Categories
Izaia

Izaia 61

Asa anirahana ny mpaminany

1 Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo,

satria voahosotr’i Iaveh aho;

nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,

hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;

hampandre ny babo fa afaka

sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;

2 hitory taom-pahasoavanaanankiray ho an’i Iaveh,

sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika;

hampionona ny tra-pahoriana rehetra.

3 Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna

sy hanasatroka azy ny satroboninahitra

ho solon’ny lavenona,

diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana

akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po;

dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’nyfahamarinana,

volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.

4 Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela;

hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny;

hamboatra ny tanàna simba,

mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.

5 Ho eo ny vahiny, hiandry ny biby fiompinareo;

ny zanaky ny hafa firenena,

ho mpiasanareo sy mpamboly voalobokareo.

6 Fa ianareo kosa hataon’ny olona hoe:

«mpisoron’i Iaveh.»

sy hantsoin’ny olona hoe: «Mpandraharahan’ny Andriamanitsika.»

Hihinana ny haren’ny firenena ianareo;

hihaingo amin’ny zavatra kanto avy aminy,

ary hitafy ny fiamboniana nananany.

7 Ho solon’ny henatrareo taloha,

dia anjara roa no horaisinareo,

ary ho solon’ny fahafaham-baraka,

dia hifaly amin’ny anjarany avy izy ireo,

ka dia hahazo anjara roa eo amin’ny taniny izy ireo,

dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.

8 Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny,

halako ny fandrobana atao amim-pamadihana;

homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy,

ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.

9 Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena;

ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa.

Izay hahita azy hahalala azy avokoa,

fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.

10 Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho,

ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,

satria notafiany fitafiam-pamonjena aho,

ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,

toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;

toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

11 «Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,

toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy

no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana,

sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»

Categories
Izaia

Izaia 62

Tononkalo faharoa fiderana an’i Jerosalema tafatsangana indray

1 Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho,

ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho,

mandra-piposaky ny fahamarinany,

hoatra ny hazavan’ny maraina;

sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny,

hoatra ny fanilo.

2 Hahita ny fahamarinanao ny firenena,

hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra,

ka hantsoina amin’ny anaram-baovaoianao,

izay hofidin’ny vavan’i Iaveh.

3 Ho satroboninahitra eo an-tanan’i Iaveh ianao,

sy ho hamàman’andriana, eo an-tanan’ny Andriamanitsika.

4 Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»;

ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.»

Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»;

ary ny taninao «i Vady ampakarina».

Satria i Iaveh hankasitraka anao;

ary ny taninao hahazo vady.

5 Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny,

no hampakaran’ny zanakao anao;

ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra,

no hamalifalianao ny Andriamanitrao.

6 Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema,

no efa nametrahako mpiambina;

ka tsy hangina intsony ireny,

na andro na alina.

7 O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô,

aza mitsahatra ianareo;

ary aza avelanareo hitsahatra Izy,

mandra-panangany an’i Jerosalema indray,

sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.

8 I Iaveh efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana

sy tamin’ny sandriny mahery hoe:

«Ny varinao tsy homeko

hohanin’ny fahavalonao intsony,

ary tsy hosotroin’ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao,

vokatry ny fisasaranao.

9 Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy,

ka hidera an’i Iaveh;

ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy,

eo amin’ny kianjan’ny fitoerako masina».

10 Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo,

areno ny lalan’ny vahoaka.

Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy;

manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.

11 Izao no nambaran’i Iaveh,

hatrany amin’ny faran’ny tany:

«Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe:

Indro, avy ny Mpamonjy anao;

ny valisoa homeny efa eny aminy;

ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.

12 Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,›

‹Ny navotan’i Iaveh›;

ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›,

‹Tanàna tsy foy› ».

Categories
Izaia

Izaia 63

Tononkalo Apôkalipsa momba ny famalian’Andriamanitra ny nataon’i Edôma

1 Iza moa ity avy any Edôma,

avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra?

Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany,

mijoro amin’ny haben’ny heriny.

– Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana,

sady manan-kery hamonjy.

2 Nahoana no misy mena ity fitafianao,

ary tahaka ny an’izay manosy eo amin’ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?

3 Nanosy irery teo amin’ny famiazam-boaloboka aho,

fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko,

ny avy amin’ny firenena.

Dia nanosy azy ireo aho, nentin’ny hatezerako,

ary nanitsakitsaka azy aho nentin’ny fahavinirako;

nipitika tamin’ny akanjoko ny ranony,

ka voalotoko avokoa ny fitafiako.

4 Satria andro famaliana no tato am-poko;

ary efa tonga ny taom-panavotana.

5 Nijery aho fa tsy nisy olon-kanampy;

talanjona aho fa tsy nisy olon-kanohana.

Ka dia ny sandriko no namonjy ahy,

ary ny hatezerako no nanohana ahy.

6 Nentin’ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena;

nataoko leon’ny fahavinirako izy ireo;

ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany.

7 Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh,

ny fiderana an’i Iaveh,

noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika,

noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely,

izay nasehony azy araka ny fiantràny

sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.

8 Fa hoy Izy: «Eny, oloko izy ireo,

zanaka tsy mba hivadika!»

Ka dia Mpamonjy ho azy ireo Izy.

9 Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy,

ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo.

Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony

dia ny Tenany no nanavotra azy ireo;

nanohana sy nivimbina azy,

nandritra ny andro rehetra fahiny.

10 Izy ireo kosa anefa niodina sy nampalahelo

ny Fanahiny Masina;

ka dia tonga fahavalon’izy ireo Izy tamin’izay,

ary ny Tenany no niady tamin’ireny.

11 Dia nahatsiaro ny andro fahiny, ny andron’i Môizy, ny vahoakany!

Aiza Ilay nitondra niakatra avy tamin’ny ranomasina,

ny mpiandry ny andian’ondriny?

Aiza Ilay nametraka teo amin’izy ireo,

ny Fanahiny Masina,

12 izay nampandeha, teo ankavanan’i Môizy,

ny sandriny be voninahitra,

izay nampisaraka ny rano teo anoloany,

hahazoany anarana mandrakizay;

13 izay nampandeha azy namaky ny hantsana

ka tsy tafintohina,

tahaka ny soavaly mamaky ny tany lava volo,

14 tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha?

Notarihin’ny fanahin’i Iaveh ho amin’ny fitsaharana izy.

Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao,

mba hahazoanao anarana be voninahitra.

15 Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere,

eny amin’ny fonenanao masina sy be voninahitra.

Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao,

ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao?

Niato izany raha ny amiko.

16 Ianao anefa no Rainay;

fa i Abrahama tsy mahalala anay,

ary i Israely tsy mahafantatra anay.

Ianao, Iaveh, no tianay;

Mpanavotra anay no Anaranao, hatrizay ela izay.

17 Nahoana izahay, ry Iaveh ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,

ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?

Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao

sy ny fokon’ny lovanao!

18 Ny vahoakanao masina nizaka ny tany andro kely foana;

ny fitoeranao masina efa nohitsakitsahin’ny fahavalony.

19 Izahay hatry ny ela,

no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory,

sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao.

Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina,

– dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!

Categories
Izaia

Izaia 64

1 Tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina,

tahaka ny afo mampangotraka ny rano;

mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny Anaranao,

ka hangovitan’ny firenena eo anatrehanao,

2 amin’ny fahavitanao zava-mahatahotra, tsy azo nampoizina;

endrey raha midina Ianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!-

3 zavatra izay mbola tsy re tsaika akory!

Tsy mbola nisy sofina nandre, tsy nisy maso nahita,

izay andriamanitra hafa manao toy izany,

ho an’ny manantena azy, afa-tsy Ianao.

4 Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,

izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.

Fa izao tezitra Ianao, ary meloka izahay;

– sady efa ela no toy izany: hovonjena va izahay?

5 Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;

ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto.

Malazo toy ny ravina avokoa izahay,

ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra.

6 Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,

nifoha mba hifikitra aminao.

Fa nafeninao taminay ny Tavanao,

ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.

7 Fa ankehitriny, Iaveh ô, Rainay Ianao;

tanimanga izahay, ary Ianao no ilay nanefy anay;

asan-tananao avokoa izahay rehetra.

8 Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh,

ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay.

Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!

9 Ireo tanàna masina, tonga efitra;

i Siôna zary efitra,

i Jerosalema, tany maty.

10 Ny tranonay masina sy be voninahitra,

izay nankalazan’ny razanay ny fiderana Anao,

efa nodoran’ny afo,

ary ny zavatra maminay rava avokoa.

11 Ka dia mbola hahatsindry fo ihany va Ianao

amin’izany rehetra izany, ry Iaveh?

Mbola hangina ihany va Ianao sy hampijaly anay mafy indrindra?

Categories
Izaia

Izaia 65

Fanesoana ny fanompoan-tsampy-Toriteny momba ny farandro

1 Nekeko hotadiavin’izaytsy nangataka ahy aho,

nety ho hitan’ireo tsy nitady ahy aho;

Hoy aho: «Inty aho, Inty aho!»

tamin’ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.

2 Namela-tanana tontolo andro aho,

mankamin’ny vahoaka niodina,

mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy,

araka izay sitraky ny sainy;

mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,

3 tsy an-kijanona sy manatrika,

izay manao sorona eny amin’ny zaridaina,

mandoro emboka eny ambony biriky;

4 mitoetra any anaty fasana,

ary mandany ny alina any am-pierena,

mihinana hena kisoa,

mbamin’ny hanina maloto eo an-doviany;

5 manao hoe: «Mihataha ianao!

Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!»

Ireny dia setroka eo am-bavoroko,

afo mirehitra mandrakariva.

6 Indro fa voasoratra eo anatrehako:

Tsy hangina aho mandra-pamaliko,

mandra-pamaliko ao an-tratran’ireny,

7 ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo,

hoy i Iaveh,

ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra,

sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana;

hafatrako ao an-tratrany,

ny valin’ny fitondran-tena nataony.

8 Izao no lazain’i Iaveh:

Raha misy ranom-boaloboka eo amin’ny sampahony,

dia hoy ny olona mahita azy: «Aza simbàna,

fa misy fitahiana ao;»

toy izany koa no hataoko, noho ny amin’ny mpanompoko,

mba tsy handrava azy rehetra.

9 Hamoaka taranaka avy amin’i Jakôba Aho,

sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin’i Jodà,

ka ny voafidiko no hahazo azy,

ary ny mpanompoko no honina eo.

10 Ary i Sarôna no hatao vala ho an’ny ondry,

ary ny lohasahan’i Akora no hatao tany fiandrasana omby,

ho an’ny oloko, izay nitady Ahy.

11 Fa ianareo kosa izay nahafoy an’i Iaveh,

sy nanadino ny tendrombohitro masina,

fa mamela-databatra ho an’i Gada,

ary mameno kapoaka ho an’i Menì,

12 atolotro ho an’ny sabatra ianareo,

ka hiondrika hovonoina avokoa.

Satria miantso Aho, tsy novalianareo,

niteny Aho, fa tsy nohenoinareo;

fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo,

ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

13 Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana;

ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta.

Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;

14 ny mpanompoko hihira noho ny hafalian’ny fony,

ianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian’ny fonareo;

sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;

15 ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko;

ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo;

fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.

16 Na iza na iza te-hotahina eto an-tany,

dia hitady hotahin’ny Andriamanitry ny fahamarinana;

ary na iza na iza hianiana eto an-tany,

hianiana amin’ny Andriamanitry ny fahamarinana.

Fa ny fahoriana taloha hohadinoina,

sy ho lasa tsy ho hitan’ny maso intsony.

17 Fa indro mahary lanitra vaovao

sy tany vaovao Aho,

ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony,

na ho mby ao an-tsaina akory aza.

18 Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay,

noho izay efa hoarîko:

fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana,

sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.

19 Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho,

sy ho ravoravo amin’ny vahoakako.

Ka tsy misy ho re ao intsony,

na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.

20 Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana,

na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny;

fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany,

ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.

21 Hanao trano izy, dia izy no honina ao;

hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.

22 Fa tsy hanao trano honenan’ny hafa izy,

na hamboly hihinanan’ny sasany.

Fa hanahaka ny an’ny hazo ny andron’ny oloko;

ary hahatonta ny asan’ny tanany ireo voafidiko.

23 Tsy hanasa-tena foana intsony izy;

na hiteraka ho faty tampoka foana;

fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo

mbamin’ny solofony miaraka aminy.

24 Alohan’ny hiantsoany dia hamaly aho;

mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.

25 Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-miraotra vilona,

ny menarana hihinam-bovoka;

ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby;

ary ny tany no hiveloman’ny bibilava.

Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao,

eo amin’ny tendrombohitro masina manontolo, hoy i Iaveh.

Categories
Izaia

Izaia 66

Tenin’Andriamanitra

1 Izao no lazain’i Iaveh:

Ny lanitra no seza fiandrianako;

ary ny tany no fitoeran-tongotro.

Ka trano inona no hataonareo ho Ahy,

ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?

2 Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa;

ka izany no nahatonga azy ho misy;

– teny marin’i Iaveh.-

Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena

sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.

Tsy azo afangaro ny fivavahana

3 Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona;

izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika;

izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa;

izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy.

Tahaka ny ifidianany ny lalany,

sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,

4 toy izany koa aho hifidy ny fampahoriana azy

sy hampianjera amin’izy ireo ny zavatra atahorany,

satria miantso Aho, fa tsy nisy namaly;

niteny Aho, fa tsy nohenoin’izy ireo;

izay ratsy eo imasoko no nataony;

ary izay tsy sitrako no nofidiny.

Tononkalo Apôkalipsa

5 Mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ianareo izay mangovitra amin’ny teniny:

Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo,

sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe:

«Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny,

mba hahitanay ny fifalianareo!»

Kanefa izy ireo no ho menatra.

6 Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin’ny tanàna,

ary horakoraka avy ao an-tempoly!

dia ny feon’i Iaveh,

mandoa ny karaman’ireo fahavalony izany.

7 Mbola tsy nihetsi-jaza izy, dia efa niteraka;

mbola tsy nanaintaina akory, dia efa velon-jazalahy!

8 Zovy no mba efa nandre izay toy izany,

zovy no mba efa nahita izay tahaka izany.

Misy tany iray teraka indray andro va?

na firenena iray natao indray niteraka?

no vao nihetsi-jaza i Siôna

dia niteraka ireo zanany?

9 Hanokatra ny fiterahana va Aho, ka tsy hampiteraka?

hoy i Iaveh;

sa Izaho izay mampiteraka indray no hisakana tsy hiteraka?

hoy ny Andriamanitrao

10 Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo,

ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy.

Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa,

ianareo nitomany azy;

11 mba hinonoanareo sy hivokisanareo,

amin’ny nonon’ny fampiononany;

ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana,

ny hafenoan’ny voninahiny.

12 Satria izao no lazain’i Iaveh:

Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony,

sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka;

ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina,

ary hosafosafoina eo am-pofoana.

13 Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo,

no hanalako alahelo anareo,

ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo.

14 Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo,

ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo.

Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy,

sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.

15 Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo;

ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio,

hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana,

sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda.

16 Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana,

ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra;

ary maro no ho voagorobak’i Iaveh.

Fanoherana ny fivavahana amin’ny sampy

17 Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly,

eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany,

izay mihinana hena kisoa

sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy,

dia hiara-devona avokoa, – teny marin’i Iaveh.-

18 Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo!

Lahateny momba ny farandro

Tonga ny fotoana hamoriana

ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra.

Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,

19 ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho.

Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena,

any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka,

Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra,

tsy mbola nandre ny lazako akory,

na nahita ny voninahitro;

dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.

20 Ny rahalahinao rehetra dia naverin’izy ireo,

avy amin’ny firenena rehetra,

ho fanatitra ho an’i Iaveh;

haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana,

mitaingina mole aman-drameva,

ho ao amin’ny tendrombohitro masina,

ho any Jerosalema, hoy i Iaveh,

toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra

ao anaty lovia, any an-tranon’i Iaveh.

21 Ary misy halaiko aza amin’izy ireo,

ho mpisoronasy Levita, hoy i Iaveh.

22 Fa tahaka ny lanitra vaovao,

sy ny tany vaovao efa hoarîko,

haharitra eo anatrehako, – teny marin’i Iaveh,-

no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.

23 Isaky ny voalohan’ny volana isaky ny voalohan’ny volana,

sy isan-tsabata isan-tsabata,

ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra,

hoy i Iaveh.

24 Ary rehefa nivoaka izy ireo,

dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko;

fa ny kankan’irenytsy ho faty

ny afony tsy hovonoina,

ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.