Categories
Filipianina

Filipianina 1

Fiarahabana

1 I Paoly sy i Timote, mpanompon’i Jesoa Kristy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny Pretrasy ny Diakra any Filipy:

2 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka

3 Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho;

4 ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra,

5 noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;

6 sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.

7 Ary rariny ny iheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko ianareo rehetra, noho ianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin’ny fifatorako, na amin’ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely.

8 Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoaindrindra aho.

9 Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,

10 mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo,

11 ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

Ny ataon’izy Paoly

12 Tiako ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa efa tonga fampandrosoana ny Evanjely ny zavatra nanjò ahy,

13 satria efa vaky ato an-trano fiambenana sy any ivelany izao, fa noho i Kristy no ifatorako;

14 ka nahazo toky noho ny fifatorako ny ankabeazan’ny rahalahy ao amin’ny Tompo, ary voa mainka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy aman-tahotra.

15 Marina fa noho ny fialonana sy fifandirana no itorian’ny sasany an’i Kristy, nefa ao koa ny manao an-katsaram-po tokoa,

16 ka ny an’ireto dia fitiavana no anaovany, satria fantany fa voatendry hampandresy lahatra ny Evanjely aho;

17 fa ny an’irerỳ kosa dia tsy fo mahitsy no itoriany an’i Kristy, fa an-kasomparana kendreny hanampy fahoriana ny fifatorako.

18 Nefa mampaninona moa izany e? Rehefa i Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza.

19 Satria fantatro fa hody ho famonjena ahy izany, noho ny fivavahanareo sy noho ny fitahian’ny Fanahin’i Kristy;

20 tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin’inona na amin’inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy, na velona aho, na maty.

21 Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

22 Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran’ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko,

23 fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra:

24 nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo.

25 Ary izany indrindra no ampoiziko sy fantatro, dia ny hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra, mba hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo.

26 Ka dia hitombo ao amin’i Kristy Jesoa ny reharehanareo noho ny amiko, amin’ny hankanesako atỳ aminareo indray.

Tolona hiarovana ny finoana

27 Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,

28 ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny fahaverezana izany ho azy ireo, fa mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin’Andriamanitra izany.

29 Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa,

30 dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny.

Categories
Filipianina

Filipianina 2

Miombona sy manetry tena

1 Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,

2 dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,

3 tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,

4 samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.

5 Manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao:

6 na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,

7 fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,

8 ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.

9 Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatrany anarana rehetra,

10 mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany,

11 ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

12 Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao,

13 fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.

14 Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra,

15 mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,

16 mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana.

17 Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidinahampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.

18 Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.

Asa anirahana an’i Timote sy i Epafrôdita

19 Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo;

20 fa tsy manana olona miray fo amiko sy mazoto miahy anareo toy izany aho.

21 Ny rehetradia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy;

22 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra tokoa; niara-niasa tamiko tamin’ny Evanjely izy, toy ny zanaka miaraka amin-drainy.

23 Koa dia manantena ny haniraka azy ho atỳ aminareo aho, raha vao hitako izay ho toetrako.

24 Ary na dia ny tenako aza, araka ny tokiko ao amin’ny Tompo, dia mbola ho avy faingana koa.

25 Nihevitra anefa aho fa i Epafrôdita rahalahiko, sady mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, ary irakareo hanompo ahy amin’ny zavatra ilaiko, dia tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo aloha;

26 fa efa manina anareo rehetra izy, sady nalahelo noho ny nandrenesanareo azy hoe narary.

27 Narary saika maty tokoa izy, fa Andriamanitra namindra fo taminy; ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo mitongoa alahelo.

28 Koa dia ny nandefa azy no nahazoto ahy kokoa, mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, sy hahamaivamaivana kokoa ny alaheloko.

29 Raiso an-kafaliana ao amin’ny Tompo àry izy; ary hajao ny olona toy izany;

30 fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra

Categories
Filipianina

Filipianina 3

Ny lalam-pamonjena ho an’ny kristianina

1 Farany, ry kristianina havana, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.

2 Mitandrema tena amin’ireo amboa, mitandrema tena amin’ireo mpiasa ratsy, mitandrema tena amin’ireo manan-takaitra!

3 Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.

4 Mba manana izay hitokiako amin’ny nofo ihany anefa aho, ka raha ny olon-kafa aza manao azy ho afa-mitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho;

5 fa izaho dia isan’ny voafora tamin’ny andro fahavalo, taranak’i Israely avy amin’ny fokon’i Benjamina, Hebrio teraky ny Hebrio; Farisianina aho, raha ny amin’ny Lalàna;

6 mpanenjika ny Eglizy, raha ny amin’ny zotom-po; tsy nanan-tsiny, raha ny amin’ny fahamarinana ny amin’ny Lalàna.

7 Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy.

8 Eny, mbola ataoko faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra,

9 mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;

10 mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,

11 sy hahatratra ny fitsangananaavy any amin’ny maty, raha azoko atao.

12 Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary; fa miezaka aho mba hahatratra izay nahatratraran’i Kristy Jesoa ahy.

13 Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako;

14 mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,

15 Aoka àry hiray amin’izany ny hevitsika rehetra efa lavorary; ary raha mbola misy zavatra sasany iheveranareo hafa noho izany, dia Andriamanitra no hanazava anareo ny amin’izany.

16 Ny efa azontsika anefa dia aoka hizorantsika, toraka ny efa nataontsika hatramin’izao.

17 Ry kristianina havana, makà tahaka ahy ianareo; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay.

18 Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.

19 Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.

20 Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,

21 Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.

Categories
Filipianina

Filipianina 4

1 Koa amin’izany, ry havako malala, mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatroboninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo araka izany, ry malalako.

Torohevitra farany

2 Mangataka amin’i Evôdia aho, ary mihanta amin’i Sintikea, mba hifanara-kevitra tsara ao amin’ny Tompo izy.

3 Ary ianao kosa, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, dia mangataka aminao aho mba hanampy azy roa vavy amin’izany koa, fa izy ireo no niara-niady tamiko teo amin’ny Evanjely, dia izy sy i Clément mbamin’ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay efa ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.

4 Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; eny averiko indray: mifalia e!

5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo: efa akaiky anie ny Tompo e!

6 Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.

7 Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

8 Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.

9 Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

Fisaorana noho ny fanampiana nalefa

10 Nahazo hafaliana lehibe ao amin’ny Tompo aho, fa indro hitako mamòny indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy.

11 Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin’izay ananako aho,

12 ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.

13 Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;

14 nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.

15 Ary fantatrareo koa, ry Filipianina, fa tamin’ny niandohan’ny Evanjely, rehefa niala tany Masedônia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin’ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy ianareo ihany.

16 Fony aho tany Tesalonika aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa.

17 Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko.

18 Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.

19 Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.

20 Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

Veloma sy firariana farany

21 Veloma any amin’ny olona masina rehetra, ao amin’i Kristy Jesoa.

22 Manao veloma anareo ny havana iray finoana izay ato amiko; manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ry zareo ao an-dapan’i Sezara.

23 Ho ao amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo.