Categories
Ezekiela

Ezekiela 41

Ilan’ny Tempoly: Ekala

1 Dia nentiny ho ao amin’ny tempoly aho, ary norefesiny ny andriny, ka enina hakiho ny sakany amin’ny lafiny iray, enina hakiho koa ny sakany amin’ny lafiny iray, – hoatra ny sakan’ny trano iray.

2 Folo hakiho ny sakan’ny varavarana; dimy hakiho ny ati-rindrim-baravarana ankilany, dimy hakiho koa ny ankilany iray. Norefesiny ny halavan’ny tempoly, ka efapolo hakiho; ary ny sakany roapolo hakiho.

Toerana masina indrindra: Debira

3 Raha efa izany, nandroso ho ao anatiny izy, dia nandrefy ny andrim-baravarana, ka roa hakiho; ary ny varavarana enina hakiho; ary ny haben’ny varavarana fito hakiho.

4 Ary amin’ny ilan’ny tempoly dia nandrefy roapolo hakiho izy amin’ny an-davany, ary roapolo hakiho amin’ny sakany, dia hoy izy tamiko: «Io ny fitoerana masina indrindra».

Ireo paosin-trano

5 Ary norefesiny ny rindrin-trano, ka enina hakiho; sy ny sakan’ny paosin-trano manodidina ny trano ka efatra hakiho.

6 Ary ny amin’ny efitra an-daniny avy dia nisy efitra telo mifanao ambony sy ambany, samy telopolo avy ny andalany; nipaka tamin’ny rindrina naorina hanaovana an’ireo efitra manodidina ny trano, ka niankina tamin’ny rindrin-trano, fa tsy tafatsofoka ao anatiny.

7 Nihamalalaka isaky ny ifanongoavan’ireo efitra ireo, fa isan-drihana dia nisy lalan-tsara handehanana manodidina hatrany hatrany. Ka noho izany dia nihamalalaka isaky ny mifanongoa io ilan-trano io, ka ny lalan-tsara amin’ny tany dia etiety kokoa noho ny amin’ny rihana ambony; mifanao ara-keviny amin’ny roa sisa koa, ny lalan-tsara ao antenatenany.

8 Hitako fa niorina tambonin’ny avoavo teo amin’ny manodidina, ny trano; eran’ilay volotara ny fanorenan’ny efitra an-daniny avy, ary enina hakiho erỳ amin’ny zorony.

9 Enina hakiho ny hatevin’ny rindrina ivelany amin’ny paosin-trano; manaraka izany dia nisy rarivaton’ny paosin-trano amin’ny trano.

10 Ny elanelan’ny hatreo ka hatreo amin’ny efitrano, dia nisy roapolo hakiho, manodidina ny trano.

11 Teo ambonin’io rarivato io no nisy ny fidirana mankeo am-paosin-trano; ny varavarana iray teo avaratra, ny varavarana iray teo atsimo; dimy hakiho no hatevin’io rarivato manodidina io.

Ny «endri-trano» andrefana

12 Ilay trano nifanatrika tamin’ny fitoerana foana amin’ny lafiny andrefana, dia fitopolo hakiho ny sakany; dimy hakiho manodidina no hatevin’ny rindrin-trano, ary sivy folo hakiho ny lavany.

13 Nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny sakany, ny fitoerana foana, ny trano sy ny rindriny, zato hakiho ny lavany,

14 ary ny anoloan’ny trano sy ny fitoerana foana eny amin’ny atsinanana, zato hakiho ny sakany.

15 Norefesiny ny lavan’ny trano mifanatrika amin’ny fitoerana foana izay teo ivohon’ny trano mbamin’ny lalan-tsarany eo an-daniny roa, ka zato hakiho.

Ravaky ny ati-trano

16 Tao amin’ny tempoly, dia ao anatiny sy ao amin’ny efitrano fidirana ho any amin’ny kianja, dia voapetaka hazo mitovy tantana amin’ny manodidina, na ny tokonana, na ny varavarankely makarakara aman-dalan-tsara manodidina, amin’izy telo manandrify ny tokonana. Hatramin’ny tany ka hatreo amin’ny varavarankely – mirindrina ny varavarankely –

17 hatreo ambonin’ny varavarana ka hatreo amin’ny faran’ny trano ary eo ivelany koa, tamin’ny rindrina rehetra manodidina, na ao anatiny na eo ivelany, dia samy voarakotra lamba temitra

18 sy kerobima ary rofia avokoa; rofia iray no teo anelanelan’ny kerobima roa, ary ny kerobima iray nanan-tava roa:

19 ny iray tavan’olona mitodika ny rofia eo an-daniny iray ary ny iray tavan-diona kosa mitodika ny rofia eo an-daniny iray hafa; nasiana an’izany avokoa ny trano manontolo.

20 Hatramin’ny tany ka hatreo ambonin’ny varavarana, nisy kerobima aman-drofia voaseho amin’ny rindrin’ny Tempoly.

Ny ôtely hazo

21 Efa-joro ny tolàna tamin’ny tempoly, ary teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, nisy zavatra toy ny ôtely hazono fijery azy:

22 telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eoanatrehan’i Iaveh.

Ireo varavarana

23 Ny Tempoly sy ny fitoerana masina indrindra dia samy nisy varavarana;

24 ary ny varavarana samy kopa-droa, ary ny lela varavarana roa samy nisy takelaka roa misavily, takelaka roa amin’ny lela varavarana iray, ary takelaka roa amin’ny lela varavarana iray hafa.

25 Teo amin’ny varavaran’ny Tempoly nisy kerobima aman-drofia tahaka ny voaseho ao amin’ny rindrina, ary nisy tafo hazo teo anoloan’ny efitrano fidirana eo ivelany.

26 Nisy varavarankely makarakara sy rofia teo an-daniny roa amin’ny rindrin’ny efitrano fidirana sy tamin’ny efitrano anilan’ny trano, ary tamin’ireo tafo hazo.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 42

efitrano sy tamboho

1 Nentin-dralehilahy nivoaka nianavaratra aho, ho ao amin’ny kianja ivelany, dia nentiny ho ao amin’ny efitrano manatrika ny fitoerana foana sy ny rindrina eo amin’ny avaratra.

2 Zato hakiho ny lavany – varavarana avaratra, – dimampolo hakiho ny sakany;

3 tandrifin’ny roapolo hakiho amin’ny kianja anatiny, ary tandrifin’ny lampivato amin’ny kianja ivelany, nisy lalan-tsara nifanandrify mifanongoa telo.

4 Teo anoloan’ny efitrano, nisy l?lana folo hakiho no habeny, nisy l?lana miditra ho ao anatiny koa, iray hakiho, ary nitodika nianavaratra ny varavarany.

5 Etiety kokoa ny efitrano ambony, – fa nangalana ho lalan-tsarany, – ka etiety kokoa noho ny efitrano ambany sy ny efitrano antenantenany amin’ny trano,

6 fa nifanongoa telo izy ireo sady tsy mba nisy andry toy ny amin’ny kianja; ka izany no nahaety ny efitrano ambony noho ny efitrano ambany sy ny antenantenany.

7 Ny tamboho ivelany, mifanila amin’ireo efitrano eo amin’ny lafin’ny kianja ivelany, dia dimampolo hakiho ny laniny manatrika ny efitrano.

8 Fa dimampolo hakiho ny lavan’ny efitrano eo amin’ny lafin’ny kianja ivelany, ary zato hakiho kosa ny eo amin’ny lafin’ny tempoly.

9 Teo ambanin’ireo efitrano ireo, nisy fidirana mitodika miantsinanana ho an’izay avy ao amin’ny kianja ivelany.

10 Teo amin’ny sakan’ny rindrin’ny kianja atsinanana, manatrika ny fitoerana foana sy ny tamboho, nisy efitrano koa,

11 ary teo anoloany nisy lalana toy ny hita ao amin’ireo efitrano teo amin’ny lafiny avaratra; sahala ny lavany sy ny sakany, torak’izany koa ny fidirana aman-toetoetrany;

12 mitovy amin’ny an’ireo ihany koa ny varavaran’ireto efitrano eto atsimo; misy varavarana koa eo amin’ny fiandohan’ny lalana manaraka ny tamboho mifanandrify eo andrefana halehan’izay miditra.

13 Dia hoy izy tamiko: «Ireo efitrano eo avaratra, sy efitrano eo atsimo manatrika ny fitoerana foana ireo, no efitranon’ny fitoerana masina, ihinanan’ny mpisorona manatona an’i Iaveh ny zava-masina indrindra; ao no ametrahany ny zavatra masina indrindra, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota sy noho ny fahadisoana, satria masina io fitoerana io.

14 Rehefa tafiditra ao ny mpisorona dia tsy hiala ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho ao amin’ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin’ny raharaha momba ny vahoaka.»

Refin’ny kianja

15 Nony tapitra norefesiny ny tao anatin’ny trano, dia nentiny nivoaka aho ho ao amin’ny vavahady, izay mitodika miantsinanana ny anoloany, dia norefesiny ny manodidina io.

16 Norefesiny tamin’ny volotara fandrefesana ny lafiny atsinanana, ka indimanjaton’ny volotara araka ny volotara fandrefesana, ny manodidina azy.

17 Norefesiny ny lafiny avaratra, dia indimanjaton’ny volotara araka ny volotara fandrefesana, ny manodidina azy.

18 Norefesiny ny lafiny atsimo: indimanjaton’ny volotara araka ny volotara fandrefesana.

19 Nitodika ny lafiny andrefana izy dia nandrefy indimanjaton’ny volotara araka ny volotara fandrefesana.

20 Norefesiny ny lafiny efatra amin’ny manodidina; fa nisy tamboho manodidina ny tempoly, ka dimanjato ny lavany, dimanjato ny sakany, mba hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 43

Fiverenan’i Iaveh

1 Dia nentiny ho eo am-bavahady aho, eo amin’ilay vavahady mitodika miantsinanana.

2 Ary indro, tamy avy any atsinanana ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon’ny rano be; ary ny tany namirapiratra azon’ny voninahiny.

3 Ny tarehin-javatra hitako, dia tahaka ilay tarehin-javatra hitako no fijery azy, fony aho tonga handrava ny tanàna; sady nanahaka ny tarehin’ilay zavatra hitako teo amoron’ny ony Kobara ihany koa, no fijery azy, ka nitrosona nihohoka aho.

4 Dia niditra nankao an-trano ny voninahitr’i Iaveh, nihazo ny lalana teo amin’ny vavahady mitodika miantsinanana.

5 Tamin’izay, naingain’ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin’ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitr’i Iaveh ny trano.

6 Reko nisy niteny tamiko avy ao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo akaikiko.

7 Hoy izy tamiko: Ry zanak’olona! Eto no fitoeran’ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin’ny zanak’i Israely na izy na ny mpanjakany, tsy handoto intsony ny Anarako masina, amin’ny fahavetavetany, na ny fati-mpanjakany, na ny fitoerana avony,

8 mametraka ny tokonany eoanilan’ny tokonako, sy ny tolanany eo anilan’ny tolànako, hany ka rindrina sisa no nanelanelana ahy sy azy ireo, ka nandoto ny Anarako masina izy tamin’ny fahavetavetana nataony, ary naringako noho ny fahatezerako.

9 Fa amin’izao kosa, hoesoriny lavitra ahy ny fahavetavetany sy ny fati-mpanjakany, ka honina eo aminy mandrakizay Aho.

10 Ianao, ry zanak’olona, aoka hampahalala ny taranak’i Israely an’ity trano ity, mba hahamenatra azy noho ny fahotany; ary aoka handrefy azy araka ny marika izy.

11 Raha menatra izy noho izay rehetra efa nataony, dia ambarao azy ny endrik’ity trano ity, ny filaminany, ny fivoahana amam-pidirana aminy, ny andriny, ny fandaharana rehetra momba azy, ary ny fombany aman-dalàna rehetra; ataovy an-tsoratra eo imasony izany rehetra izany, mba hitandremany ny fombany amam-pitsipiny rehetra, sy hanatanterahany an’izany.

12 Izao no lalàna amin’ny trano: Masina dia masina avokoa, ny tokotany rehetra momba azy manodidina, eo an-tampon’ny tendrombohitra. Izany no lalàna amin’ny trano.

Ny ôtely

13 Izao no refin’ny ôtely amin’ny hakiho, fa ny hakiho kosa dia hakiho sy vodivoam-pelatanana; ny lakan-drano iray hakiho ny haavony, iray hakiho ny sakany; ny molony manodidina azy irain-jehy. Toy izany no fiantombenan’ny ôtely.

14 Hatramin’ny lakan-drano eo amin’ny tany, ka hatreo amin’ny koronosy manodidina ambany, roa hakiho, ary iray hakiho ny sakany; hatramin’ny koronosy kely ka hatramin’ny koronosy lehibe, efatra hakiho, ary iray hakiho ny sakany.

15 Efatra hakiho ny Harely; ary ny avy eo amin’ny Ariela eo ambony no ijoroan’ny tandroka efatra.

16 Roa ambinin’ny folo hakiho, ny lavan’ny Ariela; 12 hakiho koa ny sakany; efa-joro sokera tsara izy.

17 Ary 14 hakiho ny koronosy amin’ny lafiny efatra, 14 hakiho ny halavany, ary 14 hakiho ny sakany; antsasaky ny hakiho, ny molony manodidina; misy lakan-drano iray hakiho manodidina azy; mitodika miantsinanana ny ambaratongany.

Fanamasinana ny ôtely

18 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’olona, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izao no lalàna ny amin’ny ôtely amin’ny andro hanaovana azy, hanaterana sorona dorana sy hamafazana ra aminy:

19 Tolory vantotr’ombalahy iray hatao sorona noho ny ota, ny levita mpisorona izay avy amin’ny taranak’i Sadôka, sy manatona Ahy, – teny marin’i Iaveh Tompo, – hanompo Ahy.

20 Hangalanao ny rany, dia atenteno ny tandrony efatra amin’ny ôtely, ny zorony efatra amin’ny koronosiny, ary ny molony manodidina, hanaovanao fanonerana amam-panavotana ny ôtely.

21 Halainao ny ombalahy natolotra noho ny ota, ka hodorana amin’ny fitoerana efa voatokana ao amin’ny trano ivelan’ny fitoerana masina.

22 Amin’ny andro faharoa, manatera vantotr’osilahy, tsy misy kilema, ho fanatitra noho ny ota; ary manaova fanonerana ho an’ny ôtely toy ny natao tamin’ny ombalahy.

23 Rehefa vitanao ny fanonerana dia manatera vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema, sy ondralahy iray, avy amin’ny andiany, tsy misy kilema.

24 Ianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan’i Iaveh; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin’i Iaveh.

25 Hafitoanano hanateranao osilahy isan’andro, ho sorona noho ny ota; manatera koa ombalahy iray sy ondralahy iray, avy amin’ny andiany, tsy misy kilema.

26 Hafitoana no hanaovam-panavotana ho an’ny ôtely dia hanadiovana azy sy hanamasinana azy.

27 Rehefa tapitra ny hafitoana, ny andro fahavalo sy ny manaraka dia hanoloran’ny mpisorona eo ambonin’ny ôtely ny sorona doranareo sy ny sorona fisaoranareo, ka hankasitrahiko ianareo, – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

Categories
Ezekiela

Ezekiela 44

Fandehanana eo amin’ny alo-baravarana atsinanana

1 Dia nentiny niverina aho, tamin’ny lalana mankamin’ny alo-baravarana ivelany amin’ny fitoerana masina mitodika miantsinanana; nikatona io.

2 Ary hoy i Iaveh tamiko: Hikatona ity alo-baravarana ityfa tsy hivoha na hidiran’olona akory, fa io no nidiran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ka hikatona izy.

