Categories
Jenezy

Jenezy 41

Ireo nofin’i Faraôna sy ny fisandratan’i Josefa

1 Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy i Faraôna: Indro nitsangana teo amoron’ny onyizy;

2 ary indro nisy omby vavy fito mahafinaritra sady matavy, niakatra avy ao amin’ny ony sy lasa niraotra tao amin’ny ahi-maitso.

3 Nanaraka ireo indray dia indreto omby vavy fito hafa ratsy tarehy, mahia niakatra avy ao amin’ny ony, dia nankeo anilan’iretsy omby vavy efa teo amoron’ny ony rahateo.

4 Ary nohanin’ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia iretsy omby vavy mahafinaritra sady matavy. Dia nahatsiaro i Faraôna.

5 Fa natory indray izy dia nanonofy fanindroany; ary indreo nisy salohim-bary fito sady vaventy no tsara tarehy, nisondrotra avy amin’ny tahony iray ihany.

6 Nanaraka ireo indray nisy salohim-bary fito naniry sady mahia no main’ny rivotra avy any atsinanana.

7 Ary natelin’ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary vaventy sady feno tsara. Dia nahatsiaro i Faraôna; ka indro nofy izany.

8 Nitebiteby ny fanahin’i Faraôna nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin’i Faraôna.

9 Izay ilay lehiben’ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin’i Faraôna nanao hoe: «Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio.

10 Fony Faraôna tezitra tamin’ny mpanompony ka nandatsaka ahy an-tranomaizina, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben’ny mpitantana mofo,

11 dia nanonofy izahay, indray alina, ka samy nanana ny nofiny izaho sy izy, samy araka ny hevitry ny nofiny avy.

12 Niaraka taminay kosa, dia nisy tao zatovo Hebrio, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina, nitantarànay ny nofinay, ka nambarany taminay ny heviny, samy nilazany ny hevitry ny azy avy izahay,

13 ary tanteraka ny zavatra, araka ny hevitra nambarany, fa izaho moa, naverin’i Faraôna amin’ny raharahako; izy kosa nahantona.»

14 Dia nampiantsoin’i Faraôna i Josefa, ka navoaka hiala faingana tao an-tranomaizina. Ary niharatra sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’i Faraôna.

15 Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Nanonofy aho, ka tsy nisy nahalaza ny heviny, ary nandre fa hoe mahalaza ny hevitry ny nofy ambara aminao ianao.»

16 Dia hoy ny navalin’i Josefa tamin’i Faraôna: «Tsy izaho fa Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’i Faraôna.»

17 Ka hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Nofiko nitsangana teo amoron’ny ony aho;

18 ary nisy omby vavy fito matavy sady tsara tarehy, niakatra avy ao amin’ny ony ka lasa niraotra tao amin’ny ahi-maitso.

19 Nanaraka ireo, dia indreo omby vavy fito hafa koa, mahia, ratsy tarehy, sady kaozatra erỳ, tsy mbola hitako izay ratsy toy izany teto amin’ny tany Ejipta rehetra.

20 Nohanin’ireo omby vavy mahia sady ratsy tarehy iretsy omby vavy nialoha azy, dia ireo matavy,

21 ka tafiditra tao an-kibony ireo; nefa tsy fantatra ho mby ao an-kibony akory, fa mbola ratsy toy ny taloha ihany ny fijery azy. Izay dia nahatsiaro aho.

22 Fa nanonofy indray aho, ka indreo nisy salohim-bary fito feno voa sady tsara tarehy nisondrotra avy amin’ny tahony iray ihany.

23 Ary indreo kosa nisy salohim-bary fito botry, mahia sady main’ny rivotra avy any atsinanana, izay naniry nanaraka an’ireny.

24 Ary natelin’ireto salohim-bary mahia iretsy salohim-bary tsara tarehy. Nambarako tamin’ny mpanoratra izany, fa tsy misy mahalaza ny heviny.»

25 Dia hoy i Josefa tamin’i Faraôna: «Iray ihany ny nofin’i Faraôna, ary izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Faraôna.

26 Ny omby vavy fito tsara tarehy dia fito taona; ny salohim-bary fito tsara tarehy dia fito taona koa; nofy iray ihany izany.

27 Ny omby vavy fito saozanina sy ratsy tarehy niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ny salohim-bary foana sy main’ny rivotra avy any atsinanana koa, dia ho fito taona mosarena.

28 Koa izany no teny nataoko tamin’i Faraôna: izay efa hataon’Andriamanitra no nasehony tamin’ny Faraôna.

29 Indro hisy fito taona zina indrindra eran’ny tany Ejipta rehetra.

30 Manaraka izany, hisy kosa fito taona mosarena, ka amin’ny tany Ejipta ho hadino izany fahavokaram-be rehetra izany, ary ny mosary handevona ny tany.

31 Tsy ho fantatra intsony ny nisian’ilay fahavokarana, noho ny mosary hanaraka izany ao amin’ny tany, fa ho mafy erỳ.

32 Ary ny nofin’i Faraôna no naverina indroa, dia satria zavatra naraikitr’Andriamanitra izany sady hotanterahin’Andriamanitra faingana.

33 Koa ankehitriny aoka i Faraôna hizaha lehilahy manan-tsaina sy hendry, ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta.

34 Aoka koa i Faraôna hanendry mpikarakara hitandrina ny tany, hanangona ny ampahadimin’ny vokatra ao amin’ny tany Ejipta mandritra ny fito taon-jina.

35 Aoka hovorin’ireo ny vokatra rehetra azony amin’ireo taona tsara ho avy; aoka hangoniny be dia be ny vary hapetraka eo am-pelatanan’i Faraôna ary hatao fitaovana amin’ny tanàna ka hotahirizina.

36 Dia izany hanina tahirizina izany, no ho fitaovana amin’ny fito taona mosarena ho tonga amin’ny tany Ejipta; dia tsy ho levon’ny mosary ny tany.»

Nasandratra i Josefa

37 «Sitrak’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra izany teny izany.»

38 Ka hoy i Faraôna tamin’ny mpanompony: «Hahita lehilahy tahaka an’ity indray va isika, izay manana ny fanahin’Andriamanitra ao aminy?»

39 Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Rehefa ianao no efa nampahafantarin’Andriamanitra izany rehetra izany, dia tsy hisy olona hanan-tsaina sy hendry tahaka anao indray.

40 Koa dia ianao no hanapaka ny momba ny tranoko, ary ny vahoaka rehetra hanaraka ny teninao; ny seza fiandrianana ihany no haha-ambony ahy noho ianao.»

41 Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Indro atsangako hanapaka ny tany Ejipta rehetra ianao.»

42 Dia nalain’i Faraôna ny peratra tamin’ny tanany, ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa; sady nampitafîny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony.

43 Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: «Mandohaliha.» Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta.

44 Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Izaho no Faraôna, ary raha tsy teninao, tsy hisy hanainga ny tanany na ny tongony eto amin’ny tany Ejipta rehetra.»

45 Nomen’i Faraôna anarana hoe Tsafnata-Paneakai Josefa; ary natolony ho vadiny i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga i Josefa hamangy ny tany Ejipta.

46 Efa telopolo taona i Josefa raha niseho teo anatrehan’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’i Faraôna izy handeha hitety ny tany Ejipta rehetra.

47 Nahavokatra tsy omby fampana ny tany, nandritra ny taon-jina fito.

48 Ka i Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin’izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin’ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy.

49 Koa nahangona vary hoatra ny fasika any an-dranomasina i Josefa; ary noho ny fahabetsahany mihoa-pampana dia najanona ny fanisana azy, fa efa tsy tambo hisaina intsony.

Ireo zanak’i Josefa

50 Talohan’ny nahatongavan’ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy i Josefa, izay naterak’i Aseneta, zanaka vavin’i Potifara mpisorona tao Ona, taminy.

51 Ka ny lahy matoa nataon’i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: «Efa nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon’ikaky rehetra»;

52 ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: «Efa nampitombo ahy Andriamanitra aty amin’ny tany nijaliako.»

53 Nony tapitra ny taon-jina fito tamin’ny tany Ejipta,

54 dia niandoha kosa ny fiavian’ny taona fito mosarena, araka ny voalazan’i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina.

55 Tatỳ aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin’i Faraôna ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejiptianina rehetra: «Mankanesa any amin’i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.»

56 Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan’i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin’ny Ejiptianina izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta.

57 Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.

Categories
Jenezy

Jenezy 42

Voalohany nihaonan’i Josefa sy ireo rahalahiny

1 Nony fantatr’i Jakôba fa nisy vary tany Ejipta, dia hoy izy tamin’ireo zanany lahy: «Nahoana ireto ianareo no mifampijery foana eo?»

2 Dia hoy izy: «Indro reko fa hoe misy vary any Ejipta, koa andeha midina any ianareo, hividy ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.»

3 Lasa nidina hividy vary any Ejipta ny rahalahin’i Josefa folo lahy.

4 Fa i Benjamina rahalahin’i Josefa tsy mba nampandehanin’i Jakôba niaraka amin’ireo rahalahiny, fa hoy ny eritreriny: «Sao dia idiran-doza any izy.»

5 Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.

6 I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.

7 Vao nahita ireo rahalahiny i Josefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy, nanao hoe: «Avy aiza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Avy amin’ny tany Kanaana izahay, mba hividy hanina.»

8 Koa i Josefa nahalala ireo rahalahiny, fa ireo no tsy nahalala azy.

9 Tsaroan’i Josefa tamin’izay ny nanofisany azy ireo, ka hoy izy taminy: «Mpisafo ianareo; hizaha ny toerana tsy mimanda amin’ny tany no nahatongavanareo.»

10 Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, tompokolahy, fa hividy hanina no nahatongavan’ny mpanomponao.

11 Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.»

12 Dia hoy izy taminy: «Tsy izany fa izao ihany: Hizaha ny toerana tsy mimanda amin’ny tany no nahatongavanareo.»

13 Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»

14 Fa hoy i Josefa taminy: «Ilay voalazako taminareo teo ihany no izy; mpisafo ianareo.

15 Ka hotsapaina ny amin’izany ianareo. Raha velona koa i Faraôna tsy hiala aty ianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy.

16 Ny iray aminareo alefao haka ilay rahalahinareo, fa ianareo sisa kosa mijanòna ao an-tranomaizina; izany no hanamarinana ny teninareo raha ao aminareo ny fahamarinana. Fa raha tsy izany, dia mpisafo tokoa ianareo, raha velona koa i Faraôna.»

17 Dia nasainy atao an-tranomaizina hateloana izy ireo.

18 Nony tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Josefa tamin’izy ireo: «Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, fa matahotra an’Andriamanitra aho:

19 Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo, hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo, ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.

20 Ka ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.» Dia nataony izany.

21 Ary nifampilaza izy nanao hoe: «Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.»

22 Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: «Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny rany.»

23 Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Josefa, satria mpandika teny no niresahany taminy.

24 Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.

Ny niverenan’ireo zanak’i Jakôba tany Kanaana

25 Rehefa izany, dia nasain’i Josefa nofenoina vary ny lasàkany, sy hatao ao anaty lasàkany avy indray ny volany, ary homena vatsy izy ho azy eny an-dalana. Dia natao taminy avokoa izany.

26 Rehefa voataingina tamin’ny ampondra ny vary, dia niainga izy.

27 Nony mby teo amin’ny toerana handriany, nanokatra ny lasàkany ny anankiray tamin’izy ireo, hanomezany vilona ny ampondrany, ary hitany teo am-bava lasàkany ny volany.

28 Ka hoy izy tamin’ireo rahalahiny: «Nisy namerina ny volako fa ity izy ato anaty lasàkako.» Kivy terỳ ny fon’izy ireo, ka sady nangovitra izy no nifampilaza hoe: «Fa nataon’Andriamanitra ahoana re izato isika.»

29 Niverina tany amin’i Jakôba rainy, tany amin’ny tany Kanaana, izy ireo, dia notantarainy taminy avokoa ny nahazo azy, ka hoy izy:

30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon’ny tany taminay, fa nataony ho mpisafo tany izahay.

31 Fa hoy izahay taminy hoe: «Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory.

32 Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay no iray ray; ny iray tsy velona intsony, ary ny faralahy any amin-drainy any amin’ny tany Kanaana izao.

33 Nefa hoy ralehilahy tompon’ny tany, taminay: ‹Izao ihany no hahafantarako fa olo-marina ianareo: avelao aty amiko ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo: ary ento izay hanafahana hanoanana ny fianakavianareo, dia mandehana;

34 ka ento mankaty amiko ilay zandrinareo faralahy. Dia ho fantatro fa tsy mpisafo ianareo, fa olo-marina; ka amin’izay haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary ho afaka hanao varotra amin’ny tany ianareo.› »

35 Dia samy nandraraka ny tao anaty lasàkany izy ireo, ka indro ny fonosam-bolany samy teo anaty lasàkany avy. Nahita ny fonosam-bolany izy sy ny rainy, ka samy raiki-tahotra.

36 Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»

37 Dia hoy i Robena tamin-drainy: «Vonoy ny zanako roalahy, raha tsy tafaveriko aty aminao i Benjamina fa atolory eto an-tànako izy, dia izaho no hitondra azy hody aty aminao indray.»

38 Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»

Categories
Jenezy

Jenezy 43

Fanindroany niaraka tamin’i Benjamina nankanesan’ny zanak’i Jakôba tany Ejipta

1 Nihamafy ny mosary tamin’ny tany;

2 ka nony efa tapitra nohaniny ny vary nalain’izy ireo tany Ejipta, dia hoy rainy taminy: «Mandehana indray mividy hanina kely ho antsika.»

3 Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.

4 Ka raha avelanao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay hividy hanina ho anao.

5 Fa raha tsy avelanao handeha izy, tsy hidina izahay, satria ralehilahy efa nilaza taminay hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»

6 «Nahoana ianareo, hoy i Israely, no dia nampiditra angano tamiko, nilaza tamin-dralehilahy hoe: ‹Mbola manan-drahalahy?› »

7 Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »

8 Ary i Jodà nilaza tamin’i Israely rainy hoe: «Avelao handeha ny zaza hiaraka amiko, hiaingànay sy handehananay, mba samy ho velona isika fa tsy ho faty na izahay sy ianao, na ny zanatsika madinika.

9 Izaho no hiantoka azy; eo an-tanako no hitakianao azy. Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, ka tsy tongako eto anatrehanao, dia ho meloka aminao, amin’ny andro rehetra hiainako aho.

10 Fa raha tsy nijanonjanona izahay dia efa tafaverina fanindroany toy izay.»

11 Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.

12 Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.

13 Dia ento ny rahalahinareo, miaingà ka miverena any amin-dralehilahy.

14 Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy i Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho.»

15 Koa nalain’ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tanany ny vola avo sasaka, mbamin’i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan’i Josefa.

Ny nihaonana tao amin’i Josefa

16 Vao nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia nilaza tamin’ny mpikarakara ny tranony hoe: «Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin’ny mitatao vovonana.»

17 Dia nataon-dralehilahy izay nasain’i Josefa ataony; ary nampidiriny tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo.

18 Raiki-tahotra anefa ireo olona ireo nony nentina ho ao an-tranon’i Josefa, fa hoy izy: «Ilay vola naverina tao anaty lasàkantsika, tamin’ilay indray mandeha izao, no handraisany antsika, dia ny hamelezany antsika izany sy hivarinany amintsika, ary hangalany antsika ho andevony mbamin’ny ampondrantsika koa.»

19 Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon’i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:

20 «Aza mahafady, tompokolahy, izahay dia efa nidina nividy vary tatỳ indray mandeha.

21 Nony tonga teo amin’ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasàkanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasàkanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay.

22 Ary nitondra vola hafa koa izahay hamidy hanina. Tsy fantatray izay nametraka ny volanay tao anaty lasàkanay.»

23 Ka hoy izy taminy: «Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra tao anaty lasàkanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy.» Dia nentiny nankeo amin’izy ireo i Simeôna.

24 Nony avy nampandroso azy ireo tao an-tranon’i Josefa ralehilahy dia nanome rano azy, ka nanasa tongotra izy ireo; ny ampondrany koa nomeny vilona.

25 Dia nandamindamina ny zavatra hatolotra aloha izy ireo mandra-piavin’i Josefa, raha mby amin’ny mitatao vovonana, fa efa nilazana izy fa hoe hihinana ao aminy.

26 Nony tonga tao an-trano i Josefa, nampidirin’izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tanany, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.

27 Nanadina ny toe-pahasalaman’izy ireo i Josefa vao nanao hoe: «Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy?»

28 Dia hoy ny navaliny: «Tsara ihany ny mpanomponao rainay, ary mbola velona ihany izy.» Dia niondrika sy nihohoka izy ireo.

29 Natopin’i Josefa ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: «Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko?» Ary hoy izy: «Hambinin’Andriamanitra anie ianao, anaka.»

30 Izay dia nangotika ny atiny, noho ity rahalahiny, ka nihataka faingana i Josefa nitady izay hitomaniany; niditra tany an’efitranony izy dia nitomany.

31 Nosasany aloha ny tavany vao nivoaka avy ao izy; ary notsindriny mafy ny fangorakoraky ny fony, ka hoy izy: «Arosoy ny sakafo.»

32 Dia naroso manokana ny an’i Josefa, ny an’ireo rahalahiny koa manokana; ny an’ireo Ejiptianina niara-nihinana taminy manokana koa; satria tsy mahazo miara-mihinana amin’ny Hebrio ny Ejiptianina, fa fahavetavetana ho an’ny Ejiptianina izany.

33 Nipetraka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, dia ny lahimatoa araka ny fizokiany, ny faralahy koa araka ny taonany, ka nifampijerijery sady gagagaga izy ireo.

34 Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.

Categories
Jenezy

Jenezy 44

Ny kôpin’i Josefa tao amin’ny lasàkan’i Benjamina

1 Dia nomen’i Josefa teny ilay mpikarakara ny tranony, nataony hoe: «Fenoy hanina ny lasàkan’ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ka ny volany samy ataovy eo am-bava-lasàkany avy.

2 Ny kôpiko, ilay kôpy vola fotsy, ataovy ao am-bava-lasàkan’ilay zandriny indrindra, miaraka amin’ny vola vidin’ny variny koa.» Dia nataon’ilay mpikarakara izay nasain’i Josefa nataony.

3 Nony maraina vao nazava ny andro, dia nalefany handeha ny olona sy ny ampondrany.

4 Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lavitra akory izy, dia hoy i Josefa tamin’ilay mpikarakarany: «Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rehefa mahatratra azy ianao dia lazao aminy hoe: ‹Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?

5 Tsy iny kôpy iny va no fisotroan’ny tompoko, ka entiny maminany? Ratsy izany nataonareo izany.› »

6 Nony tratran’ny mpikarakara izy ireo dia nilazany an’izany teny izany, ka izao no navaliny azy:

7 «Nahoana re, Tompokolahy, no dia manao izany ianao? Sanatria amin’ny mpanomponao mihitsy izay hanao izany zavatra izany.

8 Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasàkanay dia nentinay taminao avy amin’ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon’ny tomponao?

9 Izay anankiray amin’ny mpanomponao hahitana izany kôpy izany dia aoka hovonoina; ary na ny tenanay aza dia aoka ho andevon’itompokolahy koa.»

10 Ka hoy izy: «Aoka àry ho araka ny teninareo. Izay hahitana ny kôpy ho andevoko, fa ianareo sisa kosa dia afaka.»

11 Koa samy nampidina faingana ny lasàkany tamin’ny tany izy ireo, dia samy nanokatra ny lasàkany.

12 Ary nikaroka ny mpikarakara nanomboka tamin’ny zokiny indrindra, dia niafara tamin’ny zandriny indrindra, ka hita tao amin’ny lasàkan’i Benjamina ilay kôpy.

13 Notriarin’izy ireo ny fitafiany; natainginy tamin’ny ampondra ny entany, dia niverina nankany an-tanàna izy.

14 I Jodà sy ireo rahalahiny dia tonga tao an-tranon’i Josefa, fa mbola tao ihany izy, ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.

15 Dia hoy i Josefa taminy: «Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa ny lehilahy toa ahy izao dia hahavinany?»

16 Ary hoy ny navalin’i Jodà: «Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon’ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kôpy.»

17 Fa hoy i Josefa: «Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kôpiko no ho andevoko, fa ianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo.»

Fangatahan’i Jodà

18 Ary tamin’izay i Jodà nanatona an’i Josefa ka nanao hoe: «Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo lalana sy mpanomponao hiteny indraimbava eto anatrehan’ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin’i Faraôna ianao.

19 Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: ‹Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?›

20 Ary izao no navalinay ny tompoko: ‹Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.›

21 Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‹Ento midina aty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.›

22 Dia namaly ny tompoko izahay nanao hoe: ‹Tsy mahazo misaraka amin-drainy ilay zaza; fa raha ilaozan’izay ny rainy dia ho faty tokoa.›

23 Hoy ianao tamin’ny mpanomponao: ‹Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.›

24 Ka rehefa tafakatra tany amin’ikaky mpanomponao izahay, dia nambaranay azy ny tenin’ny tompoko.

25 Ary nony avy izay nilazan’ikaky taminay hoe: ‹Mandehana indray mividiana hanina kely ho antsika;›

26 dia izao no navalinay: ‹Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.›

27 Ka hoy ikaky mpanomponao taminay: ‹Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko;

28 ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: Tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandrak’androany.

29 Ary ity iray, raha alainareo koa, ka mahita loza any, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.›

30 Koa ankehitriny raha hiverina any amin’ny mpanomponao aho, any amin’ikaky, nefa tsy hiaraka aminay ny zaza, nefa nifaningotra aina amin’ny zaza izy;

31 raha vao hitany fa tsy eo ny zaza dia ho faty izy; izahay mpanomponao izany, no hampidina amin’alahelo ny volofotsin-drainay, mpanomponao, any amin’ny fonenan’ny maty.

32 Fa ny mpanomponao no efa niantoka ny zaza tamin’ikaky, nanao hoe: ‹Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, dia ho meloka amin’ny raiko mandrakizay aho.›

33 Koa mifona aminao aho, mba avelao re ny mpanomponao hisolo ny zaza ho andevon’ny tompoko; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ireo rahalahiny.

34 Hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zaza? Aza hitako anie izany alahelo hanjò an’ikaky izany!»

Categories
Jenezy

Jenezy 45

I Josefa mitònona anarana amin’ireo rahalahiny.

1 Dia tsy nahatsindry fo intsony i Josefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe: «Avoahy avokoa ny olona rehetra!» Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.

2 Nanandra-peo izy nitomany ka ren’ny Ejiptianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.

3 Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: «Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky?» Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.

4 Ary i Josefa nanao tamin’ny rahalahiny hoe: «Manatòna eto amiko ianareo,» dia nanatona izy, ka hoy izy: «Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho aty Ejipta.

5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho aty, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.

6 Fa efa roa taona izao no nisian’ny mosary amin’ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasàn-tany, na hijinjàna.

7 Ka nampandehanin’Andriamanitra aho hialoha anareo tsy ho lany tamingana amin’ny tany sy hampaharitra anareo ho amin’ny fanavotana lehibe.

8 Koa amin’izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain’i Faraônasy ho tompon’ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.

9 Koa miakara faingana ianareo any amin’ikaky ka lazao aminy hoe: ‹Izao no teny nataon’i Josefa zanakao: Natsangan’Andriamanitra ho tompon’i Ejipta manontolo aho, ka midìna ho aty amiko ianao ary aza ela.

10 Fa honina eo amin’ny tany Gesena ianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra.

11 Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan’ny fahoriana ianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra.›

12 Indro mahita maso ianareo izao, mahita maso koa i Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo.

13 Koa tantarao amin’ikaky ny voninahitro rehetra aty Ejipta sy izay rehetra efa hitanareo; ary ataovy izay hidinan’ikaky faingana ho aty.»

14 Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary i Benjamina nitomany teo amin’ny vozony.

15 Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.

Fiantsoan’i Faraôna

16 Niely ny teny tao an-tranon’i Faraôna fa hoe: «Tonga ny rahalahin’i Josefa, ary samy faly amin’izany i Faraôna sy ny mpanompony.»

17 Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Lazao amin’ny rahalahinao hoe: ‹Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana hoentin’ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ny tany Kanaana.›

18 Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin’ny tany Ejipta ianareo, ary hihinana ny menaky ny tany.

19 Omeko fahefana ianao hilaza aminy hoe: ‹Izao no hataonareo: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa aty.

20 Aza apitrapitra amin’alahelo ny masonareo hijery ny zavatra ilaozanareo, fa izay tsara indrindra aty amin’ny tany Ejipta manontolo no hatolotro anareo hanarananareo fo.› »

Ny niverenana tany Kanaana

21 Dia nataon’ny zanak’i Israely izany. Nomen’i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin’i Faraôna, ary vatsy koa hohaniny eny an-dalana.

22 Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.

23 Ary i rainy kosa nampitondrany ampondra lahy folo, nitondra tamin’izay vokatr’i Ejipta tsara indrindra; ampondra vavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dalana.

24 Dia nalefany ny rahalahiny ka niainga izy ireo, ary hoy izy tamin’izy ireo: «Aza mifanditra eny an-dalana ianareo».

25 Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin’i Jakôba rainy, any amin’ny tany Kanaana.

26 Hoy izy taminy: «Mbola velona i Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta». Fa tsy nihontsina akory ny fon’i Jakôba, satria tsy nino azy ireo izy.

27 Koa nambaran’izy ireo azy ny teny rehetra nolazain’i Josefa. Rehefa hitany ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terỳ ny fanahin’i Jakôba rainy.

28 Ka hoy i Israely: «Aoka, fa mbola velona i Josefa zanako, ka handeha aho hahita azy dieny mbola tsy maty.»

Categories
Jenezy

Jenezy 46

Ny nandehanan’i Jakôba tany Ejipta

1 Dia niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin’ny Andriamanitr’i Isaaka rainy.

2 Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe: «Ry Jakôba! Ry Jakôba!» Ka hoy ny navalin’i Israely: «Inty aho.»

3 Dia hoy Andriamanitra: «Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.»

4 Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.

5 Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vadiny aman-janany, teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.

6 Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany noharîny tany amin’ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra.

7 Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.

Fianakavian’i Jakôba

8 Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Israely tonga tany Ejipta. I Jakôba sy ny zanany lahy:

9 Robena, lahimatoan’i Jakôba. Zanak-dRobena: i Henoka, i Falo, i Hersona ary i Karmì.

10 Zanak’i Simeôna: I Jamoela, i Jamina, i Ahoda, i Jasîhna, i Sôhara ary i Saola, zanak’ilay vehivavy Kananeanina.

11 Zanak’i Levi: i Jersôna, i Kaata ary i Merarì.

12 Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.

13 Zanak’i Isakara: i Tola, i Foa, i Joba, ary i Semrôna.

14 Zanak’i Zabolôna: i Sareda, i Elôna, ary i Jahelela.

15 Ireo no zanakalahin’i Lià, naterany tamin’i Jakôba tany Padan-Arama, ary i Dinà no zanany vavy. Telo amby telopolo no isan’ny zanany lahy rehetra mbamin’ny zanany vavy.

16 Zanak’i Gada: i Sefiôna, i Hagy, i Soni, i Esbôna, i Hery, i Arôdy ary i Arely.

17 Zanak’i Asera; i Jamne, i Jesoà, i Jesoỳ, i Berià, ary i Sarà anabavin’ireo. Ny zanak’i Beria dia i Hebera sy i Melkiela.

18 Ireo no zanaka lahin’i Zelfah, ankizy vavy nomen’i Labàna an’i Lià, zanany vavy, ireo no naterany tamin’i Jakôba. Enina ambin’ny folo izy.

19 Zana-dRasela vadin’i Jakôba: i Josefa sy i Benjamina. Ny zanak’i Josefa tany amin’ny tany Ejipta,

20 izay naterak’i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona ao Ona, dia i Manase sy i Efraima.

21 Zanak’i Benjamina: i Bela, i Bokora, i Asbela, i Jerà, i Naamàna, i Esỳ, i Rôsa, i Mofima, i Ofima, ary i Areda.

22 Ireo no zanakalahin-dRasela naterany tamin’i Jakôba. Efatra ambin’ny folo izy rehetra.

23 Zanak’i Dana: i Hosima.

24 Zanak’i Neftalì: i Jasiela, i Gony, i Jesera ary i Salema.

25 Ireo no zanaka lahin’i Balà, ilay nomen’i Labàna an-dRasela zanany vavy, ireo no naterany tamin’i Jakôba. Fito izy rehetra.

26 Ny isan’izy rehetra niaraka tamin’i Jakôba nankany Ejipta, afa-tsy ny vadin-janany lahy, fa ny naloaky ny kibony ihany, dia enina amby enimpolo.

27 Ny zanak’i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ary ny tontalin’ny ankohonan’i Jakôba rehetra tonga tany Ejipta dia fitopolo.

Fandraisan’i Josefa

28 Dia nalefan’i Jakôba i Jodà, hialoha azy ho any amin’i Josefa, hanomana ny hahatongavany any Gesena. Rehefa tonga tany Gesena i Jakôba sy ny ankohonany,

29 dia nampamboatra ny kalesiny i Josefa ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin’ny vozony.

30 Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin’izao, fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany ianao.»

31 Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: «Handeha hampandre an’i Faraôna aho, ary izao no holazaiko aminy: ‹Tonga aty amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan’ikaky, izay tany amin’ny tany Kanaana.

32 Olona mpiandry ondry izy ireo, fa biby fiompy no fananany, ary efa nentiny avokoa ny ondry sy ny ombiny ary ny fananany rehetra.›

33 Koa raha antsoin’i Faraôna ianareo, sy anontaniany hoe: ‹Inona no raharahanareo?›

34 Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»

Categories
Jenezy

Jenezy 47

Ny nandraisan’i Faraôna an’i Jakôba

1 Dia nankany amin’i Faraôna i Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: «Tonga avy any amin’ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin’ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin’ny tany Gesena.»

2 Ary nitondra dimy lahy tamin’ireo rahalahiny izy ho eo anatrehan’i Faraôna.

3 Ka hoy i Faraôna tamin’ireo: «Inona no raharahanareo?» Ka hoy ireo tamin’i Faraôna: «Mpiandry ondry toy ny razanay ihany koa, izahay mpanomponao.»

4 Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»

5 Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Tonga aty aminao ireto ny rainao sy ny rahalahinao; koa indro eo anoloanao ny tany Ejipta; amponeno amin’izay tany tsara indrindra ny rainao sy ny rahalahinao.

6 Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»

Fitantarana hafa

7 Nampanalain’i Josefa i Jakôba rainy, ka nasehony an’i Faraôna; dia nisaotra an’i Faraôna i Jakôba.

8 Ary hoy i Faraôna tamin’i Jakôba: «Firy taona ny andro niainanao?»

9 Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»

10 Dia nisaotra an’i Faraôna indray i Jakôba, dia lasa niala teo anatrehany.

11 Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny i Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin’ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin’ny tany, ao amin’ny faritanin’i Ramsesa, araka ny teny nomen’i Faraôna azy.

12 Ary i Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy.

13 Dia tsy nisy hanina intsony tamin’ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon’ny mosary.

14 Lasan’i Josefa tamin’ny vidim-bary novidin’ny olona avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon’i Faraôna izany vola izany.

15 Nony lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, dia nankany amin’i Josefa ny Ejiptianina rehetra nanao hoe: «Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay!»

16 Ary hoy i Josefa: «Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo.»

17 Dia nentiny nankany amin’i Josefa ny biby fiompiny, ary nomen’i Josefa hanina izy ho takalon’ny soavaliny, sy ny andian’ondry aman’ombiny ary ny ampondrany. Nomeny hanina izy tamin’izany taona izany ho takalon’ny biby fiompiny rehetra.

Fandaminan’i Josefa ny fananan-tany

18 Nony tapitra izany taona izany, dia nankeo amin’i Josefa indray izy ireo, tamin’ny taona manaraka, nanao taminy hoe: «Tsy hafeninay amin’ny tompoko, fa ny vola efa lany, ny andiam-biby fiompy efa lasan’ny tompoko avokoa; ny tenabenay sy ny taninay sisa eto imason’ny tompoko.

19 Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’i Faraôna izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.»

20 Dia lasan’i Josefa ho an’i Faraôna ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejiptianina samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, hany ka tonga fananan’i Faraôna ny tany.

21 Dia nafindrany ny vahoaka ho any amin’ny tanàna eran’ny tany Ejipta rehetra.

22 Ny tanin’ny mpisorona no hany sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin’i Faraôna ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen’i Faraôna azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny.

23 Dia hoy i Josefa tamin’ny vahoaka: «Voavidiko androany ho an’i Faraôna ianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany.

24 Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»

25 Ka hoy ny olona: «Ianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason’itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon’i Faraôna izahay.»

26 Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.

Fara hafatr’i Jakôba

27 Nonina tany Ejipta amin’ny tany Gesena i Israely ka nahazo fananana tany izy ireo, ary nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra.

28 Fito ambin’ny folo taona no andro niainan’i Jakôba tany amin’ny tany Ejipta. Ary fito amby efapolo amby zato taona ny andro niainany rehetra.

29 Nony efa akaiky ny fara andron’i Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho masìna ianao, ataovy ato ambany feko ny tananao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina aty Ejipta aho,

30 fa raha avy izay hodiako mandry any amin’ny razako, ento miala aty Ejipta aho, ka aleveno any amin’ny fasan’izy ireo.» Dia hoy ny navalin’i Josefa: «Eny, hotanterahiko ny teninao.»

31 Ary hoy i Jakôba: «Mianiàna àry amiko.» Dia nianiana taminy i Josefa ka niankohoka i Israely teo an-doha farafara.

Categories
Jenezy

Jenezy 48

Raisin’i Jakôba sy tsofiny rano ireo zanak’i Josefa roa lahy

1 Taorian’izany nisy tonga nilaza tamin’i Josefa hoe: «Indro marary i rainao.» Nentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima zanany mirahalahy.

2 Dia nilazana i Jakôba natao hoe: «Indro tamy i Josefa zanakao, ho aty aminao.» Ka naka hery i Israely niarina teo ambony farafarany.

3 Ary hoy i Jakôba tamin’i Josefa:

4 «Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia efa niseho tamiko tany Loza, any amin’ny tany Kanaana ary nitso-drano ahy, nanao hoe: ‹Hahamaro anaka anao, hampitombo anao Aho, hahatonga anao ho firenena maro Aho, ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity, hananany azy mandrakizay.›

5 Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatỳ Ejipta, talohan’ny nahatongavako aty aminao teto Ejipta, dia ho ahy; ho ahy, tahaka an-dRobena sy i Simeôna koa i Efraima sy i Manase,

6 fa ny zanakao izay naterakao taorian’ireo dia ho anao; ary amin’ny anaran’ireo rahalahiny ihany no hiantsoana azy raha ny amin’ny anjara lovany.

7 Ary izaho fony niverina avy any Padàna dia maty teo anatrehako teny an-dalana i Rasela tany amin’ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an’i Efratà, ka dia naleviko teo, amin’ny lalana mankany Efratà, dia Betlehema izany.»

8 Nony nahita iretsy zanak’i Josefa i Israely dia nanontany hoe: «Iza moa ireto?»

9 Ka hoy i Josefa tamin-drainy: «Ireo no zanako nomen’Andriamanitra ahy tatỳ» Ary hoy izy: «Mba ampandrosoy kely ho eto anilako izy, hotsofiko rano.»

10 Fa efa nanjavona ny mason’i Israely noho ny fahanterana, ka tsy nahita. Dia nampandrosoin’i Josefa nankeo anilany ireo, ka sady nanoroka no namihina azy i Israely.

11 Ary hoy i Israely tamin’i Josefa hoe: «Tsy nanampò hahita tava anao intsony aho, kanjo indro ataon’Andriamanitra mahita ny taranakao aza.»

12 Nesorin’i Josefa hiala teo anelanelan’ny lohali-drainy aloha izy mirahalahy, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy;

13 dia noraisin’i Josefa izy mirahalahy, i Efraima tamin’ny ankavanany, ho eo ankavian’i Israely; ary i Manase tamin’ny ankaviany, ho eo ankavanan’i Israely, dia nampandrosoiny izy ireo.

14 Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny.

15 Dia nitso-drano an’i Josefa izy, ka nanao hoe: «Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan’i Abrahama sy i Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak’ankehitriny,

16 ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin’ny loza rehetra, hitso-drano an’ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin’ny anarako, sy amin’ny anaran’i Abrahama sy i Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin’ny tany.»

17 Nony hitan’i Josefa fa napetra-drainy tamin’ny lohan’i Efraima ny tanany havanana, dia tsy sitrany izany, ka nalainy ny tanan-drainy hesoriny eo ambonin’ny lohan’i Efraima hatao eo amin’ny an’i Manase.

18 Ary hoy i Josefa tamin-drainy: «Tsy izao no izy, ry ikaky, fa ity no lahy matoa ka apetraho eo amin’ny lohany ny tananao havanana.»

19 Tsy nety anefa i rainy fa hoy izy: «Fantatro ihany anaka. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany.»

20 Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: «Aminao no hitsofan’i Israely rano, hoe: ‹Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy i Manase anie ianao.› » Toy izany no nanaovany an’i Efraima ho alohan’i Manase.

21 Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.

22 Ary omeko ho tombon-dahinao amin’ireo rahalahinao ny zaratany anankiray, izay nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako, teo an-tanan’ny Amôreana.»

Categories
Jenezy

Jenezy 49

Tso-dranon’i Jakôba

1 Ary i Jakôba namory ny zanany lahy, ka nanao taminy hoe: «Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo izay ho tonga aminareo any an-parany any:

2 Mivoria, ry zanaka lahin’i Jakôba, ka mihainoa:

Mihainoa an’i Israely rainareo.

3 I Robena ô, ianao lahimatoako.

Heriko sy voalohan-teraky ny tanjako,

ka manan-tombom-boninahitra, manan-tombom-pahefana,

4 nandroadroatra toy ny rano ianao, ka tsy hanana ny fiamboniana!

Fa niakatra tamin’ny fandrian-drainao ianao,

Ka nandoto ny fandriako tamin’ny niakaranao tao.

5 I Simeôna sy i Levydia mpirahalahy,

Fiadiana enti-manao an-kery ny sabany.

6 Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko,

Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy,

ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.

7 Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany;

ary koa ny fahavinirany, fa loza izany.

Hizarazara azy amin’i Jakôba aho,

ary hampihahaka azy amin’i Israely.

8 Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao;

ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao;

ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.

9 Liona tanora i Jodà:

Niakatra avy nandripaka ianao, anaka;

Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona,

Fandrin-diom-bavy, zovy no hanaitra azy?

10 Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana,

tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana,

mandra-piavin’i Silô:

Izy no hotoavin’ny firenena.

11 Mamatotra ny zanak’ampondrany amin’ny voaloboka izy

ary ny zanak’ampondravaviny amin’ny tahom-boaloboka.

Sasàny amin’ny divay ny fitafiany,

ary amin’ny ran’ny voaloboka ny kapaotiny.

12 Mena ny masony azon’ny divay,

Ary fotsy ny nifiny azon’ny ronono.

13 I Zabolôna monina amoron-dranomasina,

Dia eo amoron’ny fitodian-tsambo,

Mifanolotra amin’i Sidona ny sisin-taniny.

14 I Isakara dia ampondra tomady,

Mandry eo anatin’ny valany;

15 Hitany fa tsara ny fialan-tsasatra,

sady mahafinaritra ny tany,

Dia nahilany hitondra entana ny sorony,

ka tonga mpanompo mandoa hetra izy.

16 I Dana dia mitsara ny olony,

tahaka ny hafa rehetra amin’ny fokon’i Israely.

17 Bibilava eo an-dalana i Dana,

menarana eo an-tsakeli-dalana izy;

kaikeriny ny kitrokelin-tsoavaly,

Mba hitatàvoka mitsilany ny mpitaingina azy,

18 Ny famonjena no antenaiko, ry Iaveh!

19 I Gada dia poritin’andian’olona mitam-piadiana;

Nefa mba poritiny amin’ny ombalahin-tongony koa indray ireny.

20 I Asera no iavian’ny hanina matsiro,

izy no mamonona ny hanim-py ho an’ny mpanjaka.

21 I Neftalì dia serfa vavy mikarenjy;

mamoaka teny mahafinaritra izy.

22 I Josefa no solofon-kazo mahavokatra,

solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy;

Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany.

23 Mihaika azy ny mpandefa zana-tsipîka,

Mandefa zana-tsipîka aminy sy mamely azy,

24 Mateza hery anefa ny tsipîkany.

Tonga mailaka ny sandry aman-tanany,

avy amin’ny tanan’ilay maherin’i Jakôba,

ilay Mpiandry sy Vatolampin’i Israely.

25 Avy any amin’ny Andriamanitry ny rainao

– hitahy anao anie Izy!

Sy avy any amin’ilay mahefa ny zavatra rehetra

– hanisy soa anao anie Izy!

no hahazoanao ny tso-drano avy amin’ny lanitra ambony,

ny tso-drano avy amin’ny hantsana lalina ambany

ny tso-drano avy amin’ny nono aman-kibon-dreny,

26 ny tso-dranon-drainao mihoatra

Ny tso-dranon’ny tendrombohitra fahagola,

sy ny hatsaran-tarehin’ny havoana mandrakizay.

Ho eo an-dohan’i Josefa anie izany,

dia ho eo an-kandrin’ilay andrian’ny rahalahiny!

27 I Benjamina dia amboadia mamiravira;

maraina izy homan-dremby,

hariva izy mizara babo.»

28 Ireo rehetra ireo no niavian’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely; toy izany no nolazain-drainy taminy sy nitsofany rano azy. Notsofiny rano samy araka ny tso-dranony manokana avy izy.

Ny niafaran’ny fiainan’i Jakôba sy ny nahafatesany

29 Raha efa izany, izao no hafatra napetrany tamin’izy ireo: «Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako, anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna Heteanina,

30 anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana: dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Hetenianina, hananany fasana ho azy.

31 Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an’i Lià.

32 Tamin’ny taranak’i Heta, no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.»

33 Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.

Categories
Jenezy

Jenezy 50

Ny nandevenana an’i Jakôba

1 Nihohofan’i Josefa tamin’ny tavany ity rainy, ka nitomany teo aminy izy no nanoroka azy.

2 Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.

3 Efapolo andro no nanaovan’ireo an’izany, fa izany no fetr’andro fanosoram-paty. Ary fitopolo andro no nisaonan’ny Ejiptianina azy.

4 Nony tapitra ny andro nisaonany azy, dia niteny i Josefa tamin’ny olona ao an-tranon’i Faraôna nanao hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonareo koa aho, dia mba lazao kely ho henon’i Faraôna izao:

5 Nasain’ikaky nianiana aho, nataony hoe: ‹Indro ho faty aho, ka any amin’ny fasana nohadiko ho ahy any amin’ny tany Kanaana no handevenanao ahy›. Ka mba te hiakatra any aho handevina ny raiko ary mbola hiverina indray.»

6 Ary hoy ny navalin’i Faraôna: «Miakara àry, aleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao.»

7 Dia niakatra handevina an-drainy i Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon’i Faraôna rehetra, ny loholona tao an-tranony, ny loholona rehetra tamin’ny tany Ejipta,

8 ny ankohonan’i Josefa rehetra, ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy. Ny ankizy madinika sy ny ondry ary ny omby ihany no sisa najanony teo amin’ny tany Gesena.

9 Nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro koa, niara-niakatra taminy, ka dia be ny mpanotrona.

10 Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.

11 Nony nahita izany fisaonana tao am-pamoloan’i Atada izany ny Kananeanina tompon-tany dia hoy izy: «Endrey izany fisaonana lehibe amin’ny Ejiptianina!» Izany no nanaovana ny anaran’io fitoerana andafin’i Jordany io hoe: Abela Mitsraîma.

12 Koa dia nataon’ireo zanak’i Jakôba taminy àry izay nandidiany azy.

13 Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.

14 Nony vita levenana i rainy dia niverina ho any Ejipta i Josefa mbamin’ny rahalahiny, sy izay rehetra niara-niakatra taminy handevina an-drainy.

Hatramin’ny nahafatesan’i Jakôba ka hatramin’ny nahafatesan’i Josefa

15 Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Josefa fa maty i rainy dia hoy izy: «Sao dia anaovan’i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.»

16 Koa nampilaza tamin’i Josefa izy nanao hoe: «Nanafatra i rainao talohan’ny nahafatesany,

17 nanao hoe: ‹Izao no holazainareo amin’i Josefa: Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.› » Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.

18 Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe: «Mpanomponao izahay.»

19 Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: «Aoka tsy hanan-tahotra ianareo; fa moa solon’Andriamanitra va aho?

20 Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.

21 Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.

22 Ka dia nonina tany Ejipta i Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany.

23 Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.

24 Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»

25 Dia nasain’i Josefa nianiana koa ireo zanak’i Israely, nataony hoe: «Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atỳ ny taolako.»

26 Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta.