Categories
Jakôba

Jakôba 1

Fiarahabana

1 I Jakôba, mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any.

Ny soa azo amin’ny fitsapana

2 Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,

3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.

4 Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.

5 Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.

6 Aoka anefa, hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra.

7 Ka ny olona toy izany dia aza mba manampò hahazo zavatra amin’ny Tompo,

8 fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.

9 Aoka ny havana iray finoana ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany;

10 ary ny manan-karena kosa, hanao ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy.

11 Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanankarena, halazo amin’izay alehany izy.

12 Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.

Ny fakam-panahy

13 Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: «Andriamanitra no maka fanahy ahy»; fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona.

14 Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.

15 Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.

16 Aza diso hevitra, ry havako malala.

17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.

18 Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Ny tena fitiavam-bavaka

19 Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra.

20 Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra.

21 Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

22 Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,

23 Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra:

24 vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny.

25 Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany.

26 Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.

27 Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.

Categories
Jakôba

Jakôba 2

Ny tokony hanajana ny mahantra

1 Ry kristianina havana, aza asiana fizahan-tavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra.

2 Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy sarobidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana,

3 ka ilay mitafy sarobidy no jerenareo sy ataonareo hoe: «Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha,» fa ilay mahantra kosa ilazanao hoe: «Mitsangàna erỳ, na mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro»

4 moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra?

5 Henoy ange, ry havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?

6 Ary ianareo kosa, ka ny mahantra indray no alànareo baràka! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin’ny fitsarana?

7 Ary moa tsy izy ireny ihany koa va no miteny ratsy ny anarana tsara iantsoana anareo?

8 Raha ianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan’ny Soratra Masina hoe:Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao,dia manao tsara ianareo;

9 fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo, dia manota, ka helohin’ny Lalàna ho mpanota.

10 Fa na zovy na zovy nitandrina ny Lalàna manontolo, nefa diso amin’ny anankiray monja, dia meloka amin’izy rehetra.

11 Satria Ilay nanao hoe: Aza mijangajanga ihany no nanao hoe: Aza mamono olona koa. Ka na tsy mijangajanga aza ianao, nefa mamono olona, dia mpandika lalàna ihany.

12 Mitenena sy manaova toy ny olona hotsarain’ny lalàn’ny fahafahana.

13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.

Ny finoana sy ny asa

14 Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?

15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro,

16 ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany?

17 Mba toy izany ihany koa ny finoana raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy.

18 Hamaly koa ny olona hanao hoe: Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.

19 Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra.

20 Fa moa te hiaiky va ianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban’asa?

21 Moa tsy ny asa va no nanamarinana an’i Abrahama razantsika, tamin’izy nanolotra an’i Isaaka zanany teo ambonin’ny ôtely?

22 Hitanao fa niara-nanao ny finoana sy ny asany; ary ny asa aza no nahatontosa ny finoany.

23 Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe:Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.

24 Hitanao amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana fotsiny ihany.

25 Toy izany koa i Rahaba, vehivavy janga; moa tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy, dia tamin’ny nandraisany an’ireo irak’i Jôsoe, sy nampandehanany azy tamin’ny lalan-kafa?

26 Toy ny ahafatesan’ny vatana tsy misy fanahy no ahafatesan’ny finoana tsy omban’asa koa.

Categories
Jakôba

Jakôba 3

Fitandremana ny vava tafahoatra

1 Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.

2 Fa manota amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy tsy manota amin’ny teny, olona lavorary izy, ka mahafehy ny tenany rehetra koa.

3 Raha te hitondra ny soavaly isika, ny vavany no asiantsika lamboridy, dia zakantsika mbamin’ny tenany manontolo koa.

4 Jereo koa ange ny sambo: fanamory kely foana no anodinan’ny mpitondra azy amin’izay tiany, na toy inona habeny, na ahoana hamafin’ny rivotra manoha azy.

5 Toy izany koa ny lela: rantsam-batana kely foana izy, nefa zava-dehibe no mety ho vitany, jereo izay afo kely foana: dia ala lehibe manao ahoana no doroany!

6 Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin’ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen’afo izy, ka mandrehitra ny fandehan’ny andro iainantsika.

7 Azo folahina avokoa ny biby isan-karazany, ny vorona, ny biby mandady, mbamin’izay any an-dranomasina, ka efa voafolaky ny olombelona;

8 fa tsy misy olona nahafolaka ny lela na dia iray aza. Zava-mandoza tsy laitra tohanana izy, sady feno poizina mahafaty.

9 Izy no isaorantsika an’Andriamanitra Raintsika, nefa izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao mitovy endrika amin’Andriamanitra:

10 koa iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry kristianina havako.

11 Moa ny vavan’ny loharano iray va mamoaka rano mamy sy mangidy?

12 Moa ny aviavy, ry kristianina havako, mety mamoa ôliva; na ny foto-boaloboka va, mamoa voan’aviavy? Toy izany koa, ny loharano masirasira tsy mahay mamoaka rano mamy.

Ny tena fahendrena sy ny fahendrena sandoka

13 Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny.

14 Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina.

15 Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa avy amin’ny tany, sy ara-batana, ary avy amin’ny demony;

16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.

17 Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.

18 Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.

Categories
Jakôba

Jakôba 4

Tandremana ny fifandirana

1 Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?

2 Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;

3 mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filàn-dratsinareo, ka tsy mahazo ianareo.

4 Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.

5 Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe: «Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy Izay nampitoeriny ao anatinareo?»

6 Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe:Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.

7 Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.

8 Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.

9 Fantaro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo.

10 Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy.

11 Aza mifanaratsy, ry kristianina havana. Izay manaratsy ny havana iray finoana aminy, na mitsara an’ireny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia tsy mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy.

12 Iray monja no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahay mamonjy na mamery.

13 Ary ianao kosa mba iza, no mitsara ny namana?

Fampitandremana ny mpanan-karena

Ary inty ny aminareo izay manao hoe: «Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra»

14 kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo;

15 fa inona moa ny ainareo? – Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: «Raha sitrapon’Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay.»

16 Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.

17 Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.

Categories
Jakôba

Jakôba 5

1 Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.

2 Ny harenareo efa lo; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;

3 ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.

4 Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.

5 Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.

6 Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.

Famporisihana farany

7 Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.

8 Aoka àry ianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.

9 Aza mifampimonomonona, ry kristianina havako, fandrao dia helohina ianareo. Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!

10 Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra, ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.

11 Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan’i Jôba; ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany.Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra.

12 Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havako, dia aza mianiana akory, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo;

13 Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.

14 Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo.

15 Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary; dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.

16 Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.

17 I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;

18 ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.

19 Ry kristianina havako, raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy,

20 dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahinyamin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.