Categories
Ezekiela

Ezekiela 1

TENY MIALOHA

1 Ary tamin’ny taona faha-30, volana fahefatra, raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobaraaho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.

2 Tamin’ny andro faha dimin’ny volana nahababo an’i Joasina, mpanjaka tamin’izay,

3 – tonga tamin’i Ezekiela zanak’i Bozì, mpisorona, ny tenin’i Iaveh, tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara, ary mby teo aminy teo ny tanan’i Iaveh.

Fahitana ilay «Fiaran’i Iaveh»

4 Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahonalehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.

5 Ary hitako teo afovoany, ny endri-java-manana aina efatra, ka toy izao no fijery azy: miendrika olombelonaizy.

6 Samy nanan-tarehy efatra ary samy nanana elatra efatra avy izy.

7 Mahitsy ny tongony, ary toy ny faladian’ny zanak’omby ny faladiany, sady nanjelanjelatra hoatra ny varahina voadio ireo.

8 Nisy tanan’olonaavy teo ambanin’ny elany, amin’ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tavany aman’elany avy, izy efatra.

9 Nifanendry ny elany; tsy nihodina izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy.

10 Izao avy no notahafin’ny tarehiny: ny anoloanatarehin’olombelona, ny ankavanana tarehin-diona, azy efatra; ny ankavia tarehin’ombalahy, azy efatra, ary tarehim-boromahery azy efatra.

11 Toy izany ireo tarehiny. Nivelatra teo amboniny, ny elatr’izy ireo; ka ny elany roa avy nifanendry tamin’ny an’ny namany; ary ny elany roa kosa, nanarona ny tenany.

12 Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy; izay nasain’ny fanahy naleha no nalehany; tsy nihodina izy raha nandeha.

13 Ny fijery an’ireo zava-manana aina ireo, dia tahaka ny vainafo mivaivay; hoatra ny fanilo no fijery azy; mifanaretsaka eny anelanelany eny ny afo, mampanjambena; sady misy tselatra mivoaka avy ao amin’ny afo.

14 Ary nivoivoy nankatsỳ nankarỳ ireo zava-manana aina ireo, tahaka ny tsela-baratra no fijery azy.

15 Dia nibanjina ireo zava-manana aina ireo aho, ka indro nisy kodiarana anankiray teo amin’ny tany, teo anilany, anoloan’ny tavany efatra.

16 Ka ny fijery an’ireo kodiarana ireo, sy ny tarehiny, dia tahaka ny an’ny vaton’i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehiny dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany.

17 Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin’ny lafiny efatra, sady tsy miherika eny am-pandehanany.

18 Avo mahatsiravina ny hazo faribolany, sady feno maso avokoa ny manodidina ny faribolan’ireo kodiarana efatra ireo.

19 Raha nandeha ireo zava-manana aina, nandeha teo anilany koa ireto kodiarana; raha misondrotra avy amin’ny tany ireo zavatra ireo, misondrotra koa ny kodiarana.

20 Izay nasain’ny fanahy alehany, no nalehan’izy ireo; fa naingain’ny fanahy izy; ary niara-niainga taminy koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.

21 Ka raha mandeha ireo, mandeha ireto; raha mijanona ireo, mijanona ireto; ary raha misondrotra avy amin’ny tany ireo, misondrotra koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.

22 Teo ambonin’ny lohan’ireo zava-manana aina ireo, nisy tahaka ny andohalambo miendri-kristaly mamirapiratra, mivelatra teo ambonin’ny lohany.

23 Ka teo ambanin’io andohalambo io ny elany no nivelatra nifanendry, sady nanana elatra roa avy koa nanarona ny tenany teo an-daniny avy.

24 Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikopakopaky ny elany, ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby; nony nijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.

25 Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany; nony mijanona izy, dia navelany hilefitra ny elany.

26 Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.

27 Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy.

28 Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 2

Fahitana ny boky

1 Dia hoy Izy tamiko nanao hoe:

«Mitsangàna, ry zanak’olona, fa hiteny aminao Aho».

2 Ary raha niteny tamiko izy, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre an’Ilay niteny tamiko aho.

3 Hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.

4 Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo no anirahiko anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh, Tompo.

5 Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, – fa taranaka mpiodina izy – dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.

