Categories
Ezekiela

Ezekiela 21

Ny sabatr’i Iaveh

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, atodiho mankany Temànany tavanao;

ataovy mijojo mankany atsimo ny teninao,

ary manaova faminaniana manohitra ny alan’ny tany atsimo,

3 lazao amin’ny ala atsimo hoe:

Henoy ny tenin’i Iaveh!

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro Aho handrehitra afo eo afovoanao,

ary dia handevona ny hazo maitso rehetra eo aminao,

mbamin’ny hazo maina rehetra:

tsy ho faty ny lelafo mahamay,

ka ho levona avokoa izay rehetra eo amin’ny vohon’ny tany,

hatrany atsimo ka hatrany avaratra.

4 Dia ho fantatry ny nofo rehetra

fa Izaho Iaveh no nandrehitra izany,

ka tsy ho faty izy.

5 Ary hoy Aho: Indrisy, ry Tompo Iaveh ô, hoy ny filazan’izy ireo ahy: Tsy manao fanoharana va Izy?

6 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

7 Ry zanak’olona, atodiho mankany Jerosalema ny tananao;

ary ataovy mijojo mankamin’ny fitoerana masina ny teninao;

ary manaova faminaniana manohitra ny tanin’i Israely;

8 lazao amin’ny tanin’i Israely hoe:

Izao no lazain’i Iaveh:

Indro Aho tonga ho atỳ aminao;

hotsoahiko amin’ny tranony ny sabatro,

ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.

9 Ary satria handringana ny marina sy ny meloka eo aminao Aho,

noho izany dia hitsoaka avy amin’ny tranony ny sabatro

hamely ny nofo rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.

10 Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh

no nanatsoaka ny sabatro tamin’ny tranony;

ka tsy hiditra ao intsony izy.

11 Ary ianao, ry zanak’olona, midridridridria;

mandra-pahatapa-balahana anao amim-pangidiana,

midridridridria eo imasony.

12 Ary rehefa hilaza aminao izy ireo hanao hoe: «Nahoana no midridridridry ianao?»

Valio hoe: «Noho ny zava-baovaoho avy;

fa hivarahontsana ny fo rehetra;

hiraviravy ny tanana rehetra;

ho velona ahiahy ny saina rehetra;

hilefaka toy ny rano, ny lohalika rehetra.

Indro, avy izany, ka efa tanteraka,

– teny marin’ny Tompo Iaveh.» –

13 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

14 Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe;

Izao no lazain’i Iaveh: lazao hoe:

Ny sabatra, ny sabatra efa voaranitra sady voafotsy:

15 voaranitra izy, handringanana;

voafotsy izy, mba handefa tselatra manjopelaka.

Sa hifaly va isika, hanao hoe:

Vingavingain’ny tehim-panjakan’ny zanako, ny hazo rehetra?

16 Nomena hofotsiana izy, mba horaisin-tanana;

sabatra voaranitra izany, sabatra voafotsy izany,

mba hatolotra eo an-tanan’ny mpanompo.

17 Mikiakiaha sy midradradradrà, ry zanak’olona,

fa ho amin’ny vahoakako izany sabatra izany,

ho amin’ny lehibe rehetra, eo amin’i Israely.

Voatolotra ho an’ny sabatra izy ireo,

mbamin’ny vahoakako;

koa dony ny fenao.

18 Fa efa vita ny fizahan-toetra: ka ahoana indray?

Na mbola mamingavinga ihany aza izany tehim-panjakana izany,

koa tsy hahatanterahan’ny fandrahonako va izany?

– teny marin’ny Tompo Iaveh! –

19 Ary maminania ianao, ry zanak’olona,

ka mitehafa tanana:

Aoka ho avo roa heny, telo heny aza, ny famelezan’ny sabatra!

Dia ny sabatra famonoana,

ny sabatra famonoam-be

no manodidina azy.

20 Mba hahareraka ny fo,

sy hahamaro ny hovonoina,

dia ny vavahady rehetra no nametrahako

ny sabatra mamono.

Indro, voavoatra izy, mba handefa tselatra,

voaasa izy, mba handringanana!

21 Hodin-kavanana! Hodin-kavia!

Atrika, atsỳ, arỳ!

22 Izaho koa, hiteha-tanana, sy hanarana ny hatezerako.

Izaho Iaveh, no efa niteny.

Ny mpanjakan’i Babilôna eo am-pihaonan-dalana

23 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

24 Manorita ianao, lalan-droa halehan’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ry zanak’olona; ataovy avy amin’ny tany iray ihany izy roa ireo; ary manorita famantarana, ka eo an-dohan’ny lalan’ny tanàna anankiray no sorito izany.

25 Manorita lalana halehan’ny sabatra ho any Rabata, renivohitry ny taranak’i Amôna, na ho any amin’i Jodà, hamely an’i Jerosalema, tanàna mimanda.

26 Fa ny mpanjakan’i Babilôna, nijanona teo an-tsampanan-dalana, eo an-dohan’ny lalan-droa, mba hanao sikidy: ka manetsiketsika ny zana-tsipikany, manontany amin’ny terafima, mizaha amin’ny atinkena.

27 Eo an-tanany ankavanana ny sikidy Jerosalema, hanangana lohondry vy hamely ny manda, handoaka fidirana amin’ny banga, hanandra-peo amin’ny akoran’ady, hanangana lohondry vy hamelezana ny vavahady, hanandratra tovon-tany, hanorina manda.

28 Faminaniana lainga ihany izany, eo imason’izy ireo; manana ny faminaniana masina indrindra hiaro azy izy ireo; nefa hampahatsiaroviny azy ny helony taloha, rehefa voasambotra izy.

29 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo nampahatsiaro ny helokareo, tamin’ny nampihariharinareo ny hadisoanareo sy nanehoanareo ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, ka nanao izay hahatsiarovanareo anareo, dia nosamborin-tanana ianareo.

30 Ary ianao, ry ilay afa-pahamasinana, mpanjaka ratsy fanahin’i Israely, efa tonga ny andronao, amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana;

31 ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny hamama halàna; ny satroboninahitra hesorina; hakorontana izao rehetra izao; ny iva hasandratra, ny avo haetry.

