Categories
Ezekiela

Ezekiela 11

Tohin’ny fahotan’i Jerosalema

1 Naingain’ny fanahy aho dia nentiny nankeo am-bavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinanana amin’ny tranon’i Iaveh; ka indro, teo anoloan’ny vavahady nisy olona 25 lahy; ary hitako teo amin’izy ireo, i Jezoniasa zanak’i Azora sy i Feltiasa zanak’i Banaiasa. lehiben’ny vahoaka.

2 Dia hoy i Iaveh tamiko: «Ry zanak’olona, ireo no olona mamoron-tsain-dratsy, sy manome hevi-dratsy, eto amin’ity tanàna ity, manao hoe:

3 ‹Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena.›

4 Koa maminania hamely azy; maminania, ry zanak’olona.»

5 Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin’i Iaveh; ka hoy Izy tamiko: «Mitenena hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Izany no teneninareo, ry taranak’i Israely! Fantaro ny mby ao an-tsainareo.

6 Nohamaroinareo ny vonoana olonatamin’ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny lalam-be.

7 Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan’ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa ianareo kosa havoaka hiala eto.

8 Mataho-tsabatra ianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, – teny marin’i Iaveh Tompo. –

9 Havoakako hiala eto an-tanàna ianareo, ka hatolotro eo an-tanan’ny hafa firenena; ary hampihatra aminareo ny fitsaràko Aho.

10 Ho lavon-tsabatra ianareo, ary hotsaraiko any amin’ny sisin-tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.

11 Ity tanàna ity, tsy ho vilany ho anareo; ianareo, tsy ho hena ao anatiny; fa any an-tsisin-tanin’i Israely no hitsarako anareo.

12 Ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh izay tsy narahinareo fitsipika, na notandremanareo lalàna, fa nanaraka ny lalàm-pirenena manodidina anareo no nataonareo.»

13 Mbola naminany teo aho, dia maty i Feltiasa zanak’i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina tamin’ny feo avo nanao hoe: «Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin’i Israely.»

Fanekem-pihavanana vaovao ampanantenaina an’ireo voasesitany

14 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

15 «Ry zanak’olona, ireo rahalahinao, olona anisan’ny fianakavianao, sy ny taranak’i Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan’ny mponina ao Jerosalema hoe: ‹Mijanòna any lavitra an’i Iaveh ianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana.›

16 Koa lazao amin’ireto hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin’ny firenena ireny, naeliko any amin’ny tany hafa izy; nefa Izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin’ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy.

17 Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.

18 Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra.

19 Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hoesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy;

20 mba hizorany amin’ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.

21 Fa ry zareo manana fo manaraka ny fon-tsampinyvetaveta kosa, dia hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony», – teny marin’i Iaveh Tompo.

Ilaozan’ny voninahitr’i Iaveh i Jerosalema

22 Tamin’izay ny Kerobima nanainga ny elany; ny kodiarana koa niara-nihetsika taminy; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo ambonin’izy ireo.

23 Ary nisondrotra avy teo ambonin’ny afovoan-tanàna, ny voninahitr’i Iaveh, ka nijanona teo an-tampon’ilay tendrombohitra eo atsinanan’ny tanàna.

24 Ary naingain’ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin’ireo babo any Kaldea, tamin’ny fahitana, tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;

25 ary notantaraiko tamin’ireo babo avokoa ny zavatra nampahitan’i Iaveh ahy.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 12

Fihetsika asaina ataon’i Ezekiela manambara ny handosirana

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, manao hoe:

2 «Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izaymana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.

3 Koa mifeheza entanaianao, ry zanak’olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason’izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin’izay itoeranao, ho any amin’ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin’izany, fa taranaka miodina izy.

4 Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony ianao, hoatra ny fiaingan’ny olona mifindra tany honenana.

5 Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny entanao;

6 ataovy an-tsoroka eo imasony izany, dia ento rehefa ilay maizimaizina iny; saròny ny tavanao, ataovy amin’izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an’ny taranak’i Israely ianao.»

7 Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan’ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin’ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rehefa ilay maizimaizina iny, dia nolanjaiko teo imason’izy ireo.

8 Nony maraina, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

9 Ry zanak’olona, moa ny taranak’i Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: «Inona ity ataonao?» Lazao aminy hoe:

10 Izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Ity teny faminaniana ity, dia ho an’ny andrianaao Jerosalema,

mbamin’ny taranak’i Israely rehetra, ao amin’izany tanàna izany.

11 Lazao hoe: Famantarana ho anareo, aho;

tahaka izay nataoko, no hatao amin’izy ireo;

hasesitany izy, ho any amin’ny fahababoana.

12 Ny andriana eo aminy,

hanao an-tsoroka ny entany, rehefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga;

hogorobahan’ny olona ny manda, hamoahana azy;

hosaronany ny tavany, ka tsy hahita

maso ny tany izy.

13 Hamela-pandrika harato aminy Aho,

ka ho voan’ny fandrika izy;

hoentiko any Babilôna izy,

any amin’ny tanin’ny Kaldeanina;

nefa tsy hahita izany izy,

ary ho faty any.

14 Izay rehetra manotrona azy,

ny mpanampy azy, ny miaramilany rehetra,

dia haeliko any amin’ny vazantany rehetra,

sady henjehiko amin’ny sabatra voatsoaka.

15 Dia ho fantany fa Iaveh Aho,

rehefa naeliko any amin’ny firenena izy,

sy nahahako any amin’ny tany hafa.