6 Ary ianao, aza matahotra azy, ry zanak’olona, na matahotra izay teniny; fa miaraka amin’ny hery aman-tsilo ianao, sy miara-mitoetra amin’ny maingoka. Aza matahotra izay teniny na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka mpiodina izy.

7 Lazao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino; fa mpiodina izy ireo.

8 Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.

9 Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankatỳ amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy.

10 Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 3

1 Hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io; hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.»

2 Nosokafako ny vavako dia nafahany ahy io taratasy io;

3 ka hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao». Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantelyizy tao am-bavako.

4 Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely, ary lazao aminy ny teniko.

5 Fa tsy ho any amin’ny firenena hafa fiteny, na miboeriboeri-piteny, no anirahako anao; fa ho any amin’ny taranak’i Israely.

6 Tsy ho any amin’ny firenena maro hafa fiteny sy miboeriboeri-piteny, ka tsy ho azonao ny teniny, fa ho amin’izy ireono anirahako anao; hahazo ny teninao izy.

7 Ary tsy hety hihaino anao ny taranak’i Israely, satria tsy mety mihaino Ahy izy, fa henjan-kandrina sy tsy vaky afero avokoa, ny taranak’i Israely.

8 Nefa, indro, efa nataoko mafy hoatra ny tarehiny ny tarehinao, ary mafy hoatra ny handriny, ny handrinao.

9 Nataoko hoatra ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny vatolampy aza. Koa aza matahotra azy, na mangovitra eo anatrehany, fa taranaka miodina izy».

10 Hoy koa Izy tamiko: «Ry zanak’olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin’ny sofinao, izy.

11 Mandehana ianao mankany amin’ireo lasan-ko babo, dia any amin’ireo zanaky ny firenenao, ka mitenena aminy; lazao aminy hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo›, na hihaino izy ireo na tsy hihaino».

12 Dia nofaohin’ny Fanahy aho, ka injay nisy feo nikotrokotroka mafyreko tao ivohoko, nanao hoe: «Hankalazaina anie ny voninahitr’i Iaveh ao amin’ny fitoerana fonenany».

13 Reko ny fikapokapoky ny elatr’ireo zava-manana aina, nifandona, sy ny firohondrohon’ny kodiarana teo anilany, ary nisy feon-javatra nikotrokotroka mafy.

14 Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahanano tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy.

15 Dia tonga tany Tel-Abibaaho, tany amin’ireo babo, nonina teo amoron’ny ony Kobara, sy tany amin’ny tany nonenany; ka nandritra ny hafitoana aho, dia ankona foana teo afovoan’izy ireo.

Ny mpaminany: mpitily

16 Nony afaka hafitoana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

17 «Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.

18 Raha Izaho milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: ‹Ho faty tokoa ianao›; nefa ianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy, dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany.

19 Fa rehefa nananatra an’ilay ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy nety niala amin’ny haratsiany aman-dalan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin’ny helony; fa ianao kosa dia namonjy ny fanahinao.

20 Raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinana sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho ianao tsy nananatra azy dia ho faty amin’ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony kosa tsy hotsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin’ny tananao.

21 Fa raha misy marina nanarinao tsy hanota, ka tsy nanota tokoa, dia ho velona tokoa izy, satria nahazo anatra; ary ianao koa, ho efa namonjy ny fanahinao».

Lasa moana i Ezekiela

22 Teo amiko ny tanan’i Iaveh, ary hoy Izy tamiko: «Mitsangàna ianao, mankanesa any an-tany lemaka, fa any no hitenenako aminao».

23 Nitsangana aho nankany an-tany lemaka, dia indro teo ny voninahitr’i Iaveh, tahaka ilay voninahitra efa hitako tany amin’ny ony Kobara; ka lavo niankohoka terỳ aho.

24 Niditra tato anatiko ny Fanahy, ka nataony mijoro amin’ny tongotra aho; ary niteny tamiko i Iaveh nanao hoe: «Mandehana mirindrin-trano ao aminao.

25 Fa indro ianao, ry zanak’olona, hasiana tady hafatotra, ary tsy ho afa-mivoaka ho any amin’izy ireo.

26 Haraikitro amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao, dia tsy ho mpaniny azy ireo, satria taranaka miodina izy.

