Categories
Estera Grika

Estera Grika 11

Nofin’i Mardokea

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ptôlemea sy i Kleopatra, i Dositea izay nilaza azy ho mpisorona, avy amin’ny taranak’i Levì, sy i Ptôlemea zanany, dia nitondra izany taratasy momba ny Froraiizany, izay lazain’izy ireo ho tena marina sy nadikan’i Lisimaka, zanak’i Ptôlemea ao Jerosalema.

2 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asoerosy mpanjaka lehibe, andro voalohan’ny volana Nisàna, dia nanonofy i Mardokea, zanak’i Jaira zanak’i Semeì zanak’i Sisa, avy amin’ny firenen’i Benjamina.

3 Izy io dia Jody, nipetraka tao an-tanànan’i Sosa, lehilahy malaza anisan’izay ao an-dapan’ny mpanjaka.

4 Isan’ny babo nentin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, avy any Jerosalema, niaraka tamin’i Jekôniasa, mpanjakan’i Jodà izy.

5 Izao no nofiny: Tampoka, injay nisy feo, tabataba be aman-kotrobaratra, ary nihorohoro sy nikorontana ny tany.

6 Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady.

7 Nandefa feo mafy izy ireo, ka tamin’ny feony, dia nivonon-kiady ny firenena rehetra, hamely ny vahoakan’ny olo-marina.

8 Tampoka indray, nisy andro maizina sy haizim-pito, nisy horohoro aman-tebiteby, sy fahoriana amam-pivadiham-po teto ambonin’ny tany.

9 Natahotra ny hozoin’ny loza mafy indrindra ny vahoakan’ny olo-marina manontolo ka velom-panahiana sy nioman-ko faty.

10 Nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, ary tamin’ny fitarainany, dia nisy toa loharano kely, nivoahan’ony lehibe sy rano be.

11 Dia namirapiratra ny hazavana sy ny masoandro, ka tafasandratra ireo tanatin’ny fahazimbana, ka nandrapaka ireo tanatin’ny voninahitra.

12 Nony avy nahita izany nofy izany sy izay efa nokasain’Andriamanitra hatao i Mardokea, dia nifoha sy nitana izany tao an-tsainy, ary nanao izay tratry ny ainy, mandra-pahalin’ny andro, hahalala izay hevitr’izany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 12

Nolazain’i Mardokea an’i Asoerosy ny tetika hamonoana azy

1 Raha efa izany, nitoetra teo an-dapa i Mardokea, niaraka tamin’i Bagatàna sy i Taresa; samy eonòkan’ny mpanjaka sy mpiambina ny vavahadin-dapa izy roa lahy.

2 Nony hitan’i Mardokea ny hevitr’izy ireo sy takany ny fikasany, fantany fa nikasa hamono an’i Asoerosy mpanjaka izy ireo, ka nandefa filazana izany tamin’ny mpanjaka izy.

3 Dia nasainy nampijaliana izy roa lahy eonòka, hilaza ny marina, ary noho ny fieken’ireo dia nalefany hovonoina izy.

4 Nasain’ny mpanjaka nosoratana tao amin’ny boky Tantara izany zavatra izany, ary nalatsak’i Mardokea an-tsoratra koa ny fahatsiarovana azy.

5 Ny mpanjaka nanapaka fa hanao raharaha ao an-dapa izy sy nanolotra fanomezana ho azynoho ny fiampangany.

6 Fa i Amàna kosa, ilay zanak’i Amadatà, avy any Agaga, dia nahazo voninahitra lehibe ao amin’ny mpanjaka, ka nitady hamono an’i Mardokea mbamin’ny fireneny, noho izy roa lahy eonòkan’ny mpanjaka.

Didy mampandringana ny Jody. Vavak’i Mardokea

Vakina manarakaraka ny toko 3,13

Izao no kôpian’io taratasy nampitondraina io:

Categories
Estera Grika

Estera Grika 13

1 I Asoerosy mpanjaka lehibe, amin’ny solo-mpanjaka sy ny governoran’ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, eo ambany fahefany, mandefa izao manaraka izao:

2 Na dia manapaka firenena maro indrindra aza aho, sy efa nampanaiky an’izao tontolo izao, tsy manampatra ny fahefako mba hirehareha amin’izany no tiako, fa ny mampahazo fandriam-pahalemana ny vahoakako mandritra ny andro iainany, amin’ny fanapahany malefaka sy mora, mampandry feizay ny fanjakako sy manao tsara toky azy hatrany amin’izay fara sisiny indrindra, ary mampirobona ny fiadanana mamin’ny olombelona rehetra.