16 Hisy olona vitsivitsy amin’izy ireo anefa, havelako

ho afaka amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta,

mba hitantarany fahavetavetana nataony,

any amin’ny firenena halehany any,

dia ho fantany fa Iaveh Aho.

17 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

18 Ry zanak’olona, hihinana amin-korohoro ny haninao ianao,

ary hisotro amin-tebiteby sy amin’ahiahy ny ranonao.

19 Ary hilaza amin’ny vahoakan’ny tany ianao hanao hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh

ny amin’ny mponina ao Jerosalema,

ny amin’ny tanin’i Israely:

Amin’ahiahy no hihinanan’izy ireo ny haniny,

ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony,

fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin’ny tany,

noho ny fampahoriana afitsoka izay rehetra monina eo aminy.

20 Ny tanàna nonenana ho lao;

ny tany, ho foana;

dia ny fantatrareo fa Iaveh Aho.

Ohabolana fanaon’ny vahoaka

21 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

22 Ry zanak’olona, inona ity fitenenana

ataonareo fiteny eo amin’ny tanin’i Israely hoe:

Mihalava ny andro;

tsy misy tanteraka ny fahitana rehetra?

23 Koa lazao amin’izy ireo hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Hatsahatro izany fitenenana izany,

ka tsy hotononina eo amin’i Israely intsony izany.

Fa izao kosa no lazao amin’izy ireo:

Antomotra ny fotoana;

mbamin’ny fahatanterahan’ny tenin’ny fahitana rehetra.

24 Fa tsy hisy intsony ny fahitana fitaka,

na ny faminaniana sandoka,

eo amin’ny taranak’i Israely.

25 Fa Izaho Iaveh, hiteny,

ary ny teny holazaiko, ho tanteraka;

tsy hanaovana ampitso lava.

Eny, amin’izao andronareo izao, ry taranaka miodina,

no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy.

– Teny marin’ny Tompo Iaveh. –

26 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

27 Ry zanak’olona, indro ny taranak’i Israely manao hoe:

Ny fahitana izay hitan’ilay io

mbola ho amin’ny andro lavitra,

ary ho amin’ny fotoana mbola ho ela no aminaniany.

28 Koa lazao amin’izy ireo hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko;

fa efa ho tanteraka ny teny ataoko.

– Teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 13

Teny mamely ny mpaminany sandoka

1 Tonga ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany;

ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-ponyihany hoe:

Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo:

3 Izao no tenin’i Iaveh Tompo:

Loza ho an’ny mpaminany adala,

izay manaraka ny sainy fotsiny,

fa tsy mahita na inona na inona!

4 Toy ny fosa an-tanàna haolo

dia toy izany ny mpaminaninao, ry Israely ô!

5 Tsy niakatra ho eo amin’ny bangaianareo,

na nanangana manda manodidina ny taranak’i Israely,

mba hifaharany amin’ny ady, amin’ny andron’i Iaveh.

6 Fahitana tsy misy fotony ny azy,

ary faminaniana mamitaka

no an’ireo manao hoe: «Teny marin’i Iaveh»;

nefa izy ireo tsy nirahin’i Iaveh,

ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.

7 Tsy fahitana foana va no hitanareo,

tsy faminaniana lainga va no lazainareo,

raha hoy ianareo: «Teny marin’i Iaveh!»

nefa Aho tsy nilaza tsinona?

8 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Noho ianareo milaza zava-poana,

sady fahitana lainga, ny anareo,

dia indro Aho ho tonga atỳ aminareo

– Teny marin’i Iaveh. –

9 Ny tanako hamely an’ireo mpaminany

mahazo fahitana tsy misy fotony,

sy faminaniana lainga:

tsy ho eo amin’ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy;

na ho voasoratraamin’ny bokin’ny taranak’i Israely;

ary tsy hiditra ao amin’ny tanin’i Israely;

– dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo Aho, –

10 noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako,

nanao hoe: «Fiadanana!» nefa tsy nisy fiadanana tsinona.

Manao manda ny vahoakako,

dia indreny izy mandalotra sokay an’izany!

11 Dia lazao amin’izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda.

Ho avy ny ora-mahery!

Milatsaha, ry havandra vato!

Mifofofofoa, ry tafio-drivotra!

12 Indro, nirodana ny manda!

Tsy hilazan’ny olona va ianareo, hataony hoe:

«Aiza ity sokay nandaloranareo azy?»

13 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako;

hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako;

sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.

14 Harodako ny manda nolalorinareo sokay;

hazerako amin’ny tany izy;

ka hihanjahanja eo ny fanambaniny;

hirodana izy, ary ianareo ho faty eo amin’ny antontany;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

15 Hanala fo ny hatezerako amin’ny manda Aho,

sy amin’izay nandalotra sokay azy,

ary hilaza aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda!

Tsy misy intsony ireo olona nandalotra sokay azy,

16 dia ireo mpaminanin’i Israely, izay naminany ny amin’i Jerosalema,

sy nahita fahitana hoe ho fiadanana ho azy;

nefa tsy nisy fiadanana tsinona;

– Teny marin’i Iaveh Tompo. –

Ireo mpaminany vavy sandoka

17 Ary ianao, ry zanak’olona, atodiho ny tavanao,

hanandrina ireo zanaka vavin’ny firenenao,

izay maminany araka ny sitrapony;

ka maminania famelezana azy hoe:

18 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana,

ho an’ny famavanin-tanana rehetra;

sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra;

mba hihaza fanahy amin’ny fandrika.

Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika,

ary ny fanahinareo kosa ho velona!

19 Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo,

hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo,

ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty;

sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina;

dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga.

20 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro halàko ny ondanareo,

izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy,

ka hataoko lasa manidina ireny;

hotriariko ireo ondana ireo,

hiala eo amin’ny sandrinareo,

ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho,

mba ho afa-manidina ireny.

21 Hotriariko ny ondanareo;

ary hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako;

ka tsy ho haza eny an-tananareo intsony izy;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

22 Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga,

nefa Izaho kosa tsy nampahory azy;

sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy,

mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy;

23 noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo,

na hahazo hitsak’andro intsony;

hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako,

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 14

Teny mamely ny fanompoan-tsampy

1 Tonga tao amiko ny loholonasasany amin’i Israely, ka nipetraka teo anoloako.

2 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

3 Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho?

4 Noho izany, mitenena aminy ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin’ny taranak’i Israely manangana ny sampin-doza ao am-pony, sy manao eo anoloan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia Tenako Izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin’ny sampiny maro,

5 mba hahavoazako ny taranak’i Israely amin’ny fony satria efa nivily niala tamiko izy mbamin’ny sampin-dozany rehetra.

6 Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.

7 Fa na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahinymitoetra eo amin’i Israely misaraka amiko manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny Tenako Izaho Iaveh, no hamaly azy.

8 Ka ny Tavako, hanandrina izany olona izany; izy holevoniko hataoko famantarana aman’ohabolana, hofongarako eo amin’ny vahoakako; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

9 Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia Izaho Iaveh no ho nanodòka an’izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tanako aminy Aho, ary hofongorako eo amin’ny vahoakako Israely izy.

10 Dia hitondra ny valin’ny haratsiany izy, – arakaraka ny haratsian’izay manontany ny haratsian’ny mpaminany koa,

11 – mba tsy hivilian’ny taranak’i Israely hanalavitra Ahy intsony, sy tsy handotoany tena amin’ny fahadiasoany rehetra. Amin’izay, izy ireo dia ho vahoakako, ary Izaho dia ho Andriamaniny, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Samy milanja ny fahadiasoany

12 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

13 Ry zanak’olona,

Raha misy firenena manota miodina amiko

ka ahinjitro aminy ny tanako,

dia tapahiko ny tehina mofo ho azy,

sy alefako hamely azy ny mosary,

dia haringako ny olona sy ny biby,

14 ary eo amin’izany tany izany dia misy ireto olona telo ireto:

i Nôe, i Daniela sy i Jôba…

dia hahavonjy ny fanahiny, amin’ny fahamarinana izy ireo;

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

15 Raha mandefa biby masiaka amin’ny tany Aho,

ka ilaozan’ny mponina sy zary efitra

tsy halehan’ny olona na iza na iza azon’izany biby izany,

16 ary raha ao amin’izany tany izany izy telo lahy ireo,

velona Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh, –

tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy;

ny tenan’izy ireo ihany no ho voavonjy,

fa ny tany ho lao.

17 Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany Aho,

ary manao hoe: «Aoka hijinja ny tany ny sabatra…»

sady mandringana ny olona sy ny biby;

18 ka eo afovoan’io tany io koa izy telo lahy ireo;

velona Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh; –

dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo;

ny tenany ihany no ho voavonjy.

19 Na raha mandefa pesta ho amin’izany tany izany Aho,

ary manidina ny hatezerako aminy, amin’ny fandatsahan-dra,

sady mandringana ny olona sy ny biby,

20 ka eo afovoan’io tany io koa i Nôe sy i Daniela ary i Jôba,

velona Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh; –

tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo,

fa ny tenany ihany no hahavonjy ny fanahiny,

noho ny fahamarinany.

21 Satria izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Na dia rehefa nalefako hamely an’i Jerosalema aza

ny fikapohana efatra mandoza:

ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta,

ka nandringana ny olona sy ny biby,

22 dia hisy sisa ihany, ho afa-mandositra,

ka hivoaka ny tanàna, dia zanaka lahy, sy zanaka vavy.

Ho avy eo aminareo izy,

dia hahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo,

ka dia hionona ianareo ny amin’ny loza

nalefako hamely an’i Jerosalema,

dia ny amin’izay rehetra nataoko nihatra taminy.

23 Hampionona anareo izy ireo,

rehefa mahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo,

ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony

ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy,

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 15

Fanoharana amin’ny foto-boaloboka

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona,

Inona no ihoaran’ny tahom-boaloboka,

noho ny tahon’ny hazo hafa rehetra,

noho ny rantsan-kazo

izay isan’ireo hazo any an’ala?

3 Moa mba fangalàn-kazo, hanaovan-javatra va izy?

Na mba fangalana hombo hanantonan-javatra akory?

4 Atao ao anaty afo izy, holevoniny,

dia levon’ny afo ny laniny roa;

may koa ny tenantenany;

ka azo atao inona indray izy?

5 Fony mbola tsy nahafahana aza izy,

tsy azo nanaovana na inona na inona;

ka mainka rehefa kila sy main’ny afo,

ho azo atao inona intsony?

6 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

toy ny tahom-boaloboka any amin’ny hazo an’ala,

izay hazo atolotra ho levon’ny afo,

no hanolorako ny mponina ao Jerosalema.

7 Hitodika hanandrina azy ny Tavako;

afa-nandositra ny afo izy, nefa levon’ny afo ihany indray;

dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho,

rehefa atodiko hanandrina azy ireo ny Tavako.

