Categories
Jenezy

Jenezy 11

Tilikambon’i Babela

1 Iray fiteny sy iray fanonona ny tany rehetra.

2 Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo.

3 Dia nifampilaza izy nanao hoe: «Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.» Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.

4 Hoy koa izy: «Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitrany tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.»

5 Fa nidina kosa i Iaveh hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon’ny zanak’olombelona.

6 Dia hoy i Iaveh: «Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao; amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.

7 Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.»

8 Dia napariak’i Iaveh avy eo izy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra, ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony.

9 Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan’i Iaveh ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan’i Iaveh azy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra.

Ireo Patriarka taorian’ny safodrano

10 Izao no taranak’i Sema: Efa zato taona i Sema, vao niteraka an’i Arfaksada, roa taona taorian’ny safodrano.

11 Mbola velona dimanjato taona i Sema taorian’ny niterahany an’i Arfaksada, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

12 Rehefa dimy amby telopolo taona ny andro niainan’i Arfaksada, dia niteraka an’i Sale izy.

13 Ary mbola velona telo amby efajato taona i Arfaksada, taorian’ny niterahany an’i Sale, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

14 Rehefa telopolo taona ny andro niainan’i Sale dia niteraka an’i Ebera izy.

15 Mbola velona telo amby efajato taona i Sale taorian’ny niterahany an’i Ebera, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

16 Rehefa efatra amby telopolo taona ny andro niainan’i Ebera dia niteraka an’i Falega izy.

17 Ary mbola velona telopolo sy efajato taona i Ebera, taorian’ny niterahany an’i Falega, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

18 Rehefa telopolo taona ny andro niainan’i Falega dia niteraka an’i Reo izy.

19 Ary mbola velona sivy amby roan-jato taona i Falega taorian’ny niterahany an-dReo, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

20 Rehefa roa amby telopolo taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’i Saroga izy.

21 Ary mbola velona fito sy roan-jato taona i Reo, taorian’ny niterahany an’i Saroga, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

22 Rehefa telopolo taona ny andro niainan’i Saroga dia niteraka an’i Nakôra izy.

23 Ary mbola velona roan-jato taona i Saroga, taorian’ny niterahany an’i Nakôra, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

24 Rehefa sivy amby roapolo taona ny andro niainan’i Nakôra, dia niteraka an’i Tare izy.

25 Ary mbola velona sivy ambin’ny folo amby zato taona i Nakôra taorian’ny niterahany an’i Tare, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

26 Rehefa fitopolo taona ny andro niainan’i Tare, dia niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna izy.

Ireo taranak’i Tare

27 Izao no taranak’i Tare:

I Tare niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna. I Aràna niteraka an’i Lôta.

28 Ary i Aràna maty teo anatrehan’i Tare rainy, tany amin’ny tany nahaterahany, any Ora any Kaldea.

29 I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.

30 Ary i Saray dia momba; tsy niteraka izy.

31 Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.

32 Dimy amby roan-jato taona no andro niainan’i Tare. Dia maty tao Haràna izy.

Categories
Jenezy

Jenezy 12

Fiantsoan’Andriamanitra an’i Abrahama

1 Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.

2 Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.

3 Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»

4 Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.

5 Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.

6 Dia namaky ny tany i Abrama, hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin’ny terebintan’i Môre.

7 Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.

8 Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.

9 Dia nandroso ihany i Abrama nifindrafindra lasy nianatsimo.

I Abrahama any Ejipta

10 Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany.

11 Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: «Fantatro fa noho ianao vehivavy tsara tarehy,

12 rehefa mahita anao ny Ejiptianina dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.

13 Koa lazao fa anabavikoianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.»

14 Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny.

15 Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraônaravehivavy.

16 Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva.

17 Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama,

18 ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy,

19 fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana.»

20 Dia nohafatrafaran’i Faraôna ny mpanompony, ny amin’i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban’ny fananany rehetra.

Categories
Jenezy

Jenezy 13

Ny nisarahan’i Abrahama sy i Lôta

1 Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo i Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin’ny fananany rehetra, ary i Lôta koa niaraka taminy.

2 Nanana harena be tokoa i Abrama, dia volafotsy ary volamena.

3 Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin’ilay niorenany lay tamin’ny voalohany, anelanelan’i Betela sy i Hay;

4 dia tao amin’ilay tany nisy ôtely natsangany taloha. Ary teo i Abrama niantso ny anaran’i Iaveh.

5 I Lôta izay niara-dia tamin’i Abrama, dia mba nanana omby aman’ondry sy lay koa;

6 ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.

7 Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta. Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tamin’izay.

8 Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: «Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.

9 Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.»

10 Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.

11 Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.

12 I Abrama nonina tamin’i Kanaana, ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma.

13 Ary ny mponina tany Sôdôma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin’i Iaveh.

14 Ary hoy i Iaveh tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy: «Atopazo ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana;

15 fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao.

16 Hataoko toy ny vovo-tany, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.

17 Koa mitsangàna ianao, tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany, fa homeko anao izy.»

18 Dia nifindra toby i Abrama ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre, izay any Hebrôna, ary teo izy nanangana ôtely ho an’i Iaveh.

Categories
Jenezy

Jenezy 14

Famelezan’ireo mpanjaka efatra lehibe

1 Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Senaara, sy i Ariòka, mpanjakan’i Elasara, sy i Kodôrlahômôra, mpanjakan’i Elama, ary i Tadala, mpanjakan’i Gôima,

2 dia sendra rafitra ady izy ireo tamin’i Barà, mpanjakan’i Sôdôma sy i Bersà, mpanjakan’i Gômôra, sy i Senaaba, mpanjakan’i Adamà, sy i Seneber, mpanjakan’i Sebôima, ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany.

3 Nivory tao an-dohasahan’i Sidima, dia ny Ranomasin-tSira izany, ireto farany ireto;

4 fa efa nanoa an’i Kodôrlahômôra roa ambin’ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo.

5 Nony tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo anefa, niainga i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarôta-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin’ny tany lemak’i Kariataima;

6 ary ny Hôreanina teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El- Faràna, izay ao akaikin’ny efitra.

7 Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.

8 Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,

9 dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo.

10 Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.

11 Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sôdôma sy Gômôra, mbamin’ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy.

12 I Lôta zana-drahalahin’i Abrama dia nobaboin’izy ireo hatramin’ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sôdôma i Lôta.

13 Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.

14 Vao ren’i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin’ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin’ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo.

15 Natokotokony ny olona nentiny mba hanao sovokalina izy sy ireto mpanompony, ka nandresy sy nanenjika an-dry zareo hatrany Hôba, ao ankavian’i Damasy.

16 Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa i Lôta rahalahiny, mbamin’ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra.

I Melkisedeka

17 Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.

18 I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.

19 Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.

20 Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»

21 Dia hoy ny mpanjakan’i Sôdôma tamin’i Abrama: «Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao.»

22 Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,

23 fa tsy haka amin’izay rehetra mety ho anao, hatramin’ny singan-taretra ka hatramin’ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: ‹Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.› »

24 Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin’ny zatovo, sy ny anjaran’ny olona momba ahy dia i Anera sy i Eskôla ary i Mamre: ireo dia haka ny anjarany.

Categories
Jenezy

Jenezy 15

Ireo Faneken’i Iaveh tamin’i Abrahama

1 Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»

2 Fa hoy ny navalin’i Abrama: «Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezera avy any Damasa.»

3 Ary hoy i Abrama: «Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.»

4 Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.»

5 Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»

6 Ary nino an’i Iaveh i Abrama, ka neken’i Iaveh ho fahamarinany izany.

7 Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»

8 Hoy ny navalin’i Abrahama: «Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?»

9 Dia hoy i Iaveh taminy: «Mandehana maka omby vavy kely efa telo taona iray, osy vavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromahailala iray.»

10 Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiany avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.

11 Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrama.

12 Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.

13 Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin’ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efajato taona.

14 Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.

15 Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.

16 Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.»

17 Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.

18 Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;

19 Ny tanin’ny Sineanina, ny Senezeanina, ny Kadmôneanina,

20 ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Refaima,

21 ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Zerizeseanina ary ny Jeboseanina.»

Categories
Jenezy

Jenezy 16

Ny nahaterahan’i Ismaely

1 Tsy niteraka tamin’i Abrama i Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejiptianina anankiray atao hoe Agara izy.

2 Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.

3 Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny.

4 Nandeha tamin’i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny.

5 Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Mihatra aminao izao faniratsirana ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka i Iaveh anie hitsara ahy sy ianao.»

6 Hoy ny navalin’i Abrama tamin’i Saray: «Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy araka izay ataonao ho mety.» Dia nampahorin’i Saray i Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.

7 Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora.

8 Hoy izy: «Ry Agara, mpanompovavin’i Saray, avy aiza ianao ary ho aiza?» Hoy ny navaliny: «Mandositra lavitra an’i Saray tompovaviko aho.»

9 Fa hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Miverena any amin’ny tompovavinao, ka manetre tena eo ambanin’ny fahefany.»

10 Ary hoy koa ny anjelin’i Iaveh: «Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.»

11 Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.

12 Ho ampondra haolo io lehilahy io: ny tanany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.»

13 Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?»

14 Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io.

15 Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama i Agara; ary nomen’i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara.

16 Efa enina amby valopolo taona i Abrama tamin’ny niterahan’i Agara an’i Ismaely tamin’i Abrama.

Categories
Jenezy

Jenezy 17

Fanekem-pihavanana sy famorana

1 Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;

2 hanorina ny fanekeko aminao aho, sady hahamaro tsy hita isa anao.»

3 Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrama ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe:

4 «Ny amiko dia izao no fanekeko aminao: Ianao dia ho tonga rain’ny firenena tsy hita isa,

5 ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abramaintsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.

6 Hampitomboiko dia hampitomboiko ianao, hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka avy aminao.

7 Manao fanekena aminao Aho, aminao sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.

8 Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.»

9 Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.

10 Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.

11 Hifora amin’ny nofonareo ianareo; ary izany no ho mariky ny fanekeko aminareo.

12 Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao.

13 Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin’ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay.

14 Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»

15 Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.

16 Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.»

17 Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»

18 Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: «Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!»

19 Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.

20 Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho, ka efa nitso-drano azy Aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe.

21 Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka, izay haterak’i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao.»

22 Nony tapi-niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy.

23 Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.

24 Efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama tamin’izy noforàna;

25 ary efa telo ambin’ny folo taona i Ismaely tamin’izy noforàna.

26 Noforàna androtr’izay avokoa i Abrahama sy i Ismaely zanany, ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, na ny ompikeliny na izay novidim-bola tamin’ny olona hafa firenena, dia samy niara-noforàna taminy.

Categories
Jenezy

Jenezy 18

Fisehoana tao Mambre

1 Ary i Iaveh niseho taminy, teo amin’ireo terebintan’i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.

2 Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahynijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin’ny tany izy,

3 dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonaoaho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,

4 fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;

5 dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»

6 Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe:

7 «Faingàna ianao, mangalà lafarina intelon’ny famarana, ditio ka ataovy mofo.»

8 Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby, dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan’izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo.

9 Raha efa izany dia hoy ireo taminy: «Aiza i Sarà vadinao?» Hoy ny navaliny: «Ao an-day ao izy.»

10 Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.

11 Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana,

12 ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? Ary ny tompoko koa itsy efa antitra!»

13 Hoy i Iaveh tamin’i Abrahama: «Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa antitra ity ve dia mbola hiteraka indray?

14 Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»

15 Nandà i Sarà nanao hoe: «Tsy nihomehy aho tsy akory;» fa natahotra izy. «Tsia fa nihomehy tokoa ianao,» hoy Izy.

16 Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

17 Ary hoy i Iaveh: «Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko?

18 I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

19 Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».

20 Dia hoy i Iaveh: «Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.

21 Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.»

22 Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Iaveh ihany.

23 Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe: «Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina?

24 Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao?

25 Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?»

26 Hoy i Iaveh: «Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sôdôma Aho, dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.»

27 Fa hoy indray i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.»

28 Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy? Hoy izy: «Tsy handringana azy Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.»

29 Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama, ka nanao hoe: «Angamba hoe efapolo ny olo-marina ao.» Ary hoy izy: «Tsy hanao izany Aho, noho ny fitiavako an’izy efapolo ireo.»

30 Ary hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.» Dia hoy izy: «Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.»

31 Hoy i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, angamba roapolo izy no ho hita ao.» Ary hoy Izy: «Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.»

32 Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.»

33 Lasa nandeha i Iaveh nony tapi-niteny tamin’i Abrahama, ary i Abrahama kosa dia nody.

Categories
Jenezy

Jenezy 19

Ny nandravana an’i Sôdôma sy i Gômôra

1 Dia tonga tao Sôdôma ny Anjely roa, nony hariva; ary i Lôta tamin’izay nipetraka teo am-bavahadin’i Sôdôma. Vao nahita azy ireo i Lôta dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin’ny tany ka nanao hoe:

2 «Izao re mba miantranoa, Tompoko, ato amin’ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa ianareo, dia hanohy ny dianareo ianareo.» Hoy ny navalin’izy ireo: «Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina.»

3 Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.

4 Mbola tsy nandry akory izy ireo, dia nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, dia ny lehilahy tao Sôdôma, hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin’ny tanàna manontolo.

5 Niantso an’i Lôta izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho aty aminay ireo hahalalanay azy.»

6 Nivoaka ho any amin’izy ireo teo am-baravarana i Lôta, ka nakatony avy eo ivohony ny varavarana,

7 Dia hoy izy: «Aoka re, ry rahalahy, mifona aminareo aho, aza dia manao ratsy lahy!

8 Manan-janaka roa vavy aho, ka tsy mbola nahalala lahy akory izy; ka ireo no aoka havoakako ho aty aminareo, hanaovanareo izay sitrakareo. Fa aza manao na inona na inona amin’izy roa lahy ireo, fa izany no nidirany hialoka ato ambanin’ny tafon-tranoko.»

9 Hoy ny navalin’iretsy: «Mialà eo ialahy.» Sady nampiany hoe: «Vahiny ilay io no tonga tatỳ; nefa indro manao azy ho mpitsara izy. Iny àry hataonay mafimafy kokoa ny hanjò anao fa tsy tahaka azy ireo.» Dia nasian’izy ireo tosi-mahery i Lôta, ka nisesika hamaky ny varavarana izy.

10 Naninjitra ny tanany anefa izy roa lahy, ka i Lôta nosintoniny hankao aminy ao an-trano, dia nakatony ny varavarana.

11 Fa ry zareo tao am-baravaran’ny trano kosa nasiany fanjambana hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana.

12 Ary hoy izy roa lahy tamin’i Lôta: «Inonao avy koa no mbola eto? Na zanakalahy, na zanakavavy, na inonao na inonao eto an-tanàna, dia avoahy miala amin’ity toerana ity avokoa;

13 fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.»

14 Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.

15 Vao nangiran-dratsy ny andro, dia nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe: Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.

16 Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’i Iaveh ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.

17 Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.»

18 Hoy i Lôta tamin’izy ireo: «Tsia, tompoko. Efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao:

19 ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.

20 Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.»

21 Dia hoy izy taminy: «Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io.

22 Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.

23 Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta.

24 Tamin’izay dia nalatsak’i Iaveh tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny afo sy solifara avy any amin’i Iaveh any an-danitra,

25 ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin’ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin’ny tany Izy.

26 Niherika ny vadin’i Lôta, ka zary andry sira.

27 Nifoha maraina koa i Abrahama, dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’i Iaveh.

28 Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.

Ny niandohan’ny Moabita sy ny Amônita

29 Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.

30 Niakatra avy tao Segôra i Lôta, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segôra. Dia nipetraka tao amin’ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy.

31 Ary hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin’ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon’ny tany rehetra,

32 ka handeha hampisotrointsika divay ny raintsika, dia handry aminy isika, mba hananantsika fara aman-dimby, avy amin’ny raintsika.»

33 Ny alin’izay ihany, dia nampisotroiny divay tokoa irainy, ka niditra nandry tao amin-drainy ilay zokiny; tsy nisy hitany anefa, na ny nandrian-janany na ny niarenany.

34 Nony ampitso, dia hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa nandry tamin’i dada aho alina, ka handeha indray hampisotrointsika divay izy, anio alina, dia mandehana mandry aminy ianao, mba hananantsika fara mandimby avy amin’ny raintsika.»

35 Ny alin’iny ihany dia nampisotroiny divay indray ny rainy, ka niditra nandry taminy ilay zandriny, tsy misy hitany anefa na izay nandriany na izay niarenany.

36 Ary samy nanan-janaka tamin-drainy ny zanak’i Lôta roa vavy.

37 Ny zokiny nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Moaba, io no rain’ny Moabita mandraka androany.

38 Ny zandriny koa nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Benamy; io kosa no rain’ny taranak’i Amôna mandraka androany.

Categories
Jenezy

Jenezy 20

Ny nitoeran’i Abrahama tao Jerara

1 Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.

2 I Sarà vadiny no lazain’i Abrahama hoe: «Anabaviko io.» Naniraka olona haka an’i Sarà i Abimeleka mpanjakan’i Jerara.

3 Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»

4 Mbola tsy nikasika an-dravehivavy anefa i Abimeleka ka namaly hoe: «Tompo ô, hovonoinao va ny olona na dia tsy manan-tsiny aza?

5 Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tanana madio no nanaovako izany.»

6 Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.

7 Koa ankehitriny avereno ny vadin’io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao io, fantaro fa ho faty mihitsy ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra ambanin’ny fahefanao.»

8 Vao maraina dia nantsoin’i Abimeleka avokoa ny mpanompony ary nolazainy taminy izany rehetra izany; ka raiki-tahotra mafy ireo olona ireo.

9 Dia nantsoin’i Abimeleka koa i Abrahama ka hoy izy taminy: «Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao.»

10 Dia hoy koa i Abimeleka tamin’i Abrahama: «Fa nihevitra inona ianao, no dia nanao izany?»

11 Ary izao no navalin’i Abrahama: «Hoy aho anakampoko: Tsy misy tahotra an’Andriamanitra kely akory angamba amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho, noho ny amin’ny vadiko.

12 Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak’idada, fa tsy zanak’ineny, ka dia novadiko.

13 Nony nampivezivezen’Andriamanitra lavitra ny tranon’ikaky aho, dia hoy aho tamin’i Sarà: Izao no fitia angatahiko hataonao amiko: Any amin’izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io.»

14 Dia naka omby sy ondry sy ankizy lahy aman’ankizy vavy i Abimeleka ka nomeny an’i Abrahama, ary i Sarà vadiny naveriny taminy koa.

15 Hoy i Abimeleka: «Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin’izay tianao.»

16 Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo siklany anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.»

17 Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.

18 Fa efa nataon’i Iaveh momba ny kibon’ny ankohonan’i Abimeleka rehetra noho ny amin’i Sarà vadin’i Abrahama.