27 Rehefa hiteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka hilaza amin’izy ireo ianao hanao hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Izay mety hihaino, aoka hihaino; ary izay tsy mety aoka tsy hihaino; fa taranaka miodina izy ireo.› »

Categories
Ezekiela

Ezekiela 4

Nambara fa hatao fahirano i Jerosalema

1 Ary ianao, ry zanak’olona, makà birikyanankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin’i Jerosalema.

2 Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandrata tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidinaazy; ary ametraho lohondry vymanodidina azy.

3 Ary ianao makàlapoaly vy; ataovy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy, Aoka ho famantarana ho an’ny taranak’i Israely izany.

4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao havia; ka ataovy eo ny heloky ny taranak’i Israely; ary ny andro handrianao toy izany, dia hitondranao ny helok’izy ireo.

5 Ary araka ny isan’ny andro no nanisako ny taonan’ny helok’izy ireo ho anao; ka dia 390 andro no hitondranao ny heloky ny taranak’i Israely.

6 Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak’i Jodà kosa ianao, 40 andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao.

7 Dia hitodika hanandrina an’i Jerosalema atao fahirano, ny tavanao aman-tsandrinao mihanjaka, ka haminany hamely azy ianao.

8 Ary indro, efa nopetahako tady ianao, mba tsy ho afa-mivadi-mandry, mandra-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao.

9 Makà frômenta, orja, kalamaka, voamena, ampemby ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan’ny andro handrianao amin’ny ilanao, 390 andro no hihinananao azy.

10 Ary 20 siklano lanjan’ny hanin-kohaninao amin’ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy.

11 Rano kely ihany no hosotroinao, dia ampahenin’ny hina, asio elanelany ny fisotro azy.

12 Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason’izy ireo.

13 Dia hoy i Iaveh tamiko: «Toy izany no hihinanan’ny zanak’i Israely ny mofony voaloto, any amin’ny firenena handroahako azy.»

14 Ka hoy aho: «Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin’ny fahatanorako ka mandraka ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena voaloto.»

15 Dia hoy Izy tamiko: «Jereo fa ekeko hosoloina taim-biby ihany ny diky, ka dia eo ambonin’izany no hanendasanao ny mofonao.»

16 Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, indro hotapahiko ny tehina mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan’izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano.

17 Satria, ny hanina amam-pisotro tsy ho ampy; ny tenany, samy hihareraka sy hihalevona avy izy ireo, noho ny haratsiany.»

Categories
Ezekiela

Ezekiela 5

1 Ary ianao, ry zanak’olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan’ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanaoizy; raha efa izany, makà mizana fandanjàna, ka zarao izay voatapakao.

2 Ny ampahatelony doryamin’ny afo, eo afovoan’ny tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin’ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriana Aho.

3 Ary akao vitsivitsy izy, fonosy amin’ny sisin-dambanao;

4 ka io sisa ioindray, analao, ka hatsipinao ao anaty afo, ka hodoranao amin’ny afo. Avy eo no ivoahan’ny afo ho amin’ny taranak’i Israely rehetra.

5 Izao no lazain’i Iaveh, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan’ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.

6 Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy, satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny l?lako.

7 Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Satria ianareo niodina mihoatra noho ny firenena manodidina anareo, tsy nandeha araka ny lalàko, tsy nanaraka ny didiko, ary tsy nanao araka ny fomba fanaon’ireo firenena manodidina anareo;

8 noho izany, izao no lazain’i Iaveh Tompo: Indro kosa Aho izao tamy hamely anao, Izaho no hanatanteraka eo afovoanao ny teny voatapaka eo imason’ireo firenena;

9 ary noho ny fahavetavetanao rehetra, dia zavatra tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko intsony koa, no hataoko aminao;

10 noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao Aho, ary haeliko any amin’ny vazantany rehetra, izay sisa eo aminao.

11 Koa amin’izany, velona Aho- teny marin’i Iaveh Tompo; – noho ianao nandoto ny fitoerako masina tamin’ny zava-mahamenatraamam-pahavetavetana rehetra nataonao; Izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo Aho.

12 Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.

13 Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po Aho, ary izy kosa hahalala, rehefa nampanaraniko namely azy ny fahatezerako, fa tamin’ny fahasaro-piaroko no efa nitenenako Izaho Iaveh.

14 Hatolotro halàm-baraka sy hampahorina any amin’ny firenena manodidina anao ianao, eo imason’ny mpandalo rehetra.

15 Rehefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan’ny fahavinirako, ianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an’ny firenena manodidina anao;

16 – Izaho Iaveh no milaza – rehefa alefako amin’izy ireo ny zana-tsipìka mandozan’ny mosary, izay enti-mandringana, ka halefako aminareo handringana anareo; fa hampitomboiko koa ny mosary eo aminareo, ary hotapahiko ny tehina mofo ho anareo.

17 Ary handefa mosary sy biby mandozaeo aminareo Aho, izay hanesotra aminao ny zanakao; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; Izaho no miteny.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 6

Teny mamely ireo tendrombohitr’i Israely

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny tendrombohitr’i Israelyny tavanao, ka maminania ny hamelezana azy. Lazao hoe:

3 Ry tendrombohitr’i Israely,

Mihainoa ny tenin’i Iaveh Tompo.

Izao no lazain’i Iaveh Tompo

amin’ny tendrombohitra aman-kavoana,

sy amin’ny hadin-driaka aman-dohasaha;

Indro Aho hahatonga sabatra hamely anareo;

ary ny fitoerana avonareo horavako,

4 ny ôtelinareo ho voarava,

ny andrinareoho an’ny masoandro, hotapahina;

ny lehilahinareo hataoko mitsingidina,

voan’ny fahafatesana, eo anoloan’ny sampinareo;

5 ny fatin’ny zanak’i Israely

hataoko eo anoloan’ny sampiny.

Ary ny taolanareo haeliko,

manodidina ny ôtelinareo.

6 Na aiza na aiza onenanareo,

ny tanàna ho lao,

ny fitoerana avo horavàna;

mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo,

ho montsana sy levona ny sampinareo,

hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro

ary ho fongotra ny asanareo.

7 Hiampatrampatra eo aminareo, ny maratra ho faty;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

8 Havelako hisy sisa ihany anefa aminareo;

dia izay afaka amin’ny sabatra, any amin’ny firenena,

rehefa haely any amin’ny tany samihafa.

9 Ka ireo afaka ireo dia hahatsiaro Ahy eny amin’ny firenena,

izay hitondrako azy ho babo;

nony efa notorotoroiko ny fony mpisintaka

izay nivily tamiko,

sy ny masony mpisintaka

izay nitodika nankany amin’ny sampiny;

ka haharikoriko azy ny tenany,

noho ny ratsy nataony,

tamin’ny fahavetavetana rehetra vitany.

10 Dia ho fantany fa Iaveh Aho,

ka tsy mba foana ny nilazako

fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.

Ireo fahotan’i Israely

11 Izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Mitehafa tanana ianao

ary mitotoa tongotra, ka manaova hoe: «Indrisy!»

amin’ny fahavetavetana ratsy rehetra,

nataon’ny taranak’i Israely,

izay efa ho levon’ny sabatra,

sy ny mosary ary ny pesta.

12 Ny lavitra ho fatin’ny pesta;

ny akaiky ho lavon’ny sabatra;

izay sisa tavela voatahiry, ho fatin’ny hanoanana;

ka hampariko amin’izy ireo ny fahatezerako.

13 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho;

rehefa hiampatrampatra eny afovoan’ny sampiny

ny maty amin’izy ireo

manodidina ny ôteliny,

eny amin’ny havoana avo rehetra,

eny antampon-tendrombohitra rehetra;

eny ambanin’ny hazo maitso rehetra,

eny ambanin’ny oaka be ravina rehetra,

amin’ny fitoerana nanaterany emboka manitra mahafinaritra

tamin’ny sampiny rehetra.

14 Haninji-tanana hamely azy ireo Aho,

ka hataoko lao sy simba ny taniny,

hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah,

dia ho fantany fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 7

Akaiky ny farany

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’i Iaveh Tompo, amin’ny tanin’i Israely:

Ny fiafarana! Tamy ny farany

amin’ny vazantany efatra!

3 Ankehitriny tamy aminao ny farany;

efa hampanarana ny hatezerako hamely anao Aho;

hitsara anao araka ny asanao;

hampitambesatra ny fahavetavetanao rehetra aminao.

4 Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo Aho,

fa hatambesatro aminao ny asanao;

ary ho eo afovoanao ny fahavetavetanao;

dia ho fantatrao fa Iaveh, Aho.

