Categories
Fanisana

Fanisana 31

Ady masina tamin’ny Madianìta

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Valio amin’ny Madianìta ny nataony tamin’ny zanak’i Israely: rehefa afaka izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao.»

3 Dia niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an’i Madiàna izy, mba hahatanteraka ny famalian’i Iaveh an’i Madiàna.

4 Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika ianareo, avy amin’ny fokon’i Israely rehetra.»

5 Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan’arivon’i Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady.

6 Dia nalefan’i Môizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trômpetra mikarantsana.

7 Nandroso hamely an’i Madiàna izy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra.

8 Afa-tsy izay maty an’ady dia novonoiny koa ny mpanjakan’i Madiàna: i Evỳ, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Reba, mpanjakan’i Madiàna dimy lahy. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balaama zanak’i Beôra.

9 Nobaboin’ny zanak’i Israely avokoa ny vadin’ny Madianìta mbamin’ny zanany madinika; norobainy daholo ny biby mpitondra entany sy ny biby fiompiny rehetra ary ny fananany rehetra.

10 Nodorany avokoa ny tanàna rehetra teo amin’ny tany nonenany, mbamin’ny tobiny rehetra.

11 Rehefa nalainy daholo ny babo rehetra sy ny zavatra voaroba rehetra, na olona na biby,

12 dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’i Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan’i Moaba, akaikin’i Jordany tandrifin’i Jerikô.

Famonoana ny vehivavy sy fanadiovana ny remby

13 Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin’ny fiangonana.

14 Ary tezitra i Môizy tamin’ny mpitari-tafika, dia ireo tomponarivo sy tompon-jato, avy any amin’ny ady.

15 Hoy izy tamin’ireo: «Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra e?

16 Ireo ihany anefa, noho ny tenin’i Balaama, no nitarika ny zanak’i Israely hivadika tamin’i Iaveh tamin’ilay raharaha tamin’i Fogôra, ka voan’ny loza tamin’izay ny fiangonan’Iaveh;

17 koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin’ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy,

18 fa ny zazavavy rehetra tsy mbola nandry tamin-dehilahy no velomy ho anareo.

19 Ary ianareo dia mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, na ianareo na ny sambotrareo.

20 Diovy koa ny fitafiana rehetra, ny lamba volon’osy rehetra, ary ny fanaka hazo rehetra.»

21 Hoy i Eleazara mpisorona tamin’ny lehilahy mpiantafika rehetra izay nandeha tany an’ady: «Izao no tapaky ny lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy:

22 Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny fira-potsy ary ny fira-mainty,

23 mbamin’ny zavatra rehetra sahy afo, ataovy amin’ny afo dia hadio izy; nefa mbola hodiovina amin’ny rano fandiovana izy. Ary izay rehetra tsy sahy afo, dia ataovy amin’ny rano.

24 Sasao ny lambanareo amin’ny andro fahafito; dia hadio ianareo, ka hahazo miditra amin’ny toby rehefa afaka izany.»

Fizarana ny remby

25 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

26 «Alaonao sy i Eleazara mpisorona ary ny loham-pianakaviana amin’ny fiangonana, ny isan’ny zavatra nentin-ko babo, na olona na biby fiompy,

27 ka zarao ny babo ho an’ny mpiady nandeha tany an-tafika sy ho an’ny fiangonana rehetra.

28 Ny an’ny miaramila niantafika angalao iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin’i Iaveh.

29 Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an’izany, ka omeo an’i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an’i Iaveh.

30 Ny antsasany ho an’ny zanak’i Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy biby fiompy rehetra, ka omeo an’ny Levita, izay miambina ny Fonenan’i Iaveh.»

31 Dia nataon’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

32 Tamin’ny zavatra norobainy, ny sisan’ny babo azon’ny mpanafika, dia nisy ondry 675.000,

33 omby 72.000,

34 boriky 61.000,

35 ary vehivavy mbola tsy nandry tamin-dehilahy 32.000.

36 Ny antsasany anjaran’ny tany an-tafika, dia ondry 337.500,

37 ka 675 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo;

38 omby 36.000, ka ny 72 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo;

39 boriky 30.500, ka 61 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo,

40 ary olona 16.000, ka 32 no anjara naloa ho an’i Iaveh tamin’ireo.

41 Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

42 Ny amin’ilay antsasany an’ny zanak’i Israely kosa, izay navahan’i Môizy tamin’ny an’ny mpanafika,

43 io antsasany an’ny fiangonana io, dia nisy ondry 337.500,

44 omby 36.000,

45 boriky 30.500,

46 ary olona 16.000.

47 Nangalan’i Môizy iray isan-dimampolo io antsasany an’ny zanak’i Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan’i Iaveh araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ireo fanatitra

48 Dia nanatona an’i Môizy ny lehiben’ny arivo amin’ny tafika, ny tomponarivo, sy tompon-jato, ka nanao taminy hoe:

49 «Efa naka ny isan’ny mpanafika fehinay izahay mpanomponao, ka tsy nisy latsaka isa izahay na dia iray aza.

50 Koa aterinay ho fanatitra ho an’i Iaveh kosa, ny firavaka volamena efa hitany avy, dia fehi-tanana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan’i Iaveh.»

51 Dia noraisin’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin’izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany.

52 Nisy 16.750 siklany volamena rehetra voaavaka nateriny ho an’i Iaveh avy amin’ny tomponarivo sy tompon-jato.

53 Ny mpanafika tamin’ny foloalindahy dia samy nahazo ny babony ho azy ihany.

54 Nony voarain’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ny volamena tamin’ny tomponarivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin’ny trano lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely eo anatrehan’i Iaveh.

Categories
Fanisana

Fanisana 32

Fizaràna ny tany ampitan’i Jordany

1 Ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada,

2 dia nanatona an’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ary ny lohan’ny fiangonana ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada ka nanao taminy hoe:

3 «I Atarôta, i Dibôna, i Jazera, i Nemrà, i Hesebona, i Eleale, i Nebô ary i Beôna,

4 izay tany nofaizin’i Iaveh teo anoloan’ny fiangonan’i Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy»,

5 ka hoy izy nanampy teny hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao izahay, dia aoka io tany io no homenao ho zarataninay mpanomponao, fa aza dia ampitaina any Jordany izahay.»

6 Fa izao no navalin’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena: «Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa va hijanona eto?

7 Nahoana ianareo no mampipetraka ny zanak’i Israely tsy hankany amin’ny tany omen’i Iaveh azy?

8 Mova tsy izao koa no nataon’ny rainareo, fony aho naniraka azy avy tany Kadesa-Barne hisafo ny tany.

9 Niakatra hatrany an-dohasahan’i Eskôla izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak’i Israely tsy hiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh azy.

10 Ary nirehitra ny fahatezeran’i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nianiana Izy nanao hoe:

11 ‹Tsy hisy hahita ny tany efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba homena azy, ireo olona niakatra avy tany Ejipta, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, satria tsy nanaraka Ahy tsara izy ireo,

12 afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone Kenezeanina, sy i Jôsoe zanak’i Nona, izay nanaraka tsara an’i Iaveh.›

13 Nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka nataony nirenireny tany an’efitra izy ireo nandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’i Iaveh.

14 Ary indreo ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, toy ny taranaky ny mpanota, ka hampitombo indray ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh amin’i Israely.

15 Fa raha mandà tsy hanaraka Azy ianareo, dia mbola avelany atỳ an’efitra i Israely, ka dia ianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao.»

16 Dia nanakaiky an’i Môizy izy ireo, ka nanao hoe: «Hanao vala ho an’ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an’ny zanakay madinika,

17 fa ny tenanay kosa dia vonon-kiady faingana handroso eo alohan’ny zanak’i Israely, mandra-pampiditray azy any amin’ny tany izay tsy maintsy hitoerany; fa ny zanakay no hitoetra amin’ny tanàna mimanda, noho ny amin’ny mponina amin’ny tany.

18 Tsy hody amin’ny tranonay izahay, raha tsy efa samy nahazo ny lovany avy ny zanak’i Israely.

19 Fa tsy hiara-mandray zaratany aminy any an-dafin’i Jordany izahay, na any ankoatran’izany, fa efa azonay atỳ an-dafin’i Jordany atỳ atsinanana ny anjara lovanay.»

20 Dia hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Raha izany àry no ataonareo ka hioman-kiady eo anatrehan’i Iaveh ianareo,

21 raha ny lehilahy rehetra mitam-piadiana ao aminareo no hita an’i Jordany eo anatrehan’i Iaveh, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anatrehany,

22 ka tsy hiverina raha tsy efa resy eo anatrehan’i Iaveh ny tany, dia afa-tsiny eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’i Israely ianareo, ary ho fanananareo eo anatrehan’i Iaveh ity faritany ity.

23 Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia indro manota amin’i Iaveh ianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo.

24 Aoreno àry ny tanàna ho an’ny zanakareo sy ny vala ho an’ny biby fiompinareo dia tanteraho koa ny teny naloaky ny vavanareo.»

25 Niteny tamin’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: «Izay nodidian’ny tompoko, dia hataon’ny mpanomponao.

26 Ny zanakay, ny vadinay, ny biby fiompinay sy ny biby manompo rehetra anananay, dia hitoetra eto amin’ny tanànan’i Galaada;

27 fa ny mpanomponao kosa rehefa mety ho lehilahy voaoman-kiady, dia handeha eo alohan’i Iaveh mba hiantafika araka ny tenin’ny tompoko.»

28 Dia nomen’i Môizy didy ny amin’ireo, i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona ary ny filoham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely.

29 Hoy izy taminy: «Raha mita an’i Jordany miaraka aminareo ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena, dia ny lehilahy rehetra voaoman-kiady eo anatrehan’i Iaveh, ka resy eo anatrehanareo ny tany, dia omeo ho fananany ny tany azo ao amin’i Galaada.

30 Fa raha tsy mandeha mitam-piadiana miaraka aminareo kosa izy, dia hitoetra eo afovoanareo any amin’ny tany Kanaana ihany.»

31 Dia namaly ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: «Hataonay izay nolazain’i Iaveh tamin’ny mpanomponao.

32 Handeha mitam-piadiana izahay ho any amin’ny tany Kanaana eo anatrehan’i Iaveh, ary ho raikitra atỳ andafin’i Jordany ny anjara fananana ho lovanay.»

33 Dia nomen’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, sy ny fanjakan’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.

34 Ny zanak’i Gada nanorina an’i Dibôna, i Atarôta, i Arôera,

35 i Atarôta-Sôfàna, i Jezera, i Jegbàa,

36 i Betnemrà ary i Betaràna, tanàna mimanda, ary nanao vala ho an’ny biby fiompy.

37 Ny zana-dRobena nanorina an’i Hesebona, i Eleale, i Kaariataïma,

38 I Nebô ary i Baalmeôna izay samy novany anarana ary i Sabamà, ka samy nomeny ny anarana ny tanàna naoriny.

39 Ny zanak’i Makira zanak’i Manase, nananika an’i Galaada, dia nahafaka azy, sy nandroaka ny Amôreana izay nonina tao.

40 Koa nomen’i Môizy an’i Makira, zanak’i Manase i Galaada, ary niorim-ponenana tao izy.

41 Dia nandroso i Jaïra zanak’i Manase, ka nahafaka ny zana-bohiny izay nantsoiny hoe Zanabohitr’i Jaïra.

42 Nandroso koa i Nobe, ka nahafaka an’i Kanata, mbamin’ny tanàna momba azy, dia nantsoiny hoe Nobe araka ny anarany izy.

Categories
Fanisana

Fanisana 33

Ireo toerana nitobiana, tamin’ny Eksaody

1 Izao no nitobian’ny zanak’i Israely nony nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin’ny fitondran’i Môizy sy i Aarôna.

2 Nalatsak’i Môizy an-tsoratra ny toerana niaingana araka ny nitobiany manaraka ny didin’i Iaveh, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany:

3 Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.

4 Ary ny Ejiptianina nandevina izay novonoin’i Iaveh teo aminy, dia ny lahy matoany rehetra, ary nahatran’i Iaveh tamin’ny andriamaniny koa ny fitsarana.

5 Nony niala teo Ramsesa ny zanak’i Israely, dia nitoby tao Sokôta.

6 Niala tao Sokôta izy, dia nitoby tao Etama, izay eo an-tsisin’ny efitra.

7 Niala tao Etama izy, dia nivily tao Fihahirôta, izay mifanandrify amin’i Beelsefôna, ka nitoby teo anoloan’i Magdalôma.

8 Niala teo anoloan’i Fihahirôta izy, dia nita ny ranomasina ho any an’efitra. Nony nandeha lalan-kateloana tany an’efitra Etama izy dia nitoby tao Marà.

9 Niala tao Marà izy dia tonga teo Elima izay nisy loharano 12, ka nitoby tao.

10 Niala tao Elima izy, dia nitoby teo amoron’ny Ranomasina Mena.

11 Niala teo amin’ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an’efitra Sina.

12 Niala tany an’efitra Sina izy, dia nitoby tao Dafkà.

13 Niala tao Dafkà izy, dia nitoby tao Alosy.

14 Niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Rafidima, ary tsy nisy rano tao hosotroin’ny vahoaka.

15 Niala tao Rafidima izy, dia nitoby tany an’efitra Sinaia.

16 Niala tany an’efitra Sinaia izy, dia nitoby tao Kibrôta-Hataavà.

17 Niala tao Kibrôta-Hataavà izy, dia nitoby tao Aserôta.

18 Niala tao Aserôta izy, dia nitoby tao Retmà.

19 Niala tao Retmà izy, dia nitoby tao Remônfaresa.

20 Niala tao Remônfaresa izy, dia nitoby tao Lebnà.

21 Niala tao Lebnà izy, dia nitoby tao Resà.

22 Niala tao Resà izy, dia nitoby tao Keelatà.

23 Niala tao Keelatà izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera.

24 Niala tao an-tendrombohitra Sefera izy, dia nitoby tao Aradà.

25 Niala tao Aradà izy, dia nitoby tao Makelôta.

26 Niala tao Makelôta izy, dia nitoby tao Tahata.

27 Niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tare.

28 Niala tao Tare izy, dia nitoby tao Metkà.

29 Niala tao Metkà izy, dia nitoby tao Hesmônà.

30 Niala tao Hesmônà izy, dia nitoby tao Môserôta.

31 Niala tao Môserôta izy, dia nitoby tao Bene-Jaakàna.

32 Niala tao Bene-Jaakàna izy, dia nitoby tao Hôr-Gadgada.

33 Niala tao Hôr-Gadgada izy, dia nitoby tao Jetebata.

34 Niala tao Jetebata izy, dia nitoby tao Hebrôna.

35 Niala tao Hebrôna izy, dia nitoby tao Asiôngabera.

36 Niala tao Asiôngabera izy, dia nitoby tao Kadesy.

37 Niala tao Kadesy izy, dia nitoby tany an-tendrombohitra Hôra, tao an-tsisin’ny tany Edôma.

38 Niakatra tao an-tendrombohitra Hôra i Aarôna mpisorona araka ny didin’i Iaveh, dia maty tao izy tamin’ny taona fahefapolo taorian’ny nivoahan’ny zanak’i Israely tany amin’ny tany Ejipta, volana fahadimy, andro voalohan’ny volana.

39 Efa 123 taona i Aarôna, tamin’izy maty tao an-tendrombohitra Hôra.

40 Ary ren’ilay Kananeanina mpanjakan’i Arada izay nonina teo Negeba amin’ny tany Kanaana fa hoe tamy ny zanak’i Israely.

41 Niala tao an-tendrombohitra Hôra izy, dia nitoby tao Salmonà.

42 Niala tao Salmonà izy, dia nitoby tao Fonôna.

43 Niala tao Fonôna izy, dia nitoby tao Obôta.

44 Niala tao Obôta izy, dia nitoby tao Ije-Abarima, amin’ny sisin-tanin’i Moaba.

45 Niala tao Ije-Abarima izy, dia nitoby tao Dibôn-Gada.

46 Niala tao Dibôn-Gada izy, dia nitoby tao Helmôn- Delbataïma.

47 Niala tao Helmon-Delbataïma izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Abarima tandrifin’i Nebao.

48 Niala tao an-tendrombohitra Abirama izy, dia nitoby tao amin’ny tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.

49 Ny moron’i Jordany nitobiany, dia hatreo Betsimôta, ka hatrany Abela-Setima amin’ny tany lemak’i Moaba.

Fizarana amin’i Kanaana. Didy avy amin’Andriamanitra

50 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tao amin’ny tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany tandrifin’i Jerikô nanao hoe:

51 Mitenena amin’ny zanak’i Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, ka efa any amin’ny tany Kanaana,

52 dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;

53 dia alao ho anareo ny tany, ka oneno, fa efa nomeko anareo ny tany hanananareo azy.

54 Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.

55 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo kosa ny mponina amin’ny tany dia ho tsilo amin’ny masonareo sy fitsindrona amin’ny lanivoanareo izay sisa tavela aminy. Ka ny fanao amin’ny fahavalo no hataony aminareo amin’ny tany honenanareo.

56 Ary Izaho hampihatra aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

Categories
Fanisana

Fanisana 34

Faritr’i Kanaana

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Mandidia ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana ianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy.

3 Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,

4 dia miolaka mianatsimo amin’ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon’i Kadesy-Barne, mitohy amin’ny Hatsar-Adara, mihazo any Asemôna,

5 ary hatreo Asemôna, dia mipaka hatrany amin’ny riakan’i Ejipta, sy mihatra amin’ny ranomasina.

6 Ny faritra andrefana kosa, dia ny ranomasina Lehibe no ho faritrareo; io no hamaritra anareo amin’ny andrefana.

7 Izao no sisin-taninareo amin’ny avaratra. Avy ao amin’ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hôra;

8 avy ao an-tendrombohitra Hôra, dia hofaritanareo mankao amin’ny vavahadin’i Hamata ka tonga hatrany Sedada io faritra io;

9 dia hitohy amin’ny Jefrôna sy ho tafapaka any Hatsar-Enàna: Izany no ho faritrareo amin’ny avaratra.

10 Ny sisin-taninareo any atsinanana dia hatreo Hatsar-Enàna ka hatrany Sefama;

11 ary ny faritra dia midina avy eo Sefama mankany Reblà, atsinanan’i Aïna; dia mbola midina mitohy manaraka ny havoana eo an-tsisin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana,

12 ary midina ny faritra manaraka ny moron’i Jordany ka tafapaka hatramin’ny Ranomasin-tSira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy.

13 Izao no nandidian’i Môizy ny zanak’i Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin’ny filokana sy nodidian’i Iaveh homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.

14 Fa ny fokon’ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviany avy, sy ny fokon’ny zanak’i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon’i Manase efa nandray ny lovany.

15 Samy efa naka ny anjara lovany atỳ an-dafin’i Jordany hitsin’i Jerikô amin’ny lafiny any atsinanana, amin’izay hiposahan’ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko.

Ireo notendrena hizara ny tany

16 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17 Izao no anaran’ny lehilahy hizara ny tany aminareo: Eleazara, mpisorona, sy Jôsoe, zanak’i Nona.

18 Ary lehilahy iray isam-poko no halainareo hizara ny tany,

19 ka izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Kaleba zanak’i Jefone, amin’ny fokon’i Jodà,

20 Samoela zanak’i Amioda amin’ny fokon’i Simeôna,

21 Elidada zanak’i Kaslôna amin’ny fokon’i Benjamina,

22 Boksỳ izay filohany, zanak’i Jôglỳ amin’ny fokon’ny zanak’i Dana.

23 Ny amin’ny zanak’i Josefa: Haniela izay filohany, zanak’i Efôda, amin’ny fokon’ny zanak’i Manase;

24 ary Kamoela izay filohany, zanak’i Seftàna amin’ny fokon’ny zanak’i Efraima;

25 Elisafàna, izay filohany, zanak’i Farnàka, amin’ny fokon’ny zanak’i Zabolôna

26 Faltiela izay filohany, zanak’i Ozana, amin’ny fokon’ny zanak’i Isakara;

27 Ahioda izay filohany, zanak’i Salômỳ, amin’ny fokon’ny zanak’i Asera;

28 Fedaela izay filohany, zanak’i Amioda, amin’ny fokon’ny zanak’i Neftalì.

29 Ireo no nodidian’i Iaveh hizara ny tany Kanaana amin’ny zanak’i Israely.

Categories
Fanisana

Fanisana 35

Tanàna ho an’ny Levita

1 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh tao an-tany lemak’i Moaba amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikao nanao hoe:

2 «Omeo didy ny zanak’i Israely hanome tanàna ho an’ny Levita avy amin’ny lova hananany avy, mba honenany ao. Homenareo tany fiandrasam-biby manodidina izany tanàna izany koa ny Levita.

3 Hanana ny tanànany izy honenany, ary ny tany fiandrasam-biby, dia ho an’ny biby vaventy fiompiny sy ny fananany mbamin’ny bibiny rehetra.

4 Ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna homenareo ny Levita, dia ho arivo hakiho manodidina hatreo amin’ny mandan’ny tanàna avy eo ivelany.

5 Any ivelan’ny tanàna ianareo handrefy 2.000 hakiho amin’ny lafiny atsinanana, 2.000 hakiho amin’ny lafiny atsimo, 2.000 hakiho amin’ny lafiny andrefana, 2.000 hakiho amin’ny lafiny avaratra, ka dia ho ao afovoany ny tanàna. Izany no ho tany fiandrasam-biby momba ny tanànan’izy ireo.

6 «Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana 6, izay halaminareo handosiran’izay nahafaty olona; ary fanampin’izany dia homenareo tanàna hafa 42 koa izy,

7 dia ho 48 izany no ho tanàna homenareo ny Levita omban’ny tany fiandrasam-bibiny avy.

8 Ny zaratanin’ny zanak’i Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin’ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.»

Tanàna fialofana

9 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

10 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafita an’i Jordany ka efa any amin’ny tany Kanaana ianareo,

11 dia mifidiana tanàna ho tanàna fialofana ho anareo, mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.

12 Izany tanàna izany, dia ho fialofana ho anareo tsy ho azon’ny mpamaly ra; mba tsy hovonoina, alohan’ny hisehoany hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana izay nahafaty olona.

13 Ka amin’ny tanàna homenareo, dia enina no ho tanàna fialofana ho anareo.

14 Ny tanàna telo homenareo etỳ an-dafin’i Jordany ary ny tanàna telo homenareo any amin’ny tany Kanaana.

15 Ireo no ho tanàna fialofana, ary ireo tanàna enina ireo, dia ho fialofana ho an’ny zanak’i Israely, ho an’ny vahiny ary ho an’izay mitoetra eo aminareo, mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.

16 Raha namely vy olona izy ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona.

17 Raha namely azy, ka vato mety hahafaty olona no teny an-tanany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona.

18 Raha namely azy, ka fiasana hazo mety hahafaty olona no teny an-tanany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona.

19 Ny mpamaly ra no hamono ny mpamono olona; amin’izay hifanenany aminy no hamonoany azy.

20 Raha nampitsingadina olona izy, noho ny fankahalany, na nitoraka zavatra tamin’olona tamin’ny fanotrehana, ka nahafatesany azy izany,

21 na namely tanana azy, noho ny fankahalana, ka nahafatesany azy izany, dia hohelohin-ko faty izay namely, fa mpamono olona; ary ny mpamaly ra no hamono azy rehefa hifanena aminy izy.

22 Fa raha nampitsingadina olona tsy nahy kosa izy, tsy noho ny fankahalana azy, na nitoraka zavatra taminy tsy nikendreny azy,

23 na nanjera vato tsy nahy taminy, mety hahafaty, ka nahafatesany azy izany, nefa tsy fahavalony izy, na nitady hanisy ratsy azy,

24 dia hotsarain’ny fiangonana araka izany lalàna izany ilay namely sy ny mpamaly ra;

25 ary hanafaka ilay nahafaty olona amin’ny mpamaly ra ny fiangonana, hamerina azy ho any amin’ny tanàna fialofana izay nandosirany, dia hitoetra ao izy, mandra-pahafatin’izay mpisorom-be voahosotra tamin’ny diloilo masina.

26 Raha mivoaka ny faritry ny tanàna fialofana izay nandosirany ilay nahafaty olona,

27 ka azon’ny mpamaly ra any ivelan’ny faritry ny tanàna fialofana, ka vonoin’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona, dia tsy heloka ho azy izany vonoana izany;

28 satria tsy maintsy mitoetra ao an-tanàna fialofana izay nahafaty olona mandra-pahafatin’ny mpisorom-be; fa rehefa maty ny mpisorom-be vao mahazo mody any amin’ny zarataniny ilay nahafaty olona.

29 Ireo lalàna ireo, dia mametra ny rariny harahinareo, ianareo sy ny taranakareo na aiza na aiza honenanareo.

30 Raha misy olona nahafaty namana, dia ny filazàn’ny vavolombelona no hanamelohan-ko faty izay nahafaty olona, fa raha vavolombelona iray ihany kosa tsy ampy ny filazàny hanamelohana olona ho faty.

31 Aza mandray avotra aina amin’ny mpamono olona mendrika hovonoina noho ny heloka nataony, fa tsy maintsy atao maty izy.

32 Aza mandray avotra amin’izay nandositra ho ao an-tanàna fialofana, mba hahazoany mody hitoetra any amin’ny taniny, alohan’ny fahafatesan’ny mpisorom-be.

33 Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany.

34 Aza manevateva ny tany onenanareo sy onenako koa, fa Izaho no Iaveh mitoetra eo afovoan’ny zanak’i Israely.

Categories
Fanisana

Fanisana 36

Lova ho an’ny vehivavy manambady

1 Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:

2 «Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.

3 Koa raha manambady ny zanaka lahin’ny foko hafa amin’ny zanak’i Israely izy ireo, dia hoesorina amin’ny anjara lovan’ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin’ny anjara lovanay.

4 Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»

5 Ary nanome izao didy izao i Môizy ho an’ny zanak’i Israely araka ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Marina ny tenin’ny fokon’ny zanak’i Josefa.

6 Ka izao no didin’i Iaveh ny amin’ny zanaka vavin’i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany no ho vadiny;

7 dia tsy hifindra maso ny lovan’ny zanak’i Israely, fa samy ho eo amin’ny lovan’ny fokon-drainy avy no hipetrahan’ny zanak’i Israely.

8 Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak’i Israely rehetra.

9 Tsy hisy lova hifindra maso any amin’ny foko hafa, fa ny fokon’i Israely rehetra samy hipetraka amin’ny lovany avy.»

10 Dia nanao araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny zanaka vavin’i Salfaada.

11 Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanaka vavin’i Salfaada: I Maalà, i Tersà, i Heglà, i Melkà sy i Nôà;

12 nanambady teo amin’ny fianakavian’ny zanak’i Manase zanak’i Josefa izy ireo, ka dia nipetraka tamin’ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany.

13 Ireo no didy aman-dalàna nomen’i Iaveh ny zanak’i Israely tamin’ny alalan’i Môizy, teo an-tany lemak’i Moaba, amoron’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.