Categories
Fanisana

Fanisana 1

1. FANISAM-BAHOAKA

1 Any an’efitra Sinaia, tao an-trano lay fihaonana, tamin’ny andro voalohany amin’ny volana faharoa, taona faharoa taorian’ny nivoahana tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe;

2 «Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny fianakavianysy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran’ny lehilahy rehetra isam-batan’olona no hisaina tsirairay avy,

3 hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin’i Israely izay mahatàm-piadiana. Ianao sy i Aarôna no hanisa azy araka ny isan-tokony avy;

4 ary lehilahy iray avy, amin’ny isam-pokony, izay filohan’ny fokom-pianakaviany avy, no hiaraka aminareo.»

Ireo tendrena hanao ny fanisana

5 «Ireto no anaran’ny lehilahy hiaraka aminareo: Ny amin’i Robena: Elisora zanak’i Sedeora;

6 ny amin’i Simeôna: Salamiela zanak’i Sorisadaia;

7 ny amin’i Jodà: Nahasôna zanak’i Aminadaba;

8 ny amin’i Isakara: Natanaely zanak’i Soara;

9 ny amin’i Zabolôna: Eliaba zanak’i Helona;

10 ny amin’ny terak’i Josefa: ny amin’i Efraima: Elisamà zanak’i Amioda; ny amin’i Manase: Gamaliela zanak’i Fadasora:

11 ny amin’i Benjamina: Abidàna zanak’i Jedeôna;

12 ny amin’i Dana: Ahiesera zanak’i Amisadaia;

13 ny amin’i Asera: Fegiela zanak’i Okràna;

14 ny amin’i Gada: Eliafasa zanak’i Doela;

15 ny amin’i Neftalì: Ahira zanak’i Enàna.

16 Ireo no voafidy tamin’ny fiangonana. Lohan’ny firenena avy amin’ny razany izy sy mpifehy arivoamin’i Israely.»

17 Nalain’i Môizy sy i Aarôna ireo olona izay efa voatendry amin’ny anarany avy,

18 dia nanaika ny fiangonana rehetra izy, ho amin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, ka ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra rehetra, dia samy nosoratana araka ny fianakaviany sy ny fokony, ary noisaina ny anarany isam-batan’olona.

19 Araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy; dia nataony ny fanisana tany an’efitra Sinaia.

Ny fanisana ny vahoaka

20 Ny tera-dRobena lahimatoan’i Israely, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, no nisainy araka ny anarany isam-batan’olona, ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

21 dia nisy 46.500 no voasoratra ho isan’ny fokon-dRobena.

22 Ny terak’i Simeôna, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ny voasoratra ho isan’ireo, rehefa nisaina ny anarany isam-batan’olona, ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

23 dia nisy 59.300 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Simeôna.

24 Ny taranak’i Gada, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

25 dia nisy 45.650 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Gada.

26 Ny terak’i Jodà, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

27 dia nisy 74.600 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Jodà.

28 Ny terak’i Isakara, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy mahatàm-piadiana,

29 dia nisy 54.400 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Isakara.

30 Ny terak’i Zabolôna, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

31 dia nisy 57.400 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Zabolôna.

32 Ny zanak’i Josefa: ny taranak’i Efraima, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

33 dia nisy 40.500 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Efraima.

34 Ny terak’i Manase, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

35 dia nisy 32.200, no voasoratra ho isan’ny fokon’i Manase.

36 Ny terak’i Benjamina, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

37 dia nisy 35.400 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Benjamina.

38 Ny terak’i Dana, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

39 dia nisy 62.700 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Dana.

40 Ny terak’i Asera, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

41 dia nisy 41.500 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Asera.

42 Ny terak’i Neftalì, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

43 dia nisy 53.400 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Neftalì.

44 Ireo no voaisa nisain’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’izy 12 lahy, filohany amin’i Israely, lehilahy iray avy isam-pokony.

45 Ny zanak’i Israely rehetra izay nisaina araka ny fokom-pianakaviany avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra amin’i Israely izay mahatàm-piadiana,

46 ny voaisa rehetra dia nisy 603.550.

47 Tsy mba nisaina niaraka tamin’ireo ny Levita araka ny fokom-pianakaviany.

Fanoratana manokana ny Levita

48 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

49 «Aza mba isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ny zanak’i Israely izy.

50 Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.

51 Rehefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rehefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty.

52 Ny zanak’i Israely, dia samy hiorin-dasy ao amin’ny anjara tobiny samy manakaiky ny fanevany araka ny isan-tokony avy.

53 Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan’ny vavolombelona, mba tsy hipoahan’ny hatezerako ny fiangonan’ny zanak’i Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan’ny vavolombelona.»

54 Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.

Categories
Fanisana

Fanisana 2

Filaharan’ny foko

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Ny zanak’i Israely dia samy hitoby eo akaikin’ny fanevany, sy ho eo am-pototry ny sainan’ny fokom-pianakaviany avy. Manandrify sy manodidina ny trano lay fihaonana no hitobian’izy ireo.»

3 Ny fanevan’ny tobin’i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin’ny lafiny atsinanana mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny taranak’i Jodà dia i Nahasôna zanak’i Aminadaba,

4 ary 74.600 ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa.

5 Ny fokon’i Isakara no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Isakara dia i Natanaely zanak’i Soara,

6 ary 54.400 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

7 Manaraka izany dia ny fokon’i Zabolôna. Ny filohan’ny taranak’i Zabolôna dia i Eliaba zanak’i Helona,

8 ary 57.400 ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa.

9 Araka ny lehilahy voaisa dia 186.400 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Jodà, araka ny antokony avy. Ireo no ho lohalalana rehefa hiainga.

10 Ny fanevan’ny tobin-dRobena no ho eo amin’ny lafiny atsimo mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny tarana-dRobena dia i Elizora zanak’i Sedeora.

11 Ary 46.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

12 Ny fokon’i Simeôna no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Simeôna, dia i Salamiela zanak’i Sorisadaia;

13 ary 59.300 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

14 Manaraka izany dia ny fokon’i Gada. Ny filohan’ny taranak’i Gada dia i Eliazafa zanak’i Doela,

15 ary 45.650 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

16 Ka dia 151.450 no totalin’ny eo amin’ny tobin-dRobena, araka ny lehilahy voaisa manaraka ny antokony avy. Ireo no ho laharana faharoa eny an-dalana.

17 Izay vao handroso ny trano lay fihaonana, ny antokon’ny Levita eo afovoan’ny toby rehetra. Ary araka ny filaharany eo an-dasy ihany no ho fandehany eny an-dalana koa, samy eo an-daharany manaraka ny fanevany avy.

18 Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:

19 ary 40.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

20 Ny fokon’i Manase no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Manase dia i Gamaliela zanak’i Fadasora,

21 ary 32.200 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

22 Manaraka izany, dia ny fokon’i Benjamina. Ny filohan’ny taranak’i Benjamina dia i Abidàna zanak’i Jedeôna,

23 ary 35.400 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

24 Ka dia 18.100 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Efraima, araka ny lehilahy voaisa, manaraka ny antokony avy. Ireo no laharana fahatelo eny an-dalana.

25 Ny fanevan’ny tobin’i Dana no ho eo avaratra, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiesera zanak’i Amisadaìa;

26 ary 62.700 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

27 Ny fokon’i Asera no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Asera dia i Fegiela zanak’i Okrana,

28 ary 41.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

29 Manaraka izany dia ny fokon’i Neftalì. Ny filohan’ny taranak’i Neftalì dia i Ahira zanak’i Enàna,

30 ary 53.400 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.

31 Ka dia 157.600 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Dana, araka ny lehilahy voaisa. Ireo kosa no ho vodilalana manaraka ny fanevany avy.

32 Ireo no isan’ny zanak’i Israely voasoratra tamin’ny fanisana azy, araka ny fokom-pianakaviany avy. 603.550 no totalin’ny lehilahy voaisa, voatokotoko isan-tobiny araka ny antoko-miaramilany avy.

33 Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

34 Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.

Categories
Fanisana

Fanisana 3

A. Ny mpisorona

1 Izao no taranak’i Arôna sy i Môizy, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh tamin’i Môizy, teny an-tendrombohitra Sinaia.

2 Ny anaran’ny zanaka lahin’i Aarôna dia izao: Nadaba lahy matoa, Abiò, Eleazara, ary Itamara.

3 Ireo no anaran’ny zanak’i Aarôna, dia ireo mpisorona nandray ny fanosorana, voatokana hanao ny fisoronana.

4 I Nabada sy i Abiò dia maty teo anatrehan’i Iaveh tamin’izy nanatitra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh tany an’efitra Sinaia: tsy nanan-janaka izy ireo.

5 Ary i Eleazara sy i Itamara nanao ny fisoronana teo anatrehan’i Aarôna rainy.

B. Ny Levita sy ny raharahany

6 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe: «Ampanatony ny fokon’i Levì, ka apetraho eo anatrehan’i Aarôna mpisorona mba hanao ny raharahany.

7 Izy ireo no hiadidy ny zavatra rehetra iandraiketan’i Aarôna, sy iandraiketan’ny fiangonana rehetra, eo anoloan’ny trano lay fihaonana; ka hanatanteraka ny fanompoana momba ny Fonenana.

8 Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan’ny zanak’i Israely; izany no hanatanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana;

9 hatolotrao ny Levita ho an’i Aarôna sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin’ny zanak’i Israely.

10 Ary i Aarôna sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.»

D. Fifidianana ny Levita nasolo ny lahy matoa

11 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

12 «Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;

13 satria Ahy ny lahy matoa rehetra. Tamin’ilay andro namelezako ny lahy matoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanokanako ho Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’i Israely, na olona na biby fiompy; ka dia Ahy ireo, fa Izaho no Iaveh.»

E. Fanisana azy

14 Tany an’efitra Sinaia, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

15 «Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak’i Levỳ, ka ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no isao.»

16 Dia nataon’i Môizy ny fanisana azy ireo, noho ny tenin’i Iaveh, araka ny nandidiany azy.

17 Izao no zanaka lahin’i Levỳ, araka ny anarany avy: I Gersôna, i Kaata ary i Merarỳ.

18 Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Gersôna, araka ny fianakaviany: Lebnỳ sy Semeì.

19 Ny zanak’i Kaata araka ny fianakaviany dia i Amrama, i Hebrôna ary i Oziela.

20 Ny zanak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, dia i Moholỳ sy i Môizy. Ireo no fokon’i Levỳ araka ny fokom-pianakaviany avy.

21 Ny fokon’i Lebnỳ sy ny fokon’i Semeì dia avy amin’i Gersôna ka atao hoe fokon’ny Gersônita.

22 Ny voaisa tamin’izy ireo, tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ny voaisa dia dimanjato amby fito arivo.

23 Eo ivohon’ny Fonenana, amin’ny lafiny andrefana, no nitobian’ny Gersônita.

24 Ny filohan’ny fianakavian’ny Gersônita dia i Eliefaza zanak’i Laela.

25 Ny amin’ny trano lay fihaonana dia izao no niadidian’ny zanak’i Gersôna: ny Fonenana sy ny trano lay, ny rakony, ny varavarana lamba izay ao amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana;

26 ny fefy lamban’ny kianja, sy ny vavahady lamba amin’ny kianja izay manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy rehetra ilaina aminy.

27 Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.

28 Tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra dia 8.600 no isany, izay niandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.

29 Eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana no nitobian’ny fokon’ny zanaka lahin’i Kaata.

30 Ny filohan’ny foko iavian’ireo fianakavian’ny Kaatita, dia Elisafàna zanak’i Oziela.

31 Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.

32 I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona no lehiben’ny filohan’ny Levita, ka izy no mpitandrina an’ireo miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.

33 Ny fokon’ny Moholita sy ny fokon’ny Mosita dia avy amin’ny Merarỳ, ka ireo no fokon’ny Merarita.

34 Roan-jato amby enina arivo no isan’izy ireo, tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra.

35 Ny filohan’ny foko iavian’ny fianakavian’i Merarỳ, dia i Soriela zanak’i Abihaiela. Eo amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana no nitobian’izy ireo.

36 Napetraka tamin’ny zanaka lahin’i Merarỳ ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin’ny zavatra rehetra ilaina aminy,

37 ny andry manodidina amin’ny kianja, ny faladiany, ny tsîmany, ary ny kofehiny.

38 I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.

39 Ary nisy 22.000 no totalin’ny Levita voaisa tamin’ny fanisana nataon’i Môizy, araka ny nandidian’i Iaveh azy, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy.

F. Ny Levita sy ny fanavotana ny lahy matoa

40 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Alao isa ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ka isao ny anarany.

41 Dia ny Levita no alainao ho Ahy, fa Izaho no Iaveh, dia ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny zanak’i Israely.»

42 Dia nisain’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh azy, ny lahy matoa rehetra tamin’ny zanak’i Israely,

43 ka nisy 22.273 ny lahy matoa rehetra voaisa, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, nisaina araka ny anarany avy.

44 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

45 «Alao ny Levita ho solon’ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny koa, ka dia ho Ahy ny Levita; Izaho no Iaveh.

46 Ny amin’ny avotr’ireo lahy matoa 273 amin’ny zanak’i Israely, izay mihoatra isa noho ny Levita,

47 dia sikla dimy isan’olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gerà roapolo avy, no handraisanao azy;

48 ary homenao an’i Aarôna sy ny zanany ny vola, ho avotr’ireo mihoatra ny isan’ny Levita.»

49 Dia noraisin’i Môizy ny vola avotr’ireo nihoatra isa ka navotan’ny Levita;

50 ka sikla 1.365, araka ny sikla masina, no vola noraisiny tamin’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely.

51 Nomen’i Môizy an’i Aarôna sy ny zanany izany vola avy amin’ny fanavotana izany, araka ny tenin’i Iaveh, dia araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Categories
Fanisana

Fanisana 4

A. Ny Kaatita

1 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

2 Isao ny taranak’i Kaata amin’ny taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy,

3 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin’ny dimampolo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

4 Izao no raharaha hataon’ny taranak’i Kaata ao amin’ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindraizy.

5 Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;

6 ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.

7 Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapoaka, ary ny kôpy amin’ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin’ny latabatra.

8 Hovelarany lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon’ny latabatra.

9 Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy;

10 ary hataony ao anatin’ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana izy.

11 Ny ôtely volamena dia hovelariny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony.

12 Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin’ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.

13 Hoesoriny ny lavenona eo amin’ny ôtely dia hovelarany lamba jaky mena mangatrakatraka eo amboniny;

14 ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny ôtely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony.

15 Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masinaanefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.

16 I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, no hitandrina ny diloilon’ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin’izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.

17 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

18 Tandremo sao voafongotra ny fokon’ny fianakavian’ny Kaatita eo afovoan’ny Levita.

19 Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,

20 fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipỳ maso aza, fandrao maty izy.

B. Ny Gersônita

21 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

22 Isao koa ny taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy;

23 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

24 Izao no fanompoana hataon’ny fokon’ny Gersônita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany:

25 Hitondra ny ambain’ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin’ny firakony sy ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana,

26 ny fefy lamban’ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany.

27 I Aarôna sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon’ny taranaky ny Gersônita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny.

28 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanaky ny Gersônita amin’ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin’ny fitandreman’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

D. Ny Merarita

29 Alao isa ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

30 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

31 Ka izao no omena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany,

32 ny andry amin’ny kianja manodidina azy, ny faladian’ireo, ny tsîmany, ny kofehiny, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran’ny zavatra nomeny hoentiny.

33 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanak’i Merarỳ, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

Fanisana ny Levita

34 Ary i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

35 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

36 Dia 2.750 no isan’ny voaisa araka ny fianakaviany.

37 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

38 Ny voaisa tamin’ny taranak’i Gersôna araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

39 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana,

40 dia 2.630 no voaisa araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy.

41 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Gersôna, dia izay rehetra nanao fanompoana ao amin’ny trano lay fihaonana. Didin’i Iaveh no nanaovan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

42 Ny voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

43 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana,

44 dia 3.200 no voaisa, araka ny fianakaviany avy.

45 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ. Didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

46 Ny voaisa rehetra tamin’ny Levita, izay nisain’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’i Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

47 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manana anjara raharaha amin’ny fanompoana sy ny fitondrana entana momba ny trano lay fihaonana,

48 dia 8.580 no voaisa.

49 Noho ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy izy ireo.

Categories
Fanisana

Fanisana 5

Fanesorana ny olona maloto

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.

3 Avoahy any ivelan’ny toby avokoa ireny, na lahy na vavy mba tsy handoto ny tobiny, izay onenako eo afovoany.

4 Dia nataon’ny zanak’i Israely izany, ka navoakany any ivelan’ny toby ireny: araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy no nataon’ny zanak’i Israely.»

Fanonerana

5 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

6 «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin’i Iaveh manao fahotana isan’ireo mahafaty antoka ny namana, fa tsy manaraka an’i Iaveh, ka dia meloka izy,

7 dia tsy maintsy hiaiky fa fahotany, sy hamerina ny zavatra rehetra azony tsy an-drariny, tongoaviny ny fahadiminy, hatolony amin’izay olona nanaovany hadisoana.

8 Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo amerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an’i Iaveh izany zavatra izany, ho an’ny mpisorona, miaraka amin’ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an’ilay meloka.

9 An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;

10 azy avokoa ny zavatra atokan’ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen’ny olona ho an’ny mpisorona dia ho azy.»

Ny fanati-piahiahiana

11 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

12 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ny lahy,

13 fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin’ny mason’ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy,

14 raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny manao fahalotoana, na raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny tsy manao fahalotoana,

15 dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io.

16 «Ary ny mpisorona hampanatona an-dravehivavy hitsangana eo anatrehan’i Iaveh;

17 dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin’ny tanin’ny Fonenana ny rano.

18 Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.

19 Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.

20 Fa raha nivily kosa nanao fahalotoana ianao, dieny mbola eo am-pelatanan’i vadinao, fa lehilahy hafa afa-tsy ny vadinao no nandry taminao,

21 dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin’ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: ‹Aoka i Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin’ny firenenao, ka hampifezaka ny ilànao sy hampivonto ny kibonao,

22 ary aoka ity rano mitondra ozona ity no hiditra ao an-kibonao, ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny ilanao.› Dia hiteny ravehivavy hanao hoe: ‹Amen, amen.›

23 «Hosoratan’ny mpisorona amin’ny horonan-taratasy izany fanozonana izany, vao hosasany amin’ny rano mangidy indray,

24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona ary hiditra ao anatiny ka ho mangidy aminy ny rano mitondra ozona.

25 «Dia halain’ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tanan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh sy hoentiny eo akaikin’ny ôtely.

26 Ary handraofany eran-tanana ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; raha efa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.

27 Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.

28 Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka.

29 «Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatanan’ny lahy, nivily nanao fahalotoana;

30 na misy lehilahy azon’ny fiahiahiana, ka miahiahy ny vadiny, dia hasainy mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vadiny, ary hampiharin’ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany;

31 ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.»

Categories
Fanisana

Fanisana 6

Ny hoe «nazira»

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,

3 dia hifady divay amam-pisotro mahamamo izy; tsy hisotro vinaingitra avy amin’ny divay na vinaingitra avy amin’ny fisotro mahamamo. Rehefa mety ho ranom-boaloboka koa na ny lena na ny maina.

4 Mandritra ny fotoana rehetra maha nazareàna azy, dia tsy hihinan-javatra avy amin’ny voaloboka izy, hatramin’ny voany ka hatramin’ny hodiny.

5 Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiny ho nazareàna, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan’i Iaveh, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany.

6 Mandritra ny fotoana rehetra itokanany ho hajan’i Iaveh dia tsy hiditra am-paty izy;

7 na dia ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza no maty, dia aoka tsy handoto tena amin’ireo izy, fa efa eo an-dohany ny fitokanany ho an’ny Andriamaniny.

8 Voatokana ho an’i Iaveh izy, amin’ny fotoana rehetra maha-nazareàna azy.

9 Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin’ny fandiovany azy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy.

10 Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa amin’ny mpisorona izy, eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

11 Ary ny mpisorona hanolotra ny anankiray ho sorona noho ny ota, ny iray kosa sorona dorana, dia hanao ny fanonerana ho azy, noho ny otany ny amin’ny faty. Hanokana ny lohany ilay nazareàna amin’izany andro izany.

12 Hanokana ho an’i Iaveh ny andro haha-nazareàna azy, ary hanatitra zanak’ondry anankiray, efa iray taona, izy, ho fanati-panonerana; ary ny andro teo aloha dia ho very noho ny fitokanany efa voaloto.

13 «Izao no lalàna mahazo ny nazareàna: Rehefa tapitra ny andro maha nazareàna azy, dia asaina mankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy;

14 ka hanatitra ny fanatiny ho an’i Iaveh, zanak’ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondry vavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondry lahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana;

15 ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin’ny lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka.

16 Hatolotry ny mpisorona ho an’i Iaveh ireo; hatolony koa ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana.

17 Dia hatolony ny ondralahy ho fanati-pihavanana amin’i Iaveh, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay iray harona, ary hataon’ny mpisorona ny fanatitra amam-panatitra araraka momba azy.

18 Ilay nazareàna kosa hanaratra ny lohany voatokana, eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; dia halainy ny volon-dohany voatokana ka hataony ao amin’ny afo eo ambanin’ny fanati-pihavanana.

19 Ary halain’ny mpisorona ny sorok’ondralahy rehefa masaka, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay amin’ny harona, ka hataony eo an-tanan’ilay nazareàna, rehefa voaharatra ny lohany voatokana,

20 dia hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehan’i Iaveh ireo. Zava-masina anjaran’ny mpisorona izany, fanampin’ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian’izany, dia mahazo misotro divay ny nazareàna.

21 «Izany no lalàna ny amin’ny nazareàna izay nivoady, izany no fanatiny ho an’i Iaveh amin’ny maha nazareàna azy, afa-tsy izay azony atao araka ny ananany. Araka ny voady nataony no hanatanterahany ny lalàna ny amin’ny maha nazareàna azy.»

Teny fitsofan-drano

22 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

23 «Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany hoe: Hitso-drano ny zanak’i Israely ianareo, dia hanao aminy hoe:

24 ‹Hitahy anao sy hiaro anao anie i Iaveh.

25 Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh.

26 Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie i Iaveh.›

27 Dia izany no hametrahany ny Anarako amin’ny zanak’i Israely, ary Izaho hitahy azy.»

Categories
Fanisana

Fanisana 7

Fanatitra sarety

1 Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,

2 dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin’i Israely izay filohan’ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan’ny isam-poko izay nitarika ny fanisana.

3 Nentiny teo anatrehan’i Iaveh ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin’ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin’ny filohany roa, ary omby iray, avy amin’ny filohany iray. Teo anoloan’ny Fonenana no nanolorany an’ireo.

4 Dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

5 «Raiso ireo zavatra avy aminy ireo, hoentina hanaovana ny raharaha momba ny trano lay fihaonana, ka omeo ny Levita, samy araka izay ilainy amin’ny raharahany avy.»

6 Dia noraisin’i Môizy ny sarety sy ny omby, ka napetrany amin’ny Levita.

7 Sarety roa sy omby efatra no nomeny ny taranak’i Gersôna, araka ny ilainy amin’ny raharahany.

8 Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomen’ny taranak’i Merarỳ, fehin’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona, araka izay ilainy amin’ny raharahany.

9 Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.

Fanatitra hitokanana ny ôtely

10 Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.

11 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aoka hisy iray isan’andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin’ny fitokanana ny ôtely.»

12 Ka tamin’ny andro voalohany, dia i Nahasôna, zanak’i Aminadaba, avy amin’ny fokon’i Jodà no nanolotra ny fanatiny.

13 Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo ireo, ho fanatitra;

14 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

15 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry efa iray taona, iray, ho sorona dorana,

16 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

17 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.

18 Tamin’ny andro faharoa, i Natanaely zanak’i Soara, filohan’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny.

19 Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra izy roa ireo, ho fanatitra,

20 lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra,

21 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

22 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

23 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Natanaely zanak’i Soara.

24 Tamin’ny andro fahatelo dia an’i Eliaba zanak’i Helona, filohan’ny taranak’i Zabolôna.

25 Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

26 lovia kely volamena, folo sikla, feno zava-manitra;

27 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

28 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

29 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Eliaba, zanak’i Helona.

30 Tamin’ny andro fahefatra dia an’i Elisora zanak’i Sedeora, filohan’ny tarana-dRobena;

31 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

32 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

33 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, sorona dorana;

34 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

35 ary omby roa, ondralahy dimy, zanak’ondry dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Elisora zanak’i Sedeora.

36 Tamin’ny andro fahadimy, an’i Salamiela zanak’i Sorisadaia, filohan’ny zanak’i Simeôna,

37 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

38 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra,

39 vantotr’ombalahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana,

40 osy lahy iray ho sorona noho ny ota,

41 ary omby roa, ondrilahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Salamiela, zanak’i Sorisadaia.

42 Tamin’ny andro fahenina an’i Eliazafa, zanak’i Doela, filohan’ny zanak’i Gada,

43 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

44 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

45 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

46 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

47 ary omby roa, ondrilahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Eliefaza zanak’i Doela.

48 Tamin’ny andro fahafito, an’i Elisamà zanak’i Amioda, filohan’ny zanak’i Efraima;

49 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

50 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

51 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

52 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

53 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Elisamà zanak’i Amioda.

54 Tamin’ny andro fahavalo, an’i Gamaliela, zanak’i Fadasora, filohan’ny zanak’i Manase;

55 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

56 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

57 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

58 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota,

59 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Gamaliela zanak’i Fadasora.

60 Tamin’ny andro fahasivy an’i Abidàna zanak’i Jedeôna, filohan’ny zanak’i Benjamina;

61 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

62 lovia kely volamena iray, feno zava-manitra;

63 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

64 osy lahy iray ho sorona noho ny ota;

65 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Abidàna, zanak’i Jedeôna.

66 Tamin’ny andro fahafolo, an’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa, filohan’ny zanak’i Dana;

67 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

68 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra,

69 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

70 osy lahy iray ho sorona noho ny ota;

71 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa.

72 Tamin’ny andro faha-11, an’i Fegiela zanak’i Okrana, filohan’ny zanak’i Asera;

73 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

74 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

75 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana,

76 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

77 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Fegiela zanak’i Okrana.

78 Tamin’ny andro faha-12, an’i Ahirà, zanak’i Enàna, filohan’ny zanak’i Neftalì;

79 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;

80 lovia kely volamena iray, 10 sikla, feno zava-manitra;

81 vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana;

82 osy lahy iray, ho sorona noho ny ota;

83 ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Ahirà zanak’i Enàna.

84 Ireo no fanomezana avy amin’ny filohan’i Israely, tamin’ny fitokanana ny ôtely, tamin’ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy 12, kapoaka volafotsy 12, ary lovia kely volamena 12.

85 Ny lovia volafotsy lanjana 130 sikla avy; ary ny kapoaka, 70 avy, ka 2.400 sikla, araka ny sikla masina, no totalin’ny volafotsy amin’ireo fanaka ireo,

86 Ny lovia kely volamena 12, feno zava-manitra, dia samy 10 sikla avy, araka ny sikla masina; 120 sikla no totalin’ny volamenan’ny lovia kely.

87 Ny totalin’ny biby hatao sorona, dia vantotr’ombalahy 12; ondralahy 12 sy zanak’ondry 12, efa iray taona, mbamin’ny fanatitra momba azy; osy lahy 12, hatao sorona noho ny ota;

88 Ny totalin’ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby 24, ondralahy 60, osy lahy 60, ary zanak’ondry efa iray taona 60. Ireo no fanomezana naterina tamin’ny fitokanana ny ôtely, nony efa voahosotra izy.

89 Raha niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy, mba hiteny amin’i Iaveh, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin’ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, anelanelan’ny kerobima roa.

Ary niteny taminy izy.

Categories
Fanisana

Fanisana 8

Ny jiro eo amin’ny fanaovan-jiro

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Mitenena amin’i Aarôna, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro ianao, dia ataovy manazava eo anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy fito.»

3 Dia nataon’i Aarôna izany, napetrany eo amin’ny anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

4 Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Môdely nasehon’i Iaveh an’i Môizy no nanaovany azy

Atokana ho an’i Iaveh ny Levita

5 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

6 «Avaho amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka diovy. Toy izao no hanadiovanao azy:

7 Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy.

8 Dia haka vantotr’ombalahy iray izy ireo mbamin’ny fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, ary haka vantotr’ombalahy iray hafa ianao, ho sorona noho ny ota.

9 Hasainao mandroso eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorìnao ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.

10 Ny Levita, hasainao manatona eo anatrehan’i Iaveh, ary ny zanak’i Israely hametraka ny tanany amin’ny Levita.

11 I Aarôna hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh, avy amin’ny zanak’i Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan’i Iaveh izy ireo.

12 Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.

13 Dia asaovy mijoro eo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an’i Iaveh.

14 Havahanao amin’ny zanak’i Israely ny Levita, ka dia ho Ahy ny Levita;

15 ary raha efa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin’ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva.

16 Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,

17 dia ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby; tamin’ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho Ahy.

18 Ary ny Levita no nalaiko ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra;

19 dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»

20 Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.

21 Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary i Aarôna nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan’i Iaveh sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy;

22 raha efa izany dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin’ny trano lay fihaonana teo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany. Araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny Levita, dia araka izany no natao tamin’izy ireo.

Taona hiasany

23 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

24 «Izao ny amin’ny Levita: Hatramin’ny 25 taonano ho miakatra, dia hilatsaka hanao ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana izy ireo hanaovany raharaha ao.

25 Rehefa dimampolo taona izy, dia hiala amin’ny raharaha ka tsy hanao ny fanompoana intsony.

26 Hanampy ny rahalahiny ihany izy ao an-trano lay fihaonana, hitandrina izay rehetra tsy maintsy arahina, fa tsy hanao ny fanompoana intsony izy. Izany no hataonareo amin’ny Levita momba ny raharahany.»

Categories
Fanisana

Fanisana 9

Datin’ny Paka

1 Tamin’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa taorian’ny nivoahany tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh tany an’efitra Sinaia, ka nanao hoe:

2 «Aoka ny zanak’i Israely hanao ny Paka amin’ny fotoana voatendry.

3 Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny andro faha 14n’ity volana ity, amin’ny àty takariva no hanaovanareo azy: io no fotoana voatendry; ataonareo izany araka ny lalàna amam-pitsipika rehetra momba azy.»

4 Dia niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy mba hanaovan’izy ireo ny Paka.

5 Ka tamin’ny andro faha 14n’ny volana voalohany, tamin’ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an’efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Zava-mitranga manokana

6 Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Môizy sy i Aarôna androtr’izay ihany izy ireo, ka nanao tamin’i Môizy hoe:

7 «Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»

8 Hoy ny navalin’i Môizy azy: «Andraso aloha handrenesako izay handidian’i Iaveh anareo.»

9 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

10 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin’ny taranakareo, maloto am-paty na lasa nivahiny an-tany lavitra, dia hanao ny Pakaho hajan’i Iaveh izy;

11 amin’ny andro faha 14n’ny volana faharoa kosa, amin’ny àty takariva no hanaovany azy: mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy no hiara-kohaniny aminy.

12 Tsy hamelany hisy tra-maraina izy, ary tsy hotapahiny ny taolany. Ho araka ny fitsipika rehetra momba ny Paka no hankalazany azy.

13 Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy.

14 Raha vahinymitoetra eo aminareo no manao ny Pakan’i Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an’ny vahiny na ho an’ny tompon-tany.»

Ny andry rahona

15 Tamin’ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan’ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain’ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin’afo teo ambonin’ny Fonenana hatramin’ny hariva ka mandra-paharain’ny andro.

16 Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin’afo izy amin’ny alina.

17 Nony nisondrotra niala tamin’ny trano lay ny rahona, dia niainga nifindra toby ny zanak’i Israely; ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany.

18 Didy avy amin’i Iaveh no niaingan’ny zanak’i Israely nifindrany toby; didy avy amin’i Iaveh no nitobiany; ary naharitra nitoby teo izy mandritra izay nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana.

19 Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.

20 Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana; didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany.

21 Raha nipetraka hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo.

22 Raha nipetraka teo ambonin’ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak’i Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo.

23 Didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany: nitandrina ny didin’i Iaveh izy ireo, araka ny tenin’i Iaveh izay nomeny tamin’ny alalan’i Môizy.

Categories
Fanisana

Fanisana 10

Ny trômpetra

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Manaova trômpetra volafotsy roa; ka ataovy amin’ny volafotsy tefy manta izy. Hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny olona hifindra toby izy.

3 Nony tsofina ireo dia hivory ao aminao ny fiangonana rehetra ao anoloan’ny trano lay fihaonana.

4 Raha trômpetra iray ihany no tsofina, dia ny filohany, ny mpifehy ny arivo amin’i Israely no hivory ao aminao.

5 Raha tsofinao mikarantsana, dia ireo mitoby eo amin’ny lafiny atsinanana no hiainga.

6 Raha tsofinao mikarantsana fanindroany, dia ireo mitoby amin’ny lafiny atsimo no hiainga. Hotsofina mikarantsana amin’ny fiaingany.

7 Ary hotsofinao fa tsy atao mikarantsana amin’ny fiantsoana ny fiangonana.

8 Ireo mpisorona zanak’i Aarôna, no hitsoka ny trômpetra; lalàna ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany izany.

9 Any amin’ny taninareo raha handeha hiantafika amin’ny fahavalo mananika anareo ianareo, dia hitsoka ny trômpetra mikarantsana, ka ho tonga ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin’ny fahavalonareo.

10 Amin’ny andro fifalianareo sy amin’ny fetinareo, ary amin’ny voaloham-bolanareo, hitsoka ny trômpetra ianareo, eo am-panolorana ny sorona doranareo, sy ny sorom-pihavananareo, dia ho fampahatsiarovana anareo izany, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»

Baiko fiaingàna

11 Tamin’ny taona faharoa andro faha-20n’ny volana faharoa, dia nisondrotra niala teo ambonin’ny Fonenan’ny vavolombelona ny rahona.

12 Ka nanohy ny diany ny zanak’i Israely, dia niala tao amin’ny efitra Sinaia, ary tany amin’ny efitra Faràna no nijanona ny rahona.

13 Izany no niaingany voalohany araka ny didin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

14 Ny niainga voalohany, dia ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Jodà araka ny antokony avy; ary ny antokon’i Jodà, dia nofehezin’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.

15 Ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Isakara, dia nofehezin’i Natanaely zanak’i Soara;

16 ary ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Zabolôna, dia nofehezin’i Eliaba, zanak’i Helona.

17 Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak’i Gersôna sy ny zanak’i Merarỳ.

18 Dia niainga ny fanevan’ny tobin-dRobena araka ny antokony avy, ary ny antokony dia nofehezin’i Elisora, zanak’i Sedeora;

19 ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Simeôna, dia nofehezin’i Salamiela, zanak’i Sorisadaia,

20 ary ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Gada, nofehezin’i Eliazafa, zanak’i Doela.

21 Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.

22 Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Efraima, araka ny antokony avy; ary ny antokony dia nofehezin’i Amioda;

23 ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Manase dia nofehezin’i Gamaliela zanak’i Fadasora,

24 ary ny antokon’ny fokon’i Benjamina dia nofehezin’i Abidàna, zanak’i Jedeôna.

25 Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Dana, araka ny antokony avy; izy no vodilalan’ny toby rehetra. Ny antokon’i Dana dia nofehezin’i Ahiezera zanak’i Amisadaia;

26 ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Asera dia nofehezin’i Fegiela zanak’i Okrana;

27 ary ny antokon’ny zanak’i Neftalì dia nofehezin’i Ahirà, zanak’i Enàna.

28 Izany no filaharan’ny zanak’i Israely teny an-dalana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo.

Tolo-kevitr’i Môizy tamin’i Hobaba

29 Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»

30 Fa izao no navalin’i Hobaba azy: «Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.»

31 Dia hoy i Môizy: «Masìna ianao, aza dia ilaozanao izahay, fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay any an’efitra; ka dia ianao no ho masonay.

32 Raha miaraka aminay ianao, dia hataonay miombona izay soa hataon’i Iaveh aminay.»

Niainga ny dia

33 Nony niala tany an-tendrombohitr’i Iaveh izy ireo dia nandeha lalan-kateloana, ary nandritra izany dia, nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran’ny faneken’i Iaveh nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo.

34 Ary rehefa niala tamin’ny toby izy ireo, dia eo amboniny mandritra ny andro ny rahon’i Iaveh.

35 Nony niainga ny fiara, dia hoy i Môizy: «Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny Tavanao izay mankahala Anao.»

36 Nony nijanona kosa indray izy dia hoy izy: «Avia, ry Iaveh, miverena amin’ny isan’arivon’i Israely tsy omby alinalina.»