5 Izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Loza safatsiroa! Loza! Injay izy tamy!

6 Injay tamy ny farany! Tonga ny farany!

Mifoha hamely anao izy; injay izy tamy!

7 Tamy ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany;

tonga ny fotoana, akaiky ny andro!

Fitabatabana!… fa tsy hobim-pifaliana eny an-tendrombohitra.

8 Ankehitriny Aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra

ny hatezerako aminareo;

hanala fo ny fahavinirako aminao;

hitsara anao araka ny asanao aho,

ary hampitambesatra aminao,

ny fahavetavetanao rehetra.

9 Ny masoko tsy hiantra anao,

ary tsy hamindra fo Aho,

hitambesatra aminao ny asanao;

ho eo afovoanao ny fahavetavetanao.

Dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no mamely!

10 Indro ny andro, tamy izy; tonga ny anjaranao;

mamòny ny tsora-kazo; mivelatra ny avonavona;

11 mitsangana ny fanaovana an-keriny,

mba ho tsora-kazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana.

Tsy hisy aminy ho voavela, na amin’ny hamaroany,

na amin’ny fihahohahoany,

tsy ho maresaka intsony.

12 Tonga ny fotoana, antomotra ny andro!

Ny mpividy, aoka tsy hifaly;

ary ny mpivarotra, aoka tsy halahelo,

fa efa hipoahan’ny fahatezerana avokoa ny ankamaroany.

13 Ny mpivarotra tsy ho tongatompon’

izay efa lafony indray,

na mbola ho isan’ny velona aza izy;

fa ny fahitana an’izay hanjò ny ankamaroany rehetra,

tsy mba ho foanana,

ary tsy misy maharo ny ainy, na iray aza, amin’ny helony.

14 Velona ny trômpetra,

ary vonona ny zavatra rehetra;

nefa tsy misy mandroso hiady ny olona,

satria iharan’ny hatezerako avokoa ny ankamaroany.

Ireo fahotan’i Israely indray

15 Ny sabatra, eny ivelany;

ny pesta sy mosary, ao anatiny;

ary ny eo an-tanàna, ho levon’ny mosary sy ny pesta.

16 Na misy ho afa-mandositra aza amin’izy ireo,

dia hirenireny eny an-tendrombohitra,

toa voromahailala an-dohasaha,

samy hitoloko noho ny helony avokoa.

17 Samy miraviravy tanana daholo,

ary samy mitsonika ny lohalika rehetra ho rano.

18 Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy;

henatra no ho amin’ny tava rehetra,

ary mibory ny loha rehetra.

19 Hariana eny an-dalambe ny volafotsiny,

hataony hoatra ny zezika ny volamenany;

tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany,

amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh;

tsy hamoky ny fanahiny amin’izany, izy,

na hameno ny kibony amin’izany akory,

fa izany indrindra no nahalavo azy tamin’ny faharatsiana.

20 Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany;

namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny.

Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;

21 ary hatolotro ho babo eny an-tanan’ny hafa firenena,

ho rembin’ny tsy tia fivavahana amin’ny tany; – ka holotoiny.

22 Haviliko tsy hijery azy ny tavako

ka holotoin’olona ny rakitro,

fa hidiran’ny olona mpanao an-keriny, ka holotoiny.

23 Omany ny gadra; fa feno heloka ny tany;

ary feno fanaovana an-keriny, ny tanàna.

24 Hasaiko avy ny ratsy fanahy indrindra amin’ny firenena,

haka ny tranon’izy ireo,

hampitsahatra ny avonavon’ny mahery;

ary ny fitoerany masina dia ho voaloto.

25 Mby akaiky ny fandravana;

hitady fiadanana izy ireo, fa tsy hisy izany.

26 Ho avy ny loza tsindrian-doza,

sy filazana vaovao tsindriam-pilazana;

ka hitady fahitana amin’ny mpaminany izy ireo;

ary tsy ho eo amin’ny mpisorona ny lalàna,

na ny torohevitra eo amin’ny loholona.

27 Ny mpanjaka, ho rafitra misaona;

ny mpifehy, hitafy falahelovana;

ary ny tanànan’ny vahoakan’ny tany hangovitra;

fa hasiako araka ny asany izy;

ary hotsaraiko araka ny tandrify azy,

dia ho fantany fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 8

Fahitana ny fahotan’i Israely indray

1 Tamin’ny taona fahenina, andro fahadimin’ny volana, volana fahenina, raha ilay nipetraka tao an-tranoko iny aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’i Jodà, dia nilatsaka tamiko ny tanan’i Iaveh Tompo.

2 Ary nahita aho, ka indro, nisy endrika nitarehin’afo; ka ny hatramin’izay niseho ho valahany no ho midina, dia afo; ary ny hatramin’ny valahany no ho miakatra, dia mitarehin-java-mazava hoatra ny metaly, no fijery azy.

3 Nisy tarehin-tanana natsotrany, dia noraisiny tamin’ny volondohako miolikolika aho, ka naingain’ny Fanahy ho eny anelanelan’ny tany aman-danitra, sy nentiny, tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan’ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin’ny fialonana, mamelona fialonana.

4 Ary indro teo ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely; ary ny fijery azy dia tahaka ilay nahitako azy, tany amin’ny lohasaha.

5 Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonanaio.

6 Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon’ny taranak’i Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa ianao.»

7 Dia nentiny ho eo am-bavahadin’ny kianja aho, ka nahatazana aho: ary indro nisy loaka anankiray teo amin’ny rindrina.

8 Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, gorobahy ny rindrina.» Dia nogorobahako ny rindrina, ka indro nisy varavarana teo.

9 Ary hoy izy tamiko: «Avia, jereo ireto fahavetavetana mahatsiravina ataony eto.»

10 Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin’ny biby mandadyamam-biby maloto isan-karazany, mbamin’ny fahavetavetan’ny taranak’i Israely rehetra.

11 Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasazanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo.

12 Dia hoy Izy tamiko: «Hitanao va, ry zanak’olona, ity ataon’ny loholon’ny taranak’i Israely ao amin’ny maizina, samy anatin’ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika i Iaveh; efa nandao ny tany i Iaveh.»

13 Ary hoy koa izy tamiko: «Mbola ho hitanao ny fahavetavetana lehibe hafa, ataon’izy ireo.»

14 Dia nentiny aho, ho eo anoloan’ny vavahady, mitodika mianavaratra, amin’ny tranon’i Iaveh, ka indreo, ny vehivavy nipetraka teo, mitomany an’i Tamoza.

15 Ary hoy Izy tamiko: «Efa hitanao va, ry zanak’olona? Mbola hahita fahavetavetana hafa lehibe noho izany, ianao.»

16 Tamin’izay, nentiny aho, ho ao amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’i Iaveh, ary indro fa teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’i Iaveh ao anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely, nisy lehilahy sahabo ho 25, niamboho ny tempolin’i Iaveh, nitodika niantsinanana, ary niankohoka niantsinanana teo anoloan’ny masoandro.

17 Ka hoy izy tamiko: «Efa hitanao va, ry zanak’olona? Mbola tsy ampy ihany va ho an’ny taranak’i Jodà ny manao izao fahavetavetana ataony eto izao, no mbola fenoiny fampahoriana koa ny tany; ka niverenany hatao lalandava izay hampahatezitra Ahy? Indro izy ireo manainga ny rantsan-kazo ho eo amin’ny orony.

18 Ary Izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra fo Aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.»

Categories
Ezekiela

Ezekiela 9

Ny sazy

1 Dia niantso mafy teo an-tsofiko Izy nanao hoe: «Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.»

2 Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambonymitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankirayteo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.

3 Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely, niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano. Ary i Iaveh niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony,

4 ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Taony handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»

5 Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko: «Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.

6 Na anti-dahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Tao ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin’ny fitoerako masina, manomboka.» Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.

7 Ary hoy Izy taminy: «Lotoy ny trano; fenoy faty ny kianja. Mivoaha ianareo!» Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo.

8 Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: «Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin’i Israely, amin’izao ampidinanao ny hatezeranao amin’i Jerosalema izao?»

9 Ary hoy Izy tamiko: «Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak’i Israely sy i Jodà. Feno ran’olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna, fa hoy izy ireo: Afoin’i Iaveh ny tany; tsy mahita na inona na inona i Iaveh.

10 Izaho koa, dia tsy hiantra ny masoko; ary tsy hamindra fo Aho; hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony.»

11 Dia indro tamy ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony, nilaza ny nataony, nanao hoe: «Vitako izay nandidianao ahy.»

Categories
Ezekiela

Ezekiela 10

1 Ary nahita aho, ka indro teo ambonin’ny andohalambo, tambonin’ireo lohan’ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin’ireo.

2 Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika: «Mandehana ho ao anelanelan’ny kodiarana, ambanin’ny Kerobima; fenoy vain’afo avy eo anelanelan’ny Kerobima ny tanan-droanao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia nankao izy teo imasoko.

3 Nijanona teo ankavananan’ny trano ny Kerobima, raha nankao ilay lehilahy, ka nahafeno ny kianja anatiny ny rahona.

4 Ary ny voninahitr’i Iaveh nisondrotra niala teo amin’ny Kerobima nankeo amin’ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Iaveh ny kianja.

5 Re hatrany amin’ny kianja ivelany, ny fikopakopaky ny elatry ny Kerobima hoatra ny feon’Andriamanitra Tsitoha, raha miteny izy.

6 Nony nandidy an-dralehilahy mitafy rongony fotsy madinika Izy, nanao hoe: «Makà afo ao anelanelan’ny kodiarana, anelanelan’ny Kerobima,» dia nandroso ho eo anilan’ny kodiarana izy.

7 Ary ny Kerobima naninjitra ny tanany eo anelanelan’ny Kerobimaho ao amin’ny afo izay eo anelanelan’ny Kerobima, dia nalainy ka nataony teo an-tanan-dralehilahy mitafy rongony fotsy madinika, izay nandray izany, dia nivoaka.

8 Fa nisy endri-tanan’olona, hita teo ambany elatr’ireo Kerobima.

9 Ary nahita aho, ka indreo, nisy kodiarana efatra, teo anilan’ireo Kerobima, kodiarana iray avy no teo anilan’ny isan-Kerobima; ary ny endriky ny kodiarana dia toy ny an’ny vaton’i Tarsisa.

10 Ary araka ny fijery azy ireo, dia sahala izy efatra; dia hoatra ny kodiarana itsofohan’ny kodiarana eo afovoany.

11 Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin’ny lafiny efatra, tsy miherika eny am-pandehanany, fa izay fitoerana itodihan’ny lohany no alehany, tsy miherika eny am-pandehanany.

12 Ary feno maso avokoa ny manodidina ny tenan’ny Kerobima, ny lamosiny, ny tanany, ny elany, mbamin’ny kodiarana; samy nanana ny kodiarany avy izy efatra.

13 Ny kodiarana dia mailaka no anarana fiantsoana azy.

14 Isan-Kerobima samy nanan-tarehy efatra avy: ny tarehin’ny voalohany, tarehin-Kerobima, ny tarehin’ny faharoa, tarehin’olona; ny an’ny fahatelo, tarehin’ombalahy; ary ny an’ny fahefatra, tarehim-boromahery.

15 Dia niakatra ny Kerobima, dia izany no ilay zava-manana aina hitako tany amin’ny ony Kobara.

16 Raha nandeha ny Kerobima, nandeha teo anilany koa ny kodiarana, ary raha nanainga elatra hisondrotra avy amin’ny tany ny Kerobima dia tsy nivily koa ireo kodiarana; tsy niala teo anilan’ireo.

17 Raha nijanona izy, nijanona koa ireo; raha nisondrotra izy, niara nisondrotra taminy koa ireo; satria tao amin’izy ireo ny Fanahin’ny zava-manana aina.

Ilaozan’ny voninahitr’i Iaveh ny Tempoly

18 Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano, ny voninahitr’i Iaveh, dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima.

19 Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin’ny tany teo imasoko, ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana. Nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinananaamin’ny tranon’i Iaveh izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo aminy, teo amboniny.

20 Izany no ilay zava-manana aina hitako teo ambanin’ny Andriamanitr’i Israely, teo amin’ny ony Kobara; ary nahalala aho fa Kerobima izany.

21 Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy; ary nisy endri-tanan’olona, teo ambany elany.

22 Ary ny amin’ny fijery ny tavany dia ireo tava hitako teo amoron’ny ony Kobara ihany; sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany. Samy nandeha tamin’izay hitsiny avy izy.