Categories
Jeremia

Jeremia 51

I Iaveh mamely an’i Babilôna

1 Izao no lazain’i Iaveh:

Indro hohetsehiko hamely an’i Babela

sy hamely ny mponina amin’i Kaldea

ilay fanahy mpandringana.

2 Ary handefa mpanakororòka hikororòka an’i Babela Aho

ka hataony foana ny tany

fa hiantoraka hamely azy hatraiza hatraiza ireo,

amin’ny andro fahoriana.

3 Aoka ny mpandefa tsipìka hanenjana ny tsipìkany,

hamely ny mpandefa tsipìka

mbamin’izay miedinedina amin’ny akanjo fiarovan-tratrany.

Aza mitsitsy ny zatovony,

aringano avokoa ny tafiny rehetra.

4 Aoka hisy maratra ho faty, lavo amin’ny tanin’ny Kaldeanina,

ary voatrobaka eny an-dalamben’i Babela.

5 Satria i Israely sy i Jodà tsy mba maty vady

manana ny Andriamaniny, Iavehn’ny tafika;

ary ny tanin’ny Kaldeanina feno ny ratsy nataony

tamin’ilay Masin’i Israely.

6 Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo,

ary samia mamonjy ny ainy!

Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo

fa andro famalian’i Iaveh izao;

ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.

7 Kapoaka volamenateny an-tanan’i Iaveh i Babela,

nahamamo ny tany rehetra izy;

nisotro ny divainy ny firenena

ka tonga mibedibedy foana ny firenena.

8 Nianjera tampoka anefa i Babela, ka torotoro;

migogogogoa azy; makà diloilo manitra hatao amin’ny feriny;

angamba ho sitrana ihany izy.

9 Efa nitady hanasitrana an’i Babela isika,

nefa tsy sitrana izy;

ka avelao izy, fa andao isika ho any amin’ny tanintsika avy.

Satria mahatakatra ny lanitra ny fitsarana azy,

sy tafapaka hatrany amin’ny rahona.

10 Nahariharin’i Iaveh ny mahamarina ny antsika,

ka andeha isika dia hitantara, any Siôna,

ny asan’i Iaveh Andriamanitsika.

11 Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo!

Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh;

fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy.

Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh

dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.

12 Manangàna faneva hamely ny mandan’i Babilôna,

ataovy mafy ny fahirano; alatsaho ny mpiambina;

manaova otrika!

Fa nanao hevitra i Iaveh,

ka dia manatanteraka izay voalazany hamelezany ny mponina ao Babela.

13 Ry ilay monina amoron’ny rano be,

sady be rakitra ô,

tonga ny fiafaranao; tapitra ny fotoana firembenao.

14 Efa nianiana tamin’ny Tenany i Iavehn’ny tafika, nanao hoe:

Hofenoiko olona hoatra ny valala ianao!

ary hanao hobim-pandresena eo aminao ireny. b

15 Izy no nahary ny tany tamin’ny heriny;

nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny;

ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahalalany.

16 Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra;

mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy,

mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra,

ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.

17 Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona;

menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny,

satria fitaka foana ny sampiny

fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny.

18 Zava-poana ireny, asa mamitaka foana;

ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.

19 Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba;

fa namorona izao tontolo izao izy;

ary ny anjara lovany

dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.

Ny marotòn’i Iaveh sy ilay tendrombohitra goavana

20 Ianao no ataoko fampohaza, ataoko fiadiana:

ianao no anorotoroako firenena;

ianao no andravako fanjakana;

21 ianao no anorotoroako ny soavaly ama-mpitaingina azy;

ianao no anorotoroako ny kalesy ama-mpitaingina azy.

22 Ianao no anorotoroako ny lehilahy amam-behivavy,

Ianao no anorotoroako ny anti-dahy sy ny zaza;

ianao no anorotoroako ny zatovo lahy aman-jatovo vavy.

23 Ianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny;

ianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa;

ianao no anorotoroako ny governora ama-mpanjaka.

24 Nefa hafotitro amin’i Babilôna

mbamin’ny mponina rehetra any Kaldea

ny ratsy rehetra nataony tao Siôna

teo imasonareo, – teny marin’i Iaveh. –

25 Indro Aho manohitra anao, ry tendrombohitryny fandravana,

– teny marin’i Iaveh, –

izay mandrava ny tany rehetra;

maninjitra ny tanako hamely anao Aho,

dia manakodia anao avy eny ambony harambato,

sy mahatonga anao ho tendrombohitra kila.

