Categories
Izaia

Izaia 1

Lohateny

1 Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.

Fitenenana ilay vahoaka tsy misaina

2 Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany,

mitongilàna sofina,

fa miteny i Iaveh:

«Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny,

kanjo izy ireo niodina tamiko.

3 Ny omby mahalala ny tompony;

ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon’ny tompony;

fa i Israely kosa tsy manam-pahalalana,

ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.»

Sazin’i Jodà

4 Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka,

tarana-dratsy, zana-meloka!

Nandao an’i Iaveh izy ireo,

naniratsira an’Ilay Masin’i Israely,

nihataka nihemotra.

5 Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo?

ny loha manontolo marary,

ary ny fo manontolo mavozovozo.

6 Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha,

tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy:

Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry,

tsy voasasa, na voabandy,

na voalemin-diloilo akory.

7 Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon’ny afo.

Ny taninareo levon’ny hafa eo imasonareo;

hoatra ny fandravan’ny olon-kafa firenena no fahasimbany.

8 Ary ny zanaka vavin’i Siônadia tafajanona

toy ny trano bongoanaty tanimboaloboka,

toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango,

toy ny tilikambo fiambenana.

9 Raha tsy namelan’i Iavehn’ny tafika

ambiny kely sisaisika,

dia ho sahala amin’i Sôdôma,

hanahaka an’i Gômôra.

Fitenenana ny mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana

10 Mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ry mpitsaran’i Sôdôma;

mitongilàna sofina amin’ny lalàn’ny Andriamanitsika,

ry vahoak’i Gômôra.

11 Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo?

hoy i Iaveh.

Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho,

mbamin’ny saboran-janak’omby.

Tsy sitrako ny ran’ombalahy,

mbamin’ny ondry aman’osy.

12 Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo,

zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory?

13 Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy;

fahavetavetana amiko ny emboka;

raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana,

dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso.

14 Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo;

mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany Aho.

15 Raha manandratra ny tananareo ianareo,

misarona maso eo anoloanareo Aho;

raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho:

Feno ra ny tananareo.

16 Misasà ianareo, midiova ianareo,

esory ny haratsian’ny asanareo,

hiala eo imasoko;

mitsahara tsy hanao ratsy,

17 mianara hanao soa;

katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory,

omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.

18 Avia, hiara-mifandahatra isika;

Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo,

hanjary fotsy hoatra ny oram-panala;

na mena hoatra ny jaky aza izy,

ho tonga toy ny volon’ondry.

19 Raha manaiky amin’ny fo mazoto ianareo,

dia hihinana ny zava-tsoan’ny taninareo,

20 fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo,

dia ho levonin’ny sabatra;

fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.

Fitomaniana an’i Jerosalema

21 Ahoana no nahatongavany ho janga,

izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana,

izay nonenan’ny fitsarana marina;

fa ankehitriny kosa… mpamono olona no eo!

22 Ny volafotsinao zary tain-drendrika,

ny divainao notampohin-drano.

23 Ny lehibenao mpikomy,

sy naman’ny mpangalatra;

sady tia fanatitra

no fatra-pitady tambitamby avokoa;

ny kamboty tsy omeny rariny;

ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.

24 Ka noho izany – Teny ton’ny Tompo,

Iavehn’ny tafika, ilay Maherin’i Israely: –

Edrey! hiala fo amin’ny mpandrafy Ahy Aho,

sy hamaly an’ireo fahavaloko.

25 Haninjitra ny tanako aminao Aho,

ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin’ny sirahazo,

ary ny potipoti-pirakao rehetra hoesoriko.

26 Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha ianao,

mbamin’ny mpanolo-tsaina toy ny tamin’ny andro voalohany.

Raha efa izany dia hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana, tanàna mahatoky ianao.

27 Havotana amin’ny hitsiny i Siôna,

ary amin’ny rariny, izay hibebaka ao.

28 Fa ny mpikomy ama-mpanota kosa, indray torotoroina avokoa;

ary izay mahafoy an’i Iaveh, dia ho faty.

