Categories
Galata

Galata 1

Fiarahabana

1 I Paoly Apôstôly, tsy avy amin’olombelona, na avy amin’ny alalan’olombelona, fa avy amin’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray izay nanangana Azy ho velona,

2 mbamin’ny havana iray finoana rehetra izay ato amiko, mamangy ny Eglizy rehetra atỳ Galasia:

3 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy Tompontsika,

4 izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’izao andro ratsy izao, araka ny lahatr’Andriamanitra Raintsika.

5 Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

Anatranatra

6 Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka Ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.

7 Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny!

8 Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy.

9 Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.

10 Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.

Ny niantsoan’Andriamanitra azy

11 Ampahafantariko anareo, ry kristianina havana, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona;

12 fa tsy tamin’olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin’ny fanambaràn’i Jesoa Kristy.

13 Efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan’ny Jody, fa nanenjika fatratra ny Eglizin’Andriamanitra sy nandrava azy aho;

14 ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin’ny fireneko aho, sady fatra-pitàna ny lovantsofina avy amin’ny razako.

15 Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,

16 ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho,

17 na niakatra tany Jerosalema ho any amin’ny Apôstôly talohako akory, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasy indray.

18 Efa telo taona tatỳ aorian’izany, vao niakatra hamangy an’i Piera tany Jerosalema aho, sy nitoetra tao aminy tapa-bolana.

19 Fa ny Apôstôly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakôba rahalahin’ny Tompo ihany;

20 Izao zavatra lazaiko soratako aminareo izao anie, dia lazaiko marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa tsy mandainga aho!

21 Taorian’izany dia nankany amin’ny faritanin’i Siria sy Silisia aho.

22 Tsy mbola nisy nahita tava ahy akory ny Eglizy rehetra tany Jodea ao amin’i Kristy;

23 fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe: Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny, mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha.

24 Ka dia ny nankalaza an’Andriamanitra noho ny amiko no nataony.

Categories
Galata

Galata 2

Ny fivoriana tany Jerosalema

1 Efatra ambin’ny folo taona taorian’izany, dia niakatra tany Jerosalema indray aho; i Barnabe niaraka tamiko, i Tito nentiko koa.

2 Fanambaràna azoko no niakarako tany; ka nasehoko tamin’izy ireo, indrindra fa tamin’ireo nanan-kaja kokoa, ny Evanjely toriko any amin’ny Jentily, hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana.

3 Fa na dia i Tito izay niaraka tamiko sy olona Jentily aza, dia tsy noterena hoforàna;

4 ary ny anton’izany, dia satria nisy mpino sandoka sasany nampidirina an-tsokosoko sy niditra mangingina, hitsikilo ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy Jesoa mba hanandevozany antsika.

5 Tsy nety nanaraka ny hevitr’izy ireo mihitsy anefa izahay, na dia tapak’andro kely aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny Evanjely eo aminareo.

6 Ny amin’ireo nanan-kaja kosa, na ahoana na ahoana halehibeny, dia tsy mampaninona ahy izany, fa Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, ka tsy nandidy na inona na inona tamiko ireo olona nanan-kaja ireo.

7 Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an’ny tsy voafora, tahaka an’i Piera ho an’ny voafora,

8 satria izay niasa tamin’i Piera haha-Apôstôly azy amin’ny voafora ihany no niasa tamiko koa haha-Apôstôly ahy ho an’ny Jentily,

9 sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon’i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany, izay natao andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin’ny Jentily, fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora.

10 Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra; ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.

I Piera sy i Paoly tany Antiôkia

11 Nony tonga tany Antiôkia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao, fa hita fa nanan-tsiny izy.

12 Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin’i Jakôba, dia niara-nihinana tamin’ny Jentily ihany izy; kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka, fa natahotra an-dry zareo voafora.

13 Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa, ka voatarik’izany hatramin’ny tenan’i Barnabe.

14 Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Evanjely izy ireo, dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan’ny olona rehetra teo hoe: «Koa ianao Jody aza re, manaraka ny fomban’ny Jentily, fa tsy ny an’ny Jody; ka ahoana no dia ahasahianao manery ny Jentily hanaraka ny fomban’ny Jody?»

Ny Evanjelin’i Paoly

15 «Taranaky ny Jody isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ny Jentily;

16 nefa nony fantatsika fa tsy ny asan’ny Lalàna no anamarinana ny olona, fa ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia mba nino an’i Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana Azy, fa tsy amin’ny asan’ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna.

17 Fa raha ilay mitady hohamarinina ao amin’i Kristy iny isika no amin’izay ny tenantsika aza no hita mpanota, dia ho mpandraharahan’ny ota àry i Kristy? Sanatria izany!

18 Fa raha izay noravako no atsangako indray, dia miampanga tena ho mpandika mihitsy aho,

19 satria noho ny Lalàna no nahafatesako ny amin’ny Lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho. Niara-nofantsihana tamin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana aho,

20 ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.