26 Tsy hakana vato fehizoro ianao na vato fanorenana;

fa ho zava-drava mandrakizay,

– teny marin’i Iaveh. –

Madiva ny farany

27 Manangàna saina, amin’ny tany;

mitsofa anjomara, amin’ny firenena;

manokàna firenena hamely azy;

miantsoa hamely azy ny fanjakan’i Ararata

sy Meniary Askeneza.

Manendre ny filohan’ny tafika hamely azy;

mandefasa ny soavaly toy ny valala mitsangam-bolo.

28 Manokàna firenena hamely azy,

dia ireo mpanjakan’i Media, ny kapiteniny ama-mpanapaka,

sy ny tany rehetra izay tapahiny.

29 Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy,

fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela,

mba hanova ny tanin’i Babela

ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.

30 Ireo lehilahy maherin’i Babela nitsahatra tsy niady;

mihiboka ao anaty trano mimanda;

lany ny heriny, tonga toy ny vehivavy izy;

nodorana ny fonenany;

notapahina ny hidim-bavahadiny.

31 Mihorakoraka ny tsimandoa hifanena amin’ny tsimandoa,

ary ny iraka hifanena amin’ny iraka;

hilaza amin’ny mpanjakan’i Babilôna,

fa afaky ny fahavalo ny tanànany avy hatraiza hatraiza.

32 Ny fitàna efa voatana;

ny heniheny doroana amin’ny afo,

ary ny lehilahy mpiady efa kivy erỳ!

33 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana

amin’ny fotoana fanosena azy,

ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy,

ny andro fararano.

Famaliana ataon’i Iaveh

34 Nandany ahy, nandevona ahy,

i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela;

nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana,

nitelina ahy, toy ny dragona;

nameno ny kibony, tamin’ny nahandroko tsara indrindra,

dia nandroaka ahy.

35 «Hanody an’i Babela anie ny nofoko rotika!»

no holazain’ny mponina ao Siôna;

«hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!»

no ho tenin’i Jerosalema.

36 Koa izao no lazain’i Iaveh:

Indro fa izaho mandray ny adinao, hiandraikitra azy,

ary manatanteraka ny valim-bonoana ho anao:

Ka horitiko ny ranomasiny,

hataoko tankina ny loharanony.

37 Ary i Babela dia ho korontam-bato,

ho fieren’amboadia,

ho fampitahorana sy fanesoana,

tsy hisy mponina.

38 Indray mitrerona hoatra ny liona izy rehetra;

sy mikaonkaona toa zana-diombavy.

39 Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro,

ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana:

dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay,

sy tsy hahatsiaro intsony; – teny marin’i Iaveh. –

40 Hampidiniko ho any amin’ny famonoana, toy ny zanak’omby, izy,

toy ny ondralahy aman’osy lahy.

Tononkalo fisaonana an’i Babilôna

41 Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka,

sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra?

Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana,

i Babela, eo amin’ny firenena?

42 Nisondrotan’ny ranomasin’i Babela,

nosaforany tamin’ny onjany mirohondrohona.

43 Ny tanànany zary zavatra fampitahorana,

tany lao sy efitra;

tany tsy misy zanak’olombelona mandalo akory.

Famangian’i Iaveh an’ireo sampy

44 Hamangy an’i Bela ao Babela Aho:

Ka izay nateliny, hotosahako avy eo am-bavany,

ary ny firenena, tsy hitanjozotra ho ao aminy intsony.

Ny mandan’i Babela aza, nirodana.

45 Mivoahahiala ao aminy, ry oloko,

ary samia mamonjy ny ainareo,

eo anatrehan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.

46 Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra,

noho ny tsahoizay ho re honohono amin’ny tany!

Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray,

ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay;

dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany,

mpanapaka manao jadona mifanohitra.

47 Koa indro, avy ny andro,

hamangiako ny sampin’i Babela;

dia hangaihay ny taniny rehetra,

ary ho lavo eo aminy avokoa ny voavono ao aminy.

48 Ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,

hanao hobin-kafaliana, noho ny amin’i Babela;

satria hiantontàn’ireo mpandringana, avy any amin’ny tany avaratra izy,

– teny marin’i Iaveh. –

49 Tsy maintsy ho lavo i Babela, ry ilay maty amin’i Israely,

toy ny nahalavoan’ireo maty eran’ny tany ho an’i Babela.

50 Ianareo nieren’ny sabatra, miaingà,

fa aza mijanona!

Mahatsiarova an’i Iaveh any an-tany lavitra,

ary aoka ho velona ao am-ponareo ny fiheverana an’i Jerosalema!

51 Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka;

safo-kenatra ny tarehinay,

fa ny hafa firenena no tonga,

nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh.

52 Koa indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hamangiako ny sampiny,

ka hitoloko eran’ny taniny rehetra ny vonoina ho faty.

53 Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela,

na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo,

dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko,

– teny marin’i Iaveh. –

54 Injany misy horakoraka manako any amin’i Babela any:

loza lehibe any amin’ny Kaldeanina!

55 Fa mandrava an’i Babela i Iaveh,

ka ataony mitsahatra ny tabatabany maresaka;

mirohondrohona hoatra ny ranobe ny onjan’izy ireo,

dia mandefa ny feon’ny firohondrohony.

56 Satria tonga namely azy ny mpandrava, –

namely an’i Babela; –

voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany;

fa Andriamanitry ny famaliana i Iaveh,

dia hamaly marina tokoa izy!

57 Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny,

ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny,

ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo,

dia tsy hifoha intsony, – teny marin’ny Mpanjaka, –

izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.

Fongotra i Babilôna

58 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be;

ary voadotra ny vavahadiny avo be.

Ka dia zava-poana izanyno isasaran’ny vahoaka,

ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Eofrata

59 Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.

60 Nosoratan’i Jeremia tamin’ny boky iray avokoa, ny loza hanjò an’i Babilôna, dia ireo teny rehetra voasoratra ny amin’ny Babilôna ireo.

61 Ary hoy i Jeremia tamin’i Saraiasa: Rehefa tonga any Babilôna ianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe:

62 I Iaveh no nilaza ny amin’ity fitoerana ity fa horavana izy, ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy!

63 Ary rehefa tapitra ny famakiako ity boky ity, dia asio vato mifehy aminy, ka atsipazo any afovoan’i Eofrata any izy,

64 sy ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’i Babilôna, sy tsy hifongarany intsony, avy amin’ny loza hahàtrako aminy, fa ho lavo lany hery izy.

Hatreo ny tenin’i Jeremia.

Categories
Jeremia

Jeremia 52

Ny nanjò an’i Jerosalema sy ny soa natao an’i Jôakîna

1 Ary 21 taona i Sedesiasa fony izy tonga mpanjaka; ary 11 taona izy no nanjaka tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amita, zanaka vavin’i Jeremia, avy ao Lobnà.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nianatra izay rehetra nataon’i Jôakima.

3 Ary noho ny fahatezeran’i Iaveh no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy i Jodà, mandra-panariny azy, tsy ho eo anatrehan’ny tavany. Ary i Sedesiasa dia nidina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna.

4 Tamin’ny taona faha-9 nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana faha-9, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin’ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;

5 ary natao fahirano ny tanàna, hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesiasa.

6 Nony tamin’ny volana faha-4, andro fahasivin’ny volana, dia efa mafy ny mosary tao an-tanàna, ka tsy nisy intsony izay hanin-kohanin’ny vahoakan’ny tany; koa tamin’izay,

7 dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny sahan’ny mpanjaka; raha ilay voahodidin’ny Kaldeanina iny ny tanàna, dia nihazo ny lalan’ny tany lemaka izy.

8 Nenjehin’ny miaramila Kaldeanina anefa ny mpanjaka; ka trany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa; dia niparitaka lavitra azy ny miaramilany rehetra.

9 Nosamboriny ny mpanjaka, dia nentina niakatra any amin’ny mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Hemata, dia namoaka teny fitsarana momba azy izy.

10 Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imason-drainy ireo zanaka lahin’i Sedesiasa; novonoina tao Reblà koa ny mpanapaka rehetra tamin’i Jodà.

11 Raha efa izany nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ka nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy, ary nentin’ny mpanjakan’i Babilôna nankany Babilôna izy, sy notanany an-tranomaizina mandra-pahafatiny.

12 Tamin’ny volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, dia izay taona faha-19 nanjakan’i Nabokodonozora, no tonga tany Jerosalema i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, izay mpandraharahan’ny mpanjakan’i Babilôna;

13 ka nandoro ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny tranon’ny mpanjaka sy ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe rehetra.

14 Ary noravan’ny miaramila Kaldeanina rehetra, nanaraka ny kapitenin’ny mpiambina, ny manda nanodidina an’i Jerosalema.

15 Nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo ny sasany tamin’ny olo-mahantra indrindra, mbamin’ny olona sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ireo efa nitsoaka nanatona ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny mpanao taozavatra sisa.

16 Navelan’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ihany anefa ny olo-mahantra sasany tamin’ny tany ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.

17 Novakivakin’ny Kaldeanina ny andry varahina amin’ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny ranomasina varahina sy ny fanambaniny izay tao an-tranon’i Iaveh, dia nentiny nankany Babilôna ny varahina tamin’ireo.

18 Nentiny koa ny vilany, ny lapelina, ny antsy, ny vilia kely, ny kôpy, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, fitondra manao ny fanompoana.

19 Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina koa ny tavin-drano, ny fanembohana, ny vilia kely, ny vilany, dia izay vita amin’ny volamena sy ny volafotsy.

20 Ny amin’ny andry roa, ny ranomasina, mbamin’ireo omby varahina 12 nitaingenany sy ny fanambaniny, izay nampanaovin’i Salômôna mpanjaka, tao an-tranon’i Iaveh, dia tsy nisy tokony handanjana ny varahina tamin’ireo fanaka rehetra ireo.

21 Ny amin’ny andry, dia 18 hakiho no haavon’ny andry iray, ary kofehy 12 hakiho no nandrefy azy manodidina, ary voatondro efatra ny hateviny, ary poaka aty izy.

22 Nisy loha andry varahina ny tampony; dimy hakiho no haavon’ny loha andry iray; nisy harato sy ampongabendanitra ny manodidina ny loha andry, ary varahina avokoa izany. Torak’izany koa ny andry faharoa, mbamin’ny ampongabendanitra.

23 Ampongabendanitra 96, no tamin’ny lafiny, ary 100 no isan’ny ampongabendanitra rehetra tamin’ny harato, amin’ny manodidina rehetra.

24 Nalain’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, i Sôfônia mpisorona amin’ny filaharana manarakaraka, ary ny mpiandry varavarana telo lahy.

25 Ny tao an-tanàna koa, nangalany manamboninahitra anankiray, mpifehy ny olo-mpiady, olona fito lahy, anisan’ny mpanolo-tsaina manokan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny komandin’ny miaramila, miadidy ny fanoratana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary ankapobem-bahoaka amin’ny tany 60 lahy izay hita tao an-tanàna.

26 Nosamborin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ireo, dia nentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna, any Reblà.

27 Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna ireo, sy nataony maty tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata. Toy izany no nitondrana an’i Jodà ho babo, lavitry ny taniny.

28 Izao no isan’ny olona nentin’i Nabokodonozora ho babo: Lehilahy avy amin’i Jodà 3.023, tamin’ny taona faha-7;

29 olona tamin’ny mponina tao Jerosalema, 832, tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora;

30 lehilahy avy amin’i Jodà 745, nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo, tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Nabokodonozora. 4.600 no tontalin’izy rehetra.

31 Tamin’ny taona faha-37 nahababo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, volana faha-12, andro faha-25n’ny volana tamin’ny taona vao nanjakan’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, dia nampitràka ny lohan’i Joasinampanjakan’i Jodà izy io, ka navoakany hiala tao an-tranomaizina.

32 Nanaovany teny be halemem-panahy; nasandrany ho ambony noho ny seza fipetrahan’ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babilôna;

33 nasainy novana ny fitafiany tao an-tranomaizina; ary tsy tapaka nihinana teo anatrehany i Joasina, tamin’ny andro rehetra niainany.

34 Ny amin’ny fivelomany, ny fivelomany hatrany hatrany dia ny mpanjakan’i Babilôna no niantoka azy isan’andro, mandra-pahafatiny, tamin’ny andro rehetra niainany.