Categories
Hebrio

Hebrio 11

Ny finoan’ireo razana tokony halaina tahaka

1 Ary ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon’ny zavatra tsy hita.

2 Nanam-pinoana ny ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.

3 Ny finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.

4 Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.

5 Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana, katsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra,ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza fa nankasitrahin’Andriamanitra izy.

6 Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.

7 Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.

8 Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.

9 Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany teny nampanantenaina izany koa;

10 fa nanantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho Tompo-marika sy ho mpanao izy.

11 Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.

12 Koa diataranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.

13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe:vahiny sy mpivahiny izy no etỳ an-tany.

14 Manambara mazava izay milaza izany fa mitady tanindrazana honenany izy.

15 Ary raha ny tany nialany no heveriny amin’izany dia ho azony atao ny miverina any indray;

16 fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoiny hoe: Andriamanitr’izy ireo.

17 Ny finoana nonanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy.Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,

18 sy nilazana hoe:Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao; eny, natolony io zanany lahitokana io;

19 satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain’Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.

20 Ny finoana no nitsofan’i Isaaka rano an’i Jakôba sy i Esao ny amin’ny zavatra ho avy.

21 Ny finoana no nitsofan’i Jakôba rano ny zanak’i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, sy nivavahany niankina tamin’ny loha tehiny.

22 Ny finoana no nilazan’i Josefa ny hialan’ny zanak’i Israely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ny taolam-balony.

23 Ny finoana nonanafenan-drainy aman-drenin’i Môizy azy telo volana,nony efa teraka izy, satria hitany fa zaza tsara tarehy izy, ary tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka.

24 Ny finoana no namoizan’i Môizy ny anarana hoe zanaky ny zanakavavin’i Faraôna, nony efa lehibe izy,

25 fa naleony miaraka ory amin’ny vahoakan’Andriamanitra toy izay miarana amin’ny hafaliana mandalon’ny fahotana;

26 nataony harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta ny fijalian’i Kristy, satria nijery ny valisoa izy.

27 Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy.

28 Ny finoana no nanaovany ny Paka sy ny famafazan-dra mba tsy ho tratr’ilay nandringana ny lahy matoa, ny zanak’i Israely.

29 Ny finoana no nitàn’izy ireo ny ranomasina Mena, toy ny mandeha an-tanety; nony mba nanaraka kosa ny tera-tany Ejiptianina, dia saforan’ny rano.

30 Ny finoana no nampirodana ny mandan’i Jerikô, rehefa nohodidinina hafitoana.

31 Ny finoana no tsy nahafatesan-dRahaba vehivavy janga niaraka tamin’ny fahavalo, satria nandray ny tily tamim-pihavanana izy.

32 Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna, i Baràka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpaminany:

33 fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona,

34 namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;

35 nandraisan’ny vehivavy ny zanany maty voatsangana ho velona. Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganan-ko velona tsaratsara kokoa;

36 ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin’ny tranomaizina;

37 notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitady hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorîna,

38 nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao, nirenireny tany an’efitra izy, sy tany an-tendrombohitra, ary tany an-johy mbamin’ny tany an-dava-tany.

39 Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo, dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina,

40 fa isika no namboaran’Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa, ka tsy tonga amin’ny fahatanterahana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

Categories
Hebrio

Hebrio 12

Ny ohatra nomen’i Jesoa Kristy

1 Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao,

2 mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efamipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.

3 Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo.

4 Ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin’ny fahalatsahan’ny ranareo.

Ny fanabeazan’Andriamanitra Ray

5 Ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe:Anaka, aza manamavo ny famaizan’ny Tompo, ary aza mba ketraka amin’ny fananarany anao;

6 fa izay tian’ny Tompo no faizany, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny.

7 Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran’Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin’ny rainy?

8 Raha tsy faizina toy ny zanaka rehetra ianareo, dia tsy mba zanaka fa zaza sary.

9 Ary na ny raintsika ara-batana aza nohajaintsika na dia nikapoka antsika aza; vao mainka ny Raintsika ara-panahy no tsy maintsy ekentsika mba ho velona isika.

10 Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany.

11 Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy.

12 Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka;

13 ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara.

Sazin’izay mivadika amin’ny tokony hatao

14 Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.

15 Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.

16 Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava.

17 Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy.

Ny Fanekem-pihavanana roa

18 Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,

19 ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo;

20 fa tsy tohany ilay fandrahonana hoe:Na biby aza mikasika ny tendrombohitra dia hotoraham-bato.

21 Loza loatra no niseho tamin’izay, ka i Môizy avy no vaky hoe: «Tsiravina sy rano an-dravina aho!»

22 Fa ny nohatoninareo dia ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian’ny Anjely alinalina,

23 ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,

24 sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary ny Ran’ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an’i Abela.

25 Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,

26 dia Ilay nanozongozona ny tany fahizàny tamin’ny feony, sy manome teny indray ankehitriny manao hoe: «Indro hozongozoniko indray maka koa, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa.»

27 Ny teny hoeindray maka koamilaza fa ny zavatra hozongozonina dia hovana araka ny fomban-javatra natao, mba haharetan’izay zavatra tsy hozongozonina.

28 Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy.

29 Fa nyAndriamanitsikadiaafo mandevona.

Categories
Hebrio

Hebrio 13

Hafatrafatra farany

1 Mahareta amin’ny fitiavana toy ny mpiray tam-po.

2 Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.

3 Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo; ary izay ampahoriana koa, fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo.

4 Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.

5 Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe:Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;

6 ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe:Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?

Fifikirana amin’ny tsara

7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran’ny fiainany, ka alao tahaka ny finoany;

8 i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

9 Aza mety havilin’ny fampianarana samihafa ianareo; fa aleo mampiorina ny fo amin’ny fahasoavana, toy izay amin’ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy.

10 Manana ôtely tsy azon’ny mpivavaka ao an-tranolay ihinanana isika.

11 Satria izay bibyentin’ny mpisorom-be ao amin’ny fitoerana masina ny rany, hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan’ny toby ny fatiny.

12 Ary toy izany koa ny nijalian’i Jesoa tany ivelan’ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin’ny Rany.

13 Koa mba hankanesantsika any aminy, dia aoka hivoaka any ivelan’ny toby isika, sy hitondra ny latsa nentiny.

14 Fa fonena-mandalo no antsika etỳ an-tany, fa mitady ny ho avy isika.

15 Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.

16 Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.

Fanekena an’ireo mpitondra ara-panahy

17 Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. – mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.

18 Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay.

19 Ny angatahako ny hanaovanareo izany indrindra anefa, dia ny mba hiverenako any aminareo faingampaingana.

Vaovao sy firariana ary fanaovam-beloma

20 Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesanaan’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay,dia i Jesoa Tompontsika,

21 no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

22 Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hankasitraka ity teny fananarana ity; fa teny fohifohy ihany no nosoratako ho anareo.

23 Aoka ho fantatrareo fa efa afaka i Timote havantsika; ka raha tonga faingampaingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.

24 Veloma any amin’ny lehibenareo rehetra, sy ny olo-masina rehetra. Manao veloma anareo koa ny havana iray finoana atỳ Italia.

25 Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavana.