Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 1

FITOMANIANA VOALOHANY

1 Ahoana re no mitoetra manirery ity,

ilay tanàna be olona!

Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena!

izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany,

natao mpandoa hetra.

2 Mitomany amin’alahelo izy, mandritra ny alina,

vonton-dranomaso ny takolany,

tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra;

nivadika taminy ireo namany rehetra,

ka tonga fahavalony.

3 I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana,

voaheloka hiasa mafy;

mitoetra any amin’ny firenena,

tsy mahita fitsaharana;

tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.

4 Misaona ny lalan’i Siôna,

fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny.

Rava avokoa ny vavahadiny,

mitaraina ny mpisorony,

miferinaina ny virjininy

ary tra-pahoriana mangidy izy.

5 Ny mpampahory azy mahery,

ny fahavalony miadana;

fa izy nampahorin’i Iaveh,

noho ny hamaroan’ny fahadisoany.

Ny zanany madinika lasan-ko babo,

eo anoloan’ny mpampahory.

6 Afaka amin’ny zanaka vavin’i Siôna

ny voninahitra rehetra;

Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa

tsy mahita vilona

ka mandeha tsy manan-kery,

eo anoloan’ny manenjika azy.

7 Tsaroan’i Jerosalema

amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny

ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany,

hatry ny andro fahagola.

Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony,

sady tsy misy mamonjy azy,

dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy

ny fifadiany asa.

8 Nampitombo ny fahotany i Jerosalema,

ka tonga zava-maloto;

mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy,

fa nahita ny fitanjahany;

mandefa feo mitoloko koa izy,

sady miamboho.

9 Miseho eo ambany rambon’akanjony ny lotony;

tsy nitsapa ny farany izy;

ka mahagaga ny nahalavoany;

sady tsy misy mampionona azy

«Iaveh ô, jereo ity fahantrako,

fa mahery ny fahavalo!»

10 Nandroso ny tanany ny mpampahory

naka ny zava-tsoany rehetra;

fa hitany ny firenena,

niditra tao amin’ny fitoerany masina,

dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe:

Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!

11 Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy;

izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina,

izay mampody aina ao aminy.

«Jereo Iaveh ô, zahao

ity fietrena nilatsahako.»

12 Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana,

jereo ka mahità,

raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao,

dia izaho izay nokapohin’i Iaveh,

tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.

13 Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony,

afo mandoro azy;

novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro,

ka nampihemotra ahy;

nahatrany tamiko ny fahoriana

ka reraka mandritra ny andro izao aho.

14 Ny jiogan’ny fahotakodia voafehy, tao an-tanany;

voatambatra ho fehezany ireny,

ka mitambesatra amin’ny vozoko,

nataony mihozohozo ny heriko.

Natolotry ny Tompo eo an-tanan’izay tsy leoko aho.

15 Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra,

izay teto afovoako;

niantso tafika hamely ahy Izy,

nanorotoro ny zatovo lahiko;

nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka,

ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.

16 Izany no itomaniako,

ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko;

fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy,

mamelombelona ny aiko.

Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.

17 Mananty tanan-droa i Siôna, …

Tsy misy mampionona azy!

Nantsoin’i Iaveh hamely an’i Jakôba,

ny fahavalony ka manarona azy izy.

Eo afovoan’izy ireo i Jerosalema,

dia zary toa zava-maloto.

18 Tena marina i Iaveh,

satria efa nandà ny didiny aho.

Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa ianareo,

ary mijere ny alaheloko:

ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.

19 Niantso lehilahy mpitia ahy aho, fa nofitahiny;

ny mpisoroko aman-doholona maty ao an-tanàna,

tamin’ilay izy nitady hanina iny hamelomany ny ainy.

20 Iaveh ô, jereo ity fahoriako!

Mangotika ny atiko;

mikorontana ny foko ato anatiko,

fa niodina dia niodina tokoa aho.

Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako,

ao an-trano, fahafatesana koa!

21 Ren’ny olona ny fitolokoko,

nefa tsy misy mampionona ahy izy.

Raha nandre ny manjò ahy ny fahavaloko rehetra,

dia mifaly izy, satria niasa Ianao.

Hampiavy ny andro voalazanao Ianao,

ka ho tonga toa ahy koa ireo!

22 Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian’ireo,

mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko

noho ny fahadisoako rehetra!

Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 2

FITOMANIANA FAHAROA

1 Ahoana re no nanaronan’ny Tompo rahona,

noho ny fahatezerany

ny zanaka vavin’i Siôna?

Navariny aman-tany avy any an-danitra,

ny hatsarana kanton’i Israely,

tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony,

tamin’ny andro fahatezerany rehetra.

2 Noravan’ny Tompo, tsy nananany antra,

ny fonenan’i Jakôba rehetra.

Narodany tamin’ny hatezerany

ny mandan’ny zanaka vavin’i Jodà.

Nazerany amin’ny tany ireo; nohamavoiny

ny fanjakana ama-mpanjaka.

3 Noho ny fahatezerany mirehitra

notapahiny avokoa ny herin’i Israely;

ny tanany ankavanana, nahemony

teo anoloan’ny fahavalony;

toy ny afo midedadeda

no narehiny teo amin’i Jakôba,

mandevona ny manodidina rehetra.

4 Nanenjan-tsipìka toy ny ataon’ny fahavalo Izy

aty naninjitra ny tanany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra;

ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso;

tamin’ny lain’ny zanaka vavin’i Siôna

naidiny toy ny afo ny fahatezerany.

5 Nanao toy ny fahavalo ny Tompo:

I Israely noravany;

ny lapany noravany avokoa;

ny mandany narodany;

ny fijalian’ny zanaka vavin’i Siôna

notongoaviny fijaliana.

6 Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly;

noravany ny fitoerany masina.

Nataon’i Iaveh nitsahatra tao Siôna

ny fety aman-tsabatra;

tamin’ny firehetan’ny hatezerany dia nariany amim-panesoana

ny mpanjaka ama-mpisorona.

7 Nanjary sosotra tamin’ny ôteliny ny Tompo

sy madikidiky amin’ny fitoerany masina.

Natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo

ny mandan’ny lapany;

dia nisy nihorakoraka

toy ny amin’ny andro fety tao an-tranon’i Iaveh.

8 Nosainin’i Iaveh ny handrava

ny mandan’ny zanaka vavin’i Siôna,

dia nohenjaniny ny famolaina,

tsy nahemony tsy handrava, ny tanany;

nataony misaona ny manda sy ny manda ivelany,

niara-nitsingidina amin’alahelo ireo.

9 Ny vavahadiny tafalentika amin’ny tany,

novakìny, notapahiny ny hidiny,

ny mpanjakany ama-mpanapaka efa any amin’ny firenena,

tsy misy intsony ny lalàna,

ny mpaminany aza tsy mandray

fahitana avy amin’i Iaveh intsony.

10 Mipetraka mangina amin’ny tany,

ny loholon’ny zanaka vavin’i Siôna;

nasiany vovoka ny lohany;

mitafy lasàka mitanondri-doha amin’ny tany,

ny virjinin’i Jerosalema.

11 Levona azon’ny ranomaso ny masoko,

mangotika ny atiko;

mitsonika amin’ny tany ny atiko,

noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako,

raha ilay toran’ny harerahana iny

ny ankizy aman-jaza minono,

any amin’ny kianjan’ny tanàna.

12 Hoy izy amin-dreniny:

Aiza no misy mofo sy divay?

dia lavo toy ny voan’ny sabatra izy;

eny amin’ny kianjan’ny tanàna,

ary miala aina eny an-trotroan’ny reniny.

13 Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao,

ry zanaka vavin’i Jerosalema?

Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao,

ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna?

Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao;

iza no hanasitrana anao?

14 Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao,

dia fahitana mpamitaka sy foana:

Tsy naneho ny helokao taminao izy,

mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana,

fa ny nolazainy taminao ho fahitana,

dia teny mandainga sy mandrebireby.

15 Miteha-tanana avokoa ny amin’ny momba anao,

izay rehetra mandeha amin’ny lalana;

misitrîsitra sy mihifikifi-doha

amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

«Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary

fifalian’ny tany rehetra?»

16 Misanasana vava mamely anao

ny fahavalonao rehetra;

misitrîsitra mikitro-nify,

manao hoe: «Nolevonintsika izy!

Ity no ilay andro nandrasantsika,

tratrantsika izy, hitantsika izy!»

17 Nataon’i Iaveh izay nokasainy;

notanterahiny ny teniny

izay efa nolazainy hatramin’ny andro taloha;

nandrava Izy fa tsy niantra,

nampifaly ny fahavalo noho ny aminao Izy;

nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao Izy.

18 Mitaraina amin’ny Tompo ny fon’izy ireo!

Ry mandan’ny zanaka vavin’i Siôna ô!

Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao,

andro aman’alina;

aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao!

Aza mety mijanona akory.

19 Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina,

hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana;

aidino hoatra ny rano ny fonao,

eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo!

Manandrata tanana aminy,

ho an’ny ain’ny zanakao madinika,

izay lavo toran’ny hanoanana,

eny an-joron-dalana rehetra eny.

20 Iaveh ô, jereo ka diniho:

Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana?

Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve?

Dia ny zanany madinika izay malalany?

Endrey! Mba efa vonoina eo amin’ny fitoerana masin’ny Tompo,

na ny mpisorona na ny mpaminany!

21 Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe,

ny ankizy sy ny anti-dahy;

ny virjiniko aman-jatovoko,

lavon’ny sabatra;

namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao;

namono tsy nanana antra ianao!

22 Nantsoinao, hoatra ny amin’ny andro fety,

ny fampangorohoroana ahy hatraiza hatraiza;

tamin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh,

tsy nisy afa-nidify na nandositra:

naringan’ny fahavaloko

izay notiaviko sy nobeaziko!

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 3

FITOMANIANA FAHATELO

1 Izaho no ilayolona nahita ny fahoriana

tamin’ny tsora-kazon’ny fahatezerany.

2 Nentiny sy nampandehaniny aho

tamin’ny haizina fa tsy tamin’ny mazava.

3 Izaho irery no asiany

dia asian’ny tanany mandritra ny andro.

4 Ny nofo aman-koditro, nataony korotika;

ny taolako notapatapahiny.

5 Nanorina izay hamelezany ahy izy;

notemerany ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.

6 Nampitoeriny amin’ny maizina,

toy ny efa maty fahagola aho.

7 Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka;

novesarany gadra vy.

8 Na mitaraina sy miangavy aza aho,

tampenany avokoa ny fidiran’ny fivavahako.

9 Notampenany vato voapaika ny lalako;

nakorokorony ny sakeli-dalako.

10 Mova izy amiko tsy ny orsa manotrika

sy ny liona manotrika iny.

11 Naviliny ny lalako, dia noviravirainy aho,

ka nataony fandao!

12 Nanenjika ny tsipìkany izy; dia izaho no napetrany

hokendreny amin’ny zana-tsipìkany.

13 Natanterany ny valahako

ny zanaky ny tranon-jana-tsipìkany;

14 efa fihomehezan’ny vahoakako rehetra aho,

ataony an-kira mandritra ny andro.

15 Novokisany zava-mangidy aho,

nobobòhany absinta.

16 Nampikosohiny fasika ny nifiko;

nasitriny tao anaty lavenona aho.

17 Ny fanahiko voasintona mafy lavitra ny fahatokiana,

ny fifaliana efa hadinoko,

18 ka hoy aho: «Very ny heriko,

mbamin’ny fanantenako an’i Iaveh.»

19 Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako,

ny absinta aman’afero!

20 Mahatsiaro izany mandrakariva ny fanahiko,

ka reraka ato anatiko izy.

21 Izao no hotsarovako ato anatin’ny foko,

ka dia izany no mba hanantenako.

22 Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika,

fa tsy lany ny famindram-pony.

23 Mihavao isa-maraina izany;

lehibe ny fahamarinanao!

24 I Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko,

koa Izy no hanantenako.

25 Tsara fo i Iaveh amin’izay manantena Azy,

amin’ny fanahy mitady Azy.

26 Tsara ny miandry amim-panginana,

ny famonjen’i Iaveh.

27 Tsara ho an’ny olona ny mitondra

ny jioga hatramin’ny fahatanorany.

28 Aoka hitoetra irery amim-panginana izy,

raha ampitondrain’Andriamanitra an’izany.

29 Aoka hanohoka ny vavany amin’ny vovoka izy;

angamba misy hantenaina!

30 Aoka hanolotra ny takolanyamin’izay mamely azy izy;

aoka hivoky latsa izy!

31 Satria ny Tompo tsy manary mandrakizay;

32 fa raha mampahory Izy, dia mangoraka,

araka ny famindram-pony lehibe;

33 Ary tsy satriny ny manetry,

na mampahory ny zanak’olombelona.

34 Raha hitsakitsahin’ny olona amin’ny tongony,

ny babo rehetra amin’ny tany;

35 raha manana ny rariny no ampandeferin’ny olona,

eo anatrehan’ny Avo indrindra;

36 raha misy mampidi-doza ny olona amin’ny adiny,

moa tsy ho hitan’ny Tompo va izany?

37 Iza moa no niteny, dia tanteraka izany,

raha tsy efa voadidin’ny Tompo?

38 Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no mivoaka

ny soa sy ny loza?

39 Ka ahoana no itarainan’ny olombelona raha mbola velona izy?

Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!

40 Aoka isika samy handinika ny lalany sy hamantatra azy,

ka hiverina amin’i Iaveh,

41 amin’Andriamanitra any an-danitra:

Asondroty ny fontsika mbamin’ny tanantsika.

42 Izahay dia efa nanota, efa niodina;

Ianao tsy namela heloka.

43 Nisarona ny fahatezeranao Ianao, dia nejehinao izahay,

novonoinao tsy nanananao antra:

44 Nisarona rahona Ianao,

tsy hisy hidiran’ny fivavahana.

45 Nataonao fakofako amam-paikan-javatra

eo afovoan’ny firenena izahay.

46 Misanasana vava aminay avokoa

ny fahavalonay rehetra;

47 ny tahotra aman-davaka no anjaranay,

sy ny fandravana amam-pandringanana.

48 Ranomaso mandriaka no mijononòka amin’ny masoko,

noho ny fandravana ny zanaka vavin’ny vahoakako.

49 Mitomany tsy mijanona ny masoko,

satria tsy misy hiainana,

50 mandra-pitsinjony sy ijeren’i Iaveh

any an-tampon’ny lanitra.

51 Mampidi-pahoriana amin’ny fanahiko ny masoko,

noho ny amin’ireto zanaka vavin’ny tananako rehetra.

52 Manenjika ahy, hoatra ny fanenjika fody,

ireo mpankahala ahy tsy ahoana tsy ahoana.

53 Nitady hamono ny aiko tao anatin’ny lavaka izy ireo,

dia efa nandatsaka vato hanindry ahy.

54 Nisondrotra mihoatra ny lohako ny rano,

ka hoy aho: «Maty aho!»

55 Iaveh ô, niantso ny Anaranao

tany anaty lavaka lalina aho.

56 Renao ny feoko: «Aza manentsin-tadìny,

amin’ny fisentoako, amin’ny fitarainako!»

