Categories
Jeremia

Jeremia 21

Valy nomena an’ireo irak’i Sedesiasa

1 Izao no teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia, raha nirahin’i Sedesiasa mpanjaka, ho any aminy, i Fasora zanak’i Melkiasa sy i Sôfôniasa mpisorona, zanak’i Maasiasa, hanao aminy hoe:

2 «Masìna ianao, manontania an’i Iaveh ho anay, fa miady aminay i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna; angamba i Iaveh hanao indray ho anay ireo asany mahagagalehibe rehetra, mba hialan’ilay io aminay.»

3 Dia hoy ny navalin’i Jeremia azy ireo: Lazao amin’i Sedesiasa, ataovy hoe:

4 Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Indro, ny fiadiana eny an-tananareo, entinareo miady any ivelan’ny manda, amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina, izay manao fahiranoanareo, dia hataoko miverina any aoriana sy hangoniko eo afovoan’ny tanàna;

5 ary izaho hiady aminareo amin’ny tanana ahinjitra sy sandry mahery amim-pahatezerana, fisafoahana sy fahavinirana mafy.

6 Hasiako avokoa ny mponina amin’ity tany ity, na olona na biby, ka ho fatin’ny pesta mafy.

7 Manaraka izany, – teny marin’i Iaveh, – hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.

8 Dia lazao amin’io vahoaka io hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana.

9 Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeaninana manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.

10 Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin’ity tanàna ity, no nitodihan’ny Tavako azy, – teny marin’i Iaveh, – dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy, ka hodorany ho levona amin’ny afo.

Sarobabay amin’ny taranaky ny mpanjaka

11 Ary lazao amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà hoe:

Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo.

12 ry taranak’i Davida:

Izao no lazain’i Iaveh:

Manaova fitsarana marina, hatramin’ny maraina;

afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna,

fandrao mipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako,

ka hirehitra tsy ho azon’olona vonoina,

noho ny haratsian’ny ataonareo.

13 Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha,

ry vatolampin’ny tany lemaka, – teny marin’i Iaveh, –

ianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina atỳ aminay,

sy hiditra atỳ amin’ny fierenay?

14 Hanasazy anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho,

– teny marin’i Iaveh, –

handrehitra afo amin’ny alanyAho,

ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Categories
Jeremia

Jeremia 22

1 Izao no lazain’i Iaveh: Midìna ho any an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

2 ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe:

«Henoy ny tenin’i Iaveh, ry mpanjakan’i Jodà,

izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

dia ianao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao,

izay miditra amin’ireto vavahady ireto.»

3 Izao no lazain’i Iaveh:

«Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo;

afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna:

ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena;

dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy,

na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.

4 Raha tanterahinareo tsara izao teny izao:

ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

hiditra amin’ny vavahadin’ity trano ity,

mitaingina kalesy aman-tsoavaly

dia izy, ny mpanompony amam-bahoakany.

5 Fa raha tsy mihaino izany teny izany kosa ianareo,

dia mianiana amin’ny Tenako Aho, – teny marin’i Iaveh, –

fa ho rava no halehan’ity lapa ity.»

6 Satria izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà:

«Tahaka an’i Galaadaianao amiko,

tahaka ny tampon’i Libàna,

nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.

7 Efa manomana mpandrava hamely anao Aho,

ka samy mitondra ny fiasàny avy izy ireo;

hokapainy ny sederanao voafantina,

dia hatsipiny amin’ny afo.

8 Firenena maro no handalo amin’ity tanàna ity,

ka hifampilaza hoe:

Nahoana no dia nataon’i Iaveh tahaka izao ity tanàna lehibe ity?

9 Ary hataon’ny olona hoe:

Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo,

ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa

sy nanompo ireny.»

Mamely an’i Jôakaza

10 Aza itomaniana ilay maty

ary aza igogogogoana izy io;

fa ilay lasanano itomanio dia itomanio,

fa tsy hiverina intsony izy,

tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!

11 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Ny amin’i Seloma zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà,

izay nanjaka nisolo toerana an’i Josiasa rainy,

sy efa niala tamin’ity fitoerana ity:

Tsy hiverina atỳ intsony izy,

12 fa ho faty any amin’ny tany nitondrana azy ho babo,

ka tsy hahita ity tany ity intsony.

Mamely an’i Jôakima

13 Mila loza izaymanorina ny tranony tsy amin’ny rariny,

sy ny rihany tsy amin’ny hitsiny;

izay mampiasa maina ny namany,

tsy mandoa ny karamany,

14 sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho,

sy efitrano malalaka;

dia asiany varavarankely betsaka,

ataony tafo sedera,

ary hosorany loko mena mivaivay.

15 Noho ianao adalan-tsedera va no maha-mpanjaka anao?

Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao?

Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy,

ary tamin’izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;

16 nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy,

ka amin’izany tsara ny zavatra rehetra.

Moa tsy izany va no fahalalana Ahy,

– teny marin’i Iaveh? –

17 Fa ny masonao amam-ponao

tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao,

mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy

sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny,

hanatanterahana izany.

18 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa,

mpanjakan’i Jodà

Tsy hitomaniana izy hatao hoe

Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy.

Tsy hitomaniana izy hatao hoe

Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!

19 Halevina toy ny fandevina ampondraizy

hotaritarihina sy hariana

any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.

Mamely an’i Jôakîna

20 Miakara any Libàna, dia miantsoa mafy

manandrata feo any Basàna!

Miantsoa mafy any an-tampon’i Abarima,

fa torotoro avokoa ireo lehilahinao.

21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana

nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho!

Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany:

tsy nihaino ny feoko ianao!

22 Fa hoentin’ny rivotra handrasany ny mpiandry anao

ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao

ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra ianao,

noho ny haratsianao rehetra.

23 Ianao izay mitoetra any Libàna,

sy manao ny akaninao any amin’ny sedera,

endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao,

fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!

24 Velona Aho, – teny marin’i Iaveh, –

Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza

I Jekôniasazanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà

dia hombotako hiala eo izy.

25 Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady ny ainao ianao,

ho eo an-tanan’ireo mampangovitra anao eo anoloany;

ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna,

ho eo an-tanan’ny Kaldeanina.

26 Hatsipiko ianao sy ny reninao

niteraka anao,

ho any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo

ka any ianao no ho faty.

27 Fa ny tany hirìny hiverenana, dia tsy hiverenany.

28 Moa vilany famingavinga sy torotoro ve

ity lehilahy ity, Jekôniasa,

sa fanaka efa tsy misy tia intsony?…

Nahoana no noroahina izy sy ny taranany,

sy natsipy any an-tany

tsy fantany?

29 Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô,

henoy ny tenin’i Iaveh!

30 Izao no lazain’i Iaveh:

Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka,

ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny!

Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona

ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

hanjaka indray amin’i Jodà.

Categories
Jeremia

Jeremia 23

Ilay mpanjakan’ny ho avy

1 Loza ho an’ny mpiandry manary sy manahaka

ny ondry eo amin’ny kijanako, – teny marin’i Iaveh! –

2 Koa izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely,

ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako:

Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo;

tsy niahy azy ireo ianareo.

Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo,

ny haratsian’ny nataonareo, – teny marin’i Iaveh. –

3 Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko,

avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy,

dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy;

ka hitombo sy hihamaro.

4 Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho;

ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy;

sady tsy hisy diso tsy eo, na dia iray aza,

– teny marin’i Iaveh. –

5 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hananganako ho an’i Davida solofo marina;

hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.

6 Amin’ny androny, i Jodà hovonjena;

i Israely handry feizay;

ary izao no anarana hanononana azy:

Iaveh-fahamarinantsika.

7 Noho izany, indro avy ny maraina, – teny marin’i Iaveh, –

izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona i Iaveh,

izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra

avy any amin’ny tany Ejipta;

8 fa hoe: Velona i Iaveh,

izay nitondra sy nampody

ny firenena taranak’i Israely,

avy any amin’ny tany avaratra

sy ny tany rehetra nandroahako azy.

Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.

Boky kely milaza ny toetran’ireo mpaminany sandoka

9 Ho an’ireo mpaminany:

Ny foko torotoro ato anatiko;

ny taolako rehetra mipararetra;

izaho hoatra ny olona mamo

hoatra ny olona leon-divay,

eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.

10 Fa feno fijangajangana ny tany;

noho ny fanozonana dia misaona ny tany;

maina ny kijana any an’efitra.

Ny idodododoan’ireo dia ny ratsy;

ny heriny dia ny tsy rariny.

