Categories
Izaia

Izaia 11

Ilay mpanjaka olo-marina

1 Misy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese,

ary misy solofo haniry avy amin’ny fakany.

2 Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh,

dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina,

fanahin’ny fifidianana amam-paherezana,

fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.

3 Ny fahatahorana an’i Iaveh no fototry ny fahafinaretany.

Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy,

na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.

4 Ny madinika hotsarainy ara-drariny,

ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.

Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy,

ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.

5 Fahamarinana no hisikinan’ny valahany

ary fatra-po mahatoky no ho fehinkibony.

6 Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry,

ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy;

ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy, hiray toerana,

ka zaza no hiroaka azy.

7 Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray,

ny zanak’ireo, hiray trano fandriana;

ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.

8 Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana;

ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tavany

ao an-davaky ny baziliky.

9 Tsy hisy hampidi-doza na handrava,

eran’ny tendrombohitra masina,

satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh,

toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.

Ny niverenan’ireo voasesitany

10 Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese,

voatsangana ho fanevan’nyvahoaka samihafa,

dia hotadiavin’ny firenena,

ary ho be voninahitra ny fonenany.

11 Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo

haninjitra ny tanany fanindroany,

hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany,

izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta,

sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara,

Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.

12 Ary izy hanangam-paneva ho an’ny firenena,

hamory ny voasesitany amin’i Israely;

hanangona ny tafaely amin’i Jodà,

avy any amin’ny vazantany efatra.

13 Ny fialofan’i Efraima ho foana;

ny fandrafian’i Jodà hitsahatra;

i Efraima tsy hialona an’i Jodà intsony;

ary i Jodà tsy handrafy an’i Efraima intsony.

14 Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy,

ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana;

i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany;

ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.

15 I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’iEjipta,

sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony,

dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito,

ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.

16 Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa,

izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina,

toy ny nisy halehan’i Israely,

tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.

Categories
Izaia

Izaia 12

Antsa fisaorana roa

1 Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany:

«Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao,

nefa nihodivitra ny hatezeranao,

ka mampionona ahy Ianao.

2 Inty ny Andriamanitry ny fahafahako;

matoky aho, fa tsy manan-tahotra;

fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh,

Izy no famonjena ahy teo.»

3 Hanovo rano an-kafalianaianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:

4 «Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany;

torio amin’ny firenena ny asany lehibe,

ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany,

5 Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy;

ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!

6 Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,

fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!»

Categories
Izaia

Izaia 13

Teny famelezana an’i Babilôna

1 Faminanianamomba an’i Babilônanambaratamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.

2 Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady;

antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy,

handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.

3 Izaho kosa efa nanome didy an’ireo natokako,

ary efa niantso ireo lehilahy maheriko

hoentiko hahafa-po ahy amin’ny hatezerako,

izay miarahaba ny fiandrianako, amin’ny hobin-kafaliana.

4 Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra,

toa hahohahom-bahoaka be;

injany re ny tabataban’ny fanjakana,

ny firenena tafavory:

i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso

ireo miaramilany mpiantafika.

5 Avy any an-tany lavitra,

avy any am-paravodilanitra izy ireo

dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany

handravany ny tany rehetra.

6 Aoka hinaonaona ianareo,

fa antomotra ny andron’i Iaveh:

toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.

7 Noho izany ny tanana rehetra hiraviravy;

ny fon’ny olombelona rehetra ho reraka,

8 hangovitra izy, ho azon’ny tebiteby amam-panaintainana;

hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy;

sady hifampijery samy hitanàka foana eo;

ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!

9 Indro tonga ny andron’i Iaveh,

andro fahalozàna, fahavinirana

sy firehetam-pahatezerana,

hampanjary ny tany ho efitra,

sy handringana ny mpanota eo.

10 Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany,

tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra,

ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany,

ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.

11 Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany;

ary ny ratsy fanahy noho ny helony;

hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha;

ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.

12 Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona;

mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.

13 Noho izany, ny lanitra hampangovitiko;

ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany,

azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika,

amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.

14 Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina,

tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory,

dia samy hitodika ny fireneny avy,

sy handositra ho any amin’ny taniny.

15 Izay hita rehetra ho voagorobaka,

izay voasambotra rehetra ho lavon’ny sabatra.

16 Ny zanany madinika homontsanina eo imasony,

ny tranony hobaboina ary ny vadiny hosavihina.

17 Indro hatsangako hamely azy ireo ny Meda,

izay tsy mandala volafotsy, tsy maniry volamena.

18 Ny tsipìkany handripaka ny zatovo;

ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra;

ny zaza tsy hiantran’ny masony.

19 Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro,

haingon’ny Kaldeanina be rehareha,

dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra

izay noravan’Andriamanitra.

Tsy hisy mponina intsony ao aminy,

20 ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy;

ny Arabo tsy hanangan-day eo;

ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.

21 Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo,

ny vorondolo no hameno ny tranony;

ny ostritsa no honina any,

ary ny satira no hifalihavanja eo.

22 Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao;

ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany.

Efa antomotra ny fotoany,

ary tsy hohalavaina ny androny.

Categories
Izaia

Izaia 14

Fiverenana avy any an-tsesitany

1 Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh,

ary i Israely mbola hofidiny;

hamponeniny amin’ny taniny indray izy;

ny hafa firenena hikambana aminy,

sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.

2 Ny firenena no haka azy,

ka hanatitra azy hody,

ary ny taranak’i Israely handray azy ireo ho an’ny tenany,

ao amin’ny tanin’i Iaveh,

ho mpanompo lahy ama-mpanompo vavy;

dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy,

sy hanapaka an’ireo nampahory azy.

Fanarabiana mpanjaka maty nasiaka

3 Ary amin’ny andro hampitsaharan’i Iaveh anao

amin’ny fisasarana aman-tebitebinao,

sy amin’ny fanompoana mafy nampanaovina anao,

4 dia hoventesinao izao hira faniniana izao,

ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe:

«Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona,

ary nitsaharan’ny fampahoriana?

5 Notapahin’i Iaveh ny tehin’ny ratsy fanahy,

ny tehim-panjakan’ny mpanapaka!

6 Nikapoka ny vahoaka tamin-katezerana mafy Izy,

tamin’ny kapoka tsy an-kijanona;

nentin’ny fisafoahany dia nataony ambany jioga ny firenena,

tamin’ny fanenjehana tsy misy hiainana.

7 Indro miadana ny tany rehetra, mandry feizay izy,

velona ny hobin-kafaliana.

8 Ny sipresy aza mifaly amin’ny fahalavoanao

mbamin’ny sedera any Libàna:

Hatrizay nahalavoanao teo izay, tsy misy olona miakatra

hikapa anay intsony.

9 Taitra ny aminao ny Seoly any ambany lalina any,

handeha hitsena anao.

Fohaziny noho ny aminao ny avelo,

ny mpanjakan’ny tany rehetra;

asainy hitsangana avy eo amin’ny seza fiandrianana avokoa,

ny mpanjakan’ny firenena rehetra.

10 Samy miteny izy rehetra, hilaza aminao hoe:

‹Ianao koa miongàna toa anay,

ka indro ianao tsy misy hafa aminay!›

11 Nivarina amin’ny Seoly ny reharehanao,

mbamin’ny feom-balihanao.

Voalafika kankana ianao,

ary olitra no irakofanao!

12 Akory ity ianao no potraka avy any an-danitra,

ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina?

Akory ity ianao no mitsingidina amin’ny tany,

ianao ilay mpandrava firenena?

13 Ianao ilay nanao anakampo hoe:

‹Hiakatra any an-danitra aho;

ary ambony mihoatra ny kintan’Andriamanitra

no hanandratako ny seza fiandrianako;

hipetraka eo ambonin’ny tendrombohitry ny fivoriana,

eny amin’ny avaratra avotsy hita noanoa;

14 hisondrotra any an-tampon’ny rahona,

ary hitovy amin’ny Avo-Indrindra!›

15 Kanjo indro ianao latsaka atỳ amin’ny Seoly,

atỳ amin’ny hantsana lalina tsy hita noanoa!

16 Izay mahita anao, mibanjina anao,

sady manao tsara jery anao, manao hoe:

‹Io va izany olona nampitabataba ny tany,

nampihozongozona ny fanjakana,

17 nampanjary efitra an’izao tontolo izao,

nandrava ny tanàna,

tsy nandefa ny babo hody any aminy?› »

18 Ny mpanjaka rehetran’ny firenena,

samy mandry amim-boninahitra avokoa,

eo an-tranony avy;

19 fa ianao kosa nariana lavitry ny fasanao,

toy ny sampana atao tsinontsinona,

tototry ny maty novonoina tamin’ny sabatra,

sy voavarina any amin’ny sola-baton’ny hantsana manjombona,

tahaka ny faty voahosihosy.

20 Tsy mba hiaraka amin’izy ireo eny am-pasana ianao,

satria nandevona ny taninao,

ary nandringana ny vahoakanao!

Tsy hotononina mandrakizay

ny taranaky ny ratsy fanahy.

21 Manomàna famonoana hamelezana ny taranany,

noho ny helok’ireo razany.

Aza tafarina intsony hampanaiky ny tany izy ireo,

aoka anie ka tsy handrakotra tanàna

ny vohon’ny tany izy ireo.

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Babilôna

22 Hitsangan-kamely ireny aho,

– teny ton’i Iavehn’ny tafika –

ary hofoanako amin’i Babilôna avokoa ny anarana

sy izay sisa eo,

ny taranaka aman-tsolofo,

– teny ton’i Iavehn’ny tafika. –

23 Hataoko fonenan-tsokina,

amam-pihandronan-dranoizy,

ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana,

– teny ton’i Iavehn’ny tafika. –

Ho potika i Asora

24 I Iavehn’ny tafika nianiana hoe:

«Eny, ho tò izay hevitra efa nokasaina;

ary ho tanteraka izay efa notapahiko.

25 Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho,

ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro.

Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany,

ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.

26 Izany no hevitra raikitra hamelezana ny tany rehetra,

ary tanana ahinjitra hamelezana ny firenena rehetra!

27 Fa i Iavehn’ny tafika no efa nanapaka izany,

ka zovy no hahasakana izany,

ary ny tanany efa nahinjiny,

ka iza no hahasakana izany?»

Fampitandremana ny Filistinina

28 Tamin’ny taona nahafatesan’i Akaza mpanjaka no nivoahan’izao faminaniana izao.

29 Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo,

noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao;

fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava

ary dragona manidina no haterany.

30 Ka amin’izay ny faraidiny hahita hanina;

ary ny mahantra handry feizay.

Fa ny taranakao kosa, hataoko maty mosary;

ary izay sisa avy aminao, haringana. –

31 Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna;

Matahora mafy, ry Filistinina manontolo!

Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra,

ary tsy misy miala amin’ny laharana,

ny antoko-miaramilany.

32 Inona no havaly ireo iraky ny firenena?

Izao: «I Iaveh no nanorina an’i Siôna,

ka mahita fialofana ao izay ory amin’ny vahoakany».

Categories
Izaia

Izaia 15

Fitomaniana an’i Môizy

1 Faminaniana ny amin’i Moaba.

Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy,

dia fongotra i Ara-Moâba.

Ny alina nandrobana azy,

i Kira-Moabadia fongotra.

2 Miakatra ho any an-tempolin’i Kamaosy sy any Dibôna ny olona,

eny amin’ny fitoerana avo mba higogogogo;

migogogogo ny amin’i Nebô sy i Medebà, i Moaba.

Ny loha mibory avokoa;

ny somotra voaharatra daholo.

3 Eny an-dalam-be izy ireo mitafy lasàka;

eny ambony tafon-trano sy eny an-kianja izy,

minaonaona avokoa, mijoy ranomaso daholo.

4 Mibadabada i Hesebona sy i Eleale;

re hatrany Jahasy ny feony.

Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba,

mangovitra ny fanahin’izy io.

5 Ory an’i Moaba ny foko;

efa mby ao Segôra sahady ny mpiaro azy,

efa ao Eglata-Selisiah.

eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita;

eny amin’ny lalan’i Hôrônaima,

manao antsom-pahoriana ny olona.

6 Satria ritra ny ranon’i Nimrima,

maina ny ahitra,

fongana ny ahi-maitso,

tsy misy intsony izay zava-maitso.

7 Izay zavatra mba azony noraisina sy izay fitaovany,

dia entiny any an-dafin’ny lohasahan-driakan’ny Hazomalahelo.

8 Fa efa re eran’ny faritanin’i Moaba ny fitarainana.

manako hatrany Eglaima ny finanananany,

tonga hatrany Beera-Elima ny finanananany.

9 Satria feno ra ny ranon’i Dimôna.

Fa hampiavy tombon-doza amin’i Dimôna aho,

hampiavy lionaho amin’izay sisan’i Moaba,

dia amin’izay tavela ao amin’ny tany.

Categories
Izaia

Izaia 16

Mialokaloka ao Jodà ny Moabita

1 Alefaso ny zanak’ondry mpanapakany tany,

avy any Petrà, hamaky ny efitra,

ho any an-tendrombohitry ny zanakavavin’i Siôna.

2 Tahaka ny vorona mandositra

tahaka ny vorona iray akàny aely,

ny zanaka vavin’i Moaba,

eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.

3 Aoka ianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay;

hanome aloka anay, toy ny amin’ny alina,

amin’ny mitatao vovonana;

hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!

4 Aoka ireo mpandositra avy any Moaba

hahazo mitoetra eo aminao;

aoka ianao ho fiereny,

tsy ho azon’ireo mpandringana izy;

fa mitsahatra ny fanafihana, tapitra ny fandravana,

lasa niala tamin’ny tany ny mpampahory.

5 Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana,

ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany,

araka ny fahamarinana,

eo an-dain’i Davida,

dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny,

ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.

Fitomaniana an’i Moaba

6 Fantatray ny avonavon’i Moaba,

ilay fatra-piavonavona,

ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony

aman-teny mamitaka.

7 Koa aoka i Moaba hitomany an’i Moaba;

aoka hidradradradra izy rehetra!

Ny ampempam-boalobok’i Kira Hereseta,

no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.

8 Fa zoin-doza avokoa ny sahan’i Hesebona;

ny amin’ny voalobok’i Sabamà,

dia efa noravan’ny tompon’ny firenena

ny sakeliny mandadina,

izay efa nisandrahaka hatrany Jazera,

nandroso tsy hita lany tany an’efitra,

nandefa lavitra ny solofony,

nampita ny ranomasina.

9 Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho,

momba ny voalobok’i Sabamà;

mandrotsaka ranomaso aminareo aho

ry Hesebona, ry Eleale,

fa ny vokatrareo amam-pararanonareo,

no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.

10 Foana ny fifaliana amam-piravoravoana

eo amin’ny sahan-kazo mamoa,

tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony

eo amin’ny tanimboaloboka;

ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay

eo amin’ny famiazana intsony;

efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.

11 Koa mipararetra hoatra ny harpa

ny tsinaiko, noho ny amin’i Moaba;

sy ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.

12 Dia no hitan’ny olona i Moaba hisasatra

eo amin’ny fitoerana avony,

hiditra ao amin’ny fitoera-masiny izy hivavaka,

nefa tsy hahazo na inona na inona.

Tenin’Andriamanitra momba an’i Moaba

13 Izany no teny faminaniana nataon’i Iaveh fahiny elany amin’i Moaba.

14 Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»

Categories
Izaia

Izaia 17

Momba an’i Damasa

1 Faminaniana ny amin’i Damasa.

Indro fa i Damasa voaesotra tsy ho isan-tanàna intsony;

dia ho korontan-javatra foana izy!

2 Ny tanànan’i Aroerailaozana,

nafoy ho an’ny biby fiompy izy,

ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.

3 Halana amin’i Efraima ny manda,

ary ny fanjakana amin’i Damasa;

ny sisa amin’i Siria,

ho toy ny voninahitry ny zanak’i Israely,

– teny ton’i Iavehn’ny tafika.

4 Izao no hiseho amin’izany andro izany:

ny voninahitr’i Jakôba halazo,

ny tavin’ny tavany hihamahia.

5 Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja,

sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany;

ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona,

eny amin’ny lohasahan-dRefaima.

6 Mbola hisy hotsimponina ihany izy,

toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva

misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra,

misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo,

– teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.

Ho foana ny fanompoan-tsampy

7 Amin’izany andro izany

ny olona hijery any amin’Ilay nahary azy,

ary hibanjina ny Masin’i Israely ny masony.

8 Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy;

tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany;

dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.

Teny famelezana ny sahan’i Adônisy

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy,

dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an’ala aman-tendrombohitra

izay nilaozana teo anoloan’ny zanak’i Israely:

dia ho tany efitra.

10 Satria ianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao,

tsy nahatsiaro ny Vatolampin’ny herinao.

Koa dia mamboly voly mahafinaritra ianao,

ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao.

11 Amin’ny andro ambolenao azy

dia fefenao manodidina izy,

ary ny ampitso maraina,

dia mampamony ny voa nafafinao ianao;

kanjo tsy azonao ny vokatra

amin’ny andron’ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty!

Fisamboaravoaran’ny firenen-kafa

12 Endrey izany fihahohahom-bahoaka be!

Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo.

firohondrohom-pirenena re izany!

13 Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy.

Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon’ny ranobe.

Kanjo rahonanyireny, dia mandositra lavitra,

dia tafaely toy ny mololo tsofin’ny rivotra eny an-kavoana,

toy ny vovoka mitambolimbolina eo anoloan’ny tafio-drivotra.

14 Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po;

alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny!

Izany no anjaran’ireo mandroba antsika,

izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.

Categories
Izaia

Izaia 18

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Kosa

1 Eh, ry tanyizay andrenesana ny fisasasasan’ny elatra,

any an-dafin’ny onin’i Kosa,

2 izay mandefa irakaeny ambony ranomasina,

amin’ny lakan-jozoro ambonin’ny vohon-drano!

Mandehana ianareoiraka faingam-pandeha,

mankany amin’ny firenena lava ranjanana

sady malambolambo ny hodiny,

any amin’ny vahoaka atahorana any lavitra any;

firenena manao jadon’ny mpanjaka sy manorotoro,

izay vakivakin’ny ony ny taniny.

3 Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao,

ry mponina ambonin’ny tany!

mijereianareo,

rehefa voatsangana eny an-tendrombohitra ny faneva,

mihainoa ianareo rehefa maneno ny trômpetra.

4 Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko:

Hisonanina ato amin’ny fonenako Aho, dia hijery,

toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro,

toy ny ranonando amin’ny hafanam-pararano.

5 Fa alohan’ny fijinjana, rehefa tapitra ny famoniana,

ka efa tonga sampaho efa ho masaka ny voniny,

dia hotapahiny amin’ny antsy ny rantsany,

hoesoriny ny sampany dia hotangosany.

6 Izy rehetra indray hatolotra ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra

sy ho an’ny biby ambonin’ny tany;

ny vorona mpihaza hihinana azy amin’ny fahavaratra;

ary ny biby ambonin’ny tany koa amin’ny ririnina.

7 Amin’izany andro izany, hisy fanatitra haterina amin’i Iavehn’ny tafika,

avy amin’ny vahoaka lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny,

amin’ny vahoaka atahorana any lavitra any,

firenena manao jadona sady manorotoro

ary vakivakin’ny ony ny taniny,

ho ao amin’ny fonenan’ny Anaran’i Iavehn’ny tafika,

any an-tendrombohitra Siôna.

Categories
Izaia

Izaia 19

Teny famelezana an’i Ejipta

1 Faminaniana ny amin’i Ejipta.

Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana

miditra any Ejipta.

Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany,

ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.

2 Hamporisika an’i Ejipta hamely an’i EjiptaAho,

ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin’ny rahalahy,

ary ny sakaiza amin’ny sakaiza,

ny tanàna amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.

3 Ny fanahin’i Ejipta ho foanaao anatiny;

ary ny fisainany hataoko very;

hanontaniany ny mpimasy ama-mpanao fankatoavana,

mbamin’ny mpamoha angatra ama-mpisikidy.

4 Hatolotro ho an-tanan’ny tompo lozabei Ejipta

ary mpanjaka mahatahotra no hizaka azy,

– teny ton’i Iavehn’ny tafika.

5 Ny rano amin’ny ranomasina ho ritra;

ny ony ho tankina sy ho maina;

6 Ny renirano hanjary maimbo,

ny lahin-dranon’i Ejipta hihena dia ho maina;

ny zozoro amam-bolotara halazo.

7 Ny tanim-bilona manaraka an’i Nila ao amoron’i Nila,

ny saha voafafy rehetra manaraka an’i Nila:

ho maina hanjary foana, ary tsy hisy intsony.

8 Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo,

dia ny mpamintana rehetra, eo an’ony;

ny mpandatsaka harato eo ambonin’ny rano hivaranhotsaka.

9 Ry zareo miasa ny rongony madinika voaraotra,

sy ry zareo manenona ny landihazo, hiraviravy tanana.

10 Ireo andrin’i Ejipta ho torotoro,

ary ny manao taozavatra ho rera-po avokoa.

11 Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana;

ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna

dia hadalana ny toroheviny.

Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe:

Zanak’olon-kendry aho,

taranak’andriana fahagola aho?

12 Aiza moa izay olon-kendrinao?

ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinanîny

izay nodidian’i Iavehn’ny tafika hanjò an’i Ejipta!

13 Ny mpanapaka an’i Tanisy efa very saina;

ny mpanapaka an’i Memfisy efa voafitaka,

ny tenan’izy ireo, vato fehizoron’ny karazam-pokon’i Ejipta no nandrebireby azy.

14 Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy,

ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra,

mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!

15 Ary tsy misy hahasoa an’i Ejipta,

amin’izay rehetra mety ho vitan’ny loha na ny rambo,

ny antrendry na ny zozoro.

Fibebahan’i Ejipta sy i Asiria

16 Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy;

ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra,

mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana,

izay aingainy hamelezana azy.

17 Ary ny tanin’i Jodà,

hahatahotra mafy an’i Ejipta:

hangovitra izy, isaky ny misy olona hampahatsiaro azy izany anarana izany

noho ny didin’i Iavehn’ny tafika,

izay navoakany hamelezany azy.

18 Amin’izany andro izany hisy tanàna dimy,

any amin’ny tany Ejipta,

izay hiteny amin’ny fiteny Kanaàna

sy hianiana hanompo an’i Iavehn’ny tafika;

ny iray amin’ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.

19 Amin’izany andro izany hisy ôtely ho an’i Iaveh,

eo afovoan’ny tany Ejipta.

Ary eo amin’ny sisin-taniny, hisy tsangam-bato ho an’i Iaveh.

20 Ary ho famantarana ho an’i Iavehn’ny tafika izany,

sy ho vavolombelona eo amin’ny tany Ejipta;

ka rehefa hitaraina amin’i Iaveh izy ireo,

noho ny mpampahory azy,

dia haniraka mpamonjy izy,

sy mpiaro mahery hanafaka azy.

21 Hanao izay hahafantaran’i Ejipta azy i Iaveh,

ka hahalala an’i Iaveh i Ejipta

amin’izany andro izany,

hanao sorona amam-panatitra izy ireo,

hivoady amin’i Iaveh sy hanefa izany.

22 Hikapoka an’i Ejipta i Iaveh,

sady hikapoka no hanasitrana!

Hibebaka amin’i Iaveh izy ireo,

ka hety hionona amin’ny fifonany izy, dia hanasitrana azy.

23 Amin’izany andro izany hisy lalana

avy any Ejipta mankany Asiria;

ka ny Asirianina ho tonga ao Ejipta,

ny Ejiptianina ho any Asiria,

dia hanompo an’i Iaveh i Ejipta miaraka amin’i Asora. –

24 Amin’izany andro izany i Israely hikambana

amin’i Ejipta sy i Asiria, izy no fahatelony,

mba ho fitahiana eo amin’ny tany.

25 Hitahy azy ireo i Iavehn’ny tafika hanao hoe:

«Hotahina anie i Ejipta, vahoakako,

sy i Asora, asan’ny tanako,

ary i Israely lovako.»

Categories
Izaia

Izaia 20

Ambara fa ho azo i Azota

1 Tamin’ny taona nahatongavan’i Tartananirahin’i Sargona mpanjakan’i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy,

2 tamin’izany andro izany niteny i Iaveh tamin’ny alalan’i Izaia, zanak’i Amôsa nanao hoe: «Mandehana, borahy ny lasàka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin’ny tongotrao.» Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafysy tsy nikiraro izy.

3 Ary hoy i Iaveh:

«Toy ny nandehanan’i Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro,

fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona,

ho an’i Ejipta sy i Etiôpia izy,

4 no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny babo avy any Ejipta;

sy ny voasesitany avy any Etiôpia,

na tovolahy, na lahiantitra,

tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana,

ho henatr’i Ejipta.

5 Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin’izay,

noho ny amin’i Etiôpia, nataony hiankinana,

sy noho ny amin’i Ejipta, nataony rehareha.

6 Amin’izany andro izany ny mponina eo amoron’ity ranomasina ity hanao hoe:

‹Izao lahy no nanjò an’ilay niankinantsika,

ilay noheverintsika mandositra hohatonina

hitady famonjena ary mba ho afaka

eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria?

Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra?› »