Categories
Estera Grika

Estera Grika 1

1. I ASOEROSY SY I VASTI

Fanasana nataon’i Asoerosy

1 Tamin’ny andron’i Asoerosy, ilay Asoerosy nanjaka hatrany India ka hatrany Etiôpia, tamin’ny faritany 127,

2 raha ilay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany iny i Asoerosy mpanjaka, tao Sosa, renivohiny,

3 dia nanao fanasana ho an’ny andriandahy ama-mpandraharahany rehetra, tamin’ny taona fahatelo nanjakany. Tafavory teo anatrehany avokoa ny lehiben’ny foloalindahin’ny Persa sy ny Meda, ny lehibe sy governora isam-paritany:

4 ary tamin’izay no nanamparany teo anatrehany ny voninahitry ny fanjakany tapitra ohatra sy ny famirapiratry ny fahalehibeazany kanto loatra, nandritra ny andro maro be, dia 180 andro.

5 Nony tapitra ireo andro ireo, nanao fanasana naharitra hafitoana ny mpanjaka, tao an-kianjan’ny zaridainan’ny tranon’ny mpanjaka, ho an’ny vahoaka rehetra, izay tao Sosa renivohiny, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

6 Nisy lamba temitra fotsy sy maitso ary manga teo, nifehy teo amin’ny masom-bolafotsy amin’ny kofehy rongony fotsy sy jaky tamin’ny andry marbra; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo amin’ny lampivato pôrfira, marbra fotsy, hara, ary marbra mainty.

7 Kapoaka volamena samihafa endrika, no nampisotroana ny olona, ary be ny divai-mpanjaka naroso, fa nalala-tanana ny mpanjaka.

8 Araka ny didy dia samy nisotro tsy nisy nanery ny olona, satria raha ny nandidian’ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony, dia izay sitrapon’ny olona nasaina tsirairay avy no hafahina.

Raharaha momba an’i Vastì

9 I Vastì, mpanjakavavy koa, nanao fanasana ho an’ny vehivavy, tao amin’ny tranom-panjakàn’i Asoerosy mpanjaka.

10 Tamin’ny andro fahafito, raha ilay faly azon’ny divay iny ny fon’ny mpanjaka, dia nomeny teny izy fito lahy oenòka, i Maomàna, i Bazatà, i Harbônà, i Bagatà, i Abgatà, i Zetara ary i Karkasa, izay nanompo teo anatrehan’i Asoerosy,

11 hitondra an’i Vastì, mpanjaka vavy voasatroka diadema, ho eo anatrehany mba haneho ny hatsarany amin’ny vahoaka sy ny lehibe, fa tsara tarehy izy.

12 Nolavin’i Vastì mpanjakavavy anefany manaiky ny tenin’ny mpanjaka nentin’ny eonòka, ka tezitra mafy sy nirehi-pahatezerana ny mpanjaka.

13 Dia niteny tamin’ireo olon-kendry izay manam-pahaizana ny andro ny mpanjaka, fa toy izany no fanaovana ny raharahan’ny mpanjaka teo anatrehan’izay rehetra mahalala ny lalàna sy ny rariny.

14 Ary ny nanakaiky azy indrindra, dia izy fito lahy andriandahin’i Persa sy i Media, i Kasena, i Setara, i Admatà, i Tarsisa, i Maresa, i Marsanà ary i Mamokàna, izay nahita ny tavan’ny mpanjaka, sy nitana ny laharana voalohany teo amin’ny fanjakana.

15 «Lalàna inona, hoy izy, no hahatra amin’i Vastì mpanjakavavy, noho ny tsy nanekeny ny didin’i Asoerosy mpanjaka izay nomeny azy tamin’ny alalan’ny eonòka?»

16 Dia izao no navalin’i Mamokàna teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny andriandahy: «Tsy tamin’ny mpanjaka ihany no nanao ratsy i Vastì mpanjakavavy, fa tamin’ny andriandahy rehetra, mbamin’ny vahoaka rehetra, izay eny amin’ny faritanin’Asoerosy mpanjaka rehetra koa.

17 Fa ho fantatry ny vehivavy rehetra izao nataon’ny mpanjakavavy izao, ka hahatonga azy haniratsira ny vadiny isany, hanao hoe: ‹I Asoerosy mpanjaka nandidy ny hitondra an’i Vastì mpanjakavavy ho eo anatrehany, nefa tsy nankeo izy.›

18 Ka hatramin’izao anio izao ihany, ny andriambavin’i Persa sy i Media handre izao nataon’ny mpanjakavavy izao, dia hilaza azy amin’ny andriandahin’ny mpanjaka rehetra, ka ho faniratsirana aman-katezerana be no hitranga.

19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hisy didim-panjakana, haely hatraiza hatraiza amin’ny anarany, sady hosoratana ao amin’ny lalàn’ny Persa sy ny Meda, tsy ho azo dikaina, milaza fa tsy hiseho eo anatrehan’i Asoerosy mpanjaka intsony i Vastì mpanjakavavy, ary ny voninahitra hoe mpanjakavavy dia homen’ny mpanjaka ny vehivavy hafa tsaratsara kokoa noho izy.

20 Fa rehefa tafaely eran’ny fanjakany ny didin’ny mpanjaka, dia samy hanaja ny vadiny avy ny vehivavy rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.»

21 Sitraky ny mpanjaka sy ny andriandahy izany hevitra izany, ka dia nanao araka ny tenin’i Mamokàna ny mpanjaka.

22 Nandefa taratasy ho any amin’ny faritaniny rehetra amin’ny fanjakany, nataony araka ny soratry ny isam-paritany avy, sy araka ny fitenin’ny isam-poko avy, nilaza fa ny lehilahy rehetra no tsy maintsy lohany ao an-tranony avy, ary izay fitenin’ny fireneny avy no hitenenany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 2

2. I Mardokea SY I ESTERA

Tonga mpanjaka i Estera

1 Taorian’izany, nony nionona ny hatezeran’i Asoerosy mpanjaka, nahatsiaro an’i Vastì izy, dia ny nataony sy ny notapahina ny aminy.

2 Ary hoy ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nanao raharaha teo aminy: «Aoka hitadiavana zazavavy virjiny sy tsara tarehy ny mpanjaka;

3 ka isam-paritany rehetra eo amin’ny fanjakany dia hametrahan’ny mpanjaka manamboninahitra hiadidy ny famoriana ny zazavavy virjiny sy tsara tarehy rehetra, ho eto Sosa, renivohitra, ao amin’ny tranom-behivavy, tandreman’i Egea, eonòkan’ny mpanjaka, sy mpitandrina ny vehivavy, izay hamonona ny momba ny fiakanjoan’ireo;

4 dia izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no ho mpanjakavavy, hisolo an’i Vastì.» Sitraky ny mpanjaka izany hevitra izany ka dia nataony izany.

5 Tao Sosa renivohitra nisy Jody anankiray atao hoe Mardokea, zanak’i Jaira zanak’i Semeì zanak’i Sisa taranak’i Benjamina;

6 nentina avy any Jerosalema, anisan’ireo babo nataon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilona sesitany, niaraka tamin’i Jekôniasa mpanjakan’i Jodà.

7 Izy no nitaiza an’i Edisàizay hoe Estera, zana-drahalahin-drainy, fa tsy nanan-dray na reny intsony razazavavy. Sady bikàna no tsara tarehy razazavavy; nony maty rainy aman-dreniny, dia natsangan’i Mardokea ho zanany izy.

8 Nony efa naely ny teny aman-didin’ny mpanjaka ka efa maro ny zazavavy tafangona tao Sosa, renivohitra notandreman’i Egea, i Estera koa nalaina ho ao an-tranon’ny mpanjaka, notandreman’i Egea, mpitandrina ny vehivavy.

9 Ary nahafaly azy sy nahita fitia teo imasony razazavavy, ka novononiny faingana ny zavatra ilainy momba ny fihaingoany aman’anjara haniny, ary zazavavy fito notsongaina tao an-tranon’ny mpanjaka, no nomeny azy, ary ny efitrano tsara indrindra tao an-tranom-behivavy no nametrahany azy sy ireo zazavavy.

10 Tsy nilaza izay fireneny na firazanany i Estera, fa noraran’i Mardokea tsy hilaza izany.

11 Nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy i Mardokea, mba hahafantarany ny toe-pahasalaman’i Estera, sy izay fitondran’ny olona azy.

12 Nony avy ny anjara fotoana handehanan’ireo zazavavy ireo amin’i Asoerosy avy, rehefa tapiny ny 12 volana fanatanterahana izay voadidy hataon’ny vehivavy, dia izao kosa no zavatra alahatra atao amin’ny fotoana idiovany; ny enim-bolana nidiovany amin’ny diloilo misy mira, ary ny enim-bolana kosa amin’ny zava-manitra sy ny zavatra tsara fofona fanaon’ny vehivavy.

13 Raha nandeha amin’ny mpanjaka ny zazavavy dia nahazo alalana hitondra izay tiany avy ao an-tranom-behivavy mba ho any an-tranon’ny mpanjaka.

14 Ny hariva izy no mankao: nony ampitso maraina izy, dia mifindra ao amin’ny trano faharoa fitoeram-behivavy, tandreman’i SosaGazà, eonòkan’ny mpanjaka, mpitandrina ny vavitsindrano. Tsy miverina ao amin’ny mpanjaka intsony izy, afa-tsy raha irin’ny mpanjaka izy, ka antsoina amin’ny anarany.

15 Nony tonga ny anjaran’i Estera zanak’i Abihaila, rahalahan-drain’i Mardokea, ilay nanangana azy ho zanaka, handehanany any amin’ny mpanjaka, dia tsy mba nila na inona na inona izy, afa-tsy izay natoron’i Egea, eonòkan’ny mpanjaka, sy mpitandrina ny vehivavy; nefa izay rehetra nahita an’i Estera nankasitraka azy avokoa.

16 Tamin’ny volana fahafolo, izay volana Tebeta, taona fahafito nanjakan’i Asoerosy mpanjaka, no nentina ho ao aminy ao an-trano-mpanjaka i Estera.

17 Ary i Estera no tian’ny mpanjaka indrindra tamin’ny vehivavy rehetra, ka nahita fitia aman-tsitraka taminy, mihoatra noho ny zazavavy hafa rehetra. Nosatrohany ny diademam-panjakana ny lohany, sady nataony mpanjakavavy hisolo an’i Vastì.

18 Nanao fanasana lehibe ny mpanjaka, ho an’ny andriandahiny rehetra sy ny mpanompony, dia ny fanasan’i Estera, nanomezany fitsaharanany faritaniny, ary nanaovany fanomezana be, amin’ny fahazavam-po mendrika ny mpanjaka.

I Mardokea sy i Amàna

19 Tamin’ny famoriana zazavavy fanindroany, nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mardokea;

20 I Estera izany mbola tsy nilaza ny firazanany na ny fireneny, araka ilay efa nandidian’i Mardokea azy, ary nanaraka ny didin’i Mardokea i Estera, toy ny fony mbola notezainy ihany.

21 Tamin’izany andro izany, raha ilay nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka iny i Mardokea, nentin-katezerana i Bagatàna sy i Tareza, izy roalahy samy eonòkan’ny mpanjaka sy mpiambina ny lapa, ka nitady hamono an’i Asoerosy mpanjaka.

22 Fantatr’i Mardokea ny teti-dratsy, ka nambarany tamin’i Estera izay nilaza izany tamin’ny mpanjaka kosa, ho filazana avy amin’i Mardokea.

23 Nony nofotorana izany zavatra izany, ka hita fa marina, dia nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy eonòka ary nosoratana tamin’ny bokin’ny Tantara teo anatrehan’ny mpanjaka izany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 3

1 Tatỳ aorian’izany, nasandratr’i Asoerosy mpanjaka, laharam-boninahitra i Amànazanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, nasandrany sy napetrany amin’ny fitoerana ambony noho ny an’ny lehibe rehetra nanolotra azy izy.

2 Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Amàna avokoa ny mpanompon’ny mpanjaka izay teo am-bavahadiny, fa izany no didin’ny mpanjaka momba azy. Nefa i Mardokea tsy mba nandohalika na niankohoka,

3 ka hoy ireo mpanompon’ny mpanjaka, izay teo am-bavahadiny, tamin’i Mardokea: «Nahoana ianao no mandika ny didin’ny mpanjaka?»

4 Raha naverimberiny taminy isan’andro izany, nefa tsy nohenoiny izy ireo, dia nampandrenesiny an’i Amàna izany, hahitany raha hikiry amin’ny hevitra voakasany i Mardokea, satria efa voalazany tamin’izy ireo fa hoe Jody izy.

5 Nony hitan’i Amàna fa tsy nandohalika na niankohoka teo anatrehany i Mardokea, dia tezitra indrindra izy.

6 Nataony ho tsinontsinona aminy anefa ny maninji-tanana amin’i Mardokea irery, fa efa nilazana izay firenen’i Mardokea izy ka dia ny handringana ny firenen’i Mardokea dia ny Jody rehetra, teo amin’ny fanjakan’i Asoerosy manontolo, no notadiavin’i Amàna.

3. TANDINDOMIN-DOZA IREO JODY

Didy navoaka handripahana ny Jody

7 Tamin’ny volana voalohany izay volana Nisàna, taona faha-12 nanjakan’i Asoerosy, dia nanaovana ny Poraizany hoe loka, teo anatrehan’i Amàna, ho an’ny isan’andro sy ho an’ny isam-bolana, hatramin’ny volana faha-12, izay volana Adara.

8 Tamin’izay, hoy i Amàna tamin’i Asoerosy mpanjaka: «Ao amin’ny faritanin’ny fanjakanao rehetra dia misy vahoaka eo afovoan’ny vahoaka hafa, nefa mitokana ihany, hafa lalàna noho ny vahoaka hafa rehetra, ary tsy mba mitandrina izay lalàn’ny mpanjaka. Tsy mba mahasoa ny mpanjaka ny mamela ireny amin’izao.

9 Fa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hanoratana didy handringanana ireny, dia handanja talenta vola fotsy iray alina eo an-tanan’ny mpanao raharaha aho, halatsaka ao amin’ny rakitry ny mpanjaka.»

10 Dia noesorin’ny mpanjaka ny peratra teny an-tanany, nomeny an’i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, fahavalon’ny Jody, ka hoy izy taminy:

11 «Afoy ho anao ny vola mbamin’izany vahoaka izany, ka ataovy amin’izay itiavanareo azy.»

12 Koa tamin’ny andro faha-13n’ny folon’ny volanavoalohany, nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka, dia nanoratra araka izay rehetra nasain’i Amàna natao, ho an’ny solo-mpanjaka, ny governoran’ny isam-paritany, ny lehiben’ny isam-pirenena, natao araka ny soratry ny isam-paritany, araka ny fitenin’ny isam-pirenena, ary nosoratana tamin’ny anaran’i Asoerosy mpanjaka, sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka.

13 Nalefa nentin’ny tsimandoany taratasy any amin’ny faritanin’ny mpanjaka rehetra, mampandringana sy mampamono ary mampandripaka ny Jody rehetra, na antitra na tanora, na zaza na vehivavy, amin’ny indray andro monja, dia amin’ny andro faha-13n’ny volana faha-12, izay volana Adara, sady mampandroba ny fananany rehetra.

Jereo ny kôpian’ny didy ao amin’ny toko 13,1-7

14 Nisy kôpian’ny tenyizay tsy maintsy aely ho didy amin’ny isam-paritany, nalefa misokatra ho any amin’ny firenena rehetra, mba samy ho vonona ho amin’izany andro izany.

15 Nandeha faingana ny tsimandoa, araka ny tenin’ny mpanjaka. Ary navoaka tao Sosa, renivohitra, koa ny lalàna; ary raha nipetraka hisotro ny mpanjaka sy i Amàna, ny tanàna Sosa kosa nikorontana be ihany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 4

Tetik’i Mardokea sy i Estera hisorohana ny loza

1 Nony nandre izany zavatra nitranga izany i Mardokea dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lamba malailay, nihosin-davenona, nankany afovoan’ny tanàna, nanezaka nidradradradra mafy tamin’alahelo.

2 Ary tonga hatrany anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka, fa tsy azon’olona mitafy lamba malailay atao ny miditra ny varavaran’ny mpanjaka.

3 Tany any amin’ny faritany rehetra nahatongavan’ny teny aman-didin’ny mpanjaka koa, dia velom-pisaonana mafy ny Jody: nifady hanina izy ireo, nitomany, nidradradradra, ary maro aza no nandry tamin’ny lamba malailay aman-davenona.

4 Tonga nilaza izany zava-baovao izany tamin’i Estera ireo ankizy vaviny sy eonòkany, ka nivadi-po mafy ny mpanjakavavy. Nampanatitra lamba hitafian’i Mardokea izy, mba hanesorany ny lamba malailay teny aminy, kanefa tsy noraisiny izany.

5 Ka dia nantsoin’i Estera i Ataka, anankiray amin’ny eonòka napetraky ny mpanjaka eo aminy, nasainy nandeha hanontany an’i Mardokea izay anton’izany, sy izay nahatonga izany fisaonana izany.

6 Dia lasa i Ataka, nankeo amin’i Mardokea izay teo an-kianjan’ny tanàna anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka,

7 ary nambaran’i Mardokea taminy avokoa ny zava-nihatra taminy rehetra, sy ny tontalin’ny vola nampanantenain’i Amàna holanjaina hatao ao amin’ny rakitry ny mpanjaka, ho valin’ny famonoana ny Jody.

8 Nomeny azy koa ny kôpian’ny didynantsoina tao Sosa handringanana azy ireo, hasehony amin’i Estera sy hampahafantarany azy ny zavatra rehetra, ary nandidiany azy hankao amin’ny mpanjaka, hifona aminy sy hangataka famindram-po ho an’ny fireneny.

Jereo ny famporisihan’i Mardokea an’i Estera ao amin’ny toko 15,1-3.

9 Tonga i Ataka nanambara tamin’i Estera ny tenin’i Mardokea.

10 Fa nasain’i Estera nankany amin’i Mardokea indray i Ataka, hilaza hoe:

11 «Mahalala avokoa ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny vahoaka amin’ny faritaniny, fa raha misy olona mankao amin’ny mpanjaka, ao amin’ny kianja anatiny, na lahy na vavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no hany ahatra aminy, afa-tsy raha toloran’ny mpanjaka ny tehim-bolamenany izy ka mahavelona azy amin’izany. Izaho anefa, telopolo andro izay no tsy nantsoina ho ao amin’ny mpanjaka.»

12 Nony efa nambara tamin’i Mardokea ny tenin’i Estera,

13 dia izao no nasainy navaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin’ny Jody rehetra ianao, satria ao an-tranon’ny mpanjaka.

14 Ary raha mangina ianao izao, dia hisy vonjy amam-panafahana ho an’ny Jody avy any an-kafa, fa ianao sy ny fianakavian-drainao kosa haringana! Ary iza moa no mahalala fa tsy ho amin’ny andro toy izany no nanandratana anao ho mpanjakavavy?»

15 Ka izao no nasain’i Estera navaly an’i Markôdea:

16 «Mandehana vorio àry ny Jody rehetra eto Sosa, ka manaova fifadian-kanina ho ahyianareo; aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana, na andro na alina. Izaho koa hifady hanina miaraka amin’ireo ankizivaviko; raha efa izany dia hiditra ao amin’ny mpanjaka aho, na dia eo aza ny lalàna, ka raha tsy maintsy ho faty aho dia ho faty.»

17 Dia lasa i Mardokeananao izay rehetra nandidian’i Estera azy.

Jereo ao amin’ny toko 13,8–14,19, ny fivavahan’i Mardokea sy Estera

Categories
Estera Grika

Estera Grika 5

Niditra an-dapa i Estera

1 Tamin’ny andro fahatelo, niakanjo ny akanjon’ny mpanjaka i Estera, dia niseho teo amin’ny kianja anatin’ny tranon’ny mpanjaka, teo anoloan’ny efitranon’ny mpanjaka. Ny mpanjaka izany, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana, tao an’efitranon’ny mpanjaka, tandrifin’ny vavahadin’ny lapa.

2 Nony hitan’ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja ny mpanjakavavy Estera, dia nahita fitia teo imasony izy, ka notolorany ny tehim-bolamena teny an-tanany.

3 Dia nanatona i Estera ka nanendry ny loha-tehina. Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy, ary inona no angatahinao? Fa omeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza.»

4 Dia hoy i Estera: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka ho tonga ao amin’ny fanasana efa namboariko ho azy ny mpanjaka sy i Amàna.»

5 Ka hoy ny mpanjaka: «Aoka hantsoina miaraka amin’izay i Amàna, mba hanao izay nolazain’i Estera.» Ka dia nankany amin’ny fanasana namboarin’i Estera ny mpanjaka mbamin’i Amàna.

6 Teo am-pisotroan-divay, hoy ny mpanjaka tamin’i Estera: «Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa ho azonao, na dia ny antsasaky ny fanjakana aza.»

7 Hoy ny navalin’i Estera: «Izao no angatahiko sy iriko:

8 Raha nahita fitia eo imason’ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko, sy hanatanteraka izay iriko, aoka ny mpanjaka ho tonga ao amin’ny fanasana hamboariko ho azy, miaraka amin’i Amàna, dia hamaly ny fanontanian’ny mpanjaka aho rahampitso.»

9 Tamin’izany andro izany i Amàna nivoaka tamin-kafaliana sy haravoam-po, kanjo nahita an’i Mardokea teo am-bavahadin’ny mpanjaka tsy nitsangana na niraika teo anatrehany, dia tezitra loatra tamin’i Mardokea izy.

10 Nanindry fo ihany anefa i Amàna, ka lasa nody tany aminy. Raha efa izany dia nampanalain’i Amàna ny sakaizany sy i Zaresavadiny,

11 dia nolazainy tamin’ireo ny haavon’ny hareny, ny hamaroan’ny zanany, ny fiambonian’ny voninahitra nomen’ny mpanjaka azy, fa nasandrany ho ambony noho ny andriandahy ama-mpanompony izy,

12 ary izaho irery aza, hoy izy indray, no noraisin’i Estera mpanjakavavy hiaraka amin’ny mpanjaka tao amin’ny fanasana namboariny, sady mbola nasaina indray koa aza aho hiaraka amin’ny mpanjaka any aminy rahampitso.

13 Kanefa tsy mahafa-po ahy izany rehetra izany, raha mbola hitako koa i Mardokea, ilay Jody, mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka.

14 Ka hoy i Zaresa vadiny, sy ireto sakaizany rehetra: «Aoka hanamboarana hazodimampolo hakiho ny haavony, ary rahampitso maraina dia hangatahinao amin’ny mpanjaka hahantona eo i Mardokea; ianao kosa handeha an-kafaliana ho any amin’ny fanasana miaraka amin’ny mpanjaka.» Nankasitrahin’i Amàna izany hevitra izany, ka dia nampanamboatra ilay hazo izy.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 6

4. VALY FATIN’NY JODY

Fahafaham-baràkan’i Amàna

1 Ny alin’izay, tsy nety nahita tory ny mpanjaka, ka nasainy nalaina ny bokin’ny tetiarana dia ny Tantara, dia novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany;

2 ka sendra ny filazana ny nanambaràn’i Mardokea ny momba an’i Bagatàna sy i Taresa, ireo roa lahy eonòkan’ny mpanjaka, mpiambina ny lapa, izay nitady hamono an’i Asoerosy mpanjaka.

3 Ka hoy ny mpanjaka: «Inona moa no mba mari-boninahitra amam-pisandratana efa nomena an’i Mardokea noho izany?» – «Tsy mbola misy nomena azy na kely akory aza,» hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanana anjara raharaha teo aminy.

4 Dia hoy ny mpanjaka: «Iza no ao an-kianja?» – «I Amàna izany, efa tonga tao an-kianja ivelan’nytranon’ny mpanjaka, hangataka amin’ny mpanjaka ny hanantonana an’i Mardokea eo amin’ilay hazo efa namboarina ho azy.»

5 Ka hoy ireto mpanompon’ny mpanjaka namaly azy: «I Amàna io mitoetra ao an-kianja io.» Dia hoy ny mpanjaka: «Aoka hiditra izy.»

6 Nony niditra i Amàna, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Inona no tokony hatao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra?» Ary hoy i Amàna anakampo: «Iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra eo, afa-tsy izaho.»

7 Ka dia hoy i Amàna tamin’ny mpanjaka: «Ny hatao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,

8 dia tokony halaina ny akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka, sy ny soavaly efa nitaingenan’ny mpanjaka, ary asiana satroboninahitra fiandrianana ny lohany,

9 dia atolotra ny iray amin’ireo lehiben’ny mpanjaka ambony izany fitafiana sy soavaly izany, dia hampiakanjoina an’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra, sy hitondrana azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary hiantsoany eo alohany hoe: Toy izao no atao amin’izay olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!»

10 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Amàna: «Alaonao faingana àry ny fitafiana sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka ataovy izany amin’i Markôdea ilay Jody, mipetraka ao am-bavahadin’ny mpanjaka, aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.»

11 Koa nalain’i Amàna ny akanjo sy ny soavaly dia nampiakanjo an’i Mardokea izy, sy nitondra azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan’ny tanàna, ary niantso teo alohany hoe: «Toy izao no atao amin’ny olona tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.»

12 Dia niverina nankeo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mardokea, ary i Amàna dia nody faingana nankany aminy, niferin’aina, nisaron-doha,

13 nitantara izay rehetra nanjò azy tamin’i Zaresa vadiny sy ireo sakaizany rehetra. Ary hoy ny olon-kendriny sy i Zaresa vadiny taminy: «Raha avy amin’ny taranaky ny Jody i Mardokea, izay efa niantomboka nahalavo anao teo anatrehany sahady, dia tsy ho azonao asiana na inona na inona, fa ianao mihitsy no ho lavo eo anatrehany.»

I Amàna eo amin’ny fanasan’i Estera

14 Mbola miteny aminy eo izy ireo dia indreo tonga ny eonòkan’ny mpanjaka, ka nitondra faingana an’i Amàna ho any amin’ny fanasana namboarin’i Estera.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 7

1 Dia nankao amin’ny fanasan’i Estera ny mpanjaka sy i Amàna.

2 Tamin’io andro faharoa io, dia hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera tamin’ny fanasan’ny divay: «Inona no angatahinao, ry Estera, mpanjakavavy? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa na dia ny antsasaky ny fanjakana aza, dia ho azonao.»

3 Ka hoy ny navalin’ny mpanjakavavy Estera: «Raha nahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka ô, ka sitraky ny mpanjaka izany, dia omeo ahy ny aiko, fa izany no angatahiko, sy ny ain’ny fireneko, fa izany no iriko.

4 Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana, hovonoina, hofoanana. Raha namidy ho andevo sy mpanompo fotsiny izahay dia hangina ihany, fa izao, tsy hahonitra izay faty antoky ny mpanjaka akory ilay mpampahory.»

5 Dia niteny i Asoerosy, mpanjaka, nanao tamin’i Estera mpanjakavavy heo: «Iza moa izany, ary aiza loatra no misy izay olona asesiky ny fony hanao izany?»

6 Ka hoy ny navalin’i Estera: «Ny mpampahory, ny rafilahy, dia i Amàna io ratsy fanahy io.» Raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy i Amàna.

7 Tezitra loatra ny mpanjaka, ka nitsangana niala teo amin’ny fanasan’ny divay ho ao amin’ny zaridain’ny lapa, fa i Amàna kosa nijanona hangataka ny ainy amin’i Estera mpanjakavavy, satria hitany marina fa raha ny amin’ny mpanjaka dia ny fahaverezana no raikitra.

8 Nony niverina avy any amin’ny zaridain’ny lapa, ho ao an-trano fanasan’ny divay ny mpanjaka, indro i Amàna niankohokateo am-parafara nisy an’i Estera, ka hoy ny mpanjaka: «Andray! dia sahy misavika ny mpanjakavavy eto an-tranoko, ato an-dapa ve, ilay ity e?» Vantany vao naloaky ny vavan’ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’i Amàna.

9 Ary i Harbôna, anankiray amin’ny eonòka, nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: «Ao an-tranon’i Amàna izao, dia efa mitsangana ilay hazo, dimampolo hakiho ny haavony, namboarin’i Amàna ho an’i Mardokea, ilay niteny nahasoa ny mpanjaka.» Dia hoy ny mpanjaka: «I Amàna no ahantòny amin’izany!»

10 Ka dia nahanton’ny olona tamin’ilay hazo namboariny ho an’i Mardokea i Amàna. Ary nionona ny hatezeran’ny mpanjaka.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 8

Nifindra tamin’ny Jody ny fitiavan’ny mpanjaka

1 Androtr’izay ihany, dia natolotr’i Asoerosy mpanjaka an’i Estera ny tranon’i Amàna, ilay fahavalon’ny Jody, ary niseho teo anatrehan’ny mpanjaka i Mardokea, fa efa nampahafantarin’i Estera izay fihavanany aminy.

2 Koa nesorin’ny mpanjaka ny peratra izay efa nalainy tamin’i Amàna, dia nomeny an’i Mardokea, ary i Estera nanendry an’i Mardokea hanapaka ny tranon’i Amàna.

3 Rehefa afaka izany, niteny teo anatrehan’ny mpanjaka indray i Estera; niantoraka teo an-tongony izy, nihanta taminy tamin-dranomaso, mba hanafoana ny hasomparan’i Amàna, avy amin’ny tanin’i Agaga, sy ny hevitra nataony hamelezana ny Jody.

4 Notoloran’ny mpanjaka ny tehim-bolamena i Estera, dia nitsangana sy nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka.

5 «Raha sitraky ny mpanjaka, hoy izy, raha nahita fitia eo anatrehany aho, raha ataon’ny mpanjaka ho mety izao, ary raha mahita sitraka eo imasony aho, aoka hanoratra hanafoana ireny taratasy noforonin’i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, sy nosoratany hampandringana ny Jody any amin’ny faritanin’ny mpanjaka rehetra.

6 Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjò ny fireneko ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny iray razana amiko?»

7 Fa hoy i Asoerosy mpanjaka tamin’i Estera mpanjakavavy, sy tamin’i Mardokea Jody: «Indro, ny tranon’i Amàna efa nomeko an’i Estera, ary izy efa nahantona tamin’ny hazo fa naninji-tanana hamely ny Jody.

8 Koa manorata ianareo, amin’ny anaran’ny mpanjaka, araka izay sitrakareo, hamonjy ny Jody, dia tombohy amin’ny peratry ny mpanjaka, fa tsy azo foanana rehefa taratasy nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka, sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka.»

9 Koa nantsoina tamin’izany ny mpanoratry ny mpanjaka, dia tamin’ny andro faha-23n’ny volana fahatelo, izay volana Sivàna, dia nosoratana izay rehetra nodidian’i Mardokea ho an’ny Jody, ny solo-mpanjaka, ny governora, ny lehiben’ny faritany, dia ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, natao araka ny soratry ny isam-paritany sy ny fitenin’ny isam-pirenena, ary ny ho an’ny Jody araka ny sorany sy araka ny fiteniny.

10 Ny taratasy dia nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka sy notombohina tamin’ny peratry ny mpanjaka. Ny taratasy dia nampitondraina ny tsimandoa an-tsoavaly, mitaingin-tsoavalim-panjakana faingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny mpanjaka.

11 Amin’izany taratasy izany, ny mpanjaka nanome lalana ny Jody hivory sy hiaro ny ainy, na aiza na aiza tanàna misy azy, ka handringana, hamono, handripaka ny miaramila mbamin’ny vady aman-janany amin’ny isam-pirenena amam-paritany, izay hitsangana hamely azy; ary handroba ny fananany;

12 dia ny hanao izany amin’ny indray andro monja, eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka rehetra, dia amin’ny andro faha-13n’ny volana faha-12, izay volana Adara.

Jereo ny teny amin’ny didy ao amin’ny toko 16,1-24.

13 Ny kôpia anankiray amin’ny didy izay tsy maintsy avoaka ho lalàna amin’ny isam-paritany dia nalefa misokatra ho an’ny foko rehetra, mba ho voaomana amin’izany andro izany hamaly ny fahavalony ny Jody.

14 Dia nandeha faingana ny tsimandoa, nitaingina ny soavalim-panjakana, araka ny didin’ny mpanjaka. – Ary nantsoina tao Sosa renivohitra koa ny didy.

15 Nivoaka avy ao amin’ny mpanjaka i Mardokea, niakanjo akanjo fiandrianana manga fotsy, nisatroka satroboninahitra volamena lehibe, nanao kapaoty rongony fotsy madinika sy jaky; ary naneho ny hafaliany tamin’ny hobin-karavoana ny tanàna Sosa.

16 Ny Jody tamin’izany tsy nahalala afa-tsy hasambarana aman-kafaliana, sy firavoravoana amam-boninahitra.

17 Tany amin’ny isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan’ny teny aman-didin’ny mpanjaka, dia hafaliana amam-piravoravoana, fety amam-panasana, no an’ny Jody. Ary maro ny olona tamin’ny vahoakan’ny tany nilatsaka ho Jody fa nahazo azy ny tahotra ny Jody.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 9

Andro lehibe anaovana ny «porima»

1 Tamin’ny volana faha-12, izay volana Adara, tamin’ny andro faha-13n’ny volana izay hanatanterahana ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny, dia andro nantenain’ny fahavalon’ny Jody handresena, kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jody indray no naharesy ny fahavalony.

2 Nivory tao an-tanànany avy ny Jody eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka, hamely an’izay nitady haharesy azy, ary tsy nisy olona nahatohitra azy ireo, fa efa nahazo ny foko rehetra hatraiza hatraiza ny tahotra azy.

3 Nanampy ny Jody koa ny lehiben’ny faritany rehetra, ny solo-mpanjaka, ny governora, mbamin’ny mpanao raharahan’ny mpanjaka, fa nanindry azy ny tahotra an’i Mardokea.

4 Satria i Mardokea dia nanam-pahefana tao an-tranon’ny mpanjaka, ary niely laza eran’ny faritany rehetra, fa nandroso nihanalaza hatrany hatrany io lehilahy io, dia i Mardokea.

5 Koa nasian’ny Jody tamin’ny sabatra avokoa ny fahavalony, ka vonoana amam-pandringanana moa izany! Nanao izay sitrany tamin’izay nankahala azy izy ireo.

6 Tao Sosa renivohitra, dia nisy 500 lahy no matin’ny Jody sy naringany.

7 Novonoiny koa i Farsadatà, i Delfôna, i Esfatà,

8 i Fôratà, i Adabià, i Aridatà, i Fermestà,

9 i Arisaì, i Aridaì, ary i Jezatà,

10 dia izy folo lahy, zanak’i Amàna zanak’i Amadatà, ilay fahavalon’ny Jody. Nefa tsy mba naninji-tanana nandroba izy.

11 Ren’ny mpanjaka androtr’izay ihany, ny isan’ny voavono tao Sosa, renivohitra.

12 Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, mpanjakavavy: «Teto Sosa, renivohitra, efa nahafaty sy naharingana 500, sy ny zanak’i Amàna folo lahy, ny Jody, ka ho toy inona no nataony amin’ny faritanin’ny mpanjaka sisa? Inona no angatahinao? fa homeko anao izany. Inona no irinao? fa ho tanteraka.»

13 Dia hoy i Estera: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homen-dalana ny Jody eto Sosa hanao rahampitso koa indray araka ny didy androany, ary aoka hahantona amin’ny hazo izy folo lahy zanak’i Amàna.»

14 Nasain’ny mpanjaka natao izany, ka navoaka tao Sosa ny didy. Dia nahantona izy folo lahy zanak’i Amàna,

15 ary nivory indray ny Jody tao Sosa tamin’ny andro faha-14n’ny volana Adara, sy namono olona 300 lahy tao Sosa; nefa tsy mba naninji-tanana nandroba izy.

16 Ny Jody sisa tany amin’ny faritanin’ny mpanjaka koa nivory mba hiarovany ny ainy, ka hamelan’ny fahavalony azy mandry feizay: nahafatesany 375.000 ireo nankahala azy. Fa tsy naninji-tanana nandroba izy.

17 Tamin’ny faha-13n’ny volana Adara izany. Ka ny andro faha-14n’io volana io, dia nijanonan’ny Jody ka nataony andro fanasana sy firavoravoana.

18 Ny Jody tany Sosa kosa dia nivory tamin’ny andro faha-13 sy faha-14, ary tamin’ny faha-15 dia nitsahatra, ka nataony andro fanasana sy firavoravoana io.

19 Noho izany, ny Jody tany ambanivohitra, nitoetra tamin’ny tanàna tsy mimanda, dia ny andro faha-14n’ny volana Adara no ataony andro firavoravoana, fanasana, ary fety izay fifanaterana anjara hanina.

5. FANKALAZANA NY «PORIMA»

Ny nandidian’ny Fanjakana hankalazana ny «porima»

20 Nosoratan’i Mardokea izany zavatra izany, ary nandefa taratasy izy, ho any amin’ny Jody eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

21 nandidy azy ireo hankalaza isan-taona, ny andro faha-14 sy faha-15n’ny volana Adara,

22 ho andro nahazoany fahafahana tamin’ny fahavalony, mba hiadanany, sady volana nampody ny alahelony ho fifaliana, sy ny fisaonany ho andro fety, ka tsy maintsy atao andro fanasana sy firavoravoana ireo andro ireo, fifanaterana anjara hanina, sy anomezan-javatra ny mahantra.

23 Ka dia natsangan’ny Jody ho fanao izany, izay efa natombony natao sy nanoratan’i Mardokea taminy.

24 Fa i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, fahavalon’ny Jody rehetra, dia efa nanao hevitra hamely ny Jody handringanana azy ireo, ka nanao Poraizany hoe loka, mba handringanany sy handravany azy.

25 Fa niseho teo anatrehan’ny mpanjaka i Estera, ka nandidy an-tsoratra ny mpanjaka hampitsingerina ho eo an-dohan’i Amàna, ny hevitra ratsy nokasainy hafitsoka ny Jody, ka nahantona tamin’ny hazo izy sy ireo zanany.

26 Dia izany no iantsoana ireo andro ireo hoe Porimaavy amin’ny anarana hoe Pora. Noho izany, araka ny teny rehetra ao amin’izany taratasy izany, sy araka izay efa hitan’ny tenany sy izay nanjò azy ireo,

27 ny Jody dia nanangana sy nandraikitra ho fomba tsy azo ovàna, ho an’ny tenany aman-taranany mbamin’izay rehetra miray aminy, ny mankalaza isan-taona ireo andro roa ireo, araka ny fomba voadidy sy amin’ny fotoana voatendry.

28 Tsy maintsy tsarovana sy ankalazaina ireo andro ireo amin’ny taranaka mifandimby rehetra, isam-pianakaviana, isam-paritany, ary isan-tanàna, ka tsy tokony hofoanana eo amin’ny Jody na oviana na oviana ireo andron’ny Porima ireo, na hitsahatra ny fahatsiarovana azy, amin’ny taranany.

29 Nanoratra fanindroany indray i Estera mpanjakavavy, zanak’i Abihaila, sy i Mardokea Jody, sady teny mamporisika mafy tokoa no nataony mba hanamafy ilay taratasy momba ny Porima.

30 Ny Jody rehetra amin’ny faritanin’ny fanjakan’i Asoerosy 127, nandefasana taratasy: teny fiadanana, sy fahamarinana,

31 haharetana manao ny andron’ny Porima amin’ny fotoana voatendry araka ny efa nanendren’i Mardokea Jody, sy i Estera mpanjakavavy, an’izany ho azy ireo, sy araka ny nanendreny izany, ho an’ny tenany aman-taranany, mbamin’ny fifadian-kanina aman-pitarainanamomba azy.

32 Ka dia nandraikitra ny fitandremana ny Porima ny didin’i Estera ary nosoratana tamin’ny boky izany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 10

Fiderana an’i Mardokea

1 Ary i Asoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany be sy ny nosy eo amin’ny ranomasina.

2 Moa tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Media sy i Persa avokoa va ny zavatra momba ny fahefany sy ny herim-po nataony, ary ny andinindininy momba ny fahalehibeazana nanandratan’izy mpanjaka an’i Mardokea.

3 Fa ny Jody Mardokea dia filohan’ny mpandraharahan’i Asoerosy mpanjaka, malaza teo amin’ny Jody, mamin’ny rahalahiny be dia be, nitady izay hahasoa ny fireneny, ary niteny ny amin’izay hahasambatra ny iray razana aminy rehetra.

Tapitra eo ny boky amin’ny teny Hebrio. Tapatapany fanampiny hita amin’ny dikan’ny Soratra Masina amin’ny teny Grika.

4 Dia hoy i Mardokea: «Andriamanitra no nanao izany zavatra rehetra izany!

5 Tsaroako tokoa ny nanofisako ny amin’izany ka tsy misy tsy tanteraka ny andinindininy, na dia iray aza:

6 Ny loharano kely nanjary ony, ny fahazavana niseho, ny masoandro, ary ny rano be: Ny ony, dia i Estera, izay nalain’ny mpanjaka ho vady, sy nataony mpanjakavavy.

7 Ny dragona roa, dia izaho sy i Amàna.

8 Ny firenena, dia ireo izay nivory nahafoana ny anaran’ny Jody:

9 ary ny fireneko dia i Israely, izay nitaraina tamin’Andriamanitra ka voavonjy. Tamin’izany ny Tompo namonjy antsika, sy nanafaka antsika tamin’izany loza rehetra izany; nanao famantarana amam-pahagagana lehibe, tsy mba hita teo amin’ny firenena, Andriamanitra.

10 Hahatanterahan’izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, ary ny iray ho an’ny firenena rehetra.

11 Izany anjara roa izany dia tonga tamin’ny ora sy fotoana ary andron’ny fitsarana, eo anatrehan’Andriamanitra, ho an’ny firenena rehetra.

12 Dia nahatsiaro ny vahoakany Andriamanitra sy nanao fitsarana ho an’ny lovany.

13 Ka ireo andron’ny volana Adara ireo, ny faha-14 sy faha-15n’izany volana izany, dia hankalazain’izy ireo am-pivoriana amin-kafaliana sy firavoravoana eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny taranaka hatrany hatrany, eo amin’i Israely vahoakany.»