Categories
Fahendrena

Fahendrena 11

1 Ny tanan’ny mpaminany masinaanankiray no nanambinan’ny fahendrena ny asany.

2 Nomba lalana mamaky efitra tsy misy mponina izy ireo, ary nanangan-day tamin’ny tany tsy misy lalana.

3 Voatohitr’izy ireo ny fahavalony, ary novaliany faty ny rafilahiny.

4 Nangetaheta izy ka niantso Anao, dia nomena rano avy amin’ny haram-bato mideza, sy fanalana hetaheta avy amin’ny vato.

Ny rano nahavery ny Ejiptianina ary nahavonjy an’i Israely.

5 Ny nahazo an’ireo fahavalony ho famaizana azy, nanjary fitahianaho azy ireo tamin’ny fahoriany kosa.

6 Satria tamin’ilay voaloton’ny ra maloto iny ny ranon’ilay ony tsy mety ritra,

7 ho sazin’ilay didy nampamono ny zaza, dia rano ankabetsahana kosa no nomenao ny olonao, nefa zavatra tsy azo nampoizina velively akory izany.

8 Ka nasehonao azy tamin’ny hetaheta nahazo azy ireo tamin’izany ny hamafin’ny famaizana amelezanao ny mpanohitra Anao.

9 Taorian’izany fijaliana izany, na dia voasazy tamim-pamindram-po ihany aza izy dia nahalala ny hamafin’ny fampijaliana ahatra amin’ny tsy mpivavaka, tsaraina amin-katezerana.

10 Ny sasany nofaizinao, toy ny fananatry ny ray, ny sasany kosa nasianao, toy ny fanameloky ny mpanjaka sarotiny.

11 Niharam-pijaliana avokoa, na ny tao na ny tsy tao.

12 Alahelo roa sosonano nahazo azy ireo, ary nisento izy nahatsiaro ny zava-nitranga.

13 Satria nony reny fa ny fampijaliana midona aminy, nody soa ho an’ny mpandositra, dia fantany fa ao ny tanan’ny Tompo.

14 Fa ilay natonony fahizay sy nariany tamim-paniratsirana, dia nigagany, tamin’ny faran’ny zava-nitranga, nony voan’ny hetaheta hafa lavitra noho ny an’ny marina izy ireo.

Tsy nivatravatra tamin’ny Ejiptianina Andriamanitra

15 Mba ho valin’ny hevitra adala, vokatry ny haratsian’izy ireo, izay nampirebireby azy sy nitarika azy hivavaka amim-biby mandady tsy manan-tsaina sy amin’ny biby ratsy foana, dia nandefasanao biby kentrina maro be izy ireo, ho famaizana azy;

16 mba hampahafantatra azy fa izay nanotan’ny olona no enti-mamay azy koa.

17 Tsy sarotra amin’ny tananao mahefa ny zavatra rehetra, izay nahary izao tontolo izao tamin’ny zavatra tsy nisy endrika, ny maniraka orsa na liona maro be hamely azy ireo,

18 na biby vao noarîna, romotra sy tsy fantatra, miaina amim-pofona mirehitra, mandefa fofon’aina setroka maimbo, na mandefa tselatra mahatahotra, amin’ny masony,

19 afa-mamono mahafaty tsy amin’ny famelezana maharàtra ihany, fa amin’ny fijerena azy fotsiny koa mampahatsiravina ambony ihany.

20 Ary na tsy izany aza, nety maty tamin’ny fofona fotsiny izy ireny, enjehin’ny fahamarinana, ka foanan’ny fofon’ain’ny herinao. Fa nalaminao an-danjany ny zavatra rehetra, ka miditra an’isany sy an-tsipiriany avokoa.

Antony tsy nampivatravatra an’Andriamanitra

21 Fa tohanan’ny fahefana ambony indrindra mandrakariva ny didinao, ka zovy no hahatohana ny herin’ny sandrinao?

22 Zava-madinika indrindra manindry mizàna, izao tontolo izao eo anoloanao, ando maraina indray mitete latsaka amin’ny tany.

23 Noho Ianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan’ny olombelona mba hibebahany.

24 Satria tianao avokoa ny zava-boaary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory.

25 Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisînao?

26 Mamela azy rehetra anefa Ianao satria Anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin’ny olona.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 12

1 Fa ao amin’ny zavatra rehetra ny fanahinao tsy azo angolena,

2 ka izany no amaizanao izay lavo amin’ny sazy antonony, ary raha manota izy, anarinao sy tsininao mba hialany amin’ny haratsiany, sy hinoany anao, ry Tompo.

Tsy nivatravatra tamin’i Kanaana Andriamanitra

3 Efa halanao ny mponina talohateo amin’ny taninao masina,

4 satria nifototra tamin’ny asan’ny fankatoavana maharikoriko,

5 sy tamin’ny fomba manohitra ny fivavahana, ary namono zaza tamin-kalozana, nihinana nofon’olona sy nisotro ra. Ireo nampianarina fomba vetaveta maizimaizina,

6 ireo ray aman-dreny mpamono olona tsy mana-mpiaro, dia nokasainao naringan’ny tanan’ny razanay,

7 mba handraisan’io tany nomenao haja noho ny hafa rehetra io, an’ireo zanak’Andriamanitra ho voanjo mendrika.

8 Noho ny maha-olombelona azy ireo anefa, nanao famindram-po Ianao, ka fanenitra no nalefanao, ho toy ny lohalalana amin’ny tafikao, hamono azy tsikelikely.

9 Tsy dia noho ny tsy fahazoanao mamono ireo tsy mpivavaka ireo, amin’ny ady milamina, amin’ny tanan’ny marina; na mandringana azy indray maka monja, amin’ny biby masiaka; na amin’ny didy mafy;

10 fa tamin’ny nanaovanao ny fitsarànao mandroso miandalandalana, dia nomenao fotoana hibebahany izy, na dia fantatrao aza fa taranaka ratsy izy ireo, ary hatramin’ny fahaterahany no efa ratsy ka tsy hiova hevitra na oviana na oviana,

11 satria taranaka voaozona hatramin’ny niandohany.

Antony tsy nampivatravatra Azy

Tsy noho ny tahotrao olona akory koa, no nanehoanao famindram-po amin’ny fahotan’izy ireo.

12 Satria zovy moa no ho afa-milaza aminao hoe: Inona ity nataonao? Zovy no ho afa-manohitra ny fitsarànao? Zovy no hitaraina hamely anao, hisolo vava ny olon-dratsy? Zovy no hanome tsiny Anao mamono ny firenena nataonao? Zovy no hitsangan-kandahatra hiaro aminao ny olona mpanohitra ny fivavahana?

13 Fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany, izay mitandrina ny zavatra rehetra, mba hanehoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.

14 Tsy misy mpanjaka mpanao jadona efa nitsangan-kanohitra Anao, mba hiaro izay nofaizinao.

15 Kanefa noho Ianao marina, dia alaminao amim-pahamarinana ny zavatra rehetra, ary heverinao ho zavatra mifanohitra amin’ny fahefanao, ny manameloka izay tsy mendrika famaizana.

16 Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana; ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra, no itondranao azy rehetra amim-pamindram-po.

17 Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao; ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.

18 Fehezin’ny sitraponao ny herinao, ka mitsara amin-kamoram-po Ianao, ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe; satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.

Fianarana halaina amin’ny moramora ataon’Andriamanitra

19 Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao fa tokony ho antra olona ny marina; sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.

20 Satria notsimbininao sy namindranao fo no famay ny fahavalon’ny mpanomponao, nefa mendri-kovonoin-ko faty izy ireny, ka nomenao andro amam-potoana hibebahana amin’ny haratsiany.

21 Fitsimbinana manao ahoana koa no hitsaranao ny zanakao, fa ny razan’izy ireo no efa nandray taminao fianianana amam-panekena nomban’ny fampanantenana tsara indrindra!

22 Koa raha faizanao izahay, dia kapohinao inarivo mihoatra noho izany ny fahavalonay, mba hampianaranao anay hihevitra ny hamoram-ponao, raha mitsara izahay; ary hanantena ny indrafonao, raha tsaraina izahay.

Avy namindra fo Andriamanitra dia mihenjana

23 Koa ny zavatra ratsy vetaveta nataony no nampijalianao ny olon-tsy marina izay nandany ny androny tamin’ny fahadalana.

24 Satria izy ireo dia efa nandroso loatra tamin’ny lalan’ny hadisoana, ka nanao ho andriamanitra ny biby ratsy indrindra; fa nety ho voafitaka tahaka ny zaza tsy vory saina izy ireo.

25 Ka noho izany dia tahaka ny fanao amin’ny zaza tsy vory saina, no famaizana maivana foana nalefanao hamely azy ireo.

26 Fa izay tsy nety tamin’ny famaizana maivana foana, dia hiharan’ny sazy tandrifin’ny ho avy amin’Andriamanitra.

27 Ireo nataony ho Andriamanitra no namay azy ireo, ka nifoabaka erỳ tamin’izany fijaliany izany; izay vao fantany Ilay niniany tsy ho fantatra taloha, ary nekeny fa Andriamanitra marina Izy. Izany no niharan’ny fanamelohana faran’izay mafy tamin’izy ireo.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 13

Fivavahana amin’ny zavatra eny amin’ny lanitra sy ny voa-Janahary.

1 Tena toetra adala ny an’ny olona rehetra tsy nahalala an’Andriamanitra, ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an’Ilay misy ho azy, ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an’ilay mpanao azy.

2 Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon’ny lanitra, ny faribolan’ny kintana, ny rano mirimorimo, no nataony ho Andriamanitra mitondra izao rehetra izao.

3 Raha renoky ny hatsaran-tarehin’ireo izy ka nanao ny zava-boaary ho Andriamanitra dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo, fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an’ireny.

4 Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagàny, aoka ho fantany amin’izany ny halehiben’ny fahefan’Izay nanao an’ireny.

5 satria ny fahamboniana sy ny hatsaran-tarehin’ny zava-boaary, dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahàfan’izy roa tonta.

6 Nahazo tsiny kely anefa izy ireo, satria naniasia ihany angamba izy, tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra amam-paniriany hahita Azy.

7 Mandinika ny asany izy ireo, ka izany no fototry ny fikarokarohany, ary matoky foana ny fisehoan-javatra fa aoka izany ny hatsaran-tarehin’izay hitany.

8 Amin’izany anefa tsy afa-tsiny kosa izy ireo,

9 satria, raha nahazo fahalalana ampy izy, mba hahalalany an’izao tontolo izao, dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?

Fivavahana amin’ny sampy

10 Mahantra loatra anefa izy, fa zava-tsy manana aina no nanankinany ny fanantenany, izy izay miantso ny asan-tanan’olombelona ho Andriamanitra; dia ny volamena amam-bolafotsy voatefy amim-pahaizana, ny sarim-biby na vato izay tsy ahoan-tsy ahoana, asan-tanana fahataloha.

11 Indro misy mpahay taozavatra mikapa hazo maro atao zavatra; endahany amim-pahanginana avokoa ny hodiny; dia amboariny amim-pahaizana, ary amoronany fanaka mahasoa momba ny fivelomana.

12 Nony vita ny ataony, alainy izay sisa eo, ka andrahoany hanina, hialany hanoanana.

13 Ary ny ambiny farany, tsy azo atao na inona na inona intsony, fa vailanina sy tonontononana be ihany, dia raisiny, kapakapainy ho fanalana andro, ary noho ny fahaizany miasa, dia manisy endrika azy izy, ka ataony sarin’olona na omeny endri-biby tsinontsinona.

14 hosorany loko mena mivaivayizy, lokoiny menamena ny ivelany rehetra, ary saronany loko ny panda rehetra.

15 Raha efa izany dia anomanany fonenana mendrimendrika izany, apetrany manolotra ny rindrina sy homboany amin’ny vy.

16 Tandremany tsara fandrao miongana, fa fantany fa tsy mahay mamonjy ny tenany ilay andriamaniny, satria sary vongana foana mila tohana ihany io.

17 Kanefa mivavaka amin’io izy ny amin’ny momba ny fananany, na ny fanambadiany, na ny zanany, ary tsy mahamenatra azy akory izany hoe: miteny amin’ny zavatra tsy manana aina.

18 Mangataka fahasalamana amin’izay tsy manan-kery izy; ary fiainana amin’izay maty, ary vonjy amin’izay tsy mahefa na inona na inona; mangataka ho tsara dia, amin’izay tsy afaka manetsika ny tongony.

19 Mba ho azo antoka ny filàny tombony, ny raharaha iandraiketany, ny fahavanonan’ny asany; mangataka tanjaka izy amin’izay osa tanana indrindra.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 14

1 Indro misy iray koa, mihevitra ny hiondrana ho eny ambony ranomasina, ka miomana fa handeha eny ambonin’ny onja misamboaravoara: hazo mora vakynoho ny sambo mitondra azy no antsoiny;

2 fa ny sambo dia noho ny fanirian-kahazo vola no nahitana azy, ary ny fahaizan’ny mpanao taozavatra no nandrafetana azy.

3 Ny fitondranao anefa, Ray ô, no mitondra azy, Ianao izay nanori-dalana eny amin’ny ranomasina, sy lala-mahatoky mamakivaky ny onjan-drano.

4 Ka tamin’izany Ianao dia nampiseho fa mahay manafaka amin’ny loza rehetra mba hahazoan’ny olona rehetra miondrana, na dia tsy mahay mitondra sambo aza izy.

5 Tsy tianao hitoe-poana ny asan’ny fahendrenao; ka noho izany dia manankina ny ainy amin’ny hazo malia ny olombelona, mamakivaky ny onjan-drano amin’ny zahatra, tsy maty fo aman’aina.

6 Ary fahiny, raha ringana ireo Rapeto be avonavona, ny fanantenan’izao tontolo izao kosa, afa-nandositra tamin’ny lakana, sady nentin’ny tananao, ka namela loharanon-taranakaho an’izao tontolo izao.

7 Fa ny hazo, anaovan-javatra mety, dia voatso-drano.

8 Fa ny sampy asan-tanan’olombelona kosa, voaozona mbamin’izay nanao azy: ity moa voaozona noho ny nanamboarany an’io; irỳ kosa noho izy zavatra mety levona, nefa mitondra ny Anaran’Andriamanitra;

9 fa samy halan’Andriamanitra na ny mpanohitra ny fivavahana, na ny zavatra fanoherany ny fivavahana.

10 Ka samy hosaziny, ny asa atao sy ny mpanao.

11 Noho izany, hosavana ny sampin’ny firenena fa zava-boaarin’Andriamanitra izy, nefa zary fahavetavetana, fanafintohinana ho an’ny fanahin’ny olombelona, fandrika mahavoa ny tongotry ny adala.

Ny nanombohan’ny fanompoan-tsampy

12 Satria ny hevitra hanao sampy dia fototry ny nisarahan’ny olona tamin’Andriamanitra, ary ny mamorona an’izany no nitarika ny fahafatesana.

13 Tsy nisy ireny tamin’ny voalohanyary tsy hisy mandrakariva akory koa.

14 Ny fahadalan’ny olona no nampiditra izany tamin’izao tontolo izao; ary efa raikitra ao an-tsain’Andriamanitra ny famongorana izany efa akaiky.

15 Misy ray vonton’alahelo haingan-doatra, ka nanamboatra sarin’ny zanany izay nalaky nalaina taminy; ary raikitra nanome haja hoatra ny andriamanitra izany zanany maty izany; ary ao amin’ny ankohonany dia nanangana fombam-pivavahana sy seremônia izy.

16 Ary niharaikitra tsikelikely izany fomba manohitra ny fivavahana izany, ka tonga voatandrina hoatra ny lalàna, ary noho ny didin’ny mpanapaka, dia nohajain’ny olona ny sary.

17 Raha tsy afa-manaja azy eo anoloany ny olona, fa lavitra loatra no onenany, sarin’ny endriny lavitra no natao, ka ny sarin’ny mpanjaka hajainy hita maso no noforonina, hanomezana fanajana azy tsy eo amin-kafanam-po, toy ny raha eo izy.

18 Ary ny nampandroso ny fomban-tsampy dia satria izay tsy mahalala ny mpanjaka mba voatariky ny hambon’ny mpanao sary.

19 Satria nila sitraka tamin’ny tompo be fahefana izy ity ka mandany ron-doha amin’izay hahakanto ny sary.

20 Dia sodoky ny hakanton’ny taozavatra ny sarambabem-bahoaka, ka nataony ho andriamanitra ilay efa nohajainy ho olombelona tato ho ato.

21 Fandrika ho an’ny velona raha ny olona azon’ny fahoriana na teren’ny mpanao jadona, niantso ny vato aman-kazo amin’ny anarana tsy azo iombonana.

Vokatry ny fanompoan-tsampy

22 Tsy vitan’ny hoe mivaona fotsiny ny fahalalan’izy ireo an’Andriamanitra;

fa noho ny fifanoherana mafy mahazo ny tenany

avy amin’ny tsy fahalalany koa,

dia nantsoiny amin’ny anarana hoe fiadanana izany loza izany.

23 Nankalazainy ny fomban-tsampy famonoana ny zanany, na ny fombam-pivavahana atao an-tsokosoko, ary mitolo-batana amin’ny fahavetavetana diso ohatra fanao amin’ny fomba hafahafa izy:

24 tsy nahalala menatra intsony izy na amin’ny toe-piainany, na amin’ny fanambadiany. Ny iray mamono ny iray hafa, amin’ny famadihana, na manitsaka azy amin’ny fakam-badin’olona.

25 Hany hita hatraiza hatraiza dia ra amam-bonoana olona, halatra amam-pitaka, fanisihana amam-pivadihana, fikomiana amam-pianianan-tsy to,

26 fanenjehana ny tsara fanahy, fanadinoana ny soa noraisina avy amin’ny olona, fahalotoan’ny fanahy, heloka mifanohitra amin’ny fomban’olona, tsy faharetana amin’ny fanambadiana, fakam-badin’olona sy fahavetavetana.

27 Satria ny fanompoan-tsampy tsy azo tononina dia fototra amam-piaviana ary anton’ny ratsy rehetra.

28 Hafaliana tsy misy fotony no lalaon’izy ireo, ary lainga no valin-teny avy amin’ny andriamaniny. Milomano amin’ny haratsiana izy, ary mianiana tsy tò mora foana.

29 Fa sampy tsy manana aina no ianteherany, ka tsy heveriny hahitan-doza akory, izay fianianana tsy marina ataony.

30 Hanjò azy anefa ny sazy tandrifin’izany heloka roa sosona izany; satria niraikitra tamin’ny sampy izy, ka ratsy fihevitra an’Andriamanitra; ary nianiana tamim-pihatsarambelatsihy manohitra ny fahamarinana izy, ka notsiratsirainy amin’izany ny lalàna masina indrindra.

31 tsy avy amin’ny herin’ny sampy nianianany izany,

fa sazy tandrifiny havaly ny mpanota,

ka tsy maintsy mihatra mandrakariva amin’ny fivadihan’ny mpanohitra ny fivavahana.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 15

Tsy mpanompo sampy i Israely

1 Fa Ianao, ry Andriamanitray ô, no tsara fo, mahatoky, mahari-po, ka mitondra ny zavatra rehetra amim-pamindram-po.

2 Na dia manota aza izahay, dia Anao ihany; mahalala ny fahefanao; tsy te hanota anefa izahay, satria fantatray fa isainy amin’ireo Anao izahay.

3 Ny mahalala Anao dia fahamarinana lavorary, ary ny mahalala ny fahefanao, no fototry ny tsy fetezana ho faty.

4 Tsy voasodoka izahay na tamin’ny zavatra noforonin’ny mpahay zavatra mamohehatra na tamin’ny endri-javatra voafotetaky ny loko samihafa volo, zava-poana nataon’ny mpanoso-doko;

5 ny fijery azy manetsika ny filàn-dratsin’ny adala, izay mety ho raiki-pitia amin’ny endri-javatra tsy misy aina.

6 Fa efa raiki-po amin’ny ratsy izy ireo, ka tandrifin’ny fanantenana toy izany na izy manao, na ireo tia sy mivavaka amin’izany.

Hadalan’ireo manamboatra sampy

7 Satria indro misy mpanefy vilany anankiray, mikezaka mandity tanimanga malemy: samy fasian-javatra ampiasaintsika avokoa aloha no ataony, ka tanimanga iray ihany no namoronany fasian-javatra fanao amin’ny zavatra misy hajany sy fasian-javatra fanao amin’ny zavatra tsy misy hajany, ka tsy avahany akory na hatao inona na hatao inona avy izany: fa ny mpanefy vilany ihany no hanapaka izany.

8 Manaraka izany, asa fanoherana ny fivavahana no ataony, fa ilay tanimanga ihany no amoronany andriamanitra tsy izy, dia izy izay natao tamin’ny tany fahiny, sy mbola hiverina faingana amin’ny tany nangalana azy, rehefa avy izay hitakiana aminy ny fanahy nampindramina azy.

9 Samy tsy ahiny akory anefa, na ny heriny mihalany, na ny hafohin’ny andro iainany; fa maninana an’ireo manefy volamena sy volafotsy izy; maka tahaka an’ireo mpanefy varahina izy, ary hataony ho voninahiny, ny manao endri-javatra manodòka.

10 Manahaka ny lavenona ny fony, ambany noho ny tany ny fanantenany; ary latsa-danja noho ny tanimanga ny ainy.

11 Satria izy tsy nahalala ilay nanao azy, izay nampiditra fanahy miasa ao aminy, sy nametraka fofon’aina taminy.

12 Nataon’izy io ho filalaovana ny fisiantsika; ary ho tsena fivoriana hitadiavana tombom-barotra ny fiainantsika; fa tsy maintsy manao izay rehetra mety hihariana, hoy izy, na dia amin’ny heloka aza.

13 Satria fantany tsara fa izay meloka indrindra amin’izy rehetra, dia izy izay sady manao fasian-javatra malia no namorona sampy koa amin’ny tany iray ihany.

Hadalan’ny Ejiptianina: sampy ivavahany izao rehetra izao

14 Kanefa samy adala dia adala avokoa, ary latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza, ireo fahavalon’ny vahoakanao, izay manindry azy amin’ny fahoriana.

15 Satria nataon’izy ireo ho andriamanitra avokoa ny sampin’ny firenena, izay tsy afa-mampiasa ny masony hijery na ny vavorony hiaina rivotra, na ny sofiny hihaino, na ny rantsan-tanany hitsapa, ary tsy afa-mamindra ny tongony.

16 Olombelona no nanao azy ireny; izay nampindramina fofon’aina no namorona azy. Tsy olombelona mahavita andriamanitra mitovy amin’ny tenany akory.

17 Satria noho izy mety maty dia zavatra tsy manana aina ihany no mety vitan’ny tanany mankahala ny fivavahana. Ambony noho ireo zavatra ivavahany izy, fa izy manana aina ahay; ary ireo tsy nanana na oviana na oviana.

18 Anaovan’izy ireo fombam-pivavahana izay biby maharikoriko indrindra, sy ratsy amin’ny biby rehetra raha ny hadalana no hitsarana azy, ka tsy misy soa kely akoryao aminy mety hampitia azy toy ny endriky ny biby hafa;

19 ka mihataka amin’ny fiderana amam-pisaorana an’Andriamanitra.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 16

I Ejipta sy i Israely; ireo biby ratsy sy ny papelika.

1 Ka dia zava-boaary ihany koa no nanasaziana azy ireo an-drariny, sy nampijaliana azy tamin’ny biby sesehena.

2 Ary ho solon’izany loza izany kosa, dia soa no nomenao ny vahoakanao, dia nanafa-po ny fahalianany fatratra Ianao, ka nanamboatra sakafo mahagaga ho azy, nanome papelika hohaniny.

3 hany ka ireo sasany moa na dia lian-kihinana aza, raha nahita ny biby kely nalefa hamely azy fa ratsy endrika, dia naloiloy ity zavatra nahaliana azy andavanandro aza, fa ireto sasany kosa, avy niari-kanoanana kelikely foana, dia indro nankatelina hanim-baovao.

4 satria tsy maintsy nampijalian’ny mosary tsy azony andosirana ireo voalohany, ireo mpampahory; ireto an-daniny kosa, hanehoana fotsiny ihany ny fijaliana manjò ny fahavalony.

I Ejipta sy i Israely; valala sy bibilava varahina.

5 Ary tokoa izany, satria raha avy izay niaretan’ireto ny fisamontotry ny biby masiaka sy nahafatesany tamin’ny kaikitry ny menarana miolikolika, tsy naharitra hatramin’ny farany ny hatezeranao; fa kelikely foana ihany no nitebiteben’izy ireo, ho fananarana azy,

6 dia nahazo mari-pamonjenaizy, mba hampahatsiaro azy ny didin’ny lalànao,

7 satria izay nitodika tany amin’izany dia sitrana, tsy noho ny zavatra hitan’ny masony anefa, fa noho Ianao, Mpamonjy ny olona rehetra.

8 Sady naneho tamin’ny fahavalonay koa Ianao tamin’izany, fa Ianao no mahafaka amin’ny loza rehetra.

9 Satria, izy ireo moa, matin’ny kaiki-balala mbamin’ny moka, ka tsy hita izay azo natao hamonjena ny ainy, fa mendrika azy ny hosaziana toy izany.

10 Ny zanaka kosa, tsy resin’ny kaiki-menarana be poizina, fa tonga namonjy sy nanasitrana azy ny indrafonao.

11 Mba hahatsiarovan’izy ireo indray ny teninao, no naharatra azy sy nahasitrana azy faingana indray, fandrao tonga hadinony daholo izany, ka very anjara amin’ny soa ataonao izy.

12 Tsy ahitra na fanafody no nahasitrana azy, fa ny teninao, ry Tompo, izay mahasitrana ny zavatra rehetra;

13 satria manam-pahefana hamelona sy hamono Ianao; mitondra ho eo am-bavahadin’ny fonenan’ny maty Ianao, dia mamerina avy any indray.

14 Ny mamono no hain’ny olombelona noho ny haratsiam-panahiny; fa ny mamerina ny fanahy efa tafavoaka, na manafaka ny fanahy efa voarain’ny Seoly dia tsy hainy.

I Ejipta sy i Israely; rano, havandra, orana, afo.

15 Ny mandositra ny tananao anefa, dia tsy azo atao.

16 Ry zareo mpanohitra fivavahana izay mihambo ho tsy mahalala anao, dia nokapohin’ny herin’ny sandrinao: rano be tsy fahita sy havandra, aman’orana tsy miantra no nampijaly azy, ary afo no nandevona azy.

17 Ny mahagaga indrindra dia izao: teo anatin’ny rano mamono ny zavatra rehetra, dia vao mainka nidedadeda ny afo; fa miady manampy ny marina izao rehetra izao.

18 Mbetika mihamalefaka ny lelafo, mba tsy hahalevona ny biby nalefa hamely ny mpanohitra ny fivavahana, ka ho fantany amin’ny fahitana an’izany, fa tanahin’ny fitsaran’Andriamanitra izy ireo.

19 Mbetika nidedadeda ao afovoan’ny rano izy; ka filelalela mahery noho izay antonona ny afo ny azy amin’izany, mba handevona ny vokatra rehetry ny firenena tsy tia fivavahana.

20 Hafa lavitra amin’izany kosa ny amin’ny vahoakanao fa novokisanao hanin’Anjely fa tsy miasa akory dia nomenao mofo voavoatra avy any an-danitramisy izay fankafizana rehetra, anandramana ny tsiro rehetra.

21 izany zava-pihinana avy aminao izany dia maneho ny halemem-panahinao amin’ny zanakao, ary izany mofo izany izay nifanaraka amin’izay irin’ny olona mihinana azy, dia nanjary izay tian’izy io.

22 Maharitra tsy miempo amin’ny herin’ny afo, ny oram-panala aman-dranomandrymba hahafantaran’izy ireo fa ny afo izay mirehitra ao amin’ny havandra, sy manjelanjelatra anatin’ny orana, dia mandevona ny vokatry ny fahavalony;

23 fa tsy nahalala intsony ny heriny, nony avy eo, mba hamelomany ny marina kosa.

24 Satria ny zava-boaary izay manaiky Anao, Mpahary azy, dia manampatra ny heriny hampijaly ny ratsy fanahy; fa milefaka kosa hampahita soa an’izay matoky Anao.

25 Ka noho izany dia nety nilefitra hanaraka izany fiovana rehetra izany ny zava-boaary, ka nanaiky ny didin’ny fahasoavanao, mpamelona ny zavatra rehetra, araka ny sitrapon’izay nanam-pilana avy:

26 mba hahalalan’ny zanakao tianao, ry Tompo, fa tsy ny voankazo samihafa karazana no mamelona ny olona, fa ny teninao no mitahiry an’izay mino Anao.

27 Satria izay mahatoha ny herin’ny afomandevona, dia miempo moramora, nony vao notanîn’ny tanamasoandro kely foana:

28 hampianarana ny olona rehetra fa tokony hialoha ny masoandro, amin’ny fisaorana Anao, sy fitsaohana Anao, alohan’ny andro miposaka.

29 Fa ny amin’ny tsy mankasitraka kosa, dia hiempo toy ny ranomandry ririnina ny fanantenany sy handeha toy ny rano foana.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 17

I Ejipta sy i Israely: haizina sy hazavana

1 Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao; ka mivily ny hevitry ny fanahy tsy nahita fianarana.

2 Nony nitompoan’ny ratsy fanahy ny hevitra hoe: afa-mampahory ny firenena masina, dia voatanan’ny haizinasy voasaron’ny alina lava izy ireo. Ary tafahitsoka tao an-tranony izy ireo, ka niampatra teo, niery ny fitondranao tsy manam-piatoana.

3 Nony nihevitra izy fa ho afa-miery mbamin’ny fahotany miafina, dia tafahahaka tao ambanin’ny sarona mikitroky ny fanadinoana, azon-tahotra mahatsiravina ary nivadi-po tamin’ny matoatoa.

4 Ny fitoerana mangingina nihibohany, tsy naharo azy amin’ny tahotra: nisy feo mampihoron-koditra nikotrokotroka manodidina azy, ary nisy matoatoa niseho taminy tamin’endrika malahelo indrindra.

5 Tsy nisy afo afa-nanome hazavana ary ny lelafo manjopiakan’ny kintana tsy afa-nanazava izany alina mahatsiravina izany.

6 Indraindray ihany no nisehoan’ny afo mivongana tamin’afo mirehitra ho azy, nampihoron-koditra; ka nivadi-po izy nahita izany zavatra tsy hita fototra izany, ka vao mainka noheveriny ho mahatsiravina kokoa aza ireo zavatra niseho ireo.

7 tankina ny fahaiza-mahatsikaikin’ny mpanao fankatoavana, ary vaky terỳ ny maha-hosoka foana ny fahendrena nohamboin’izy ireo.

8 Nihambo ho mahay mandroaka ny tahotra aman-korohoro amin’ny fon’ny marary izy ireo; kanjo ny tenany indrindra ity no mararin’ny tahotra mahatsikaiky:

9 satria na tsy nisy zava-mahatahotra tokony hampitahotra azy akory aza, ny fiseran’ny biby, sy ny fisiokan’ny menarana fotsiny, dia nahatsiravina azy

10 ka efa ho fatin’ny tahotra izy; ary tsy tohany ny mijery izany rivotra tsy azon’iza na iza ialana.

11 Fa saro-tahotra ny ratsy; ny tenany no nitsangan-ko vavolombelona hanamelo-tena; teren’ny fieritreretany dia ampitomboiny fihevitra mandrakariva ny loza.

12 Satria ny tahotra tsy inona akory, fa fanariana ny fahazoa-mamonjy tena, mety ho avy amin’ny fisainana.

13 Satria kely ny toky anatin’ny fo, dia mainka matahotra mafy ny olona tsy mahalala izay iavian’ny fahoriany.

14 Izy ireo àry tamin’izany alina tsy anefana na inona na inona, alina nivoaka avy any amin’ny fanambanin’ny Seoly tsy mahefa inona, dia samy azon-torimaso ihany,

15 dia mbetika mikofokofoka noho ny matoatoa mampitahotra mbetika mivarahontsana azon’ny fahareraham-po, fa nirotsaka tampoka taminy sy tsy nampoiziny ny fivadiham-po.

16 Tahaka izany koa ny hafa rehetra na iza na iza dia samy lavo tsy nanan-kery avokoa samy voatana, toa voahiboka an-tranomaizina tsy misy hidiny.

