Categories
Eksaody

Eksaody 1

Fitomboan’ny Hebrio tany Ejipta

1 Izao no anaran’ny zanak’i Israely tonga tany Ejipta; tonga niaraka tamin’i Jakôba izy ireo samy nombam-pianakaviany avy:

2 Robena, Simeôna, Levỳ, Jodà.

3 Isakara, Zabolôna, Benjamina,

4 Dana, Neftalì, Gada ary Asera.

5 Fitopolo izy rehetra terak’i Jakôba; ary i Josefa efa tany Ejipta.

6 Ary maty i Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’ireo taranaka rehetra ireo.

7 Maro anaka sy nitombo fatratra ny zanak’i Israely, ka tonga maro be sy nahery tokoa ary nanenika ny tany.

Fampahoriana ny Hebrio.

8 Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an’i Josefa, nanjaka tamin’i Ejipta.

9 Hoy izy tamin’ny vahoakany: «Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto, ny zanak’i Israely.

10 Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy dia hivoaka hiala amin’ny tany.»

11 Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.

12 Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.

13 Nampiasain’ny Ejiptianina an-tery vozona ny zanak’i Israely,

14 nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.

15 Ary ny mpanjakan’i Ejipta niteny tamin’ireo mpampivelona ny Hebrio, atao hoe Seforà ny iray, ary Foà ny iray,

16 ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio ianareo ka hitanareo eo amin’ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona.»

17 Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy.

18 Dia nampiantsoin’ny mpanjakan’i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: «Nahoana ianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy?»

19 Fa hoy ny navalin’ny mpampivelona tamin’i Faraôna: «Tsy mba tahaka ny Ejiptianina anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia efa teraka izy.»

20 Koa ny mpampivelona nasian’Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.

21 Nambinin’Andriamanitrany fianakavian’ny mpampivelona noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.

22 Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»

Categories
Eksaody

Eksaody 2

Ny nahaterahan’i Môizy.

1 Nisy lehilahy anankiray, fokon’i Levỳ, lasa naka ho vadiny ny zanaka vavin’i Levỳ anankiray.

2 Ary tonga bevohoka ravehivavy dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana.

3 Nony efa tsy azony nafenina intsony dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy dinti-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony.

4 Ary ny anabavin’ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny, mba hahita izay hihatra aminy.

5 Dia nidina handro eo amin’ny ony ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony teny ny zazavavy namany. Rehefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain’ilay ankizy vaviny.

6 Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy dia nanao hoe: «Zanaky ny Hebrio itony.»

7 Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe: «Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zanany io?»

8 «Mandehana,» hoy ity zanaka vavin’i Faraôna. Dia lasa razazavavy naka ny renin’ny zaza.

9 Ary hoy ny zanaka vavin’i Faraôna taminy: «Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy, fa omeko anao ny karamanao.» Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

10 Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin’ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Môizy, fa «teo amin’ny rano no nanalako azy», hoy izy.

Ny nandosiran’i Môizy tany Madiàna

11 Tamin’izany andro izany efa lehibe i Môizy, ka nivoaka nankany amin’ny rahalahiny; nahita ny asa mafy nataony izy, ary nisy Ejiptianina anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin’ireo rahalahiny.

12 Niherikerika nijery izy aloha, ka nony fantany fa tsy nisy olona teny, dia novonoiny ilay Ejiptianina ka nafeniny tao anaty fasika.

13 Ny ampitson’izay andro izay, nivoaka izy, ka indro fa nifanditra ny Hebrio roa lahy, ary hoy izy tamin’ilay diso hoe: «Ahoana no ikapohanao ny namanao?»

14 Fa hoy ny navalin-dralehilahy: «Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejiptianina?» Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy: «Misy mahalala tokoa ilay zavatra.»

15 Nony ren’i Faraôna ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina i Môizy, saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy, ka nankany amin’ny tany Madiàna, dia nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana.

16 Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.

17 Kanjo tonga ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana kosa i Môizy niaro azy sy nampisotro rano ny biby fiompiny.

18 Nony tafaverina tany amin-dRagoela rainy izy ireo, dia hoy izy: «Nahoana no nalaky tafaverina ianareo androany?»

19 Ka hoy ny navaliny: «Nisy Ejiptianina anankiray niaro anay tamin’ny tanan’ny mpiandry ondry, sy nanovo rano ho anay aza sady nampisotro ny biby fiompy.»

20 Dia hoy izy tamin’ireo zanany vavy: «Aiza izy izany? Nahoana no avelanareo any izany lehilahy izany? Antsoy izy hihinan-kanina.»

21 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy i Môizy ka nomen’io ho vadiny i Sefôrà zanany vavy.

22 Tera-dahy i Sefôrà ka nataon’i Môizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho.»

23 Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.

24 Koa nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany; tsaroany ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.

25 Nijery ny zanak’i Israely Andriamanitra ka nahafantatra azy.

Categories
Eksaody

Eksaody 3

Ny ala kely nirehitra

1 Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.

2 Ny Anjelin’i Iavehniseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo. Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo.

3 Ka hoy i Môizy: «Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.»

4 Hitan’i Iaveh fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: «Ry Môizy! ry Môizy!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»

5 Dia hoy Andriamanitra: «Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.»

6 Ary hoy koa izy: «Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.» Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.

Ny nanirahina an’i Môizy.

7 Ary hoy i Iaveh hoe: «Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany.

8 Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.

9 Ary ankehitriny dia indro fa tafasondrotra hatrany amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely, ary efa hitako ny fahoriany atambesatry ny Ejiptianina amin’izy ireo.

10 Koa handeha ianao amin’izao, irahiko any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.»

11 Fa hoy i Môizy tamin’i Andriamanitra: «Inona moa aho no hankany amin’i Faraôna sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?»

12 Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»

Ny nanambaràna ny Anaran’Andriamanitra.

13 Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: «Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atỳ aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?»

14 Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»

15 Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.»

Hafatrafatra amin’ny anirahana an’i Môizy.

16 «Mandehana, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe: Namangy anareo Aho, ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta.

17 Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay amoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.

18 Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta ka hanao aminy hoe: Niseho taminay i Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin’izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray.

19 Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy amin’ny tanana mahery;

20 nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta, amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha ianareo rehefa afaka izany.»

Ny nanendahana ny Ejiptianina

21 «Hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity, hany ka tsy hitondra tanam-polo ianareo, rehefa handeha.

22 Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin’izay mifanolo-bodirindrina aminy sy amin’izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin’ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an’i Ejipta ianareo.»

Categories
Eksaody

Eksaody 4

Hasin’ny famantarana nomena an’i Môizy.

1 Fa namaly i Môizy ka nanao hoe: «Tsy hino ahy izy ireo na hihaino ny feoko akory, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao i Iaveh.»

2 Ka hoy i Iaveh taminy: «Inona iny an-tananao iny?» Dia hoy ny navaliny: «Tehina ity.»

3 Ary hoy i Iaveh: «Atsipazo amin’ny tany iny.» Dia natsipiny tamin’ny tany, ka nanjary bibilava; ka vaky nandositra azy i Môizy.

4 Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Arosoy ny tananao, ka raiso amin’ny rambony.»

5 Narosony ny tanany dia nandray azy izy ka nanjary tehina indray io teo an-tanany.

6 «Izany no hinoany fa niseho taminao i Iaveh Andriamanitry ny razan’izy ireo, dia Andriamanitr’i Jakôba.»

Ary hoy koa i Iaveh taminy: «Atsofohy ao amin’ny tratranao ny tananao.» Dia natsofony tao amin’ny tratrany ny tanany dia notsoahany avy eo, ka indro rakotry ny habokana hoatra ny oram-panala.

7 Ary hoy i Iaveh: «Atsofohy ao amin’ny tratranao indray ny tananao»; ary natsofony tao amin’ny tratrany indray ny tanany, dia notsoahany avy ao, dia indro, nanjary sahala amin’ny nofony.

8 «Raha tsy mino anao izy fa tsy mihaino ny feon’ny famantarana voalohany, dia hino ny feon’ny famantarana faharoa.

9 Ary raha tsy mino amin’ireo famantarana roa ireo aza izy, ka tsy mihaino ny feonao, dia haka rano eo amin’ny ony ianao, hanosaka azy amin’ny tany, fa io rano nalainao teo amin’ny ony io hanjary ra eo amin’ny tany.»

I Aarôna mpandika tenin’i Môizy.

10 Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin’ny omaly sy afak’omalyno toy izany aho, ary na dia hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza, miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.»

11 Fa hoy i Iaveh taminy: «Iza moa no nanao ny vavan’ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? Tsy Izaho Iaveh va?

12 Koa andeha, fa homba ny vavanao Aho ary hanoro izay holazainao.»

13 Hoy anefa i Môizy: «Indrisy! ry Tompo, ampitondray izay tianao hampitondraina azy re ny teninao.»

14 Dia nirehitra tamin’i Môizy ny fahatezeran’i Iaveh, ka hoy izy: «Tsy eo va i Aarôna rahalahinao, ilay levita? Fantatro fa tsy hananosarotra izy raha hiteny. Ary indro tamy hitsena anao aza izy, ka ho faly ny fony rehefa mahita anao.

15 Hiteny aminy ianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo.

16 Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao; ho solom-bavanao izy, ary ianao kosa ho solon’Andriamanitra aminy.

17 Ary iny tehina iny, dia ento eny an-tananao, fa iny no hanaovanao ny famantarana.»

Niverina any Ejipta i Môizy dia lasa nankany Madiàna.

18 Dia lasa i Môizy. Nony tafaverina tany amin’i Jetrô rafozany izy, dia hoy izy taminy: «Masìna ianao, avelao kely aho hiverina any amin’ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy.» Ary hoy i Jetrô tamin’i Môizy: «Mandehana amim-piadanana.»

19 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy, tany amin’ny tany Madiàna; «Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao.»

20 Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra.

21 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.

22 Ianao hilaza amin’i Faraôna hoe: Izao no lazain’i Iaveh: I Israely dia zanako, zanako lahy matoa.

23 Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.»

Noforàna ny zanak’i Môizy.

24 Teny an-dalana, teo amin’ny toerana anankiray nandrian’i Môizy, tamy nitsena azy i Iaveh, nitady hahafaty azy.

25 Fa nalain’i Sefôrà ny fiharatra vato ka noforàny ny zanany lahy, dia nakasiny ny tongotr’i Môizy ny nesoriny teo, nataony hoe: «Vady tamin-dra ianao.»

26 Dia tsy naninona azy i Iaveh. Tamin’izay no nilazan-dravehivavy hoe: «Vady tamin-dra noho ny famorana.»

Fihaonana amin’i Aarôna.

27 Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.

28 Nampahalalain’i Môizy an’i Aarôna avokoa ny teny nampitondrain’i Iaveh azy, sy ny famantarana rehetra nodidiany hataony.

29 Dia notohizan’i Môizy sy i Aarôna ny diany, ka namory ny loholona rehetra amin’ny zanak’i Israely izy.

30 Ary nambaran’i Aarôna avokoa ny teny nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy, sady nataony teo imason’ny vahoaka ny famantarana;

31 ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak’i Israely i Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.

Categories
Eksaody

Eksaody 5

Fihaonana voalohany amin’i Faraôna.

1 Raha efa izany, lasa nankao amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety any an’efitra.»

2 Fa hoy ny navalin’i Faraôna: «Iza moa i Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an’i Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy avelako handeha i Israely.»

3 Dia hoy izy roa lahy: «Ny Andriamanitry ny Hebrio no niseho taminay, ka avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh, mba tsy hamely anay amin’ny pesta na amin’ny sabatra Izy.»

4 Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta tamin’izy ireo: «Nahoana ianareo, ry Môizy sy Aarôna, no mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin’ny fanompoanareo.»

5 Dia hoy i Faraôna: «Indro efa be izao ny vahoaka eto amin’ny tany, ka hotadiavinareo hatsahatra ve ny fanompoany?»

Baiko nomena ny mpampiasa ny vahoaka.

6 Androtr’izay ihany dia nomen’i Faraôna teny ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratranataony hoe:

7 «Aza omena mololohanaovam-biriky toy izay lasa izay intsony ny vahoaka, fa aoka ny tenan’izy ireo no handeha hanangona mololo.

8 Nefa ny biriky izay ampanaovinareo azy dia hitovy isa amin’ny nataony teo aloha, tsy hanalanareo na iray aza, fa kamo foana izy, ka izay no imenomenonany hoe: ‹Maniry te-handeha hanao sorona amin’ny Andriamanitray izahay.›

9 Ka ataovy matin-draharaha izany olona izany, ataovy mikikitra amin’ny asa, ary aoka izy tsy hihaino intsony izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao.»

10 Dia tonga ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra, ka nilaza tamin’ny vahoaka hoe: «Izao no lazain’i Faraôna: Tsy hanome mololo anareo intsony aho,

11 fa ianareo no mandeha mitady mololo any amin’izay hahitanareo any; ary ny raharaha fanaonareo tsy handatsahana na dia kely aza.»

12 Dia niely eran’ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo.

13 Noporitin’ny mpampiasa nataony hoe: «Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan’andro tahaka ny fony nanana mololo ianareo.»

14 Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak’i Israely, izay notendren’ny mpampiasan’i Faraôna hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: «Nahoana ianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha?»

Fitarainan’ny mpanoratra Hebrio.

15 Koa lasa nitaraina tany amin’i Faraôna ny mpanoratry ny zanak’i Israely nanao hoe: «Nahoana ianao no dia manao toy izany amin’ny mpanomponao?

16 Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin’izany.»

17 Fa hoy kosa i Faraôna: «Olona kamo ianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh izahay.

18 Ka mandehana miasa amin’izao tsy omena mololo ianareo; ary ny isan’ny biriky hatolotrareo dia tsy ovana akory.»

Menomenon’ny vahoaka. Vavak’i Môizy.

19 Hitan’ny mpanoratry ny zanak’i Israely fa efa mandry andriran’antsy izy, fa ilazana hoe: «Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan’andro dia ho latasy toraky ny fanao isan’andro ihany.»

20 Ary izy nahita an’i Môizy sy i Aarôna, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin’i Faraôna,

21 ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»

22 Niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy tamin’izay, ka nanao hoe: «Tompo ô! nahoana Ianao no dia nampidi-doza tamin’ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao?

23 Fa hatrizay nankanesako tany amin’i Faraôna hiteny amin’ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa ianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory.»

Categories
Eksaody

Eksaody 6

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»

Filazana fanindroany ny niantsoana an’i Môizy

2 Niteny tamin’i Môizy Andriamanitra nanao hoe: «Izaho no Iaveh.

3 Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.

4 Efa nanao fanekem-pihavanana taminy koa Aho mba hanomezako azy ireo ny tany Kanaana, izay tany nivahinianany sy nitoerany ho mpivahiny.

5 Nandre ny fitarainan’ny zanak’i Israely izay andevozin’ny Ejiptianina Aho, ka nahatsiaro ny fanekeko.

6 Koa lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Izaho no Iaveh; hanafaka anareo amin’ny fanompoana ny Ejiptianina Aho; hamonjy anareo amin’ny fanandevozan’izy ireo; ary sandry mihenjana sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.

7 Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.

8 Hampidiriko any amin’ny tany efa nianianako homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ianareo, homeko ho fanananareo izany: Izaho no Iaveh.»

9 Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany. Nefa tsy nihaino an’i Môizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana.

10 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

11 «Mandehana ianao miteny amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba handefasany ny zanak’i Israely ho any ivelan’ny taniny.»

12 Fa hoy i Môizy namaly teo anatrehan’i Iaveh hoe: «Ny zanak’i Israely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’i Faraôna ahy izay votsa vava ity?»

13 Dia niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ary nanafatra azy ny amin’ny zanak’i Israely, sy ny amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak’i Israely, hiala amin’ny tany Ejipta.

14 Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.

15 Zanaka lahin’i Simeôna: i Jamoela, i Jamina, i Ahoda, i Jasîna, i Soara, ary i Saola, zanaka lahin’ilay vehivavy Kananeanina. Ireo no fianakavian’i Simeôna.

16 Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Levỳ, mbamin’ny taranany avy: Jersôna, Kaata ary Merarỳ. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Levỳ.

17 Zanak’i Jersôna: i Lobnì sy i Semeì isam-pianakaviany.

18 Zanak’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Kaata.

19 Zanakalahin’i Merarỳ: i Moholì sy i Mosỳ. Ireo no fianakavian’i Levỳ mbamin’ny taranany avy.

20 I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.

21 Zanaka lahin’Isaara: i Kôre, i Nefaga ary i Zekri.

22 Zanaka lahin’i Oziela: i Misaely, i Elisafàna ary i Setrỳ.

23 I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.

24 Zanaka lahin’i Kôre: i Asera, i Elkanà ary i Abiasafa. Ireo no fianakavian’i Kôrita.

25 I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy.

Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.

26 Ireo no ilay Aarôna sy ilay Môizy, izay nilazan’i Iaveh hoe: «Ento mivoaka hiala amin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely, araka ny antokony avy.»

27 Ireo no teniny tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Môizy io sy io Aarôna io.

Famintinana ny fiantsoana an’i Môizy.

28 Raha niteny tamin’i Môizy i Iaveh tany amin’ny tany Ejipta,

29 dia izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy: «Izaho no Iaveh: Lazao amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.»

30 Ary izao no navalin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh: «Indro fa votsa fiteny aho, ka ahoana ange no hihainoan’i Faraôna ahy?»

Categories
Eksaody

Eksaody 7

1 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro ianao efa nataoko ho andriamanitra eo imason’i Faraôna, ary i Aarôna rahalahinao no ho mpaminaninao.

2 Ianao moa hilaza izay rehetra hiandidiako anao; i Aarôna rahalahinao kosa, hiteny amin’i Faraôna mba handefany ny zanak’i Israely hiala amin’ny taniny.

3 Ary Izaho hanamafy ny fon’i Faraôna, sy hampitombo ny famantarako amam-pahagagako amin’ny tany Ejipta.

4 Tsy hihaino anareo i Faraôna, ary haninjitra ny tanako amin’i EjiptaAho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin’ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak’i Israely.

5 Ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no Iaveh, rehefa haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho sy hamoaka ny zanak’i Israely avy eo afovoan’izy ireo.»

6 Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy; izany no nataony.

7 Efa valopolo taona i Môizy ary telo amby valopolo taona i Aarôna, tamin’izy ireo niteny tamin’i Faraôna.

Ny tehina nanjary bibilava

8 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna:

9 «Raha avy izay hilazan’i Faraôna aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan’i Faraôna, fa hanjary bibilava iny.»

10 Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava.

11 Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany.

12 Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.

13 Ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh rahateo.

1. Ny rano nanjary ra

14 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Efa nihamafy ny fon’i Faraôna ka mandà tsy handefa ny vahoaka.

15 Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-dranoizy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava,

16 ary ianao hilaza aminy hoe: ‹Avelao handeha ny vahoakako, hanompo Ahy any an’efitra. Ary indro fa mandrak’izao dia tsy nety nihaino ianao.

17 Ka izao no lazain’i Iaveh: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Iaveh: hotapahiko amin’ity tehina an-tanako ity ny rano eo amin’ny ony, dia ho voaova ho ra;

18 ka ny hazandrano ao anaty ony ho faty, ny ony hanjary maimbo; ary ny Ejiptianina harikoriko tsy te hisotro ny rano eo an’ony.› »

19 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»

20 Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy. Naingaingan’i Aarôna ny tehina, nokapohiny teo anatrehan’i Faraôna sy ny mpanompony ny rano tamin’ny ony, ka nanjary ra avokoa ny rano rehetra tamin’ny ony;

21 Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo.

22 Nahavita torak’izany tamin’ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin’i Ejipta, ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny voalazan’i Iaveh rahateo.

23 Dia nody i Faraôna ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony.

24 Ary ny Ejiptianina rehetra nihady lavaka teny akaikin’ny ony hahitany rano azo nosotroina, fa tsy azony nosotroina ny rano tamin’ny ony.

25 Lasa ny andro fito taorian’ny namelezan’i Iaveh ny ony.

2. Ny sahona

26 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna, lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompo Ahy.

27 Fa raha mandà tsy handefa azy ianao, hataoko hidiran-doza, avy amin’ny sahona ny taninao manontolo.»

28 «Ho hipoka sahona ny ony, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambony farafaranao, ao an-tranon’ny mpanomponao, eny amin’ny vahoakanao, amin’ny lafaoronao, ary amin’ny fanditian-dafarinanao.

29 Hiakaran’ny sahona avokoa ianao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra.»

Categories
Eksaody

Eksaody 8

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Ahinjiro eo ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tananao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin’ny tany Ejipta ny sahona.»

2 Dia nahinjitr’i Aarôna tambonin’ny rano any Ejipta, ny tanany, ka niakatra nanenika ny tany Ejipta ny sahona.

3 Nanao torak’izany koa anefa ny mpanao ody tamin’ny fankatoavany, ka nampiakatra ny sahona ho eo amin’ny tany Ejipta izy ireo.

4 Ary i Faraôna nampaka an’i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mangataha amin’i Iaveh mba hanesorany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako, fa halefako mandeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin’i Iaveh.»

5 Ka hoy i Môizy tamin’i Faraôna: «Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin’ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an’ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalaviran’i Iaveh ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin’ny ony ihany.» Dia hoy izy:

6 «Ho amin’ny ampitso.» Dia hoy i Môizy: «Aoka, fa ho tanteraka izany, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’i Iaveh, Andriamanitray.

7 Hiala aminao sy ny tranonao ny sahona ary amin’ny mpanomponao sy amin’ny vahoakanao, tsy hisy tavela intsony, afa-tsy ny any amin’ny ony ihany.»

8 Nivoaka avy ao amin’i Faraôna i Môizy sy Aarôna; ary i Môizy nitaraina tamin’i Iaveh ny amin’ny sahona namely an’i Faraôna.

9 Ka notanterahin’i Iaveh ny hatak’i Môizy, fa maty avokoa ny sahona tany an-trano, sy teny an-tokotany, ary tany an-tsaha.

10 Natangongo tamin’ny toerana maro ireny, ary maimbo ny tany.

11 Nony hitan’i Faraôna anefa fa tsy nisy hiainana dia nohamafisiny ny fony, ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.

3. Ny moka

12 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao an’i Aarôna hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, fa hanjary moka eran’ny tany Ejipta ireny.»

13 Dia nataon’izy ireo izany. Nahinjitr’i Aarôna ny tanany mbamin’ny tehiny, ka nokapohiny ny vovo-tany, dia mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka. Nanjary moka avokoa ny vovo-tany eran’ny tany Ejipta.

14 Nanao toy izany tamin’ny fankatoavany ihany koa ny mpanao ody mba hahatonga moka, fa tsy nahavita izany izy. Mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka.

15 Ka hoy ny mpanao ody tamin’i Faraôna: Rantsan-tanan’Andriamanitra izany. Ary nihamafy anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino azy ireo Izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.

4. Ny lali-be

16 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan’i Faraôna amin’ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy.

17 Fa raha tsy alefanao handeha ny vahoakako, indro Aho handefa lali-be hamely anao, hamely ny mpanomponao, hamely ny vahoakanao, ary hamely ny tranonao. Ho heraka lali-be ny tranon’ny Ejiptianina mbamin’ny tany onenany.

18 Amin’io andro io anefa havahako ny tany Genesa onenan’ny vahoakako, fa tsy mba hisy lali-be ny ao, mba hahafantaranao fa ao afovoan’io tany io Izaho Iaveh.

19 Hasiako fiavahana ny vahoakako sy ny vahoakanao; ary rahampitso no hisian’izany famantarana izany.»

20 Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo.

21 Nampanalain’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo manolotra sorona amin’ny Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity.»

22 Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?

23 Fa handeha lalan-kateloana any an’efitra izahay no hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.»

24 Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.»

25 Ary hoy i Môizy: «Indro hivoaka ato aminao Aho, dia hangataka amin’i Iaveh, ka rahampitso ny lali-be dia hiala amin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa i Faraôna tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh.»

26 Vao niala avy ao amin’i Faraôna i Môizy, dia nivavaka tamin’i Iaveh;

27 ary notanterahin’i Iaveh ny tenin’i Môizy ka dia niala tamin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lali-be ka tsy nisy tavela, na dia iray aza.

28 Nefa mbola nanamafy ny fony ihany indray i Faraôna tamin’izany, ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.

Categories
Eksaody

Eksaody 9

5. Biby ripaky ny aretina

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso hanompo Ahy ny vahoakako.

2 Fa raha mandà tsy handefa azy ianao sy mbola mitana azy ihany,

3 dia indro ny tanan’i Iaveh hamely ny biby fiompinao izay any an-tsaha, na soavaly, na ampondra, na rameva, na omby aman’ondry, dia areti-mifindra mandripaka tokoa.

4 Hasian’i Iaveh fiavahana ny bibin’i Israely sy ny bibin’ny Ejiptianina: fa ny an’ny zanak’i Israely rehetra tsy hisy maty, na dia iray aza.

5 Noferan’i Iaveh ny fotoana nataony hoe: Rahampitso no hanaovan’i Iaveh izany amin’ny tany.»

6 Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza.

7 Nampamototra i Faraôna ka tsy nisy maty tokoa ny bibin’ny zanak’i Israely, na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.

6. Ny vay

8 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Mandraofa ianareo lavenona eran’ny tananareo, eo amin’ny lafaoro lehibe, dia hataon’i Môizy savoan-danitra eo imason’i Faraôna izany,

9 fa hitora-jofo eran’i Ejipta izany, ka ho tonga boiboika mipoipoitra ho vayamin’ny olona sy ny biby eran’ny tany Ejipta.»

10 Koa nandraoka lavenona tao amin’ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan’i Faraôna, ary nataon’i Môizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin’ny olona sy ny biby.

11 Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Môizy ny mpanao ody azon’ny vay; fa voan’ny vay ny mpanao ody sahala amin’ny Ejipsiana rehetra koa.

12 Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy.

13 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ianao ka tongava any amin’i Faraôna, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso handeha hanompo Ahy ny vahoakako.

14 Fa amin’izao Aho vao handefa ny loza rehetra hampahory ny fonao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin’ny tany rehetra.

15 Raha izay Aho no efa naninjitra ny tanako namely anao tamin’ny pesta, ianao sy ny vahoakanao, dia efa fongotra amin’ny tany ianao toy izay.

16 Fa ny antony namelako anao haharitra toy izay, dia ny mba hahitanao ny fahefako, ary mba hanehoehoan’ny Anarako amin’ny tany rehetra.

17 Ka indro ianao mbola mitsivalan-kisakana ny vahoakako fa tsy mandefa azy.

18 Ary indro rahampitso toy izao dia handatsaka havandra be dia be Aho, ka tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatrizay naha-Ejipta an’i Ejipta, ka mandrak’ankehitriny.

19 Ary izao dia asaovy hampidirinaizay biby amam-panananao rehetra any an-tsaha; fa izay olona na biby rehetra tavela any an-tsaha fa tsy tafiditra tao an-trano dia hasian’ny havandra ka ho ringana.»

20 Ka izay natahotra ny tenin’i Iaveh, teo amin’ny mpanompon’i Faraôna, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin’ny bibiny.

21 Fa izay tsy nandinika tao am-pony ny tenin’i Iaveh kosa, namela ny mpanompony mbamin’ny bibiny tany an-tsaha.

22 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hilatsahan’ny havandra eran’ny tany Ejipta rehetra, amin’ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha.»

23 Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan’i Iaveh ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin’ny tany ny afo. Ary i Iaveh nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.

24 Havandra no nilatsaka ary afo miharo amin’ny havandra, sady loza ny heriny, fa tsy mbola nisy toy izany tany Ejipta, hatrizay naha-firenena azy.

25 Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.

26 Tsy nisy afa-tsy ny tany Genesa, izay nisy ny zanak’i Israely ihany, no tsy nilatsahan’ny havandra.

27 Nampiantso an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: «Nanota aho tamin’ity indray maka ity; i Iaveh no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.

28 Mangataha re amin’i Iaveh mba hitsahatra ny kotrok’orana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo; tsy hisy hitana anareo intsony tokoa.»

29 Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.

30 Fantatro anefa fa mbola tsy hatahotra an’i Iaveh Andriamanitra akory ianao sy ny mpanomponao.»

31 Ny rongony sy ny orja no levona; fa ny orja moa efa niteraka, ny rongony efa namony.

32 Ny varimbazaha sy nyépeautreanefa tsy naninona; afafy aoriana ireo.

33 Niala avy ao amin’i Faraôna ary nivoaka ny tanàna i Môizy, dia nanandratra ny tanany tany amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin’ny tany intsony.

34 Fa i Faraôna kosa rehefa nahita fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrok’orana, dia mbola nanohy ny fahotany indray.

35 Nihadonto ny fon’izy sy ny mpanompony. Nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny zanak’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy.

Categories
Eksaody

Eksaody 10

8. Valala

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa any amin’i Faraôna, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon’ny mpanompony Aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany,

2 mba hotantarainao amin’ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin’izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»

3 Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo Ahy.

4 Fa raha mandà tsy handefa ny vahoakako ianao, indro Aho handefa valala hanenika ny taninao rehetra, rahampitso.

5 Ho rakotra azy ny tany, tsy ho hita hirangirana ny tany; holevoniny avokoa ny sisa tsy voa izay navelan’ny havandra ho anareo; hohaniny daholo ny hazo maniry eny an-tsaha,

6 ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy tranon’ny mpanomponao, ary ny an’ny Ejiptianina rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tetỳ ambonin’ny tany, ka mandrak’ankehitriny.» Dia lasa Môizy, ka niala teo amin’i Faraôna.

7 Ka hoy ny mpanompon’i Faraôna taminy: «Mandra-pahoviana no ho fandrika ho antsika ralehilahy iny? Alefaso handeha ireo olona ireo, hanompoany an’i Iaveh Andriamaniny. Tsy mbola hitanao ve fa efa ho levona ity i Ejipta?»

8 Dia nasaina niverina ho eo amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, ka hoy izy taminy: «Mandehana àry, manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo. Iza avy moa no tsy maintsy mankany?»

9 Ary hoy ny navalin’i Môizy: «Hankany avokoa izahay omban’ny ankizy sy ny anti-dahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an’i Iaveh izany ho anay.»

10 Fa hoy i Faraôna tamin’izy ireo: «Homba anareo anie i Iaveh, araka ny hamelako anareo handeha, dia ianareo sy ny zanakareo. Tandremo fa manan-kevi-dratsy ianareo!

11 Tsia, ianareo lehilahy no mandehana ka manompoa an’i Iaveh, fa izany ihany no angatahinareo.» Dia noroahina hiala teo anatrehan’i Faraôna izy ireo.

12 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao ny amin’ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin’ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra.»

13 Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ka nandefa rivotra avy any atsinanana i Iaveh hifofofofo amin’ny tany iny tontolo andro iny, sy iny tontolo alina iny. Nony maraina, indro, tongan’ny rivotra avy any atsinanana ny valala.

14 Niakatra amin’ny tany Ejipta ny valala dia nipetraka tamin’ny faritanin’i Ejipta manontolo. Loza ny habetsahany, fa tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy intsony koa ny toy izany.

15 Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon’ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin’ny tany, mbamin’ny voan’ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin’ny hazo sy tamin’ny ahitra any an-tsaha eran’ny tany Ejipta tontolo.

16 Koa nampanalain’i Faraôna faingana i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitrareo sy taminareo aho.

17 Nefa mbola avelao re ny fahotako, fa ity indray mandeha ity ihany. Mangataha amin’i Iaveh Andriamanitrareo mba hanafahany ahy ahay, amin’ity loza mahafaty ity.»

18 Niala avy ao amin’i Faraôna i Môizy, dia nangataka tamin’i Iaveh,

19 ka rivotra avy any andrefana kosa indray no nampifofofofoin’i Iaveh mafy ka nipaoka ny valala, sy namarina azy amin’ny ranomasina Mena; ary tsy nisy tafajanona ny valala, na dia tapikany iray aza, tany Ejipta tontolo.

20 Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nalefan’i Faraôna nandeha ny zanak’i Israely.

9. Haizina

21 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hisian’ny haizim-pito amin’ny tany Ejipta, sady haizina azo tsapain-tanana.»

22 Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tanany, ka nisy haizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana.

23 Tsy nifankahita izy ireo ary tsy nisy niainga niala tamin’ny toerana nisy azy nandritra ny hateloana; fa ny zanak’i Israely kosa nahazo mazava teo amin’izay toerana nonenany.

24 Koa nampaka an’i Môizy i Faraôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo, manompoa an’i Iaveh, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.»

25 Fa hoy i Môizy: «Tsy maintsy atolotrao eo an-tananay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin’i Iaveh Andriamanitray.

26 Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin’ireo no hangalanay hoenti-manompo an’i Iaveh Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an’i Iaveh, raha tsy efa tonga any.»

27 Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna, ka tsy nety nandefa azy ireo i Faraôna.

28 Fa hoy i Faraôna tamin’i Môizy: «Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga atỳ anatrehako atỳ intsony, fa izay andro hitranganao atỳ anatrehako dia ho faty ianao.»

29 «Voalazanao, hoy i Môizy, tsy hitranga atỳ anatrehanao intsony tokoa aho.»