Categories
Jeremia

Jeremia 11

I Jeremia sy ny teny fanekem-pihavanana

1 Ny teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia toy izao:

2 Mihainoa ny teny amin’izao fanekena izao, ianareo;

ary mitenena amin’ny olona any Jodà,

sy amin’ny mponina ao Jerosalema,

3 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh,

Andriamanitr’i Israely:

«Ho voaozona ny olona tsy mihaino

ny tenin’ity fanekena ity,

4 izay nandidiako ny razanareo,

tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe:

Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany,

araka izay rehetra andidiako anareo,

dia ianareo ho oloko,

ary izaho ho Andriamanitrareo;

5 mba hanatanterahako ny fianianana,

nataoko tamin’ny razanareo,

dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely,

araka izao hita izao.»

Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»

6 Dia hoy i Iaveh tamiko:

«Torio any an-tanànan’i Jodà sy eny an-dalamben’i Jerosalema

izany teny rehetra izany ka ataovy hoe:

Henoy ny teny amin’ity fanekena ity,

ka tanteraho amin’ny asa izany.

7 Fa ny razanareo efa nanariko mafy;

hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

ka mandraka androany;

tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo Aho nanao hoe:

Henoy ny feoko!

8 Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina;

fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny;

ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity,

izay nandidiako azy hotandremany;

nefa tsy notandremany.»

9 Hoy i Iaveh tamiko:

«Nisy firaisan-tetika hikomytao amin’ny olon’i Jodà,

sy amin’ny mponin’i Jerosalema.

10 Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany,

izay nandà tsy hihaino ny teniko;

ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny.

Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany,

ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»

11 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh:

«Indro Aho hahatonga loza aminy,

tsy ho azony idifiana.

Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.

12 Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema

hiantso an’ireo andriamanitra

nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory,

amin’ny andron’ny fahoriany.

13 Fa araka ny isan’ny tanànanao,

no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà;

ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema,

no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka,

dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.

14 Ary ianao, aza mifona ho an’ity firenena ity,

na manandra-pitarainana amam-bavaka ho azy;

fa tsy hihaino azy akory Aho,

raha avy izay hitarainany Amiko,

amin’ny andron’ny fahoriany.

Faniniana an’ireo mpankao amin’ny Tempoly

15 Inona no hataon’ny malalako ao an-tranoko?

Fihatsarambelatsihy va?

Moa va ny voady aman-kena masina,

hahafaka anao amin’ny loza manindry anao,

no mety mirobiroby amin’ny firavoravoana ianao?

16 Fototr’ôliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy,

no anarana nomen’i Iaveh anao.

Ary tamin’ny horakoraka be,

no nandrehetany afo taminy,

ka tapaka ny rantsany.

17 I Iavehn’ny tafika izay namboly anao,

no nandidy ny loza hanjò anao.

Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà,

izay nataony hihatsy ny hatezerako,

tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»

I Jeremia enjehina ao Anatôta

18 Nampahalalain’i Iaveh aho, ka nahalala;…

nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!

19 Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika

entin’ny olona hovonoina,

ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:

«Fongory mbamin’ny voany ny hazo!

Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy

ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»

20 Mitsara ara-drariny anefa i Iavehn’ny tafika;

mamantatra ny voasy ny fo Izy.

Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,

fa ianao no efa nanankinako ny adiko.

21 Ka dia izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’ireo olona ao Anatôta,

izay mitady ny ainao, sy manao hoe:

Aza maminany amin’ny Anaran’i Iaveh,

raha tsy te ho fatin’ny tananay ianao!

22 Noho izany izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

«Indro aho hamay azy ireo,

ny zatovo, ho fatin’ny sabatra;

ny zanany lahy aman-janany vavy, ho fati-mosary;

ary tsy hisy miangana aminy;

23 fa hahatonga loza amin’ny olona ao Anatôta Aho,

amin’ny taona hamangiako azy.»

Categories
Jeremia

Jeremia 12

Ny hasambaran’ny ratsy fanahy

1 Marina Ianao, ry Iaveh ô,

ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho;

fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny:

Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy?

Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?

2 Ambolenao izy, dia latsa-paka,

mitombo, mamoa;

akaiky ny vavany ianao,

fa lavitra ny fony.

3 Ary Ianao, ry Iaveh, mahalala ahy, mahita ahy,

sady mizaha ny toetry ny foko ny aminao.

Alao hoatra ny ondry entina hovonoina ireny,

ary atokàny ho amin’ny andro famonoana.

4 Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany,

sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra?

Noho ny haratsian’izay monina eo

dia maty avokoa ny biby amam-borona,

fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»

5 Raha ny mandeha tongotra,

iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao;

hataonao ahoana no fifaninanana amin’ny an-tsoavaly?

Raha ny tany nandry feizay no hany anananao toky,

hanao ahoana ianao, raha sehatra ny liona eny amoron’i Jordany?

6 Fa na rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza,

mamadika anao;

ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao;

aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.

Tarainan’i Iaveh fa voaroba ny lovany

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako;

izay tiako dia natolotro

ho eo an-tanan’ny fahavaloko.

8 Zary toa liona an’ala ho ahy ny lovako,

nanandra-peo manerona ahy izy,

ka tonga halako.

9 Papango sadasada va ity lovako,

ka ifandafaran’ny papango avy hatraiza hatraiza?

Avia ianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha,

ka ento ireny hihinana!

10 Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanimboaloboko,

nanosihosy ny taniko,

nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao.

11 Nataony rava izany,

ka indro fa lao dia misaona eo anatrehako;

simba avokoa ny tany,

satria tsy misy mandatsaka izany am-po.

12 Ny havoana rehetra any an’efitra

dia ahatongavan’ny mpandrava avokoa,

fa i Iaveh manan-tsabatra mandevona

amin’ny tany rehetra hatraiza hatraiza;

tsy misy famonjena ho an’ny noforehetra na iza na iza.

13 Vary no nafafiny, fa tsilo no jinjainy;

nandany ny herim-pony, fa aim-bery foana izany.

Menàra amin’ny vokatra azonareo;

avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh izany.

Fitsarana sy famonjena an’ireo firenena

14 Izao no lazain’i Iaveh amin’ireo ratsy fanahy rehetra mifanolotra amiko,

izay mandramatra ny lova nomeko an’i Israely vahoakako:

«Indro hongotako hiala amin’ny taniny izy ireo;

ary hongotako hiala amin’izy ireo koa ny taranak’i Jodà.

15 Saingy rehefa voaongotro,

dia hiantrako indray izy ireo.

Ka samy hoentiko ho any amin’ny lovany,

samy ho any amin’ny taniny avy.

16 Ary raha mianatra ny lalan’ny vahoakako izy,

ka amin’ny Anarako no hianianany hoe: Velona i Iaveh!

toy ny nampianarany ny vahoakako hianiana amin’ny anaran’i Baala,

dia voaorina eo amin’ny vahoakako izy.

17 Fa raha tsy mihaino kosa, dia hongotako izany firenena izany,

hongotako sy haringako izy,» – teny marin’i Iaveh. –

Categories
Jeremia

Jeremia 13

Ilay fehikibo tao Eofrata

1 Izao no lazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony madinikaho anao; ka ataovy amin’ny tehezanaofa aza atao anaty rano.»

2 Dia nividy ny fehikibo araka ny tenin’i Iaveh aho, ka nataoko tamin’ny tehezako.

3 Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

4 «Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin’ny tehezanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.»

5 Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron’i Eofrata izy, araka ny nandidian’i Iaveh ahy.

6 Nony afaka andro maro be, dia hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna ianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.»

7 Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehikibo teo amin’ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indro, simbatsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehikibo.

8 Ary tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

9 Izao no lazain’i Iaveh:

«Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà,

sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.

10 Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko,

fa mandeha amin’ny ditran’ny fony,

sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy,

dia ho tahaka ity fehikibo

tsy azo atao na inona na inona intsony ity.

11 Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny tehezan’ny olona,

no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra

sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko, – teny marin’i Iaveh, –

mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo

mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra,

nefa tsy nihaino Ahy izy.»

Siny feno divay nifandona

12 Lazao azy ireo izao teny izao:

Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely:

«Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.»

Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va,

fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»

13 Ary ianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh:

«Indro hofenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin’ity tany ity,

mbamin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

ny mpisorona ama-mpaminany,

ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.

14 Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo,

dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, – teny marin’i Iaveh; –

tsy hotsitsiko, tsy hananako antra,

tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»

Sesitany atahorana ho avy

15 Mihainoa, ary atongilano ny sofinareo, aza miavonavona,

fa miteny i Iaveh.

16 Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo,

dieny tsy mbola tonga ny haizina,

dieny tsy mbola mipoka

amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo,

dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana

ny mazava andrasanareo,

ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.

17 Raha tsy mihaino izany ianareo,

dia hitomany mangingina ny fanahiko

noho ny fiavonavonanareo;

hamarin-dranomaso mangidy ny masoko,

hanao ranomaso havozona aho,

satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.

Fanambanana an’i Jôakima

18 Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe:

Mipetraha ianareo amin’ny tany,

fa nianjera avy eny an-dohanareo

ny satroboninahitrareo.

19 Ny tanàna amin’ny tany atsimo, voahidy

ary tsy misy mpamoha azy;

i Jodà manontolo lasan-ko babo;

ka tanteraka indrindra ny famaboana.

Fananarana an’i Jôakima

20 Atopazo ny masonao, ka jereo irerỳ avy avaratra:

Nankaiza ny andian’ondry nomena anao,

dia ireo ondry voninahitrareo?

21 Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao

ireo nampianarinao hamely anao – ireo mpifankazatra aminao!

Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana,

toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?

22 Raha tahiny ianao manao anakampo hoe:

Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?…

Dia ny haben’ny helokao,

no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao,

sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.

23 Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina,

hahova ny sorany va ny leoparda?

Ary ianareo va hety hanao ny tsara?

24 Haeliko hoatra ny mololo

indaosin’ny rivotra mifofofofo avy any an’efitra izy ireo.

25 Izany no anjaranao,

anjara voalanjako, ho anao, – teny marin’i Iaveh, –

satria ianao nanadino Ahy,

sy nitoky tamin’ny lainga.

26 Ary Izaho kosa dia hanainga ho eny amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao,

hahitan’ny olona ny mahafa-baraka anao.

27 Ny fijangajanganao, ny fanenonao,

ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta,

eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny,

ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa.

Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao,

ka mbola haharitra mandra-pahovianaizany?

Categories
Jeremia

Jeremia 14

Hain-tany lehibe

1 Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, ny amin’ny fahamainan’ny tany.

2 «Misaona i Jodà,

miferinaina ny vavahadiny,

mandry amin’ny tany izy efa rera-po,

ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.

3 Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika,

dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo,

fa tsy mahita rano;

ka miverina mitondra siny foana;

menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.

4 Noho ny tany vaky hentana,

azon’ny tsy fisian’ny orana amin’ny tany,

dia mangaihay ny mpiasa, ka misaron-doha.

5 Ny serfa vavy any an-tsaha aza,

aterany ny zanany dia ilaozany,

noho ny tsy fisian’ny ahitra.

6 Ny ampondra dia, mijanona eny amin’ny havoana,

manambolo rivotra hoatra ny amboadia;

manjambena ny masony,

noho ny tsy fisian’ny zava-maitso.»

7 Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay,

aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao;

fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.

8 Ianao ilay fanantenan’i Israely,

sy mpanafaka azy amin’ny andro fahoriana,

nahoana no dia tahaka ny vahiny amin’ny tany,

sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin’ny alina?

9 Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra,

tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka?

Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh;

ny Anaranao no antsoina hiaro anay;

aza dia ilaozanao izahay! –

10 Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity:

«Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany,

ka tsy mahatana ny tongony izy.

Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh;

dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony

ary hovaliany ny fahotany.»

11 Dia hoy i Iaveh tamiko:

«Aza mangataka ho an’ity vahoaka ity.

12 Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoikony fitarainany,

rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy,

tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy

amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»

13 Ka hoy aho namaly: «Indrisy, ry Iaveh Tompo ô,

indreto ny mpaminany milaza amin’izy ireo hoe:

Tsy hahita sabatra ianareo,

ny mosary tsy hisy,

fa homeko fiadanana azo antoka tsara

amin’ity fiainana ity!»

14 Dia hoy i Iaveh tamiko:

«Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany;

fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy;

na niteny taminy.

Fahitana mandainga, vinany foana,

ary fitaky ny fony,

izany no faminaniany aminareo.»

15 Koa izao no lazain’i Iaveh:

«Ny amin’ireo mpaminany, maminany amin’ny Anarako ireo,

izay tsy nirahiko,

ka milaza hoe:

Tsy hisy sabatra na mosary amin’ity tany ity!

dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana

ireo mpaminany ireo!

16 Ny olona aminaniany koa:

hatsipy eny an-dalamben’i Jerosalema,

fa matin’ny mosary sy ny sabatra

ka tsy hisy olona handevina azy,

na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanany lahy aman-janany vavy,

fa harotsako amin’izy ireo ny haratsiany.

17 Ary lazao azy ireo izao teny izao:

Ny masoko handrotsa-dranomaso

andro aman’alina tsy tapaka,

fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako,

dia efa hiharan-doza lehibe,

sy fery mampanaintaina fatratra.

18 Raha mankany an-tsaha aho,

dia indreto olona voagorobaky ny sabatra;

raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary.

Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny

any amin’ny tany tsy fantany.

19 Dia narianao avokoa va i Jodà?

Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna?

Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay?

Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory.

Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.

20 Ry Iaveh ô, miaiky ny haratsianay izahay,

sy ny heloky ny razanay;

fa nanota taminao izahay.

21 Noho ny Anaranao, aza dia atao tsinontsinona,

aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao.

Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.

22 Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena?

sa ny lanitra no manome ny ranonorana?

Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray?

Koa Ianao no antenainay,

satria Ianao no manao izany rehetra izany.»

Categories
Jeremia

Jeremia 15

1 Fa izao no navalin’i Iaveh ahy:

«Na i Môizy sy i Samoelaaza no hitsangana eto anatrehako,

dia tsy hitodika ity firenena ity ny Fanahiko;

roahy hiala eo anatrehan’ny Tavako izy, ka aoka handeha!

2 Ary raha tahiny izy manao aminao hoe:

Ho aiza anefa izahay?

dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh:

Ny ho amin’ny fahafatesana, ho any amin’ny fahafatesana;

ny ho amin’ny sabatra, ho any amin’ny sabatra;

ny ho amin’ny mosary, ho any amin’ny mosary;

ny ho amin’ny fahababoana, ho any amin’ny fahababoana.

3 Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy,

– teny marin’i Iaveh –

dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira,

ny voromanidina, amam-bibin’ny tany,

hihinana sy handringana.

4 Hataoko zavatra maharikoriko

halan’ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy ireo

noho ny amin’i Manase, zanak’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà,

dia noho ny nataony tany Jerosalema.

Loza vokatry ny ady

5 Iza àry no hiantra anao, ry Jerosalema?

Zovy no higogogogo noho ny manjò anao?

Zovy no hivily lalana,

hanontany ny amin’ny toetranao?

6 Efa nakifikao Aho, – teny marin’i Iaveh, –

ka lasa nihemotra any ianao;

ka indro kosa Aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao,

fa efa sasatry ny mamindra fo Aho.

7 Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy;

hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako;

fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.

8 Ho maro ny mpitondratenany,

mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina.

Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho,

ao amin’ny renin’ny mpiady tanora

amin’ny mitataovovonana.

Hataoko mirotsaka aminy tampoka

ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.

9 Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito,

efa hiala aina izy;

milentika mbola antoandro ny masoandrony;

mangaihay sy safo-kenatra izy.

Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan’ny sabatra

eo anoloan’ny fahavalony, – teny marin’i Iaveh.

I Jeremia antsoina indray

10 Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy,

mba ho olona filàna ady

amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho.

Tsy mba nisambotra na inona na inona aho,

tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy,

nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»

11 Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao;

hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao,

amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.

12 Moa ny vy va, mahatapaka ny vy tavaratra sy ny varahina?

13 Hatolotro ho babomaimaim-poana ny rakitra amam-panananao,

noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin’ny faritaninao rehetra;

14 ary hafindrako miaraka amin’ny fahavalonao,

ho any amin’ny tany tsy fantatrao;

fa nisy afo nirehitra tamin’ny fahatezerako;

dia hirehitra eo amboninareo izy.»

15 Mahalala izany ianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho,

ary valio izay manenjika ahy.

Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy;

fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.

16 Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko;

zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko,

satria nantsoina tamiko ny Anaranao,

ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!

17 Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho,

mba hiaranako amin’ny firavoravoana;

fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho,

satria nofenoinao hatezerana.

18 Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako,

ary manaintaina ny feriko,

sady tsy mety sitrana?

Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao,

ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?

19 Koa izao no lazain’i Iaveh:

«Raha miverina amiko ianao, dia hampodiko indray;

hitsangananao eo anatrehan’ny Tavako;

ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao,

dia ho tahaka ny vavako;

ary izy ireo hiverina hanatona anao;

fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.

20 Hataoko manda varahina mafy

ho an’ity vahoaka ity ianao;

hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory;

satria homba anao Aho, hamonjy,

sy hanafaka anao, – teny marin’i Iaveh. –

21 Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho,

ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»

Categories
Jeremia

Jeremia 16

Atao famantarana, ny fiainan’ny mpaminany

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 «Aoka ianao tsy haka vady,

ary tsy hanana zanaka lahy na zanaka vavy,

amin’ity tany ity.»

3 Fa izao no tenin’i Iaveh:

«Ny amin’ny zanaka lahy aman-janaka vavy,

teraka amin’ity tany ity;

ny amin’ny reny miteraka azy,

sy ny amin’ny rainy miteraka azy,

amin’ity tany ity:

4 Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty;

tsy hitomaniana na halevina,

ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany.

Ho fatin’ny sabatra ama-mosary;

ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina

amam-bibin’ny tany.»

5 Satria izao no lazain’i Iaveh:

«Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana,

aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin’izy ireo;

fa ny fiadanako dia efa noesoriko

tamin’ity firenena ity, – teny marin’i Iaveh, –

noesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantràko.

6 Amin’ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa,

nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy;

tsy hisy hiteti-tena

na hibory noho ny aminy ny olona.

7 Ny olona tsy hizara aminy ny fahan-kanina amin’ny fisaonana,

ho fampiononana azy raha mana-maty;

ary tsy hampisotro azy ny kapoaka fampiononana

noho ny amin’ny ray na ny reny.

8 Aza mankeny amin’ny trano fanasana ianao,

mba hiara-mipetraka aminy,

hihinana sy hisotro.

9 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro hatsahatro amin’ity tany ity,

eo imasonareo sy amin’ny andronareo,

ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana,

ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.

10 Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity,

ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe:

‹Ahoana i Iaveh no mampandre anay mialoha

izany lozabe rehetra izany?

Inona no helokay, ary inona no fahotanay,

izay nataonay tamin’i Iaveh Andriamanitray?›

11 Dia izao no holazainao azy:

Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy,

– teny marin’i Iaveh; –

sy andriamani-kafa no narahin’ireny,

notompoiny, nivavahany;

fa Izaho nilaozany,

ny lalàko tsy notandremany.

12 Ianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza;

ka indro fa samy manaraka ny haratsian’ny fo ratsinareo ianareo,

mba tsy hihaino Ahy.

13 Ka hariako any ivelan’ity tany ity ianareo;

ho any amin’ny tany tsy fantatrareo,

na ianareo na ny razanareo;

ary ianareo hanompo ny andriamani-kafa

andro aman’alina;

fa tsy hamindra fo aminareo Aho.

Fiverenan’ireo vahoaka Israely tafaely

14 Noho izany indro avy ny andro,

– teny marin’i Iaveh, –

izay tsy hanaovana itsony hoe: Velona i Iaveh!

izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra

avy any amin’ny tany Ejipta;

15 fa hoe kosa: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely hiakatra

avy any amin’ny tany avaratra,

sy avy any amin’ny tany rehetra nandroahany azy.

Fa hampodiko amin’ny tany

efa nomeko ny razany izy.

Ambara ny fanafihana

16 Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany,

– teny marin’i Iaveh, – ka hanarato azy ireo izy.

Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho,

ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra

ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.

17 Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko,

ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany;

ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.

18 Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka

ny heloka amam-pahotany;

satria izy ireo nandoto ny taniko,

ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany

no namenoany ny lovako.»

Ny hibebahan’ny hafa firenena

19 Ry Iaveh, heriko ama-mandako,

sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana,

ho tonga aminao ny firenena maro,

avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe:

Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga,

sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!

20 Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an’ny tenany?

Tsy Andriamanitra akory anefa izany!

21 Koa indro hampahafantariko azy ireo

amin’ity indray maka ity,

hampahafantariko azy ireo ny tanako sy ny heriko

dia ho fantany fa i Iaveh no Anarako.

Categories
Jeremia

Jeremia 17

Helok’i Jodà ara-pivavahana

1 Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana

sy tamin’ny fantsika diamondra,

voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany,

sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.

2 Toy ny fahatsiaronyny zanany,

no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny,

eny akaikin’ny hazo maitso

sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.

3 Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka

hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao,

ny fitoeranao avo, noho ny fahotanao, teo amin’ny faritaninao rehetra.

4 Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany,

ny lovako nomeko anao;

hampanompoiko ny fahavalonao

any amin’ny tany tsy fantatrao ianao,

satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako,

ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.

Oha-teny fahendrena

5 Izao no lazain’i Iaveh:

«Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,

sy manao ny nofo ho sandriny,

ary miala amin’i Iaveh ny fony!

6 Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,

ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;

honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,

any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!

7 Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh,

sy manantena an’i Iaveh ho tokiny!

8 Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,

mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha;

tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro,

sady maitso ravina mandrakariva;

tsy manahy izay taona fahamainana izy,

ary tsy mitsahatra ny mamoa.

9 Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo,

sady simba: iza no hahalala azy?

10 Izaho Iaveh izay mandinika ny fo,

sy mamantatra ny voa;

ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany,

sy araka ny vokatry ny asany.

11 Tsipoy mikotrika izay atodiny,

toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny;

fa tsy maintsy mandao izany eny antenantenan’ny androny,

ary ho adala foana no hiafarany.»

Fitokiana ny Tempoly sy fitokiana an’i Iaveh

12 Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay,

fitoeran’ny tranonay masina,

13 fanantenan’i Israely, Iaveh ô,

ho menatra izay rehetra mahafoy anao!

Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko,

satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.

Vavaka hamaliana ny ataon’ny ratsy

14 Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana;

vonjeo aho, dia ho voavonjy;

fa Ianao no fiderako!

15 Indreo ry zareo manao amiko hoe:

Aiza izay tenin’i Iaveh? Aoka ho tonga izany!

16 Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao;

tsy mba naniry ny andron’ny loza, fantatrao izany;

ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan’ny tavanao.

17 Aoka tsy ho antom-pahaverezana ho ahy Ianao;

Ianao no aroko amin’ny andro fahoriana.

18 Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra;

fa izaho aoka tsy ho menatra.

Izy ireo no aoka hangovitra;

fa izaho aoka tsy hangovitra.

Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana,

ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.

Fankamasinana ny Sabata

19 Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana ianao mitsangàna eo am-bavahadin’ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan’ny mpanjakan’i Jodà; sy eo amin’ny vavahady rehetra ao Jerosalema;

20 ka lazao amin’izy ireo hoe:

‹Mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ianareo mpanjakan’i Jodà, sy ianareo Jodà rehetra,

mbamin’ireo rehetra mponina ao Jerosalema,

izay miditra amin’ireto vavahady ireto?› »

21 Izao no lazain’i Iaveh:

«Tandremo ny fanahinareo;

ka aza mitondra entana amin’ny andro sabata,

ary aza mampiditra izany amin’ny vavahadin’i Jerosalema.

22 Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin’ny andro sabata,

ary aza manao taozavatra akory;

hamasino ny andro sabata,

araka ny efa nandidiako ny razanareo.»

23 Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina;

fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino,

sy tsy handray ny fampianarana.

24 «Raha mety mihaino Ahy tsara ianareo,

– teny marin’i Iaveh, –

ka tsy mampiditra entana,

amin’ny vavahadin’ity tanàna ity, amin’ny andro sabata,

ary mankamasina ny andro sabata,

tsy manao na inona na inona amin’izany andro izany,

25 amin’izany dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanana ìty,

ny mpanjaka sy ny mpifehy,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

dia hiditra izy ireo mitaingina kalesy aman-tsoavaly,

izy sy ny mpifehy momba azy,

mbamin’ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema;

ary honenana mandrakizay ity tany ity.

26 Ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’i Jodà,

sy amin’ny manodidina any Jerosalema,

sy avy amin’ny tanànan’i Benjamina,

amin’ny Sefelà sy amin’ny tendrombohitra ary amin’i Negeba,

hitondra sorona dorana aman-tsorona,

fanatitra aman’emboka manitra,

hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Iaveh.

27 Fa raha tsy mihaino Ahy ianareo,

tsy mankamasina ny andro sabata,

mitondra entana na iray ihany aza,

raha miditra ny vavahadin’i Jerosalema

amin’ny andro sabata,

dia handrehitra afo eo am-bavahadin’ny tanàna Aho,

handevona ireo lapa ao Jerosalema,

ary tsy ho faty io afo io.»

Categories
Jeremia

Jeremia 18

I Jeremia ao amin’ilay mpanefy vilany tanimanga

1 Ny teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, toy izao:

2 «Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefytanimanga, ary any Aho hampandre anao ny Teniko.»

3 Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.

4 Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

5 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh toy izao:

6 «Moa aho tsy mahazo manao aminareo,

toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely?

– teny marin’i Iaveh. –

Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy,

ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.

7 Matetika Aho miteny ny amin’ny firenena iray,

ny amin’ny fanjakana iray

hoe: hongotana, hazera, horavana.

8 Nefa kosa raha ny firenena nolazaiko hasiana,

mba miverina miala amin’ny haratsiany,

dia hanenenakony loza nokasaiko hamelezana azy.

9 Matetika Aho miteny amin’ny firenena iray,

na amin’ny fanjakana iray,

hoe: haorina sy hambolena.

10 Kanjo raha manao izay ratsy eo imasoko izany firenena izany,

tsy mahahaino ny feoko,

dia hanenenako ny soa nolazaiko hatao azy.

11 Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà,

sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe:

Izao no lazain’i Iaveh:

Indro Aho mamorona loza hanjò anareo,

sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo.

Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy,

sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.

12 Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany!

Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany,

sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »

I Israely manadino an’i Iaveh

13 Noho izany izao no lazain’i Iaveh:

«Manontania ny firenena ianareo:

Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany?

Fahavetavetana mahatsiravina no nataon’ny virjinin’Israely.

14 Hitsahatra tsy ho eo amin’ny vatolampy

eny an-tany lemaka, va

ny oram-panalan’i Libàna?

Hita ritra va ny rano avy lavitra,

ka mangatsiatsiaka sy mandeha?

15 Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy;

ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra,

ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany,

dia amin’ny lalana fahataloha,

handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;

16 Mba hahatonga ny taniny ho lao,

sy ho zavatra fandatsa mandrakizay;

dia hitanàka izay rehetra handalo ao,

ary hikifi-doha.

17 Toy ny fanelin’ny rivotra avy atsinananano anelezako azy,

eo anoloan’ny fahavalony.

Ny lamosiko fa tsy ny Tavako no hasehoko azy ireo,

amin’ny andro hiharan’ny loza aminy.»

Tetika hamonoana an’i Jeremia

18 Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika

hamely an’i Jeremiaisika;

fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona,

na ny hevitra ao amin’ny hendry,

na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany!

Andeha hasiantsika amin’ny vavantsikaizy,

ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»

19 Atongilano amiko, ny sofinao, ry Iaveh,

ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy!

20 Dia ratsy va no havaly ny soa,

no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo?

Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao,

hiteny aminao mba ho azy ireo,

hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!

21 Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany,

ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo!

Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady;

aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta;

ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!

22 Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony,

rehefa tonganao tampoka

ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana.

Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo;

sady efa nanafim-pandrika eo anoloan’ny tongotro.

23 Ary fantatrao avokoa, ry Iaveh ô,

ny fiokoan’izy ireo hamonoany ahy.

Aza mamela ny helony;

aza vonoina eo imasonao ny fahotany;

fa aoka hitambotsitra eo anatrehanao izy,

ary hasianao amin’ny andro fahatezeranao.

Categories
Jeremia

Jeremia 19

Siny vaky sy fifandonana tamin’i Fasora

1 Izao no voalazan’i Iaveh: Mandehana mividy tany ho anao; ary ento hiaraka aminao,

2 ny loholona amin’ny vahoaka, sy ny loholona amin’ny mpisorona, dia mivoaha ho any amin’ny lohasahan’i Ben-Hinômaizay ao amin’ny fidiran’ny vavahadin’ny Fanefem-bilany, ka torio eo ny teny holazaiko aminao.

3 Ataovy hoe:

Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo,

mpanjakan’i Jodà sy mponina ao Jerosalema.

Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro hoentiko ho amin’ity fitoerana ity ny loza

hampangintsingintsina ny sofin’izay mandre azy:

4 satria izy ireo efa nahafoy ahy,

sy nanova fenitra ity fitoerana ity,

fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa,

izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà;

sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.

5 Nanorina ireo fitoerana avo ho an’i Baala izy,

handoroany ny zanany amin’ny afo

ho sorona dorana ho an’i Baala.

Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany;

na mba niditra tao an-tsaiko velively.

6 Noho izany indro tamy ny andro,

– teny marin’i Iaveh, –

tsy hiantsoana ity fitoerana ity intsony hoe:

Tôfeta na lohasahan’i Ben-Hinôma

fa hoe lohasaha famonoana kosa.

7 Hofoanako amin’ity fitoerana ity

ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema;

hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy,

sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy;

ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.

8 Ary ity tanàna ity dia hataoko

zavatra figagàna sy fihomehezana;

ka na iza na iza handalo akaiky azy, hitolagaga,

sady hihomehy noho ny fahamangànana rehetra mahazo azy.

9 Hataoko mihinana ny nofon’ny zananylahy

sy ny nofon’ny zanany vavy izy;

ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy;

fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy

azon’ny afitsoky ny fahavalony

sy izay mitady ny ainy azy.

10 Raha efa izany, montsàny eo imason’ireo olona tafaraka aminao ny siny,

11 ka lazao aminy hoe:

Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika:

Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity,

toy ny fanamòntsana ny vilanin’ny mpanefy,

izay tsy azo atambatra intsony;

ka any Tôfeta no handevenana

noho ny tsy fisian’ny tany handevenana.

12 Izany no hataoko amin’ity firenena ity,

– teny marin’i Iaveh, – sy amin’ny mponina ao aminy,

rehefa hataoko tahaka an’i Tôfeta ity tanàna ity.

13 Ny trano ao Jerosalema

sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto;

dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony,

ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra

sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.

14 Tonga avy any Tôfeta, izay nanirahan’i Iaveh haminaniany i Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh ary nilaza tamin’ny vahoaka rehetra hoe:

15 «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»

Categories
Jeremia

Jeremia 20

1 Nandre an’i Jeremia nanonona izany faminaniana izany i Fasora mpisorona zanak’i Amera, izay mpitandrinaambony ny tranon’i Iaveh.

2 Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny bolokyhazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.

3 Ny ampitso dia nasain’i Fasora notsoahana amin’ny boloky hazo i Jeremia, ka hoy i Jeremia taminy: «Tsy i Fasora intsony no iantsoan’i Iaveh anao, fa i Magôra-Misabiba.»

4 Satria izao no lazain’i Iaveh:

«Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana,

ianao sy ny sakaizanao.

Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony,

ary ianao hahita maso an’izany.

I Jodà rehetra koa hatolotro

ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna,

ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo,

ary hovonoiny amin’ny sabatra.

5 Hatolotro avokoa ny harena amin’ity tanàna ity,

ny vokany rehetra aman-java-tsoany rehetra,

ary ny rakitra rehetra an’ny mpanjakan’i Jodà,

hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony;

ka hobaboiny, halainy,

hoentiny mankany Babilôna.

6 Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao,

ho lasan-ko babo ianareo;

ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao;

any no handevenana anao,

dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra,

izay naminanianao lainga.»

Sombin’ireo «fiaikena» amin’ny Tompo

7 Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika,

Nosamborinao, ka nahery Ianao.

Zavatra fihomehezana aho isan’andro;

maneso ahy avokoa ny olona rehetra.

8 Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,

manambara loza sy fandringanana,

ka ny tenin’i Iaveh tonga

fandatsàna sy fihomehezana ahy isan’andro.

9 Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho,

tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!…

dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,

voahidy ao anatin’ny taolako;

nanao izay hihazonana azy aho

nefa tsy nahatana azy.

10 Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:

Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!

Torio izy, andeha hotorintsika izy!

Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko,

manao andry maso ny diako:

Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika,

ka dia hamaly faty azy isika.

11 I Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery;

ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy,

fa tsy haharesy.

Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy

amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.

12 Ry Iavehn’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina,

izay mahita ny voa sy ny fo,

hahita ny famalianao an’ireo aho,

fa Ianao no nanankinako ny adiko.

13 Mihirà ho an’i Iaveh, miderà an’i Iaveh,

fa manafaka ny fanahin’ny ory,

amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

14 Ho voaozona anieny andro nahaterahako!

Tsy hotahina anie ny andro niterahan’i neny ahy!

15 Ho voaozona anie ny olona nitondra teny tamin’ikaky,

sy nanao hoe: Tera-dahy ianao!

ka nahafeno hafaliana azy!

16 Aoka izany olona izany ho toy ny tanàna

noravan’i Iaveh, ka tsy nanenenany!

Aoka izy, ny maraina, handre ny fitarainan’ny olon-dresy,

ary ny mitataovovonana, ny akoralavan’ny mpandresy!

17 noho izy tsy namono ahy hatrany am-bohoka,

hahatonga an’i neny ho fasako,

na ho voatana ao an-kibony mandrakizay aho!

18 Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony,

hahita fijaliana amam-pahoriana,

sy handany ny androko amin’ny fahafaham-baraka!