3 Ary ny amin’ny mpanapaka, noho ny maha-mpanapaka azy, dia hipetraka eo izy, hihinan-kaninaeo anatrehan’i Iaveh; eo amin’ny efitrano fidirana ho ao amin’ny alo-baravarana no hidirany, ary eo amin’io lalana io ihany koa no hivoahany.

Fepetra fidirana sy fialana ny Tempoly

4 Nony avy eo, nentiny mankamin’ny alo-baravarana avaratra aho, eo anoloan’ny trano; ka nahita ny voninahitr’i Iaveh nameno ny trano, dia niankarapoka nihohoka aho.

5 Ary hoy i Iaveh tamiko: Ry zanak’olona, mitandrema tsara, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, izay rehetra holazaiko aminao ny amin’ny fandaharana rehetra momba ny tranon’i Iaveh sy momba ny lalàny rehetra. Tandremo tsara ny amin’izay tsy maintsy miditra ho ao an-tranon’i Iaveh, amin’ny fivoahana rehetra avy ao amin’ny fitoerana masina.

6 Lazao amin’ireo mpiodina amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Aoka izay fahavetavetanareo rehetra, ry taranak’i Israely,

7 dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin’ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin’ny nanateranareo ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin’ny fahavetavetanareo rehetra.

8 Ianareo tsy nanefa ny fanompoana momba ireo zavatro masina; fa ireo hafa firenena no notendrenareo hanao ny fanompoana soa.

9 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy misy hiditra ao amin’ny fitoerako masina amin’ireo taranaky ny hafa firenena tsy mifora fo na mifora nofo akory, rehefa mety ho taranaky ny hafa firenena eo amin’ny zanak’i Israely.

Ny Levita

10 Izao koa: Ireo levita nanalavitra Ahy, tamin’ny andro nivilian’i Israely, izay nivily nanalavitra Ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.

11 Izy ireo, ao amin’ny fitoerako masina, dia ho mpanompo miandry ny varavaran’ny trano, sy manao fanompoana ao amin’ny trano; izay ireo no hamono ho an’ny vahoaka ny zavatra hatao sorona dorana, na sorona hafa, ary hijanona eo anatrehan’ny vahoaka hanompo azy.

12 Noho izy ireo nanompo azy teo anoloan’ny sampiny vetaveta, sy nandatsaka ny taranak’i Israely tamin’ny heloka, noho izany, dia efa nanangan-tanana hamely azy Aho, – teny marin’ny Tompo Iaveh, – nianiana fa hitondra ny helony izy.

13 Tsy hanatona Ahy hanao ny raharahan’ny fisoronana izy ireo na hanakaiky ny zavatro masina rehetra, eo amin’ny fitoerana masina indrindra, fa hivesatra ny fahafaham-barakany aman-tsazin’ny fahavetavetana nataony.

14 Hataoko miandraikitra ny fanompoana momba ny trano, rehefa mety ho raharaha fanao ao, sy izay rehetra tokony hatao ao.

Ny mpisorona

15 Fa ireo Levita mpisorona, taranak’i Sadôka kosa, izay nitandrina ny fandaharana momba ny fitoerako masina tamin’ny nivilian’ny zanak’i Israely nanalavitra Ahy, dia izay ireo no hanatona Ahy hanao ny fanompoana amiko, sy hitsangana eo anatrehako, hanatitra ny sabora sy ny ra, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

16 Izy ireo no hiditra ao amin’ny fitoerako masina; izy ireo no hanatona ny latabatro hanao ny fanompoana Amiko ary hitandrina ny fitsipiko izy.

17 Rehefa miditra ny alo-baravaran’ny kianja anatiny izy ireo, dia hiakanjo rongony fotsy; tsy hisy volon’ondry eny aminy, rehefa manao ny fanompoana eo amin’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.

18 Satroka rongony fotsy no ho eo an-dohany, kalisaonina rongony fotsy no ho eo aminy, ary tsy hietra zava-mahatsemboka azy izy.

19 Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany kosa izy, ho eo amin’ny kianja ivelany manatona ny vahoaka, dia hoesoriny ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana ka havelany ao amin’ny efitranon’ny fitoerana masina; ary fitafiana hafa no hanaovany, fa tsy hanamasina ny vahoaka amin’ny fitafiany izy.

20 Ny lohany tsy hoharatany, ary tsy havelany haniry ny volony ho lava fa hihety volon-doha izy.

21 Rehefa mety no mpisorona tsy hisy hisotro divay, raha hiditra ao amin’ny kianja anatiny.

22 Tsy hanambady vehivavy efa maty vady na voasaotra; fa izay virjiny, iray razana amin’ny taranak’i Israely ihany; hahazo manambady vehivavy mpitondratena novinadin’ny mpisorona efa maty.

23 Izy ireo no hampianatra ny vahoakako hahay hanavaka ny masina sy ny tsy masina; izy ireo no hampianatra azy hahay hanavaka ny maloto sy ny madio;

24 izy ireo no hipetraka hitsara, raha misy fifandirana; ka araka ny rariny navoakako no hitsarana. Hitandrina ny lalàna amam-pandaharako amin’ny fetiko rehetra sy hankamasina ny sabatako.

25 Tsy hisy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireo; hany azony handotoan-tena dia noho ny rainy, ny reniny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny, ny anabaviny tsy manam-bady.

26 Ary rehefa vita fandiovan-tena izy dia hanisana andro fito;

27 ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; – teny marin’ny Tompo Iaveh. –

28 Izao no lova ho azy ireo: Izaho no ho lovany; tsy homenareo zaratany eo amin’i Israely izy; fa Izaho no ho anjarany.

29 Ny hiveloman’izy ireo dia ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ary ny sorona noho ny fahadisoana; ary izay rehetra hatao anatema amin’i Israely, dia ho azy ireo avokoa.

30 Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin’ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an’ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran’ny tso-drano ao amin’ny tranonareo.

31 Ny biby maty na voaviravira rehetra, na vorona na biby, dia tsy hohanin’ny mpisorona.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 45

Zara tany. Ny anjaran’i Iaveh

1 Rehefa mizara ny tany amin’ny filokana ianareo, hanananareo azy, dia manokàna anjara masina amin’ny tany, mba ho fanatitra ho an’i Iaveh: 25.000 hakiho ny lavany, ary 25.000 ny sakany; ho masina avokoa izy, manerana ny habeny amin’ny manodidina rehetra.

2 Ny sasany hanaovana ny fitoerana masina, 500 hakiho ny lavany, 500 ny sakany, dia efa-joro sokera amin’ny manodidina rehetra, ary 50 hakiho hatao faritany manodidina azy akaiky.

3 Amin’izany tany voarefy izany no handrefesanao 25.000 ny lavany, 10.000 ny sakany, ka ao ny hisian’ny fitoerana masina, dia ny fitoerana masina indrindra.

4 Ho anjara masina amin’ny tany izany, ka ho an’ny mpisorona manao fanompoana momba ny fitoerana masina sy manatona hanompo an’i Iaveh: ho fitoerana misy ny tranon’izy ireo izany, ary ho fitoerana masina misy ny fitoerana masina koa.

5 Ary 25.000 hakiho ny halavany, 10.000 ny sakany, no ho an’ny Levita, izay manao ny fanompoana momba ny trano; hanan-tanàna ao izy, honenany ao.

6 Mamarita 5.000 hakiho ny sakany, 25.000 ny lavany, mifanolotra amin’ny voatokana ho anjara masina, ho anjara fananan’ny tanàna; ny taranak’i Israely no hanana an’izany.

Ny anjaran’ny mpifehy eo amin’i Israely

7 Ny ho an’ny mpifehy dia angalao eo an-daniny roa amin’izay voatokana ho anjara masina sy ny anjara fananan’ny tanàna, ny andrefana mikipaka miankandrefana, ny atsinanana mikipaka miantsinanana, ny lavany mifanerana amin’ny lavan’ny anjara anankiray, avy amin’ny sisiny andrefana, ka hatramin’ny sisiny atsinanana.

8 Izany no ho taniny sy anjara fananany eo amin’i Israely; ary tsy hampahory ny vahoakako intsony ny mpifehy, fa hamela ny tany ho an’ny taranak’i Israely, arakaraka ny fokony avy.

9 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Aoka izay, ry mpifehy eo amin’i Israely, mampihataha ny fampahoriana amam-pihinanam-bahoaka, manaova ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo amin’ny vahoakako ny fihoràhanareo, – teny marin’ny Tompo Iaveh.-

10 Manaova mizàna marina, efah marina, ary bata marina.

11 Hitovy fatra ny efah sy ny bata, ka ny efah dia ho ampahafolon’ny homera, ary ny bata ho ampahafolon’ny homera; ny homera no hangalana fatra azy. Ho roapolo gerah ny sikla.

12 Ny mina ao aminareo ho roapolo sikla, 25 sikla, 15 sikla.

Ny fanatitra hoentina

13 Izao no fanatitra hatokanareo: ampahenin’ny efah ny frômenta iray homera, ampahenin’ny efah isaky ny orja iray homera.

14 Ny didy momba ny diloilo, momba ny diloilo iray bata: ampahafolon’ny bata isaky ny iray kora, izay mitovy amin’ny iray homera misy folo bata, fa folo bata no iray homera.

15 Ondry iray, avy ao amin’ny vala, isan-droan-jato eny amin’ny tany be vilona, eo amin’i Israely no hatao fanatitra, sorona dorana, sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho azy ireo, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

16 Ny vahoaka rehetra amin’ny tany no tsy maintsy manokana izany ho an’ny mpanapak’i Israely.

17 Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin’ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin’ny fety lehibe rehetra ankalazain’ny taranak’i Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an’ny taranak’i Israely.

Fankalazana ny Paka

18 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny volana voalohany, ny andro voalohan’ny volana, mangalà vantotr’ombalahy tsy misy kilema, ka manaova fanonerana ho an’ny fitoerana masina.

19 Hangalan’ny mpisorona ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hatentina amin’ny tolàn’ny trano sy amin’ny zorony efatra amin’ny rindrin’ny ôtely ary amin’ny tolàn’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny.

20 Toy izany koa no hataonao, amin’ny andro fahafiton’ny volana ho an’izay nanota tsy nahy, na noho ny hakelezan-tsaina; dia fifonana ho an’ny trano no hataonareo.

21 Amin’ny volana voalohany, andro 14n’ny volana no hanaovanareo ny Paka, fety maharitra herinandro; mofo tsy misy lalivay no hohanina.

22 Hanolotra omby iray ny mpanapaka amin’izany andro izany, hatao fanatitra noho ny ota, ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoakan’ny tany.

23 Ary mandritra ny hafitoana amin’izany fety izany dia hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy, dia ombalahy fito, ondralahy tsy misy kilema, fito, isan’andro avy, amin’ny andro fito, ary osilahy iray isan’andro hatao sorona noho ny ota.

24 Hanao ny fanatitra koa izy, lafarina iray efah isan’ombalahy sy iray efah isan’ondralahy, ary diloilo iray hina isan’efah.

Fankalazana ny Tranolay

25 Amin’ny volana fahafito, andro faha-15n’ny volana, mandritra ny fety dia haterina mandritra ny hafitoana, ireo sorona noho ny ota sy ireo sorona dorana, ary ireo fanatitra mbamin’io diloilo io ihany koa.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 46

Ny sabata sy ny tsinam-bolana

1 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hikatona ny alo-baravarana amin’ny kianja anatiny mitodika miantsinanana, amin’ny andro enina azo iasana; fa hivoha kosa izy amin’ny andro sabata; hivoha koa izy amin’ny andro voalohan’ny volana.

2 Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin’ny efitrano fidirana ao amin’ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan’ny tolàn’ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin’ny tokonan’ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan’ny andro.

3 Ny vahoakan’ny tany hiankohoka eo anoloan’izany alo-baravarana izany, eo anatrehan’i Iaveh amin’ny sabata sy ny voalohan’ny volana.

4 Ny sorona dorana, haterin’ny mpanapaka ho an’i Iaveh amin’ny andro sabata, dia zanak’ondry tsy misy kilema, enina, sy ondralahy iray tsy misy kilema.

5 Ary ny hatao fanatitra, dia lafarina iray efah momba ny ondralahy: ny hatao fanolorana momba ny zanak’ondry, dia izay hafoiny, miaraka amin’ny diloilo iray hina, isaky ny iray efah.

6 Ny hateriny amin’ny andro voalohan’ny volana kosa dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema, zanak’ondry enina sy ondralahy iray tsy misy kilema.

7 Hanome fanatitra iray efah isan’ny ondralahy iray; ary ny amin’ny zanak’ondry dia izay azony afoy miaraka amin’ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.

Fitsipika samihafa

8 Raha miditra ny mpifehy, dia hihazo eo amin’ny efitrano fidirana amin’ny alo-baravarana, ary amin’io lalana io ihany koa no hivoahany.

9 Raha miditra ho eo anatrehan’i Iaveh ny vahoakan’ny tany amin’ny fety lehibe, izay miditra amin’ny alo-baravarana avaratra, hiankohoka, dia hivoaka amin’ny varavarana atsimo; ary izay miditra amin’ny alo-baravarana atsimo, hivoaka amin’ny alo-baravarana avaratra; tsy hiverina amin’izay alo-baravarana nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny no hivoahany.

10 Ny mpifehy koa hiditra miaraka amin’izy ireo, sy hivoaka toy ny hivoahan’izy ireo.

11 Amin’ny fety amam-pety lehibe, ny fanatitra dia iray efah isan’ombalahy iray, sy iray efah isan’ondralahy iray, ary izay afoin’ny mpifehy ihany kosa momba ny zanak’ondry, miaraka amin’ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.

12 Raha hanatitra fanatitra an-tsitrapo ny mpifehy, na sorona dorana na sorona fisaorana izany, dia fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh, dia hamohana ny alo-baravarana mitodika miantsinanana izy. Dia hanatitra ny sorona dorany na ny sorona fisaorana izy, toy ny fanaony amin’ny andro sabata, dia hivoaka izy, dia harindrina ny vavahady, rehefa tafavoaka izy.

13 Hanatitra zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema ianao, ho sorona dorana isa-maraina ho an’i Iaveh; isa-maraina no hanateranao izany.

14 Hanatitra koa isa-maraina miaraka amin’izay, fanatitra, dia ampahenin’ny efah, sy diloilo ampahatelon’ny hina, handemana ny lafarina tsara indrindra ho fanolorana ho an’i Iaveh: lalàna maharitra mandrakizay izany.

15 Haterina isa-maraina ny zanak’ondry sy ny fanatitra miaraka amin’ny diloilo; izany no sorona dorana tsy tapaka.

16 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Raha ny iray amin’ny zanany no toloran’ny mpifehy fanomezana, dia ho lovan’ny zanany izany fanomezana izany; ho zara lovany no hananany an’izany.

17 Fa raha ny iray amin’ny mpanompony kosa no tolorany fanomezana avy amin’ny lovany, dia ho an’ny mpanompo ihany izany fanomezana izany, mandra-pahatongan’ny taona fahafahana; fa rehefa afaka izany, dia hiverina amin’ny mpifehy indray izany, ka ny zanany ihany no hanana ny lovany.

18 Tsy haka ny lovan’ny olona amin’ny fandroahana azy an-keriny hiala amin’ny zara taniny ny mpifehy; fa ny taniny ihany no hanomezany lova ho anjarany, mba tsy ho voaroaka ny vahoakako samy hiala amin’ny taniny avy.

19 Nentiny ahonihazo tamin’ny fidirana eo anilan’ny alo-baravarana ho ao amin’ireo efitrano masina natokana ho an’ny mpisorona, dia ireo efitrano mitodika mianavaratra; ary indro, nisy fitoerana teo amin’ny farany anatiny, amin’ny ilany andrefana.

20 Ka hoy izy tamiko: Eto no fandrahoan’ny mpisorona ny sorona natolotra noho ny fahadisoana sy noho ny ota, sy hanendasany ny fanatitra, mba tsy hitondrany azy ho any amin’ny kianja ivelany, hanamasina ny vahoaka.

21 Dia nentiny nivoaka ho ao amin’ny kianja ivelany aho, ka nentiny nankao amin’ny zorony efatra amin’ny kianja, ary indro isaky ny zoron’ny kianja, nisy tokotany.

22 Tokotany voafefy no teo amin’ny zorony efatra amin’ny kianja, 40 hakiho ny lavany, ary 30 ny sakany; ireo tokotany amin’ny zorony efatra ireo, dia mitovy refy.

23 Misy fefy manodidina azy efatra ary misy fatana fandrahoana natao teo am-pototr’ireo fefy manodidina.

24 Ary hoy izy tamiko: Ireto no trano fandrahoana handrahoan’ny mpanompon’ny trano ny hena avy amin’ny sorona nataon’ny vahoaka.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 47

Loharano avy ao amin’ny Tempoly

1 Nentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny tranoindray aho. Ary indro nisy rano nivoakaavy ao ambanin’ny tokonan’ny trano, amin’ny lafiny atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny anoloan’ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin’ny lafitrano ankavanana tao atsimon’ny ôtely.

2 Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany mitodika miantsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankavanana.

3 Nony tafavoaka niantsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.

4 Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy nita ny rano aho, ka havalahana ny rano.

5 Nandrefy arivo hakiho indray, ka efa ony maria tsy azoko nitana intsony, fa nihalalina ny rano; efa rano itana milomano, ony maria tsy azo itana amin’izao.

6 Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, nahita va ianao?» Dia nentiny niverina ho eo amoron’ny ony maria aho.

7 Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be teo amoron’ny ony maria eo an-daniny roa.

8 Hoy izy tamiko: «Ity rano ity dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana; hidina ho any amin’ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina; hoentiny mankany amin’ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.

9 Ny zava-manana aina mihetsiketsika any amin’izay halehan’ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan’ny ony maria.

10 Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.

11 Fa ny honahona sy ny heniheny kosa, tsy hovana ho mahasalama fa havela ho an’ny sira.

12 Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara.»

Faritry ny tany masina

13 Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zarataninareo araka ny foko 12 amin’i Israely; anjaran-droa no ho an’i Josefa.

14 Samy hanana anjaraavokoa ianareo, dia anjara amin’io tany nampanantenaiko io, efa nananganako tanana, homena ny razanareo, ka dia ho tonga fanananareo izany tany izany.

15 Izao no ho faritry ny tany: Ny avaratra, hatreo amin’ny ranomasina lehibe amin’ny lalan’i Hetalôna mankany Sedada.

16 Ny tany Hamata, Berôtà, ary Sabarima, anelanelan’ny faritanin’i Damasa sy ny faritanin’i Hamata; Hatzera-Tikôna, eo amin’ny faritanin’ny Haoràna.

17 Ka izao no faritany hatramin’ny ranomasina: Hatzera-Henôna, ny sisin-tanin’i Damasa, ary avy eo mandroso mianavaratra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Hamata. Izany no lafiny avaratra.

18 Ny atsinanana: Hatramin’ny faritra mampisaraka an’i Haoràna sy i Damasa, dia eo anelanelan’i Galaada sy ny tanin’i Israely no alehan’ny faritra amin’ny tany dia i Jordany. Hatramin’ny sisin-tany avaratra, ka hatramin’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.

19 Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.

20 Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin’io sisin-tany io, ka hatramin’ny hadilan-tanin’ny Hamata. Izany no lafiny andrefana.

21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany, araka ny fokon’i Israely.

22 Amin’ny filokàna no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an’ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loa-jaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin’ny zanak’i Israely, izy ireo, ka filokàna no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin’ny fokon’i Israely.

23 Ao amin’izay foko itoeran’ny vahiny no hanomezanareo ny anjara lovany, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 48

Fizaràna ny Tany Masina

1 Izao no anaran’ny foko: Hatramin’ny tendrony avaratra manaraka ny lalan’i Hetalôna ho any Hamata, Hatzera-Enôna, ny sisin-tanin’i Damasa mianavaratra, manaraka ny lavan’i Hamata, izao avy no ho an’ny isam-poko: hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Dana.

2 Manolotra ny sisin-tanin’i Dana hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana; anjara iray ho an’i Asera.

3 Manolotra ny sisin-tanin’i Asera, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Neftalì.

4 Manolotra ny sisin-tanin’i Neftalì, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray, ho an’i Manase.

5 Manolotra ny sisin-tanin’i Manase, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Efraima.

6 Manolotra ny sisin-tanin’i Efraima, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an-dRobena.

7 Manolotra ny sisin-tanin-dRobena hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Jodà.

8 Manolotra ny sisin-tanin’i Jodà, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, no ho ilay anjara hatokanareo, 25.000 ny sakany, ary mifanerana amin’ny anjara iray ny lavany, dia hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: eo afovoany no hatao ny fitoerana masina.

9 Ny anjara hatokanareo ho an’i Iaveh dia ho 25.000 hakiho ny lavany, 10.000 hakiho ny sakany.

10 Izany anjara masina hatokanareo izany no ho an’ny mpisorona, dia ho 25.000 hakiho, ao avaratra, 10.000 hakiho ny sakany ao andrefana, 10.000 hakiho ny sakany ao atsinanana, ary 25.000 hakiho ny lavany ao atsimo: ho ao afovoany ny fitoerana masin’i Iaveh.

11 Ho an’ny mpisorona voahasina, taranak’i Sadôka, izay nanefa ny fanompoana Ahy, fa tsy mba nivily tamin’ny fotoana nivilian’ny zanak’i Israely, tahaka ny nivilian’ny Levita.

12 Ho anjara voatokana amin’ny tany izany: anjara masina indrindra eo amin’ny sisin-tanin’ny Levita.

13 Ny Levita no hanana ny manolotra ny tanin’ny mpisorona ka ho 25.000 hakiho ny lavany, 10.000 ny sakany; fa samy ho 25.000 hakiho avokoa ny lavany, ary 10.000 ny sakany.

14 Tsy misy azony amidy na atakalo izany; ny voaloham-bokatry ny tany koa tsy ho azo hamidy; fa masina ho an’i Iaveh izany.

15 Ny 5.000 sakany, navela mifanolotra amin’ny 25.000, dia ho tany tsy masina, homba ny tanàna, dia ho an’ny tanàna honenana sy ho an’ny tany malalaka manodidina akaikin’ny tanàna, ka dia ho eo afovoany, ny tanàna.

16 Izao no ho habeny: 4.500 ny lafiny avaratra; 4.500 ny lafiny atsimo; 4.500 ny lafiny atsinanana; 4.500 ny lafiny andrefana.

17 Dia hisy tany manodidina ny tanàna, dia ho 250 hakiho ny avaratra, 250 ny atsimo, 250 ny atsinanana, ary 250 ny andrefana.

18 Manaraka ny lavan’ny anjara masina, hamelàna 10.000 ny atsinanana, ary 10.000 koa ny andrefana, manaraka ny lavan’ny anjara masina; hatao sakafon’ny mpiasa ao an-tanàna ny vokany.

19 Ny mpiasa ao an-tanàna, alaina amin’ny fokon’i Israely rehetra, no hiasa izany tany izany.

20 Koa dia 25.000 hakiho amin’ny ilan’ny tany rehetra voatokana, ary 25.000 amin’ny ilany iray hafa, ny hatokanareo ho tany momba ny tanàna dia ampahefatry ny anjara masina izany.

21 Ho an’ny mpanapaka ny sisa: eo an-danin’ny anjara masina sy ny tany momba ny tanàna ary hatramin’ny 25.000 amin’ny anjara voatokana, ka hatramin’ny sisin-tany atsinanana, ary any amin’ny andrefana, hatramin’ny 25.000, ka hatramin’ny sisin-tany andrefana, mifanandrify amin’ny tany efa voazara; izany no ho anjaran’ny mpanapaka; ary ny anjara masina amam-pitoerana masin’ny trano no ho eo afovoany.

22 Izany hoe: hatramin’ny tanin’ny Levita sy ny tany momba ny tanàna, izany eo afovoan’ny anjaran’ny mpanapaka, dia an’ny mpanapaka avokoa, ny eo anelanelan’ny sisin-tanin’i Jodà sy ny sisin-tanin’i Benjamina.

23 Ny an’ny foko sisa kosa: hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Benjamina.

24 Manolotra ny sisin-tanin’i Benjamina, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Simeôna.

25 Manolotra ny sisin-tanin’i Simeôna, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, anjara iray ho an’i Isakara.

26 Manolotra ny sisin-tanin’i Isakara, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, anjara iray ho an’i Zabolôna.

27 Manolotra ny sisin-tanin’i Zabolôna, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Gada.

28 Ny sisin-tany, amin’ny lafin’ny Negeba manolotra ny sisin-tanin’i Gada, dia hatrany Tamara no mankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin’ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany.

29 Izany no tany hozarainareo amin’ny filokàna hanananareo azy araka ny fokon’i Israely; ary izany avy no ho anjarany, – teny marin’ny Tompo Iaveh.

Ireo vavahady idirana ao Jerosalema

30 Izao avy no fivoahana avy eo an-tanàna: amin’ny lafiny avaratra, 4.500 hakiho no ho refiny, –

31 haka anarana amin’ny fokon’i Israely ny vavahady, – hisy vavahady telo: vavahadin-dRobena, iray; vavahadin’i Jodà, iray; vavahadin’i Levì, iray.

32 Amin’ny lafiny atsinanana, 4.500 hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin’i Josefa, iray; vavahadin’i Benjamina, iray; vavahadin’i Dana, iray.

33 Amin’ny lafiny atsimo, 4.500 hakiho ny refiny, hisy vavahady telo: vavahadin’i Simeôna, iray; vavahadin’i Isakara, iray; vavahadin’i Zabolôna, iray.

34 Amin’ny lafiny andrefana 4.500 hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin’i Gada, iray; vavahadin’i Asera, iray; vavahadin’i Neftalì, iray.

35 Ary 18.000 hakiho ny manodidina azy. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay dia hatao hoe: Iaveh no ao.