Tsy nahala ny fahotana ireo sorona taloha
1 Ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.
2 Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany.
3 Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona tamin’ireny sorona ireny,
4 satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana?
5 Noho izany indrindra, nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe:Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy ianao;
6 tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota,
7 ka hoy Aho hoe: Inty Aho tonga fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!
8 Voalohany aloha lazainy hoe:Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota,dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; –
9 manaraka izany tohiziny hoe:Inty Aho tonga hanao ny sitraponao;ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa,
10 ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
Nandaitra ny sorona tokan’i Kristy
11 Ary ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny;
12 fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, diamipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
13 ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
14 Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.
15 Ary asehon’ny Fanahy Masina amintsika koa izany; fa rehefa voalazany hoe:
16 Fanekena toy izao no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely rehefa afaka izany andro izany, dia hoy indray ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony,
17 ka havelako ny hadisoany, ary tsy ho tsaroako ny fahotany;
18 ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.
Fifindrana amin’ny hevitra hafa
19 Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina,
20 mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony,
21 sy noho isika mananampisorom-be mitandrina ny tranon’Andriamanitra,
22 dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
23 Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
24 Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa.
25 Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Loza vokatry ny fivadiham-pinoana
26 Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;
27 fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana syhatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
28 Novonoina tsy nasiana famindram-poakory izay nandika ny Lalàn’i Môizy,notondroin’ny vavolombelona roa na telo;
29 mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
30 Fa fantatsika Ilay nilaza hoe:Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly.Ary koa:Ny Tompo hitsara ny vahoakany.
31 Zavatra mahatsiravina re izany ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona!
Antony tokony haharetana
32 Tsarovy ny andro fahiny, niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana, nony efa nohazavaina ianareo;
33 fa mbetika nalàm-baràka sy nampahoriana ianareo sady naseho ho fizàhan’ny olona; mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijalina toy izany.
34 Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay ianareo.
35 Koa aza miala amin’ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany.
36 Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.
37 Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hiatoato Izy.
38 Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahin’ny foko.
39 Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika, fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.