Categories
Joany

Joany 1

1 Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny.

2 Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy.

3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra.

4 Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona.

5 Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina.

6 Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany;

7 tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny.

8 Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy.

9 Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao.

10 Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao

11 Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy.

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany

13 ka tsy mba nateraka avy amin’ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona ireo, fa nateraka avy amin’Andriamanitra.

14 Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahinyizahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.

15 Nanambara Azy i Joany, ka niantso nanao hoe: «Izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriakodia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.

16 Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana,

17 satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

18 Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.»

Fanambaràn’i Joany

19 Ary izao no nambaran’i Joany raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?

20 Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe: «Tsy i Kristy aho.»

21 Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: «Iza àry? I Elia va ianao?» Fa hoy izy: «Tsy izy aho.» «Ilay Mpaminany va ianao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsia.»

22 Ka hoy izy ireo taminy: «Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao?»

23 Dia hoy izy: «Izaho nofeon’ny miantso any an’efitra hoe: Ahitsio ny lalan’ny Tompo,araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.»

24 Ary Farisianina ireo iraka ireo.

25 Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe: «Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?»

26 Ka novalian’i Joany hoe: «Izaho manao batemy amin’ny rano; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo,

27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany aza aho.»

28 Tany Betania an-dafin’i Jordany, izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.

29 Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.

30 Izy no ilay nantsoiko hoe: ‹Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.›

31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano.»

32 Ary nilaza marina i Joany nanao hoe: «Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny.

33 Ary izaho tsy nahalala Azy, fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: ‹Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no Ilay manao Batemy amin’ny Fanahy Masina.›

34 Ary nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak’Andriamanitra.»

Ireo mpianatra voalohany

35 Nony ampitson’izay indray, dia mbola teo koa i Joany sy ny mpianany roa lahy;

36 ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra.»

37 Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa.

38 Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe: «Inona no tadiavinareo?» Ary hoy izy ireo taminy: «Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra?»

39 dia hoy Izy taminy: «Avia fa ho hitanareo.» Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny; ary tokony ho tamin’ny ora fahafolotamin’izay.

40 I Andre rahalahin’i Simôna Piera no anankiray tamin’izy roa lahy izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa.

41 Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe: «Efa hitanay ny Mesia» (izany hoe: Kristy, ilay Voahosotra raha adika).

42 Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa dia nanao hoe: «Ianao no Simôna zanak’i Joany; hatao hoe Sefasy ianao, izany hoe, Piera vato»

43 Nony ampitso, niroso nankany Galilea i Jesoa, ary nifanena tamin’i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: «Manaraha Ahy.»

44 Avy ao Betsaida tanàna niavian’i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo.

45 I Filipo kosa nifanena tamin’i Natanaely ka nanao taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna, sy nambaran’ny mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Josefa avy any Nazareta.»

46 Ka hoy i Natanaely taminy: «Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?» Dia hoy i Filipo taminy: «Avia, ary zahao.»

47 Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa, dia nilaza azy hoe: «Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.»

48 Ka hoy i Natanaely taminy: «Ahoana no nahalalanao ahy?» Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.»

49 Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: «Raby ô, Ianao no zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.»

50 Ary hoy i Jesoa taminy: «Mino ianao satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.»

51 Dia hoy koa Izy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatrasy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo.»

Categories
Joany

Joany 2

Fampakaram-bady tao Kanà

1 Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa.

2 I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady.

3 Nony inona, lany ny divay, ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: «Tsy manan-divay izy ireo.»

4 Ary hoy i Jesoa taminy: «Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.»

5 Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo:«Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.»

6 Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famaranaavy,

7 ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Fenoy rano ireo siny ireo.» Dia nofenoiny hatramin’ny molony.

8 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.» Dia nentiny.

9 Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra

10 ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.»

11 Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.

12 Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.

Ny nanadiovana ny Tempoly

13 Ary akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatratany Jerosalema i Jesoa.

14 Hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,

15 ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,

16 ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.»

17 Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:

«Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko.»

18 Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe: «Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?»

19 Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe: «Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.»

20 Ka hoy ny Jody: «Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity, ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e?»

21 Ny Vatany anefa no Tempoly nolazainy.

22 Ary nony tafatsangan-ko velona Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.

Ny nijanonana tao Jerosalema

23 Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;

24 nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy.

25 sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.

Categories
Joany

Joany 3

Dinidinika tamin’i Nikôdema

1 Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema, isan’ny lehibe tamin’ny Jody.

2 Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: «Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy.»

3 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.»

4 Ary hoy i Nikôdema taminy: «Ataon’ny olona ahoana no ateraka indray rehefa antitra izy? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray?»

5 Fa hoy i Jesoa: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahyindray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

6 Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

7 Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy ateraka indray ianareo.

8 Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izanyizay rehetra ateraky ny Fanahy.»

9 Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: «Hatao ahoana no hahatonga izany?»

10 Ary hoy i Jesoa taminy: Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va?

11 Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazànay.

12 Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazàko ny zavatra etỳ an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazàko ny any an-danitra?

13 Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy Izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona Izay any an-danitra.

14 Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa,

15 mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

16 Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.

18 Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.

19 Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany.

20 Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;

21 fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.

Fanambaràna farany nataon’i Joany Batista

22 Taorian’izany, dia nankany amin’ny tany Jodea i Jesoa sy ny mpianany, ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany, sady nanao batemy ny olona.

23 I Joany koa nanao batemy tany Enòna akaikin’i Salima, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy;

24 fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany.

25 Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovanany mpianatr’i Joany,

26 ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: «Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.»

27 Dia namaly i Joany ka nanao hoe: «Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.

28 Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe: Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy.

29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko,

30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

31 Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etỳ an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra;

32 ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny.

33 Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombokase fa marina Andriamanitra.

34 Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetranyno fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.

35 Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.

36 Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.

Categories
Joany

Joany 4

Fanambaràna ny Mpamonjy an’izao tontolo izao tamin’ny Samaritanina

1 Nony fantatry ny Tompo fa ren’ny Farisianina hoe maromaro kokoa ny mpianatr’i Jesoa sy ny olona ataony batemy noho ny an’i Joany

2 – na dia tsy izy aza fa ny mpianany no nanao batemy ny olona, –

3 dia niala tany Jodea Izy ka nankany Galilea indray.

4 Ary tsy maintsy hamaky an’i Samaria Izy,

5 ka tonga tany amin’ny tanànan’i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin’ny saha nomen’i Jakôba an’i Josefa zanany;

6 teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny ora fahenina.

7 Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy i Jesoa taminy: «Mba omeo kely Aho hosotroiko»

8 fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany.

9 Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy: «Nahoana Ianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritanina?» (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina).

10 Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha fantatrao mantsy ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely Aho hosotroiko, dia ianao indray aza no ho nangataka taminy ka homeny rano velona.»

11 Hoy ravehivavy taminy: «Ianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina; ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany?

12 Ianao angaha lehibe noho i Jakôba razantsika, izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto na ny tenany, na ny zanany mbamin’ny bibiny?»

13 Dia hoy i Jesoa namaly azy: «izay rehetra misotro amin’ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin’ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay,

14 satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»

15 Ka hoy ravehivavy taminy: «Omeo amin’izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankatỳ hantsaka koa.»

16 Fa hoy i Jesoa taminy: «Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa atỳ.»

17 «Tsy manam-bady aho,» hoy ravehivavy. Dia hoy i Jesoa taminy: «Marina ny filazanao hoe: tsy manam-bady aho;

18 fa efa nanam-bady indimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, ka marina ny voalazanao.»

19 Dia hoy ravehivavy taminy: «Tompoko, hitako fa Mpaminany ianao.

20 Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana.»

21 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ravehivavy, minoa Ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra iona any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray.

22 Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena.

23 Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray.

24 Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahysy fahamarinana.»

25 Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: «Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra.»

26 Hoy i Jesoa taminy: «Izaho izay miresaka aminao izao no Izy.»

27 Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na Ahoana no iresahanao aminy?

28 Ravehivavy kosa tamin’izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin’ny olona hoe:

29 «Andeha ianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy?»

30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an’i Jesoa.

31 Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa Azy ny mpianany nanao hoe: «Hano, Raby ô.»

32 Fa hoy Izy taminy: «Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.»

33 Dia nifampilaza hoe ny mpianany: «Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha?»

34 Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy, sy ny manatanteraka ny asany.

35 Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana vao taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazo ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy menasahady ny vary ka efa ho fijinja.

36 Izay mijinjadia mandray karama, ary mamory vokatra ho an’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.

37 Fa amin’ity, marina ilay ohabolana hoe: Hafa no mamafy, hafa no mijinja.

38 Nirahiko hijinja amin’izay tsy nasainareo ianareo; fa olon-kafa no niasa, ka ianareo no nanohy ny asany.»

39 Maro ny Samaritanina tamin’izany tanàna izany no nino Azy, noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe: «Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra.»

40 Fa nony tonga teo aminy ny Samaritanina, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro Izy.

41 Ka vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony,

42 sy nanao tamin-dravehivavy hoe: «Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy ny olona.»

Fanasitranana ny zanakalahin’ilay mpiasam-panjakana manamboninahitra

43 Nony afaka ny indroa andro, dia niala tao Izy ka nankany Galilea.

44 Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny.

45 Ary nony tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin’ny fety.

46 Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnaoma,

47 ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty.

48 Fa hoy i Jesoa taminy: «Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba mety mino.»

49 Ka hoy ilay manamboninahitra taminy: «Andeha re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako.»

50 Dia hoy i Jesoa taminy: «Modia, fa velona ny zanakao.» Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody.

51 Nony nandeha izy, dia notsenain’ny ankiziny, ka nilazany fa velona ny zanany.

52 Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy: «Omaly tamin’ny ora fahafitono nialan’ny tazo taminy.»

53 Dia fantatry ny rainy, fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe: «Velona ny zanakao» ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra.

54 Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rehefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.

Categories
Joany

Joany 5

Fanasitranana ilay malemy tao Betesdà

1 Taorian’izany, nisy andro fety tamin’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.

2 Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy.

3 Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan’ny rano.

4 Fa nidina tao anatin’ny dobo ny Anjelin’Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin’ny dobo rehefa nihetsiketsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretiny.

5 Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin’ny valo amby telopolo taona teo.

6 Nony nahita azy nivalandòtra teo i Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy Izy taminy: «Te ho sitrana ve ianao?»

7 Ary hoy ny navalin’ny marary: «Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin’ny dobo aho rehefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafiditra alohako.»

8 Hoy i Jesoa taminy: «Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana.»

9 Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin’izay.

10 Koa hoy ny Jody tamin’ny vao sitrana: «Sabata ny andro, ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao ianao.»

11 Fa hoy ny navaliny azy: «Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: ‹Ento ny fandrianao ka mandehana.› »

12 Dia hoy ireo nanontany azy: «Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany?»

13 Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, i Jesoa koa niala teo.

14 Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-Tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy: «Indro efa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no hanjò anao.»

15 Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody fa i Jesoa no nahasitrana azy.

16 Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.

17 Fa hoy i Jesoa taminy: «Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.»

18 Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny Tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.

Teny momba ny asa ataon’ny Zanaka

Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’izy ireo:

19 Lazaiko marina dia marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona avy amin’ny Tenany ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; ary izay rehetra ataon’ny Ray dia ataon’ny Zanaka.

20 Fa tia ny Zanaka ny Ray, ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny Tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy, mba ho gaga ianareo.

21 Fa toy ny ananganan’ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman’ny Zanaka izay tiany koa.

22 Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra,

23 mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.

24 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.

25 Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady efa tonga sahady ankehitrinyaza ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona.

26 Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa.

27 Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona.

28 Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra,

29 dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana.

30 Raha Izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsaràko, satria tsy mitady ny sitrapoko aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.

31 Raha Izaho ihany no manambara ny Tenako, tsy marinany fanambaràko;

32 fa misy hafaizay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambaràny Ahy.

33 Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy.

34 Tsy dia ny fanambaràna avy amin’olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareono ilazako izany.

35 I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.

36 Fa manana fanambaràna manoatra ny an’i Joany Aho, satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray Aho.

37 Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feonyna oviana na oviana, na nahita ny tarehiny,

38 sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.

39 Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;

40 nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana.

41 Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona;

42 fa fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo.

43 Avy Aho amin’ny Anaran’ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy, amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy,

44 Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy hianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona!

45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray; ao ny hiampanga anareo, dia i Môizy, izay itokianareo.

46 Fa raha mba mino an’i Môizy ianareo, dia hino Ahy koa; satria nanoratra nanambara Ahy izy.

47 Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?

Categories
Joany

Joany 6

Ny nampitomboana ny mofo

1 Nony afaka izanydia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady i Jesoa,

2 ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary.

3 Dia niakatra tany an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany.

4 Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody.

5 Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: «Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?»

6 Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany.

7 Dia hoy i Filipo taminy: «Na dia mofo-na denie roan-jatoaza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory.»

8 Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe:

9 «Misy zazalahy anankiray manana mofo orjadimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?»

10 Dia hoy i Jesoa: «Asaovy mipetraka ny olona.» Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy.

11 Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo.

12 Rehefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very.»

13 Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana.

14 Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: «Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao.»

15 Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

I Jesoa mandeha ambony ranomasina

16 Nony hariva ny andro, nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianany,

17 dia niondrana tamin’ny sambo kely ka nita ny ranomasina ho any Kafarnaoma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa,

18 ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra.

19 Rehefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stadyizy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra.

20 Fa hoy Izy taminy: «Izaho ihany, fa aza matahotra.»

21 Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

Lahateny tao amin’ny sinagogan’i Kafarnaoma

22 Nony ampitso, tsaroan’ny vahoaka izay nijanona teny an-dafin’ny ranomasina fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray teo, ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha;

23 nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rehefa nisaotra Izy.

24 Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo izy nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaoma hitady an’i Jesoa.

25 Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: «Raby, oviana no tonga teto Ianao?»

26 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.

27 Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»

28 Ary hoy izy ireo taminy: «Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?»

29 Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.»

30 Fa hoy ireo taminy: Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao?

31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe:

Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.

32 Dia hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa;

33 satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra.»

34 Ary hoy izy ireo taminy: «Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.»

35 Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.

36 Fa efa voalazako taminareo, fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino.

37 Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,

38 satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.

39 Ary izao no sitrapon’Izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro.

40 Satria izao no sitrapon’ny Raiko Izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.»

41 Dia nimonomonona taminy ny Jody satria Izy nanao hoe: «Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra.»

42 «Moa tsy i Jesoa zanak’i Josefa va ity», hoy izy ireo, «izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe: ‹Nidina avy any an-danitra Aho?› »

43 Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Aza mimonomonona ianareo.

44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.

45 Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe:‹Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra.› Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.

46 Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.

47 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.

48 Izaho no mofon’aina.

49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany;

50 tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy.

51 Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra:

52 raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.

53 Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: «Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?»

54 Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.

55 Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.

56 Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.

57 Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.

58 Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.

59 Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.»

60 Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny sinagoga tany Kafarnaoma Izy.

61 Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: «Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?»

62 Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy: «Mahatafintohina anareo va izany?

63 Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.

64 Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoaohatrinona akory: ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.

65 Nefa misy tsy mino aminareo. Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy.

66 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany»

Fiekem-pinoan’i Piera

67 Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony.

68 Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: «Ianareo koa va mba te hiala?»

69 Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: «Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay;

70 ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no ilay Masin’Andriamanitra.»

71 I Jesoa namaly azy ireo hoe: «Moa tsy Izaho no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy? nefa demony ny iray aminareo.»

72 I Jodasy zanak’i Simôna IsKariota no nantsoiny, fa io, izay isan’ny roa ambin’ny folo lahy, no hamadika Azy.

Categories
Joany

Joany 7

Miakatra any Jerosalema i Jesoa hankalaza ny fety sy hampianatra

1 Taorian’izany dia nitety an’i Galilea i Jesoa fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody.

2 Nony efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay,

3 dia hoy ny rahalahiny taminy: «Mialà eto Ianao, ka mankanesa any Jodea, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa ataonao;

4 fa tsy misy mitady ny tenany ho fantatr’olona ka manao zavatra amin’ny takona. Raha manao izany zavatra izany Ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.»

5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.

6 Dia hoy i Jesoa taminy: «Tsy mbola tonga ny fotoako, fa ny fotoanareo no eo mandrakariva.

7 Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany, noho Izaho milaza fa ratsy ny asany.

8 Mandehana miakatra mamonjy ny fety ianareo, fa Izaho tsy miakatramamonjy izany, satria tsy mbola tonga ny fotoako.»

9 Rehefa nilaza izany izy, dia nijanona tao Galilea.

10 Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.

11 Koa nitady Azy ny Jody tamin’ny andro fety nanao hoe: «Aiza Izy?»

12 Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka; ny sasany nanao hoe: «Tsara fanahy Izy,» ny sasany kosa nanao hoe: «Tsia, fa misoloky ny vahoaka Izy.»

13 Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy ampahibemaso noho ny fahatahorany ny Jody

14 Nony mby teo antenantenan’ny fety, niakatra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, ka nampianatra.

15 Dia gaga ny Jody ka nanao hoe: «Ahoana re no ahaizany taratasy, nefa tsy nianatra Izy tsinona?»

16 Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Ilay naniraka Ahy.

17 Ka raha misy te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia hahalala na avy amin’Andriamanitra ny fampianarako, na miteny ho Ahy Aho.

18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ilay naniraka azy no marina, ary tsy misy fitaka ao aminy.

19 Moa tsy nomen’i Môizy ny Lalàna va ianareo? nefa tsy misy aminareo mahatanteraka ny Lalàna.

20 Nahoana no mitady hahafaty Ahy ianareo?» Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: «Azon’ny demony Ianao; iza no mitady hahafaty Anao eo?.»

21 Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Asa iray monja no nataoko, dia safotra ianareo rehetra.

22 Nefa ny famorana nomen’i Môizy anareo (na tsy i Môizy, fa ny razana no niaviany), dia ataonareo na amin’ny sabata aza.

23 Ka raha foràna ny olona na dia amin’ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn’i Môizy, nahoana no dia tezitra amiko ianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin’ny sabata ny tenany manontolo?

24 Aza dia mitsara araka ny ivelany, fa mbà mitsara araka ny marina!»

Ady hevitry ny olona momba izay niavian’i Kristy

25 Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: «Moa tsy Izy io Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?

26 Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy?

27 Ny niavian’Izy io anefa fantatsika; fa ny hiavian’i Kristy kosa tsy misy mahalala rehefa tonga Izy.»

28 Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: «Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.

29 Izaho no mahalala Azy, satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.»

30 Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Ambaran’i Jesoa ny handehanany

31 Ary maro tamin’ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: «Rehefa tonga i Kristy, moa hanao fahagagana betsaka kokoa noho ny ataon’ity Lehilahy ity va?»

32 Ren’ny Farisianina ny vahoaka nitakoritsika toy izany ny aminy, ka naniraka miaramila hisambotra Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina.

33 Fa hoy i Jesoa: «Kely foana sisa no itoerako aminareo dia hankany amin’Izay naniraka Ahy Aho.

34 Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako.»

35 Dia nifampilaza hoe ny Jody: «Aiza àry no halehany no tsy ho hitantsika Izy? Ho any amin’izay miely any amin’ny Jentily va re Izy, ka hampianatra ny Jentily?

36 Ahoana no hevitr’ity teniny hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako?.»

Fampanantenana ny rano velona

37 Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

38 Fa hisy onin-drano velona hiboiboika avy ao anatin’izay mino Ahy, araka ny volazan’ny Soratra Masina.»

39 Ny Fanahy horaisin’izay hino Azy no nambarany tamin’izany; fa tsy mbola nomena ny Fanahy, satria tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny i Jesoa.

Iadiana hevitra indray izay niavian’i Kristy

40 Nony nandre ireo teny ireo ny vahoaka, ny sasany nanao hoe: «Ity tokoa no ilay Mpaminany»;

41 ny sasany manao hoe: «Ity no i Kristy» fa hoy kosa ny sasany: «Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?

42 Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy amin’ny tanàna Betlehema nitoeran’i Davida no hiavian’i Kristy?»

43 Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.

44 Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy; saingy tsy nisy sahy nitana Azy.

45 Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila, ka nilazan’ireo hoe: «Ahoana no tsy nitondranareo Azy?»

46 Fa hoy ny navalin’ny miaramila: «Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.»

47 Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo: «Ianareo koa angaha voasolokiny?

48 Jereo ange raha mba misy loholona na Farisianina iray akory nino Azy?

49 Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voaozona ireny.»

50 Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo, no nanao taminy hoe:

51 «Moa ny Lalàntsika va manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony?»

52 Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: «Ianao koa ve avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.»

Ilay vehivavy nijangajanga

53 Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy ireo.

Categories
Joany

Joany 8

1 I Jesoa kosa nankany an-tendrombohitra Oliva,

2 fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy.

3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina, ka narosony teo afovoany.

4 Dia hoy izy tamin’i Jesoa. «Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity.

5 Ary i Môizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?»

6 Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.

7 Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: «Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.»

8 Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany.

9 Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany.

10 Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va?»

11 «Tsy nisy, Tompoko, hoy izy. Izaho koa tsy hanameloka anao, hoy i Jesoa. Mandehana, ka aza manota intsony.»

I Jesoa fahazavan’izao tontolo izao

12 Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»

Ady hevitra momba ny fanambaràn’i Jesoa ny Tenany

13 Dia hoy ny Farisianina taminy: «Manambara Tena Ianao, ka tsy marina ny fanambarànao.»

14 Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Na dia manambara Tena aza Aho. dia marina ny fanambaràko, satria fantatro Izay niaviako sy izay alehako, ary ianareo tsy mahalala izay iaviako na izay alehako.

15 Ianareo mitsara araka ny nofo, fa Izaho kosa tsy mitsaraolona na iza na iza.

16 Ary raha mitsara Aho, dia marina ny fitsaràko, satria tsy Izaho irery, fa Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy;

17 ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaràn’ny olona roa.

18 Ary izaho sady manambara ny Tenako no ambaran’ny Ray izay naniraka Ahy koa.»

19 Dia hoy ry zareo taminy: «Aiza ny Rainao?» Fa i Jesoa namaly hoe: «Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha mahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.»

20 Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; nefa tsy nisy nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Fampitandremana an’ireo Jody tsy mety mino

21 Hoy indray i Jesoa tamin’izy ireo: «Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.»

22 Dia hoy ny Jody: «Hamono tena angaha Izy no manao hoe: ‹Izay alehako tsy azonareo aleha?› »

23 Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo avy etỳ an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao.

24 Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.»

25 Dia hoy ry zareo taminy: «Iza moa Ianao?» ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Izay lazaiko aminareo indrindra.

26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho; fa marina ilay naniraka Ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.»

27 Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy.

28 Ka hoy i Jesoa taminy: «Rehefa voasandratrareony Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko.

29 Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva.»

30 Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.

I Jesoa sy i Abrahama

31 Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa,

32 sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo.»

33 Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: «Taranak’i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin’olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: ‹Ho olona afaka ianareo?› »

34 Fa hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon’ny ota;

35 ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva, fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.

36 Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

37 Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko.

38 Izaho milaza izay hitako eo amin’ny Raiko, ary ianareo kosa manao izay renareo ao amin’ny rainareo.»

39 Namaly ireo ka nanao taminy hoe: «I Abrahama no rainay.» Fa i hoy i Jesoa taminy: «Raha zanak’i Abrahama ianareo, dia hanao ny asan’i Abrahama.

40 Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny, dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra: tsy asan’i Abrahama izany.

41 Ny asan’ny rainareo no ataonareo!.»

Dia hoy ireo taminy: «Tsy mba teraka tamin’ny fijangajangana izahay, ka iray ihany ny rainay, dia Andriamanitra.»

42 Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo: «Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria Andriamanitra no niaviako, ary Izy no nahatongavako atỳ; fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.

43 Ahoana àry no tsy fantatrareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.

44 Ny devoly no ray niavinareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy;

45 fa Izaho kosa satria milaza ny marina Aho, dia tsy mino Ahy ianareo.

46 Iza moa aminareo no mahazo milaza marina fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana no tsy mino Ahy ianareo?

47 Izay avy amin’Andriamanitra no mihaino ny tenin’Andriamanitra, ka izany indrindra no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo.»

48 Dia namaly ny Jody ka nanao taminy hoe: «Moa tsy marina ny filazanay fa Samaritanina Ianao sady manana demony?»

49 Ary hoy ny navalin’i Jesoa: «Tsy manana demony Aho, fa Izaho manome voninahitra ny Raiko, ary ianareo kosa tsy manaja Ahy.

50 Izaho tsy mitady voninahitra ho Ahy, fa ao ny mitady izany sy hitsara.

51 Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.»

52 Dia hoy ny Jody: «Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao; i Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa Ianao kosa manao hoe: ‹Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy.›

53 Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao Anao ho iza re Ianao e?»

54 Dia hoy i Jesoa: «Raha manome voninahi-Tena Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra Ahy.

55 Tsy fantatrareo anefa Izy; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa; fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho.

56 Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izyka faly.»

57 Dia hoy ny Jody taminy: «Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama?»

58 «Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy i Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho.»

59 Tamin’izay naka vato izy ireo hitorahana Azy; fa niery i Jesoa ka nivoaka ny Tempoly.

Categories
Joany

Joany 9

Ny nanasitranana ilay teraka jamba

1 Ary nony nandalo i Jesoa, dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,

2 ka hoy ny mpianany nanontany Azy: «Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io, sa ny rainy aman-dreniny, no teraka jamba izy?»

3 I Jesoa namaly hoe: «Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny, fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony.

4 Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana.

5 Raha mbola amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao.»

6 Nony avy nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rorany, nahosony ny mason’ilay jamba,

7 dia hoy Izy taminy: «Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Siloe» (izany hoe Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.

8 Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano taminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: «Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?» Dia hoy ny sasany: «Izy io.»

9 Fa hoy kosa ny sasany: «Tsia, fa olona mitovy aminy.» Ary hoy kosa izy: «Izaho no izy.»

10 «Ka nanao ahoana, hoy ireo taminy, no nahiratan’ny masonao?»

11 Dia hoy izy: «Ilay lehilahy atao hoe i Jesoa no nanao feta, nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe: ‹Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Siloe›, dia lasa aho nanasa, ka nahiratra.»

12 Ary hoy izy ireo taminy: «Aiza izany Lehilahy izany?» «Asa,» hoy izy.

13 Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,

14 fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta sy nampahiratany ny masony.

15 Nanontany azy indray àry ny Farisianina momba izay nahiratany, ka hoy ny navaliny azy: «Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.»

16 Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe: «Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany, fa tsy mitandrina ny sabata Izy.» Fa ny sasany kosa nanao hoe: «Hataon’ny mpanota ahoana no fahavita fahagagana toy izany?» Koa nisara-kevitra izy ireo.

17 Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba: «Mba ahoana kosa no filazanao azy, fa nampahiratra ny masonao Izy?» Ka hoy ralehilahy: «Mpaminany Izy.»

18 Dia tsy nety nino ny Jody fa jamba sy vao nahiratra izy, ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin’ity nahiratra,

19 sy nanontaniany hoe: «Ity va no zanakareo izay lazainareo hoe teraka jamba? Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao?»

20 Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe: «Fantatray fa zanakay io sady teraka jamba;

21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao, ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony, ka izy no anontanio fa efa lehibe izy: izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany.»

22 Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin’ny sinagoga izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,

23 ka izany no nanaovan’ny ray aman-dreniny hoe: «Izy no anontanio fa efa lehibe izy.»

24 Dia nantsoin’ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe: «Andriamanitra no omeo voninahitra; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota.»

25 Ka hoy ny navaliny azy: «Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia, fa izao ihany no fantatro: jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny.»

26 Dia hoy izy ireo taminy: «Inona no nataony taminao? Nanao ahoana sy ahoana avy no nampahiratany ny masonao?»

27 Ka hoy ny navaliny azy ireo: «Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory; ka ahoana indray no itiavanareo handre? Te ho tonga mpianany koa va ianareo?»

28 Dia notevatevain’ireo izy sy nataony hoe: «Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Môizy.

29 I Môizy fantatray fa nitenenan’Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay niaviany.»

30 Namaly ralehilahy ka nanao hoe: «Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa Izy no nampahiratra ny masoko.

31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo Azy sy manao ny sitrapony no henoiny.

32 Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba;

33 ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory.»

34 Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe: «Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve no mampianatra anay!» Sady noroahiny izy.

35 Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy, ka nony hitany dia nilazany hoe: «Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?»

36 Namaly izy ka nanao hoe: «Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy,»

37 Dia hoy i Jesoa taminy: «Efa hitanao Izy, ary Izay miteny aminao no Izy.»

38 Ka hoy izy: «Mino aho, Tompoko,» sady niankohoka nitsaoka Azy izy.

39 Dia hoy i Jesoa: «Fanavahanano nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra.»

Izay mahiratra.Ny mpiavonavona mihambo ho hendry.

40 Ren’ny Farisianina sasany teo izany, ka hoy izy ireo taminy: «Ary izahay ve mba jamba koa?»

41 Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.»

Categories
Joany

Joany 10

Ny Mpiandry ondry tsara

1 «Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika any an-kafa, dia mpangalatra sy jiolahy;

2 fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.

3 Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.

4 Rehefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony:

5 ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.»

6 Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.

7 Koa hoy indray i Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry;

8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.

9 Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.

10 Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.

11 Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;

12 fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,

13 satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.

14 Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,

15 tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.

16 Mbola manana ondry hafakoa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.

17 Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.

18 Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko.

19 Dia nifanditra indray ny Jody nony nandre ireo teny ireo.

20 Ny maro tamin’ireo moa nanao hoe: «Manana demony Izy sady very saina, ka nahoana no mihaino Azy ianareo?»

21 Fa ny sasany kosa nanao hoe: «Tsy mba tenin’olona manana demony izany; ary demony koa ve hahay mampahiratra ny mason’ny jamba?»

I Jesoa manambara fa Zanak’Andriamanitra

22 Tamin’izay tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro,

23 ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-Tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna.

24 Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: «Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.»

25 Dia hoy i Jesoa namaly azy: «Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo; manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko;

26 fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko.

27 Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy;

28 omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.

29 Izay nomen’ny Raiko Ahydia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray.

30 Izaho sy ny Raydia iray ihany.»

31 Dia naka vato hitorahana Azy indray ny Jody;

32 fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?»

33 Dia hoy ny Jody namaly Azy: «Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny Tenanao ho Andriamanitra.»

34 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo:Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?

35 Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,

36 ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?

37 Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo;

38 fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.»

39 Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy.

I Jesoa mihataka any an-dafin’i Jordany

40 Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany.

41 Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: «Tsy nanao fahagagana i Joany;

42 nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy.» Koa maro no nino Azy teo.