Categories
Fanisana

Fanisana 11

Tabeerà

1 Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.

2 Dia nibabababa tamin’i Môizy ny vahoaka, ary i Môizy nifona tamin’i Iaveh, ary maty ny afo.

3 Noho ny afon’i Iaveh nirehitra tamin’izy ireo, dia nomena anarana hoe Tabeerà io fitoerana io.

Monomonon’ny vahoaka

4 Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin’i Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza re no mba hanome hena hohaninay?

5 Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe sy ny tongolon-kova.

6 Izao kosa maina ny aina; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.»

7 Nitovy amin’ny voan-koriandao ny mana, toy ny bdeliômany tarehiny.

8 Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin’ny laona, dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.

9 Amin’ny alina filatsahan’ny ando amin’ny toby, no nilatsahan’ny mana ao koa.

Tarainan’i Môizy

10 Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany, isam-pianakaviany avy, eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’i Iaveh.

11 Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?

12 Izaho va no torontoronina an’ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?

13 Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay.

14 Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra.

15 Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.»

Ny navalin’i Iaveh

16 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao.

17 Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.

18 Izao no lazao amin’ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareoho amin’ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina ianareo, fa nitomany ka ren’ny sofin’i Iaveh ianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! Koa homen’i Iaveh hena ianareo, dia hihinananareo izany.

19 Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany,

20 fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»

21 Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.

22 Ny omby aman’ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy sa ny hazan-drano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy?»

23 Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.»

Ny nidinan’ny Fanahy

24 Dia nivoaka i Môizy, ka nilaza ny tenin’i Iaveh tamin’ny vahoaka, ary nanangona 70 lahy tamin’ny loholon’ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay.

25 Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.

26 Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin’izy ireo ny fanahy; anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy.

27 Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: «Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada.»

28 Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: «Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy.»

29 Fa hoy ny navalin’i Môizy azy: «Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’i Iaveh, ary hataon’i Iaveh ao aminy ny fanahiny.»

30 Dia nihataka nankeo an-toby i Môizy sy ny loholon’i Israely.

Ny papelika

31 Ary nisy rivotra nifofofofo avy amin’i Iaveh ka nitondra papelika avy any amin’ny ranomasina, sy nandatsaka azy teny amin’ny toby, ka tokony ho lalana indray andro amin’ny lafiny iray manodidina ny toby no nisy azy, ary sahabo ho roa hakiho ambonin’ny tanyizy.

32 Dia nitsangana ny vahoaka ary nandritra izany andro izany, sy nandritra ny alina, ary ampitso tontolo andro, dia nanangona ny papelika; izay kely fanangona no nahazo folo gômôra, ary nahahiny izany manodidina ny toby mba ho azy ireo.

33 Kanjo raha mbola teo am-bavany ny hena, fa mbola tsy lany akory, dia nirehitra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’i Iaveh, ka nasian’i Iaveh tamin’ny loza mafy indrindra ny vahoaka.

34 Nomena anarana hoe Kibrôta-Hataavà izany fitoerana izany, fa tao no nandevenana ny vahoaka izay nirehitry ny fahalianan-kanina.

35 Niainga avy tao Kibrôta-Hataavà ny vahoaka ho any Hazerôta, dia nijanona tao Hazerôta.

Categories
Fanisana

Fanisana 12

Monomonon’i Maria sy i Aarôna

1 Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.

2 Hoy izy ireo: «Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no nitenenan’i Iaveh? Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va izy?»

3 Ren’i Iaveh izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany.

Valy nataon’Andriamanitra

4 Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria i Iaveh nanao hoe: «Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana.» Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy.

5 Ary i Iaveh nidina tamin’ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran’ny trano lay. Niantso an’i Aarôna sy i Maria izy, dia nandroso izy mianadahy ireo;

6 ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.

7 Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.

8 Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iavehizy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»

9 Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’i Iaveh, ka lasa Izy.

10 Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.

Tarainan’i Aarôna sy i Môizy

11 Ary hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany.

12 Aoka re tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.»

13 Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy.»

14 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan’ny toby izy hafitoana, fa rehefa afaka izany vao horaisina ao indray.»

15 Natokana hafitoana tany ivelan’ny toby i Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray i Maria.

16 Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerôta ny vahoaka ka nitoby tao amin’ny efitra Faràna.

Categories
Fanisana

Fanisana 13

Mpisafo tany, tany Kanaana

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

2 «Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin’izy ireo avy.»

3 Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.

4 Ireto no anarany: Samoà zanak’i Zekora, avy amin’ny fokon-dRobena;

5 Safata zanak’i Hori, avy amin’ny fokon’i Simeôna;

6 Kaleba zanak’i Jefone, avy amin’ny fokon’i Jodà;

7 Igala zanak’i Josefa, avy amin’ny fokon’i Isakara;

8 Ozea, zanak’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraima;

9 Faltỳ, zanak’i Rafò avy amin’ny fokon’i Benjamina;

10 Gediela, zanak’i Sodỳ, avy amin’ny fokon’i Zabolôna;

11 Gadì, zanak’i Sozì, avy amin’ny fokon’i Josefa, fokon’i Manase;

12 Amilea, zanak’i Gemalì avy amin’ny fokon’i Dana;

13 Sotora, zanak’i Mikaela, avy amin’ny fokon’i Asera;

14 Nahabì, zanak’i Vapsì, avy amin’ny fokon’i Neftalì;

15 Goela, zanak’i Makì, avy amin’ny fokon’i Gada.

16 Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe.

17 Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.

18 Hozahanareo ny tany, ny toetrany, ary ny olona monina eo aminy, na matanjaka na osa izy ireo, na vitsy na maro;

19 ny toetry ny tany onenany, na tsara na ratsy, ny toetry ny tanàna onenany, na tsy mimanda na mimanda;

20 ny toetry ny tany na lali-nofo na marivo nofo, na misy hazo na tsia. Mahereza tsara ary mangalà amin’ny vokatry ny tany.» Voaloham-pahavokaran’ny voaloboka tamin’izay.

21 Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.

22 Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.

23 Nony tonga tao amin’ny lohasaha Eskôla izy ireo dia nanapaka rantsam-boaloboka iray nisy sampahony, ka roa lahy izy no nilanja an’io tamin’ny hazo lava; naka ampongabendanitra sy aviavy koa izy.

24 Noho ny sampahom-boaloboka notapahin’ny zanak’i Israely teo, dia nomena anarana hoe Lohasahan’i Eskôla io fitoerana io.

Tatitry ny mpisafo tany

25 Nony afaka 40 andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.

26 Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.

27 Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: «Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any.

28 Fa ny vahoaka monina any, mahery; ny tanàna, sady mimanda no lehibe; ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.

29 I Amaleka no monina amin’ny faritanin’ny Negeba; ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreana no monina amin’ny tendrombohitra; ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina sy ny amoron’i Jordany.»

30 Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»

31 Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy: «Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany, fa mahery noho isika izy.»

32 Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy: «Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy; ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;

33 ary hitanay tany koa ny Rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny Rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.»

Categories
Fanisana

Fanisana 14

Fiodinan’i Israely

1 Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.

2 Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny zanak’i Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin’izy ireo: «Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty atỳ amin’ity efitra ity.

3 Nahoana no dia nentin’i Iaveh amin’ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika ho lasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?»

4 Dia nifampilaza hoe izy: «Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta.»

5 Nidaboka niankohoka teo anatrehan’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tafavory i Môizy sy i Aarôna.

6 Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,

7 ary niteny toy izao tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra izy ireo: «Tany tsara indrindra ny tany notetezinay nosafoina.

8 Raha ankasitrahin’i Iaveh isika, dia hampiditra antsika amin’izany tany izany Izy sy hanome azy antsika; tany tondra-dronono aman-tantely izany.

9 Fa aza miodina amin’i Iaveh kosa ianareo, ary aza matahotra ny olona amin’izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan’izy ireo efa niala taminy, ary isika omban’i Iaveh, ka aza matahotra azy ireo.»

Hatezeran’i Iaveh sy tarainan’i Môizy

10 Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an’ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitr’i Iaveh niseho teo amin’ny trano lay fihaonana, teo imason’ny zanak’i Israely rehetra.

11 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?

12 Hasiako amin’ny pesta sy hofongorako izy, ary ianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy.»

13 Fa hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Efa ren’ny Ejiptianina, fa ny herinao no nitondranao ity vahoaka ity niakatra avy tany afovoany; ary efa nolazainy tamin’ny mponina amin’ity tany ity izany.

14 Efa ren’izy ireo, fa Ianao Iaveh no eo afovoan’ity vahoaka ity, Ianao Iaveh no miseho mifanatrika ao; ary ny rahonao no mijanona eo amboniny. Ianao no mandeha eo alohany, amin’ny andry rahona, ny antoandro, ary amin’ny andry afo, ny alina.

15 Koa raha vonoinao toy ny singan’olona ity vahoaka ity, ny firenena izay nandre filazana momba Anao dia hanao hoe:

16 ‹Tsy zakan’i Iaveh ny nampiditra iny vahoaka iny amin’ny tany efa nianianany homena azy, ka izany no namonoany azy tany an’efitra.›

17 Koa ankehitriny, aoka hiseho ho lehibe ny fahefan’ny Tompo, araka ilay voalazanao hoe:

18 Ela vao mitezitra i Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy nataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.

19 Avelao ny helok’ity vahoaka ity, araka ny halehiben’ny famindram-ponao toy ny efa namelanao an’ity vahoaka ity, hatrany Ejipta ka hatreto!»

Famelan-keloka sy sazy

20 Ary hoy i Iaveh: «Mamela araka ny hatakao Aho.

21 Kanefa velona Aho, ary ho feno ny voninahitr’i Iaveh ny tany rehetra!

22 Ka ireo olona rehetra nahita ny voninahitro amam-pahagagana nataoko tany Ejipta sy tany an’efitra, ireo izay efa naka fanahy Ahy impolo sahady, sady tsy nihaino ny feoko,

23 dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira Ahy ireo.

24 Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany.

25 Ny Amalesita sy ny Kananeanina no monina amin’ny lohasaha; koa rahampitso mihodìna ianareo ary miaingà ho any an’efitra amin’ny lalan’ny Ranomasina Mena.»

26 Niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

27 «Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.

28 Lazao amin’izy ireo hoe: Velona Aho, hoy i Iaveh; hataoko aminareo izay noteneninareo tamin’ny sofiko.

29 Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

30 dia tsy hisy hiditra amin’ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.

31 Fa ny zanakareo, izay nolazainareo hoe ho lasan-ko babo, no hampidiriko any; dia izy ireo no hahalala ny tany izay nataonareo tsinontsinona.

32 Ny anareo kosa, dia ny fatinareo no hiampatrampatra atỳ an’efitra,

33 ary ny zanakareo hiroaka ny biby fiompy any an’efitra, mandritra ny efapolo taona, fa hivesatra ny valin’ny fivadihanareo izy mandra-pahalevona ny fatinareo rehetra atỳ an’efitra.

34 Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany – fa soloana taona iray ny andro iray, no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo, ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo.

35 Izany no nentiko, Izaho Iaveh. Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona atỳ an’efitra atỳ izy, ho faty atỳ.»

36 Ireo lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany, ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra taminy nony tafaverina, fa nanao laza ratsy ny tany,

37 ireo lehilahy ireo izay nanao laza ratsy ny tany dia maty voan’ny loza teo anatrehan’i Iaveh.

38 I Jôsoe zanak’i Nona sy i Kaleba zanak’i Jefone no velona tamin’ireo lehilahy nisafo ny tany.

Andran’ny Israelita very maina

39 Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely rehetra izany teny izany, ka safotr’alahelo mafy ny vahoaka.

40 Nifoha maraina koa izy ireo, dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra, ka nanao hoe: «Indreto izahay hiakatra any amin’ny fitoerana voalazan’i Iaveh, fa efa nanota izahay.»

41 Hoy i Môizy: «Nahoana ianareo no mandika ny didin’i Iaveh? Tsy hahomby ianareo amin’izany.

42 Aza miakatra, fa tsy eo afovoanareo i Iaveh, ka aza mitolo-batana ho resin’ny fahavalonareo.

43 Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeanina, ka ho lavon’ny sabatra ianareo, satria nivily tsy hanaraka an’i Iaveh ianareo, ka tsy homba anareo i Iaveh.»

44 Nanao ditra niakatra teo an-tampon’ny tendrombohitra ihany izy ireo, nefa ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ary i Môizy tsy niala teo afovoan’ny toby;

45 ka nirotsahan’ny Amalesita sy ny Kananeanina izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy, dia nasiany sy nataony lambam-bary hatrany Hormà.

Categories
Fanisana

Fanisana 15

Fanatitra ampiarahina amin’ny sorona

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao azy hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany honenanareo sy omeko anareo ianareo,

3 ka hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, na sorona dorana, na sorona fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na amin’ny fetinareo, mba hisy hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh avy amin’ny omby na ondrinareo;

4 izay hanao ny fanatitra ho an’i Iaveh, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra,

5 hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.

6 Raha ondralahy no atao sorona dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo ampahatelon’ny hina no hatolotrao ho fanatitra;

7 ary divay ampahatelon’ny hina no hatolotrao ho fanatitra araraka, mba ho fanolorana misy hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh.

8 Raha ombalahy no hatolotrao ho sorona dorana, na ho sorona fanalam-boady na ho sorom-pihavanana, amin’i Iaveh,

9 dia lafarina tsara indrindra, telo ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo antsasaky ny hina no hatolotrao miaraka amin’ny ombalahy ho fanatitra,

10 ary divay antsasaky ny hina, no hatolotrao ho fanatitra araraka: Sorona atao amin’ny afo, ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh izany.

11 Izany no hatao amin’ny isan’omby iray, sy isan’ondralahy iray, ary isan-janak’ondry na zanak’osy iray.

12 Araka ny isan’ny zavatra hatolotrareo hatao sorona, dia hanaovanareo toy izany tsirairay avy, araka ny isany.

13 Hataon’ny tompon-tany rehetra toy izany ireo zavatra ireo raha manatitra sorona atao amin’ny afo izy, ho fanatitra mahafinaritra ho an’i Iaveh.

14 Raha misy vahiny mitoetra eo aminareo, olona miara-monina aminareo, amin’ny taranaka mifandimby, na iza na iza, ka manatitra sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia toy ny hataonareo ihany no hataony.

15 Lalàna iray ihany no ho an’ny fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny monina eo aminareo; lalàna mandrakizay ho an’ny taranakareo izany: tsy hisy hafa na ny aminareo na ny amin’ny vahiny, eo anatrehan’i Iaveh.

16 Lalàna iray sy fitsipika iray no ho anareo sy ho an’ny vahiny mitoetra eo aminareo.

Santatra mofo

17 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, nanao hoe:

18 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany ampidirako anareo ianareo,

19 ka hihinana mofo avy amin’izany tany izany, dia avaho aloha izay fanatitra ho an’i Iaveh.

20 Ho santatry ny kobanareo, dia havahanareo aloha ny mofomamy iray hatao fanatitra; havahanareo izany toy ny fanavahana ny fanatitra avy eo am-pamoloana.

21 Ho santatry ny kobanareo, dia hanavaka izay ho fanatitra ho an’i Iaveh aloha ianareo, dia ianareo sy ny taranakareo.

Fanonerana ny ota tsy nahy

22 Raha manota tsy nahy ianareo, fa tsy mitandrina ireo didy rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy ireo,

23 dia izay rehetra nandidian’i Iaveh anareo tamin’ny alalan’i Môizy, hatramin’ny andro namoahan’i Iaveh ny didy ka hatramin’ny taranaka mandimby anareo,

24 raha misy nanota tsy nahy fa tsy fantatry ny fiangonana izany, dia hanatitra vantotr’ombalahy iray ny fiangonana rehetra, ho sorona dorana, ho fanatitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka momba azy, araka ny fomba voadidy, ary osilahy iray ho sorona noho ny ota.

25 Dia hanao ny fanonerana ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helony, satria ota vita tsy nahy izany sady efa nanolotra ny fanatiny izy, dia ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh sy ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny ota nataony tsy nahy.

26 Havela heloka ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, mbamin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, satria tsy nahy no nanotan’ny vahoaka rehetra.

27 Raha olona iray kosa no nanota tsy nahy, dia osy vavy iray, efa iray taona, no hateriny ho sorona noho ny ota.

28 Ny mpisorona hanao ny fanonerana, eo anatrehan’i Iaveh, ho an’ilay olona izay diso fa nanota tsy nahy, ka rehefa vita ny fanonerana natao ho azy, dia havela ny helony.

29 Amin’ny tompon-tany isan’ny zanak’i Israely sy amin’ny vahiny mitoetra eo aminareo dia lalàna iray ihany no ho anareo, raha misy manota tsy nahy.

30 Fa na tompon-tany na vahiny, ka sahy manao fanahy iniana kosa, dia olona maniratsira an’i Iaveh izany, ka hoesorina eo amin’ny fireneny.

31 Satria nanamavo ny tenin’i Iaveh izy sy nandika ny didiny, ka dia hoesorina izany olona izany, hivesatra ny fahotany.

Fandikana ny sabata

32 Raha mbola tany an’efitra ny zanak’i Israely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin’ny andro sabata.

33 Nentin’ireo nahita azy nanangona kitay hazo teo amin’i Môizy sy i Aarôna ary ny fiangonana rehetra izy.

34 Dia nambenana ralehilahy, fa mbola tsy tapaka izay hanaovana azy.

35 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Hovonoiko ho faty izany lehilahy izany, ka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy any ivelan’ny toby.

36 Dia navoakan’ny fiangonana rehetra tany ivelan’ny toby izy; ka notoraham-bato, dia maty, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ny sahondran’akanjo

37 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy:

38 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ary ilazao izy mba hanisy sahondra amin’ny zoron-dambany hatramin’ny taranaka mifandimby; ary hanisy kofehy jaky volomparasy amin’ny sahondra isan-jorony avy.

39 Ho sahondra ho anareo izany, ary ny fijerena izany dia hahatsiarovanareo ny didin’i Iaveh rehetra mba hanarahanareo azy rehetra, fa tsy hanarahanareo ny fonareo sy ny masonareo, izay mitarika anareo ho amin’ny fivadihana.

40 Hahatsiaro ny didiko rehetra ianareo amin’izany, ary hanaraka azy, ka ho masina ho an’ny Andriamanitrareo ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»

Categories
Fanisana

Fanisana 16

Niodina i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna

1 I Kôre, zanak’i Isaara, zanak’i Kaata, zanak’i Levỳ, miaraka amin’i Datàna sy i Abirôna, zanak’i Eliaba, ary i Hôna, zanak’i Feleta, izay zana-dRobena,

2 ary nikomy teo anatrehan’i Môizy izy ireo, dia lehilahy 250 amin’ny zanak’i Israely, filohan’ny fiangonana, sy voafidy hanatrika ny fivorian’ny mpanolo-tsaina ary olona manan-daza.

3 Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izayfa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»

4 Nony nandre izany i Môizy dia nidaboka niankohoka,

5 ka niteny tamin’i Kôre sy ny tariny rehetra nanao hoe: «Rahampitso dia hasehon’i Iaveh izay Azy sy izay masina, ka hampanakekeziny Azy: dia izay nofidiny no hampanakekeziny Azy.

6 Izao no ataovy: Makà fanembohana ianareo, ry Kôre sy ny tariny rehetra.

7 Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan’i Iaveh: izay hofidin’i Iaveh dia izay no masina. Ka aoka izay ry zanak’i Levỳ.»

8 Ary hoy i Môizy tamin’i Kôre: «Henoy àry, ry zanak’i Levỳ:

9 Ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan’ny Andriamanitr’i Israely anareo tamin’ny fiangonan’i Israely, ka nampandrosoany anareo ho akaiky Azy, mba hanao ny fanompoana momba ny Fonenan’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’ny fiangonana hanao ny fanompoany.

10 Nampandrosoiny ho akaiky Azy ianao, mbamin’ny rahalahinao rehetra, ny zanak’i Levì miaraka aminao, ka dia mitsiriritra ny ho mpisorona koa ve?

11 Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin’i Iaveh, ianao sy ny tarikao rehetra! Ary i Aarôna moa no inona, no izy no imonomononanareo?»

12 Dia nampiantso an’i Datàna sy i Abirôna i Môizy, fa hoy ireo: «Izahay tsy hiakatra.

13 Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an’efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa ianareo?

14 Eh, tsy tany tondra-dronono sy tantely no nitondranao anay; tsy saha aman-tanimboaloboka no natolotrao ho fanananay! Heverinao hopotsirina angaha ny mason’ireto olona ireto? Izahay tsy hiakatra.»

15 Tezitra indrindra i Môizy, ka hoy izy tamin’i Iaveh: «Aza asianao raharaha akory izay fanatitr’ireo, fa tsy mba naka tamin’ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza.»

Ny sazy

16 Hoy i Môizy tamin’i Kôre: «Rahampitso ianao sy ny tarikao rehetra mitoera eo anatrehan’i Iaveh, dia izy ireo sy ianao mbamin’i Aarôna.

17 Samia maka ny fanembohana ianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan’i Iaveh, dia ho fanembohana 250 izany; ary ianao sy i Aarôna koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.»

18 Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.

19 Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh.

20 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

21 «Mialà eo afovoan’ity fiangonana ity ianareo, handringanako azy indray mihelina monja.»

22 Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»

23 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

24 «Mitenena amin’ny fiangonana, lazao hoe: Mihataha ianareo rehetra, mialà amin’ny manodidina ny lain’i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna.»

25 Nitsangana nankeo amin’i Datàna sy i Abirôna i Môizy ary nisy nanaraka azy ny loholon’i Israely.

26 Ary niteny tamin’ny fiangonana Izy, nanao hoe: «Manalavira ianareo ny lain’ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa ianareo, azon’ny fahotany rehetra.»

27 Nihatahan’ny olona ny manodidina ny fonenan’i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna. Dia nivoaka i Datàna sy i Abirôna, ary nitoetra teo am-baravaran’ny lainy, niaraka tamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny.

28 Hoy i Môizy: «Izao no hahafantaranareo fa i Iaveh no naniraka ahy mba hanao ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy avy amiko izany.

29 Raha toy ny fahafatin’ny olona rehetra ihany no hahafaty an’ireo olona ireo, ary raha sahala amin’ny an’ny olona rehetra ihany no hanjò azy, dia tsy i Iaveh no naniraka ahy.

30 Fa raha manao zavatra tsy fandre kosa i Iaveh, raha ny tany no manoka-bava sy mitelina an’ireo mbamin’izay azy rehetra, ka midina velona any amin’ny fonenan’ny maty ireo, dia fantatrareo fa naniratsira an’i Iaveh ireo olona ireo.»

31 Raha vantany vao tapitra voalazany izany teny izany dia nivava teo ambanin’izy ireo ny tany.

32 Nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin’ny fianakaviany ary ny ankohonan’i Kôre rehetra sy ny fananany rehetra.

33 Latsaka velona tany amin’ny fonenan’ny maty ny tenan’izy ireo mbamin’izay azy rehetra, dia nikatona taminy ny tany, ka fongotra teo amin’ny fiangonana izy.

34 Nandositra i Israely rehetra nanodidina azy ireo, noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: «Ndrao dia atelin’ny tany koa isika.»

35 Ary nisy afo nivoaka avy ao akaikin’i Iaveh nandevona ireo 250 lahy nanatitra zava-manitra.

Categories
Fanisana

Fanisana 17

Ny fanembohana

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Ilazao i Eleazara, zanak’i Aarôna mpisorona, hanala ny fanembohana eny amin’ny may sy hanely ny afo any lavitra any, fa zava-masina ireny.

3 Aoka ny fanembohan’ireo olona nanota nihatra amin’ny ainy ireo, hofisahina ho takelaka manify mba handrakofana ny ôtely, fa efa naterina eo anatrehan’i Iaveh ireny, ka tonga zava-masina; dia ho famantarana ho an’ny zanak’i Israely izany.»

4 Dia nalain’i Eleazara mpisorona ny fanembohana varahina naterin’ireo olona levon’ny afo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny ôtely.

5 Fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan’ny taranak’i Aarôna handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan’i Iaveh, ka dia ho tahaka an’i Kôre sy ny tariny, araka izay nolazain’i Iaveh taminy, tamin’ny alalan’i Môizy.

Tarainan’i Aarôna

6 Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra nanao hoe: «Ianareo efa nahafaty ny vahoakan’i Iaveh.»

7 Fa raha ilay nivory hanohitra an’i Môizy sy Aarôna iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna, ka indro fa nanarona an’io ny rahona ary ny voninahitr’i Iaveh niseho.

8 Nandroso teo anoloan’ny trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna,

9 ka niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

10 «Mialà ianareo eo afovoan’ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina.» Dia niankohoka tamin’ny tany izy.

11 Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin’ny ôtely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana eo amin’ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza.»

12 Nalain’i Aarôna araka ny voalazan’i Môizy ny fanembohana, ka nihazakazaka nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro efa nanomboka ny loza eo amin’ny vahoaka. Dia nasiana zava-manitra ny fanembohana, ka nataony ny fanonerana ho an’ny vahoaka.

13 Nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza.

14 Ary nisy 14.700, no matin’io loza io, afa-tsy ireo maty noho ny amin’i Kôre.

15 Dia niverina nankeo amin’i Môizy teo anoloan’ny trano lay fihaonana i Aarôna ary efa nitsahatra ny loza.

Ny tehin’i Aarôna

16 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ary angalao tehina izy ireo, dia tehina iray avy isam-pokom-pianakaviany, dia tehina 12 izany no ho avy amin’ny filohany rehetra araka ny fokom-pianakaviany 12. Samy soraty eo amin’ny tehina ny anarany tsirairay avy.

18 Ny anaran’i Aarôna no soraty amin’ny tehin’i Levỳ, fa ho iray ny tehina isam-pilohan’ny fokom-pianakaviany avy.

19 Dia hapetrakao ao an-trano lay fihaonana ireo, eo anoloan’ny vavolombelona, izay hihaonako aminareo.

20 Izay lehilahy tompon’ny tehina hamony, dia izy no hofidiko, ka dia hampanginiko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely aminareo eo anatrehako.»

21 Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy, ka nanatitra tehina iray tamin’ny filohany rehetra, tehina iray isam-pilohany, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia tehina 12 izany, ary ny tehin’i Aarôna dia teo afovoan’ny tehin’izy ireo.

22 Napetrak’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny tehina, tao an-trano lay fihaonana.

23 Nony ampitso, niverina tao an-trano lain’ny vavolombelona i Môizy, ka indro fa ny tehin’i Aarôna, dia naniry vony ho an’ny fokon’i Levì, naniriam-bokony sy nivelaram-bony ary namoazana amandy.

24 Nentin’i Môizy avy teo anatrehan’i Iaveh ny tehina rehetra ho eo amin’ny zanak’i Israely rehetra, dia nahita izany izy ireo, ka samy naka ny tehiny avy.

25 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Avereno ho eo anoloan’ny vavolombelona ny tehin’i Aarôna, hotahirizina ho famantarana ho an’ny zanaky ny fikomiana, mba hampitsaharanao ny fimonomonònan’izy ireo eo anatrehako, mba tsy ho faty izy.»

26 Dia nataon’i Môizy izany, nataony araka ny nandidian’i Iaveh azy.

Mpifona ny mpisorona

27 Hoy ny zanak’i Israely tamin’i Môizy: «Indro fa maty izahay, ringana izahay, ringana avokoa izahay rehetra.

28 Fa maty izay rehetra manakaiky ny Fonenan’i Iaveh, ka dia ho faty avokoa izany izahay?»

Categories
Fanisana

Fanisana 18

1 Hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Ianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; ianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.

2 Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon’i Levỳ, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rehefa mby anoloan’ny trano lain’ny vavolombelona ianao sy ny zanakao miaraka aminao.

3 Hanatanteraka ny fanompoanao sy ny fanompoana momba ny trano lay rehetra izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny fitoerana masina na ny an’ny ôtely, fandrao maty ianareo, dia izy sy ianareo.

4 Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin’ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo.

5 Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny ôtely, mba tsy hisy fahatezerana amin’ny zanak’i Israely intsony.

6 Indro efa nalaiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an’i Iaveh izy ka atolotra aminareo ho fanomezana, mba hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana.

7 Ianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin’ny zavatra rehetra momba ny ôtely, mbamin’izay rehetra ao anatin’ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.»

Anjara ho an’ny mpisorona

8 Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Indro omeko anao ny fizakana ny zavatra rehetra voaavaka ho Ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin’ny zanak’i Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay.

9 Izao no ho anjaranao amin’ny zava-masina indrindra, ialan’izay holevonin’ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho Ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao.

10 Amin’ny toerana masina indrindra no hihinananareo azy, ny lehilahy rehetra no mihinana azy; masina ho anao izany.

11 Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voaavaka amin’ny fanomezany, dia amin’ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin’ny zanak’i Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin’izany avokoa.

12 Omeko anao avokoa ny tsara indrindra amin’ny diloilo, sy ny tsara indrindra amin’ny divay vaovao sy amin’ny vary, dia ny voaloham-bokatra hateriny ho an’i Iaveh.

13 Ho anao ny voaloham-bokatry ny taniny haterin’izy ireo ho an’i Iaveh. Hihinana amin’izany izay rehetra madio ao an-tranonao.

14 Ho anao ny zavatra rehetra nivoadiana ho anatema ao amin’i Israely.

15 Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an’i Iaveh, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy avotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.

16 Ny amin’ny fanavotana azy dia asaovy avotana rehefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gerà avy.

17 Fa ny voalohan-teraky ny omby kosa, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy, dia aza asaina avotana fa masina ireny; ka ararakao eo ambonin’ny ôtely ny rany, hodoranao hanetona ny saborany, sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh;

18 ary ny henany dia ho anao, tahaka ny tratrany ahevaheva, sy ny feny avahana.

19 Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»

Anjara ho an’ny Levita

20 Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Tsy mba hanan-dova eo amin’ny taniny ianao, ary tsy mba hisy izay ho anjaranao eo afovoan’izy ireo; fa Izaho no anjaranao sy lovanao eo afovoan’ny zanak’i Israely.

21 Indro omeko ho lovan’ny taranak’i Levỳ ny fahafolon-karena rehetra amin’i Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan’ny trano lay fihaonana.

22 Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak’i Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty.

23 Ny Levita ihany no hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan’ny zanak’i Israely.

24 Fa ny fahafolon-karena hatokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh no omeko ho lovan’ny Levita; izany no ilazako aminy hoe: Tsy hanan-dova eo afovoan’ny zanak’i Israely izy.»

Ny fahafolon-karena

25 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, nanao hoe:

26 «Mitenena amin’ny Levita ianao, ka lazao amin’izy ireo hoe: Rehefa mandray ny fahafolon-karena avy amin’ny zanak’i Israely ianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin’ny fananan’izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an’i Iaveh, ampahafolon’ny ampahafolon-karena.

27 Ary izany fanokanana ataonareo izany dia horaisina ho solon’ny vary atokana avy eo am-pamoloana, ho solon’ny divay vaovao avy amin’ny barika.

28 Dia mba toy izany koa no hanokananareo fanatitra ho an’i Iaveh, avy amin’ny fahafolon-karena horaisinareo amin’ny zanak’i Israely; ary izany fanatitra voatokana ho an’i Iaveh izany, dia omenareo an’i Aarôna mpisorona.

29 Amin’ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an’i Iaveh: amin’ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy.

30 Lazao aminy hoe: Raha manokana ny tsara indrindra amin’izany ianareo, dia hisaina ho an’ny Levita ny ampahafolony, ho solon’ny vokatra avy eo am-pamoloana, sy ho solon’ny vokatra avy eo amin’ny famiazana.

31 Hihinana izany amin’ny toerana rehetra ianareo sy ny fianakavianareo, fa karamanareo izany, noho ny raharaha ataonareo ao amin’ny trano lay fihaonana.

32 Rehefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin’izany ianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin’ny zanak’i Israely, ka tsy ho faty ianareo.»

Categories
Fanisana

Fanisana 19

Ny lavenon’ny omby vavy manja mena

1 Niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao hoe:

2 «Izao no didin’ny lalàna nandidian’i Iaveh, nataony hoe: Ilazao ny zanak’i Israely hitondra omby vavy manja mena iray, tsy misy takaitra na kilemam-batana sady mbola tsy nitondra jioga.

3 Hatolotrareo an’i Eleazara mpisorona izany, dia hasainy avoaka ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.

4 Ary hangalan’i Eleazara mpisorona amin’ny rantsan-tanany ny ran’ny omby vavy ka afafiny impito mankamin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.

5 Dia hodorana eo imasony ilay omby, hodorana ny hodiny, ny nofony, ny rany, mbamin’ny tain-drorohany.

6 Ary ny mpisorona haka hazo sedera sy hisopa ary lamba mena antitra, ka hanipy izany ao afovoan’ny afo mandoro ny omby vavy.

7 Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin’ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan’ny andro.

8 Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin’ny rano, ary hampandro ny tenany amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

9 Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon’ilay omby vavy, sy hametraka azy amin’ny toerana madio anankiray any ivelan’ny toby, hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely izany, hatao amin’ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany.

10 Izay nanangona ny lavenon’ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely sy ho an’ny vahiny mitoetra eo aminy.»

Zavatra mahaloto

11 Izay mikasika faty, rehefa mety ho fatin’olona, dia haloto hafitoana.

12 Hanadio tena amin’izany rano izany izy, amin’ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio.

13 Izay hikasika faty, dia ny vatan’olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan’i Iaveh, ka hoesorina amin’i Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany.

14 Izao no lalàna: Raha misy olona maty ao amin’ny trano lay anankiray, dia haloto hafitoana avokoa ny olona rehetra miditra ao an-day, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ny lay.

15 Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto.

16 Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin’olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana.

Ny rano fidiovana

17 Dia hangalana ho an’izay maloto ny lavenon’ny sorona izay nodorana, natao sorom-panonerana, ka hametrahana rano velona eo an-dovia eo amboniny.

18 Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin’ny rano, dia hamafy izany amin’ny lay sy amin’ny fanaka rehetra, ary amin’ny olona rehetra tao, amin’izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana.

19 Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.

20 Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin’ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin’i Iaveh. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto.

21 Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

22 Ny zavatra rehetra kasihin’izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Categories
Fanisana

Fanisana 20

Ny ranon’i Meribà

1 Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy.

Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.

2 Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana, dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.

3 Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka, ka nanao hoe: «Inay anie izahay mba maty, tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Iaveh!

4 Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’i Iaveh amin’ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay?

5 Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta hankatỳ amin’itony fitoerana ratsy itony? Tsy mba tany azo amafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra, na rano hosotroina akory.»

6 Dia niala tao amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna, nankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohokaizy ireo, dia niseho taminy ny voninahitr’i Iaveh.

7 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, nanao hoe:

8 «Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.»

9 Dia nalain’i Môizy, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ny tehina izay teo anatrehan’i Iaveh.

10 Manaraka izany novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?»

11 Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Sazin’i Môizy sy i Aarôna

12 Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.»

13 Izany no ranon’i Meribàizay nilan’ny zanak’i Israely ady tamin’i Iaveh, ka nanamasin-tena tamin’izy ireo Izy.

Tsy navelan’i Edôma handalo i Israely

14 Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.

15 Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorian’ny Ejiptianina, na izahay na ny razanay.

16 Dia nitaraina tamin’i Iaveh izahay, ary nihaino ny feonay Izy; naniraka AnjelyIzy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin’ny faritry ny taninao.

17 Koa mihanta aminao, mba avelao izahay hamaky ny taninao, fa tsy handeha hamaky ny saha izahay, na ny tanimboaloboka, ary tsy hisotro ny rano amin’ny fantsakana; hizotra amin’ny lalan’andriana izahay fa tsy hivily ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mandra-pahafakay ny faritaninao.»

18 Hoy i Edôma taminy: «Tsy handalo atỳ amiko ianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin’ny sabatra aho.»

19 Dia hoy ny zanak’i Israely taminy: «Ny lalam-be ihany no hiakaranay, ary raha misotro ny ranonao izahay, na izaho na ny biby fiompiko, dia hoefaiko ny vidin’izany. Zavatra tsy mampaninona akory izany, fa handalo mandeha tongotra fotsiny ihany aho.»

20 Hoy ny navaliny: «Tsy handalo ianao» sady nivoaka hitsena azy i Edôma, nombam-bahoaka be sy tafika mahery.

21 Nolavin’i Edôma tsy handalo ny faritaniny i Israely, ka dia nivily niala taminy i Israely.

Ny nahafatesan’i Aarôna

22 Niala tao Kadesy ny zanak’i Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora.

23 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna tao an-tendrombohitra Hora, amin’ny faritry ny tanin’i Edôma:

24 «Efa hakambana amin’ny razany i Aarôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany omeko ny zanak’i Israely izy, satria nandà ny teniko ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà.

25 Alao i Aarôna sy i Eleazara zanany, ary ento miakatra any an-tendrombohitra Hora izy.

26 Dia esory amin’i Aarôna ny fanamiany ka atafio an’i Eleazara zanany. Fa ao i Aarôna no horaisina sy ho faty.»

27 Nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh: Niakatra tany an-tendrombohitra Hora teo imason’ny fiangonana rehetra izy ireo;

28 ka nony efa nalan’i Môizy ny fanamian’i Aarôna, dia natafiny an’i Eleazara zanany.

29 Ary i Aarôna dia maty tao an-tampon’ny tendrombohitra.

30 Hitan’ny fiangonana rehetra, fa maty i Aarôna, dia nitomany an’i Aarôna telopolo andro ny fianakavian’i Israely rehetra.