32 Hataoko rava dia rava dia rava izany; tsy ho eo intsony izany, mandra-piavin’ilay Tompon’ny fitsarana, izay hametrahako sy homeko an’izany.

Sazin’i Amôna

33 Ary ianao, ry zanak’olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh mamely ny taranak’i Amôna, sy ny amin’ny faniratsirany. Lazao hoe:

Ny sabatra, ny sabatra efa voatsoaka handringana:

voafotsy izy handevona sy handefa tselatra,

34 – dia ny mbola ahitanazava-poana ianao,

sy fambara mamitaka,

hampiraisana toerana anao amin’ny fatin’ny ratsy fanahy voatolotra ho an’ny sabatra,

fa efa tonga ny androny amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana.

35 Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao;

fa eo amin’ny toerana nahariana anao,

eo amin’ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.

36 Hampidiniko aminao ny havinirako;

hotsofiko aminao ny afom-pahatezerako;

ary hatolotro eo an-tanan’ny olona adala ianao,

sy amin’ny mpanao fandringanana.

37 Hohanin’ny afo ianao,

ny ranao dia ho eo afovoan’ny tany,

ary ianao tsy hotsarovan’ny olona;

fa Izaho Iaveh no niteny.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 22

Ireo helok’i Jerosalema

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ary ianao, ry zanak’olona, moa hitsara va ianao; moa hitsara ny tanàna mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy avokoa ny fahavetavetany;

3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ry tanana mpandatsa-dra ao anatiny, hahatonga ny fotoanysy mivongika sampy vetaveta hahaloto azy.

4 Tonga meloka ianao, tamin’ny ra nalatsakao, nandoto tena tamin’ny sampy vetaveta nataonao; ary nanafaingana ny andronao tamin’izany ka tonga amin’ny fara taonanao; izany no nanaovako anao ho fandàtsan’ny firenena amam-pihomehezan’ny tany rehetra.

5 Na ny akaiky, na ny lavitra, samy hanebaka anao, voaloto anarana sy be tabataba.

6 Indreto ny lehiben’i Israely, eo aminao, fa samy mikezaka ny handatsa-dra, araka ny heriny avy.

7 Ao aminao, ny ray aman-dreniny, tsiratsiraina; ao anatinao, ny vahiny, levilevena; ao aminao ny kamboty ama-mpitondratena, amam-pahoriana.

8 Ny fitoerako masina, hamavoinao; ny sabatako, tevatevainao.

9 Ao aminao, misy olona manendrikendrika, mba handatsa-dra; ao aminao, misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao anatinao, misy manao heloka be vava.

10 Ao aminao, misy manokatra ny fitanjahan-drainy; ao aminao misy manao an-keriny amin’ny mararin’ny fadim-bolana.

11 Ny iray, manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; ny iray hafa, mifotitra mandoto ny vinantovaviny ao aminao; ary misy koa mametaveta ny anabaviny zanaka vavin-drainy.

12 Ao aminao, misy mandray kolikoly handatsa-dra; manao zana-bolabe loatra ianao, sady maka zana-bola, sy miharaka ny haren’ny namanao; ary Izaho hadinonao, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

13 Indro Aho miteha-tanana, noho ny tombony azonao tsy an-drariny, sy noho ny ra izay eo aminao.

14 Moa hahazaka va ny fonao ary hahatoha ihany va ny tananao, amin’ny andro hiasako hamely anao? Izaho Iaveh no nilaza ka hanatanteraka.

15 Haeliko any amin’ny firenena ianao, sy hahahako any amin’ny tany samihafa, ary hesoriko ho afaka aminao ny lotonao rehetra;

16 ka eo aminao ianao ho voaloto eo imason’ny firenena, dia ho fantatrao fa Iaveh Aho.

17 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

18 Ry zanak’olona, amiko ny taranak’i Israely, dia efa niova ho tain-drendrika; izy rehetra dia varahina, fira-potsy, vy, ary fira-mainty ao anatin’ny memy; zary taim-bolafotsy izy.

19 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo rehetra tonga taim-bolafotsy, noho izany, dia indro, hangoniko eo afovoan’i Jerosalema, ianareo.

20 Toy ny fanangon’ny olona volafotsy, varahina, vy, fira-mainty, fira-potsy, ao afovoan’ny memy sy hofoforina harendrika, no hanangonako anareo, amin’ny fahatezerako amam-pahavinirako; hataoko ao ianareo ary hataoko rendrika.

21 Hanangona sy hifofotra anareo amin’ny afon’ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao afovoan’i Jerosalema ianareo.

22 Toy ny fandrendrehana volafotsy ao anaty memy no hahavoarendrika anareo ao afovoany, dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh, nampidina ny fahatezerako taminareo.

23 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

24 Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Tany tsy voadio ianao, tsy voasasan’ny ranonorana, tamin’ny andron’ny fahatezerana.

25 Misy firaisan-tetiky ny mpaminaninyeo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fanahy izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitonbo isa ny mpitondratenanyeo afovoany.

26 Ny mpisorony, nandika ny lalàko, nandoto ny fitoerako masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina; tsy mampianatra ny mahasamy hafa ny maloto sy ny madio, mamily maso tsy hijery ny sabatako; ary tsiratsiraina Aho, eo afovoan’izy ireo.

27 Ny lehibeny, eo afovoany, toy ny amboadia mamiravira haza, dia mandatsa-dra, mahavery fanahy hahazoana tombony.

28 Ny mpaminany manarontsarona izany heloka rehetra izany, mahita fahitana zava-poana amam-paminaniana lainga, milaza hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh, nefa i Iaveh tsy niteny tsinona.

29 Ny vahoaka amin’ny tany manao an-keriny, mandroba lava, manitsakitsaka ny ory sy ny mahantra, ary mampahory tsy an-drariny ny vahiny.

30 Nitady Aho, raha misy olona eo aminy, manao mandasy mitsangana eo amin’ny banga, eo anatrehako, hiaro ny tany mba tsy handravako azy, nefa tsy nahita Aho.

31 Ka dia naidiko teo aminy, ny fahatezerako; nolevoniko tamin’ny afon’ny hatezerako izy; natsingeriko teo an-dohany, izay nataony, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 23

Tantara manambara an’i Jerosalema sy i Samaria

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, nisy vehivavy anankiroa,

zanaky ny reny anankiray.

3 Izy ireo dia nijangajangatany Ejipta,

nijangajanga tamin’ny andro fahatanorany;

tany no namihinana ny nonony,

tany no nanindriana ny tratran’ny fahavirijiniany.

4 Izao no anaran’izy ireo: Oôlà, ny zokiny, ary Oôlibà, ny rahavaviny. Ahy izy ireo teo aloha, ary niteraka zazalahy aman-jazavavy. Ny amin’ny anarany dia izao: I Samaria no Oôlà; i Jerosalema no Oôlibà.

5 Nivadika tamiko i Oôlibà; fatra-pitia an’ireo lehilahinyizy, dia ny Asirianina izay nifanila aminy.

6 Mitafy jaky ireo, governora ama-mpifehy, tovolahy soa avokoa; mpitaingin-tsoavaly, mitaingin-tsoavaly,

7 ka izay nokendreny hijangajangany dia izay voafantina rehetra amin’ny zanaka lahin’i Asiria; ary teo anilan’ireo rehetra ireo, izay nahamatim-pitia azy, dia nandoto tena tamin’ny sampin-dozan’ireo.

8 Tsy nahafoy ny fijangajangany tany Ejipta izy; fa efa nanala baraka azy tamin’ny andro fahatanorany izy ireo; nanindry ny tratran’ny fahavirijiniany, ary nandefa taminy ny fahalotoany;

9 noho izany natolotro eoan-tanan’ireo lehilahy izy; dia eo an-tanan’ny zanaka lahin’i Asiria, izay nirehetany fitiavana.

10 Nampitanjaka azy izy ireo, nahalasa ny zanany lahy aman-janany vavy; namono azy io tamin’ny sabatra, ka tonga nalaza ratsy tamin’ny vehivavy izy fa niharan’ny fitsarana.

11 Hitan’i Ooliba rahavaviny izany, ary nataony mitombo haratsiana mihoatra noho ny azy ny fitiavany; ary ny fijangajangany nanoatra noho ny an’ny rahavaviny.

12 Matim-pitia an’ireo zanaka lahin’i Asiria izy, governora ama-mpifehy mifanila tany aminy, mitafy lamba sarobidy, mpitaingin-tsoavaly mitaingin-tsoavaly, samy tovolahy soa avokoa.

13 Hitako fa nandoto tena koa izy; lalana iray no nomban’izy roa vavy.

14 Ny azy mbola nampiany ny fijangajangany; fa nahita sariolona voahoso-dokoeo amin’ny rindrina izy, dia sarin’ny Kaldeanina voahoso-doko mena.

15 Nisy fehikibo ny andilany, sy hamama malalaka teo an-dohany, samy andrian-dehibe avokoa no fijery azy; izany dia sarin’ny zanaka lahin’i Babilôna, ary i Kaldea no tany fiaviany.

16 Vao nahita azy ireo ny masony, dia nirehi-pitiavana azy izy, dia nandefa iraka ho any aminy, any Kaldea.

17 Ary tonga tao aminy, tao amin’ny fandriam-pitiavany ireo zanaka lahin’i Babilôna, ka nandoto azy tamin’ny fijangajangany, ary izy nandoto tena tamin’izy ireo: dia nadikidiky tamin’ireny indray ny fanahiny.

18 Nasehony miharihary ny fijangajangany, nasehony ny fitanjahany; ka nadikidiky taminy ny fanahiko, toy ny efa nahadikidiky ny fanahiko tamin’ny rahavaviny.

19 Nampitomboiny ny fijangajangany; nahatsiahy ny andron’ny fahatanorany, fony izy nijangajanga tany amin’ny tany Ejipta izy.

20 Maimay tamin’ireo mpijangajanga izy, dia tamin’ireo izay rantsam-batam-boriky ny rantsam-batany, ary toy ny an’ny soavaly lahy, ny firehetam-pahalotoany.

21 Niverina tamin’ny heloky ny fahatanoranao ianao; dia ny fony nanindrian’ny Ejiptianina ny nononao, noho ny tratran’ny fahavirijinianao.

22 Noho izany, ry Oôlibà, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho hamporisika hamely anao, ireo lehilahinao, izay efa naharikoriko ny fanahinao; ka hoentiko avy any rehetra any, hamely anao,

23 dia ny zanaka lahin’i Babilôna, mbamin’ny Kaldeanina rehetra, ny mpanapaka, ny lehibe, ny andriandahy, mbamin’ny zanaka lahin’i Asiria rehetra koa miaraka aminy, tovolahy soa, samy governora ama-mpifehy avokoa, samy manam-pahefana sy olo-malaza, samy mitaingin-tsoavaly avokoa.

24 Ho avy hamely anao ny fiadiana, ny kalesy aman-kodiarana, mbamin’ny firenena maro. Ny ampinga, ny ampinga kely, ny fiarovan-doha, halahany hamely anao; hapetrako amin’ireo ny fitsarana, ka hotsaraina araka ny lalàny ianao.

25 Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hasian’izy ireny amim-pisafoahana ianao; harasany ny oronao aman-tsofinao; ho lavon-tsabatra ny sisa aminao; hofaohiny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; ho levon’ny afo ny sisa aminao.

26 Hendahany ny fitafianao; halainy ny firavakao sarobidy.

27 Hatsahatro hatreo ny helokao amam-pijangajanganao any amin’ny tany Ejipta; tsy hanopy maso any aminy intsony ianao, na hahatsiaro an’i Ejipta intsony.

28 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hatolotro eo an-tanan’ireo halanao ianao, dia eo an-tanan’ireo maharikoriko ny fanahinao.

29 Izy ireo hitondra anao amim-pankahalana, hamabo izay rehetra azonao, hamela anao mitanjaka, dia mitanjaka mihitsy; ary ny fitanjahanao amam-pijangajanganao hihanjahanja.

30 Hatao aminao izany, satria nitolo-tena hiraikitra amin’ny firenen-kafa ianao, satria nandoto tena tamin’ny sampiny vetaveta.

31 Nizotra ny lalan’ny rahavavinao ianao, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.

32 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hosotroinao ny kapoaky ny rahavavinao, kapoaka lalina aty sady be vava; ho fihomehezana sy fandatsana anao izany, fa tsy anerany ny habeny.

33 Ho safotry ny hamamoana amam-pijaliana ianao, fa kapoakan-doza amam-pandringanana, ny kapoakan’i Samaria rahavavinao.

34 Hosotroinao sy hotaperinao izy, ary hokaikerinao aza ny vakivakiny sy handriatanao ny tratranao; fa Izaho no niteny, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

35 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanadino Ahy, sy nanifika Ahy ho any ivohonao: dia aoka ianao koa mba hizaka ny sazin’ny fahalotoanao, amam-pijangajanganao!

36 Ary hoy i Iaveh tamiko: Ry zanak’olona, hotsarainao va i Oôlà sy i Oôlibà? Asehoy azy ny fahavetavetany.

37 Satria naka vadin’olona izy ary misy ra ny tanany; fa nitolo-tena hiraikitra amin’ny sampin-dozan’ireny; ny zanany aza izay naterany tamiko, nampamakiny ny afo, mba hohanin’ireny.

38 Izao koa ny nataony: Ny fitoerako masina, nolotoiny, tamin’izany andro izany, ny sabatako notevatevainy.

39 Nony namono ny zanany ho an’ny sampin-dozany indray izy, dia niditra ao amin’ny fitoerako masina, androtr’izay ihany, mba hanevateva azy! Izany no nataony tao anatin’ny tranoko.

40 Naniraka aza izy haka lehilahyavy lavitra, ary izay nandefasana iraka dia indreo izy tonga, …dia ho an’ireo no nandroanao, nanentenanao ny masonao, nihaingoanao tamin’ny firavako!

41 Nipetraka teo ambony farafara be renty ianao, ary teo anoloany dia nanamboarana latabatra, ka nametrahana ny emboka manitra aman-diloiloko.

42 Re ao ny fihahohahom-bahoakabe miadana: ny olona avy any amin’ny fitambaram-bahoaka be, dia mbola nikambanan’ireo mpiboboka avy any an’efitra, izay nanisy haba ny tanan’izy mirahavavy sy satroboninahitra kanto, teo an-dohany.

43 Dia izao no lazaiko amin’ilay vehivavy efa reraka azon’ny fijangajangana: Mbola hanohy ny fijangajangany ihany va re izy, izao?

44 Mandeha aminy ny olona toy ny handehanany amin’ny vehivavy janga. Toy izany no nandehanany tamin’i Oôlà sy i Oôlibà, ireo vehivavy meloka ireo.

45 Hisy olo-marina anefa hanameloka azy ireo, hiharan’ny sazin’ny vehivavy mpijangajanga, sy ny sazin’ny mandatsa-dra; satria mpijangajanga izy, ary misy ra amin’ny tanany.

46 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Mampiakara vahoaka be hamely azy; ka aoka hatolotra ho amin’ny tahotra amam-pandrobana izy.

47 Ka aoka ny vahoaka be hanototra vato azy sy hitetitetika azy amin’ny sabany; aoka hovonoina ny zanany lahy aman-janany vavy; ary hodorana amin’ny afo ny tranony;

48 hampitsahatra ny fahavetavetana amin’ny tany Aho, ka hahazo anatra amin’izany ny vehivavy rehetra, dia tsy hanao fahavetavetana tahaka ny nataonareo izy.

49 Hatsingerina aminareo ny fahavetavetanareo,

ary holonjoinareo ny sazin’ny nanompoanareo sampy;

dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 24

Ambara fa hatao fahirano i Jerosalema

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh tamin’ny taona fahasivy, volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, ataovy an-tsoratra izaoandro izao: dia izao mason’andro izao, fa amin’izao andro izao indrindra no niantorahan’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’i Jerosalema.

3 Manaova fanoharana amin’ny taranaka miodina, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Atsangano ny vilany; atsangano izy, ka asio rano.

4 Dia arotsahy ao ny didin-kena, ny didiny tsara rehetra; ny nofom-peny ama-nofon-tsorony; fenoy taolana voafantina izy,

5 Izay tsara indrindra amin’ny andian’ondry no alaovy, dia tohofy taolana betsaka eo ambanin’ny vilany; ataovy mangotraka mivadibadika fatratra izy mba ho masaka koa ny taolana ao anatiny.

6 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny tanàna mpandatsa-dra, vilany misy taim-barahina ao anatiny, ka tsy afaka tao aminy ny taim-barahina! Loary tsirairay ny didin-kena, aza anaovana filokana,

7 fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin’ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka.

8 Mba hampirehitra ny hatezerana ary mba hanao famaliana azy, dia natoko latsaka tamin’ny vatolampymangadihady ny ra nalatsany tsy ho voasarona.

9 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny tanana mpandatsa-dra. Izaho koa hanangona antontan-kitay betsaka.

10 Angony ny kitay hazo, ampireheto ny afo, ataovy motraka ny hena, ataovy mangotraka ny koban-kena, ary aoka ho levon’ny afo koa ny taolana.

11 Dia ataovy eo ambony vainafo ny vilany foana, hahafana azy, hahamay ny varahina, hiempoan’ny lotony ao anatiny, hahalevona ny taim-barahina.

12 Aim-bery foana! fa tsy mety afaka ny vongan-taim-barahiny, maharitra ny afo ny taim-barahiny.

13 Misy zavatra lozan-tany amin’ny lotonao: satria tsy mety madio ianao, rehefa nodioviko dia tsy ho voadio amin’ny lotonao na oviana na oviana ianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako.

14 Izaho Iaveh no niteny, ho tonga izany ary hotanterahiko: tsy hiahotrahotra Aho, na hitsimbina, na hanenina, Hotsaraina araka ny nataonao sy ny helokao be vava ianao, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

Fitsapana nihatra tamin’ilay mpaminany

15 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

16 «Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin’ny indray mitselaka monja, ilay fifalian’ny masoandro; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.

