Categories
Joany

Joany 11

Ny namelomana an’i Lazara efa maty

1 Nisy lehilahy anankiray narary, dia i Lazara avy any Betania, vohitr’i Maria sy Marta rahavaviny.

2 I Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary.

3 Dia naniraka tany amin’i Jesoa ireto anabaviny hilaza hoe: «Tompo, marary ilay tianao.»

4 Nony ren’i Jesoa izany dia hoy Izy: «Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr’Andriamanitra, sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.»

5 Ary tian’i Jesoa i Marta sy i Maria rahavaviny ary i Lazara.

6 Nefa nony reny hoe marary i Lazara, dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.

7 Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany: «Andeha isika ho any Jodea indray.»

8 Ka hoy ny mpianany taminy: «Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody, ka dia hankany indray ve Ianao?»

9 Dia hoy i Jesoa taminy: «Tsy roa ambin’ny folo ora va ny indray andro? Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina, satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao;

10 fa ny mandeha alina no tafintohina, satria tsy manam-pahazavana.»

11 Nony voalazany izany dia nampiany hoe: «Matory i Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy Aho.»

12 Ka hoy ny mpianany: «Raha matory izy, Tompoko, dia ho sitrana.»

13 Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin’izy ireo.

14 Izay i Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe: «Maty i Lazara,

15 ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao, mba hinoanareo; koa andeha isika hankany aminy.»

16 Dia hoy i Tomà izay atao hoe Didimo tamin’ny mpianatra namany: «Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.»

17 Nony tonga tany i Jesoa, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.

18 Ary i Betania dia tao akaikin’i Jerosalema tokony ho dimy ambin’ny folo stady,

19 ka maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.

20 Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano.

21 Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa: «Raha tatỳ Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko.

22 Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao.»

23 Hoy i Jesoa taminy: «Hitsangana ny anadahinao.»

24 Fa hoy i Marta taminy: «Fantatro fa hitsangana izy amin’ny farandro fitsanganan’ny maty.»

25 Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray;

26 ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»

27 «Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao.»

28 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe: «Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy.»

29 Vao nandre izany kosa i Maria, dia nitsangana niaraka tamin’izay, ka nankao aminy.

30 Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna i Jesoa, fa mbola teo amin’izay nitsenan’i Marta Azy ihany.

31 Nony hitan’ny Jody izay tao amin’i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy fa nitsangana haingana izy ka nivoaka, dia nanaraka azy izy ireo, fa nihevitra hoe: «Lasa hitomany any amin’ny fasana izy.»

32 I Maria kosa, nony tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy, dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe: «Raha tatỳ Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko.»

33 Nony nahita azy nitomany i Jesoa sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra.

34 «Aiza no nandevenanareo azy,» hoy Izy? Dia hoy ireo taminy: «Andeha Ianao hizaha, Tompoko.»

35 Ary nitomany i Jesoa.

36 Dia hoy ny Jody: «Akory ity haben’ny fitiavany azy!»

37 Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo: «Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?»

38 Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa, ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana, izay zohy norakofana vato.

39 «Esory ny vato,» hoy Izy. Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy: «Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay.»

40 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?»

41 Dia noesoriny ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe: «Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao.

42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.»

43 Rehefa nilaza izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Mivoaha, ry Lazara.»

44 Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona: «Vahao izy ka avelao handeha.»

Ireo filohan’ny Jody manapa-kevitra hampamono an’i Jesoa

45 Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.

46 Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Farisianina, ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa.

47 Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: «Inona ity ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny?

48 Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika.»

49 Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany: «Tsy mahalala na inona na inona ianareo,

50 na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny Lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo.»

51 Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa;

52 ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa, ho antokony iray.

53 Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo.

54 Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe: Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany.

Efa akaiky ny Paka

55 Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay, ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka, mba handio tena.

56 Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin’ny Tempoly hoe: «Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?» Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina tamin’izany efa nandidy fa izay mahita ny itoerany dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.

Categories
Joany

Joany 12

Fanosorana tao Betania

1 Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa tany amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangan’i Jesoa ho velona.

2 Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy.

3 Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjana iray livatranatao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo.

4 Tamin’izay hoy i Jodasy IsKariota, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy hoe:

5 «Tsy naleo re namidy denie telon-jato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra?»

6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny.

7 Ka hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy.

8 Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava.»

9 Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao, tsy noho i Jesoa ihany, fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa.

10 Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina,

11 satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.

Ny nidiran’i Jesoa tao Jerosalema amin’ny maha Mesia Azy

12 Nony ampitso, dia ren’ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa,

13 ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe: «Hôzàna, hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, sy Mpanjakan’i Israely.

14 Ary i Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:

15 Aza matahotra, ry zanakavavin’i Siôna; Indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky.»

16 Tamin’izay dia tsy mbola fantatry ny mpianany ny hevitr’izany, fa nony efa voasandratra tamin’ny voninahiny i Jesoa vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon’izy ireo taminy koa.

17 Koa nanambara Azy ny vahoaka izay nanatrika ny fiantsoany an’i Lazara hivoaka tamin’ny fasana sy ny nananganany azy ho velona,

18 ka ny nandrenesan’ny vahoaka be ny nanaovany an’izany fahagagana izany indrindra no niaviany hitsena Azy.

19 Dia vaky ny Farisianina nifampilaza hoe: «Hitanareo fa tsy mahomby ianareo; indro fa mirohotra manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.»

I Jesoa manambara ny voninahitra ho azony amin’ny hahafatesany

20 Ary nisy Jentily sasany anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety,

21 nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: «Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay.»

22 Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.

23 Ary namaly azy i Jesoa, ka nanao hoe: «Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.

24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,

25 dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay;

26 Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.

27 Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin’izao ora izao.

28 Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao.»

29 Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: «Efa nomeko voninahitra Izy,» ary nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: «Kotro-baratra izany,» fa hoy kosa ny sasany hoe: «Anjely niteny taminy izay.»

30 Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.

31 Ankehitriny dia tonga ny fitsaranaan’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.

32 Ary Izaho rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy.»

33 (Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany).

34 Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: «Efa renay tamin’ny Lalàna fa maharitra mandrakizay i Kristy, ka ahoana no lazainao hoe: ‹Tsy maintsy hasandratrany Zanak’olona?› Iza moa izany Zanak’olona izany?»

35 Dia hoy i Jesoa taminy: «Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eto aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.

36 Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana ianareo.» Nony voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy niery azy ireo.

Famaranana: ny tsy finoan’ny Jody

37 Na dia betsaka aza ny fahagagana nataony teo imason’izy ireo, dia tsy nino Azy izy,

38 mba hahatanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany manao hoe:«Tompo ô, iza moa no nino izay teny nampilazaina anay, ary zovy no nampisehoana ny sandrin’ny Tompo?»

39 Izany no tsy nahazoan’izy ireo nino, sady hoy koa i Izaia:

40 «Efa nohajambainy ny masony, ary nohamafisiny ny fony, fandrao mahita ny masony ka hahafantatra ny fony, dia hibebaka izy, ka sao sitraniko.»

41 I Izaia no nilaza izany dia nahita ny voninahitry ny Tompo izy, ka nanambara Azy.

42 Kanefa na eo aza izany, dia maro ihany na hatramin’ny loholona aza no nino Azy, saingy tsy nampiseho ny finoany izy ireo noho ny Farisianina, fandrao dia roahiny amin’ny sinagoga,

43 satria naleony ny voninahitra avy amin’ny olona toy izay ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.

44 Ary niantso i Jesoa nanao hoe: «Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy;

45 ary izay mahita Ahy, dia mahita Izay naniraka Ahy.

46 Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.

47 Ary raha misy mandre ny teniko, ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy Aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy.

48 Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,

49 satria tsy niteny ho Ahy Aho, fa ny Ray izay naniraka Ahy no nandidy izay tsy maintsy lazaiko sy ampianariko.

50 Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.»

Categories
Joany

Joany 13

B. Ny Sakafo farany

1 Talohan’ny fetin’ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny Azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy.

2 Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy IsKariota zanak’i Simôna moa efa nomen’ny devoly hevitra hamadika Azy,

3 i Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no hiverenany,

4 dia nitsangana teo am-pihinanana Izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany;

5 raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany.

6 Ary nanatona an’i Simôna Piera Izy; fa hoy i Piera taminy: «Adre! Ianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro?»

7 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana.»

8 Fa hoy i Piera taminy: «Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao.» Ka hoy i Jesoa namaly azy: «Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.»

9 Dia hoy i Simôna Piera taminy: «Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tanako sy ny lohako koa.»

10 Fa hoy i Jesoa taminy: «Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.»

11 Izy no nanao hoe: Tsy ianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika Azy.

12 Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nandray ny lamba Izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo?

13 Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa Aho.

14 Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy mifanasa tongotra;

15 satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.

16 Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.

17 Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany.

18 Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.

19 Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rehefa tanteraka fa Izaho Aho.

20 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay irahiko, dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.

Fanambaràna ny hamadihan’i Jodasy

21 Rehefa nilaza izany i Jesoa, nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava Izy nanao hoe: «Lazaiko marina dia marina aminareo, fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo.»

22 Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy.

23 Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa no teo anilany niankina tamin’ny tratrany,

24 ka nanàtsika azy i Piera nanao taminy hoe: «Iza ilay lazainy izay?»

25 Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: «Iza moa izany, Tompoko?»

26 Ary hoy i Jesoa hoe: «Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin’ny ro no izy.» Dia natsobony ny mofo ka natolony an’i Jodasy IsKariota zanak’i Simôna.

27 Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo i Jodasy dia nidiran’ny demony, ka hoy i Jesoa taminy: «Ataovy haingana izay hataonao.»

28 Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana;

29 fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra.

30 Vao nandray ilay sombi-mofoi Jodasy dia nivoaka niaraka tamin’izay. Efa alina ny andro tamin’izany.

31 Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa: «Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.

32 Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny Tenany sy hanome voninahitra Azy faingana.»

Ny veloma farany

33 «Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny.

34 Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.

35 Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.»

36 Hoy i Simôna Piera taminy: «Ho aiza Ianao, Tompoko?» Dia hoy i Jesoa: «Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao.»

37 Ary hoy i Piera taminy: «Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza.»

38 Fa hoy i Jesoa: «Hafoinao ho Ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»

Categories
Joany

Joany 14

1 Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.

2 Misy fitoerana maroao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,

3 rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.

4 Ary fantatrareo koa ny lalanaho any amin’izay alehako.

5 Dia hoy i Tomà taminy: «Tsy fantatray izay alehanao Tompoko, ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?»

6 Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.

8 Dia hoy i Filipo taminy: Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany.

9 Fa hoy i Jesoa taminy: Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11 Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;

12 na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.

Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,

13 ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.

14 Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany.

15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.

16 Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.

18 Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatỳ aminareo Aho,

19 Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo.

20 Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.

21 Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.»

22 Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?»

23 Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

24 Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy.

25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.

26 Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

27 Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.

28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray.

29 Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany.

30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,

31 fa mba ho fantatr’izao tontolo izaofa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.

Categories
Joany

Joany 15

Ny tena foto-boaloboka

1 Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.

2 Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.

3 Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo.

4 Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.

5 Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.

6 Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.

7 Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.

8 Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.

9 Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.

10 Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.

11 Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.

12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

13 Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.

14 Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.

15 Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.

17 Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Fankahalàn’izao tontolo izao

18 Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo.

19 Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao satria azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao dia halan’izao tontolo izao ianareo.

20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.

21 Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.

22 Raha tsy tonga Aho ka tsy niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny tsy manana fialan-tsiny izy amin’ny fahotany.

23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.

24 Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’ny olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.

25 Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe:Nankahala Ahy foana izy ireo.

26 Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy.

27 Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo.

Categories
Joany

Joany 16

1 Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo.

2 Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.

3 Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy misy fantany na ny Ray na Izaho.

4 Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany.

Ny hiavian’ny Mpanafaka alahelo

5 Tsy mbola nolazaiko taminareo izany tamin’ny voalohany, satria mbola teto aminareo Aho; fa ankehitriny handeha ho any amin’Ilay naniraka Ahy Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao?

6 Fa noho Izaho nilaza izany taminareo, dia feno alahelo ny fonareo.

7 Milaza ny marina aminareo anefa Aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atỳ aminareo.

8 Ary rehefa tonga Izy, dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana:

9 ny amin’ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ireo;

10 ny amin’ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony;

11 ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao.

12 Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny;

13 fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.

14 Hanome voninahitra Ahy Izy satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo.

15 Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo.

Fanambaràn’i Jesoa ny hiverenany haingana

16 Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho.

17 Tamin’izay ny mpianany sasany dia nifampilaza hoe: «Ahoana no ilazany amintsika hoe: Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho?»

18 Dia hoy izy ireo: «Inona izany lazainy hoe: Rehefa afaka kelikely? Tsy fantatsika izay lazainy.»

19 Ary fantatr’i Jesoa fa te hanontany Azy izy ireo, ka hoy Izy taminy: Ianareo mifanontany ny amin’ny teniko hoe: Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo.

20 Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.

21 Ory ny vehivavy raha miteraka satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rehefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.

22 Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.

23 Amin’izany andro izanydia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny Anarako.

24 Mandraka ankehitrinydia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo; mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.

25 Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.

26 Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo, ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho,

27 satria ny Ray tia anareo koa noho ny nitiavanareo Ahy sy ny ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho.

28 Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.

29 Dia hoy ny mpianany taminy: «Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.

30 Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona: izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao.

31 I Jesoa namaly azy hoe: Mino ange ianareo ankehitriny?

32 Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.

33 Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.

Categories
Joany

Joany 17

Vavak’i Jesoa Mpisorona

1 Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanao hoe: Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,

2 fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.

3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.

4 Nanome voninahitra Anao Aho tetỳ ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.

5 Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô, ny manome voninahitra Ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

6 Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.

7 Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;

8 satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.

9 Mangataka ho azyireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo

10 fa Anao izay Ahy rehetra, ary Ahy izay Anao rehetra, ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.

11 Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, arovy amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy.

12 Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia niaro azy tamin’ny Anaranao. Eny, niaro izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina.

13 Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany, dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.

14 Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.

15 Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy.

16 Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa.

17 Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana.

18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa.

19 Manamasina ny Tenakoho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.

20 Tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa:

21 mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.

22 Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray Antsika:

23 Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

24 Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.

25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.

26 Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho.

Categories
Joany

Joany 18

Ny nisamborana an’i Jesoa

1 Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy sy ny mpianany nankany an-dafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany.

2 Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika.

3 Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana.

4 I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: «Iza no tadiavinareo?»

5 Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: «I Jesoa avy any Nazareta.» Ka hoy i Jesoa taminy: «Izaho no izy.» Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy.

6 Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no izy, dia nianòtra izy ireo, ka niankarapoka tamin’ny tany.

7 Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe: «Iza no tadiavinareo?» Dia hoy izy ireo: «I Jesoa avy any Nazareta.»

8 Ka novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.»

9 Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: «Tsy nisy very izay nomenao Ahy, na dia iray aza.»

10 Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka terỳ ny sofiny ankavanana: Malkôsy no anaran’ilay mpanompo.

11 Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao: tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?»

Fandavan’i Piera

12 Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tomponarivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa, ka namatotra Azy.

13 Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy, fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany;

14 ary i Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray.

15 Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao amin’ny tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.

16 Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.

17 Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Piera: «Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?» Ary hoy izy: «Tsia.»

18 Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera.

19 Ary ny lehiben’ny mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany;

20 ka hoy i Jesoa namaly azy: «Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;

21 ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko.»

22 Nony nilaza izany i Jesoa, dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe: «Izany ve no famalinao ny lehiben’ny mpisorona?»

23 I Jesoa namaly azy hoe: «Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?»

24 Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy.

25 Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: «Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?» Fa nandà izy nanao hoe: «Tsia.»

26 Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina: «Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?»

27 Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.

I Jesoa eo anatrehan’i Pilaty

28 Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any an-tranon’ny governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voalotoka tsy afa-mihinana ny Paka.

29 Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe: «Inona no iampanganareo io Lehilahy io?»

30 Dia hoy ny navalin’izy ireo azy: «Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy ho natolotray anao.»

31 Ka hoy i Pilaty taminy: «Ento izy, ka tsarao araka ny lalànareo.» Fa hoy ny Jody namaly azy: «Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay.»

32 Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjò Azy.

33 Dia niditra tao an-trano i Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe: «Moa mpanjakan’ny Jody va Ianao?»

34 I Jesoa namaly hoe: «Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa no nilaza Ahy taminao?»

35 Dia namaly i Pilaty nanao hoe: «Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?»

36 I Jesoa namaly hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako.»

37 Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»

38 «Inona ny marina?» hoy i Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza;

39 fa araka ny fanao amin’ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?»

40 Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: «Tsy Izy, fa i Barabasy.» Kanefa jiolahy i Barabasy.

Categories
Joany

Joany 19

1 Tamin’izany nalain’i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina.

2 Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafîny kapaoty jakyIzy.

3 Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo, ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe: «Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.»

4 Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe: «Indro Izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.»

5 Tamin’izay nivoaka i Jesoa misatroka fehiloha tsilo sy mitafy kapaoty jaky, ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody: «Indro ny Lehilahy.»

6 Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe: «Fantsiho, fantsiho amin’ny hazofijaliana izy.» Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo: «Ento àry ka fantsihonareo, fa izaho tsy mba mahita izay helony.»

7 Dia hoy ny Jody namaly azy: «Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina Izy, satria nanao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.»

8 Nandre izany i Pilaty vao mainka natahotra.

9 Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Avy aiza moa Ianao?» Fa tsy namaly azy i Jesoa.

10 Ka hoy i Pilaty taminy: «Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho, no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?»

11 Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy hanam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.»

Fanamelohana ho faty

12 Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe: «Raha mandefa Io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.»

13 Nony nandre izany teny izany i Pilaty dia nitondra an’i Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin’ny fitsarana, amin’ny fitoerana atao hoe Litôstrôtôs, na Gabatà amin’ny teny hebrio.

14 Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay ary tokony ho tamin’ny ora fahenina; dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody: «Indro ny Mpanjakanareo.»

15 Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe: «Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.» Ka hoy i Pilaty taminy: «Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?» Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe: «Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.»

16 Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa.

Ny namantsihana an’i Jesoa amin’ny Hazofijaliana

Ka noraisin’izy ireo Izy, dia nentiny.

17 Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliany, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe KalveryIzy, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio.

18 Teo no namantsihany Azy tamin’ny hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa, fa i Jesoa teo afovoany.

19 Ary nanao soratra i Pilaty napetany teo an-dohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vakiny: «Jesoa avy any Nazareta mpanjakan’ny Jody.»

20 Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa; sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra.

21 Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty: «Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody, fa hoe Izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody Aho.»

22 Fa hoy i Pilaty hoe: «Izay voasoratro dia voasoratro.»

Ny nizaràna ny fitafiany

23 Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany,

24 ka nifampilaza izy ireo hoe: «Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hilokàntsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka.» Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe:Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko.

Dia izany no nataon’ny miaramila.

I Jesoa sy ny Reniny

25 Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina.

26 Nony hitan’i Jesoa ny ireniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny: «Ravehivavy, indro ny zanakao.»

27 Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: «Indro ny reninao.» Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.

Ny nahafatesan’i Jesoa

28 Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: «Mangetaheta aho.»

29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny spônjy novontosana vinaingitra, sy notohizina tamin’ny hazo hisopa, dia natohoka teo am-bavany.

30 Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: «Tanteraka ny zavatra rehetra.» Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.

Ny nandefonana an’i Jesoa

31 Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany).

32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;

33 fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony.

34 Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny tratrany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.

35 Ary ilay nahitano milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.

36 Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe:

«Tsy hisy hotapahinany taolany, na dia iray aza.»

37 Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: «Hijery Izay nolefoniny izy.»

Ny nandevenana an’i Jesoa

38 Rehefa afaka izany, i Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody dia nangataka tamin’i Pilaty mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa.

39 Ary tonga koa i Nikôdema, ilay nanatona an’i Jesoa nony alina tamin’ny voalohany, nitondra mira sy aloesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra.

40 Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana.

41 Nisy saha anankiray kosa tao amin’ilay toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha.

42 Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana.

Categories
Joany

Joany 20

Ny fasana foana

1 Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.

2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: «Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.»

3 Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana,

4 ka niara-nihazakazaka izy roalahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana.

5 Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.

6 Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo,

7 sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana terỳ.

8 Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino.

9 Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty i Jesoa.

10 Dia lasa ny mpianatra nody tany aminy.

Ny nisehoan’i Jesoa tamin’i Maria avy any Magdala

11 Fa i Mariakosa nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy,

12 ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.

13 Dia hoy izy ireo taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?» Ka hoy izy namaly ireo: «Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.»

14 Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.

15 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?» Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: «Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy.»

16 Dia hoy i Jesoa taminy: «Ry Maria!» Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: «Rabòny!» (izany hoe Mpampianatra).

17 «Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»

18 Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: «Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.»

Ny nisehoany tamin’ireo mpianatra

19 Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’ireo hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»

20 Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.

21 Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa.»

22 Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsokaka nanao tamin’izy ireo hoe: «Raiso ny Fanahy Masina:

23 ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.»

24 Fa i Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.

25 Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: «Efa nahita ny Tompo izahay.» Fa hoy izy tamin’ireo: «Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho.»

26 Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tomà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»

27 Ary hoy izy tamin’i Tomà: «Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino.»

28 Dia namaly i Tomà ka nanao taminy hoe: «Tompoko sy Andriamanitro!»

29 Fa hoy i Jesoa taminy: «Nino ianao, ry Tomà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino.»

FAMARANANA

30 Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity.

31 Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.