Teny famelezana an’ireo solontena nankany Ejipta
1 Loza ho an’izay zaza maditra – teny ton’i Iaveh,
izay manao fikasana nefa tsy ombako;
sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko,
ka manampy ota ny ota.
2 Dia midina eny amin’ny lalana mankany Ejipta izy ireo
nefa tsy manontany ny vavako,
mba hialoka eo ambany fiarovan’i Faraôna
sy hialokaloka eo amin’ny alokalok’i Ejipta.
3 Hody henatra ho anareo, ny fiarovan’i Faraôna;
ary ho fanalam-baraka ho anareo, ny fialokalofana
eo amin’ny alokalok’i Ejipta.
4 Efa mby any Tanisasahady ireo mpanapaka an’i Jodà;
ary efa tafahoatra hatrany Hanesany irany;
5 Mangaihay avokoa izy noho izany firenena izany tsy hahefa na inona na inona aminy,
tsy hahazoany vonjy na fanampiana
fa henatra sy fahafaham-baraka foana ihany.
Teny hafa famelezana an’ireo solontena
6 Faminaniana ny amin’ireo bibin’i Negeba:
Izy ireo mamakivaky ny tany mampahory sy mampitebiteby,
izay ivoahan’ny liona aman-diona vavy,
ny menarana sy ny dragona manidina,
mitondra ny hareny eny an-damosin’ny ampondra,
sy ny rakiny eo amin’ny trafon’ny rameva,
ho an’ny firenena tsy mahefa na inona na inona.
7 Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin’i Ejipta;
izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana.
Fara hafatra
8 Koa ankehitriny mandehana soratyeo anatrehany amin’ny fàfanaizany,
ary ataovy an-tsoratra ao anatin’ny boky,
hany ka amin’ny andro ho avy
dia ho vavolombelona mandrakizay izany.
9 Satria izy dia firenem-pikomiana
zanaka miodina, zanaka mandà,
tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.
10 Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»;
sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay,
fa zava-mahafinaritra no lazao aminay;
hevi-dravina no vinanio.
11 Mialà amin’ny lalana, ivilio ny lalana,
esory eo imasonay ilay Masin’i Israely!»
12 Noho izany, izao no lazain’Ilay Masin’i Israely:
Noho ianareo manamavo izany teny izany,
sy mitoky amin’ny fanaovana an-keriny amam-pitaka,
sady manao izany ho fiankinanareo,
13 noho izany, io heloka io ho anareo,
dia ho toy ny mivava efa mila hampianjera
sy efa mandomba eo amin’ny rindrina avo,
izay mirodana tampoka, indray mihelina monja.
14 Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy,
izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa,
ary ny vakiny tsy hahitana silany akory
mba hakana afo ao am-patana
na hanovozan-drano ao an-dobo.
15 Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo,
ilay Masin’i Israely:
«Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana
no hahavoavonjy anareo;
ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
16 Nefa tsy nety ianareo,
fa hoy ianareo: «Tsia,
fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» –
Eny hoe, handositra ianareo. –
«Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.»
Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.
17 Raha iray no handrahona, dia arivo no handositra;
ary raha dimy no handrahona, handositra avokoa ianareo.
Mandra-pahatonganareo ho kely sisa,
tahaka ny tsato-kazoeny an-tampon’ny tendrombohitra,
na ny faneva famantarana eny an-kavoana.
18 Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy,
dia hitsangana, ka hiantra anareo;
satria Andriamanitra marina i Iaveh.
Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Fanambinana ho avy
19 Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony ianao,
fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo;
raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.
20 Homen’ny Tompo anareo
ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana;
ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao,
ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.
21 Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe:
– Ity no lalana, ka ombao io! –
dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
22 Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo;
mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo:
ka harianareo hoatra ny zava-maloto:
«Mialà eto», hoy ianareo aminy.
23 Ny Tompo handefa ny ranonorany amin’ny voa
nafafinao amin’ny tany,
ary ny tany hahavokatra mofo,
tsara tokoa sady betsaka,
amin’izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana
eny amin’ny tany fiandrasana malalaka:
24 ary ny omby aman’ampondra miasa ny tany,
hihinam-bilom-bary matsiro,
voakororòka tamin’ny lapela aman-tsahafa.
25 Eny an-tendrombohitra avo rehetra,
eny an-kavoana avo rehetra
hisy sakeli-drano aman-dranovelona,
amin’ny andro famonoam-be,
dia hianjeran’ny tilikambo.
26 Ny hazavan’ny volanaho tahaka ny hazavàn’ny masoandro;
ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny,
ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana,
amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany,
sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
Hatao sorona i Asora
27 Indro avy any lavitra any ny Anaran’i Iaveh;
mahamay ny hatezerany, ka tsy tanty ny fahamainy;
mivoaka fisafoahana ny molony;
ary tahaka ny afo mandevona ny lelany.
28 Tahaka ny riaka manafotra ny fofon’ainy;
manafotra havozona,
hanasivanany ny firenena amin’ny sivana fandravana,
sy hanisiany lamboridy mampivily lalana eo amin’ny valanoranon’ny olona.
29 Amin’izany ianareo hiventy hira,
tahaka ny amin’ny alinaankalazana ny fety,
ary ny fonareo hiravoravo
tahaka an’izay miakatra amin’ny feon-tsodina,
ho ao an-tendrombohitr’i Iaveh
hanatona ny vatolampin’i Israely.
30 I Iaveh hampiriadriatra ny feonymiezinezina,
ary hampiseho ny fiantèfan’ny sandriny,
amin’ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona;
amin’ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.
31 Dia hangovitra i Asora amin’ny feon’i Iaveh;
hikapoka amin’ny tsora-kazony Izy,
32 ka isaky ny miantefa ny tsora-kazo tsy diso
hampidinin’i Iaveh aminy,
dia hatao mitatatata ny ampongatapakaaman-dokanga,
ary hiady aminy, sady hamely mafy azyIzy.
33 Fa efa voaomana hatramin’ny ela i Tôfeta;
io koa dia efa voaomana ho an’ny mpanjaka.
Nataon’ny Tompo malalaka sady lalina izy;
misy afo aman-kitay betsaka eo ambonin’ny antontan-kitainy;
ny fofon’ain’i Iaveh tahaka ny riaka solifara, no mampirehitra azy.