17 Na mpiasa tany, na mpiandry ondry, na mpiasa revo tamin’ny lahasa mafy tany an-tsaha, samy tratry ny loza avokoa, latsaka an-katerena tsy azo nialana; fa samy voahazon’ny gadran’ny haizim-pito daholo.

18 Ny rivotra mifofofofo, ny hiran’ny vorona tsara feo teny amin’ny sampan-kazo mikitroka, ny firohondrohon’ny ranobe mandriana;

19 ny fikotrokotroky ny vato mikodia, ny firodorodon’ny biby tsy hita maso mifalihavanja, ny finaonaonan’ny biby masiaka, ny ako miverimberina tany amin’ny lavaky ny tendrombohitra, samy nahatoran’ny tahotra azy avokoa.

20 Fa izao rehetra izao nohazavain’ny fahazavana mamirapiratra, ka samy nanao ny asany tsy voasembantsembana avokoa.

21 Izy ireo kosa, voasaron’alina mavesatra, tandindon’ny haizim-pito tsy maintsy mandray azy; nefa navesatra taminy noho ny haizim-pito aza ny tenan’izy ireo.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 18

1 Tamin’izany, nisy fahazavana lehibe kosa, namirapiratra tamin’ny olonao masina; nandre ny feony ny Ejiptianina, fa tsy nahita tava azy; ary na inona na inona fijaliany dia nolazainy ho sambatra izy.

2 Ary noho izy ireo, na dia efa tsy nitondrana roa aza, tsy mba namaly ratsy dia nisaorany, ary nifonany tamin’ny nitondrany azy ho fahavalo.

3 Ho solon’izany haizina izany kosa, ny olonao masina dia nomenao andry afo, mpitari-dalana amin’ny lalana tsy fantatra, masoandro tsy mahamay, amin’ny fivahiniany be voninahitra.

4 Rariny ho an-dry zareo ny tsy manan-kazavana, sy ny hosaronan’ny haizim-pito, izay handraisan’izao tontolo izao ny hazavana tsy manam-piovana avy amin’ny lalànao.

I Ejipta sy i Israely; ilay Mpandringana

5 Nikasa handringana ny zanak’ireo olonao masina izy ireo; narian-ko faty ary novonjena indray kosa ny iray tamin’ireny; dia ny ankamaroan’ny zanany nalainao tamin’ny famaizanao azy, ary izy rehetra, indray nosaforanao onja mirimorimo avokoa.

6 Nahalala izany alina izanymialoha, ny razanay, mba hahafantarany izay fampanantenananinoany, ka hananany herim-po bebe kokoa.

7 Koa nandrasan’ny vahoakanao, ny famonjena marina, sy ny fandringanana ireo fahavalony.

8 Toraky ny namelezanao ny fahavalonay no nanandratanao anay kosa tamin’ny niantsoanao anay ho aminao.

9 Eny tokoa fa ireo tia vavaka zanaky ny olona masinamoa nanatitra ny sorony mangingina, ka niara-nanao fanekena masina hoe: hiara-misalahy ny masina amin’ny soa sy amin’ny loza hitranga – nihira sahady ny hira masin’ny razanay.

10 Fa ho valin’ny feony kosa, dia nanakoako ny sakalahim-peon’ny fahavalo, ary re ny figogogogoana noho ny zanaka nitomaniana;

11 sazy iray namaizana ny mpanompo sy ny tompo; ary sahala ny fijaliana nahazo ny vahoaka sy ny mpanjaka.

12 Karazam-pahafatesana iray monja no nampisy tao amin’izy rehetra, maty tsy hita isa, ka tsy nahasahana ny fandevenana intsony, ny velona. Fa ny taranany filohany indrindra, no indray ringana vetivety foana.

13 Nandà tsy hinoizy noho ny amin’ny ody ratsiny, kanjo nony avy izay nandringanana ny lahimatoa, dia niaiky izy fa zanak’Andriamanitraizany vahoaka izany.

14 Tamin’izay raha ilay saronan’ny fanginana lehibe ny tany manontolo, dia nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny,

15 dia niezaka avy any an-tampon’ny lanitra ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra toy ny mpiady tsy azo ifonana, avy any amin’ny seza fiandrianany, nankeo afovoan’ilay tany voatolotra ho amin’ny fandringanana,

16 nitondra ny didinao tsy azo ovana, toy ny sabatra maranitra; dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza, nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin’ny tany.

17 Niaraka tamin’izay nisy fahitana tamin’ny nofy mahatsiravina, nampitebiteby azy, ka tahotra tsy nampoizina no nahazo azy ireo.

18 Niongana atsỳ sy arỳ izy ireo, saiky maty, ka nanambara ny anton’ny mahafaty azy.

19 Fa efa nanambara izany taminy ireo nofy nampitebiteby azy mba tsy hahafatesany tsy mahalala izay antony namelezana azy mafy toy izany.

20 Nihatra tamin’ny marina koa, ny famelezan’ny fahafatesana; fa nisy fandringanana ny maro tany an’efitra, kanefa tsy naharitra ela ny fahatezeranao.

21 Fa nisy lehilahy tsy manan-tsiny, niady faingana hiaro ny meloka; nandray fiadina momba ny raharahany nataony, dia ny vavaka sy ny emboka fanonerana, ka nanohana ny fahatezeran’Andriamanitra, sy mampitsahatra ny loza; nampiseho fa mpanomponao izy.

22 Nandresy izany fikomiana izany izy, tsy amin’ny tanjaky ny vatany, na ny herin’ny fiadiana, fa ny teny no nampilefahany an’ilay namay azy, tamin’ny nampahatsiarovany azy ny fianianana natao tamin’ny razana sy ny fanekena.

23 Efa lavo nifanongoa be ihany, ny maty tamin’izany, no nitsangan-kanelanelana izy, nanoha ny hatezerana, ka nanampin-dalana ny mpandringana tamin’izay sisa velona.

24 Fa teo amin’ny akanjo mirebarebaamin’ny tany, izao tontolo izao; ny anarana be voninahitryny razana dia voasikotra ary teo amin’ny satroboninahinyteo an-dohany ny fiandriananao.

25 Ka hihemotra ny Mpandringana nahita izany famantarana izany, satria ampy na ny fitsapan’ny hatezeranao ihany aza.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 19

I Ejipta sy i Israely; ny Ranomasina Mena

1 Fa fahatezerana tsy misy famindram-po kosa, no nanenjika ny ratsy fanahy, hatramin’ny farany; satria fantatr’Andriamanitra mialoha, izay ho fitondran-tenany,

2 fa rehefa halefany handeha ny marina, sady hododonany sy hangatahiny mafy hiala faingana aza, dia hanenenany indray izany, ka ny hanenjika an’ireo no hataony.

3 Ary tokoa fa mbola tsy tapitra akory ny fisaonana, mbola nigogogogo teo amin’ny fasan’ireo maty izy, dia rafitra nanao hevi-pahadalana hafa indray, ka nenjehiny toy ny mpandositra, ireo efa nitalahoanyhandeha hiala lavitra.

4 Nisy hery tsy azo tohanana nitarika azy ho amin’izany fiafarana izany, ka rariny izany, sady nampanadino azy izay vao nanjò azy mba ho feno lanja ny sazy hefainy, izay mbola tsy ampy tamin’ny fijaliany taloha.

5 Ka ny vahoakanaomoa, nita soa aman-tsara tamim-boninahitra, izy ireokosa nahazo fahafatesana hafahafa.

6 Satria, niova toetra avokoa ny zava-boaary manontolo, nanaraka ny didy manokana nomena azy, mba ho voatahiry tsy ho azon’ny loza na inona na inona ny zanakao.

7 Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin’ny alony; niseho teo amin’izay nisy rano taloha, ny tany; nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary niova ho tanimbolin-java-maitso, ny rano be nisamboaravoara.

8 Nandalo teto izy ireo, firenena iray manontolo, voaaron’ny tananao, nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona, toy ny soavaly eny an-tanim-bilona,

9 toy ny zanak’ondry mifalihavanja, nankalaza Anao izy ireo, ry Tompo, Ianao Mpanafaka azy ireo

Soa avy amin’ny zava-boaary nomen’Andriamanitra an’i Israely.

10 Satria mbola tsaroan’izy ireo ny zavatra nitranga, tamin’izy nitoetra tany an-tany hafa: fa ho solon’ny biby hafa, dia moka no foy navoakan’ny tany; ary sahona no foy navoakan’ny ony, solon’ny hazandrano.

11 Tatỳ aoriana kosa, fampisiam-borona mahatalanjona indray no hitany, raha ilay nentin-kalianana dia nangata-kanina matsiro iny izy ireo;

12 fa nisy papelika niakatra avy any anilan’ny ranomasina any mba hanafa-diana azy.

I Ejipta meloka noho i Sôdôma.

13 Ary ny sazy nihatra tamin’ny mpanota, nefa tsy diso fambara mialohadia ny henatra mafy erỳ. Niaritra fijaliana tandrifin’ny helony, izy ireny.

14 Fa fankahalana maharikoriko loatra, no nasehony tamin’ny vahiny. Nisy olon-kafa tsy nety nandray olona izay tsy nifankahalala taminy akory; fa izy ireokosa nampanjary mpanompo ny vahiny izay efa nanisy soa azy.

15 Mainka indray aza, dia azo heverina ho metimety kokoa ny an’irerỳ voalohany satria nataony fahavalo no fihevitra an’ireo vahiny noraisiny;

16 fa ireto kosa nandray ny vahoakanao, nanaovany andro fifaliana, ka nandrasany hiray fileovana aminy, fa tatỳ aoriana kosa nataony tototry ny fijaliana mangidy izy ireo.

17 Ka dia namely azy ireo kosa ny fahajambana, toa an-dry zareo nitangorona tamin’ny varavaran’ny marina, nony voasarona haizina mikitroka izy ireny, ka samy nikaroka ny fidirana amin’ny varavarana.

Nihasoa ny zava-boaary tamin’ny Eksaody.

18 Fa niova toetra ny zavatra voaarytahaka ny feo amin’ny psalteriôna miova ba, nefa maharitra tsy miova faneno. izany mety ho hita mazava tamin’ny zava-niseho fahizany.

19 Ny biby an-tanety nanjary anaty rano; ary ireo nilomano kosa lasa an-tanety.

20 Ny afo tonga nanan-kery tao anatin’ny rano mihoatra noho ny heriny andavanandro, ary ny rano namalona ny toetrany mahafaty afo.

21 Etsy an-daniny kosa, tsy tratry ny lelafo ny nofon’ny biby malemilemy tafaely manodidina azy, ary tsy nampiempoiny ilay hanina avy any an-danitra, izay sahala amin’ny fanala mivongana sy mora miempo toa azy.

Famaranana.

22 Nankalaza ny vahoakanao, tamin’ny zavatra rehetra, Ianao ry Tompo; nomenao voninahitra izy, fa tsy mba notsiratsirainao; ary novonjenao tamin’ny toerana amam-potoana rehetra.