Fitenenana an’ireo hazo masina

29 Fa ho menatra ny terebintanankamamianareo

ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.

30 Satria ho tahaka ny terebinta nalazo ravina ianareo,

ary tahaka ny zaridaina tsy misy rano.

31 Ary ny olo-mahery ho tahaka ny hoto,

ary ny asany ho kilalaon’afo.

Ka hiara-mirehitra izy roa tonta,

sady tsy hisy olona hamono ny afo.

Categories
Izaia

Izaia 2

1 Ny teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema.

Fiadanana maharitra

2 Izao no ho tonga any amin’ny andro farany;

ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh,

hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra;

sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana.

Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,

3 ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe:

«Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh,

any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba;

hampianatra antsika ny lalàny Izy,

ary hizotra amin’ny lalany isika.

Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna,

ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»

4 Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy,

ary ho mpitsara ny firenena maro.

Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby,

ary ny lefony ho antsy fijinjana.

Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa,

ary tsy hianatra ady intsony ny olona.

5 Avia, ry taranak’i Jakôba,

ka aoka handeha amin’ny fahazavan’i Iaveh isika.

Fisehoan’i Iaveh

6 Fa efa nandao ny vahoakanaoIanao,

ny taranak’i Jakôba,

satria efa feno tafahoatra hatry ny ela ny helony;

manaraka ny fankatoavana toy ny Filistinina izy,

ary mifandray tanana amin’ny zanaky ny hafa firenena.

7 Feno volafotsy sy volamena ny taniny,

ary ny rakitra ao aminy tsy misy fetra;

8 feno soavaly ny taniny,

ka tsy hita isa ny kalesiny.

Feno sampy ny taniny,

ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo,

dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.

9 Noho izany, haetry ny olona,

ary haiva ny olombelona:

Eny, tsy hamela ny helony Ianao!

10 Midira ao anaty vatolampy, miere ao anaty vovoka,

eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh sy ny famirapiratan’ny fiandrianany.

11 Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika,

ary ny avonavon’ny olombelona, haetry,

fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany,

amin’izany andro izany.

12 Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh,

hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra,

hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:

13 hamelezana ny sedera avo sy manerinerina rehetra any Libàna,

mbamin’ny aoka rehetra any Basana;

14 hamelezana ny tendrombohitra avo rehetra,

mbamin’ny havoana manerinerina rehetra;

15 hamelezana ny tilikambo mijoalajoala rehetra,

mbamin’ny manda mafy rehetra;

16 hamelezana ny sambon’i Tarsisarehetra,

mbamin’izay mahafinaritra ny maso rehetra.

17 Ny reharehan’ny olona, haongana,

ary ny avonavon’ny olombelona, haetry,

fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany,

amin’izany andro izany.

18 Ny sampy ho foana avokoa.

19 Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona,

sy anatin’ny zohy amin’ny tany,

eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh,

sy ny famirapiratan’ny fiandrianany,

rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.

20 Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona

ny sampiny volafotsy sy volamena,

izay nataony hivavahany,

ho an’ny voalavosy ny ramanavy;

21 izy kosa handositra ho any an-dava-bato,

sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato,

eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh,

sy ny famirapiratry ny fiandrianany,

rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.

22 Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona,

izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony;

ka hatao inona izy?

Categories
Izaia

Izaia 3

Korontana ao Jerosalema

1 Fa indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika,

hanesotra amin’i Jerosalema sy i Jodà,

ny vonjy aman-tohana rehetra,

2 ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano,

ny mahery fo mbamin’ny lehilahy mpiady,

ny mpitsara, ny mpaminany ama-mpimasy, ny loholona,

3 ny kapiteny aman’olom-boalohandohany, mbamin’ny mpanolo-tsaina,

ny mpanao taozavatra kinga amin’ny raharahany

ama-mpanao fankatoavanafamantsy lahy;

4 «dia zatovolahy no apetrako ho lehiben’izy ireo,

ary ankizy no hanapaka azy.»

5 Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin’ny lehilahy

ary ny olona samy amin’ny mifanakaiky aminy;

hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin’ny anti-panahy;

ary ny olom-poana amin’ny olo-manan-daza indrindra.

6 Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray,

ao an-tranon-drainy ilazany hoe:

«Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay,

ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»

7 Dia hikafankafana izy, amin’izany andro izany, hanao hoe:

«Tsy te-ho mpanasitrana aho,

fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory,

ka aza ataonareo lehiben’ny vahoaka.»

8 Satria mangozohozo i Jerosalema ary mirodana i Jodà,

noho ny teny aman’asan’izy ireo manohitra an’i Iaveh,

mba hihaika ny fijerin’ny fiandrianany.

9 Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo;

mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy,

fa tsy miery amin’izany akory.

Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.

10 Lazao amin’ny marina fa sambatra izy,

satria hihinana ny vokatry ny asany.

11 Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy,

fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.

12 Zaza no mampahoryny vahoakako,

ary vehivavy no manapaka azy.

Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao,

ary mandrava ny lalana tsy maintsy alehanao izy ireo.

13 Nitsangana i Iaveh hamoaka ny fitsarana,

ary nijoro hitsara ny vahoaka Izy.

14 Mifandahatra amin’ny loholona eo amin’ny fitsarana

i Iaveh,

sy amin’ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe:

«Niraotra ny voaloboka ianareo;

ny fananan’ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo.

15 Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako,

sy anorotoroanareo ny tavan’ny ory?»

Teny ton’ny Tompo Iavehn’ny tafika, izany.

Antso ho an’ny vehivavy

16 Efa niteny i Iaveh nanao hoe:

«Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona,

mandeha misolanandrana,

mianjonanjom-pijery, malako famindra,

ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony,

17 dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna,

ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany.

18 Amin’izany andro izany, hoesorin’ny Tompo ny ravaky ny masom-bola,

ny masoandro sy ny volantsinana,

19 ny kavina, ny fehi-tanana ny voaly,

20 ny fehiloha, fehitongotra amam-pehikibo,

21 ny fitoeran-dranomanitra amam-pelana,

ny peratra aman-kavin’orona

22 ny akanjo fitondra amin’ny fety sy ny akanjo vity malalaka,

ny kapaoty amam-pôketra;

23 ny fitaratra aman’akanjo moselinina,

ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.

24 Ka ny zava-manitra hosoloana lo;

ny fehikibo hosoloana mahazaka;

ny volo mivona, hosoloana loha sola;

ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasàka;

ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin’ny afo.

Ireo vehivavy maty vadin’i Jerosalema

25 Ny mpiadinao halavon-tsabatra,

ary ny maherinao ho faty an’ady.

26 Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna,

ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.»

Categories
Izaia

Izaia 4

1 Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito

hihazona lehilahy iray, hanao hoe:

«Ny mofonay no hohaninay,

ary ny fitafianay no hitafianay,

fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay,

ka halànao tondromaso.»

Ireo sisa tsy simba ao Jerosalema

2 «Amin’izany andro izany,

ny solofon’i Iavehho haingo amam-boninahitra,

ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka,

ho an’ireo sisan’i Israely afaka.

3 Ka izay ho tafajanona ao Siôna,

sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema

hantsoina hoe masina;

dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.»

Fiarenana ho avy

4 Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna,

ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany,

amin’ny fanahin’ny fitsaranaamam-panahin’ny fandringanana,

5 amin’izay dia hoforonin’i Iaveh eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo,

sy eo ambonin’ny fivoriany,

ny rahona aman-tsetrokaanankiray mandritra ny andro,

ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina.

Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo;

6 fa hisy lay mba hanalokaloka,

amin’ny fidaindainan’ny andro,

ary ho fandosirana sy fialofana,

amin’ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana.

Categories
Izaia

Izaia 5

Tononkalo momba ny voaloboka

1 Andeha hihira ho an’ny malalako aho,

ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanimboalobony.

Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka,

teo amin’ny tanety mahavokatra.

2 Ka nasainy ny tany, noesoriny ny vato taminy;

ary namboly karazam-boaloboka teo izy.

Nanorona tilikamboteo afovoany izy,

ary nandavaka famiazam-boaloboka koa.

Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy,

kanjo divay marikivy no vokany.

3 Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema,

sy olona any Jodà,

masìna ianareo, tsarao Aho,

sy ny tanimboaloboko!

4 Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko,

ka tsy nataoko taminy?

Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany,

kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?

5 Koa ankehitriny haposako aminareo,

izay hataoko amin’ny tanimboaloboko:

hongotako ny fefiny, dia horaotina izy;

hadorako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.

6 Hataoko tany foana izy;

ka tsy hohetezana na hasaina intsony;

fa hanirian’ny hery aman-tsilo;

ary handidy ny rahona aho,

tsy handatsaka orana aminy intsony.

7 Fa ny taranak’i Israely,

no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika,

ary ny olona any Jodà,

no voly nolalainy;

hitsiny no nantenainy taminy,

kanjo ra latsaka no niseho;

ny fahamarinana no nantenainy,

kanjo fitarainam-pahoriana no hita.

Ozona

8 Lozaho an’izay manampy trano amin’ny trano,

sy manitatra saha amin’ny saha,

mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony,

fa dia izy irery no honina eo afovoan’ny tany.

9 Ity no teny ren’ny sofiko avy amin’i Iavehn’ny tafika:

Eny ho foana ireo trano maro ireo,

tsy hisy mpitoetra intsony ireo trano lehibe sy tsara tarehy ireo.

10 Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza

tsy hahavokatra afa-tsy iray bata,

ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.

11 Loza ho an’izay mihazakazaka hatramin’ny vao maraina

mitady fisotro mahamamo,

ary manalava ny filerany amin’ny hariva,

efa voarehitry ny divay.

12 Harpa amam-baliha sy langoroany,

ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo;

fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana,

ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.

13 Noho izany ny vahoakako ho lasan-ko babo,

tsy manampò izany akory;

ny andriany ho zary andian’olo-noana,

ary ny valalabemandry aminy ho main’ny hetaheta.

14 Koa dia mitatra ny Seoly,

ka manadanadana tsy anerany ny vavany;

mivarina ao ny reharehan’i Siôna,

mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.

15 Haetry ny olombelona, haongana ny olona,

ary haondrika ny mason’ny mpiandranandrana;

16 dia hiseho ho lehibe, amin’ny fitsarana, i Iavehn’ny tafika,

ary hiseho ho masina amin’ny fahamarinana ny Andriamanitra masina

17 Hisy ondry hiraoka ahitra, toy ny eo amin’ny fiandrasana azy,

sy olon-kafa handevona ny sahan’ny mpanan-karena efa voasimba.

18 Loza ho an’izay mitari-keloka

amin’ny kofehim-pitaka sy ota,

toy ny amin’ny mahazakan-tsarety!

19 izay manao hoe: «Aoka ho dodona izy,

aoka hohafainganiny ny asany, hahitantsika azy!

Aoka hihakely sy ho tanteraka ny didin’Ilay Masin’i Israely, ka hahafantarantsika!»

20 Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa,

ary ny soa, ratsy;

izay manao ny haizina ho fahazavana,

sy ny fahazavana ho haizina;

izay manao ny mamy ho mangidy,

sy ny mangidy ho mamy.

21 Loza ho an’izay manao ny tenany ho hendry,

sy mihevitra azy ho mazava saina!

22 Loza ho an’izay mahery amin’ny fisotroan-divay,

sy matanjaka amin’ny fampiharoharoana ny fisotro mahery!

23 ho an’izay manamarina ny meloka, noho ny kolikoly,

sy tsy manome ny rariny ananan’ny marina!

24 Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo,

sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina,

ny fakany hanahaka zavatra lo;

ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka;

satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo,

sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.

Hatezeran’i Iaveh

25 Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh,

nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy;

nihozongozona ny tendrombohitra;

miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo.

Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany,

ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

Fanafihan’ny Asirianina

26 Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy;

ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany.

dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.

27 Tsy misy reraka na mangozohozo, na dia iray aza,

tsy misy rendremana na matory, na dia iray aza,

tsy misy olona miala fehikibo eny an-tehezany,

na tapa-kofehin-kiraro akory.

28 Voaranitra avokoa ny zana-tsipikany,

voahenjana avokoa ny tsipìkany;

mafy tahaka ny vato ny kitron-tsoavaliny;

tahaka ny tadio ny kodiaran-tsaretiny.

29 Fieron’ny liona, ny fierony;

manerona izy toy ny liona tanora

izay mitrerona sy misambotra ny rembiny;

dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony.

30 Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka,

tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina.

Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo!

Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.

Categories
Izaia

Izaia 6

Fiantsoana an’i Izaia

1 Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.

2 Nisy Serafimanitoetra teo anatrehany; manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany.

3 Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe:

«Masina, masina, masinai Iavehn’ny tafika!

feno ny voninahiny ny tany rehetra.»

4 Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.

5 Ka hoy aho tamin’izay:

«Loza ho ahy! maty aho!

fa izaho olona maloto molotra;

ary ny firenena itoerako maloto molotra;

nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»

6 Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin’ireo Serafima, nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.

7 Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy:

«Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao;

ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.»

8 Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe:

«Iza no hirahiko,

ary iza no handeha ho anay?»

Ka hoy aho:

«Inty aho; iraho aho.»

9 Ary hoy izy:

«Mandrenesa ianareo, fa aza mahafantatra;

aoka hahita ianareo, fa tsy hahazo an-tsaina.

10 Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity,

ary ataovy lalodalovana ny sofiny,

dia tampeno ny masony,

mba tsy hahita maso izy,

sy tsy handre sofina

ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana».

11 Ary hoy aho:

«Mandra-pahoviana, ry Tompo?»

Ka hoy ny navaliny:

«Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina,

ka ny trano, tsy hisy olona intsony,

ary ny tany ho rava sy lao;

12 mandra-pitondràn’i Iaveh ny olona any lavitra,

ka ho be ny lao amin’ny tany.

13 Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo,

dia mbola haripaka indray ihany koa ireo.

Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka,

rehefa voakapa mbola manam-pototra;

ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»

Categories
Izaia

Izaia 7

Fampitandremana voalohany an’i Akaza

1 Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Joatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema, i Rasima mpanjakan’i Siria, niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.

2 Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe: «Mitoby any amin’i Efraima i Siria.» Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an’ala, ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka.

3 Dia hoy i Iaveh tamin’i Izaia: «Mivoaha ianao sy i Seara-Jasobazanakao, hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony. amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba;

4 ka ianao hilaza aminy hoe:

Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra,

ary aza rera-po foana ianao

eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo,

amin’ny fisafoakan’i Rasìna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.

5 Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao

mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:

6 Andeha isika hananika an’i Jodà,

ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy

ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao;

7 noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!

8 Satria fa i Damasa no lohan’i Siria,

ary i Rasìna no lohan’i Damasy;

ka 65 taonasisa,

dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.

9 Ary i Samaria no lohan’i Efraima,

ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria.

Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.»

Ilay Emanoela famantarana

10 Mbola niteny tamin’i Akaza koa i Iaveh nanao hoe:

11 «Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»

12 Fa hoy i Akaza: «Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an’i Iavehaho.»

13 Ka hoy i Izaia:

«Mihainoa, ry taranak’i Davida:

Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,

no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?

14 Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo:

Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy,

ary ny anarany hataony hoe Emanoela.

15 Hihinana hero-dronono sy tantelyizy,

mandra-pahaizany mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.

16 Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara,

dia ho rava ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

17 I Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao

ary amin’ny fianakavian-drainao,

andro tsy mbola nisy tonga toa azy,

hatramin’ny andro nisarahan’i Efraima tamin’i Jodà,

– dia ny mpanjakan’i Asiria.

18 Amin’izany andro izany, i Iaveh hisiaka

ny lanitra any amin’ny fara lafin’ny onin’i Ejipta,

sy ny renitantely, any amin’ny tanin’i Asiria.

19 Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa

eny amin’ny lohasaha mideza,

sy eny an-tsefatsefa-karambato,

any amin’ny hazo madinika milobolobo,

mbamin’ny tany fiandrasana biby rehetra.

20 Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra,

amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony,

– dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, –

ny loha sy ny volon-tongotra

ary hoesoriny koa ny volombava.

21 Amin’izany andro izany, ny olona iray hiompy

ombivavy iray sy ondrivavy roa;

22 ka noho ny habetsahan’ny ronono avy amin’ireny

dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona;

fa hero-dronono sy tantely

no fihinan’ny olona rehetra tafajanona eo amin’ny tany.

23 Amin’izany andro izany ny tany rehetra

misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo,

dia ho rakotra hery sy tsilo.

24 Zana-tsipìka aman-tsipìka, no hoenti-miditra ao,

fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin’ny tany rehetra.

25 Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa tamin’ny antsetra fiavàna

tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo;

fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahin’ny ondry.»

Categories
Izaia

Izaia 8

Hiteraka lahy i Izaia

1 Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mangalà fàfana lehibe, ka soraty eo, amin’ny soratra azon’ny olona rehetra vakina, izao: ‹Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.› »

2 Ary naka vavolombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria zanak’i Jebarakia.

3 Dia nanatona ny mpaminany vavyaho ary nanana anaka izy, ka niteraka zaza lahy. Ary hoy i Iaveh tamiko: «Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany.

4 Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io miantso hoe: Dada sy Nenydia hoaterina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny babo azo tamin’i Samaria.»

I Siloe sy i Eofrata

5 Izao koa no nolazain’i Iaveh tamiko:

6 «Satria ity firenena ity nanazimba

ny ranon’i Siloemisononoka fandeha,

sy mifaly noho ny amin-dRasìna

sy ny zana-dRomelia,

7 noho izany, indro hampiakarin’ny Tompo hanafika azy ireo,

ny ranon’ny ony, sady mahery no lalina,

dia ny mpanjakan’i Asiria mbamin’ny heriny rehetra;

ny masondranony rehetra hosaforany,

ary ny morony rehetra hihoarany;

8 ho tafatsofoka amin’i Jodà izy,

ho tondraka sy hanafotra,

hisondrotra mandra-pahatongavany havozona,

ary ny fivelaran’ny elany handrakotra

ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»

Horohoron’ny mpanafika

9 Manaova akoran’ady, ry vahoaka, nefa ho resy ianareo!

Manongilàna sofina ianareo rehetra,

ry fara vazan’ny tany.

Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo!

Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo e!

10 Manaova fikasana, nefa hofoanana izany;

manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany;

satria momba anay Andriamanitra!

I Iaveh, vato hanafintohina

11 Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko, raha nandray ahy ny tanany,

sy nanoro ahy tsy hanaraka ny lalan’ity firenena ity,

nanao hoe:

12 Aza miantso hoe tetika fikomiana

izay rehetra ataon’ity vahoaka ity hoe tetika fikomiana.

Aza matahotra izay atahorany,

na mangovitra akory ianareo.

13 I Iavehn’ny tafika, dia Izy no hohamasininareo,

Izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.

14 Dia ho fitoerana masina Izy,

nefa koa ho vato fanafintohinana

sy ho vatolampy mahasolafaka

ho an’ny firenena roa amin’i Israely,

ho fandrika aman-tonta ho an’ny mponina eny Jerosalema.

15 Maro amin’izy ireo no ho tafintohina,

ho lavo, sady ho montsamontsana;

ary ho voafandrika sy ho voasambotra.

Fanambaràn’i Izaia tamin’ireo mpianany

16 Fehezo ny teny-vavolombelona,

asio tombokase ny fampianarana ao am-pon’ny mpianatrao.

17 Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany

amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.

18 Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy,

dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay,

avy amin’i Iavehn’ny tafika,

izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.

19 Raha avy izay hilazany aminareo hoe:

«Manontania an-dry zareo miantso ny maty,

sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,»

valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka?

dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona?

20 Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e!

Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka,

dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»

Dia alina

21 Hirenireny amin’ny tany, vontom-pahoriana sy mosarena,

ary rehefa noana izy hanozona

ny mpanjakany sy ny andriamaniny amin’ny fiafonafonany.

22 Hanandratra ny masony any ambony,

dia hanondrika azy amin’ny tany indray:

Ka indro ny fahoriana, ny haizina,

ny tebiteby mampanjombona;

horoahina any amin’ny haizim-pito izy.

23 Tsy hisy anefa ny haizim-pito,

amin’ny tany nozoim-pahoriana.

Fisehoan’Andriamanitra

Toy ny nanotofan’ny andro taloha fahafaham-baraka,

ny tany Zabolôna sy ny tany Neftalì,

no hamenoan’ny andro faranyvoninahitra,

ny lalan’ny ranomasina,

ny tany an-dafin’i Jordany, ary ny faritanin’ny firenena.

Categories
Izaia

Izaia 9

1 Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito,

nahita mazava lehibe;

ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana,

namirapiratan’ny mazava.

2 Nampitombo ny vahoakanao Ianao,

ary nataonao lehibe ny hafaliana;

ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy,

toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.

3 Satria ny jioga nanavesatra azy,

ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,

ny tehin’ny mpitoroka azy,

dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.

4 Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana

mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra,

dia atao anatin’ny afo:

ka levon’ny afo.

5 Fa misy zaza teraka ho antsika;

zazalahy nomena antsika;

ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony;

ary ny anarany atao hoe:

Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery,

Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana,

6 mba hanitatra ny fanjakana,

sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana,

ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany,

mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy,

amin’ny hitsiny sy ny rariny,

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.

Famaliana nataon’i Iaveh

7 Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo,

ary mihatra amin’i Israely izany;

8 Hahalala izany avokoa ny vahoaka,

dia i Efraima sy ny mponina any Samaria,

izay miteny amim-piavonavonana

sy amim-pireharehan’ny fony manao hoe:

9 «Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika,

voakapa ny aviavy, fa sedera kosa no hasolontsika azy.»

10 I Iaveh nanangana ny mpanohitra an-dRasìna

hamely azy ireo

sy manindrona an’ireo fahavalony,

11 dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistinina any Andrefana,

ka ho lanin’ireo, hataony be am-bava, i Israely.

Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany,

ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

12 Satria tsy niverina amin’izay nikapoka azy ny vahoaka,

ary tsy nitady an’i Iavehn’ny tafika izy ireo.

13 Ka hofongoran’i Iaveh amin’i Israely ny loha sy ny rambo,

ny fototr’antrendry aman-jozoro amin’ny indray andro monja.

14 Ny loholona sy ny andriana no loha,

ary ny mpaminany mampianatra lainga no rambo.

15 Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy,

ary izay voatarika dia very.

16 Noho izany ny zatovon’izy ireotsy ankasitrahin’ny Tompo,

ary ny kamboty amam-mpitondratenany, tsy ananany antra;

satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana

sy ratsy fanahy avokoa,

ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa.

Na izany rehetra izany aza anefa,

tsy nihodivitra ny hatezerany,

ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

17 Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana,

ka mandevona ny hery sy ny tsilo;

mampiredaka ny hery milobolobo amin’ny ala,

ka ny setroka misavoana mitambolimbolina.

18 Noho ny hatezeran’i Iavehn’ny tafika

dia may ny tany,

ary ny vahoaka zary rembin’afo.

Tsy misy mitsimbina izay rahalahiny intsony;

19 mikapa eny ankavanana ny olona, nefa noana ihany,

mandrapaka eny ankaviany izy, nefa mbola tsy voky;

samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy;

i Manase mamely an’i Efraima,

i Efraima mamely an’i Manase,

izy roa tonta ireo mamely an’i Jodà.

20 Na izany rehetra izany aza anefa,

tsy nihodivitra ny hatezerany,

ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

Categories
Izaia

Izaia 10

1 Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina,

sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny.

2 Mampanalavitra ny tribonaly ny osa

sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako;

ny mpitondratena ataony firemby;

ary ny kamboty fambabony!

3 Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana

sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra?

Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo,

ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?

4 Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo,

na lavo eo amin’ny maty.

Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany,

ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

Famelezana mpanjakan’i Asora

5 Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako!

fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!

6 Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana,

omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy,

dia handroba sy hamabo,

ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.

7 Kanjo tsy izany no heviny,

ary tsy izany no heverin’ny fony;

fa ny handringana no hany kendreny,

sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.

8 Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?

9 Tsy toa an’i Karkemisava no nahazo an’i Kalnô,

tsy toa an’i Arfada va no nahazo an’i Hamata?

ary tsy toa an’i Damasa va no nahazo an’i Samaria?

10 Toy ny nanakaran’ny tanako

an’ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy mahomby,

izay mahery noho ny an’i Jerosalema sy i Samaria ny sampiny,

toy ny efa nataoko tamin’i Samaria sy ireo andriamaniny,

11 moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema

sy ny sary sampiny?»

12 Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo

ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema,

dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria,

sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.

13 Satria izy nanao hoe:

«Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako,

sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho!

Ny faritanin’ny firenena, nafindrako,

ny hareny nobaboiko,

ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany

dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo.

14 Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako

ny haren’ny firenena,

ary toy ny fanangona atody nilaozana

no namoriako ny tany rehetra,

ka tsy nisy nikopa elatra,

na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»

15 Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky,

miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa?

Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy;

sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!

16 Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika,

haniraka faharerahana hamely ny mpiadinymatanjaka;

ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra,

toy ny afo amin’ny hain-trano.

17 Ny fahazavan’i Israely no ho afo;

ary ny Masiny no ho lelafo,

handroso sy handevona,

indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.

18 Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa

hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana;

hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany.

19 Ho azo isaina ny hazo sisa any an’alany;

zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy.

Ny anarana hoe Sear-Iasob

20 Ary izao no hiseho amin’izany andro izany:

Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba,

dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony,

fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo

amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.

Filazana mialoha, ny faharavana

21 Misy sisa hiverina, dia sisa amin’i Jakôba,

ho amin’ny Andriamanitra mahery.

22 Satria na dia hoatra ny fasika amin’ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely,

dia izay sisa eo ihany no hiverina;

ka efa raikitra ny fandringanana

hampisafoaka ny fahamarinana,

23 fa ny fandringanana efa naraikiny,

dia hotanterahin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, amin’ny tany rehetra.

Tenin’Andriamanitra

24 Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe:

Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora,

ry vahoakako monina any Siôna,

raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy,

ka manainga ny tehina aminao,

toa an’i Ejipta taloha.

25 Fa rehefa afaka kely foana,

dia hitsahatra ny hatezerako,

ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako.

26 Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika,

toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba,

ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina;

ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.

27 Ka izao no hiseho amin’izany andro izany:

Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao;

ary ny jiogany eo amin’ny vozonao,

ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.

Ilay mpanafika

28 Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an’i Magrôna,

mametraka ny entany ao Makmasy.

29 Nihoatra ny hadilalana izy ireo,

nitoby tao Gabà tamin’ny alina;

raiki-tahotra mafy i Ramà,

vaky nandositra i Gabaan’i Saola.

30 Manaova antso fitarainana, ry zanaka vavin’i Galima!

mampandria sofina, ry Laisa! Indrisy, ry Anatôta mahantra!

31 Miparitaka i Medmenà,

lasa nandositra ny mponina ao Gabima.

32 Indray andro sisa, dia any Nobe izy;

hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy,

hamely ny havoan’i Jerosalema!…

33 Indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika,

mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka;

ny avo indrindra, voakapa;

ny lasa ambony indrindra voazera amin’ny tany.

34 Ny ala milobolobo voakapa amin’ny vy;

ary lavo i Libàna alamaky ny Mahefa anankiray.