8 Ary ataoko zary efitra ny tany,

noho izy ireo nivadika;

– teny marin’i Iaveh Tompo. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 16

Tantara fanoharana an’i Israely

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany, ka ataovy hoe:

3 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Jerosalema: Ny tanin’ny Kananeaninano niavianao sy nahaterahanao; Amôreanany rainao, ary Heteanina ny reninao.

4 Toy izao ny amin’ny fahaterahanao: tamin’ny andro nahaterahanao ianao tsy voatapaka tadim-poitra, tsy voampandrotamin’ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza.

5 Tsy nisy nijery maso antra anao, ka mba nanao iray akory tamin’ireo fikarakarana ireo, noho ny indrafo anao; fa tamin’ny andro nahaterahanao, dia nariana tany an-tsaha ianao, fa narikoriko anao ny olona.

6 Nandalo teo akaikinao Aho, dia nahita anao nitsipatsipaka tamin’ny ranao, ka nanao taminao hoe: «Miveloma amin’ny ranao.»

7 Dia nampitomboiko, toy ny ahitra any an-tsaha ianao, ka nitombo, nihalehibe, tonga tsara tarehy tapitra ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana, nefa nihanjahanja ianao, niboridana mihitsy.

8 Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavananataminao, – teny marin’ny Tompo Iaveh, – ka dia Ahy ianao.

9 Nampandroiko tamin’ny rano ianao, dia nosasako ho afaka aminao ny ranao, nohosorako diloilo.

10 Notafiako amborodao ianao, nokiraroako hoditr’ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily.

11 Nohaingoiko tamin’ny firavaka ianao: nasiako haba ny tananao, sy rado ny vozonao;

12 nasiako masombola ny oronao, ary kavina ny sofinao; ary diadema kanto ny lohanao.

13 Niravaka volamena amam-bolafotsy ianao; ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman’amborodao. Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao; ary tonga tsara tarehy indrindra ianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana.

14 Nanehoeho laza hatrany amin’ny firenena ny anaranao noho ny hatsaran-tarehinao, fa lavorary loatra izy, noho ny famirapiratako nataratro taminao, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

15 Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao, ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafanoho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.

16 Nangalanao ny fitafianao, ka nanaovanao fitoerana avosamihafa soratra ho anao, dia nijangajanga teo amboniny ianao: tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy na oviana na oviana intsony.

17 Nalainao koa ny firavakao, tamin’ny volamena amam-bolafotsiko, izay nomeko anao, dia nanaovanao sarin-dehilahy izay nanoloranao tena hivarina aminy.

18 Ny fitafianao misy amborodao, nalainao natafinao an’ireo; ny diloilo aman’emboka manitra, napetrakao eo anoloan’ireo.

19 Ny mofoko nomeko anao, ny vary tsara indrindra, ny diloilo aman-tantely namahanako anao, nataonao teo anoloan’ireo avokoa, ho fanatitra manam-pofona mahafinaritra. Izany no natao, – teny marin’i Iaveh Tompo.

20 Ny zanakao lahyaman-janakao vavy naterakao ho Ahy, natolotrao ho sorona tamin’ireny handevonany azy.

21 Tsy ampy va ny nitoloranao tena hivarina amin’ireny no dia novonoinao sy natolotrao an’ireo koa ny zanako; nampamakianao ny afo ho fanajana an’ireo?

22 Ary tao anatin’ny fahavetavetana amam-pivarinanao amin’ny hafa rehetra ianao, tsy nahatsiaro akory ny andro nahakely anao, nitanjahanao, niboridananao mihitsy, ary nitsipatsipahanao tamin’ny ranao.

23 Manaraka ny ratsy rehetra nataonao, – lozanao lozanao! teny marin’i Iaveh Tompo; –

24 nanao zohy amam-pitoerana avo ho anao teny amin’ny kianja rehetra teny ianao.

25 Nasianao ny fitoerana avonao avokoa ny sampanan-dalana; nolotoinao ny hatsaran-tarehinao; nanolo-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao.

26 Nivarina tamin’ny zanak’i Ejipta, nifanila fonenana taminao, dia tamin-dry zareo matanja-batana ianao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao, hampahatezitra Ahy.

27 Ka indro, naninji-tanana taminao Aho: ny anjaranao nahenako; ianao, natolotro hianjadian’ny fahavalonao, dia ireo zanaka vavin’ny Filistinina izay menatra noho ny fitondran-tena ratsinao.

28 Nivarina tamin’ny zanak’i Asora ianao, satria mbola tsy afa-po; ary na efa nivarina tamin’ireo aza ianao mbola tsy afa-po ihany.

29 Nampitomboinao ny fijangajanganao, teo amin’ny tany Kanaana, ka hatrany Kaldea, nefa na izany aza, tsy mbola nahafapo anao ihany.

30 Akory izany halemen’ny fonao, – teny marin’i Iaveh Tompo, – no dia nahavitanao izany rehetra izany, izay fanaon’ny vehivavy janga tsy valahara indrindra.

31 Tamin’ny nanaovanao ny zohinao isan-tsampanan-dalana, sy nanaovanao fitoerana avo teny amin’ny kianja rehetra teny, dia efa tsy toy ny vehivavy janga akory ianao, fa efa tsy nahoanao intsony izay tangy;

32 fa efa toy ny vehivavy maka vadin’olona ka maka olon-kafa ho solon’ny vadiny.

33 Ny vehivavy janga rehetra, omen-tangy; fa ianao kosa, nanangy ny lehilahinao rehetra, mba hahatongavany avy any rehetra any ho amin’ny fijangajanganao.

34 Hafa noho ny amin’ny vehivavy hafa no nihatra taminao, tamin’ny fijangajanganao, fa tsy mba nisy olona nitady anao. Tamin’ny nanomezanao tangyfa tsy mba nomena kosa ianao, dia tonga mifanohitra amin’ny ataon’ny olona ny nataonao.

35 Noho izany, henoy ny tenin’i Iaveh:

36 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny volanao lany sy ny fitanjahanao naseho tamin’ny fijangajanganao tamin’ny lehilahinao sy tamin’ny sampy fahavetavetana rehetra, sy noho ny ran’ny zanakao naterinao ho an’ireo,

37 noho izany dia indro, hovoriko avokoa ny lehilahinao rehetra izay nijangajanganao, izay notiavinao rehetra, mbamin’izay rehetra nankahalainao; dia hovoriko avy any rehetra any ireny, hamely anao; hasehoko eo anoloan’izy ireo ny fitanjahanao, ka hahita ny fitanjahanao izy.

38 Hohelohiko araka ny lalàna mahazo ny vehivavy mpaka vadin’olona sy izay mpandatsa-dra ianao, ka hataoko latsa-dra, voan’ny fisafoahana amam-pahasarotam-piaro.

39 Hatolotro eo an-tanan’izy ireo izany: hazerany ny zohinao, horavany ny fitoerana avonao, hendahany ny fitafianao ary halainy ny firavakao, dia havelany ianao hitanjaka dia hiboridana mihitsy eo.

40 Hoentiny miakatra hamely anao ny vahoakavoavory hitora-bato anao sy hanagorobaka anao amin’ny sabany.

41 Handoro ny tranonao amin’ny afo izy, ary hanefa fitsarana mahavoa anao eo imason’ny vehivavy betsaka; hataoko mitsahatra ny fijangajanganao, ka dia tsy hanangy intsony ianao.

42 Hanarana ny hatezerako aminao Aho, dia ho afaka ny fahasarotam-piaroko aminao, ka hionona Aho, fa tsy ho tezitra intsony.

43 Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao, sy nampahatezeranao Ahy tamin’izany ratsy rehetra izany, dia indro hatsingeriko eo an-dohanao ny fitondran-tenanao; – teny marin’ny Tompo Iaveh; – fa tsy hanao ny fahalotoanao mbamin’ny fahavetavetanao rehetra intsony ianao.

44 Indro fa ny olona rehetra mpilaza ohabolana dia hanao ohabolana momba anao, hoe: «Ny zanaka vavy, mpanaha-dreny!»

45 Tena zanaka vavin’ny reny nanary vady aman-janaka ianao; sady rahavavin’ny rahavavinao nanary vady aman-janaka koa; Heteanina ny reninareo, ary Amôreana ny rainareo.

46 Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samariambamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.

47 Tsy nomba ny lalan’ireo sy nanaraka ny fahavetavetany fotsiny ianao: tsy ampy anao izany, fa nihasimba mihoatra noho ireo aza ianao, tamin’izay nalehanao rehetra.

48 Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh; – i Sôdôma rahavavinao sy ny zanany vavy, tsy nahavita tahaka ny vitanao sy ny zanakao vavy.

49 Fa izao no helok’i Sôdôma rahavavinao: avonavona, fananam-be ary fianinana tsy miraikan’izy sy ny zanany vavy, sady tsy mba nitantana ny ory sy ny mahantra izy.

50 Nandroso niavonavona izy ireo, ka nanao fahavetavetana teo imasoko; ary nony nahita izany Aho, dia nataoko tsy nisy intsony izy.

51 I Samaria koa, tsy nahavita antsasaky ny fahotanao akory, fa nampitombo ny fahotanao mihoatra ny azy ianao; ka nanamarina ny rahavavinao ianao, tamin’ny fahavetavetanao rehetra.

52 Aoka ianao koa hitondra ny henatrao, izay nailikao tamin’ny rahavavinao, noho ny fahotanao izay nampitomboanao ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, fa marina noho ianao izy. Aoka ho safo-kenatra sy hitondra latsa koa ianao, fa efa nanamarina ny rahavavinao.

53 Hampodiko ny lasan-ko babo tamin’izy ireo, dia ny lasan-ko babo tamin’i Sôdôma sy ny zanany vavy, ny lasan-ko babo tamin’i Samaria sy ny zanany vavy, ary ny anaolasan-ko babo koa eo amin’ny azy,

54 mba hitondranao ny henatrao, sy hampangaihay anao noho ny nataonao rehetra hampionona azy.

55 I Sôdôma rahavavinao sy ny zanany vavy, hody amin’ny toetrany taloha; i Samaria sy ny zanany vavy, hody aminy toetrany taloha; ianao sy ireo zanakao vavy koa, hody amin’ny toetrareo taloha.

56 I Sôdôma, rahavavinao tsy mba notononin’ny vavanao akory, tamin’ny andro niavonavonanao,

57 fony mbola tsy naharihary ny haratsianao; toy ny fony ianao nolatsain’ny zanaka vavin’i Siria mbamin’ny manodidina rehetra, sy novingavingain’ny zanaka vavin’ny Filistinina nanodidina anao.

58 Efa nitondra ny valin’ny heloka amam-pahavetavetanao ianao – teny marin’i Iaveh. –

59 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, ianao ilay nanatsinontsinona ny fianiananao, tamin’ny nivadihanao ny fanekena.

60 Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekenanataoko taminao, tamin’ny andron’ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao.

61 Hahatsiaro ny fitondran-tenanao ianao ka ho menatra, raha avy izay handraisanao ireo rahavavinao, na ny lehibe noho ianao na ny kely noho ianao, sy hanomezako an’ireo ho zanakao vavy, fa tsy noho ny fanekena taminao akory anefa.

62 Hanorina ny fanekena aminao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho,

63 mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony noho ny henatra ianao, rehefa avy izay hanaovako fanonerana ho anao, noho ny nataonao rehetra, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 17

Fanoharana amin’ny voromahery

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin’ny taranak’i Israely; milazà hoe:

3 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tonga tao Libànany voromahery lehibe, manana elatra lehibe, ka malalaka be ny fivelatry ny elany, ary rakotra volo samihafa soratra izy, ka nalainy ny tendron’ny sedera.

4 Notsoahany ny rantsany avo indrindra, nentiny ho any amin’ny tany Kanaana anankiray, nataony tao an-tanànan’ny mpandranto anankiray.

5 Raha efa izany dia nangalany koa ny zava-manirytamin’ny tany nataony teo amin’ny tany lonaka, nataony teo amoron’ny rano be, namboleny toy ny famboly hazomalahelo.

6 Naniry io, tonga foto-boaloboka nisandrahaka, ivaiva ihany, nitodika nankany amin’ilay voromahery ny rantsany, ary tao ambaniny koa ny fakany; tonga voaloboka izy, ka sady nanaroka no nandrantsana.

7 Nisy voromahery makadiry hafa koa, sady be elatra no matevim-bolo; ary indro fa ity voaloboka dia maimay handefa ny fakany mankany aminy, ary nanatsotra ny rantsany mankany aminy, avy eo amin’ny kisahasaha nambolena azy, mba hotondrahany.

8 Ny nambolena azy dia teo amin’ny tany tsara, amoron’ny rano be, mba handravina sy hamoa izy, ary ho tonga voaloboka tsara indrindra.

9 Lazao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ka hahintsana koa ny voany, mba hahamaina azy? Halazo ny raviny tanora rehetra nitsimoka taminy. Tsy ilàna sandry mahery na olona maro akory ny hamongotra azy amin’ny fakany.

10 Efa voavoly izy, fa moa ho vanona va? Tsy halazo va izy, raha vao tsofin’ny rivotra avy atsinanana? Halazo eo amin’ny kisahasaha naniriany izy.

11 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe: Lazao amin’ny taranaka miodina hoe:

12 Tsy fantatrareo va ny hevitr’izany? Lazao hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilôna, ka naka ny mpanjakany ama-mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babilôna.

13 Raha efa izany dia naka ny anankiray tamin’ny taranak’andriana izy, ka nanao fanekena taminy sy nampianiana azy.

14 Ny lehilahy mahery amin’ny tany dia efa nalainy hietren’ny fanjakana, tsy ho afa-miarina, ary hitana ny fanekeny mba haharitra.

15 Niodina tamin’io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve!

16 Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh: – dia any amin’ny tanànan’ilay mpanjaka nampanjaka azy nanamavoany ny fihavanany, nivadihany fanekena, any amin’io any Babilôna no hahafatesany.

17 Ary rehefa avy ny ady, ka hanandratra tovon-tany sy hanorenana manda handringanana olona maro dia tsy hiasa hanampy azy amin’ny tafika lehibe sy vahoaka maro i Faraôna.

18 Nanamavo ny fianianana izy, tamin’ny nivadihany ny fanekena, nefa efa nanolo-tanana; efa nanao izany rehetra izany izy, ka tsy ho afa-mandositra.

19 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Velona Aho, dia ny fianianana tamiko no nohamavoiny ary ny fanekeko no nivadihany, ka hatsingeriko eo an-dohany izany.

20 Hovelariko eo amboniny ny fandrika haratoko, ka ho voa ao amin’ny haratoko izy; hoentiko any Babilôna izy, ka hotsaraiko any, noho ny nivadihany fitokiana tamiko.

21 Ny mpandositra rehetra tamin’ny miaramilany rehetra, ho lavon’ny sabatra; ary ny sisa kosa, haely amin’ny vazantany rehetra; dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no niteny.

22 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany, ka hamboleko eo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina.

23 Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israelyno hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan’izao fody amam-boro-madinika rehetra izao eo amboniny, honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.

24 Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa Izaho Iaveh efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Iaveh no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 18

Samy milanja ny hadisoany

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ahoana ange no anonontononanareo ity ohabolana ity, ny amin’ny tanin’i Israely ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boalobokamarikivy, ka ny zanany no madilo nify!

3 Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh, – tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin’i Israely.

4 Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.

5 Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,

6 tsy mihinanaeny an-tendrombohitra, tsy manandra-maso amin’izay sampin-dozan’ny taranak’i Israely, tsy manala baraka ny vadin’ny namany, tsy mandeha amin’ny vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahalotoana,

7 tsy mampahory olona, mamerina amin’ny mpitrosa ny nataony antoka, tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka,

8 tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy,

9 ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalàko ka tsy mivadika amin’izany, dia olo-marina io ka ho velona izy, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

10 Fa izany olona izany miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra, ka manao amin’ny rahalahiny ny iray amin’ireo zavatra ireo,

11 – fa ny tenany kosa tsy nanao ireo zavatra ireo, – mihinana eny an-tendrombohitra, manala baraka ny vadin’ny namany,

12 mampahory ny mahantra sy ny malahelo, manao halatra, tsy mamerina ny natao antoka, manandra-maso amin’ny sampy, manao fahavetavetana,

13 manao zana-bola be loatra, maka zana-bola, ka dia ho velona va io?… Tsy ho velona izy, efa nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy, tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany.

14 Fa indro kosa, misy lehilahy anankiray niteraka zazalahy anankiray, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy; nahita izany izy nefa tsy mba nanao zavatra toy izany akory.

15 Tsy nihinana teny an-tendrombohitra, tsy nanandra-maso tamin’ny sampin-dozan’ny taranak’i Israely, tsy nanala baraka ny vadin’ny namany,

16 tsy nampahory olona, tsy naka antoka, tsy nanao halatra fa nanome hanina ho an’ny noana, nanafy lamba ny mitanjaka;

17 tsy nanao zana-bola be loatra na naka zana-bola; nitandrina ny lalàko izy ary nanaraka ny didiko; tsy ho faty noho ny rainy izy fa ho velona tokoa.

18 Ny rainy izay nanao an-keriny matetika loatra, nandroba ny rahalahiny, sy nanao izay ratsy eo afovoan’ny fireneny, io izy io dia ho faty noho ny helony.

19 Ary ianareo kosa manao hoe: «Nahoana ny zanaka no tsy mba mitondra ny heloky ny rainy?» Nefa ny zanaka nanaraka ny hitsiny sy ny rariny, nitandrina ny didiko sy nanatanteraka azy, ka ho velona tokoa izy.

20 Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian’ny ratsy dia ho aminy ihany.

21 Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny, ho velona izy, fa tsy ho faty.

22 Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony; ho velona izy noho ny fanarahany ny marina.

23 Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako, – teny marin’ny Tompo Iaveh, – fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?

24 Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy, – moa hanao izany izy va ka ho velona? – Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.

25 Ianareo manao hoe: «Tsy marina ny lalan’ny Tompo!» Mihainoa àry, ry taranak’i Israely: Moa ny lalako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?

26 Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany.

27 Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy.

28 Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

29 Lazain’ny taranak’i Israely anefa fa tsy marina ny lalan’ny Tompo! Moa ny lalako va no tsy mahitsy, ry taranak’i Israely? Moa tsy ny lalanareo no tsy mahitsy?

30 Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, – teny marin’ny Tompo Iaveh. – Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.

31 Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely.

32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, – teny marin’ny Tompo Iaveh; – koa mibebaha ianareo ka aoka ho velona.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 19

Fitomaniana an’ireo mpanjakan’i Israely

1 Ary ianao, manaova fitomaniana an’ireo mpanapaka an’i Israely, ka ataovy hoe:

2 Nahoana ity reninao, no nandry toy ny liombavy,

eo amin’ireo liondahy?

Eo afovoan’ireo liona tanora

dia namelona ny zanany izy.

3 Nobeaziny ny iray amin’ireo zanany,

ka tonga liona tanora;

nianatra hamiravira ny hazany io;

dia nihinana olona.

4 Nandre ny lazany ireo firenena,

ka voasambotra tao an-davany izy.

Nitondra azy rehefa nasiany faraingo ny vavany,

ho any amin’ny tany Ejipta.

5 Hitan’ity liom-bavy fa miandry foana izy

fa very ny fanantenany,

dia naka iray hafa tamin’ireo zananyindray izy,

ka nataony tonga liona io.

6 Nandeha teo amin’ireo liona io,

ka tonga liona tanora.

Nianatra hamiravira ny hazany izy,

dia nihinana olona.

7 Nahalala ny mpitondra tena eo aminy izy,

nandrava ny tanànany;

nivadi-po ny tany mbamin’izay rehetra teo aminy,

noho ny fitreron’ny fierony.

8 Tamin’izany ny firenena amin’ny tany manodidina

nanainga hamely azy

sy namela-pandrika harato teo amboniny,

dia azony tao an-davany izy,

9 ka nalatsany amin’ny fonja,

nasiany faraingo ny vavany,

nentiny ho amin’ny mpanjakan’i Babilôna,

nentiny ho any amin’ny trano mimanda,

mba tsy handrenesana ny feony intsony,

eny an-tendrombohitr’i Israely.

10 Toy ny voaloboka ny reninao tamin’ny andro nanambinana anao,

voavoly teo amoron-drano izy,

namoa sady nandravina,

noho ny habetsahan’ny rano.

11 Nanan-drantsana mafy izy,

hatao tehin’ny mpanapaka,

ary nisondrotra ho avo izy

eo afovoan’ny sampana milobolobo;

ka niseho tamim-boninahitra izy,

mbamin’ireo rantsany maro.

12 Kanjo, nongotana tamin-katezerana

ka nazera amin’ny tany,

ary ny rivotra avy atsinanana nanamaina ny voany:

voafolaka ka nihamaina ny rantsany mafy,

dia levon’ny afo izy.

13 Ary ankehitriny, indro izy nambolena any an’efitra,

amin’ny tany maina sy karankaina.

14 Nisy afo nivoaka avy amin’ny sampany anankiray,

ka nandevona ny voany;

tsy manan-tsampana mahery intsony izy,

na tehina fanapahany.

Fitomaniana izany, sady ho tonga fitomaniana.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 20

Fitantarana ny fivadihan’i Israely

1 Tamin’ny taona faha-7, volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, tonga tao amiko, mba hanontany amin’i Iaveh, ny sasany amin’ny loholon’i Israely, ka nipetraka teo anatrehako;

2 dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

3 Ry zanak’olona, mitenena amin’ireo loholon’i Israely ireo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hanontany amiko va no nahatongavanareo? Velona Aho, ka tsy hety hanontanianareo – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

4 Hotsarainao va ireo, hotsarainao va ireo, ry zanak’olona? Ampahalalao azy ireo, ny fahavetavetan’ny razany;

5 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nifidianako an’i Israely sy nananganako tananahomba ny taranak’i Jakôba, sy nanaovako izay hahalalany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, ary nananganako tanana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo;

6 tamin’izany andro izany, nanangan-tanana homba azy ireo Aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin’ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo.

7 Ary hoy Aho tamin’izy ireo: Samia ianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin’ny fahavetavetan’i Ejipta: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

8 Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino Ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin’ny fahavetavetan’i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin’ny tany Ejipta.

9 Nefa nanao ny ataoko Aho, noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena nitoerany; sady teo imason’ireo koa no nanaovako izay hahafantarany Ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta.

10 Nentiko nivoaka ny tany Ejipta izy, ary notaritiko ho any an’efitra.

11 Nomeko azy ny didiko, nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy.

12 Nomeko azy koa ny sabatakoho famantarana amiko sy amin’izy ireo, mba hahalalany fa Izaho no Iaveh manamasina azy.

13 Nivadika tamiko anefa ny taranak’i Israely, tany an’efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo tany an’efitra Aho, mba handringana azy.

14 Nefa nanao ny ataoko Ahonoho ny Anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta.

15 Efa nanainga ny tanako hamely azy Aho tany an’efitra, nianiana tamin’izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely efa natolotro azy, – sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra, –

16 noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon’izy ireo.

17 Nefa niantra tsy te-handringana azy ny masoko, ka dia tsy nolevoniko tany an’efitra izy ireo.

18 Hoy Aho tamin’ny zanak’izy ireo tany an’efitra: Aoka ianareo tsy hanaraka ny fomban-drazanareo, na hitandrina ny fanaony, na handoto tena amin’ny sampin-dozany.

19 Fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo: araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ka tanteraho;

20 ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

21 Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.

22 Nefa naviliko ny tanako, nanao ny ataoko noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.

23 Efa nanainga ny tanako hamely azy aza Aho tany an’efitra, nianiana tamin’izy ireo fa hampiparitaka azy amin’ny firenena, ary hampiely azy any amin’ny tany samihafa,

24 noho izy ireo tsy nanaraka ny fitsipiko, nanary ny lalàko, nanevateva ny sabatako, nanara-maso ny sampin-dozan’ny razany.

25 Ary nomeko azy aza izay lalàna tsy tsara, aman-didy tsy mety ahavelomany;

26 sady nolotoikotamin’ny fanatiny, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa Izaho no Iaveh.

27 Koa mitenena amin’ny taranak’i Israely, ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’izao koa no nanamavoan’ny razanareo Ahy, fa nivadihany tamiko.

28 Nony efa tafiditra teo amin’ny tany nianianako sady nananganako tanana homena azy izy ireo, rehefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny, sady nararany teny ny fanatitra araraka.

29 Ka hoy Aho tamin’izy ireo: Inona ange ny fitoerana avoalehanareo? Dia natao hoe fitoerana avo mandrak’androany no anarany.

30 Koa lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Adre! mandoto tena araka ny fanaon’ny razanareo ianareo; ary mitolo-tena hanaraka ny fahavetavetany ianareo.

31 Mandoto tena amin’ny sampin-dozanareo rehetra mandrak’androany ianareo, amin’ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka Izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry taranak’i Israely? Velona Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh: – tsy hety hanontanianareo Aho.

32 Ary tsy ho tanteraka akory ny hevitra mby ao an-tsainareomanao hoe: Ho tahaka ny firenena izahay, ho tahaka ny fokon-tany hafa manompo hazo amam-bato izahay.

33 Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh: – tanana mahery aman-tsandry ahinjitra ary hatezerana amparina, no hanjakako aminareo.

34 Hoentiko mivoaka avy ao amin’ireo firenena ianareo; dia hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo, amin’ny tanana mahery aman-tsandry ahinjitra, ary hatezerana amparina.

35 Hoentiko ho any an’efitry ny firenena ianareo, dia any no hifandaharako aminareo mifanatrika.

36 Tahaka ny nifandaharako tamin’ny razanareo tany an’efitry ny tany Ejipta, no hifandaharako aminareo, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

37 Hampandehaniko eo ambany tehi-mpiandry ondry ianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena ianareo.

38 Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

39 Ary ny aminareo, ry taranak’i Israely, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy!

Any aorian’izany anefa, hihaino Ahy tokoa ianareo, ka tsy hanevateva ny Anarako masina amin’ny fanatitrareo aman-tsampin-dozanareo intsony.

40 Fa any an-tendrombohitra masina, any an-tendrombohitra avon’i Israely – teny marin’ny Tompo Iaveh – hanompo Ahy avokoa ny taranak’i Israely rehetra, izay rehetra amin’ny tany. Any Aho no hankasitraka azy ireo; any no hilako ny fanatitrareo, mbamin’ny santatry ny fanomezanareo, amin’izay rehetra atokanareo ho Ahy.

41 Ianareo ankasitrahiko toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rehefa nentiko nivoaka avy any amin’ny firenena sy novoriko avy any amin’ny tany nanelezana anareo; ary ianareo no hanamasinako ny Tenako eo imason’ny firenena.

42 Ary ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa tongako any amin’ny tanin’i Israely ianareo, dia any amin’ny tany efa nananganako tanana homena ny razanareo.

43 Ho tsaroanareo, rehefa mby any, ny lalanareo mbamin’ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo.

44 Ary ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa hanao ny ataoko aminareo Aho noho ny Anarako, fa tsy araka ny lalan-dratsinareo, na ny helokareo maharikoriko, ry taranak’i Israely, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –