Categories
Fanisana

Fanisana 21

Azo i Hormà

1 Ren’ilay Kananeanina, mpanjakan’i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy i Israely, mihazo ny lalana mankany Atarîna, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin’i Israely izy.

2 Dia nivoady tamin’i Iaveh i Israely, nanao hoe: «Raha atolotrao eo an-tanako ity firenena ity, dia hovoadiako hatao anatema ny tanànany.»

3 Nohenoin’i Iaveh ny feon’i Israely, ka natolony ny Kananeanina, dia natao anatema izy ireo, mbamin’ny tanànany. Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia natao hoe Hormà.

Ny bibilava varahina

4 Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,

5 ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»

6 Ary i Iaveh tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.

7 Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: «Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’i Iaveh sy ianao. Mivavaha amin’i Iaveh mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.» Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,

8 ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova ianao bibilava mahamayka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.»

9 Dia nanao bibilava varahina i Môizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray, ary raha nisy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.

Ireo fiatoana fony nankany ampitan’i Jordany

10 Niainga ny zanak’i Israely, ka nitoby tao Obôta;

11 Niala tao Obôta izy, dia nitoby tao Jeabarima ao amin’ny efitra mifanandrify amin’i Moaba, ao amin’ny fiposahan’ny masoandro.

12 Niala tao izy, dia nitoby tao amin’ny lohasahan’i Zareda.

13 Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’i Arnôna, izay mivalana amin’ny efitra, rehefa mivoaka ny faritanin’ny Amôreana; fa i Arnôna no faritr’i Moaba, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amôreana.

14 Ka izany no ilazana ao amin’ny bokin’ny Adin’i Iavehhoe: «Lasan’i Iaveh i Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan’i Arnôna,

15 ary ny kisolosolon’ny ranon-driaka izay mitsontsorika mankany amin’ny fitoerana Ara, sy mipaka amin’ny Amôreana.»

16 Avy ao, dia nankany Beera izy. Io ilay fantsakana nilazan’i Iaveh tamin’i Môizy hoe: «Angony ny vahoakako ka homeko rano izy ireo.»

17 Tamin’izay no nihira izao tononkira izao i Israely:

18 Misondrota, ry fantsakana! Hobionareo izy.

Fantsakana nolavahan’ny andriandahy,

nabanabanan’ny lehiben’ny vahoaka,

tamin’ny tehina fanapahana, dia ny tehin’izy ireo.

19 Avy tany an’efitra izy ireo, dia nankany Matàna; avy any Matàna dia nankany Nahaliela; avy any Nahaliela, dia nankany Bamôta;

20 avy any Bamôta, dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny sahan’i Moaba, eo an-tampon’i Fasgà, izay manerinerina amin’ny efitra.

Ny nandresena tany ampitan’i Jordany

21 Ary i Israely nandefa iraka ho any amin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, hanao aminy hoe:

22 «Avelao aho mba handalo ny taninao: fa tsy hivily ho amin’ny saha izahay, na ho amin’ny tanimboaloboka; ary tsy hisotro ny rano amin’ny fantsakana; fa hizotra amin’ny lalan’andriana izahay, mandra-pahafakay ny faritaninao.»

23 Tsy navelan’i Sehôna handalo ny faritaniny i Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an’i Israely, tany an’efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin’i Israely.

24 I Israely namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, ka nahazo ny taniny hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka, hatreo amin’ny zanak’i Amôna, fa mafy ny faritry ny tanin’ny zanak’i Amôna.

25 Nalain’i Israely avokoa izany tanàna rehetra izany, ka nonenan’i Israely ny tanànan’ny Amôreana rehetra, dia i Hesebona sy ny zana-bohiny rehetra.

26 I Hesebona no tanànan’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.

27 Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe:

Midira ao Hesebona ianareo.

Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna.

28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona,

Ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sehôna,

Ka nandevona an’i Ara-Moaba,

Dia ny tampon’ny havoan’i Arnôna.

29 Loza ho anao, ry Moaba!

Levona ianao, ry vahoakan’i Kamôzy;

Nafoiny ny zanany lahy nandositra,

Ary ny zanany vavy lasan-ko babo

Ho an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana.

30 Nolefasantsika zana-tsipîka izy ireo;

Rava i Hesebona hatrany Dibôna,

Ary nofoanantsika hatrany Nôfe,

Sy norehetantsika hatrany Medabà.

31 Dia nitoetra teo amin’ny tanin’ny Amôreana i Israely.

32 Naniraka olona hisafo an’i Jazera i Môizy; dia afak’izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amôreana tamin’ireny.

33 Izay izy, dia niova lalana ka niakatra ny lalana mankany Basàna; nivoaka i Oga, mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny vahoakany rehetra nitsena azy ireo, mba hiady aminy ao Edraîa.

34 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aza matahotra azy, fa atolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra ary ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana izay nonina tao Hesebona.»

35 Dia nandresy azy mbamin’ny zanany lahy sy ny vahoakany rehetra izy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray aza, ka azony ny taniny.

Categories
Fanisana

Fanisana 22

Ny mpanjakan’i Moaba miantso vonjy amin’i Balaama

1 Dia nandroso ny zanak’i Israely ka nitoby tao amin’ny lohasahan’i Moaba, tandrifin’i Jerikao.

2 Hitan’i Balàka zanak’i Sefôra, izay rehetra nataon’i Israely tamin’ny Amôreana,

3 ary tsiravina indrindra i Moaba teo anatrehan’ity vahoaka ity, fa maro be; nangorohoro fatratra izy teo anatrehan’ny zanak’i Israely.

4 Hoy i Moaba tamin’ny loholon’i Madiàna: «Holevonin’ity vahoaka be ity, toy ny fandevon’ny omby ny zava-maitso any an-tsaha, izay rehetra manodidina antsika.» I Balàka, zanak’i Sefôra no mpanjakan’i Moaba tamin’izay.

5 Ka naniraka olona izy ho any amin’i Balaama, zanak’i Beôra, any Petôra, izay eo amoron’ny ony, eo amin’ny tanin’ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: «Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany.

6 Koa mihanta aminao aho, tongava atỳ amiko ianao, hanozona io vahoaka io fa mahery noho izaho izy; angamba izany no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy hiala amin’ny tany; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatso-drano ary izay ozoninao dia voaozona.»

7 Niainga ny loholon’i Moaba sy ny loholon’i Madiàna, nataony an-tanana ny tambin’ilay mpanandro. Nony tonga tany amin’i Balaama izy ireo, dia nambarany azy ny tenin’i Balàka,

8 ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.

9 Ary tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao hoe: «Iza moa ireto olona ato aminao ireto?»

10 Dia hoy ny navalin’i Balaama an’Andriamanitra: «I Balàka, zanak’i Sefôra mpanjakan’i Moaba no naniraka an’ireo hilaza amiko hoe:

11 ‹Indro ilay firenena nivoaka avy tany Ejipta fa mandrakotra ny tany, tongava atỳ amiko àry ka hanozona azy ianao; izany angamba no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy.› »

12 Fa hoy Andriamanitra tamin’i Balaama: «Aza mandeha miaraka amin’ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy.»

13 Nony nifoha i Balaama, ny maraina, dia nilaza tamin’ireo andriandahin’i Balàka hoe: «Mandehana any amin’ny taninareo, fa lavin’i Iaveh ka tsy avelany handeha miaraka aminareo aho.»

14 Dia nitsangana tamin’izay ireto andriandahin’i Moaba, ka lasa niverina tany amin’i Balàka, sy nilaza taminy hoe: «Nandà i Balaama ka tsy nety nandeha niaraka taminay.»

15 Fa naniraka andriandahy sady maro no ambony noho ny teo indray i Balàka.

16 Ka nony tonga tany amin’i Balaama ireo, dia nanao taminy hoe: «Izao no tenin’i Balàka zanak’i Sefôra: Mihanta aminao re aho, mba tsy hisy hahasakana anao tsy hankatỳ amiko,

17 fa homeko voninahitra lehibe indrindra ianao, ary hotanterahiko avokoa izay rehetra holazainao amiko. Koa mihanta aminao re aho, tongava atỳ amiko, ozòny io vahoaka io.»

18 Dia namaly i Balaama, ka nanao tamin’ny mpanompon’i Balàka hoe: «Na omen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo mandika ny tenin’i Iaveh Andriamanitro aho, ka hanao zavatra na kely na lehibe.

19 Ary ankehitriny, mihanta aminareo aho mba hijanona atỳ indray koa ianareo anio alina, hahafantarako izay holazain’i Iaveh amiko indray.»

20 Nony alina dia tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.»

21 Dia nifoha i Balaama nony maraina, nanisy lasely ny ampondravaviny ka nandeha niaraka tamin’ny andriandahin’i Moaba.

Ny ampondravavin’i Balaama

22 Nirehitra anefa ny hatezeran’Andriamantra raha nandeha izy ka nankeo amin’ny lalana ny Anjelin’i Iaveh hisakana azy. Nitaingina ny ampondrany i Balaama ary narahin’ny mpanompony roa lahy.

23 Hitan’ity ampondra ilay Anjelin’i Iaveh nijanona teo an-dalana sy nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka nivily lalana nankany anaty saha izy. Nokapohin’i Balaama ny ampondrany, hampiverenany azy amin’ny lalana indray.

24 Tamin’izay ilay Anjelin’i Iaveh, dia nibahana teo an-dalana an-kandemponana anankiray, tanelanelan’ny tanimboaloboka, voafefy eo an-daniny roa.

25 Nony nahita ilay Anjelin’i Iaveh ilay ampondra dia nitampisaka nanaraka ny rindrina, ka voatery tamin’ny rindrina ny tongotr’i Balaama, dia nikapoka azy indray izy.

26 Nandroso lavidavitra kokoa ny Anjelin’i Iaveh nijanona tamin’ny toerana ety anankiray, izay tsy misy idifiana akory, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

27 Nony nahita ilay Anjelin’i Iaveh ity ampondra, dia nandry teo ambanin’i Balaama; ary nirehitra ny fahatezeran’i Balaama, ka nokapohiny tamin’ny tehina ny ampondra.

28 Nosokafan’i Iaveh ny vavan’ity ampondra ka nilaza tamin’i Balaama hoe: «Naninona anao aho no dia nokapohinao intelo izao?»

29 Dia hoy ny navalin’i Balaama tamin’ny ampondra: «Satria namazivazy ahy ianao, ka raha nisy sabatra tetỳ an-tanako dia matiko ankehitriny izao ihany ianao.»

30 Hoy ny ampondra tamin’i Balaama: «Moa tsy ampondranao va aho, ka efa notaingenanao mandrakariva hatramin’izao? Moa mba fanaoko va ny manao toy izao aminao?» Dia hoy ny navaliny: «Tsia»

31 Nosokafan’i Iaveh ny mason’i Balaama, dia hitan’i Balaama ilay Anjelin’i Iaveh izay teo an-dalana teo, sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka niondrika sy niankohoka tamin’ny tany izy.

32 Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh taminy: «Ahoana no nikapohanao ny ampondranao intelo izao? Indro nivoaka hisakana anao aho, satria araka ny hitako, lalana mamarina anao amin’ny loza no ombanao.

33 Nahita ahy ny ampondra, ka nitanila teo anatrehako intelo izao; raha tsy nitanila teo anatrehako izy, dia ianao no nataoko maty, fa izy navelako ho velona aina.»

34 Ary hoy i Balaama tamin’ny Anjelin’i Iaveh: «Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe teo anoloako ianao, ary ankehitriny raha tsy sitrakao izao, dia hody aho.»

35 Hoy ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Balaama: «Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, nefa aza milaza zavatra hafa afa-tsy izay holazaiko aminao.» Dia nandeha i Balaama, niaraka tamin’ny andriandahin’i Balàka.

I Balaama sy i Balàka

36 Nony ren’i Balàka fa tamy i Balaama, dia nivoaka izy hitsena azy hatrany amin’ny tanàna Moaba eo amin’ny faritra Arnôna, any amin’ny sisin-tany indrindra. Hoy i Balàka tamin’i Balaama:

37 «Moa tsy efa naniraka tany aminao va aho, nampaka anao? Nahoana no dia tsy nankatỳ amiko ianao? Sa dia tsy hahay manome voninahitra anao marina tokoa aho?»

38 Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Indro aho mankatỳ aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko.»

39 Niainga niaraka tamin’i Balàka i Balaama ka tonga tany Kiriata-Kotsota izy ireo.

40 Namono ondry aman’ondry hatao sorona i Balàka, ka nampanateriny ho an’i Balaama sy ireo andriandahy teo aminy izany.

41 Nony maraina, nalain’i Balàka i Balaama, ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Baala, izay nahatazanan’i Balaama ny vodilalan’ny vahoaka.

Categories
Fanisana

Fanisana 23

1 Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito eo koa.»

2 Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balaama, ary samy nanateran’i Balàka sy i Balaama vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy teo ambonin’ny ôtely.

3 Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady.

Faminanian’i Balaama

4 Tonga nihaona tamin’i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy i Balaama taminy: «Efa nanangana ny ôtely fito aho, ary efa nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely.»

5 Dia nanisy teny tao am-bavan’i Balaama i Iaveh sy nanao taminy hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao lazaina aminy.»

6 Niverina nankany aminy izy, ka inty i Balàka sy ireo andriandahin’i Moaba nitoetra teo anilan’ny sorona dorany;

7 ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe:

«I Balàka nampaka ahy avy tany Arama;

Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy,

avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana;

Avia, ozòny i Jakôba!

Avia, tezera amin’i Israely!

8 Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra?

Hataoko ahoana no fitezitra raha tsy mitezitra i Iaveh?

9 Fa eto an-tampon’ny vatolampy aho mahita azy,

Ary eto ambony havoana aho mahatazana azy;

Ka firenena manana fitoerana manokana izy,

Fa tsy mba hampidirina amin’ny fanisana ny firenena.

10 Iza no mahisa ny vovok’i Jakôba,

Na mahisa ny ampahefatr’i Israely?

Enga anie ka ho toy ny fahafatin’ny olo-marina ny fahafatiko,

Ary hanahaka ny fiafaràny ny fiafaràko!»

11 Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Fa inona ity nataonao tamiko, ny hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao?»

12 Fa hoy ny navaliny nanao hoe: «Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Iaveh ato am-bavako?»

13 Dia hoy i Balàka taminy: «Andeha hiaraka amiko ianao ho any amin’ny toeran-kafa, izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy.»

14 Dia nentiny nankany an-tsahan’ny Tily, an-tampon’i Fasgà izy, ka nony efa nanangana ôtely fito, dia nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.

15 Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eto anilan’ny sorona doranao; fa izaho handeha arỳ hihaona amin’i Iaveh.»

16 Dia tonga nihaona tamin’i Balaama i Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.»

17 Niverina tany amin’i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan’ny sorona dorany izy mbamin’ny andriandahin’i Moaba. Dia hoy i Balàka taminy: «Inona no lazain’i Iaveh?»

18 Ary i Balaama nilaza ny lahateniny ka nanao hoe:

«Mitsangàna, ry Balàka, ka mihainoa,

Mampandria sofina, ry zanak’i Sefôra:

19 Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga,

Na zanak’olombelona ka hanenina.

Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka,

Na miteny ihany fa tsy manefa?

20 Indro efa nahazo teny hitso-drano aho;

Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho.

21 Tsy mahita faharatsiana amin’i Jakôba Izy,

tsy mahita tsy fahamarinana amin’i Israely.

I Iaveh Andriamaniny no momba azy;

Fihobiana mpanjaka no manakoako ao aminy;

22 Andriamanitra no namoaka azy avy tany Ejipta,

Ary manan-kery toy ny ombimanga izy.

23 Noho ny tsy fisian’ny fanandroana eo amin’i Jakôba,

Sy ny tsy fisian’ny sikidy eo amin’i Israely,

Dia holazaina amin’i Jakôba sy i Israely amin’ny fotoana mety

Izay tian’Andriamanitra hotanterahina.

24 Indro firenena miarina toy ny liom-bavy,

Sy mitsangana mova tsy ny liona!

Tsy mandry izy raha tsy efa nihinana ny hazany,

Sy efa nisotro ny ran’ny voaratra.»

25 Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Aza manozona azy, ary aza mitso-drano azy.»

26 Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?»

27 Hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Andeha àry ianao hoentiko any amin’ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any.»

28 Dia nentin’i Balàka i Balaama ho any an-tampon’i Fogôra izay manerinerina amin’ny efitra.

29 Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna eto ombalahy fito sy ondralahy fito koa.»

30 Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balaama; ary nanatitra ombalahy sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.

Categories
Fanisana

Fanisana 24

1 Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.

2 Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,

3 ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

«Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra;

Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;

4 Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,

Izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha,

Izay lavo ka misokatra ny masony:

5 Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba!

Ary izato fonenanao, ry Israely!

6 Midadasika toa lohasaha,

Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,

Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh,

Tahaka ny sedera amoron-drano!

7 Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa,

Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be;

Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga,

Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.

8 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy,

Ary nomeny azy ny herin’ny ombimanga.

Mandevona ny firenena miady aminy izy,

Manapaka ny taolany

Sy mandripaka azy amin’ny zana-tsipìkany.

9 Manongalika izy ary mandry toy ny liona,

Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy?

Hohasoavina anie izay hitso-drano anao!

Ho voaozona anie izay hanozona anao!»

10 Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao.

11 Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin’i Iaveh anao ny voninahitra.»

12 Hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka: «Tsy efa voalazako tamin’ny iraka nalefanao tany amiko va, fa hoe:

13 Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.

14 Ary indro handeha ho any amin’ny fireneko aho izao; koa etsy ianao, hilazako rahateo izay hataon’ity vahoaka ity amin’ny vahoakanao, any aoriana any.»

15 Dia nilaza ny lahateniny i Balaama ka nanao hoe:

«Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra,

Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,

16 Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,

Izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra,

Izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha,

Izay lavo ka misokatra ny masony:

17 Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny,

Tazako izy fa tsy mba akaiky.

Misy kintana iraymiposaka avy amin’i Jakôba,

Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely.

Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy,

Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.

18 I Edôma dia lasan-ko fananany:

Fa i Israely manampatra ny herim-pony.

19 Misy mpifehyavy amin’i Jakôba,

Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.»

20 Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

«I Amaleka no voalohany amin’ny firenena,

Fa ho lany ringana no hiafarany.»

21 Nahita ny Kineanina i Balaama, ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

«Mafy orina ny fonenanao,

Voapetraka ambonin’ny vatolampy ny akaninao;

22 Nefa handroso hihalevona ny Kineanina;

Ambara-pahoviana? Hoentin’i Asora babo izy.»

23 Dia nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe:

«Indrisy! zovy no ho velona

rehefa hanao izany Andriamanitra?

Misy sambo avy any Sitima,

24 Mampahory an’i Asora, mampahory an’i Hebera,

Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy.»

25 Dia niainga i Balaama ary nandeha ka niverina ho any aminy. Ary i Balàka koa dia mba lasa nandeha.

Categories
Fanisana

Fanisana 25

I Israely any Fogôra

1 Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka,

2 ary ireo nanasa ny vahoaka ho amin’ny fisoronana nataony tamin’ny andriamaniny, ka nihinana sy niankohoka tamin’ny andriamaniny ny vahoaka.

3 Niray tamin’i Beelfegôra i Israely, ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.

4 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra, ka ahantòny tandrifin’ny masoandro, eo anatrehan’i Iaveh, ireo ratsy, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Iaveh amin’i Israely.»

5 Dia hoy i Môizy tamin’ny mpitsaran’i Israely: «Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Beelfegôra.»

6 Ary inty nisy lehilahy anankiray amin’ny zanak’i Israely tamy mitari-behivavy Madianita anankiray nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Môizy sy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.

7 Vao nahita izany i Finea, zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, dia nitsangana teo afovoan’ny fiangonana; nitondra lefona teny an-tanany,

8 nanaraka ilay lehilahy Israelita tao anatin’ny lay ka nandefona azy roaroa, dia ralehilahy Israelita sy ilay vehivavy, tamin’ny kibony. Nitsahatra tamin’izay ny loza teo amin’ny zanak’i Israely.

9 Nisy 24.000 no matin’ny loza.

10 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

11 «I Finea, zanak’i Eleazara, zanak’i Aarôna mpisorona, no nampiala ny hatezerako tamin’ny zanak’i Israely, satria noho izy nazoto nitandro ny voninahitro teo afovoan’izy ireo, dia tsy nandringana ny zanak’i Israely Aho tamin’ny fahazotoako hitandro ny voninahitro.

12 Koa noho izany dia ilazao izy fa homeko ny fanekem-pihavanako;

13 dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»

14 Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita.

15 Ary Kozbì no anaran’ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak’i Sora, filoham-poko, amin’ny fokom-pianakaviana, any Madiàna azy.

16 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17 «Ataovy fahavalonareo ny Madianita, ka vonoy ireny,

18 fa niseho ho fahavalonareo tamin’ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin’ny hafetseny izy; ary i Fogôra no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanaka vavin’ny lehibe anankiray any Madiàna, anabaviny, izay novonoina tamin’ny andron’ny loza nitranga noho ny amin’i Fogôra.»

Categories
Fanisana

Fanisana 26

Fanisana indray

1 Taorian’izany loza izany, dia niteny tamin’i Môizy sy i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona i Iaveh nanao hoe:

2 «Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana amin’i Israely.»

3 Dia nilaza tamin’ny olona i Môizy sy i Eleazara mpisorona, tao amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, ka nanao hoe:

4 «Hisaina ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy ny zanak’i Israely, raha nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy ireo.»

5 I Robena lahimatoan’i Israely, zana-dRobena: ny fokon’ny Henôkita avy tamin’i Henoka, ny fokon’ny Faloita avy tamin’i Falò,

6 ny fokon’ny Hesrônita avy tamin’i Hesrôna, ny fokon’ny Karmita avy tamin’i Karmì.

7 Ireo no fokon’ny Robenita, 43.730 izy no voaisa.

8 Zanak’i Falò, dia i Eliaba.

9 Zanak’i Eliaba dia i Manoela sy i Datàna ary i Abirôna. Ireo ilay Datàna sy Abirôna, isan’ny mpanolo-tsaina, nikomy tamin’i Môizy sy i Aarôna tanatin’ny tarik’i Kôre, fony izy nikomy tamin’i Iaveh,

10 ary nivava ny tany nitelina azy ireo mbamin’i Kôre, raha levona izany antokony izany, ka voadoron’ny afo ny lehilahy 250, ka tonga fananarana izy ireo.

11 Fa tsy maty ny zanak’i Kôre.

12 Zanak’i Simeôna araka ny fokony avy: ny fokon’ny Namoelita avy tamin’i Namoela, ny fokon’ny Jaminita, avy tamin’i Jamina,

13 ny fokon’ny Jakinita avy tamin’i Jakîna, ny fokon’ny Zaerita avy tamin’i Zare, ny fokon’ny Saolita avy tamin’i Saoly.

14 Ireo no fokon’ny Simeônita, 22.200 izy.

15 Zanak’i Gada, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Sefônita avy tamin’i Sefôna, ny fokon’ny Agita avy tamin’i Agỳ, ny fokon’ny Sonita avy tamin’i Sonỳ,

16 ny fokon’ny Oznita avy tamin’i Oznì, ny fokon’ny Herita avy tamin’i Hera,

17 ny fokon’ny Arôdita, avy tamin’i Aroda, ny fokon’ny Arielita avy tamin’i Ariela.

18 Ireo no fokon’ny zanak’i Gada, araka ny voaisa amin’izy ireo, dia 40.500.

19 Zanak’i Jodà: i Era sy i Onàna, fa maty tany Kanaana i Era sy i Onàna.

20 Izao no zanak’i Jodà, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Selaita avy tamin’i Selà, ny fokon’ny Farezita avy tamin’i Farezy, ny fokon’ny Zareita avy tamin’i Zare.

21 Ny zanak’i Farezy dia izao: ny fokon’ny Hesrônita avy tamin’i Hesrôna, ny fokon’ny Hamolita avy tamin’i Hamola.

22 Ireo no fokon’i Jodà, araka ny voaisa amin’izy ireo: 76.500.

23 Zanak’i Isakara, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Tôlaïta avy tamin’i Tolà, ny fokon’ny Foaita avy tamin’i Foà,

24 ny fokon’ny Jasobita avy tamin’i Jasoba, ny fokon’ny Semranita avy tamin’i Semrana.

25 Ireo no fokon’i Isakara araka ny voaisa amin’izy ireo: 64.300.

26 Zanak’i Zabolôna, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Saredita avy tamin’i Sareda, ny fokon’ny Elônita avy tamin’i Elôna, ny fokon’ny Jalelita avy tamin’i Jalela.

27 Ireo no foko avy tamin’i Zabolôna, araka ny voaisa amin’izy ireo, dia 60.500.

28 Zanak’i Josefa, araka ny fokony: dia i Manase sy i Efraima.

29 Zanak’i Manase: ny fokon’ny Makirita avy tamin’i Makira, ary i Makira niteraka an’i Galaada, ny fokon’ny Galaadita avy tamin’i Galaada.

30 Izao no zanak’i Galaada: i Jezera iavian’ny fokon’ny Jezerita, avy amin’i Heleka ny fokon’ny Helikita,

31 I Asriela iavian’ny fokon’ny Asrielita, i Sekema iavian’ny fokon’ny Sekemita;

32 I Semidà iavian’ny fokon’ny Semidaïta, i Hefera iavian’ny fokon’ny Hefrita.

33 I Salfaada, zanak’i Hefera tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy ihany; ka ireto no anaran’ny zanaka vavin’i Salfaada: Maalà, Nôà, Heglà, Melkà ary Tersà.

34 Ireo no fokon’i Manase: 52.700 no voaisa amin’izy ireo.

35 Ireto no zanak’i Efraima, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Sotalaïta avy amin’ny Sotalà, ny fokon’ny Bekrita avy amin’i Bekera, ny fokon’ny Tehenita avy amin’i Tehena.

36 Ary izao no zanak’i Sotalà: ny fokon’ny Heranita avy amin’i Heràna.

37 Ireo no fokon’ny zanak’i Efraima, araka ny voaisa amin’izy ireo: 32.500.

Dia izay no zanak’i Josefa araka ny fokony.

38 Zanak’i Benjamina, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Belaita avy tamin’i Bela, ny fokon’ny Asbelita avy tamin’i Asbela, ny fokon’ny Ahiramita avy tamin’i Ahirama,

39 ny fokon’ny Sofamita avy tamin’i Sofama, ny fokon’ny Hofamita avy tamin’i Hofama.

40 Ary ny zanak’i Bela dia i Hereda sy i Noemana: ny fokon’ny Heredita avy tamin’ny Noemana;

41 ireo no zanak’i Benjamina, araka ny fokony avy, ary 45.600, ny voaisa amin’izy ireo.

42 Izao no zanak’i Dana, araka ny fokony: avy amin’i Sohama ny fokon’ny Sohamita. Ireo no fokon’i Dana araka ny fokony.

43 Ary nisy 64.400 no totalin’ny fokon’ny Sohamita araka ny voaisa amin’izy ireo.

44 Zanak’i Asera, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Jemnita avy tamin’i Jemnà, ny fokon’ny Jesoita avy tamin’i Jesoỳ, ny fokon’ny Brieita avy tamin’i Brie.

45 Avy amin’ny zanak’i Brie: ny fokon’ny Hebrita avy tamin’i Hebera; ny fokon’ny Melkielita avy tamin’i Melkiela.

46 Ny anaran’ny zanaka vavin’i Asera, dia Sarà.

47 Ireo no fokon’ny zanak’i Asera araka ny voaisa amin’izy ireo: 53.400.

48 Zanak’i Neftalì, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Jesielita avy tamin’i Jesiela, ny fokon’ny Gonita avy tamin’i Gonì,

49 ny fokon’ny Jeserita avy tamin’i Jesera, ny fokon’ny Selemita avy tamin’i Selema.

50 Ireo no fokon’i Neftalì araka ny fokony. 45.400 ny voaisa amin’izy ireo.

51 Izao no zanak’i Israely voaisa: 601.730.

52 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

53 «Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan’ny anarany avy.

54 Ny maro isa homenao ny zaratany bebe kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka izay voaisa aminy izy.

55 Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran’ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny.

56 Loka no hizarana ny lova, na ny ho an’ny maromaro kokoa, na ny ho an’ny vitsivitsy kokoa.»

Fanisana ny Levita

57 Izao kosa no voaisa tamin’ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon’ny Gersônita avy tamin’i Gersôna, ny fokon’ny Kaatita avy tamin’i Kaata, ny fokon’ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.

58 Izao no fokon’i Levỳ: ny fokon’ny Lobnita, ny fokon’ny Hebrônita, ny fokon’ny Moholita, ny fokon’ny Mosita, ary ny fokon’ny Kôreita.