3 Ka dia nanontaniako tamin’ireo mpanolo-tsaina ahy, izay azo atao hahatanteraka izany zava-kendreko izany; ary ny iray tamin’izy ireo atao hoe Amàna, izay be fahendrena indrindra eto aminay, sady efa malaza noho ny fahafoizan-tenany tsy mety miova sy ny firaiketam-pony aminay tsy mahay mivadika, ary mahazo ny laharana faharoa amin’ny fanjakana,

4 dia nampahalala ahy fa misy vahoaka izay ratsy hevitra, tafaharo amin’ny foko rehetra eto ambonin’ny tany, mifanohitra amin’ny vahoaka rehetra noho ny lalàny maniratsira lalandava ny didin’ny mpanjaka, hany ka misakana ny hisian’ny fifanarahana lavorary eto amin’ny fanjakana entiko.

5 Nony hitako fa io vahoaka iray monja io, izay mifanohitra lalandava amin’izay mety ho olombelona, sy misaraka amin’izy ireo, noho ny lalàny hafahafa, ary tsy tia akory izay mahasoa ahy sy manao izay faran’izay ratsy indrindra ka misakana ny fandrosoan’ny fanjakana,

6 dia nandidy aho, fa izy ireo, izay voatondro ao amin’ny taratasin’i Amàna, ilay lohan’ny raharaha sy hajaina hoatra ny faharoan-draiko, dia haringan’ny sabatry ny fahavalony avokoa mbamin’ny vadiny aman-janany, tsy hasiana miangana, tsy hananana antra na indrafo, amin’ny faha-14n’ny volana faha-12, izay volana Adara, amin’ity taona ity;

7 mba ho indray midina any ambanin’ny tany, amin’ny famonoana azy ho faty amin’ny andro iray ihany, ireo olona mpanohitra hatry ny fahataloha ka mandrak’ankehitriny ireo, ka ny raharahantsika amin’ny andro manaraka dia hody amin’ny fandrosoana sy amin’ny fiadanana lavorary.

Vakina manarakaraka ny toko 4,17.

8 Ary i Mardokea nivavaka tamin’ny Tompo, tamim-pahatsiarovana ny asa rehetra nataony,

9 ka nanao hoe:

«Tompo ô, Tompo ô, Mpanjaka mahefa ny zavatra rehetra Ianao, fa eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy misy olona mahasakana Anao, raha nikasa ny hamonjy an’i Israely Ianao.

10 Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny zava-mahagaga rehetra eo ambanin’ny lanitra.

11 Ianao no Tompon’ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra Anao, Ianao Tompo.

12 Mahalala ny zavatra rehetra Ianao; ka fantatrao fa tsy mba nentin-drehareha na avonavona, na fitsiriritam-boninahitra kely akory, no tsy mba niankohofako teo anatrehan’i Amàna, mpiavonavona;

13 satria vonon-kanoroka ny dian-tongony aza aho, ho famonjena an’i Israely.

14 Fa ny nanaovako izany, dia ny mba tsy hanaovako ny voninahitr’olombelona ho ambony noho ny voninahitra tsy maintsy omena ny Andriamanitro, ka dia tsy hiankohoka eo anatrehan’ny hafa aho, afa-tsy ianao, Tompo, ary tsy mba fiavonavonana no hanaovako izany.

15 Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitro sy Mpanjakako, Andriamanitr’i Abrahama, mamindrà fo amin’ny vahoakanao, fa manopy maso anay ny fahavalonay hamono anay, sy handringana ny lovanao faharazana.

16 Aza atao tsinontsinona ny anjaranao, navotanao avy any amin’ny tany Ejipta.

17 Henoy ny fivavahako! Hasoavy ny zara lovanao, ovay ho fifaliana ny fisaonanay, mba ho velona aina, ka hankalaza ny Anaranao izahay, ry Tompo; ary aza manakombona ny vavan’ireo midera Anao.»

18 I Israely rehetra koa, samy nitaraina tamin’ny Tompo araka izay tratry ny heriny avokoa, fa efa mananontanona eo imasony ny fahafatesana.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 14

Vavak’i Estera

1 Ny mpanjakavavy Estera koa, nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan’ny fahafatesana, ka niantso vonjy tamin’ny Tompo.

2 Napetrany ny akanjony kanto indrindra; fitafiam-pahoriana amam-pisaonana no nataony: nohosenany vovoka aman-davenona ny lohany, ho solon’ny zava-manitra sarobidy fanaony, nampijaliany mafy ny tenany, nombotany ny volony ka nataony tototra izany avokoa izao toerana fiaranany amin’ny fifaliana rehetra izao.

3 Dia nanao izao vavaka izao tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izy:

«Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin’izao fahaporitako izao aho, izay tsy manam-bonjy afa-tsy Ianao,

4 fa ny loza manambana ahy ity, toa voatsapan’ny tanako sahady.

5 Efa reko fahazaza, tao amin’ny fokon’ikaky, fa Ianao ry Tompo, efa nifidy an’i Israely tamin’ny firenena rehetra, sy nifidy ny razanay, tamin’ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay, ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra.

6 Saingy nanota teo anatrehanao izahay, ka natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalonay,

7 noho izahay nivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireo. Marina Ianao, ry Tompo!

8 Ankehitriny anefa, tsy afa-pon’ny manandevo anay amin’ny fanompoana mangidy izy ireo, fa efa nametraka ny tanany teo an-tanan’ireo sampiny indray,

9 nianianany ny hanafoana ny didy naloaky ny vavanao, handringana ny lovanao, hanakombona ny vavan’izay midera Anao, ary hamono ny voninahitry ny tempolinao sy ny ôtelinao,

10 mba hisokafan’ny vavan’ny firenena hidera ny herin’ny sampy sy hankalaza mpanjaka nofo aman-dra mandrakizay.

11 Aza atolotrao an’ireo izay tsinontsinona ny tehim-panjakanao, ry Tompo, mba tsy hihomehezan’izy ireo amin’ny faharavanay, fa atsingereno amin’izy ireo ny hevitra nokasainy, ary mamaiza ho fananarana ny hafa an’ilay nisafoaka voalohany taminay.

12 Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoneho laza Ianao amin’izao andron’ny fahorianay izao, ary omeo hery aho, ry Mpanjakakan’ny andriamanitrasy Mpanapaka ny fahefana rehetra!

13 Asio teny malina ao am-bavako, eo anatrehan’ilay liona, ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy, dia izy mbamin’izay rehetra miray hevitra aminy.

14 Fa izahay kosa dia aoka ny tananao hanafaka anay, ary ampio aho, amin’izao izaho irery izao, tsy manana an’iza na iza, afa-tsy Ianao, ry Tompo! Ianao mahalala ny zavatra rehetra,

15 ka fantatrao fa halako ny famirapiratan’ny ratsy fanahy, ary tsy tiako mainty ny fandrian’ny tsy mifora mbamin’ny hafa firenena rehetra.

16 Fantatrao ny fahavozonana mahazo ahy, ary halako mihitsy ilay mari-pisandratako atao eo an-dohako, amin’ireo andro tsy maintsy hisehoako ho hita; halako toy ny lamba maloto izy, ka tsy mitondra azy aho, amin’ny andro ahazoako mipetraka amin’ny mangingina.

17 Tsy mbola nihinana teo amin’ny latabatr’i Amàna, na oviana na oviana, ny ankizy vavinao, na nanao ho zavatra izay fanasan’ny mpanjaka, na nisotro izay divay tamin’ny fanatitra araraka.

18 Na oviana na oviana hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandrak’androany, tsy mba nisy fifaliana nankafizin’ny ankizy vavinao, afa-tsy taminao izahay, ry Tompo Andriamanitra, Andriamanitr’i Abrahama!

19 Ry Andriamanitra mahefa noho ny hafa rehetra, henoy ny vavak’izay tsy manan-kantenaina afa-tsy Ianao, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izahay, ary esory amin’izao tebitebiko izao!»

Vakina manarakaraka ny toko 4,8.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 15

Famporisihan’i Mardokea an’i Estera

1 Nampitondra teny tamin’i Estera izy mba hidirany ao amin’ny mpanjaka, hanao fangatahana aminy, ho an’ny fireneny sy ny tanindrazany.

2 Tsarovy ny andron’ny fahambanianao, sy ny nameloman’ny tanako anao, fa i Amàna, ilay voalohany manarakaraka ny mpanjaka, efa niteny hamely antsika mba handringanana antsika.

3 Fa ianao kosa miantsoa ny Tompo, ary mitenena amin’ny mpanjaka ho anay, vonjeo amin’ny fahafatesana izahay.

Vakina amin’ny fiandohan’ny toko 5.

4 Tamin’ny andro fahatelo, nony tapitra ny fivavahan’i Estera, dia napetrany ny akanjo fivalozany, fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany.

5 Tao anatin’ny famirapiratan’ny haingony fatratra, nony efa niantso an’Andriamanitra ilay Tompo tokana sy Mpamonjy ny olon-drehetra izy aloha, dia nitondra azy roa vavy mpanaraka azy hiaraka aminy araky ny fomba.

6 Niankina tamin’ny anankiray izy hoatra ny ila tsy ho zakany ny tenany malemy;

7 ny iray kosa nanaraka avy ato aoriana, nanainga ny akanjo lavan’ity tompovaviny.

8 Voazavan’ny hatsaran-tarehiny mamirapiratra fatratra izy, ka miramirana ny tarehiny, maha-te ho tia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan’ny tahotra.

9 Nony tafahoatra ny vavahady rehetra izy, dia niseho teo anatrehan’ny mpanjaka. I Asoerosy izany nipetraka teo amin’ny seza fiandrianam-panjakana, nitafy ny mari-piandrianany rehetra sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr’endriny.

10 Nony nitraka ny lohany mandefa tsirim-boninahitra, dia fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka torana ny mpanjakavavy, nivaloarika izy, sady nirona nankany amin’ny sorok’ilay ankizivavy nandeha teo alohany.

11 Fa novan’Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran’ny mpanjaka; velona ahiahy izy dia niantoraka avy amin’ny seza fiandrianany, nanohana an’i Estera tamin’ny sandriny, mandra-pahatsiarovany tena, ary nanony ny fivadiham-pony tamin’ny teny maneho fitiavana.

12 «Fa maninona ianao, ry Estera? hoy izy taminy; anadahinao aho, matokia,

13 tsy ho faty ianao, fa ho an’ny be sy ny maro ny didiko.

14 Avia!» Dia naingainy ny tehim-bolamena,

15 natehiny teo amin’ny vozony, sady norohany izy, sy nataony hoe: «Mitenena amiko.»

16 Ary hoy ny navaliny: «Toy ny Anjelin’Andriamanitra no nahitako anao, tompokolahy, nitebiteby ny foko azon’ny tahotra ny fiandriananao,

17 fa mendrika ny higagàna ianao, tompokolahy, ary mahatehotia ny tarehinao.»

18 Mbola miteny eo izy, dia nitambotsotra ndeha ho torana indray,

19 ka efa kivy ratsy ny mpanjaka, ary nifamonjy namelombelona ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.

Famonjen’i Asoerosy ny vahoaka Jody

Vakina manarakaraka ny toko 8,12

Vakina manarakaraka ny toko 8,12.

Izay manaraka eto no kôpian’izany taratasy izany.

Categories
Estera Grika

Estera Grika 16

1 «I Asoerosy, mpanjaka lehibe, ho an’ny solo-mpanjaka sy ny lehiben’ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, ary ho an’izay rehetra manampò ny mahasoa ahy. Arahaba!

2 Maro ny olona izay nahazo fiamboniam-boninahitra noho ny fahazavam-po lehiben’ny andriana mpanao soa azy, ka tonga mpirehareha.

3 Tsy afa-pon’ny mikezaka hampahory ny vahoakako izy, fa noho izy tsy mahazaka ny havesaran’ny fiamboniana, ny mpanao soa azy indray hanaovany teti-dratsy.

4 Tsy ampy ho azy raha ny famalian-tsoa no ataony afaka amin’ny olombelona, fa bontsinin’ny famirapiratry ny harem-be loatra tsy fanany izy, ka ny fitsaràna hamalian’Andriamanitra izay mahita lalandava ny zavatra rehetra avy, no ataony ho azony andosirana.

5 Imbetsaka dia imbetsaka, ireo olona izay nomen’ny andriana adidy hitondra ny raharaha noho ny fankasitrahany azy, no nanao teny feno hafetsena ka nampiditra ny filohan’ny fanjakana amin’ny loza tsy azo odiana, ka nampiombona azy aminy handatsa-dra tsy manan-tsiny,

6 fa voafitaky ny laingan-kafetsen-dratsy amin’izany, ny hatsoram-pitiavan’ny mpitondra.

7 Ary tsy ny tantara taloha ihany araka ny voatsiahiko teo no azonareo ahitana ny asa ratsy, vokatry ny hery mandozan’ireo nampiasa ny fahefana tsy araka ny mety, fa ny fandinihana ny zava-miseho eo akaikinareo no ahitanareo izany mazava kokoa aza.

8 Ka tsy maintsy miahy ny ho avy aho, mba ho azo antoka ho an’ny olon-drehetra ny fandriam-peizay amam-piadanan’ny fanjakana,

9 manao ny fanovana ilaina aho, mitsara amim-pahamalinana ny zava-mitranga amiko mba handamina izany amin’ny fahamarinana tsy tapaka.

10 I Amàna zanak’i Amadatà, Masedôniana, tena hafa firenena amin’ny taranaky ny Persa, tena lavitra ny halemem-panahiko, fantatrareo ny nandraisako azy, araka ny fahaizako mandray vahiny;

11 sy ny nahazoany soa araka ny hamoram-po hitondrako ny vahoaka rehetra, ka voaantso ho raiko aza izy ary nahita ny olon-drehetra niankohoka teo anoloany, fa nahazo ny laharam-piamboniana manakaiky indrindra ny fiandrianan’ny mpanjaka.

12 Nefa tsy nahay nitondra anjara fiamboniana toy izany izy, ka any amin’ny hanala ahy amin’ny fanjakana sy amin’ny velona no nalehan’ny heviny.

13 Nampiasainy avokoa izao hafetsena amam-pitaka rehetra izao, hamonoana an’i Mardokea, izay namonjy ahy sy nanompo ahy mandrakariva, ary i Estera koa izay namako tsy manan-tsiny amin’ny fanjakako, mbamin’ny firenen’izy ireo manontolo.

14 Ny nantenainy tamin’izany, dia ny hahazo ny fanjakan’ny Persa ho an’ny Masedôniana.

15 Fa ireo Jody, voatolotr’io olona tsy misoro-doza indrindra io hovonoina kosa, dia hitako fa tsy misy hadisoana mahameloka azy, fa manara-dalàna marina indrindra,

16 sy zanaky ny Andriamanitra avo indrindra, lehibe indrindra, sy velona mandrakizay, izay mitahiry ity fanjakana ity ho antsika, haharitra amin’ny fandrosoana fatratra indrindra, toy ny nataony ho an’ny razantsika koa.

17 Noho izany, tsara ny ataonareo raha tsy asianareo raharaha akory ny taratasy nampitondrain’i Amàna zanak’i Amadatà;

18 satria io fototr’izany heloka izany io, dia efa nahantona tamin’ny hazo, teo anoloan’ny vavahadin’i Sosa niaraka tamin’ny ankohonany rehetra, fa namay azy amin’ny famaizana tandrify azy, Andriamanitra Tompon’ny zavatra rehetra, ambony indrindra.

19 Aoka hisy kôpian’ity taratasy ankehitriny ity, hapetaka talaky maso amin’ny fitoerana rehetra, ka avelao ny Jody hanaraka malalaka tsara ny lalàny,

20 ary ampio izy, mba hahazoany manohitra ireo izay nitsangan-kamely azy, tamin’ny andro fampahoriana, dia ampio izy amin’ny faha-13n’ny volana faha-12, atao hoe Adara, amin’ny indray andro ihany.

21 Fa Andriamanitra ilay Tompon’ny zavatra rehetra ambony indrindra efa nanova izany androm-pahoriana izany ho andro fifaliana, ho an’ny taranaka voafidy.

22 Aoka àry ianareo koa, hankalaza izany andro izany amin’ny fifaliana isan-karazany, toy ny iray amin’ireo fety manetriketrika fanaonareo ka na ankehitriny na amin’ny ho avy izany, dia

23 ho antom-pamonjena ho antsika sy ho an’izay rehetra tafaraiki-po amin’ny Persa, fa ho fahatsiarovana famongorana kosa ho an’izay miray tetika hamely ahy.

24 Ny tanàna rehetra, ary ny faritany rehetra, tsy an-kanavaka, izay tsy hanaraka ity didy ity, dia hosimbana amin’ny fisamboaravoaran’ny afo amam-by, ka hatao sady tsy azon’olombelona akekena, no halan’ny bibydia amam-borona koa aza.

Aoka haseho talaky maso eran’ny fanjakana manontolo ny kôpian’ity, mba ho voaoman-kamely ny fahavalony ny Jody amin’io andro voatondro io.»