11 Hatramin’ny mpaminany ama-mpisorona aza no olona tsy voahasina,

ary hitako hatrao an-tranoko aza ny haratsiany,

– teny marin’i Iaveh. –

12 Koa ny lalan’izy ireo hanjary

fitoerana malama ao amin’ny maizina, ho azy ireo;

haronjina sy ho lavo eo izy;

satria hampidi-doza aminy Aho,

amin’ny taona hamangiako azy, – teny marin’i Iaveh.-

13 Tamin’ireo mpaminanin’i Samaria Aho nahita fahadalana,

fa naminany tamin’ny anaran’i Baala izy ireo,

ka nampaniasia an’i Israely vahoakako.

14 Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa

nahita zava-mahatsiravinaAho,

fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga,

mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy,

mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo.

Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma;

ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.

15 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

ny amin’ny mpaminany:

Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo Aho,

sy hampisotro rano voaisy poizina azy!

Satria avy amin’ny mpaminanin’i Jerosalema

no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.

16 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

«Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany

maminany aminareo,

mitarika anareo ho amin’ny zava-poana izy ireo;

ny fahitana avy ao am-pony no ambarany,

fa tsy izay aloaky ny vavan’i Iaveh.

17 Izay manamavo Ahy ilazany hoe:

Izao no voalazan’i Iaveh: Hiadana ianareo,

ary izay rehetra manaraka ny haratsian’ny fony, ataony hoe:

Tsy hisy loza hanjò anareo.

18 Fa zovy moa no nanatrika ny fisainan’i Iaveh,

ka nahita sy nandre ny teniny?

Iza no efa nanongilan-tsofina nihaino ny teniny, ka nandre izany?»

19 Indro ny tafio-drivotr’i Iaveh; ny fahatezerana efa hipoaka;

mitambolibolina ny tadiony

ka mihantona amin’ny lohan’ny tsy tia fivavahana.

20 Tsy hihemotra ny hatezeran’i Iaveh

raha tsy efa vitany sy tanterany ny hevitry ny fony.

Ho fantatrareo mazava izany, amin’ny andro farany.

21 Izaho tsy naniraka ireo mpaminany;

nefa nihazakazaka izy!

Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!

22 Raha nanatrika ny fisainako izy,

dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako;

ka ho namerina azy hialaamin’ny lalan-dratsiny izy,

sy amin’ny faharatsian’ny ataony.

23 Moa Andriamanitry ny akaiky ihany va Aho,

teny marin’i Iaveh, –

fa tsy mba Andriamanitra amin’ny lavitra koa?

24 Misy olona mahay miery amin’ny fierena va,

ka tsy ho hitako? – teny marin’i Iaveh-

Ny lanitra sy ny tany,

moa tsy manerana azy va Aho? – teny marin’i Iaveh.-

25 Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo,

izay maminany lainga amin’ny Anarako,

manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»

26 Mandra-pahoviana?… Moa kendren’ireo mpaminany ireo,

izay maminany lainga,

ireo mpaminany ny fitaky ny fony ireo,

27 moa ampoiziny va ny tsy hahatadidiavan’ny vahoakako Ahy,

noho ny nofy ifampilazan’izy samy izy avy,

toy ny nanadinoan’ny razany ny Anarako,

nosoloiny an’i Baala?

28 Aoka ny mpaminany nanonofy

hilaza izany nofy izany;

ary izay manana ny teniko,

hilaza marina ny teniko.

Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary?

– teny marin’i Iaveh. –

29 Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo,

– teny marin’i Iaveh, –

sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy?

30 Koa hiaviako ireo mpaminany ireo,

izay mifangalatra ny teniko samy ho azy avy.

31 Indro hiaviako ireo mpaminany ireo,

– teny marin’i Iaveh, –

izay mampipelipelika ny lelany manao hoe:

«Teny marin’i Iaveh!»

32 Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga,

– teny marin’i Iaveh, –

izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako,

amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony.

Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho.

Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy,

– teny marin’i Iaveh. –

33 Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona,

no manontany anao manao hoe:

«Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?»

dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany,

ary hariako ianareo.» – teny marin’i Iaveh. –

34 Ary izay mpaminany, na mpisorona, na sarambaben’olona,

hanao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,»

dia hovangiako io olona io mbamin’ny ankohonany.

35 Izao no ifampilazanareo aminareo isany,

sy amin’ny havanareo avy:

«Ahoana no navalin’i Iaveh?» ary: «Ahoana, hoy i Iaveh?»

36 fa tsy haverinao intsony kosa ny hoe:

«Mavesatra ho an’i Iaveh!»

Fa ny tenin’ny olona ihany no havesatra aminy avy;

satria ianareo mamadika ny tenin’Andriamanitra velona,

dia i Iavehn’ny tafika, Andriamanitsika.

37 Izao no holazainareo amin’ny mpaminany:

«Ahoana no navalin’i Iaveh taminao? Ahoana hoy i Iaveh?»

38 Fa raha ataonao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,»

dia izao kosa no lazain’i Iaveh:

«Noho ianareo nilaza ny teny hoe:

Mavesatra ho an’i Iaveh,

rehefa naniraka tany aminareo anefa Aho hilaza aminareo hoe:

Aza manao hoe: Entan’i Iaveh intsony;

39 noho izany, Izaho kosa dia tena hanadino anareo mihitsy,

sy hanary anareo tsy ho eo anatrehan’ny Tavako,

dia ianareo mbamin’ny tanàna nomeko

anareo sy ny razanareo;

40 ary ataoko tonga aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay,

ny henatra mandrakizay,

izay tsy hohadinoina na oviana na oviana.»

Categories
Jeremia

Jeremia 24

Aviavy roa harona

1 Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.

2 Ny iray tamin’ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.

3 Ary hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Jeremia?» Dia hoy ny navaliko azy: «Aviavy; ka ny aviavy tsara moa, tsara dia tsara; ny ratsy kosa, ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.»

4 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh manao hoe:

5 «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely:

Tahaka ny fijery an’ireto aviavy tsara ireto

no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin’i Jodà,

izay nalefako avy amin’ity fitoerana ity,

ho any amin’ny tanin’ny Kaldeanina.

6 Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy,

ka hampodiko ho amin’ity tany ity;

haoriko izy, ka tsy horavako intsony;

hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.

7 Homeko fo hahalalany Ahy izy,

hahafantarany fa i Iaveh Aho;

ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy;

satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.

8 Ary toy ny ataon’ny olona amin’ireo aviavy ratsy ireo,

izay tsy azo hanina akory, noho ny haratsiany loatra,

– izao no tenin’i Iaveh –

no hataoko amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà,

ny mpanapaka mbamin’izay sisa any Jerosalema,

ireo izay mitoetra amin’ity tany ity,

ary ireo monina any amin’ny tany Ejipta.

9 Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo,

any amin’ny fanjakana rehetra amin’ny tany,

ho fandatsa ho ambentinteny, ho fihomehezana, ho fanozonana,

any amin’ny tany rehetra handroahako azy.

10 Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta

dia hirahiko hanjò azy,

mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin’ny tany,

izay nomeko azy sy ny razany.»

Categories
Jeremia

Jeremia 25

4. I BABILÔNA, LOZA IRAHIN’I IAVEH

1 Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

2 Teny notononin’i Jeremia momba ny vahoaka rehetra any Jodà, mbamin’ny mponina rehetra any Jerosalema nataony hoe:

3 Hatramin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josiasa zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, ka mandrak’androany, dia efa 23 taonaizay, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh tamiko, sy nitenenako taminareo ka niteny taminareo hatramin’ny maraina aho; kanefa tsy nihaino ianareo.

4 Nirahin’i Iaveh taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahiny hatramin’ny maraina; kanefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory, Hoy izy:

5 Samia ianareo miverina miala amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny haratsian’ny asanareo avy, dia honina amin’ny tany nomen’i Iaveh anareo sy ny razanareo, amin’ny taona mifandimby ianareo.

6 Aza mandeha manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy; ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, dia tsy hampidi-doza aminareo akory Aho.

7 Tsy nihaino ahy anefa ianareo, – teny marin’i Iaveh – ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.

8 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Noho ianareo tsy nihaino ny teniko,

9 dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, – teny marin’i Iaveh, – hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.

10 Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.

11 Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70taona.

12 Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, – teny marin’i Iaveh, – ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.

13 Hataoko mihatra amin’izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin’ity boky ity.

Fampisehoan’Andriamanitra ilay kapoaka

Ny novinanin’i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra.

14 Fa hampanompoin’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan’ny tanany avy.

15 Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.

16 Hisotro amin’izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoan’izy ireo.»

17 Noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’i Iaveh, nampisotroiko ny firenenarehetra nanirahan’i Iaveh ahy, dia i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Jodà,

18 ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao.

19 I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra,

20 ny vahoaka mifangaro rehetra; ny mpanjaka rehetra amin’ny Otsa, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina, i Askalôna, i Gazà, i Akarôna, mbamin’ny sisa any Azota;

21 I Edôma, i Moaba, mbamin’ny taranak’i Amôna;

22 ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;

23 I Dedana, i Temà, i Boza, mbamin’ireo rehetra miharatra fihirifana;

24 ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ireo firenena mifangaro monina any an’efitra;

25 ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin’ny mpanjaka rehetra any Media;

26 ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàkano hisotro manaraka ireo.

27 Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»

28 Ary raha mandà tsy handray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy ireo, lazao aminy hoe: «Izao no tenin’i Iaveh: Hisotro ianareo!

29 Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» – teny marin’i Iaveh.

30 Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe:

«Mitrena any ambony i Iaveh

nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina,

mitrena mafy mamely ny taniny;

akoran’ny mpioty voaloboka no alefany,

manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.

31 Re hatrany am-paran’ny tany, ny horakoraka;

satria i Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra,

mifandahatra amin’ny nofo rehetra eo amin’ny fitsarana,

manolotra ny ratsy fanahy amin’ny sabatra,

– teny marin’i Iaveh. –

32 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa.

Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran’ny tany.

33 Ka amin’izany andro izany, hisy izay novonoin’i Iaveh,

hatramin’ny faran’ny tany iray, ka hatramin’ny farany iray koa;

tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny,

fa ho toy ny zezika eo ambonin’ny tany.

34 Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna,

mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry,

fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo;

hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.

35 Ny mpiandry ondry tsy hanan-kandosirana;

ny lehiben’ny ondry tsy hanan-kialofana.

36 Re ny fitarainan’ny mpiandry ondry,

ary ny fidradradradran’ny lehiben’ny ondry,

fa nosimban’i Iaveh ny tany fiandrasana azy.

37 Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava

avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh!

38 Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy;

ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra,

eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava,

eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»

Categories
Jeremia

Jeremia 26

I Jeremia samborina sy tsaraina, fa niteny momba ny hamelezana ny Tempoly

1 Tamin’ny niandohan’nynanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’i Iaveh, ho amin’i Jeremia.

2 Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetraizay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.

3 Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony.

4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: ‹Raha tsy manaiky Ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo;

5 tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo,

6 dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.› »

7 Ren’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra ny nilazan’i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon’i Iaveh.

8 Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’i Iaveh nolazaina amin’ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: «Ho faty ianao!

9 Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’i Iaveh hoe: ‹Ho tahaka an’i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?› » – Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’i Iaveh i Jeremia.

10 Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovaoamin’ny tranon’i Iaveh.

11 Dia hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: «Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity, araka ny efa ren’ny sofinareo.»

12 Fa niteny tamin’ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: «I Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.

13 Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.

14 Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tananareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.

15 Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»

16 Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra, tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany: «Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.»

17 Ary ny sasany tamin’ny loholona amin’ny tany, nitsangana nilaza tamin’ny olona rehetra vory teo, nanao hoe: Tamin’ny andron’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà,

18 i Mikeaavy any Môresheta dia naminany, ka nilazatamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe:

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Hasaina toy ny tanimboly i Siôna;

hanjary antontan-java-drava i Jerosalema

ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.

19 Ka moa namono azy va i Ezekiasa sy i Jodà rehetra? Tsy natahotra an’i Iaveh ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin’i Iaveh va izy? Dia nanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana azy ireo, hampidi-doza amin’ny fanahintsika?

20 Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin’ny Anaran’i Iaveh, dia i Oria, zanak’i Semeià, avy any Kariatiarima; izay novinanin’i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjò an’ity tanàna ity, sy ity tany ity.

21 Nandre ny teniny i Jôakima mpanjaka, mbamin’ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany i Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta.

22 Fa naniraka olona ho any Ejipta i Jôakima mpanjaka, dia i Elnatàna zanak’i Akobôra, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta.

23 Ka nalain’ireo hiala tany Ejipta i Oria, dia nentiny teo amin’i Jôakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin’ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin’ny fasan’ny ankapobem-bahoaka.

24 Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.

Categories
Jeremia

Jeremia 27

Asa ambaran’ny hoe jioga sy hafatra ho an’ireo mpanjaka any andrefana.

1 Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny natao avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia.

2 Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Manaova fatorana sy jioga ianao, ka ataovy eo ambony vozonao.

3 Dia ampanatero izany ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma, ny mpanjakan’i Moaba, ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ny mpanjakan’i Tira, ary ny mpanjakan’i Sidona, amin’ny alalan’ireo iraka izay tonga tatỳ Jerosalema ho any amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà:

4 Ka omeo teny hafatra ho an’ny tompony izy ireo ataovy hoe: Izao no holazainareo amin’ny tomponareo:

5 Izaho no nanao tamin’ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny teny sy ny olona mbamin’ny biby eto ambonin’ny tany, ary manome azy ho an’izay tiako.

6 Koa ankehitriny, efa natolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko, ireto tany rehetra ireto; nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha aza, hanompo azy.

7 Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.

8 Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, – teny marin’i Iaveh, – mandra-pandringako azy amin’ny tanany.

9 Ary ianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambarànareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo.

10 Fa lainga no vinanìn’ireo aminareo, sy handroahako anareo ka haharingana anareo.

11 Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna sy hanompo azy, dia havelako handry feizay eo amin’ny taniny, – teny marin’i Iaveh, – ka hiasa azy, sy honina eo aminy.

12 Ary i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: Ampidiro ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

13 Nahoana ianareo, dia ianao sy ny vahoakanao, no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, araka ny voalazan’i Iaveh hanjò ny firenena tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilôna?

14 Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo; fa lainga no vinanìny aminareo.

15 Tsy naniraka azy ireo Aho, – teny marin’i Iaveh, – fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.

16 Ary ny mpisorona mbamin’io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin’i Iaveh: Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilôna ny fanakyny tranon’i Iaveh, fa lainga no vinanìny aminareo.

17 Aza mihaino ireo ianareo, fa maneke ny mpanjakan’i Babilôna, dia ho velona ianareo. Nahoana no dia hatao tonga lao ity tanàna ity?

18 Raha mpaminany izy ireo ka ao aminy tokoa ny tenin’i Iaveh, aoka izy hifona amin’i Iavehn’ny tafika mba tsy ho lasa any Babilôna ny fanaka sisa tavela ao an-tranon’i Iaveh sy ao an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà ary ao Jerosalema.

19 Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ireo andry, ranomasina, fototra mbamin’ny fanaka sisa tafajanona amin’ity tanàna ity,

20 izay tsy nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fony izy nitondra ho babo, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehiben’i Jodà sy i Jerosalema rehetra.

21 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo fanaka sisa ao an-tranon’i Iaveh, sy ao an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà ary ao Jerosalema:

22 Hoentina any Babilôna koa ireo, sady hitoetra any, mandra-piavin’ny andro hamangiako azy, – teny marin’i Iaveh, – ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin’ity fitoerana ity indray Aho.

Categories
Jeremia

Jeremia 28

Adin’i Jeremia amin’i Hananiasa mpaminany

1 Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe:

2 «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa notapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.

3 Roa taona sisa, dia haveriko amin’ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Iaveh, nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.

4 Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, – teny marin’i Iaveh, – fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»

5 Ary i Jeremia mpaminany namaly an’i Hananiasa mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, izay tao an-tranon’i Iaveh;

6 ka hoy i Jeremia mpaminany: «Amen! Hataon’i Iaveh anie izany! Hotanterahin’i Iaveh anie ny teny vao avy novinaninao, amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh mbamin’ny babo rehetra, ho amin’ity fitoerana ity indray.

7 Kanefa kosa henoy izao teny holazaiko eto ho ren’ny sofinao sy ny sofin’ny vahoaka rehetra izao:

8 Ireo mpaminany teo alohanao sy talohako, hatramin’ny andro ela, dia efa naminany ady sy loza ary pesta, ho amin’ny tany maro amam-panjakana lehibe

9 Ary izay mpaminany naminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’i Iaveh marina tokoa.»

10 Tamin’izay, nalain’i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany, ka notapahiny.

11 Sady hoy i Hananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: «Izao no lazain’i Iaveh: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra raha afaka roa taona.» Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.

12 Nony efa notapahin’i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia, dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

13 «Mandehana ianao, milazà amin’i Hananiasa hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Jioga hazo no notapahinao, fa jioga vy kosa no nataonao hasolo azy.

14 Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Asio jioga vy ny vozon’ireo firenena rehetra ireo, mba hanekeny an’i Nabokodonozora, ka dia hanaiky azy izy ireo efa nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha.»

15 Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hananiasa mpaminany: «Henoy, ry Hananiasa: Tsy nirahin’i Iaveh ianao, ka nataonao izay itokian’ity vahoaka ity amin’ny lainga.

16 Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao, dia ho faty ianao satria fiodinana amin’i Iaveh no notorìnao.»

17 Dia maty tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny volana fahafito i Hananiasa mpaminany.

Categories
Jeremia

Jeremia 29

Taratasy ho an’ireo voasesitany

1 Izao no teny voasoratra ao amin’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia mpaminany, avy any Jerosalema, ho any amin’ireo sisan’ny loholonavoababo, ho an’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra, nentin’i Nabokodonozora avy any Jerosalema ho any Babilôna;

2 nony efa niala tany Jerosalema i Jekôniasa mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka, ny eonòka, ny mpanapaka any Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy;

3 taratasy nampitondrainy tamin’ny alalan’i Elàsa, zanak’i Safàna, sy i Gamariasa, zanak’i Helkiasa, izay nirahin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ho any Babilôna, amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hoy ny taratasy hoe:

4 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, amin’ny babo rehetra nasesiko avy any Jerosalema ho any Babilôna.

5 Aoka ianareo hanorina trano, ka hitoetra aminy; hamboly zaridaina, ka hihinana ny vokany;

6 hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an’ny zanaka lahinareo, sy hampanambady ny zanaka vavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin’ity tany ity ianareo, fa tsy hihavitsy.

7 Mikatsaha soa ho an’ny tanàna nitondrako anareo ho babo, ary mangataha amin’i Iaveh ho azy, fa soa ho anareo ny soa ho azy.

8 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.

9 Satria tsy marina no aminaniany aminareo, amin’ny Anarako; tsy naniraka azy ireo Aho, – teny marin’i Iaveh. –

10 Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.

11 Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, – teny marin’i Iaveh, – dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.

12 Hiantso Ahy ianareo, dia ho avy sy hivavaka Amiko ianareo, ary hihaino anareo Aho.

13 Hitady Ahy ianareo, dia hahita Ahy, satria hitady Ahy amin’ny fonareo tokoa ianareo;

14 ka hety ho hitanareo Aho, – teny marin’i Iaveh, – hampodiko ny babo aminareo, ary hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra ianareo sy avy amin’ny fitoerana rehetra nandroahako anareo, – teny marin’i Iaveh, – dia haveriko amin’ity fitoerana nanesorako anareo ity indray.

15 Kanefa, hoy ianareo dia efa nanangana mpaminany ho anayeto Babilôna, i Iaveh.

16 Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny vahoaka rehetra monina amin’ity tanàna ity, sy ireo rahalahinareo tsy mba lasa nandeha niaraka taminareo ho any amin’ny tany fahababoana.

17 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa halefako hamely an’ireo ny sabatra, ny mosary, ary ny pesta; hataoko toy ny aviavy ratsy tsy azo hanina, noho ny haratsiany loatra, izy.

18 Henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary mbamin’ny pesta ary hataoko fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ho fanozona, figagàna, fihomehezana, fanala baraka eo amin’ny firenena rehetra nandroahako azy;

19 satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, – teny marin’i Iaveh, – nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin’izy ireo Aho, naniraka azy hatramin’ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, – teny marin’i Iaveh. –

20 Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra, babo nalefako avy tany Jerosalema ho any Babilôna!

21 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’i Akaba zanak’i Kôliasa, sy i Sedesiasa zanak’i Maasiasa, izay maminany lainga aminareo amin’ny Anarako: Indro izy hatolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hovonoiny eo imasonareo.

22 Izy ireo dia hangalana fomba fanozonana, eo amin’ny babo, avy any Jodà, izay ao Babilôna, toy izao: Aoka ianao hataon’i Iaveh tahaka an’i Sedesiasa sy i Akaba, izay nendasin’ny mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny afo.

23 Satria namoafady tamin’i Israely izy ireo, nijangajanga tamin’ny vadin’ny namany, sy naminany lainga tamin’ny Anarako, izay tsy nandidiako azy, ary mahalala izany Aho, sy vavolombelona Aho, – teny marin’i Iaveh. –

Ny navalin’ilay sesitany ny taratasin’i Jeremia

24 Ary i Semeiàsa, Nehelamita, dia ilazao hoe:

25 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Ianao nandefa taratasy tamin’ny anaranao, ho any amin’ny vahoaka rehetra any Jerosalema, sy i Sôfôniampisorona, zanak’i Maasiasa, mbamin’ny mpisorona rehetra, nilaza hoe:

26 Natsangan’i Iaveh ho mpisorona, hisolo an’i Jôiadà mpisorona ianao, mba hisy mpitandrina ao an-tranon’i Iaveh momba izay olona rehetra manao azy ho nahazo tsindrimandry sy ho mpaminany mba hitananao azy amin’ny boloky na gadra.

27 Ary ankehitriny, ahoana no tsy nisakananao an’i Jeremia, avy any Anatôta, izay maminany aminareo?

28 Fa noho izany, dia nahavatra nampilaza taminay tany Babilôna izy, nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, ka manaova trano ary mitoera ao aminy, mambole amin’ny zaridaina ary mihinàna ny vokany.»

29 Novakin’i Sôfônia mpisorona teo anatrehan’i Jeremia mpaminany izany taratasy izany.

30 Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh manao hoe:

31 Mandefasa iraka, hilaza amin’ny voababo rehetra, hanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Semeiàsa, Nehelamita: Noho i Semeiàsa naminany taminareo, nefa tsy nirahiko, ary lainga no nataony hitokianareo;

32 noho izany dia izao no lazain’i Iaveh: Hamangy an’i Semeiàsa Nehelamita mbamin’ny taranany Aho; tsy hisy amin’ny fianakaviany honina eo amin’ny fireneny; sady tsy mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako izy. – teny marin’i Iaveh, – satria nitory fiodinana amin’i Iaveh izy.»

Categories
Jeremia

Jeremia 30

Fanarenana nampanantenaina an’i Israely tapany avaratra

1 Izao no teny avy amin’i Iaveh, natao tamin’i Jeremia:

2 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Soraty amin’ny bokyny teny rehetranolazaiko taminao.

3 Fa indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, – hamerenako ny lasan-ko babo tamin’i Israely sy i Jodà vahoakako, ka hampodiako azy indray eo amin’ny tany efa nomeko ny razany, ka hanana azy izy.»

4 Izao no teny nolazain’i Iaveh, ny amin’i Israely sy i Jodà:

5 Izao no lazain’i Iaveh:

Feo mahatsiravina no efa renay;

fahatahorana izao, fa ny fiadanana tsy mba nisy!

6 Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza.

Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako

manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza,

ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?

7 Loza! fa lehibe izany andro izany,

ka tsy misy toa azy!

Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany,

kanefa hoafahana amin’izany izy.

8 Fa hisy toy izao amin’izany andro izany,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika, –

Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany,

ary hotsoahako ny fatoranao;

tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;

9 fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo,

sy an’i Davidampanjakany,

izay hatsangako ho azy.

10 Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko,

– teny marin’i Iaveh, –

ary aza manam-badi-po, ry Israely.

Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra,

sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy.

Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana,

handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.

11 Fa momba anao Aho, – teny marin’i Iaveh, –

hamonjy anao;

hataoko ringana ny firenena rehetra

nampielezako anao.

Fa ianao kosa, tsy mba haringako;

hofaiziko ara-drariny ihany ianao,

fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.

12 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Tsy azo sitranina ny ratranao,

manaintaina ny ferinao;

13 tsy misy olona hisolo vava anao amin’ny adinao,

mba hamehezana ny ferinao,

tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.

14 Ny lehilahinaorehetra, nanadino anao,

fa tsy manan-draharaha aminao akory.

Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao,

tamin’ny famaizana lozan-tany,

noho ny habetsahan’ny helokao,

fa efa nitombo be ny fahotanao.

15 Nahoana no mitaraina ianao noho ny faharatranao,

noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao?

Noho ny habetsahan’ny helokao ihany,

sy noho ny nitomboan’ny fahotanao,

no nanaovako izany zavatra izany taminao.

16 Koa izay rehetra mandany anao, holanina;

izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo;

izay mamabo anao, hobaboina;

ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.

17 Fa efa hamehy anao aho,

efa hositraniko amin’ny ferinao ianao,

-teny marin’i Iaveh.-

Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina,

Siôna tsy manam-piahy!

18 Izao no lazain’i Iaveh:

Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba,

ary hamindrako fo ny fonenany;

ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany;

ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.

19 Hira fiderana no hivoaka avy ao,

sy hobim-piravoravoana.

Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy;

hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;

20 ho tahaka ny taloha ny zanany;

hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany,

ary hofaiziko avokoa ny mpampahory azy.

21 Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany;

ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy;

hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy;

fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony,

ka mba hanatona Ahy? – teny marin’i Iaveh. –

22 Ary ianareo dia ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo.

23 Indro, ny tafio-drivotr’i Iaveh, ny fahatezerana efa hipoaka:

mivatravatra ny ranonoram-baratra,

miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

24 Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh,

raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony Izy:

ho fantatrareo any am-paran’ny andro any.