59 I Kaata niteraka an’i Amrama, ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jôkabeda, zanaka vavin’i Levỳ, izay nateraky ny reniny tamin’i Levỳ tany Ejipta, ary izy niteraka an’i Aarôna sy i Môizy ary i Maria anabavin’ireo, tamin’i Amrama.

60 I Aarôna niteraka an’i Nadaba, i Abiò, i Eleazara ary i Itamara.

61 I Nadaba sy i Abiò maty, tamin’izy ireo nanatitra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh.

62 Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin’izy ireo dia 23.000. Fa tsy mba anatin’ny voaisa tamin’ny zanak’i Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan’ny zanak’i Israely.

63 Ireo no lehilahy voaisan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak’i Israely teo amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

64 Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.

65 Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.

Categories
Fanisana

Fanisana 27

Lova ho an’ny zanaka vavy

1 Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.

2 Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:

3 «Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.

4 Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin’ny fokony ny anaran’ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainay izahay.»

5 Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,

6 ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy:

7 «Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany.

8 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Raha misy lehilahy maty tsy manan-janaka lahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny lovany.

9 Ary raha tsy manan-janaka vavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny lovany.

10 Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.

11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an’ny zanak’i Israely izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.»

I Jôsoe filohan’ny vahoaka

12 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara amin’io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak’i Israely.

13 Hahita izany ianao, dia hangonina any amin’ny razanao tahaka ny nanangonana an’i Aarôna rahalahinao koa,

14 satria ianareo tany amin’ny efitra Sina, ilay nilan’ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana Ahy teo imasony, ny amin’ny momba ny rano, dia ny ranon’i Meribà, any Kadesy, any an’efitra Sina.»

15 Dia niteny tamin’i Iaveh i Môizy, nanao hoe:

16 «Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.

17 Ka hivoaka sy hiditra eo alohanyary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’i Iaveh.»

18 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Alao i Jôsoe zanak’i Nona, lehilahy itoeran’ny Fanahy ka ametraho tanana izy.

19 Dia apetraho eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka atokany eo imason’izy ireo.

20 Ametraho anjaraamin’ny fahefanao izy, mba haneken’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra azy.

21 Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra.

Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.

22 Dia nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh azy: Naka an’i Jôsoe izy, nametraka azy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra,

23 ka nony efa nametra-tanana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

Categories
Fanisana

Fanisana 28

Fepetra momba ny sorona

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Ento amin’ny zanak’i Israely izao didy izao, ka lazao aminy hoe: Tandremo ny fanaterana ara-potoana voafetra ny fanatitra ho Ahy, dia ny fahana ho ahy amin’ny sorona atao amin’ny afo izay mani-pofona amiko.

3 Lazao aminy hoe: izao no sorona atao amin’ny afo, haterinareo ho an’i Iaveh.

A. Sorona fanao isan’andro

«Isan’andro, zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka:

4 Ny iray amin’ireo zanak’ondry, haterinao ny maraina, ary ny iray haterinao amin’ny àty takariva;

5 ary ny lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo ôliva voatoto, ampahefatry ny hina, hatao fanatitra.

6 Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

7 Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray, ka ao amin’ny fitoerana masina, no hanaovanao ny fanatitra araraka amin’ny divay madio ho an’i Iaveh

8 Ny zanak’ondry iray haterina amin’ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin’ny maraina, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin’i Iaveh.»

B. Ny sabata

9 «Amin’ny andro sabata kosa, dia zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.

10 Sorona dorana amin’ny sabata izany, atao isan-tsabata, manampy ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»

D. Ny voaloham-bolana

11 «Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

12 ary lafarina tsara indrindra telo ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray; lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny ondralahy;

13 ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isan-janak’ondry iray; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

14 Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray, ampahatelon’ny hina, amin’ny isan’ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin’ny volana mandritra ny taona.

15 Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an’i Iaveh, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy.»

E. Ny Azima

16 «Amin’ny volana voalohany, andro faha-14n’ny volana, dia Pakan’i Iaveh.

17 Ary ny andro faha-15n’izany volana izany, dia ho andro fety. Hafitoana hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo.

18 Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.

19 Ary izao no haterinareo ho sorona amin’ny afo, sorona dorana ho an’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,

20 ary ny hatao fanatitra momba izany dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo telo ampahafolony, atao amin’ny ombalahy iray, roa ampahafolony amin’ny ondralahy iray,

21 iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy.

22 Ary osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo.

23 Izany no hataonareo, ka tsy hajanona anefa ny sorona isa-maraina, dia ny sorona dorana tsy tapaka.

24 Isan’andro mandritra ny hafitoana no hanaovanareo izany; izany no fahana amin’ny sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.

25 Amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.»

F. Fetin’ny Herinandro

26 «Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.

27 Ary izao no haterinareo ho sorona dorana, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona;

28 ary ny hatao fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, telo ampahafolony isan’ombalahy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy,

29 ary iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy. Ary osy lahy iray koa no haterinareo hanaovana ny fanonerana ho anareo.

30 Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy; ary izay tsy misy kilema no atero, miaraka amin’ny fanatitra araraka momba azy.»

Categories
Fanisana

Fanisana 29

G. Fetin’ny Trômpetra

1 «Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.

2 Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

3 ary ny fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo: telo ampahafolony amin’ny vantotr’ombalahy,

4 roa ampahafolony amin’ny ondralahy, ary iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy.

5 Osy lahy iray no sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo.

6 Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»

H. Andro Fifonana

7 «Amin’ny andro fahafolon’io volana io ihany, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary hampahory ny fanahinareo ianareo.

8 Ho sorona dorana ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia manatera vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,

9 ary ny hatao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, telo ampahafolony amin’ny ombalahy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy,

10 iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry fito tsirairay avy.

11 Ary osy lahy iray ho sorona noho ny ota; fa tsy hajanona anefa ny sorom-panonerana sy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra momba azy, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»

I. Fetin’ny Trano lay

12 Amin’ny andro faha 15n’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Hanao fety fankalazana an’i Iaveh mandritra ny hafitoana ianareo,

13 hanatitra sorona dorana, sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia vantotr’ombalahy 13, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema;

14 ary ny atao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, telo ampahafolony amin’ny ombalahy 13 tsirairay avy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy roa tsirairay avy,

15 ary iray ampahafolony amin’ny zanak’ondry 14 tsirairay avy.

16 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

17 Amin’ny andro faharoa manatera vantotr’ombalahy 12, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

18 miaraka amin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, manaraka ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry samy araka ny isany avy, araka ny fitsipika.

19 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

20 Amin’ny andro fahatelo manatera ombalahy 11, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

21 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

22 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

23 Amin’ny andro fahefatra, manatera ombalahy folo, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

24 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

25 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

26 Amin’ny andro fahadimy, manatera vantotr’ombalahy sivy, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

27 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

28 Osy lahy iray no ho sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

29 Amin’ny andro fahenina, manatera vantotr’ombalahy valo, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

30 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

31 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

32 Amin’ny andro fahafito manatera ombalahy fito, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

33 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.

34 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

35 Amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana lehibe ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.

36 Hanatitra sorona dorana anankiray ianareo, sorona anankiray atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,

37 mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry manaraka ny fitsipika.

38 Osy lahy iray no hatao sorona noho ny ota; ka tsy hajanona anefa ny sorona tsy tapaka, mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.

39 Ireo avy no sorona haterinareo ho an’i Iaveh amin’ny fetinareo, afa-tsy ny voadinareo sy ny fanoloranareo an-tsitrapo: ny sorona doranareo, ny fanatitrareo sy ny fanatitrareo araraka ary ny fanati-pihavananareo.

Categories
Fanisana

Fanisana 30

1 Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy araka izay rehetra nandidian’i Iaveh azy.

Lalàna momba ny voady

2 Niteny tamin’ny lohan’ny fokon’i Israely i Môizy nanao hoe:

3 Izao no didian’i Iaveh: Raha misy lehilahy mivoady amin’i Iaveh, na manao fianianana hamehezany ny tenany, dia tsy mahazo mitsoa-teny izy: izay rehetra naloaky ny vavany hataony avokoa.

4 Raha misy vehivavy mbola zaza an-trano ao amin-drainy mivoady amin’i Iaveh sy manao famehezan-tena,

5 ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.

6 Fa raha mandà izany irainy amin’ny andro andrenesany an’izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy, satria nandà izany irainy.

7 Ary raha hampakarina izy ka efa voasingotry ny voadiny na ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany izay namehezany ny tenany,

8 ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.

9 Fa raha lavin’ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin’ny andro nandrenesany an’izany, dia foana ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy.

10 Ny voady nataon’ny vehivavy maty vady na voasaotra, izay famehezan-tena rehetra namehezany ny tenany, dia raikitra ho azy.

11 Raha ao an-tranon’ny lahy no nivoady ny vehivavy nanao famehezan-tena tamim-pianianana namehezany ny tenany,

12 ary raha avy izay handrenesan’ny lahy izany, ka tsy miteniteny aminy izy, ary tsy laviny ny nataony, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.

13 Fa raha foanan’ny lahy kosa izany amin’ny andro andrenesany azy, dia foana izay rehetra naloaky ny vavany, na voady na famehezan-tena nofoanan’ny vadiny izany, ary i Iaveh hamela azy.

14 Ny voady amam-pianianana rehetra amehezany tena hampahory ny fanahiny, dia azon’ny lahy araikitra, ary azon’ny lahy foanana.

15 Rehefa tsy niteniteny taminy androtr’iny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo izy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin’ny andro nandrenesany an’izany no nandraiketany azy.

16 Raha atỳ aorian’ny andro nandrenesany izany izy vao manafoana azy, dia izy no hitondra ny heloky ny vavy.

17 Izany no lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza an-trano ao amin-drainy izy.