

ary ireo mpisorona manodidina azy, toa fototr’antrendry.

13 Ireo taranak’i Aarôna rehetra

dia voatafy ny fanamiany kanto avokoa,

sy mitana ny fanatitra ho an’ny Tompo, eo an-tanany,

eo anatrehan’ny fiangonana’i Israely rehetra.

14 Ary rehefa vitany ny fanompoana eo amin’ny ôtely,

dia ny hampitombo hatsarana ny fanatitra

ho an’ny Avo Indrindra tsitoha,

no nanamparany ny tanany eo ambonin’ny kapoaky ny fanatitra araraka,

ka nandrarahany ny ram-boaloboka.

15 Naidiny eo am-pototry ny ôtely,

dia hanitra mani-pofona ankasitrahin’ny Avo Indrindra sy Mpanjaka lehibe.

16 Ireo taranak’i Aarôna amin’izany nihoby,

nitsoka ny trômpetra vita amin’ny vy voatefy,

ary nandefa horaka mikotrokotroka,

ho fahatsiarovana eo anatrehan’ny Avo Indrindra.

17 Ny vahoaka rehetra amin’izany dia indray dodona

nihohoka tamin’ny tany,

hitsaoka ny Tompony,

ny Andriamanitra Tsitoha, ny Avo Indrindra.

18 Ny mpihira indray manampatra ny feony midera azy;

manakoako eran’ny Tempoly lehibe ny hira mireondreona.

19 Ary ny vahoaka mitaraina amin’ny Tompo Avo Indrindra,

variana mivavaka eo anatrehan’ny Mpamindra fo,

mandra-pahatapitry ny fombam-pivavahan’ny Tompo,

sy mandra-pahavitan’ny mpisorona ny fanompoana masina.

20 Dia nidina tamin’izay ny mpisorona lehibe,

ka nanandratra ny tanany,

amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,

mba hiloa-bava hanome ny tso-drano avy amin’ny Tompo,

sy hahazo voninahitra amin’ny Anarany.

21 Dia niankohoka indray ny vahoaka,

mba handray ny tso-drano avy amin’ny Avo Indrindra.

Famporisihana

22 Ary ankehitriny misaora ny Tompon’izao rehetra izao

izay nanao zava-dehibe hatraiza hatraiza,

izay nampanan-daza ny androntsika hatramin’ny voalohany,

ary nitondra antsika araka ny famindram-pony.

23 Homeny hafaliam-po anie isika;

aoka ho amin’izao androntsika izao anie ny fiadanana,

dia ho amin’i Israely toraky ny tamin’ny andro lasa!

24 Hitoetra amintsika mandrakizay anie ny famindram-pony,

ary hanafaka antsika anie izy rehefa tonga ny androny.

Ohabolana ilazana isa

25 Misy firenena roa halan’ny foko,

ary ny fahatelony tsy firenena akory aza:

26 dia ireo monina any an-tendrombohitraSeira, ny Filistinina,

ary ilay vahoaka adalamonina ao Sikema.

Famaranana

27 Amin’ity boky ity aho nanoratra

fampianaran-tsaina amam-pahaizana,

izaho Jesò zanak’i Siràka avy ao Jerosalema,

izay namoaka be dia be ny fahendren’ny foko.

28 Sambatra izay hifototra amin’izany fampianarana izany;

ho tonga hendry izay mandray azy ao am-pony;

29 fa handresy amin’ny zavatra rehetra izy, raha manaraka izany:

satria ny fahazavan’ny Tompo no lalany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 51

Antsa fisaorana

1 Vavaka nataon’i Jesò, zanak’i Siràka.

Te hankalaza Anao aho, ry Tompo, Mpanjaka,

te hidera Anao aho, ry Andriamanitra Mpamonjy;

mankalaza ny Anaranao aho.

2 Fa mitsangana ho mpiaro ahy sy vonjiko Ianao;

Ianao namonjy ny vatako tamin’ny fanimbana,

tamin’ny fandriky ny lelampanendrikendrika,

tamin’ny molotr’ireo mamoron-dainga;

ary teo anatrehan’ny mpandrafy ahy;

3 Ianao no nanohana ahy, Ianao no nanafaka ahy,

araka ny haben’ny indrafonao sy ny Anaranao,

tamin’ireo nikitro-nify, vonon-kandrapaka ahy;

tamin’ny tanan’ireo nitady ny aiko,

tamin’ny fahoriana rehetra namoritra ahy,

4 tamin’ny hasomparana avy amin’ny afo nanodidina ahy,

teo afovoan’ny afo izay tsy narehitro;

5 tamin’ny antsan-dalin’ny Seoly,

tamin’ny lela maloto, sy tamin’ny teny mamitaka natao tamin’ny mpanjaka,

tamin’ny endrikendriky ny lela tsy marina.

6 Efa nanakaiky ny fahafatesana ny fanahiko,

ary efa nikasika ny Seoly any ambany ny aiko.

7 Efa nanodidina ahy hatraiza hatraiza izy ireo

sady tsy nisy olona hamonjy ahy;

niandrandra vonjy avy amin’ny olombelona aho,

nefa tsy nisy velively akory.

8 Izay aho vao nahatsiaro ny indrafonao, ry Tompo,

sy ireo asa nataonao tamin’ny andro fahiny;

tsaroako fa Ianao namonjy ireo nanantena Anao,

sy nanafaka azy ireo tamin’ny tanan’ny firenena mpanompo sampy.

9 Ka dia niankohoka tamin’ny tany aho,

nampisondrotra ny fivavahako

sy nitaraina taminao hamonjy ahy amin’ny fahafatesana.

10 Niantso ny Tompo rain’ny Tompokoaho,

mba tsy handaozany ahy, amin’ny andron’ny fahoriako;

amin’ny andron’ny mpiavonavona, izay tsy ahitam-bonjy.

11 Hidera ny Anaranao tsy an-kijanona aho,

ary hihira azy amim-pankasitrahana.

Dia nohenoina ny fangatahako,

12 fa novonjenao tamin’ny faharavana aho,

ary tamin’ny andron’ny fahoriana nataonao afaka aho,

ka dia hankalaza Anao sy hidera Anao aho,

ary hisaotra ny Anaran’ny Tompo.

Tononkalo hikatsahana ny fahendrena

13 Fony aho mbola tanora, mbola tsy naniasia,

dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin’ny fivavahako.

14 Nangataka izany teo anoloan’ny Tempoly aho,

sady hikatsaka azy hatramin’ny farany.

15 Tamin’ny fahitana ny voniny,

toy ny fahitana ny salohy mihamena,

dia nifaly taminy ny foko.

Nizotra ny lala-mahitsy ny tongotro nomba azy;

nanara-dia azy hatramin’ny fahatanorako aho.

16 Nanongilan-tsofina taminy kelikely aho dia nandray azy,

ka nahazo fampianarana lehibe ho ahy.

17 Tombon-tsoa lehibe no azoko avy aminy;

ka sitrako ny manome voninahitra ilay nanome ahy ny fahendrena.

18 Satria tapa-kevitra ny hanaraka azy aho;

nikely aina hanao soa, ka tsy ho very fanantenana.

19 Mba ho azy no niadian’ny fanahiko,

sy nanaovako ny asako tamim-pitandremana lehibe.

Nasandratro ny tanako,

ka nalahelovako ny tsy nahalalako azy.

20 Notarihiko hankaminy ny fanahiko,

dia nahita azy, noho ny fahadiovan-toetrako.

Niaraka taminy hatramin’ny voalohany aho,

dia nahazo fahalalana,

ka noho izany tsy hoariana aho na oviana na oviana.

21 Nientam-po tamin’ny fikatsahana azy aho,

ka nahazo soa sarobidy.

22 Nomen’ny Tompo ny fahaiza-miteny ho valisoa aho,

ka hoentiko midera Azy izany.

23 Manatòna Ahy ianareo tsy mahalala,

ary aoreno ao an-trano fampianarana ny fonenanareo;

24 fa tsy ampy fahendrena ianareo,

ary mangetaheta fatratra ny fanahinareo.

25 Miloa-bava sy miteny Aho hoe:

– Raiso tsy amim-bola izany; –

26 aondreho eo ambany jioga ny vozonareo,

ary aoka handray fampianarana ny fanahinareo;

fa tsy lavitra no haleha vao mahita azy.

27 Aoka hahita maso ianareo, fa niasa kely foana aho,

dia nahita fitsaharana lehibe;

28 milatsaha hihaino fampianarana vidina vola be,

fa hahazo volamena be ianareo amin’ny fananana izany.

29 Aoka hifaly amin’ny famindram-pon’ny Tompo ny fanahinareo,

ary aza menatra amin’ny fiderana Azy.

30 Tanteraho alohan’ny fotoana ny asanareo,

dia homeny valisoa ianareo amin’ny fotoany.