21 Amin’izany dia tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha ohatra ka avy amin’ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana i Kristy.»

Categories
Galata

Galata 3

Fanamarinana avy amin’ny finoana

1 Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!

2 Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo: ny asan’ny Lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana?

3 Ahoana no dia mahakely saina anareo loatra toy izany, fa nanomboka tamin’ny fanahy ianareo, ka dia hiafara amin’ny nofo indray ve?

4 Dia ho nahafantatrafoana zava-mahagaga toy izany va ianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa!

5 Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo, amin’ny asan’ny Lalàna va no anaovany an’izany, sa amin’ny fihainoana ny finoana?

6 Izany tokoa no ilay voasoratra hoe:Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka dia notanana ho fahamarinany izany.

7 Koa fantaro àry fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.

8 Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe:Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.

9 Dia miara-kasoavina amin’i Abrahama mpino amin’izany, izay amin’ny finoana.

Ny Lalàna loharanon’ozona

10 Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe:Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna.

11 Sady hita miharihary raha ny hoe tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra, satriaamin’ny finoana no hiveloman’ny marina.

12 Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana,fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy.

13 Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe:Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,

14 mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.

Tsy foanan’ny Lalàna ny fampanantenana

15 Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na ny fanekena ataon’ny olona fotsiny aza, rehefa vita mafy, dia tsy azon’olona foanana na ovana.

16 Ary ilay fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranakao, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe i Kristy,

17 dia izao, hoy aho: fanekena mafy efa nataon’Andriamanitra izany, ka raha izay Lalàna natao telopolo amby efajato taona tatỳ aoriana, dia tsy mahafoana izany, na mahafoana ny teny fampanantenana.

18 Fa raha ho avy amin’ny Lalàna ny lova, dia tsy ho avy amin’ny teny fampanantenana intsony, nefa teny fampanantenana no nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama hahazoana izany fahasoavana izany.

Anjara asan’ny Lalàna

19 Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.

20 Ka izany hoe mpanalalana dia tsy an’ny irery, fa Andriamanitra kosa no irery.

21 Manohitra ny fampanantenan’Andriamanitra va àry ny Lalàna? Sanatria izany. Saingy raha Lalàna afaka nahavelona no nomena, dia ny Lalàna ihany no ho niavian’ny fahamarinana;

22 Fa nohidian’ny Soratra Masina tao amin’ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahazoan’izay mino, ny fampanantenana.

Fa tonga ny finoana

23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan’ny Lalàna isika, mba ho amin’ny finoana izay efa haseho atỳ aoriana.

24 Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaizanitarika antsika eo amin’i Kristy, mba hohamarinina amin’ny finoana isika.

25 Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika;

26 fa efa zanak’Andriamanitraamin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.

27 Satria ianareo rehetra natao Batemy ho an’i Kristy, dia nitafy an’i Kristy avokoa.

28 Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.

29 Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.

Categories
Galata

Galata 4

Ny maha Zanak’Andriamanitra

1 Ary izao, hoy aho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy hafa noho ny mpanompo, na dia izy aza no tompon’ny zavatra rehetra;

2 fa fehezin’ny mpitaiza sy ny mpitandrina azy izy, mandra-pahatongan’ny fetr’andro voatendrin’ny rainy.

3 Toy izany koa isika: fony mbola zaza, dia nandevozin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao isika;

4 fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,

5 mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka.

6 Ary noho ny maha-zanaka anareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny fontsika ny Fanahin’ny Zanany, ka miantso hoe: «Aba, Ray!»

7 Koa tsy mpanompo intsony àry ianareo, fa zanaka, ary rehefa zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra.

8 Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa.

9 Fa ankehitriny kosa efa nahalala an’Andriamanitra ianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina?

10 Mbola manaraka tonon’andro amam-bolana, ary taona amam-potoana ianareo!

11 Matahotra aho ny aminareo, fa sao dia sasa-poana taminareo.

Fahatsiarovany ny nihatra tamin’ny tenany

12 Mihanta aminareo aho, ry kristianina havana, aoka ho tahaka ahy ianareo, fa izaho koa mba efa tahaka anareo ihany. Tsy naninon-tsy naninona ahy akory ianareo.

13 Fony aho vao nitory voalohany ny Evanjely tany aminareo, dia hitanareo ny halemen’ny nofoko, ary tonga fakam-panahy ho anareo izany;

14 nefa tsy mba naneso na nihataka tamin’izany ianareo, fa vao mainka koa nandray ahy toy ny Anjelin’Andriamanitra na tahaka an’i Kristy Jesoa aza.

15 Koa lasa nankaiza àry ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Fa izaho no vavolombelonareo fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza, dia ho nombotanareo homena ahy fahizany.

16 Sa dia tonga fahavalonareo indray aho, fa nilaza ny marina taminareo?

17 Tsy rariny ny ataon-dry zareo mila fitia aminareo, fa tadiaviny hihataka aminay ianareo, mba hiraiketanareo aminy kosa.

18 Tsara izany ilan’olona fitia, raha amin’ny zavatra tsara; mandrakariva anefa fa tsy hoe raha eo aminareo ihany aho.

19 Anaka, aminareo aho dia mijaly hoatra ny mihetsi-jaza indray, mandra-pahary an’i Kristy ao anatinareo.

20 Endrey izany faniriako ho eo aminareo ankehitriny, sy hanova ny feoko, fa mahasanganehana ahy loatra ny aminareo!

Fanekem-pihavanana roa: i Agara sy i Sarà

21 Etsy ange, ianareo izay te ho eo ambanin’ny Lalàna e: tsy renareo va ny vakin’ny Lalàna?

22 Voasoratra ao fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, iray tamin’ny andevovavy, ary ny iray tamin’ny olona afaka.

23 Ilay zanak’andevovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak’olona afaka, araka ny fampanantenana.

24 Ohatra amin’ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin’ny tendrombohitr’i Sinai, miteraka ho amin’ny fanandevozana, dia i Agara izany

25 (satria Agara no fiantso ny tendrombohitr’i Sinai any Arabia), ary i Agara dia ohatra amin’i Jerosalema ankehitriny, fa samy andevo izy sy ny taranany.

26 Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba andevo;

27 fa voasoratra hoe:Mifalia, ry momba, dia ianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an’izay manam-bady!

28 Isika, ry kristianina havana, no zanaky ny fampanantenana toa an’i Isaàka.

29 Fahizany anefa, ilay zanaka araka ny nofo dia nanenjika ny zanaka araka ny fanahy, ary toraka izany ihany koa ankehitriny.

30 Saingy ahoana, hoy ny Soratra Masina?Roahy io andevovavy io sy ny zanany, fa tsy hiray lova amin’izay zanak’andevo ny zanak’olona afaka.

31 Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy zanak’andevo isika, fa zanak’olona afaka.

Categories
Galata

Galata 5

Ny fahafahan’ny kristianina

1 Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.

2 Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy.

3 Eny, averiko indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforàna fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy.

4 Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna, ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.

5 Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana;

6 satria ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain’ny fitiavana ihany no izy.

7 Efa nihazakazaka tsara ianareo, ka iza indray no dia nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?

8 Tsy mba avy amin’Ilay niantso anareo anie izany fanambosiana izany e!

9 Lalivay kely foana no mampivonto ny koban-dafarina manontolo.

10 Matoky anareo ao amin’ny Tompo aho fa tsy hanan-kevitra hafa ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hianjeran’ny nataony, na iza na iza izy.

11 Ary raha ny amiko, ry kristianina havana, raha marina fa mbola mitory ny famorana koa aho, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Foana izany ny fahatafintohinana noho ny Hazofijaliana!

12 Enga anie ka hanan-kilema tena mihitsy ireny mpanabataba anareo ireny!

Ny fahafahana sy ny fitiavana

13 Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.

14 Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe:Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.

16 Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.

17 Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareoianareo.

18 Raha tarihin’ny Fanahy anefa ianareo, dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.

19 Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,

21 fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.

22 Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,

23 fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.

24 izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.

25 Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy;

26 fa aza te hoderaina foana amin’izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana.

Categories
Galata

Galata 6

Fitsipika samihafa momba ny fitiavana sy ny zotom-po

1 Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.

2 Mifampitondrà ny mavesatra ianareo, dia ho tanterakareo amin’izany ny lalàn’i Kristy;

3 fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany.

4 Samia mandinika ny asany avy, mba samy ho ny amin’ny tenany ihany no ho reharehany, fa tsy ho ny amin’ny an’olon-kafa,

5 satria samy hitondra ny mavesatra ananany avy ny olona rehetra.

6 Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjaraizay mampianatra azy amin’ny fananany rehetra.

7 Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina,

8 fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.

9 Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin’ny fotoana isika raha tsy ketraka.

10 Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.

Fehin-teny

11 Jereo ity sora-baventy manaraka, nosoratan’ny tanako ho aminareo.

12 Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforàna; nefa noho izao ihany: fandrao enjehinanoho ny Hazofijalian’i Kristy izy.

13 Fa na dia ny tenan’izy voafora ireny aza, tsy mitandrina ny Lalàna akory; ka hany itadiavany anareo hoforàna, dia ny mba hireharehany amin’ny nofonareo.

14 Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.

15 Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra.

16 Ho an’izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an’i Israelin’Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po!

17 Amin’izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’i Jesoaamin’ny vatako aho.

18 Ho amin’ny fanahinareo anie, ry kristianina havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.