17 Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty, Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.»

18 Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho, ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.

19 Ka hoy ny olona tamiko: «Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?»

20 Dia izao no nolazaiko tamin’ireo: «Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21 Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.

22 Amin’izany ianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.

23 Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo.

24 I Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rehefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.»

25 Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako amin’izy ireo ny heriny, ny voninahiny, ny firavoravoany, ny fahafinaretan’ny masony, ary ny fanirian’ny fanahiny; – dia ny zanany lahy aman-janany vavy; –

26 amin’izany andro izany, hisy olona mpandositra hankatỳ aminao, hilaza izany vaovao izany aminao.

27 Amin’izany andro izany, dia amin’ny fahatongavan’ilay mpandositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny ianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo ianao, dia ho fantatr’izy ireo fa Tompo Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 25

Mamely an’i Amônita

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny taranak’i Amôna ny tavanao, ka maminania ny hanjò azy ireo.

3 Lazao amin’ny taranak’i Amôna hoe: Mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanakora hoe: «Hia! Hia!» ny amin’ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin’ny tanin’i Israely, satria efa voarava, sy ny amin’ny taranak’i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;

4 noho izany dia indro hatolotro hozakain’ny zanaky ny Atsinananakosa ianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao.

5 Ary i Rabatahataoko tany fihinanan-drameva; ary ny tanin’ny taranak’i Amôna ho valan’ondry, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

6 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao niteha-tanana sy ningadon-tongotra, ary nifaly tao am-ponao tamin’ny fanesoanao rehetra, ny amin’ny momba ny tanin’i Israely;

7 noho izany dia indro Aho haninji-tanana aminao: hanolotra anao ho babon’ny firenena, hamongotra anao, eo amin’ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan’ny tany; handringana anao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho.

Mamely an’i Moaba

8 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Moaba sy i Seira manao hoe: «Indro ny taranak’i Jodà fa sahala amin’izao firenena rehetra izao ihany.»

9 noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan’i Moaba, hatrany amin’ny tanàna, hatrany amin’ny tanànany, hatrany amin’ny faritry ny taniny, tabihan’ny tany, i Betjesimôta, i Beelmeôna, i Kariataìna.

10 Hotatahako hidiran’ny zanaky ny Atsinanana izy, toraky ny tanin’ny taranak’i Amôma, hatolotro hozakainy izy, mba tsy ho tsaroana intsony eny amin’ny firenena ny taranak’i Amôna.

11 Hanao fitsarana any amin’i Moaba Aho, ka ho fantany fa Iaveh Aho.

Mamely an’i Edôma

12 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Edôma namaly an-kalozana ny taranak’i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin’ny namaliany azy ireo;

13 noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.

14 Ny hanaovako famalianaan’i Edôma, dia ny tanan’i Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edôma, ka ho fantany ny famaliako, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Mamely an’i Tira

15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistinina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin’ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,

16 noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.

17 Hanao famaliana lehibe azy ireo Aho, hanasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh Aho, rehefa mampihatra aminy ny famaliako Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 26

Fitomaniana ny faharavan’i Tira

1 Tamin’ny taona faha-11, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona,

noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema

nataony hoe: «Hia! Hia!

vaky ilay vavahadin’ny firenena!

atỳ amiko indray no todihin’ny olona;

ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»

3 noho izany, dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro, hiaviako ianao, ry Tira!

Hampiakatra firenena maro hamely anao Aho,

toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny onjany.

4 Horavan’ireo ny mandan’i Tira,

sady harodany ny tilikambony;

haìliko lavitra azy no vovo-taniny;

ary hataoko toy ny vatolampy mangadihady izy;

5 dia ho fitoerana hanahazana harato,

ao afovoan’ny ranomasina izy,

fa efa niteny Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh; –

ka ho babon’ny firenena izy.

6 Ny zanany vavyeny an-tanety

hovonoina amin’ny sabatra,

ka ho fantatra fa Iaveh Aho.

7 Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira,

i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna,

mpanjakan’ny mpanjaka,

mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly,

omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.

8 Hovonoiny amin’ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety,

hanorina manda hamelezana anao izy,

hanandratra tovon-tany hamelezana anao,

handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.

9 Hanitsy ny fikapoky ny lohondry vy ho ao amin’ny mandanao,

ary handrava ny tilikambonao amin’ny faraingony.

10 Tsy erany ny habetsahan’ny soavaliny

ka ho tototry ny vovo-taniny ianao;

ary ho azon’ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly,

sy ny kodiarana aman-kalesy,

dia hihozongozona ny mandanao,

rehefa miditra amin’ny vavahadinao izy,

toy ny fiditry ny olona amin’ny tanàna voabanga.

11 Ny lalam-benao rehetra,

hohitsakitsahin’ny kitron-tsoavaliny;

ny olonao, hovonoiny amin’ny sabatra,

ary ny andrinao mafy, hazerany amin’ny tany.

12 Ny harenao, halainy; ny entam-barotrao, hobaboiny;

ny mandanao, harodany; ny lapa soanao, hazerany;

ary hariany eny amin’ny rano

ny vato aman-kazonao mbamin’ny vovokao.

13 Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao,

ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.

14 Hataoko vatolampy mangadihady ianao;

dia ho fitoerana fanahazana harato;

tsy haorina intsony ianao;

fa Izaho Iaveh, efa niteny,

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Tira:

Ny fikotrokotroky ny fianjeranao,

rehefa hidridridridry ny maratra eo aminao,

rehefa handripaka, ny vonoana eo afovoanao,

moa va tsy hihorohoroan’ny nosy izany?

16 Hidina hiala amin’ny seza fiandrianany

ireo andrian’ny ranomasinarehetra;

hanesotra ny lambany,

hanala ny fitafiany misy amborodao;

hitafy fangorohoroana,

hitombina amin’ny tany,

hangovitra isan-tapak’andro,

ary ho talanjona noho ny aminao.

17 Hanao hira falahelovana anao izy,

ka hanao aminao hoe:

Endrey izao faharavanao izao,

ianao ilay nitsangana avy amin’ny ranomasina,

tanàna malaza, nahery teo amin’ny ranomasina,

ianao mbamin’ny mponina teo aminao,

nefa izy ireo izay nampahatahotra mafy teo iny

ny mponina rehetra ao amin’ny ranomasina.

18 Kanjo, ankehitriny, hangovitra ny nosy,

amin’ny andro hianjeranao,

ary ny nosy eo amin’ny ranomasina,

dia ho raiki-tahotra amin’ny iafaranao.

19 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Raha avy izay hanaovako anao ho tanàna haolo,

toy ireo tanàna tsy misy mponina;

rehefa hampiakarako ho eo amboninao ny rano lalina,

ka hanaforan’ny ranobe anao,

20 dia hampidiniko hiaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, ianao,

ho any amin’ireo vahoaka fahagola;

ka hamponeniko any ambanin’ny tany,

any amin’ny fanginginana mandrakizay,

miaraka amin’ireo nivarina any an-davaka,

mba tsy honenana intsony ianao;

ary hanisy ravaka amin’ny tanin’ny velona Aho.

21 Hataoko zavatra mahatsiravina ianao;

ary tsy hisy intsony ianao;

hotadiavin’ny olona ianao, nefa tsy ho hitany intsony;

– teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 27

Fitomaniana ny faharavan’i Tira

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Manaova hira fitomaniana an’i Tira ianao, ry zanak’olona,

3 ka lazao amin’i Tira hoe: Ianao ry ilay mitoetra eo amin’ny vava-ranomasina, izay nifankahazo varotra amin’ny firenena, any amin’ny nosy maro, izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Tiraô, ianao nanao hoe: Baondy tsy resy aho amin’ny hatsaran-tarehy;

4 ny fanjakanao eo amin’ny ranomasina;

izay nandrafitra anao, nanao anao ho tsara tarehy mahagaga.

5 Hazo sipresa avy any Sanirano nandrafetany

ny hazo fisaka rehetra aminao;

sedera nalaina tany Libàna,

no nataony salazana ho anao.

6 Oaka avy any Basàna

no nanaovany fivoy ho anao;

ny bànao nataony tamin’ny ivoara voapetaka amin’ny boisy,

avy amin’ny nosy Sitima.

7 Rongony fotsy madinika avy any Ejipta,

mbamin’ny amborodaony

no natao lain-tsambo ho anao,

sady natao faneva ho anao;

ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka

avy any amin’ny nosy Elisà

no lamba temitra ho anao.

8 Ny mponina ao Sidonasy Arvada

no mpivoy ho anao,

ary ny olon-kendry izay eo aminao, ry Tira,

no mpanamory ho anao.

9 Ny tranainy avy any Gibliomasy ny olon-kendriny dia teo aminao, mpamboatra ny vakivaky aminao.

Tao aminao avokoa ny sambo aman-tsambo eny amin’ny ranomasina, hanakalo ny entam-barotrao.

10 Na Persa, na Lidianina, na Libianina, dia samy isan’ny miaramilanao. Ireny no lehilahy mpiadinao; nahantony teo aminao ny satroka fiarovana aman’ampinga, nampanetriketrika ny voninahitrao izy, mahamendrimendrika anao erỳ.

11 Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao dia teo ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no teo amin’ny tilikambonao; nahantony teo amin’ny mandanao manodidina ny ampingany, ka nahalavorary ny hatsaran-tarehinao.

12 I Tarsisanifampivarotra taminao, tamin’ny hareny isan-karazany: volafotsy, vy, fira-potsy amam-pira-mainty, izay nataony vidin’ny entanao.

13 I Javàna, i Tobala, Mosòka, nifampivarotra taminao, ain’olona sy fanaka varahina, no nanefany ny volanao aminy.

14 Ry zareo taranak’i Tôgôrmà, dia soavaly mpitarika kalesy, soavaly fitaingina, ary mole, no nandoavany ny vidin’ny entanao.

15 Ny terak’i Dedananifampivarotra taminao; ny varotra tamin’ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty.

16 I Arama nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao; vatosoa, jaky, amborodao, rongony madinika, voahangy sy robisy no nanefany ny volanao aminy.

17 I Jodà sy ny tanin’i Israely nifampivarotra taminao, ny amin’ny varin’i Minîta, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.

18 I Damasa nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao, sy ny habetsahan’ny fanananao, izay notakalozany ny divain’i Helbôna sy ny volon’sondrin’i Tsakara.

19 I Vedàna sy i Javàna any Ozaly, dia vy voatefy no nividianany ny entam-barotrao; kasy sy veromanitra no nanefany ny volanao aminy.

20 I Dedana nifampivarotra taminao ny amin’ny lamban-tsoavaly fanao hitaingenan-tsoavaly.

21 I Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara nifampivarotra taminao; ondry sy ondralahy aman’osilahy no nifampivarotany taminao.

22 Ny mpandranto avy any Sabà sy Reemà nifampivarotra taminao; izao zava-manitra tsara indrindra rehetra izao sy izao vatosoa isan-karazany rehetra izao mbamin’ny volamena koa no nandoavany ny vidin’ny entanao.

23 I Haràna, i Senesy i Edena, ny mpandranto avy any Sabà, i Asora sy i Kelmàda nifampivarotra taminao:

24 zavatra fanao ravaka no nataon’ireo varotra taminao; kapaoty jaky, volomparasy, lamba misy amborodao volamena, vata fitoeram-pitafiana, tady mirandrana sady mafy, hazo fisaka sedera fandefasanao entana.

25 Ny sambon’i Tarsisa no niara-nandeha maro, nitatitra ny entanao.

Tonga mpanefoefo sy be voninahitra ianao;

teo amin’ny ranomasina.

26 Kanjo teo amin’ny rano be,

izay nitondran’ireo mampiasa fivoy anao

no namakian’ny rivotra avy atsinanana, anao,

tao afovoan’ny ranomasina.

27 Ny harenao, ny varotrao, ny entanao,

ny mpiantsambonao amam-panamory eo aminao,

ny mpamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao,

ny lehilahy mpiady rehetra

izay eo aminao, mbamin’ny vahoaka zavon-tany

izay eo afovoanao,

dia ho latsaka ao anatin’ny ranomasina

amin’ny andro hianjeranao.

28 Amin’ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao

ny morontsiraka hihorohoro.

29 Hidina hiala amin’ny sambony avokoa

izay rehetra mampandeha fivoy,

ny tantsambo sy ny mpitari-dalan-tsambo rehetra amin’ny ranomasina,

ka hijanona eny an-tanety.

30 Hanandra-peo noho ny manjò anao

sy handefa fidradradradràna mampalahelo;

hanosim-bovoka ny lohany,

ary hihosinkosina amin’ny lavenona.

31 Noho ny aminao izy ireo hibory loha,

hitafy lasàka,

ary amin’ny alahelon’ny fanahiny dia handrotsa-dranomaso ny amin’ny momba anao,

dia ranomaso mangidy.

32 Ao anatin’ny alahelony izy ireo, hanao hira falahelovana anao,

ka hitomany anao hanao hoe:

Iza moa no tahaka an’i Tira,

tahaka an’ilay tonga mangina, ao afovoan’ny ranomasina?

33 Fony nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entanao,

nahavoky firenena maro ianao;

amin’ny habetsahan’ny harenao amam-barotrao,

nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany ianao.

34 Ankehitriny kosa rehefa ravan’ny ranomasina ianao,

sady nazera any amin’ny fara fanambanin’ny riaka,

ny entanao mbamin’ny vahoaka rehetra tao aminao,

niara-drendrika taminao koa.

35 Ny mponina rehetra amin’ny nosy,

talanjona noho ny aminao;

ny mpanjakany raiki-tahotra;

ny tarehiny niova endrika.

36 Ny mpandranto avy amin’ny firenen-kafa

misitrîsitra aminao.

Zary zava-mahatsiravina ianao;

ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!

Categories
Ezekiela

Ezekiela 28

Teny mamely ny mpanjakan’i Tira

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Noho ny fonao nanandra-tena,

sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho,

no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina,

seza fiandrianan’Andriamanitra;

nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory,

na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!

3 – Indro ianao fa hendry noho i Daniela,

tsy misy zava-takona miafina aminao;

4 tamin’ny fahendrenao amam-pahalalanao,

nahazo harena ho anao ianao;

ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa,

ho ao amin’ny rakitrao;

5 tamin’ny halehiben’ny fahendrenao, tamin’ny varotrao,

hampitombo ny harenao,

ka dia nanandra-tena ny fonao azon’ny harenao. –

6 Noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Satria nanao ny fonao

ho toy ny fon’Andriamanitra ianao;

7 noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao Aho,

dia firenena masiaka indrindra amin’ny firenena;

hotsoahiny ny sabany, hamelezana ny filohan’asan’ny fahendrenao,

ary hohamavoiny ny famirapiratanao.

8 Havarina any an-davaka ianao,

ka ho faty amin’ny fahafatesan’izay voavono

ao anatin’ny ranomasina.

9 Ianao va mbola hilaza hoe: «Andriamanitra aho,»

eo anatrehan’ny mpamono anao;

nefa olombelona ihany ianao,

fa tsy Andriamanitra tsinona,

eo an-tanan’izay mamono anao?

10 Toy ny fahafatin’ny tsy voafora no hahafaty anao,

amin’ny tanan’ny hafa firenena;

fa Izaho niteny, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Ny nianjeran’ny mpanjakan’i Tira

11 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe: Ry zanak’olona, manaova falahelovana ny mpanjakan’i Tira;

12 ka lazao aminy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Ianao no tampon-dohan’nyfahalavorariana,

feno fahendrena, tapitra ohatra amin’ny hatsaran-tarehy,

13 tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao,

rakotry ny vatosoa:

dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa,

safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena

nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao

efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.

14 Ianao no Kerobima voahosotra hiaro,

napetrako tao amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra;

tao ianao nandeha teo afovoan’ny vato mirehitra.

15 Lavorary ianao tamin’ny lalanao

hatramin’ny andro nahariana anao

ka hatramin’ny nisian-keloka teo aminao.

16 Tamin’ny fampitomboana ny varotrao,

dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao;

nanota ianao ka nariako

hiala teo amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra,

ary nataoko levona ianao, ry Kerobima mpiaro,

teo afovoan’ny vato mirehitra.

17 Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao;

nosimbanao ny fahendrenao azon’ny famirapiratanao,

ka nazerako amin’ny tany ianao,

sady natolotro ho fizahan’ny mpanjaka.

18 Noho ny fitomboan’ny helokao,

tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao,

dia novetavetainao ny fitoeranao masina,

ka namoaka afo teo afovoanao Aho,

ka izy no nandevona anao;

dia nampanjarîko lavenona eny ambonin’ny tany ianao,

eo imason’izay rehetra nahita anao.

19 Izay rehetra nahalala anao, teo amin’ny firenena,

gaga foana noho ny aminao;

zary zava-mahatsiravina ianao;

ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!

Teny mamely an’i Sidona

20 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21 Ry zanak’olona, atodiho mankany Sidona ny tavanao, ka maminania ny aminy,

22 ataovy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro ho avy aminao Aho, ry Sidona;

hanome voninahitra ny Tenako eo aminao Aho.

Ho fantatry ny olona, fa Iaveh Aho,

rehefa manatanteraka fitsarana momba azy Aho,

sy manamasina ny Tenako eo aminy.

23 Hahatonga pesta hamely azy Aho;

ary hisy ra eny an-dalambeny;

hiampatrampatra eo aminy ireo voavono,

matin’ny sabatra izay hamely azy hatraiza hatraiza.

Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

Afaka amin’ny hafa firenena i Israely

24 Amin’izay tsy hisy intsony, ho an’ny taranak’i Israely,

izay tsilo mandoza, na roy mampangirifiry

eo amin’izay rehetra mifanila aminy

ka manao azy ho tsinontsinona;

dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.

25 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Rehefa manangona ny taranak’i Israely,

avy any amin’ny firenena nampielezako azy Aho,

dia hanamasina ny Tenako eo amin’izy ireo,

eo imason’ny firenena;

ka honina eo amin’ny taniny,

izay nomeko an’i Jakôba, mpanompoko, izy ireo.

26 Honina ao izy tsy amin’ahiahy;

hanorin-trano sy hamboly voaloboka,

honina ao tsy amin’ahiahy izy ireo,

rehefa vitako ny fitsarana

an’izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy.

Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr’izy ireo Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 29

Teny mamely an’i Ejipta

1 Tamin’ny taona faha-10, volana faha-10, andro faha-12n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta ny tavanao, ka maminania ny aminy sy ny amin’i Ejipta manontolo.

3 Mitenena ka ataovy hoe:

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta,

ianao ilay mamba makadiry,

mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe:

«Ahy ny oniko,

fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»

4 Hanisy farango ny valanoranonao Aho,

hampiraikitra ny hazandranoao amin’ny oninao, amin’ny kiranao,

ary hampiakatra anao avy ao amin’ny oninao,

dia ianao mbamin’ny hazandranon’ny oninao

rehetra tafaraikitra amin’ny kiranao.

5 Hatsipiko any an’efitra ianao,

mbamin’ny hazandrano rehetra ao amin’ny oninao;

dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety,

ary tsy hisy hanarina na hanangona,

fa efa nomeko hohanin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.

6 Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Iaveh Aho:

– satria efa tehina volotara ho an’ny taranak’i Israely izy ireo.-

7 Raisiny amin’ny tanana ianao, dia tapaka,

sady mandrotidrotika ny sorony rehetra;

mitehina aminao indray izy, dia folaka ianao,

ataonao tafatehina amin’ny valahany avokoa.

8 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao Aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;

9 ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho. Noho i Faraôna nanao hoe: «Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy»,

10 noho izany dia indro Aho ho avy ao aminao sy ny oninao; ka ataoko zary zavatra rava sady foana no nidiran-doza ny tany Ejipta, hatrany Migdôlaka hatrany Siena, ary hatrany amin’ny sisin’ny tanin’i Etiôpia.

11 Tsy hodiavin-tongotr’olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.

12 I Ejipta, hataoko tany foana eo amin’ny tany lao rehetra; ary ny tanànany, eo afovoan’ny tanàna rava, dia ho tany lao foana mandritra ny efapolo taona; haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina, ary hahahako any amin’ny tany samihafa izy.

13 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa tapitra ny efapolo taona, hangoniko ny Ejiptianina avy any amin’ny firenena nielezany,

14 haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin’ny tany Patrôsa, any amin’ny tany niaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany.

15 Ho fanjakana ambany i Ejipta, raha samy fanjakana, ary tsy hisandratra ho ambonin’ny firenena, hohavitsiko ny isany, mba tsy hanapahany ny firenena.

16 Tsy ho fitokian’ny taranak’i Israely intsony izy; hampahatsiarovina azy ny heloka nataony, tamin’ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.

17 Tamin’ny taona faha-27, volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

18 Ry zanak’olona, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an’i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin’i Tira, na ho an’ny tenany na ho an’ny miaramilany tamin’ny fanompoana nataony, namelezany azy.

19 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro omeko an’i Nabokodonozorampanjakan’i Babilôna, ny tany Ejipta, ka halainy ny hareny ao; hobaboiny izay azo baboina ao; horobainy izay babo ao, ary hoentiny izay remby azo aminy, dia ho karama izany ho an’ny tafiny.

20 Ho valin’ny asa nataony namelezany an’i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho Ahy izy ireo – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

21 Amin’izany andro izany, hampaniriako tandrokany taranak’i Israely, ary hampiloa-bava anao Aho eo amin’izy ireo; ka ho fantany fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 30

Ny andron’i Iaveh amelezany an’i Ejipta

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Midradradradrà ianareo! Endrey! izao andro izao!

3 Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!

4 Hisy sabatra ho tonga hamely an’i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiôpia, rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rehefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.

5 Ny Etiôpianina, ny Libianina, ny Lidianina, ny hafa firenena isan-karazany, i Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.

6 Izao no lazain’i Iaveh: Ho lavo ry zareo niankinan’i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan’ny heriny: Hatrany Migdôla ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

7 Ho lao eo amin’ny tany lao izy; ary ho rava eo amin’ny tanàna rava ny tanànany.

8 Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, raha avy izay handoroako an’i Ejipta sy hahatorotoro an’izay rehetra manampy azy.

9 Amin’izany andro izany, hisy iraka avy amin’ny Anarako handeha an-dakana hampitebiteby an’i Etiôpia izay mitoetra tsy amin’ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin’ny andron’i Ejipta, fa indro tonga izy io.

10 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hampitsahatra ny tabataba ben’i Ejipta Aho, amin’ny tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

11 Izy mbamin’ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no hoenti-mandrava an’i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an’i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany.

12 Ny ony hovako ho tany maina; ny tany hatolotro eo an-tanan’ny olona masiaka; ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, horavako, amin’ny tanan’ny hafa firenena. Izaho Iaveh no niteny.

13 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.

14 I Patrôsa horavako; i Tsôana hodorako; i Nô, hanatanterahako fitsarana;

15 hampidina ny hatezerako amin’i Sina, trano mimandan’i Ejipta; ary hofongorako ny vahoaka be any Nô.

16 I Ejipta hodorako; i Sina, hiolanolana mijaly; i Nô halana an-keriny; ary i Nôfa, hanihim-pahavalo antoandrobe.

17 Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.

18 Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.

19 Hanao fitsarana an’i Ejipta Aho, ka ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

20 Tamin’ny taona faha-11, volana voalohany, andro fahafiton’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21 Ry zanak’olona, ny sandrin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta,

dia notapahiko, ka indro tsy notsaboina,

tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy,

hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra.

22 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta;

hotapahiko ny sandriny roa,

na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka,

ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.

23 Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,

ary hahahako any amin’ny tany.

24 Fa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko,

ary ny sabatro, hataoko eo an-tanany;

hotapahiko kosa ny sandrin’i Faraôna

ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon’ny maratra ho faty.

25 Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko;

ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera;

ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho,

rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro;

ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.

26 Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,

ary hahahako any amin’ny tany izy;

dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.