Categories
Jenezy

Jenezy 31

Ny nandosiran’i Jakôba

1 Ren’i Jakôba fa ny zanakalahin’i Labàna dia nanao vava hoe: «Lasan’i Jakôba avokoa izay nananan-draintsika; ary avy amin’ny ananan-draintsika no nahazoany izao fananany rehetra izao.»

2 Hitan’i Jakôba fa niova taminy ka tsy tahaka ny taloha intsony ny endrik’i Labàna.

3 Ary i Iaveh nilaza tamin’i Jakôba hoe: «Modia any amin’ny tanin’ny razanao sy any amin’ny havanao, fa homba anao Aho.»

4 Ka dia nampilaza tamin-dRasela sy i Lià izy hankany aminy any an-tsaha, tany amin’ny biby fiompy.

5 Dia hoy izy tamin’ireo: «Hitako fa niova tamiko fa tsy tahaka ny taloha intsony ny tarehin-drainareo; fa efa nomba ahy ny Andriamanitry ny raiko.

6 Fantatrareo ny nanompoako an-drainareo tamin’ny heriko rehetra,

7 sy ny namitahan-drainareo ahy, fa efa navadiny impolo izao ny karamako; nefa tsy navelan’Andriamanitra hahafaty antoka ahy izy.

8 Fa raha nataony hoe: Ny ondry mara rehetra no ho karamanao, dia mara daholo ny terak’ondry; ary raha nataony hoe: ny sadika rehetra no ho karamanao, dia sadika avokoa ny terak’ondry.

9 Koa Andriamanitra no naka ny ompin-drainareo, sy nanome izany ho ahy.

10 Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.

11 Nisy Anjelin’Andriamanitra nilaza tamiko, tamin’ny nofy hoe: ‹Ry Jakôba!› Ka novaliako hoe: ‹Inty aho.› Dia hoy izy:

12 ‹Atopazo ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada avokoa ny lahy mikambana amin’ny ondry vavy, satria hitako ny nataon’i Labàna taminao.

13 Izaho no Andriamanitr’i Betela izay nanosoranao tsangam-bato sy nanaovanao voady. Ary ankehitriny, miaingà ianao, mialà amin’ity tany ity, ka modia any amin’ny tany nahaterahanao.› »

14 Dia namaly i Rasela sy i Lià, ka nanao hoe: «Inona intsony moa no anjara sy lova ho anay ao an-tranon-drainay?

15 Tsy efa nataony toy ny vahiny va izahay, fa efa namidiny, ary haniny ny volanay?

16 Tsy izany ihany koa, fa ny harena rehetra nalain’Andriamanitra tamin-drainay, dia azonay, izahay sy ny zanakay. Koa ankehitriny ataovy izay nandidian’Andriamanitra anao.»

17 Dia niainga i Jakôba. Nitaingina tamin’ny rameva ny zanany sy ny vadiny.

18 Nentiny avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny harena azony rehetra, dia ny biby fiompy nananany, izay azony tany.

19 Nandeha nanety ny ondry kosa i Labàna, ka nangalarin-dRasela ny Terafiman-drainy.

20 Ary i Jakôba namitaka an’i Labàna Arameanina, fa tsy nampandrenesiny azy ity hitsoahany.

21 Dia nitsoaka izy, dia izy mbamin’ny fananany rehetra, ka niainga izy, dia nita ny ony ary nanitsy nankany amin’ny tendrombohitra Galaada.

Nenjehin’i Labàna i Jakôba

22 Tamin’ny andro fahatelo dia nisy nilaza tamin’i Labàna fa lasa nitsoaka i Jakôba.

23 Ka nitondra ny rahalahiny homba azy izy, dia nanenjika azy lalan-kafitoana, ary nahatratra azy tao an-tendrombohitra Galaada.

24 Fa Andriamanitra kosa tonga tamin’i Labàna Arameanina, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: «Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.»

25 Dia tratran’i Labàna i Jakôba. Ka i Jakôba moa efa niorin-day teo an- tendrombohitra, i Labàna koa nanorina ny azy mbamin’ny rahalahiny teo an-tendrombohitra Galaada.

26 Ary hoy i Labàna tamin’i Jakôba: «Fa naninona ity ianao? Nandiso fisainana ahy ianao, sy nitondra ny zanako vavy toy ny babo azo tamin’ny sabatra.

27 Nahoana no nitsoaka mangina ianao, sady namitaka ahy, fa tsy nampandre ahy akory, dia ho nalefako ianao tamin-kafaliana sy hira, ary tamin’ampongatapaka sy valiha?

28 Tsy mba navelanao akory aho hanoroka ny zanako lahy aman-janako vavy! Marina raha tsy nanao toy ny adala mihitsy ianao.

29 Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako, saingy niteny tamiko ny Andriamanitry ny rainareo halina, nanao hoe: ‹Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.›

30 Ary ankehitriny, manina loatra ny tranon-drainao ianao ka nandeha, nefa ahoana no dia nangalaranao ny andriamanitro?»

31 Dia namaly i Jakôba, ka nanao tamin’i Labàna hoe: «Izaho dia natahotra, fa nihevitra hoe: ‹Angamba hesoriny amiko ny zanany vavy.›

32 Fa izay hahatratraranao ny andriamanitrao kosa, dia aoka tsy ho velona! Ka zahao, eto anatrehan’ny rahalahintsika, izay anao ato amiko, dia alao.» Tsy nahalala i Jakôba fa hoe i Rasela no nangalatra izany.

33 Dia nidiran’i Labàna ny lain’i Jakôba sy ny lain’i Lià, ary ny an’ny ankiziny roa vavy, nefa tsy nahitany na inona na inona. Nivoaka avy ao an-dain’i Lià izy, dia niditra tao an-dain-dRasela.

34 Nalain-dRasela kosa ny terafima dia nataony tao amin’ny laselin’ny rameva, ary nipetrahany teo amboniny. Dia nisava ny tao an-day rehetra i Labàna ka tsy nahita na inona na inona.

35 Ary hoy i Rasela tamin-drainy: «Aoka tsy ho tezitra ny tompoko; fa tsy afa-mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ny fombam-behivavy.» Dia nikaroka izy, tsy nahita ny terafima.

36 Dia tezitra i Jakôba ka nanome tsiny an’i Labàna; ary niteny i Jakôba ka nanao tamin’i Labàna hoe: «Inona no heloko, inona no hadisoako, no dia efa milofo erỳ ianao manenjika ahy?

37 Efa nisava ny entako rehetra ianao izay, ka inona no fanaka avy any an-tranonao hitanao tao? Asehoy eto anatrehan’ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany hitsarany antsika mianaka.

38 Roapolo taona izao no nitoerako tao aminao: ny ondry aman’osy vavinao tsy nisy namotsotra; ny ondry lahy ao amin’ny biby fiompinao tsy nohaniko.

39 Ny voaviraviran’ny biby dia, tsy mba nentiko tany aminao; izaho no nivesatra ny faty antoka tamin’izany. Notakinao tamiko avokoa, na ny nangalarina andro na ny nangalarina alina.

40 Ny antoandro aho matin’ny hainandro; ny alina matin’ny hatsiaka, ary ny torimaso nanalavitra ny masoko.

41 Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin’ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin’ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo.

42 Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy Ilay atahoran’i Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina.»

Fihavanana nataon’i Jakôba tamin’i Labàna

43 Dia namaly i Labàna ka nanao tamin’i Jakôba hoe: «Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy, ireo zaza ireo dia zanako; ireo biby fiompy ireo, dia biby fiompiko, ary izao hitanao rehetra izao, dia ahy avokoa. Ka inona no hataoko anio amin’ireto zanako vavy ireto, amin’izy ireo sy amin’ny zanany naterany?

44 Koa ankehitriny, avia hanao fanekem-pihavanana isika, dia izaho sy ianao, mba hisy vavolombelona amiko sy aminao.»

45 Dia naka vato anankiray i Jakôba naoriny ho tsangam-bato,

46 ka hoy izy tamin’ireo rahalahiny: «Manangòna vato.» Dia naka vato izy ireo nataony fanataovana; ka nihinana teo ambonin’ny fanataovana izy rehetra.

47 Iegara-Sahadotà no nataon’i Labàna anaran’ny fanataovana; fa Galaada kosa no nataon’i Jakôba anarany.

48 Ary hoy i Labàna: «Ity fanataovana ity no vavolombelona amiko sy aminao anio.» Izany no nanaovana ny anarany hoe Galaada,

49 dia atao hoe Mitsipà koa no anarany, satria hoy i Labàna: «I Iaveh hanao andry maso ahy sy ianao, rehefa tafasaraka tsy mifankahita isika.

50 Raha ratsy fitondra ny zanako ianao, na maka vady hafa hirafy amin’ny zanako, tsy misy olombelona hanelanelana antsika; nefa tandremo fa Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao.»

51 Ary hoy koa i Labàna tamin’i Jakôba: «Indro ity fanataovana ity, indro ny tsangam-bato naoriko hanelanelana ahy sy ianao.

52 Ity fanataovana ity no vavolombelona ary ity tsangam-bato ity no vavolombelona fa izaho tsy hihoatra any aminao, any ambadik’ity fanataovana ity; ianao tsy hihoatra aty amiko, aty ambadik’ity fanataovana ity, sy ity tsangam-bato ity, hanisy ratsy.

53 Ary aoka ny Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Nakôra ary Andriamanitry ny razan’ireo no hitsara antsika.»

54 Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.

55 Nony ampitso maraina i Labàna nanoroka ny zanany lahy aman-janany vavy, dia nitso-drano azy, vao lasa niverina ho any an-tranony.

Categories
Jenezy

Jenezy 32

1 Dia nanohy ny diany i Jakôba ary ny Anjelin’Andriamanitra nifanena taminy.

2 Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.

I Jakôba manomana ny hihaonany amin’i Esao

3 Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma

4 Nomeny teny ireo nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’ny tompoko, amin’i Esao: ‹Izao no tenin’i Jakôba mpanomponao: Nitoetra tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany, mandrak’ankehitriny.

5 Efa manana omby aman’ampondra sy ondry, ary mpanompo lahy amana vavy aho, ary mampilaza izany amin’ny tompoko, mba hahitako fitia eo imasonao.› »

6 Fa niverina nankeo amin’i Jakôba ny iraka, ka nanao hoe: «Nankany amin’i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban’olona efajato.»

7 Raiki-tahotra mafy i Jakôba sy velom-panahiana izaitsizy. Nozarainy ho antokony roa ny olona nomba azy, mbamin’ny ondry sy ny omby ary ny rameva.

8 Fa hoy izy: «Raha tafahaona amin’ny antokony iray i Esao ka mamely azy, dia ho afaka hanavotra ny ainy ny antokony iray sisa.»

9 Ary hoy i Jakôba: «E! Ry Andriamanitr’i Abrahama raiko, Andriamanitr’i Isaaka raiko, Iaveh izay nilaza tamiko hoe: ‹Modia any amin’ny taninao, sy any amin’ny fitoerana nahaterahanao, fa hanisy soa anao Aho.›

10 Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.

11 Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy.

12 Ianao anefa, efa nilaza hoe: ‹Hanisy soa anao aho, ary hahamaro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay betsaka loatra ka tsy tambo isaina.› »

13 Dia nitoetra teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary nangalany hatao fanomezana ho an’i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony;

14 osy vavy roan-jato, osy lahy roapolo, ondry vavy roan-jato, ondry lahy roapolo,

15 rameva mitaiza am-pianahany telopolo, sy ny zanany, omby vavy efapolo omby lahy folo, ampondra vavy roapolo, ary zanak’ampondra folo.

16 Napetrany teo an-tanan’ny mpanompony ireo, nataony mitsitokotoko, dia hoy izy taminy: «Mandehana eo alohako ianareo, ka asio elanelany isan-tokony ny zavatra.»

17 Ary izao no teny nomeny ny voalohany: «Rehefa hifanena aminao i Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: ‹An’iza ianao, ary ho aiza? Ary an’iza ity andiam-biby fiompy alohanao?›

18 dia valio hoe: ‹An’i Jakôba mpanomponao ireo, dia fanomezana ampanateriny ho an’ny tompoko, ho an’i Esao, ary indro izy tamy ao aorianay ao koa.› »

19 Nomeny teny torak’izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, mbamin’izay rehetra nanaraka ny biby fiompy nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’i Esao, rehefa hifanena aminy ianareo;

20 dia ataovy hoe: ‹Indro, i Jakôba, mpanomponao, tamy ao aorianay ao koa!› » Fa hoy izy anakampony: «Hotoneko amin’ireo fanomezana eo alohako ireo ny fahatezerany, vao hahita ny tavany aho, ka angamba horaisiny tsara aho.»

21 Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin’ny toby ihany, ny alin’iny.

Tolona tamin’Andriamanitra

22 Tamin’iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy: dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.

23 Nalainy ireo nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.

24 Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin’ny andro.

25 Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavànin’ny feny no notendreny ka nivika terỳ ny foto-pen’i Jakôba nandritra ny nitolomany taminy.

26 Dia hoy izy tamin’i Jakôba: «Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro.» Fa hoy i Jakôba: «Tsy avelako handeha ianao raha tsy efa nitso-drano ahy.»

27 Dia hoy izy taminy: «Iza no anaranao?» Ary novaliany hoe: «Jakôba,»

28 ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»

29 Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.

30 Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»

31 Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.

32 Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely ny hozatra lehibe ao amin’ny famavànin’ny fe mandrak’androany, dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavànin’ny fen’i Jakôba teo amin’ny hozatra lehibe.

Categories
Jenezy

Jenezy 33

Ny Nihaonana tamin’i Esao

1 Ary natopin’i Jakôba ny masony, ka indro tamy i Esao omban’olona efajato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho any amin’i Lià sy ho any amin’i Rasela ary ho any amin’ny ankizy vavy roa.

2 Ny ankizy vavy sy ny zanany no nataony loha lalana; i Lià sy ny zanany no nanarakaraka; fa i Rasela sy i Josefa no vody làlana;

3 ary ny tenany kosa nandeha teo alohan’ireo, ka niankohoka tamin’ny tany impito izy mandra-pahatongany teo anilan’i Esao, rahalahiny.

4 Dia nihazakazaka nitsena azy i Esao ka namihina azy nisakambina ny vozony, nanoroka azy; ary samy nitomany izy ireo.

5 Nony nanopy ny masony i Esao, ka nahita ireto zaza amam-behivavy dia nanao hoe: «Iza avy ireto miaraka aminao?» Ary hoy i Jakôba: «Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ny mpanomponao.»

6 Nanatona ny ankizy vavy, dia izy sy ny zanany, ka niankohoka;

7 nanatona koa i Lià sy ny zanany, ka niankohoka; farany, nanatona i Josefa sy i Rasela ka niankohoka.

8 Ary hoy i Esao: «Kasainao hatao inona avy ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny?» Dia hoy i Jakôba: «Ny mba hahitako fitia eo imason’ny tompoko.»

9 Fa hoy i Esao: «Efa manam-be aho, ry rahalahiko, ka tano ho anao ihany ny anao.»

10 Ary hoy i Jakôba: «Tsia, fa miangavy aminao, raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, raiso avy amin’ny tanako ny fanomezako; fa izany no nahitako ny tavanao hoatra ny mahita ny Tavan’Andriamanitra, ary efa mba tsara koa ny nandraisanao ahy.

11 Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray.

12 Ary hoy i Esao: «Ndao àry arosoy ny diantsika fa izaho no hiroso eo alohanao.»

13 Hoy ny navalin’i Jakôba: «Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman’omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra.

14 Ka aoka ny tompoko hialoha ny mpanompony; fa izaho kosa hanaraka miadana, araka ny dian’ny biby fiompy izay mandeha eo alohako, sy ny dian’ny ankizy, mandra-pahatongako any amin’ny tompoko any Seira.»

15 Dia hoy i Esao: «Avelao àry hamelako hiaraka aminao ahay ny sasany amin’ny olona miaraka amiko.» Fa hoy ny navaliny: «Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eo imason’ny tompoko aho.»

16 Dia niverina nankany Seira androtr’iny ihany i Esao.

17 I Jakôba kosa nankao Sokôta, dia nanao trano ho azy sy nanao trano tomboka ho an’ny biby fiompiny koa. Izany no nanaovana ny anaran’io tany io hoe Sokôta.

Tonga tany Sikema

18 Dia tafaverina avy any Padan-Arama i Jakôba, ka tonga soa aman-tsara tao Sikema, amin’ny tany Kanaana, ary nitoby teo anoloan’ny tanàna.

19 Novidiny vola zato kesitàtamin’ny zanak’i Hemora, rain’i Sikema, ny lanin-tany nanorenany lay.

20 Ary nanangana ôtely teo izy, ka nomeny anarana hoe: El-Elohe-Israely.

Categories
Jenezy

Jenezy 34

Ny nanaovana an-keriny tamin’i Dinà

1 Ary i Dinà zanaka vavin’i Lià, naterany tamin’i Jakôba, nivoaka hizaha ny zazavavy tompon-tany,

2 ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.

3 Raiki-pitia tamin’i Dinà, zanaka vavin’i Jakôba, ny fon’i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy.

4 Ary i Sikema nilaza tamin’i Hemora rainy hoe: «Alaovy ho vadiko io zazavavy io.»

5 Efa ren’i Jakôba ihany ny nandotoany an’i Dinà zanany vavy, nefa mbola tany an-tsaha tamin’ny biby fiompiny ny zanany lahy, ka dia nangina izy aloha mandra-pahatongan’ireo.

Ny nifanekena hifanambady amin’ny mponin’i Sikema

6 Dia nivoaka hiresaka amin’i Jakôba i Hemora rain’i Sikema;

7 ary efa tonga avy any an-tsaha koa ny zanak’i Jakôba vao nandre izany zavatra izany; tafintohina mafy ireo lehilahy ireo ka nisafoaka mihitsy izy ireo, fa nanao izay fady indrindra i Sikema nanala baraka an’i Israely tamin’ny nandriany tamin’ny zanaka vavin’i Jakôba, ka zavatra tsy tokony hatao akory izany.

8 Izao no nolazain’i Hemora tamin’izy ireo: «Raiki-pitia amin’ny zanaka vavinareo ny fon’i Sikema zanako; koa masìna ianareo, omeo azy ho vadiny.»

9 Aoka hifanambady anaka isika: «Ny zanaka vavinareo homenareo ho anay; ny anay kosa halainareo ho anareo.

10 Dia honina aty aminay ianareo, ka ho azonareo hanaranam-po ny tany, na hipetrahanareo na hanaovanareo varotra na hahatongavanareo ho tompon-tany.»

11 Hoy kosa i Sikema tamin’ny rain’i Dinà, sy ireo anadahiny: «Aoka mba hahita fitia eo imasonareo aho, fa homeko anareo izay tononinareo amiko,

12 na harem-be asainareo haloako, na fanomezana be vava, izay tononinareo homeko avokoa, fa omeo ho vadiko ny zazavavy.»

13 Saroro no navalin’ny zanak’i Jakôba an’i Sikema sy i Hemora, rainy noho ny nandotoan’i Sikema an’i Dinà, anabavin’izy ireo,

14 ka hoy izy taminy: «Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an’izay lehilahy tsy voafora, fa fahavetavetana izany aminay.»

15 Izao ihany no azonay anekena ny hatakareo raha tonga tahaka anay ianareo, ka hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.

16 Amin’izay ianareo homenay ny zanakay vavy; izahay haka ny anareo ho anay. Dia honina ao aminareo izahay, ka ho firenena iray ihany isika.

17 Fa raha tsy mety hihaino anay ianareo, sy hifora dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay.

18 Sitrak’i Hemora sy i Sikema, zanak’i Hemora, ny teniny;

19 ka tsy nitaredretra ny hanao izany zavatra izany razazalahy, fa fatra-pitia ny zanakavavin’i Jakôba izy, ary izy no tò teny indrindra tao an-tranon-drainy.

20 Dia nankeo am-bavahadin’ny tanànai Hemora sy i Sikema zanany, ka niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany nanao hoe:

21 «Olona tia fihavanana ireto olona eto amintsika ireto, ka aoka izy honina amin’ny tany, sy hanao varotra eto, fa malalaka ny tany, na ankavanana na ankavia, ka omby azy. Dia ny zanany vavy halaintsika ho vady; ny zanatsika vavy kosa homentsika ho azy ireo.

22 Kanefa izao ihany no aneken’ireo olona ireo ny hiara-monina amintsika, mba ho tonga firenena iray eto amintsika: dia ny hoforàna tahaka azy ireo ny lehilahy rehetra eto amintsika.

23 Tsy ho antsika va ny biby fiompiny sy ny fananany rehetra ary ny biby mpitondra entany rehetra? Nefa aoka hoekentsika aloha ny teniny ary aoka izy hiorim-ponenana eto amintsika.»

24 Neken’izay rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna ny tenin’i Hemora sy i Sikema zanany, ka dia noforàna ny lehilahy rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna.

Valy faty am-pitaka nataon’i Simeôna sy i Levỳ

25 Nony tamin’ny andro fahatelo, raha ilay narary iny izy ireo, dia samy naka ny sabany avy ny zanak’i Jakôba roalahy, i Simeôna sy i Levỳ, anadahin’i Dinà, ka niakatra tsy aman-tahotra tao an-tanàna, namono ny lehilahy rehetra.

26 Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra koa i Hemora sy i Sikema, zanany, ary naka an’i Dinà tao an-tranon’i Sikema izy, dia lasa nivoaka.

27 Ny maty, nosavàn’ireto zanak’i Jakôba; ny tanàna, nobaboiny, noho ny nandotoana ny anabaviny.

28 Nahorony avokoa na ondry na omby na ampondra, na ny tao an-tanàna, na ny tany an-tsaha.

29 Nofaohiny daholo ny fananany, ny zanany, ny vadiny, mbamin’izay rehetra hitany tao an-trano.

30 Fa hoy kosa i Jakôba tamin’i Simeôna sy i Levỳ: «Nampanahirana ahy ianareo, fa nomaimboinareo amin’ny tany ama-monina aho, dia amin’ny Kananeanina sy amin’ny Ferezeanina. Izaho dia olom-bitsy ka hikambana izy hamely ahy, ka hovonoiny aho, dia ho fongotra aho sy ny ankohonako.»

31 Ary hoy izy ireo: «Moa ho azo atao toy ny vehivavy janga foana va ny anabavinay?»

Categories
Jenezy

Jenezy 35

Niverenan’i Jakôba tany Betela

1 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: «Andeha ianao miakatra an’i Betela ka monena any, manangàna ôtely any, ho an’ilay Andriamanitra niseho taminao, fony ianao nandositra teo anoloan’i Esao, rahalahinao.»

2 dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.

3 Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana ôtely any aho, ho an’ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin’ny andron’ny fahoriako, sy nomba ahy tamin’ny lalana nalehako.»

4 Dia natolotr’izy ireo an’i Jakôba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tanany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema.

5 Dia lasa izy ireo; ary azon’ny tahotra mafy avy amin’Andriamanitra ny tanàna, eny amin’ny manodidina eny, ka tsy nisy nanenjika ny zanak’i Jakôba.

6 Ary i Jakôba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin’ny tany Kanaana, dia i Betela izany.

7 Dia nanorina ôtely teo izy, ka nataony hoe El-Betela ny anaran’io tany io, satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy, fony izy nandositra teo anoloan’ny rahalahiny.

8 Ary maty i Debôrà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin’i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe: Oakan-dranomaso.

9 Niseho tamin’i Jakôba indray koa Andriamanitra nony tafaverina avy any Padan-Arama izy, sady nitso-drano azy.

10 Hoy Andriamanitra taminy: «Jakôba no anaranao, nefa tsy hatao Jakôba intsony ianao, fa Israely no ho anaranao.» Dia nataony hoe Israely no anarany.

11 Ary hoy Andriamanitra taminy: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Maroa fara sy mitomboa; firenena sy fikambanam-pirenena no ho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’izay haloaky ny kibonao.

12 Ny tany nomeko an’i Abrahama sy i Isaaka, dia homeko anao, ary homeko ny taranakao mandimby anao izany tany izany.»

13 Dia niakatra Andriamanitra niala taminy teo amin’ilay fitoerana niresahany taminy.

14 Ary i Jakôba nanorina tsangam-bato teo amin’ilay fitoerana niresahany taminy, ka nandraraka fanatitra araraka teo amboniny, sy nandrotsaka diloilo teo.

15 Nataony hoe: «Betela» ny anaran’ny tany niresahan’Andriamanitra taminy.

Ny nahaterahan’i Benjamina sy nahafatesan-dRasela reniny

16 Dia niala teo Betela izy; ary nony mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efratà, dia teraka i Rasela.

17 Ka hoy ny mpampivelona taminy nandritra ny fanaintainana nahazo azy teo am-piterahana: «Aza matahotra fa indro hahazo zazalahy indray koa ianao.»

18 Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe i Benôniny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.

19 Dia maty i Rasela, ka nalevina teo amin’ny lalana mankany Efrata dia Betlehema izany.

20 Nanorina tsangam-bato teo ambony fasany i Jakôba, dia ilay tsangam-baton’i Fasan-dRasela, izay mbola eo mandrak’androany.

Toetra mifotitra nataon-dRobena

21 Niainga indray i Israely, dia niorin-day tao ambadik’i Magdala-Edera.

22 Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely.

Ireo zanaka roa ambin’ny folon’i Jakôba

Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.

23 Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.

24 Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina.

25 Zanak’i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalì.

26 Zanak’i Zelfah, ankizivavin’i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakôba, naterany tany Padan-Arama.

Ny nahafatesan’i Isaaka

27 Ary i Jakôba tonga tany amin’i Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat- Arba; dia i Hebrôna izany, izay nitoeran’i Abrahama sy i Isaaka.

28 Valopolo amby zato taona no andro niainan’i Isaaka.

29 Dia niala aina i Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin’ny razany; tratra antitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy i Esao sy i Jakôba, zanany.

Categories
Jenezy

Jenezy 36

Ireo vadin’i Esao sy ireo zanany tany Kanaana

1 Izao no taranak’i Esao, izay Edôma ihany: Naka vady tamin’ny zanaka vavin’i Kanaana i Esao.

2 I Adà, zanaka vavin’i Elôna, Heteanina, i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, zanaka lahin’i Sebeôna Heveanina;

3 ary i Basemata, zanaka vavin’i Ismaely, sady anabavin’i Nabaiôta,

4 Ka ny naterak’i Adà, tamin’i Esao dia i Elifaza; ny naterak’i Basemata dia i Rahoela;

5 ary ny naterak’i Oolibama dia i Jehosy sy i Ihelôna ary i Kôre. Ireo no zanaka lahin’i Esao naterany tany amin’ny tany Kanaana.

Nifindra monina i Esao

6 Ary nentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin’ny fananany rehetra noharîny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin’ny tany anankiray lavitra an’i Jakôba rahalahiny.

7 Fa efa samy be loatra ny haren’izy ireo ka tsy nahazo niara-monina intsony izy, fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny.

8 Dia tany an-tendrombohitra Seira i Esao no nonina. I Esao dia Edôma ihany.

Ireo taranak’i Esao tany Seirà

9 Izao no taranak’i Esao, rain’i Edôma tany an-tendrombohitra Seirà.

10 Ny anaran’ny zanaka lahin’i Esao, dia izao: Elifaza, zanak’i Adà vadin’i Esao; Rahoela, zanak’i Basemata vadin’i Esao.

11 Ny zanaka lahin’i Elifaza dia i Temàna, i Omara, i Sefao, i Gatama ary i Seneza.

12 I Tamnà, vaditsindranon’i Elifaza zanak’i Esao, niteraka an’i Amaleka tamin’i Elifaza. Ireo no zanaka lahin’i Adà, vadin’i Esao.

13 Izao kosa no zanaka lahin-dRahoely: I Nahata, i Zara, i Samà, ary i Mezà. Ireo no zanaka lahin’i Basemata, vadin’i Esao.

14 Ary izao no zanaka lahin’i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, zanaka vavin’i Sebeôna, vadin’i Esao; niteraka an’i Jehosy sy i Ihelona ary i Kôre tamin’i Esao izy.

Ireo loham-pirenena teo amin’i Edôma

15 Izao no loham-pirenena amin’ny zanak’i Esao: ireo zanaka lahin’i Elifaza: i Temàna loham-pirenena, i Omara loham-pirenena, i Sefao loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena,

16 i Kôre loham-pirenena, i Gathama loham-pirenena, i Amaleka loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Elifaza amin’i Edôma. Zanak’i Adà ireo.

17 Zanaka lahin-dRahoely, zanak’i Esao: i Nahata loham-pirenena, i Zarà loham-pirenena, i Samà loham-pirenena, ary i Mezà loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin-dRahoely, amin’ny tanin’i Edôma. Zanak’i Basemata, vadin’i Esao, ireo.

18 Zanaka lahin’i Oolibama, vadin’i Esao: i Jehosy loham-pirenena, i Ielona loham-pirenena, ary Kôre, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, sy vadin’i Esao.

19 Ireo no zanaka lahin’i Esao, ireo no loham-pirenena; izany no Edôma.

Taranak’i Seira Hôreanina

20 Izao kosa no zanaka lahin’i Seira Hôreanina, izay efa nonina teo amin’ny tany rahateo: i Laotàna, i Sobala, i Sebeôna, i Anà, i Disona, i Eserà ary i Disàna.

21 Ireo no loham-pirenena amin’ny Hôreanina, zanaka lahin’i Seirà, tamin’ny tanin’i Edôma.

22 Ny zanaka lahin’i Laotàna dia i Hori sy i Hemana, ary i Tammà no anabavin’i Laotàna.

23 Izao no zanakalahin’i Sobala: i Alvana, i Manahata, i Ebala, i Sefao, ary i Onama.

24 Izao no zanaka lahin’i Sebeôna: i Ajà sy i Anà. Io Anà io no nahita ny loharano mafana tany an’efitra, raha niandry ny ampondran’i Sebeôna rainy izy.

25 Izao no zanak’i Anà: i Disona sy i Oolibama, zanaka vavin’i Anà.

26 Izao no zanaka lahin’i Disona: i Hamdàna, i Esebàna, i Jetrama ary i Karàna.

27 Izao no zanaka lahin’i Esera: i Balàna, i Zavàna, ary i Akàna.

28 Izao no zanaka lahin’i Disàna: i Hosy sy i Arama.

29 Izao no loham-pirenena amin’ny Hôreanina: i Laotàna loham-pirenena, i Sobala loham-pirenena, i Sebeôna loham-pirenena, i Anà loham-pirenena,

30 i Disona loham-pirenena, i Esera loham-pirenena, i Disana loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena Hôreanina izay samy loham-pirenena any amin’ny tanin’i Seirà.

Ireo mpanjakan’i Edôma

31 Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin’ny tanin’i Edôma, talohan’ny nisian’ny mpanjaka nanjaka tamin’ny zanak’i Israely.

32 I Bela, zanak’i Beôra, nanjaka tany Edoma, ary ny anaran’ny tanànany dia atao hoe Denaba.

33 Dia maty i Bela ary i Jôbaba, zanak’i Zorà, avy any Boarà, no nanjaka nandimby azy.

34 Maty i Jôbaba, dia Hosama, avy amin’ny tanin’ny Temanita, no nanjaka nandimby azy.

35 Maty i Hosama, ary nanjaka nandimby azy i Adada, zanak’i Badada, ilay nandresy an’i Madianina, tany amin’ny tanin’i Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.

36 Maty i Hadada, ary i Semlà, avy any Masrekà, no nanjaka nandimby azy.

37 Maty i Semlà, ary i Saola avy any Rohôbôta, amin’ny ony, no nanjaka nandimby azy.

38 Maty i Saola, ary i Balanàna zanak’i Akora, no nanjaka nandimby azy.

39 Maty i Balanàna, zanak’i Akora, dia nanjaka nandimby azy i Hadara, ka ny anaran’ny tanànany dia Faho ary ny anaran’ny vadiny dia Meetabela, zanaka vavin’i Matreda, zanaka vavin’i Mezaaba.

Ireo loham-pirenena teo amin’i Edôma ihany indray

40 Izao no anaran’ny loham-pirenena amin’ny taranak’i Esao, araka ny fokony sy ny faritaniny ary ny anarany avy: Tammà loham-pirenena, Alvà loham-pirenena, Jetela loham-pirenena,

41 Oolibamà loham-pirenena, Finona loham-pirenena,

42 Seneza loham-pirenena, Temàna loham-pirenena, Mabsara loham-pirenena.

43 Magdiela loham-pirenena, Hirama loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena amin’i Edôma, araka ny fonenany, any amin’ny tany onenany avy. Izany no Esao, rain’i Edôma.

Categories
Jenezy

Jenezy 37

1 Ary i Jakôba niorim-ponenana teo amin’ny tany nitoeran-drainy any amin’ny Kanaana.

I Josefa sy ireo rahalahiny

2 Izao no tantaran’i Jakôba. Rahefa fito ambin’ny folo taona i Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin’ireo zanak’i Bala sy tamin’ireo zanak’i Zelfah vadin-drainy; nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo i Josefa.

3 Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.

4 Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.

5 Nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy.

6 Hoy izy taminy: «Aza mahafady, mba henoy kely ange ny nofy azoko:

7 Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»

8 Ary hoy ireo rahalahiny taminy: «Dia hanjaka aminay ve ianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e?» Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.

9 Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin’ireo rahalahiny. Hoy izy: «Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.»

10 Samy nilazany izany avokoa ny rainy sy ireo rahalahiny, ka notenenin-drainy mafy izy, nataony hoe: «Ahoana no hevitr’izany nofinao izany? Izaho ve sy ny reninao ary ny rahalahinao tsy maintsy ho avy hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?»

11 Ireo rahalahiny nialona azy, fa rainy kosa nitadidy izany.

I Josefa namidin’ny rahalahiny

12 Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin’i Josefa.

13 Ka hoy i Israely tamin’i Josefa: «Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao? Ka avia ianao hirahiko ho any amin’izy ireo.» Dia hoy ny navaliny: «Inty aho»

14 Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.

15 Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?»

16 Dia hoy izy: «Mitady ny rahalahiko aho; masìna ianao, mba atoroy ahy kely izay iandrasany ondry.»

17 Ka hoy ralehilahy: «Efa nifindra niala teto izy, fa reko niresaka hoe: Andeha isika ho any Dôtaîna». Dia lasa i Josefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dôtaîna.

18 Mbola lavitra izy dia tazany, ka talohan’ny nahatongavany teo akaikiny, dia niray tetika hamono azy izy ireo.

19 Nifampiteny toy izao izy ireo: «Indry erỳ ilay mpanonofy; izy tokoa iny avy iny.

20 Andeha hovonointsika izy, ka hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, sy holazaintsika hoe: nohanin’ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin’izany izay hiafaran’ny nofiny.»

21 Nandre izany i Robena, ka namonjy azy teo an-tanan’ireo; hoy izy: «Aza mamono azy isika»

22 Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.

23 Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahany ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany.

24 Ka noraisiny izy, natsipiny tao anaty lavaka; ary maina ilay lavaka, ka tsy nisy rano.

25 Ary dia nipetraka nihinana izy ireo.

Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny nisy Ismaelita niray dia avy any Galaada; ary ny entana nentin’ny ramevany dia astragala, ditin-kazo manitra, mbamin’ny ladanôma, ndeha havariny any Ejipta.

26 Ka hoy i Jodà tamin’ireo rahalahiny: «Inona no soa azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny rany isika?

27 Andeha hamidintsika amin’ny Ismaelita izy, fa aza maninji-tanana aminy isika, fa rahalahintsika sy nofontsika izy.» Dia nihaino azy ireo ny rahalahiny.

28 Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.

29 Niverina nankeo amin’ilay lavaka i Robena, ka indro fa tsy tao amin’ny lavaka intsony i Josefa.

30 Ka notriariny ny fitafiany, dia nankeo amin’ireo rahalahiny izy, nanao hoe: «Tsy ao intsony ny zaza, ary izaho dia hankaiza?»

31 Fa nalain’ireo rahalahiny kosa ny akanjon’i Josefa, ka namono osilahy izy, ary natsobony tamin’ny ra ny akanjo.

32 Dia nampanateriny tany amin-drainy ny akanjo lava, nasainy nolazaina taminy hoe: «Ity no hitanay, ka jereo na ny akanjon’ny zanakao ity na tsia.»

33 Fantatr’i Jakôba fa izy io, ka hoy izy: «Ny akanjon-janako tokoa. Lanin’ny biby masiaka izy! Voaviravira tokoa i Josefa.»

34 Dia notriariny ny fitafiany ka nisikina lamba malailay izy, nisaona ny zanany naharitra ela be.

35 Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny matyaho.» Ary nitomany azy, ity rainy.

36 Namidin’ny Madianita tany Ejipta i Josefa tamin’i Potifara, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina.

Categories
Jenezy

Jenezy 38

Tantaran’i Jodà sy Tamara

1 Tamin’izany andro izany, niala teo amin’ireo rahalahiny i Jodà, dia nidina ka tonga tany amin’ny lehilahy anankiray tao Odolama atao hoe Hirà.

2 Teo no nahitany ny zanaka vavin’ny Kananeanina anankiray, atao hoe Soe, ka naka an’io ho vady izy, dia nandeha taminy.

3 Nanana anaka ravehivavy dia tera-dahy, ary nataony hoe Era ny anarany.

4 Nanana anaka indray izy, dia tera-dahy, ka nataony hoe Onàna ny anarany.

5 Ary nanana anaka koa izy, dia tera-dahy, nataony hoe Selà ny anarany. Nitoetra tao Akeziba i Jodà, tamin’ny niterahany an’io.

6 Ary i Jodà naka vady ho an’i Era, lahy matoany; Tamara no anarany.

7 Ratsy fanahy teo imason’i Iaveh anefa i Hera, lahy matoan’i Jodà, ka novonoin’i Iaveh.

8 Dia hoy i Jodà tamin’i Onàna: «Mandehana amin’ny vadin-drahalahinao, ento loloha izy, mba hamelomanao maso ny rahalahinao.»

9 Fantatr’i Onàna anefa fa tsy taranaka ho azy izany, ka nony nandeha tamin’ity vadin-drahalahiny izy, dia nandoto tena teo ivelany tamin’ny tany mba tsy hampahazo taranaka ny rahalahiny.

10 Tsy sitraky ny Tompo ny nataony, ka novonoiny koa izy.

11 Ary hoy i Jodà tamin’i Tamara, vinantovaviny: «Mitoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’i Selà, zanako lahy.» Fa hoy izy anakam-po: «Tsy tokony ho faty toa an’ireo rahalahiny koa izy.» Dia nandeha i Tamara, ka nitoetra tany an-tranon-drainy.

12 Nony ela dia maty ilay zanakavavin’i Soe, vadin’i Jodà. Ary rehefa afa-tsaona i Jodà, dia niakatra tany amin’ireo nanety ny ondriny, any Tamnà, izy sy i Hirà, Odolamita sakaizany.

13 Ary nisy nilaza izany tamin’i Tamara nanao hoe: «Indro ny rafozanao miakatra any Tamnà hanety ny ondriny.»

14 Ka noesoriny ny akanjo fitondran’ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin’i Enaîma, amin’ny lalana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe i Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny.

15 Nony nahita azy i Jodà, dia nataony ho vehivavy janga izy, fa nisaron-doha;

16 ka nivily nanitsy azy teny amin’ny lalana izy, dia nanao hoe: «Aoka mba handeha aminao aho.» Fa tsy fantany hoe vinantony io. Dia hoy ravehivavy: «Omenao inona aho, raha mandeha amiko ianao?»

17 Ka hoy ny navaliny: «Hampanatitra zanak’osy avy any amin’ny biby fiompy ho anao aho.» Fa hoy ravehivavy: «Eny, raha omenao antoka aho aloha, mandra-pampanatitrao an’izany.»

18 Ary hoy izy: «Inona no antoka homeko anao?» Dia hoy izy: «Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tananao iny.» Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy.

19 Vao niainga teo ravehivavy dia lasa, nesoriny ny voaliny, ary niakanjoany indray ny akanjony fitondran’ny mpitondratena.

20 Nampanaterin’i Jodà an’ilay Odolamita sakaizany, ny zanak’osy, hangalany ny antoka tany an-tanan-dravehivavy, kanjo tsy hitany izy.

21 Nanontany ny olona tompon-tany teo izy nanao hoe: «Aiza ilay vehivavy janga nitoetra teo amoron-dalana tao Enaîma?» Fa hoy ny navalin’ny olona: «Tsy nisy vehivavy janga teto.»

22 Dia niverina tany amin’i Jodà izy, nilaza hoe: «Tsy nahita azy aho; ary lazain’ny olona tompon-tany aza fa hoe, tsy nisy vehivavy janga teo.»

23 Ka hoy i Jodà: «Aoka hotanany ny antoka; fa tsy tokony hihomehezan’olona foana isika; indro fa efa nampanateriko ny zanak’osy, ary ianao tsy nahita azy kosa.»

24 Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»

25 Nony navoaka anefa ravehivavy, dia naniraka hilaza amin-drafozany hoe: «Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nananako anaka. Ka zahao tsara, hoy izy, izay tompon’ity peratra sy ity kofehy ary ity tehina ity.»

26 Dia fantatr’i Jodà ireo, ka hoy izy: «Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Selà, zanako.» Ary tsy nahalala azy intsony izy.

27 Nony tonga ny fotoana hiterahany, injao zaza kambana no tao an-kibony.

28 Teo am-piterahany, natrangan’ny anankiray aloha ny tanany, ka noraisin’ny mpampivelona nofeheziny tamin’ny kofehy mena, nataony hoe: ity no nivoaka voalohany.

29 Kanjo nahemotr’ilay zaza ny tanany, ka indro fa ny rahalahiny no nivoaka. «Akory ity fibosesehana nataonao, hoy ny mpampivelona.» Dia natao hoe Faresa ny anarany.

30 Izay vao nivoaka ilay rahalahiny, nifehy kofehy mena ny tanany, ka natao hoe Zarà ny anarany.

Categories
Jenezy

Jenezy 39

Ny nanombohan’i Josefa tany Ejipta

1 Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.

2 Nomban’i Iaveh i Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin’ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon’ny Ejiptianina tompony izy.

3 Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.

4 Dia nahita fitia teo imasony i Josefa, ka nampanaoviny raharaha teo aminy, natsangany ho filohan’ny tranony izy, ary nataony eo am-pelatanany ny fananany rehetra.

5 Raha vantany vao notendreny ho filohan’ny tranony amam-pananany rehetra izy, dia notahin’i Iaveh ny tranon’ity Ejiptianina noho ny amin’i Josefa, ary tonga tamin’ny fananany rehetra, na an-tsaha na an-tanàna, ny fitahian’i Iaveh.

6 Ary napetrany teo an-tanan’i Josefa avokoa izay nananany; ka tsy niahy na inona na inona intsony izy taminy, afa-tsy ny hanin-kohaniny. Ary i Josefa dia sady bikàna no tsara tarehy.

I Josefa sy ilay vehivavy mpaka fanahy

7 Ary tatỳ aorian’izany, dia sendra nanopy ny masony tamin’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka nanao hoe: «Avia handry amiko.»

8 Nandà izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe: «Indro ny tompoko fa tsy miahy na inona na inona intsony amiko, amin’ny ato an-tranony, ary ny fananany rehetra napetrany eo an-tanako.

9 Tsy lehibe noho izaho izy ato an-trano; ianao irery no narovany tamiko, fa vadiny ianao. Koa ataoko ahoana no fanao izany ratsy lehibe izany, sy hanota amin’Andriamanitra?»

10 Ary na dia niteny tamin’i Josefa isan’andro isan’andro aza ravehivavy, dia tsy nety nandry taminy izy, na hiara-mitoetra aminy.

11 Indray andro izy niditra tao an-trano hanao ny raharahany; ary tsy nisy tao ny olona tamin’io trano io, na dia iray aza.

12 Ka nosamborin-dravehivavy tamin’ny lambany izy, nataony hoe: «Avia handry amiko.» Navelan’i Josefa teo an-tanany anefa ny lambany, ka nandositra tany alatrano izy.

13 Nony hitan-dravehivavy fa ny lambany navelany teo an-tanany, izy nandositra any alatrano;

14 dia niantso ny mpanompo tao an-tranony izy, ary niteny taminy nanao hoe: «Jereo fa nampidirany Hebrio hisangy antsika. Nidiran-dralehilahy iny teto aho, handriany amiko, ka niantsoantso mafy erỳ aho.»

15 «Nony injay reny nanandra-peo niantso mafy aho, ny lambany navelany eto anilako, ary nandositra any alatrano izy.»

16 Dia napetrany teo anilany teo ihany ny lamban’i Josefa, mandra-podian’ny tompony ao an-trano.

17 Ary ireo teny ireo ihany no nolazainy taminy koa nataony hoe: «Iny andevolahy Hebrio, izay nampidirinao teto amintsika iny, dia nankaty amiko hisangy ahy.

18 Fa nanandra-peo niantsoantso aho, ka dia navelany teo anilako ny lambany, ary nandositra any alatrano Akora izy».

19 Nony ren’ny tompon’i Josefa ny tenin’ny vadiny nanao hoe: «Izany no nataon’ny andevolahinao tamiko,» dia nirehitra ny fahatezerany.

20 Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka.

I Josefa tao an-tranomaizina

Dia tao an-tranomaizina tao izy.

21 Nomban’i Iaveh anefa i Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin’ny mpitandrina ny tranomaizina.

22 Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy.

23 Tsy nokarakarain’ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tanan’i Josefa fa nomban’i Iaveh izy sady nomban’i Iaveh tamin’izay rehetra nataony.

Categories
Jenezy

Jenezy 40

Ny nivoasan’i Josefa ny nofin’ireo mpifatotra roa lahy

1 Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.

2 Ka tezitra i Faraôna tamin’ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lehiben’ny mpitantana mofo.

3 Dia nasainy nahiboka tao amin’ny lehiben’ny mpiambina ireo, tao an-tranomaizina, tao amin’ny fitoerana nitanana an’i Josefa.

4 I Josefa no notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an’ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo.

5 Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny.

6 Nony tonga teo amin’izy ireo i Josefa ny maraina, dia nijery azy, ka indreo nalahelo tarehy izy.

7 Dia nanontanian’i Josefa ireto mpanao raharahan’i Faraôna niara-notanana an-tranomaizina taminy, tao an-tranon’ny tompony, nataony hoe: «Nahoana izato ianareo no malahelo tarehy anio?»

8 Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»

9 Dia notantarain’ny lehiben’ny mpandroso divay tamin’i Josefa ny nofiny, ka hoy izy: «Nofiko fa indro nisy foto-boaloboka teo anatrehako;

10 ary nisampana telo io foto-boaloboka io; dia nitsimoka izy, niposaka ny voniny, nanjary voaloboka masaka ny sampahony.

11 Ary teny an-tanako ny kôpin’i Faraôna, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kôpin’i Faraôna ny ranony, dia natolotro teo an-tanan’i Faraôna ny kôpy.»

12 Dia hoy i Josefa taminy: «Izao no hevitr’izany: Ny sampany telo, dia hateloana.

13 Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.

14 Koa raha avy izay hahatongavanao any amin’ny fahasambarana indray, ka mba mahatsiaro ahy ianao, sy mba te-hanisy soa amiko, dia lazao any amin’i Faraôna any aho, asaovy esorina amin’ity trano ity.

15 Fa an-keriny no nangalana ahy tany amin’ny Hebrio; ary eto aho tsy nanao na inona na inona tokony handatsahana ahy amin’ity tranomaizina ity.»

16 Nony hitan’itsy lehiben’ny mpitantana mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nolazain’i Josefa, dia hoy izy taminy: «Izao kosa no nofiko: Niloloha garaba telo nisy mofo fotsy aho,

17 ka tao anatin’ilay garaba ambony indrindra, nisy ny mofomamy isan-karazany rehetra ho an’i Faraôna, ary nohanin’ny vorona tao anaty garaba nololohaviko ireny.»

18 Dia hoy ny navalin’i Josefa: «Izao kosa no heviny: Ny karaba telo dia hateloana.

19 Ka hateloana sisa dia hesorin’i Faraôna ho afaka aminao ny lohanao, ary hahantony amin’ny hazo ianao, ka hohanin’ny vorona ny nofonao eo aminao.»

20 Nony tamin’ny andro fahatelo, izay fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Faraôna, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Faraôna, ka samy nasandrany tokoa ny lohan’ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lohan’ny lehiben’ny mpitantana mofo;

21 ny lehiben’ny mpandroso divay naveriny amin’ny raharahany indray, ka nametraka ny kôpy teo an-tanan’i Faraôna,

22 fa ny lehiben’ny mpitantana mofo kosa, nasainy nahantona; dia samy araka ny nivoasan’i Josefa ny nofiny taminy avy izany.

23 Kanjo tsy mba nilaza ny amin’i Josefa ilay lehiben’ny mpandroso divay fa nanadino azy.