Categories
Ezekiela

Ezekiela 31

Ilay sedera

1 Tamin’ny taona faha-11, volana fahatelo, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, lazao amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta sy amin’ny vahoakany maro hoe:

Tahaka an’iza moa ianao, amin’ny fahalehibeazanao?

3 Indro fa i Asora dia hazo sedera any Libàna,

tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana,

ary mitehika amin’ny rahona ny tendrony.

4 Ny rano be nampitombo azy,

ny rano lalina, nahalehibe azy,

tamin’ny nampandehanany ny oniny,

tamin’ny manodidina ny fitoerana nambolena azy,

sy tamin’ny nandefasany ny sakeli-dranony,

ho ao amin’ny hazo rehetra any an-tsaha.

5 Noho izany ny vatany nijoroaka,

lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha;

ny sampany nihalehibe;

ny rantsany, nihalava,

noho ny habetsahan’ny rano, tamin’ny fotoana nitomboany.

6 Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin’ny sampany;

ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin’ny rantsany;

ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.

7 Nahatsara tarehy azy ny fahalehibeazany,

sy ny halavan’ny sampany,

fa latsaka lalina tao amin’ny rano betsaka

ny fakany.

8 Ny sedera ao amin’ny sahan’Andriamanitra,

tsy nahamatroka azy;

ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany;

ary ny platàna tsy tahaka ny rantsany;

ary ny hazo tao amin’ny sahan’Andriamanitra,

tsy nisy tsara tarehy toa azy.

9 Nataoko tsara tarehy izy amin’ny hamaroan’ny rantsany,

ka hialona azy avokoa ny hazo rehetra ao Edena,

dia izay rehetra ao amin’ny sahan’Andriamanitra.

10 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: satria izy nisandratra ho avo, sy nanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary niavonavona noho ny fisandratany ny fony,

11 dia natolotro izy ho eo an-tanan’ny andriamanitry ny firenena hataony amin’izay sitrapony; noroahiko izy, noho ny haratsiany.

12 Notapahin’ny hafa firenena – firenena masiaka indrindra amin’ny firenena, – navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan’ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin’ny mason-driaka rehetra amin’ny tany; nihataka niala tamin’ny alokalony ny firenen’ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa.

13 Ny tapatapany ahatongavan’ny voromanidina rehetra hipetraka, ary ny rantsany itsofohan’ny biby rehetra any an-tsaha:

14 mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.

15 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny Seoly, nampanao fisaonana Aho; ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy; ny ony mandeha najanoko; ny rano be, niato; i Libàna nampanjomboniko, noho ny aminy; ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy.

16 Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.

17 Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin’ny Seoly, nankany amin’ireo matin’ny sabatra, izay sandriny, sy nipetraka teo amin’ny alokalony, teo afovoan’ny firenena.

18 Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon’i Edena? Havarina ianao miaraka amin’ny hazon’i Edena any ambanin’ny tany; hamparina eo amin’ireo tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjò an’i Faraôna, mbamin’ny vahoakany maro, – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

Categories
Ezekiela

Ezekiela 32

Ny mamba

1 Tamin’ny taona faha-12, volana faha-12, tamin’ny andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, manaova hira fitomaniana an’i Faraôna, mpanjanak’i Ejipta, ka lazao aminy hoe:

Ry lion’ny firenena ô, levona ianao!

Tahaka ny mamba teo anatin’ny ranomasina ianao,

niezaka tany amin’ny oninao ianao,

ary nanakobana ny ranony tamin’ny tongotrao,

ary nandoto ny lakan-dranony.

3 Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Hamelatra ny fandriko hamely anao Aho;

ka fitambaran’ny firenena maro no hoentiko manao izany,

ka hotarihiny hivoaka, amin’ny haratoko ianao,

4 dia havelako eo amin’ny tany ianao,

hatsipiko eny an-tampon-tanety ianao,

ka ny voromanidina rehetra hoentiko hipetraka aminao;

ary ny biby amin’ny tany rehetra, hataoko voky amin’ny tenanao.

5 Hataoko eny an-tendrombohitra ny nofonao,

ary hofenoiko ny tapatapakao sisa ny lohasaha.

6 Hotondrahako ny ranao mandriaka ny tany,

hatramin’ny tendrombohitra,

ary ho feno anao ny mason-driaka.

7 Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra,

ary hohamaiziniko ny kintana,

ny masoandro hosaronako rahona;

ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.

8 Hotafiako fisaonana noho ny aminao

ny kintana mamirapiratra rehetra eny an-danitra;

ary ny taninao hosaronako haizim-be

– teny marin’ny Tompo Iaveh.-

9 Hataoko mitebiteby ny fon’ny firenena maro, rehefa ampandrenesiko ny faharavanao ireo firenena, any amin’ny tany tsy fantatrao.

10 Hataoko talanjona noho ny aminao ny firenena maro; hihena velona, noho ny aminao, ny mpanjakany, rehefa ampandihiziko eo imasony ny sabatro; ary hanjònitra lava izao izy amin’ny andro haharavanao, samy manahy ny ainy avy.

11 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ho tonga aminao!

12 Ny ankabeazam-bahoaka, hataoko lavo, amin’ny sabatry ny mahery, izay masiaka eo amin’ny firenena rehetra; haongany ny reharehan’i Ejipta, ary ny vahoaka rehetra ao aminy ho voafongotra.

13 Tsy hasiako miangana ny biby fiompiny rehetra, eny amoron’ny rano betsaka; tsy hokobanin-tongotr’olona intsony ireny na hokobanin-kitrom-biby intsony.

14 Amin’izany ny ranony hampandriako, ary ny oniny hampandehaniko hoatra ny diloilo; – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

15 Rehefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin’ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.

16 Izany no hira fitomaniana, ka hotononin’ny olona io, hotononin’ny zanaka vavin’ny firenena; hotononiny momba an’i Ejipta sy ny vahoakany be rehetra; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Fivarinan’i Faraôna any amin’ny Seoly

17 Tamin’ny taona faha-12, andro faha-15n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

18 Ry zanak’olona, midridridridria momba ny vahoaka ben’i Ejipta; ampidino izy, mbamin’ny zanaka vavin’ireo firenena malaza, ho any ambanin’ny tany, miaraka amin’izay midina any an-davaka.

19 «Iza no nihoaranao hatsaran-tarehy?… Midìna, ka miampara ao akaikin’ireo tsy voafora!»

20 Hiampatrampatra eo afovoan’ny voatrobaky ny sabatra izy ireo! Efa voatolotra ny sabatra; tariho i Ejipta, mbamin’ny vahoakany maro be rehetra.

21 Hiteny aminy ny mahery indrindra amin’ireo lehilahy mahery fo, mbamin’ny mpanampy azy ao afovoan’ny Seoly, hanao hoe: «Tafidina sy miampatra, ireo tsy voafora voatrobaky ny sabatra!»

22 Ao i Asora, mbamin’ny vahoakany rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy.

23 Natao any am-paravody lavaka, ny fasan’izy ireo: voalahatra manodidina ny fasany ny vahoakany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy ireo, izay naharaiki-tahotra teny amin’ny tanin’ny velona.

24 Ao ry i Elama, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina manodidina ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa; ireo tsy voafora nidina tany ambanin’ny tany, izay efa naharaiki-tahotra, teny amin’ny tanin’ny velona; nivesatra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin’izay nidina any an-davaka.

25 Teo amin’ireo voatrobaka no anamboarana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy voatrobaky ny sabatra avokoa izy ireo, fa niely ny fahatahorana azy teny amin’ny tanin’ny velona, ary nitondra ny fahafaham-barakany izy, miaraka amin’izay midina any an-davaka; napetraka teo amin’ireo voavono izy.

26 Ao ry i Mosòka, i Tobala, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina, manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy lavon’ny sabatra avokoa izy, fa nampiely fahatahorana teny amin’ny tanin’ny velona.

27 Izy ireo tsy mba hiara-miampatra amin’ny mahery, izay lavo isan’ny tsy voafora, sy nidina any amin’ny Seoly nitondra ny fiadiany, sy nopetrahana ny sabany eo ambonin’ny lohany; fa eo ambonin’ny taolany ny helony, satria hampatahotra ny mahery izy, teny amin’ny tanin’ny velona.

28 Ianao koa ho torotoro, eo afovoan’ny tsy voafora; sy hiara-miampatra amin’izay voatrobaky ny sabatra.

29 Ao ry i Edôma, mbamin’ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra teo aminy: izy ireo, na dia be aza ny heriny, dia natao teo amin’ny voatrobaky ny sabatra, miara-miampatra amin’ny tsy voafora koa izy, sy amin’izay nidina any an-davaka.

30 Ao ny andrian’ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin’ny Sidonianina rehetra; niara-nidina tamin’ny voatrobaky izy ireo, na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin’izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin’ny midina any an-davaka.

31 Hahita azy i Faraôna, ka hanonon-tena, ny amin’ny vahoakany maro be. Niara-boatrobaky ny sabatra, i Faraôna sy ny miaramilany rehetra, – teny marin’ny Tompo Iaveh!-

32 Fa efa nanely ny fahatahorana azy Aho teny amin’ny tanin’ny velona; ary indro izy miara-miampatra amin’ny tsy voafora, miaraka amin’izay voatrobaky ny sabatra, izy Faraôna sy ny vahoakany rehetra alinalina; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 33

Ny mpaminany: mpitily

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, mitenena amin’ny zanaky ny firenena, ka lazao aminy hoe: Raha mandefa sabatra hamely ny tany anankiray Aho, ary ny mponina amin’izany tany izany kosa mandray ny anankiray amin’ireo mpitily,

3 ka mitsoka anjomara hanaitra ny vahoaka ralehilahy, nony mahita ny sabatra tamy hamely ny tany;

4 nefa ohatra ka misy tsy mety miraika akory, izay mandre ny feon’anjomara, ary tonga ny sabatra ka mahavoa azy tampoka, dia ho eo amin’ny lohany ihany ny rany;

5 nandre ny feon’anjomara izy, saingy tsy niraika, ka dia ho eo aminy ihany ny rany; fa raha miraika izy, dia hahavonjy ny ainy.

6 Raha ilay mpitily kosa no mahita ny sabatra tamy nefa tsy mitsoka ny anjomara, ka tsy voataitra ny vahoaka, koa tonga ny sabatra, sady mahavoa tampoka olona iray amin’izy ireo, dia ho faty eo amin’ny helony ihany, izany olona izany, nefa hadiniko amin’ilay mpitily ny tany.

7 Koa ianao, ry zanak’olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an’ny taranak’i Israely, ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao dia hanaitra azy amin’ny Anarako.

8 Raha niteny aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe: «Ho faty marina ianao, ry ilay ratsy fanahy,» ka tsy miteny ianao, hananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany.

9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, hialany amin’ny lalany, fa izy no tsy mety miala amin’ny lalany, dia ho faty ao amin’ny helony, fa ianao kosa hahavonjy ny fanahinao.

Fibebahana sy fiharatsiana

10 Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’i Israely hoe: Indreto ianareo miteny manao hoe: «Ny hadisoanay amam-pahotanay, dia momba anay; ka mihalevona izahay noho izany, ka ahoana indray no hahavelona anay?»

11 Lazao aminy hoe: «Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh: – tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»

12 Ary ianao, ry zanak’olona, milazà amin’ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ny marina tsy hahavonjy azy amin’ny andron’ny fahadisoany; ary ny ratsy fanahy tsy ho lavo noho ny haratsiany, amin’ny andro hialany amin’ny haratsiany; toy ny tsy hahazoan’ny marina ho velona amin’ny fahamarinany, amin’ny andro anotany.

13 Na efa nilaza tamin’ny marina aza Aho, fa ho velona marina izy; raha sendra mitoky ny fahamarinany kosa izy, ka manao ny ratsy, dia tsy hotsarovana intsony ny asa marina rehetra nataony, fa ny ratsy nataony dia izany ihany no anton’ny fahafatesany.

14 Ary na dia efa nilaza tamin’ny ratsy fanahy aza Aho nanao hoe: «Ho faty marina ianao», raha miala amin’ny fahotany izy, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,

15 fa mamerina ny natao antoka, mamerina izay nangalariny, manaraka ny lalàna mahavelona, ary tsy manao ratsy akory; dia ho velona marina tokoa izy, tsy ho faty!

16 Tsy hotsarovana intsony ny fahotany rehetra izay nataony; efa nanaraka ny hitsiny sy ny rariny izy, ka ho velona marina tokoa.

17 Ny zanaky ny firenenao, nanao hoe: «Tsy mahitsy ny lalan’i Iaveh.» Ny lalan’izy ireo anefa no tsy mahitsy.

18 Raha misy marina miala amin’ny fahamarinany ka manao ratsy, dia maty noho izany izy;

19 ary raha misy ratsy fanahy miala amin’ny haratsiany, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny, dia velona izy noho izany.

20 Nefa ianareo manao hoe: «Tsy mahitsy ny lalan’i Iaveh!» Samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely!

Fakàna ny tanàna

21 Tamin’ny taona faha-12n’ny nahababo antsika, tamin’ny volana faha-10, andro fahadimin’ny volana, nisy olona nandositra avy any Jerosalema, tonga tao amiko nilaza hoe:

22 «Afaka ny tanàna!» Ary ny hariva kosa talohan’ny nahatongavan’ilay nandositra, dia efa nanindry ahy ny tanan’i Iaveh, ka efa nosokafany ny vavako, talohan’ny nahatongavan’ilay io tao amiko ny maraina; ka dia voasokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.

Fandravana ny tanin’i Israely

23 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

24 Ry zanak’olona, ireo monina ao amin’ireny toeran-dravarava amin’ny tanin’i Israely ireny, manao hoe: «Irery i Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika.»

25 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ianareo mihinan-kena miharo ra, miandrandra maso amin’ny sampinareo vetaveta, ary mandatsa-dra, ka hanana ny tany va?

26 Nitoky amin’ny sabatrareo ianareo, nanao fahavetavetana, samy nanala baraka ny vadin’ny namany avy, ka hanana ny tany va?

27 Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Velona Aho! Izay eo amin’ny tanàna rava, ho lavon-tsabatra; izay eny an-tsaha, hatolotro hohanin’ny biby masiaka; ary izay eny amin’ny fitoerana mimanda sy any an-johy, ho fatin’ny pesta.

28 Ny tany, hataoko lao sy zary efitra; ary ny fiavonavon’ny heriny, hitsahatra; ary ny tendrombohitra amin’ny tany ho lao tsy hisy mpandia akory.

29 Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa nataoko lao sy zary efitra ny tany, noho ny fahavetavetana rehetra nataony.

Vokatry ny toriteny

30 Ary ianao, ry zanak’olona, dia ataon’ny zanaky ny firenenao firesaka eny anilan’ny rindrina sy eny am-baravaran-trano eny; mifampiteny samy amin’ny namany avy izy ireo, manao hoe: «Andeha hihaino izay teny avy amin’i Iaveh.»

31 Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.

32 Ianao izany dia mpihira mahafinaritra ho azy ireo, tsara feo sy mahay mitendry ny zava-maneno eo an-tanany; izy ireo kosa, mandre ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany akory.

33 Rehefa ho tonga izany zavatra izany, – sady indro efa tonga tokoa izany – dia ho fantatr’izy ireo, fa efa nisy mpaminany teo aminy.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 34

Ireo mpiandry an’i Israely

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny mpiandry an’i Israely. Maminania, ka lazao aminy, dia amin’ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny mpiandry an’i Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan’izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan’ny mpiandry?

3 Nohaninareo ny taviny, notafinareo ny volony, novonoinareo ny matavy; tsy namahana ny ondry ianareo:

4 tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!

5 Ka niely izy, fa tsy nisy mpiandry; zary rembin’izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.

6 Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny, ny ondriko, sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny; tafaely any amin’ny tany rehetra ny ondriko, nefa tsy ahin’ny olona akory, na mba misy lasa nitady azy.

7 Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, ry mpiandry ondry:

8 Velona Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh: – Noho ny ondriko navela hobaboina, noho ny ondriko zary remby ho an’ny biby dia rehetra fa tsy nisy mpiandry, sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko, fa ny tenany ihany no fahanan’ireo mpiandry ireo, ary ny ondriko tsy mba nofahanany;

9 noho izany dia mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo, ry mpiandry ondry.

10 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho; hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahiko eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.

11 Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy.

12 Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.

13 Hoentiko mivoaka avy any amin’ny firenena izy, ary hangoniko avy any amin’ny tany samihafa, hampodiko eo amin’ny tena taniny izy, dia handrasako eny amin’ny tendrombohitr’i Israely, eny an-dohasaha aman-toerana rehetra onenana amin’ny tany.

14 Amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon’i Israely no ho valany; any izy no handry amin’ny valan’ondry tsara, sy hihinana amin’ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr’i Israely

15 Izaho no hiandry ny ondriko, Izaho no hampandry azy; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

16 Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.

17 Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho, hitsara, manavaka ny reniondry sy ny reniondry; manavaka ny ondralahy sy ny osilahy.

18 Mbola tsy ampy anareo ve ny mihinana ahitra tsara, no dia mbola hosihosen’ny tongotrareo indray ny ahitrareo sisa; sy ny misotro ny rano madio, no dia mbola kobanin’ny tongotrareo koa ny sisa?

19 Hany ka ny voahosihosin’ny tongotrareo no tsy maintsy hanin’ny ondriko; ary ny voakoban’ny tongotrareo, no hosotroiny?

20 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho handeha hitsara ny adin’ny ondry matavy sy ny ondry mahia:

21 satria ianareo nanosika tamin’ny tehezanareo aman-tsorokareo, sady nanoto ny ondry osa rehetra tamin’ny tandrokareo, mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany:

22 dia hovonjeko ny ondriko,

ka tsy hatao fandroba intsony;

ary hitsara Aho manavaka ny ondry amin’ny ondry.

23 Mpiandry iray ihany ny hatsangako ho azy; – ary izy ny hamahana azy ireo, – izy no hamahana azy ireo, dia i Davida mpanompoko; ary izy no ho tena mpiandry ho azy ireo.

24 Izaho Iaveh no ho Andriamanitr’izy ireo; ary i Davida mpanompoko no ho mpifehy eo aminy; Izaho Iaveh no niteny.

25 Hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho; hofoanako tsy hisy amin’ny tany, ny biby masiaka; handry feizay izy any an’efitra; ary hatory any anaty ala.

26 Hataoko fitahiana izy sy ny manodidina ny havoanako; halatsako aminy fotoany ny ranonorana, dia ho ranonoram-pitahiana izany.

27 Ny hazo any an-tsaha, hamoa; ny tany koa hahavokatra, ary izy ireo, handry feizay amin’ny taniny, dia ho fantany fa Iaveh Aho rehefa voatapako ny baran’ny jiogany ary afako tamin’ny tanan’ireo nampanompo azy izy.

28 Ny firenena tsy hamabo azy intsony; ny bibin’ny tany tsy hihinana azy intsony ary handry feizay, tsy hisy hanaitaitra azy izy.

29 Hampaniry voly tsara laza ho azy Aho; ka tsy ho ritry ny mosary amin’ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan’ny firenena.

30 Dia ho fantany fa Izaho Iaveh Andriamaniny no momba azy, ary izy taranak’i Israely no vahoakako, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

31 Ary ianareo, ry ondriko, ondry andrasako: dia olombelona ianareo; ary Izaho dia Andriamanitrareo, – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

Categories
Ezekiela

Ezekiela 35

Teny mamely ireo tendrombohitr’i Edôma

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona atodiho mankany amin’ny tendrombohitr’i Seira ny tavanao, ka maminania ny hanjò azy, manaova hoe:

3 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho, ry tendrombohitra Seira, ho avy ao aminao, haninjitra ny tanako hamely anao, ary hampanjary anao ho lao sy efitra.

4 Hataoko rava ny tanànanao; ho tonga lao ianao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho.

5 Noho ianao manao lolom-po tsy misy farany, sy nanolotra ny zanak’i Israely ho an’ny sabatra, tamin’ny andro nahitany loza, tamin’ny andron’ny faharatsiana farany,

6 noho izany dia velona Aho; – teny marin’ny Tompo Iaveh: – Hataoko feno ra mandriaka ianao, ary ny ra hanenjika anao. Noho ianao tsy nankahala ny ra, dia hoenjehin’ny ra ianao.

7 Ny tendrombohitra Seira hataoko lao sy zary efitra, ary ny mandroso sy miverina eo, hataoko, tsy misy intsony.

8 Hofenoiko ny maratra ho faty aminy ny tendrombohiny; eny amin’ny havoananao, sy eny amin’ny lohasaha aman-dohasahan-driakanao, dia ho lavo ny olona voavonon’ny sabatra.

9 Hataoko lao mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho.

10 Noho ianao nanao hoe: «Ho ahy avokoa ny firenena roa sy ny tany roa, ka hahazo azy ho fanananay izahay!» – ary teo kosa i Iaveh – noho izany, velona Aho,

11 – teny marin’ny Tompo Iaveh: – dia hanao Aho araka ny hatezeranao sy ny fialonanao, izay nasehonao noho ny fankahalanao azy ireo, ary hampahafantariko eo aminy ny Tenako, rehefa hitsara anao Aho.

12 Ary ho fantatrao fa Izaho Iaveh dia nandre ny fanaratsianao rehetra, izay notononinao tamin’ny tendrombohitr’i Israely, nanao hoe: «Efa rava ireny, ka natolotra anay, ho remby hohaninay!»

13 Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany!

14 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny hifalian’ny tany rehetra, ianao kosa hataoko lao.

15 Toy ny nifalianao, ny amin’ny lovan’ny taranak’i Israely tamin’ny faharavàny, toy izany no hataoko aminao: ho rava ianao, ry tendrombohitra Seira, mbamin’i Idomea manontolo; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 36

Tenin’Andriamanitra momba ireo tendrombohitr’i Israely

1 Ary ianao, ry zanak’olona, maminania amin’ny tendrombohitr’i Israely ka ataovy hoe: Ry tendrombohitr’i Israely, mihainoa ny tenin’i Iaveh:

2 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny fahavalo nilaza ny aminareo hoe: «Hia! Hia! lasanay ny fanananay ny havoana fahagola!»

3 Noho izany dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny andravan’ny olona sy nanitsakitsahan’ny tongony anareo, hatraiza hatraiza, mba hahatongavanareo fananan’izay sisa amin’ny firenena, ary noho ianareo tonga fitenenan’ny vava mitsaontsaona, sy firesaka ratsin’ny olona;

4 noho izany, ry tendrombohitr’i Israely, dia mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’ny tendrombohitra sy havoana, amin’ny hantsan-driaka sy ny lohasaha, amin’ny toeran-dravarava mahalao monina sy amin’ny tanàna haolo, izay efa natolotra horobaina sy hihomehezan’ny sisa amin’ny firenena manodidina;

5 noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Eny, noho ny firehitry ny fahasaro-piaroko, no nitenenako namely izay sisa amin’ny firenena sy namely an’i Idomea manontolo izay nisazoka ny taniko ho fananany tamin’ny hafalian’ny fony rehetra sy tamin’ny fanesoan’ny fanahiny, hataony fandroba foana.

6 Koa noho izany maminania ianao ny amin’ny tanin’i Israely, ary lazao amin’ny tendrombohitra sy ny havoana, amin’ny hantsan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho miteny amin’ny fahasaro-piaroko amam-pahatezerako, satria ianareo nitondra ny latsa avy tamin’ny firenena.

7 Koa noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Efa nanangan-tanana Aho! Ireo firenena manodidina anareo, dia hitondra latsa koa izy ireo.

8 Ary ianareo kosa, ry tendrombohitr’i Israely, haniry ny rantsanareo, sy hahavokatra ny voanareo ho an’i Israely vahoakako; fa efa akaiky ny hiaviany.

9 Indro Aho ho avy eo aminareo, sy hitodika ny tavako ho aminareo, ka dia hasaina sy hofafazana ianareo.

10 Hohamaroiko ny olona eo aminareo, dia ny taranak’i Israely rehetra rehetra; ny tanàna, honenana; ary ny efa rava, haorina indray.

11 Hampitomboiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo; ka ho maro sy hitombo ireny; hataoko honenan’olona toy ny taloha ianareo. Hanao soa aminareo, mihoatra noho ny tamin’ny niandohanareo Aho; ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

12 Hitondra olona ho eo aminareo Aho dia i Israely vahoakako, ka izy hanana anao; ho lovany ianao, ary tsy hahalany fara azy intsony.

13 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny anaovany aminareo hoe: «Nandany olona ianao, sady nahalany fara ny firenenao:»

14 noho izany dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalàny fara ny firenenao, – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

15 Tsy avelako handre latsa avy amin’ny firenena intsony ianao, na hitondra fanaratsiana avy amin’ny firenena, sady tsy hahatafintohina ny firenenao koa, -teny marin’ny Tompo Iaveh.-

16 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

17 Ry zanak’olona, ry zareo taranak’i Israely, fony izy nitoetra teo amin’ny taniny, dia nandoto azy, tamin’ny fitondran-tenany aman’asany; fa ny fitondran-tenan’izy ireo dia toy ny fahalotoan’ny vehivavy teo anatrehako.

18 Ka naidiko tamin’izy ireo ny fahatezerako, noho ny ra nalatsany tamin’ny tany, sy noho ny nandotoany azy tamin’ny sampiny vetaveta.

19 Naeliko ho any amin’ny firenena izy ireo, ka nahahaka tany amin’ny tany samihafa. Notsaraiko araka ny fitondran-tenany aman’asa nataony izy.

20 Nony mby tany amin’ny firenena nalehany izy ireo, dia nanala baraka ny Anarako Masina, fa izao no filazan’ny olona azy: «Ireo no olon’i Iaveh, avy any amin’ny taniny no nialany.»

21 Ka nangoraka ny Anarako Masina Aho, izay nalan’ny taranak’i Israely baraka, tamin’izay firenena nalehany any.

22 Noho izany, lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy noho ny aminareo, no anaovako an’izao, ry taranak’i Israely, fa noho ny Anarako Masina izay nalanareo baraka, tany amin’ny firenena nalehanareo.

23 Hohamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baraka, eny amin’ny firenena nanalanareo baraka azy, dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Iaveh Aho – teny marin’ny Tompo Iaveh, – rehefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho.

24 Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hampodiko eo amin’ny taninareo.

25 Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo.

26 Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.

27 Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany.

28 Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.

29 Hovonjeko ianareo ho afaka amin’ny lotonareo rehetra; hantsoiko ny vary, ary hataoko be dia be, ary tsy haniraka mosary aminareo intsony Aho.

30 Hampitomboiko ny voankazo, mbamin’ny vokatry ny saha, mba tsy hitondranareo intsony latsa ama-mosary eo amin’ny firenena.

31 Hahatsiaro ny lalan-dratsinareo ianareo mbamin’ny asa tsy mety nataonareo, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny hadisoanareo amam-pahavetavetanareo.

32 Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, – teny marin’ny Tompo Iaveh, – ka aoka ho azonareo izany; aoka ho menatra sy hivoaramena ianareo, noho ny nataonareo, ry taranak’i Israely.

33 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ny helokareo rehetra, dia haveriko ho amin’ny tanànany ny mponina ao aminy, ary ny efa rava haorina indray.

34 Ny tany voarava, hasaina, izy izay efa tany lao teo imason’ny mpandalo rehetra.

35 Holazaina hoe: «Io tany io efa foana teo, nanjary hoatra ny sahan’i Edena, ary ny tanàna efa rava, lao, nirodana, efa misy mponina hoatra ny tanàna mimanda.»

36 Ary ho fantatry ny firenena sisa tavela manodidina anareo, fa Izaho Iaveh dia nanorina indray ny efa rava, namboly ny efa fongotra. Izaho Iaveh sady nilaza no manatanteraka!

37 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’izao koa Aho no mba hety hotadiavin’ny taranak’i Israely mba hanaovako izany ho fanasoavana azy: hohamaroiko toy ny biby fiompy ny olona.

38 Toy ny andian’ondry masina, toy ny andian’ondry any Jerosalema, amin’ny fetiny lehibe, ny olona hanao andiany, hameno ny tanàna rava; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 37

Ireo taolam-paty maina

1 Tonga tamiko ny tanan’i Iavehka nentin’i Iaveh nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin’ny tany lemaka feno taolana.

2 Nentiny nandeha teo akaikin’ireo manodidina azy aho. Be dia be izy ireo teo an-tampon’ity tany lemaka, sady maina dia maina.

3 Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Iaveh Tompo ô, Ianao no mahalala!»

4 Dia hoy Izy tamiko: «Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Iaveh!

5 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’ireto taolana ireto: Indro hampiditra fanahy ao aminareo Aho, dia ho velona ianareo.

6 Hasiako hozatra eo aminareo, hampidirako nofo eo aminareo, hovelarako hoditra eo amboninareo, ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona ianareo; ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»

7 Dia naminany araka ny teny azoko aho; ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injay zavatra mitatatata; dia nifanatona ireo taolana.

8 Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin’ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin’ireo; saingy tsy mbola nisy fanahy teo aminy.

9 Ary hoy izy tamiko: «Maminania amin’ny fanahy; maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny fanahy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Avia, ry fanahy avy any amin’ny vazantany efatra; tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy.»

10 Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho, ka niditra tamin’ireo ny fanahy, dia velona izy, sady nitsangana tamin’ny tongony; tafika lehibe, tena lehibe indrindra.

11 Hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak’i Israely rehetra. Indreo izy ireo manao hoe: ‹Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay!›

12 Koa maminania, ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely.

13 Ary dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa voasokatra ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako.

14 Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh dia milaza sy manatanteraka koa.» – teny marin’i Iaveh.-

I Jodà sy i Israely tonga firenena iray

15 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

16 Ary ianao, ry zanak’olona, makà hazo iray, asio soratra hoe: «Ho an’i Jodàsy ho an’ny zanak’i Israely tafakambana aminy.» Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: «Ho an’i Josefa; ka ho hazon’i Efraima sy ny taranak’i Israely rehetra tafakambana aminy izany.»

17 Ampifanatony izy roa, mba ho hazo iray ihany, ka ho iray ihany izy eny an-tananao.

18 Ary raha hiteny aminao ny zanaky ny firenenao, hanao hoe: «Tsy ho voasanao aminay va, izay ambaran’izany araka ny hevitrareo?»

19 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro fa alaiko ny hazon’i Josefa, eny an-tanan’i Efraima sy ny firenen’i Israely izay tafakambana aminy, ka hakambako amin’ny hazon’i Jodà izy, dia hataoko hazo iray ihany, sy ho iray tokoa eo an-tanako izy ireo.

20 Ho eny an-tananao, eo imasony, ireo hazo hosoratanao.

21 Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny.

22 Hataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany, eo ambonin’ny tendrombohitr’i Israely izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin’izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa.

23 Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny vetaveta, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamaniny.

24 I Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.

25 Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko sy nonenan’ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary i Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay.

26 Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.

27 Ny fonenako ho eo ambonin’izy ireo; Izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako.

28 Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh Aho manamasina an’i Israely, rehefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 38

Teny mamely an’i Goga mpanjakan’i Magôga

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 Ry zanak’olona, atodiho mankany Goga ny tavanao, any amin’ny tany Magôga, izay mpanapaka ambony any Mosòka sy Tobala, ary maminania ny aminy, ka ataovy hoe:

3 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro avy Aho ho any aminao, ry Goga, mpanapaka ambony any Mosòka sy Tobala.

4 Hotarihiko ianao, hasiako farango ny valanoranonao, ary hoentiko mivoaka avokoa ianao sy ny tafikao rehetra, soavaly ama-mpitaingina azy, samy àry fitaovana tsara indrindra avokoa; miaramila maro, mitondra ampinga be aman’ampinga kely, samy mahay sabatra avokoa.

5 Ny Persa sy ny Etiôpianina ary ny Libianina hiaraka aminy, samy manana ampinga be amam-piarovan-doha avokoa.

6 I Gômera sy ny antoko-miaramilany rehetra, ny taranak’i Tôgôrmà avy any amin’ny faritany avaratra, sy ny antoko-miaramilany rehetra; vahoaka maro be dia be hiaraka aminao avokoa.

7 Aoka ho voaomana ianao, ataovy ny fitaovanao, dia ianao sy ny vahoaka be rehetra, tafavory manodidina anao; ary ianao no aoka ho lehibeny.

8 Raha afaka andro maro, hovangiana ianao; nony any am-paran’ny taona any dia ho avy ianao, hamely ny firenena afaka tamin’ny sabatra, nangonina avy eny amin’ny firenena maro, ho ao an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao nandritra ny ela, hamely ny firenena nampodina avy any amin’ny firenena, sy efa monina mandry feizay avokoa izy manontolo.

9 Hiakatra ianao, ka ho avy toy ny rivo-doza, hanahaka ny rahona hanarona ny tany, ianao mbamin’ny antoko-miaramilanao rehetra, ary ny firenena maro miaraka aminao.

10 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’izany andro izany, hisy hevitra hitranga ao am-ponao, ka hamoron-tsain-dratsy ianao.

11 Ianao hilaza hoe: «Hiakatra aho hamely izany tany misokatra izany, ho avy aho ho ao amin’ireo olona miadana sy mandry feizay ireo, izay samy manana fonenana tsy mimanda avy, tsy manana hidy, na vavahady akory.

12 Dia handeha ianao mba handroba, hanangona babo, hamely ny tanàna efa rava saingy ankehitriny efa misy mponina, dia firenena nangonina avy any amin’ny firenena, izay miompy biby sy efa mihary fananana, ary monina eo afovoan’ny tany.

13 I Sabà sy i Debàna ary ny mpandranton’i Tarsisa mbamin’ireo liona tanorany rehetra, hanao aminao hoe: Tonga handroba va ianao? Nanangona ny miaramilanao va ianao, mba hanangona babo, hanala volafotsy sy volamena, hangorona biby fiompy aman-karena, ary hipaoka babo betsaka?»

14 Koa maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’i Goga hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy izao va? Amin’izany andro izany, rehefa mandry feizay ny vahoakako,

15 dia hahalala izany ianao, ka ho tonga avy any amin’ny taninao, avy any amin’ny farany avaratra, ianao sy ireo firenena maro miaraka aminao, samy an-tsoavaly avokoa, miaramila betsaka, tafika mahery.

16 Ary hiakatra hamely an’i Israely vahoakako ianao, toy ny rahona hanarona ny tany. Any am-paran’ny andro any no hitondrako anao hamely ny taniko mba hahafantaran’ny firenena Ahy rehefa manamasina ny Tenako ao aminao Aho, ry Goga, eo imason’ireo.

17 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ianao va no nolazaiko tamin’ny andro fahiny, tamin’ny vavan’ireo mpanompoko, ny mpaminanin’i Israely, izay naminany nandritra ny taona maro, tamin’izany andro izany, ny amin’ny hampiakarako anao hamely azy ireo?

18 Ary izao no hitranga amin’izany andro izany, dia amin’ny andro hiakaran’i Goga amin’ny tanin’i Israely; – teny marin’ny Tompo Iaveh, – hiefonefona eo am-bavoroko ny fahatezerako,

19 ary noho ny fahasaro-piaroko amam-pirehitry ny fahatezerako – teniko izany, – amin’izany andro izany, dia hisy horohoron-tany mafy eo amin’ny tanin’i Israely.

20 Ny hazandrano ao an-dranomasina hangovitra eo anatrehako avokoa, mbamin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany, sy ny biby mandady rehetra mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; ny tendrombohitra hirodana, ny vatolampy hianjera; ary ny manda rehetra hikoa amin’ny tany.

21 Hiantso sabatra hamely azy eny amin’ny tendrombohitra rehetra eny Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh, – ka samy hamotitra ny sabany hamely ny rahalahiny avy izy.

22 Hanao fitsarana azy Aho amin’ny pesta, sy ny ra; handatsaka ranonorana manafotra aman-kavandra vato, afo aman-tsolifara hihatra aminy sy amin’ny miaramilany, ary amin’ny firenena maro hiaraka aminy.

23 Hiseho ho lehibe sy masina Aho, ary hampahanfantatra ny Tenako eo imason’ny firenena maro, ka ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 39

1 Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ny hamelezana an’i Goga, ka lazao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho ho avy hamely anao, ry Goga, mpanapaka lehiben’i Mosòka sy i Tobala.

2 Halaiko, hotarihiko ianao, hampianariko avy any amin’ny farany avaratra, ary hoentiko any an-tendrombohitr’i Israely.

3 Any dia halatsako avy eny an-tananao ankavia ny tsipìkanao, ary hararako avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipìkanao,

4 Hitsingidina eny an-tendrombohitr’i Israely ianao, dia ianao sy ny antoko-miaramila rehetra, mbamin’ireo firenena hiaraka aminao; ny vorona mpihaza, ny vorona isan-karazany, mbamin’ny bibin’ny tany no hanolorako anao mba hohaniny.

5 Hiampatra eny an-tampon-tanety eny ianao, fa Izaho no efa niteny, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

6 Handefa afo ho any amin’ny tany Magôga Aho sy ho any amin-dry zareo monina feizay any amin’ireo nosy, ka ho fantany fa Iaveh Aho.

7 Ary hataoko fantatra ny Anarako Masina, eo amin’i Israely vahoakako, ka tsy hoekeko hotsiratsiraina intsony ny Anarako Masina, dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh Aho, ilay masina eo amin’i Israely.

8 Indro tonga izany zavatra izany ka ho tanteraka, – teny marin’ny Tompo Iaveh: – izany no ilay andro nolazaiko!

9 Amin’izany, hivoaka ny mponina amin’ny tanànan’i Israely, handoro sy hampiredakany fiadiana, dia ny ampinga amam-piarovan-tena, ny tsipìka aman-jana-tsipìka, ny langilangy aman-defom-pohy, hatainy izany mandritra ny fitotaona.

10 Tsy hitondra kitay hazo avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hikapa hazo any an’ala, fa ny fiadiana no hatainy; hamabo an’izay namabo azy izy; ary handroba an’izay nandroba azy, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

11 Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: I Goga homeko fitoerana izay isian’ny fasany, eo amin’i Israely, dia ny lohasahan’ny Mpandalo ao atsinanan’ny ranomasina, ary hanampin-dalana tsy halehan’ny mpandalo izany fasana izany. Eo no handevenana an’i Goga mbamin’ny vahoakabeny rehetra, ary lohasahan’i Hamôna-Gôga no hatao anaran’io fitoerana io.

12 Handevina azy ireony taranak’i Israely, mba hanadiovany ny tany, mandritra ny fito volana mipaka.

13 Handevina avokoa ny vahoaka amin’ny tany; ary ho andro malaza ho azy ireo izany, fa andro hanehoako ny voninahitro an-karihary, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

14 Hanendry olona izy ireo izay homena raharaha mba hitetitety ny tany, mandevina ny mpandalo izay sisa tavela teo ambonin’ny tany, – mba hanadiovany ny tany; rehefa afaka ny fito volanadia handeha hikaroka, ireo.

15 Ary rehefa mitety ny tany ireo olona ireo, raha misy mahita taolan’olona, dia hanangana famantarana eo anilany izy, mandra-pandevin’ny mpandevina azy, ao amin’ny lohasaha Hamôna-Gôga.

16 Ary ho anaran-tanàna koa i Hamôna; toy izany no hanadiovana ny tany.

17 Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lazao amin’ny voromanidina isan-karazany, mbamin’ny biby rehetra any an-tsaha hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ! Miangòna avy eny amin’ny manodidina eny, ho amin’ny sorona izay ataoko ho anareo, dia sorona lehibe any an-tendrombohitr’i Israely; hihinana nofo ianao sy hisotro ra.

18 Nofon’ny lehilahy mahery no hohaninareo, ran’ny mpanapaka amin’ny tany no hosotroinareo, dia ondralahy, zanak’ondry, osilahy, vantotr’ombalahy, omby mifahy, avy any Basàna, samy tafatambatra avokoa.

19 Hihinana tavin-kena ianareo, ka ho voky, hisotro ra ianareo, mandra-pahaleonareo, amin’izany sorona nataoko ho anareo izany.

20 Amin’ny latabatro ianareo hivoky soavaly ama-mpitaingina azy, lehilahy mahery ama-mpiady isan-karazany; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Teny famaranana

21 Haneho ny voninahitro eo amin’ny firenena Aho, ka ho hitan’ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako hahinjitro amin’izy ireo.

22 Ka ho fantatry ny taranak’i Israely, fa Iaveh Andriamaniny Aho, hatramin’izay andro izay, ka hatramin’ny ho avy.

23 Ary ho fantatry ny firenena fa noho ny heloka nataon’ny zanak’i Israely, no nahalasan-ko babo azy, satria nivadika tamiko izy. Koa nanafina ny Tavako taminy Aho ary natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony, mba ho lavon-tsabatra izy rehetra.

24 Noho ny fahalotoany amam-pivadihany no nanaovako izany taminy sy nanafenako ny tavako taminy.

25 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ankehitriny, hampodiko ny babo amin’ny taranak’i Jakôba, hamindrako fo ny taranak’i Israely rehetra, ary hasehoko ny fahasaro-piaroko ny Anarako Masina.

26 Hitondra ny fahafaham-barakany izy, mbamin’ny fivadihany rehetra nataony tamiko, raha avy izay handriany feizay eo amin’ny taniny, ka tsy hisy mpanaitaitra intsony.

27 Rehefa hampody azy avy any amin’ny firenena Aho sy hanangona azy avy any amin’ny tanim-pahavalony, ary hanamasina tena ao amin’izy ireo eo imason’ny firenena maro,

28 dia ho fantany fa Iaveh Andriamaniny Aho, tamin’ny nitondrako azy ho babo any amin’ny firenena sy nanangonako azy indray eo amin’ny taniny; ary tsy hisy havelako hitoetra any intsony izy ireo, na dia iray aza.

29 Ary tsy hanafina ny Tavako aminy intsony Aho, satria hampidiniko amin’ny taranak’i Israely ny Fanahiko; – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

Categories
Ezekiela

Ezekiela 40

Ny tempoly vaovao

1 Tamin’ny taona faha-25n’nynahababo antsika, tamin’ny fiandohan’ny taona, andro fahafolon’ny volana, taona faha-14n’ny naharavan’ny tanàna, tonga tamiko androtr’izay ihany ny tanan’i Iaveh, ka nitondra ahy ho any amin’izany fitoerana izany.

2 Tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra no itondrany ahy, ho any amin’ny tanin’i Israely, dia napetrany teo amin’ny tendrombohitra anankiray avo dia avo; ary nisy hoatra ny tanàna naorina eo amin’ny ilany atsimo amin’izany tendrombohitra izany.

3 Nony tongany teo amin’io fitoerana io aho, dia nahita lehilahy anankiray, ka ny tarehiny toa nitarehim-barahina no fijery azy; ary kofehy rongony aman-tehina fandrefesana no teny an-tanany, ary teo amin’ny vavahady izy.

4 Dia hoy ralehilahy tamiko: «Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, ary mandiniha tsara ao am-ponao, ny zavatra rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoana an’izany aminao no nitondrana anao etoana. Ampahalalao ny taranak’i Israely avokoa, izay rehetra ho hitanao.»

Ny tamboho ivelany

5 Nisy manda ivelany nanodidina ny trano, tamin’ny lafiny rehetra; ary nisy volotara fandrefesana enina hakiho teny an-tanan-dralehilahy; nihoatra vodivoam-pelatanana avy ny iray hakiho. Norefesiny ny hatevin’io rafitra io, ka eran’ny volotara; ary ny haavony, ka eran’ny volotara.

Ny vavahady atsinanana

6 Raha efa izany dia nankeo amin’ny vavahady, dia ilay mitodika miantsinanana ny anoloany, ka niakatra ny ambaratonga izy; ary norefesiny ny tokonam-bavahady, ka eran’ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, eran’ny volotara ny sakany

7 Ny efitrano tsirairay avy dia eran’ny volotara ny lavany, eran’ny volotara ny sakany; dimy hakiho avy no elanelan’ny efitra. Ny tokonam-bavahady anilan’ny efitra fidirana amin’ny vavahady tandrifin’ny trano dia eran’ny volotara.

8 Norefesiny ny efitra fidirana amin’ny vavahady tandrifin’ny trano dia eran’ny volotara.

9 Norefesiny indray ny efitra fidirana amin’ny vavahady ka nisy valo hakiho; ary ny andriny, roa hakiho. Ny efitra fidirana amin’ny vavahady dia tandrifin’ny trano.

10 Ny efitry ny vavahady atsinanana dia telo no teo an-daniny iray, telo koa no teo an-daniny iray; mitovy refy avokoa izy telo avy ireo; sady mitovy refy ny andriny.

11 Norefesiny ny vavan’ny vavahady, ka folo hakiho ny sakany, telo ambin’ny folo hakiho ny halavany.

12 Teo anoloan’ny efitra nisy fefy, iray hakiho avy ny lafiny; ny efitra dia samy enina hakiho ny lafiny iray, ary enina hakiho ny lafiny iray hafa.

13 Norefesiny ny vavahady hatramin’ny tafon’ny efitra iray, ka hatramin’ny tafon’ny iray hafa; nisy 25 hakiho ny sakany, hatramin’ny varavarana anankiray ka hatramin’ny varavarana iray hafa.

14 Ary 60 hakiho no nisainy momba ny andry, ary nifanolotra tamin’ireo andry ireo ny kianja manodidina ny vavahady.

15 Ny elanelan’ny hatreo anoloan’ny vavahady fidirana, ka hatreo anoloan’ny trano fidirana anatiny, dia 50 hakiho.

16 Nisy varavarankely makarakara, tamin’ny efitra sy tamin’ny andry, amin’ny lafiny manodidina ao anatin’ny vavahady; toy izany koa tamin’ny efitra fidirana; ka dia varavarankely manodidina ny tao anatiny, ary nisy rofia avokoa ny andry.

Ny kianja ivelany

17 Dia nentiny aho, ho eo amin’ny kianja ivelany; ary teo dia nisy efitranosy lampivato voavoatra manodidina ny kianja ary nisy efitrano 30manaraka ny lampivato.

18 Nanaraka an’ireo vavahady ny lampivato, sady nifanerana tamin’ny halavan’ny vavahady; ny lampivato ambany io.

19 Norefesiny ny sakan’ny teo anoloan’ny vavahady ambany hatreo amin’ny anoloan’ny kianja anatiny, ka nisy zato hakiho ny teo atsinanana sy teo avaratra.

Ny vavahady avaratra

20 Ny amin’ny kianja ivelany, izay mitodika mianavaratra ny anoloany dia norefesiny koa ny lavany sy ny sakany,

21 – ny efitra aminy telo an-daniny avy, sy ny andriny aman’efitra fidirana, mitovy refy amin’ireo vavahady voalohany- 50 hakiho ny lavany, ary 25 ny sakany.

22 Ny varavaran-keliny sy ny efitra fidirany aman-drofiany, sahala refy amin’ireo eo amin’ny vavahady mitodika miantsinanana ny anoloany; ambaratonga fito no iakarana mankeo, ary mifanatrika amin’ny ambaratonga ny efitra fidirana.

23 Nisy vavahady teo amin’ny kianja anatiny mifanandrify amin’ny vavahady avaratra, tahaka ny amin’ilay atsinanana. Norefesiny ny hatreo amin’ny vavahady anankiray ka hatreo amin’ny anankiray hafa, dia 100 hakiho.

Ny vavahady atsimo

24 Dia nentina indray aho nianatsimo, ary inty vavahady mianatsimo; norefesiny ny andry sy ny efitra fidirana ao, ka toraky ny teo ihany koa ny refiny;

25 – ny manodidina dia nisy varavarankely mitovy amin’ireo varavarankely hafa ihany koa mbamin’ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.

26 Ambaratonga fito no iakarana mankeo, teo anoloan’ireo ny efitra fidirana; nisy rofia ny andriny: ny iray teo an-daniny, ny iray koa teo an-daniny hafa.

27 Nisy vavahady koa nitodika mianatsimo, ao amin’ny kianja anatiny; norefesiny ny hatreo amin’ny vavahady anankiray ka hatreo amin’ny anankiray mandeha mianatsimo, ka zato akiho.

Ny kianja anatiny sy ny vavahady atsimo

28 Nentiny niditra teo amin’ny vavahady atsimo aho, ho ao amin’ny kianja anatiny; ary norefesiny ny vavahady atsimo, ka sahala ny refiny –

29 ny efitranony, ny andriny, ny efitra fidirana dia nitovy refy; nisy varavarankely manodidina teo aminy sy tamin’ny efitrano fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.

30 Nisy efitra fidirana manodidina azy: 25 hakiho ny halavany, ary 5 hakiho ny sakany.

31 Ny efitra fidiranadia eo amin’ny lafin’ny kianja ivelany; nisy rofia tamin’ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho ao.

Ny alo-baravarana atsinanana

32 Avy eo dia nentiny aho ho eo amin’ny kianja anatiny mandeha miantsinanana; ary norefesiny ny vavahady, ka toraky ny teo ihany koa ny refiny –

33 ny efitranony, ny andriny, ny efitra fidirana, toraky ny teo ihany koa ny refiny; ary nisy varavarankely manodidina teo aminy sy teo amin’ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.

34 Nipaka tamin’ny kianja ivelany ny efitra fidirany; nisy rofia tamin’ny andriny teo an-daniny roa avy, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo.

Ny alo-baravarana avaratra

35 Dia nentiny aho, eo amin’ny vavahady avaratra; ka toraky ny teo ihany koa ny refiny nandrefesany ny teo –

36 nisy varavarankely manodidina koa ny efitra sy ny andriny ary ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.

37 Nipaka tamin’ny kianja ivelany ny andriny, nisy rofia tamin’ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo.

Ireo efitrefitra mpomba ny alo-baravarana

38 Nisy efitrano mbamin’ny varavarana momba azy, teo anilan’ny andrin’ny vavahady; teo no nanasana ny soronadorana.

39 Teo amin’ny efitra fidirana eo am-bavahady, nisy latabatra roa avy isan-dafiny roa, izay tsy maintsy namonoana ny zavatra hanaovana ny sorona dorana, sy sorona noho ny ota, ny sorona noho ny fahadisoana.

40 Teo amin’ny lafiny ivelany ao avaratra raha miakatra hiditra ny vavahady, dia nisy latabatra roa; ary teo amin’ny ilany iray, amin’ny efitra fidirana eo amin’ny vavahady koa nisy latabatra roa.

41 Koa nisy latabatra efatra izany, teo amin’ny ilan’ny vavahady, ary efatra koa tamin’ny ilany iray, dia valo no tontaliny, hatao famonoana ny sorona.

42 Nisy koa latabatra efatra, ho an’ny sorona dorana, natao tamin’ny vato voapaika, iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, iray hakiho ny haavony, fametrahana ny fiasana hamonoana ny sorona dorana sy ny sorona hafa.

43 Nisy farango vodivoam-pelatanana ny habeny, naompana teny amin’ny rindrina manodidina; ary ny hena atao sorona, dia tsy maintsy napetraka teo ambony latabatra.

44 Teo ivelan’ny vavahady anatiny, nisy ny efitranon’ny mpihira, teo amin’ny kianja anatiny: ny iray teo anilan’ny vavahady avaratra mitodika mianatsimo ny anoloany, ny iray teo anilan’ny vavahady atsinanana mitodika mianavaratra.

45 Hoy izy tamiko: «Ilay efitrano mitodika mianatsimo, dia an’ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny trano;

46 ary ny efitrano mitodika mianavaratra kosa ho an’ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny ôtely. Ireo taranak’i Sadôkaamin’ny taranak’i Levì no manatona an’i Iaveh, hanao ny fanompoana azy.»

Ny kianja anatiny

47 Dia nandrefy ny kianja, izay efa-joro sokera, izy, ka zato hakiho ny lavany, zato hakiho koa ny sakany; ary ny ôtely dia teo anoloan’ny trano.

Ny Tempoly sy ny efitrano fidirana: Olama

48 Nentiny ho eo amin’ny efitrano fidirana ao an-trano aho nony avy eo, dia norefesiny ny andrin’ny efitrano fidirana, ka dimy hakiho ny lafiny iray, dimy hakiho koa ny lafiny iray; ary haben’ny alo-baravarana koa: telo hakiho ny lafiny iray; telo hakiho ny lafiny iray hafa.

49 Ny efitra fidirana 20 hakiho ny halavany; 11 hakiho ny sakany, amin’ny ambaratonga miakatra ho eo; nisy andry varahina teo anilan’ny andry: iray teo amin’ny lafiny iray; iray teo amin’ny lafiny iray hafa.