57 Tamin’ny andro niantsoako anao, nanatona Ianao,

dia nanao hoe: «Aza matahotra!»

58 Tompo ô, niandraikitra ny adiko Ianao,

namonjy ny aiko.

59 Hitanao, ry Iaveh, ny anaovany an-keriny amiko,

omeo ny rariny aho!

60 Hitanao avokoa ny lolom-pony

sy ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy.

61 Renao avokoa, ry Iaveh, ny latsa ataony,

ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy,

62 ny resaky ny fahavaloko mbamin’ny fisainany

hamely ahy mandritra ny andro.

63 Jereo, fa na mipetraka izy ireo na mitsangana,

dia izaho no ataony an-kira.

64 Valio araka ny mendrika azy ireo izy, ry Iaveh ô!

araka ny asan’ny tanany.

65 ataovy jamba ny fony;

atokano ho azy ny ozonao.

66 Enjeho an-katezerana izy, ary fongory,

tsy ho etỳ ambanin’ny lanitr’i Iaveh!

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 4

FITOMANIANA FAHEFATRA

1 Ahoana no nihamatroka ny volamena,

nihasimba ny volamena madio,

niely patrana ny vato voahasina,

eny an-joron-dalambe rehetra eny.

2 Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra,

voatombana an-danjam-bolamena madio,

ka ahoana no natao toy ny vilany tany,

asan-tanan’ny mpanefy vilany?

3 Ny amboadia aza manolotra nono amin’ny zanany,

ka mampinono azy;

fa ny zanaka vavin’ny vahoakako kosa nanjary masiaka,

hoatra ny ostritsa any an’efitra.

4 Ny lelan’ny zaza minono tafaraikitra

amin’ny lanilany, azon’ny hetaheta;

mangataka hanina ny ankizy madinika,

nefa tsy nisy olona manome azy.

5 Ireo nihinan-kanim-pỳ fahizay,

dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe;

mandamaka eny amin’ny zezika

ireo nolanjaina mipetraka amin’ny jaky.

6 Fa ny heloky ny zanaka vavin’ny vahoakako tafahoatra

noho ny fahotan’i Sôdôma,

izay noravana indray mihelina monja,

nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.

7 Namirapiratra noho ny oram-panala ny mpanapaka azy,

fotsy noho ny ronono;

mena noho ny voahangy ny tenany;

vato safira ny tarehiny.

8 Ny tavany mainty noho ny fahamaizinana,

ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalam-be,

ny hodiny, miraikitra amin’ny taolany,

maina tahaka ny hazo.

9 Sambatra ireo matin-tsabatra,

noho iretsy matin’ny hanoanana,

izay mihareraka tsikelikely, maratra,

noho ny tsy fisian’ny vokatry ny tany!

10 Nisy vehivavy mora mangoraka,

nefa tanany no nahandro ny zanany

dia nataony hanina izany,

tamin’ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.

11 Nanampatra hatramin’ny fara fahatezerany i Iaveh,

nandefa ny fahatezerany mirehitra;

dia nandrehitra afo tao Siôna izy,

ka levon’izany ny fanorenany.

12 Tsy mba nino ireo mpanjakan’ny tany,

na ny mponina rehetra tamin’izao tontolo izao,

fa ny mpandrafy, ny fahavalo

dia ho tafiditra ny vavahadin’i Jerosalema.

13 Izany no tonga noho ny fahotan’ny mpaminaniny,

sy ny heloky ny mpisorony,

izay nandatsaka tao anatin’ny mandany

ny ran’ny marina.

14 Niraparapa toy ny jambateny an-dalambe izy ireo,

sady nihosin-dra,

hany ka tsy azo nokasihina akory

ny fitafiany.

15 «Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona,

«Mitanilà ianareo!

Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.»

Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena:

Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!

16 Ny Tavan’i Iaveh vinitra nampihataka azy;

tsy nijery ireny intsony izy.

Ny mpisorona, tsy nasian’ny fahavalo hajany;

ny anti-panahy, tsy nananany antra.

17 Ary isika, nihavizaka ny masontsika,

mbola miandry izay vonjy foana;

eny an-tampon’ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo,

izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.

18 Nitsikilo ny diantsika izy,

nisakana antsika tsy handeha eny amin’ny kianjatsika.

Manantòmotra ny fiafarantsika, tapitra ny androntsika;

eny, efa tonga ny fiafarantsika!

19 Izay nanenjika antsikadia faingam-pandeha,

noho ny voromahery eny an-danitra.

Notanahiny teny an-tendrombohitra isika;

nanaovany otrika tany an’efitra.

20 Ilay fofon’aintsika, ilay voahosotr’i Iaveh,

voasambotra tao an-davak’izy ireo,

dia ilay nataontsika hoe: «Eo ambanin’ny alokalony,

no ho velona any amin’ny firenena isika.»

21 Mifalia sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Edôma,

izay monina any amin’ny tanin’i Hosa!

Horosoana ny kapoaka koa ianao;

ka himamo dia hitanjaka.

22 Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna,

tsy hanesi-tany anao intsony izy.

Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma,

asehony miharihary ny fahotanao.

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 5

FITOMANIANA FAHADIMY

1 Tsarovy ny nanjò anay, ry Iaveh ô,

jereo sy diniho ity fahafaham-barakanay.

2 Ny lovanay, lasan’ny hafa firenena,

ny tranonay, lasan’ny olon-tsy fantatra.

3 Kamboty tsy manan-dray izahay,

toy ny mpitondratena ny reninay.

4 Mividy vola izahay vao misotro ny ranonay,

mikarama vao mahazo kitay.

5 Ny mpanenjika anay mandodona anay avy ao aoriana;

ka reraka, tsy mahita hiainana izahay.

6 Mananty tanana amin’i Ejipta

sy amin’i Asiria izahay, hivoky mofo.

7 Nanota ny razanay, tsy eo intsony anefa izy,

ka izahay ity no mivesatra ny helony.

8 Andevo no manapaka anay,

tsy misy olona manafaka anay amin’ny tanan’ireo.

9 Manao vy very ny ainay hahazoanay hanina

eo anoloan’ny sabatry ny efitra.

10 Mahamay, hoatra ny lafaoro, ny hoditray,

noho ny hamafin’ny hanoanana.

11 Nosavihin’izy ireo ny vehivavy tao Siôna,

mbamin’ny virjiny tamin’ny tanànan’i Jodà.

12 Misy mpanapaka nahanton’ny tanan’izy ireo,

ny tavan’ny anti-panahy tsy nasiany hajany,

13 ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary;

ny ankizy nivembena, mivesatra hazo.

14 Ny loholona nitsahatra tsy nankeny am-bavahady intsony;

ary ny zatovo tsy nitendry ny valihany intsony.

15 Nitsahatra ny fifalian’ny fonay;

niova ho fisaonana ny dihinay.

16 Nianjera ny satroboninahitry ny lohany;

eny, loza ho anay, fa nanota izahay!

17 Izao no antony raha marary ny fonay,

izao no antony raha nihamaizina ny masonay.

18 dia satria lao ny tendrombohitra Siôna,

ka ny amboadia no mikarenjy ao.

19 Ianao, ry Iaveh, dia ao amin’ny fiketrahanao mandrakizay;

ny seza fiandriananao maharitra amin’ny taona mifandimby!

20 Ahoana no dia hanadinoanao anay mandrakizay,

dia handao anay amin’ny andro lava toy izao?

21 Ampivereno aminao izahay, ry Iaveh, dia hiverina,

havaozy ny andronay toy ny fahiny indray.

22 Fa dia narianao tokoa va izahay,

sy ho tezitra tsy an’erany aminay va Ianao?