Categories
Jôba

Jôba 1

I Satana mitsapa an’i Jôba

1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Jôba, tany amin’ny tanin’i Hosa. Izy io dia lehilahy marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.

2 Fito lahy sy telo vavy no zanaka naterany.

3 Ny fananany kosa dia ondry 7000, rameva 3000, omby 500 tsiroaroa, ampondravavy 500, ary mpanompo maro be, ka dia izy no lehilahy lehibe indrindra tamin’ny zanaky ny Tatsinanana.

4 Fanaon’ireo zanany ny mifamangy sy mifanasa amin’ny sakafo tsara samy amin’ny an’androny avy, ary naniraka hanasa ireo anabaviny telo vavy izy, hiara-mihinana sy misotro aminy.

5 Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain’i Jôba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: «Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin’Andriamanitra tao am-pony». Toy izany no nataon’i Jôba hatrany hatrany.

6 Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan’i Iaveh ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana.

7 Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».

8 Ary hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany, marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra, ary mifady ny ratsy».

9 Fa hoy i Satana namaly an’i Iaveh: «Moa matahotra an’Andriamanitra maimaim-poana va i Jôba?

10 Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin’ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny.

11 Fa ahinjiro ny tananao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona Anao manatrika izy!»

12 Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana». Dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Satana.

13 Ary indray andro, raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahy matoa iny, ireo zanany lahy aman-janany vavy,

14 dia nisy iraka tonga nilaza tamin’i Jôba hoe: «Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy,

15 dia tonga tampoka ny Sabeanina nandroba azy ireo, sady namono ny ankizilahy tamin’ny lelan-tsabatra, fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».

16 Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin’ny ankizy lahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao».

17 Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizy lahy tamin’ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».

18 Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Nihinana sy nisotro divay tao amin’ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy,

19 ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin’ny efitra, nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ireo zatovo ny trano, ka maty izy: izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».

20 Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:

21 «Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh».

22 Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an’Andriamanitra.

Categories
Jôba

Jôba 2

1 Indray andro, raha tonga teo anatrehan’i Iaveh ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana, ka tonga teo anatrehan’i Iaveh.

2 Ary hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Ka hoy i Satana namaly an’i Iaveh: «Avy nitety ny tany aho ary nitsangantsangana teny».

3 Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany, marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Maharitra mandrakariva amin’ny fahamarinana izy, na dia notaominao hamery azy tsy ahoan-tsy ahoana aza Aho».

4 Fa hoy ny navalin’i Satana an’i Iaveh: «Hoditra fefin’ny hoditra! Izay ananan’ny olona dia atolony ho fefin’ny ainy avokoa.

5 Fa ahinjiro hikasika ny nofo amam-batany ny tananao, raha tsy manozona Anao manatrika izy!»

6 Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Indro atolotro eo an-tananao izy; ny ainy tokana no hany tsimbino».

7 Dia niala teo anatrehan’ny tavan’i Iaveh i Satana, ka nasiany habokanaratsy i Jôba, hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.

8 Ary i Jôba naka tavim-bilany hihaorany ny feriny, sy nipetraka teo ambony lavenona.

9 Dia hoy ny vavy taminy: «Mbola maharitra amin’ny fahamarinanao ihany va ianao? Ozòny Andriamanitra dia aoka ho faty ianao».

10 Fa hoy izy taminy: «Miteny toy ny vehivavy adala ianao! Mandray ny soa avy amin’Andriamanitra isika, ka nahoana no tsy handray ny ratsy avy aminy koa?» Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy mba nanota tamin’ny molony.

11 Nony nandre ny loza rehetra nanjò an’i Jôba ireo sakaizany telo lahy: i Elifaza avy any Temàna, i Baldada avy any Sohe, ary i Sôfara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin’ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy.

12 Mbola teny lavidavitra teny izy, dia nanopy ny masony fa tsy nahalala azy, ka nanandra-peo nitomany; samy nandrovitra ny kapaotiny izy ireo, nanipy vovoka mankany an-danitra ambonin’ny lohany.

13 Dia niara-nipetraka tamin’ny tany teo akaikiny izy, fito andro sy fito alinatsy nisy niteny taminy, na dia indraimbava aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.

Categories
Jôba

Jôba 3

I Jôba manozona ny andro nahaterahany

1 Rehefa afaka izany, dia niloa-bava i Jôba ary nanozona ny andro nahaterahany izy.

2 Nanomboka niteny i Jôba nanao hoe:

3 «Ho foana anie ny andro nahaterahako,

Mbamin’ny alina nanao hoe: ‹Misy olona iray vao torontoronina›.

4 Hiova ho haizina anie izany andro izany,

Ka tsy hiahy azy any ambony anie Andriamanitra,

ary tsy hamirapiratra aminy anie ny hazavana.

5 Fa ny haizina aman’aloky ny fahafatesanaanie hahalasa azy,

ho voasaron’ny rahona matevina izy,

ka hahatsiravina ny fanakonana ny hazavany!

6 Ho babon’ny haizim-pito anie izany alina izany,

ka tsy hisaina amin’ny andron’ny taona,

tsy hiditra amin’ny fanisana ny volana!

7 Ho efitra foana anie izany alina izany,

ka tsy ho re ao ny hobin-kafaliana!

8 Hanozona azy anie ireo izay manozona ny andro,

izay mahay mamoha an’i Leviatàna!

9 Hihamaizina anie ny kintan’ny marainanay,

andrasany anie ny fahazavana nefa tsy ho tonga,

ary aza mahita ny hodimason’ny marainaizy!

10 Satria tsy nohidiany ho ahy ny varavaran’ny kibo,

ary tsy nafenina tamin’ny masoko ny fahoriana.

11 Toy izay aho, ka maty hatrany am-bohoka!

Toy izay aho, ka niala aina, raha vao nivoaka avy tao an-kibo!

12 Nahoana aho, no dia nahita lohalika roa hiampofo?

Ary nahoana aho no nisy nono roa hotsentsafiko?

13 Fa toy izay aho efa nandry ary niadana,

efa natorysy niala sasatra,

14 miaraka amin’ireo mpanjaka sy lehiben’ny tany,

izay efa nahavita fasan-dehibe ho an’ny tenany;

15 sy amin’ireo andriandahy be volamena,

nameno volafotsy ny fonenany.

16 Na hoe: tsy ho nisy aho, toy ireo tsy tonga volana tsy fantatra;

sy toy ireo zaza tsy nahita masoandro.

17 Any, tsy manao an-keriny intsony ny ratsy fanahy

any, miala sasatra ny olona lany hery;

18 ny voababo any, mandry feizay avokoa,

tsy mandre intsony ny feon’ny mpampahory azy.

19 Any avokoa ny kely sy ny lehibe,

Ary ny mpanompo afaka amin’ny tompony.

20 Nahoana no atao mahita masoandro ny ory,

sy omena ny aina ireo vonton’ny hangidy ny fanahiny,

21 manantena ny fahafatesana, nefa tsy avy ny fahafatesana;

katsahiny an-kafanam-po, mihoatra noho ny rakitra,

22 fa sambatra izy ireo, mientan-kafaliana,

ary ravoravo raha sehatra ny fasana;

23 dia ny olona maizin-dalan-kaleha izany,

sy voafefin’Andriamanitra hatraiza hatraiza!

24 Ny fitolokoko no toy ny mofoko,

ary ny fitarainako migororoana toy ny rano.

25 Fa izay atahorako no manjò ahy,

ary izay angovitako no miantefa amiko.

26 Tsy misy fianinana intsony, tsy misy fiadanana intsony,

tsy misy fitsaharana intsony, fa tebiteby no nahazo ahy».

Categories
Jôba

Jôba 4

Fitokiana an’Andriamanitra

1 Dia niteny i Elifaza avy any Temàna ka nanao hoe:

2 «Raha manandrana hiteny indraimbava izahay, dia sao sosotra ianao amin’izany.

Nefa zovy moa no hahatana ny teniny?

3 Indro fa nampianatra olona maro ianao;

nankahery izay niraviravy tanana ianao;

4 nampijoro izay nivembena ny teninao,

sy nanampy ny lohalika malemy ianao.

5 Kanjo ankehitriny, nony mankaminao ny loza, dia kivy ianao,

nony mba trany ianao izao, dia manary toky kosa!

6 Tsy ny fahatahoranao an’Andriamanitra va no fanantenanao?

Tsy ny hadiovan’ny toetrao va no mba tokinao?

7 Mba tadidio ange: zovy moa no tsy manan-tsiny mba very?

Taiza ho aizan’izao tontolo izao, no mba naringana ny olo-marina?

8 Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka,

sy ireo efa mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr’izany.

9 Fa ny fofon’ain’Andriamanitra no aharinganan’ireny,

ny fifofofofon’ny hatezerany no mahalevona ireny.

10 Ny fieron’ny liona mbamin’ny feony mikotrokotroka, dia tankina,

ary ny nifin’ny liona tanora dia voatorotoro.

11 Noho ny tsy fisian-dremby dia maty ny lion-dahy,

ary ny zanaky ny liom-bavy miely patrana.

12 Nisy teny misokosoko tonga tamiko

ary ngonongonina malemy no hany ren’ny sofiko tamin’izany.

13 Tao amin’ny fahitana manjavozavo alina,

tao anatin’ny fotoana mahasondrian-tory mafy ny olombelona,

14 nisy tahotra aman-kovitra nahazo ahy,

ary nanozongozona ny taolako rehetra izany,

15 Dia indro nisy fanahy nandalo teo anatrehako,

ka nampitsangam-bolo ny tenako rehetra.

16 Nitraka izy, tsy fantatro endrika velively

dia toa matoatoa eo imasoko.

Dia nisy fahanginana aloha, vao nandre feo aho:

17 Ho marina va ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra?

Ho madio va ny olona, eo anoloan’ny Mpahary azy?

18 Indro fa ny mpanompony aza, tsy itokiany,

ary ny Anjeliny aza, ahitany tsiny:

19 ka mainka izay olona monina an-trano fotaka

ary vovoka ny fototra iorenany,

ka hatao manjary vovoka toy ny voan’ny kalalao!

20 Hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, dia voaringana izy;

ary levona mandrakizay izy, nefa tsy ahoan’ny olona akory.

21 Tapaka ny kofehy amin’ny lain’izy ireo;

Maty alohan’ny fahazoana ny fahendrena izy.

Categories
Jôba

Jôba 5

1 Miantsoa hoe, raha misy olona hamaly anao!

iza amin’ireo masina no hitodihanao?

2 Ny adala levona amin’ny hatezerany

ary ny foka maty amin’ny fisafoahany.

3 Efa nahita ny adala namàka nisandrahaka aho,

kanjo vetivety foana dia nanozona ny fonenany.

4 Tsy misy famonjena ho an’ny zanany;

montsanina eo am-bavahady ireny, nefa tsy manan-kamonjy;

5 Ny variny vokatra, dia lanin’ny lehilahy noana,

mihoatra ny fefy tsilohery izy, dia mandroba azy;

ny hareny koa, areboky ny lehilahy mangetaheta.

6 Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny fahoriana,

ary tsy mitsimoka amin’ny tany ny fijaliana,

7 no ho teraka mba hozoim-pahoriana ny olona,

toy ny zanaky ny varatra mba hiakatra fanidina.

8 Raha izaho ianao, Andriamanitra no hotodihiko,

any aminy no handefasako ny fivavahako.

9 Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy,

zava-mahagaga tsy tambo hisaina.

10 Izy no mandatsaka ranonorana amin’ny tany,

mandefa ny rano eny amin’ny saha,

11 manandratra izay voaetry,

ary ny tra-pahoriana mahita hasambarana indray.

12 Manafoana ny tetikadin’ny mpamadika Izy,

ka tsy mahatanteraka ny teti-dratsiny ny tanan’ireny.

13 Maningotra ny fetsy amin’ny hafetseny izy,

ary mandrava ny tetikadin’ny fetsy ratsy,

14 ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny

ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.

15 Hataon’Andriamanitra afaka amin’ny sabatry ny lelan’ireny ny malahelo,

sy amin’ny tanan’ny mahery.

16 Ka mody amin’ny mahantra ny fanantenana,

ary ny faharatsiana kosa mikombom-bava.

17 Sambatra ny olona faizan’Andriamanitra!

ka aza atao tsy ho zavatra ny fanitsian’ny Tsitoha.

18 Fa mandratra Izy, ary mamehy ny ratra;

mikapoka Izy, ary manasitrana amin’ny tanany.

19 Inenina Izy hanafaka anao amin’ny fahoriana;

ary amin’ny fanimpitony, dia tsy hahazo anao ny loza.

20 Amin’ny mosary, harovany amin’ny fahafatesana ianao;

amin’ny ady, harovany tsy ho voan’ny sabatra ianao.

21 Ho voaaro amin’ny kotopian’ny lela ianao,

ary tsy hatahotra rehefa avy ny fandringànana.

22 Hihomehezanao ny mosary amam-pandringanana;

tsy hatahotra ny biby dia amin’ny tany.

23 Fa ho vita fanekena aminao ny vato eny an-tsaha;

ary hihavana aminao ny biby dia amin’ny tany.

24 Fa hahita ny fiadanana manjaka eo an-dainao ianao;

ary hitsidika ny tanim-bilonao ianao, ka tsy hisy diso tsy ao.

25 Ho hitanao ny taranakao mitombo,

ary ny solofonao mihamaro, hoatra ny ahitra any an-tsaha.

26 Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana,

toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.

27 Izany no voadinikay, izany no marina.

Henoy Izy, ary ataovy soa ho anao».

Categories
Jôba

Jôba 6

Tsy misy mahalala ny fahorian’ny trotraka afa-tsy ny tenany

1 Tamin’izay, dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2 «Eh, raha mba azo lanjaina mantsy ny fahoriako,

ka azo atambatra atao eo ambony mizàna avokoa ny loza manjò ahy,

3 dia havesatra noho ny fasiky ny ranomasina izy:

ka noho izany, dia tafahoatra ho rediredy ny teniko.

4 Fa ny zana-tsipìkan’ny Tsitoha no manindrona ahy,

ary ny poizina amin’ireo, fohin’ny fanahiko;

ny fampitahoran’Andriamanitra tafalahatra hiady amiko.

5 Minananàna eo akaikin’ny vilo-maitso va ny ampondra dia?

Mimamà eo anoloan’ny haniny va ny ombalahy?

6 Hatao ahoana no fihinan-kanina matsatsosy tsy misy sira?

Hatao ahoana no fankafỳ ron’anana tsy nisy tsirony?

7 Izay lavin’ny nofo tsy hokasihina akory,

no indro tonga haniko, sady feno loto maharikoriko.

8 Aiza no hahitako izay hahatò ny fahoriako,

sy izay hahatanterahan’Andriamanitra ny antenaiko!

9 Ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy,

handefa ny tanany sy hanapitra ny androko!

10 Aoka tsy ho afaka amiko izao fiononam-po izao,

ka hiravoravoako ao anatin’ny loza anindriany ahy;

dia ny tsy nandikako na oviana na oviana ny didin’ny Masina.

11 Inona moa ny heriko, mba hanantenako?

Ohatrinona no halavan’ny androko, mba haharetako?

12 Herim-bato va ny heriko?

Ary varahina va ny nofoko?

13 Tsy efa foana amiko va ny vonjy rehetra?

Tsy efa alàna amiko va ny toky rehetra hahitana famonjena?

14 Mendrika hiantran’ny sakaizany izay tra-pahoriana,

na dia nandao ny fahatahorana ny Tsitoha aza izy.

15 Ireo rahalahiko kosa, namadika toy ny ranotrambo,

toy ny rano an-dohasahan-driaka, izay mikoriana;

16 Sakantsakanan’ny vongan-dranomandry ny fandehany,

levona anatin’ny onjany, ny oram-panala.

17 Rehefa maina ny andro dia levona izy;

raha vao mafana ny andro, ritra an-toerana izy.

18 Eny amin’izao sakeli-dalana rehetra izao ny ranony dia lany;

eny amin’ny habakabaka izy, manjary etona, dia tankina.

19 Nanandrandra azy ny andia-mpivahiny avy any Temà;

nanantena azy ny mpandeha avy any Sabà.

20 Kanjo foana ny fanantenan’ireny,

fa nony tonga teo imorony indreo nangaihay.

21 Toy izany koa ianareo manary ahy amin’izao;

fa vao nahita fahoriana ianareo, dia nihodina raiki-tahotra.

22 Kanefa moa ve aho nanao hoe: ‹Mba omeo zavatra kely aho?

mba omeo anjara amin’izay anananareo aho?

23 Vonjeo amin’ny tanan’ny fahavaloko aho,

afaho amin’ny tanan’ny mpitoha aho?›

24 Ampianaro aho, fa hangina hihaino anareo,

ampahafantaro ahy izay nahadiso ahy,

25 Endrey izany herin’ny teny marina!

Fa mba inona kosa no iharan’ny faninianareo?

26 Sao dia ny hisambo-teny no tadiavinareo?

Raha izay tenin’ny mamoy fo anefa, dia entin-drivotra foana.

27 Indrisy, latsahanareo harato ity kamboty,

ary ihadianareo lavaka ny sakaizanareo hamandrihana azy!

28 Fa ankehitriny mba mitodiha kely atỳ amiko,

dia ho hitanareo, raha hilazako lainga manatrika ianareo.

29 Miverena, ka aza mety ho tsy marina,

miverena, dia hiharihary ny tsy fananako tsiny.

30 Misy faharatsiana va eo am-bavako?

Sa tsy mahay manavaka ny ratsy va ny vavako?

Categories
Jôba

Jôba 7

1 Andro fanompoana, ny fiainan’ny olombelona eto an-tany,

ary toy ny an’ny mpikarama ny androny.

2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka,

toy ny mpikarama miandry ny karamany,

3 mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory,

sy nanana izay anjara alina mampijaly.

4 Fa nony handry aho manao hoe:

‹Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra?›

dia nandry andriran’antsy foana eo aho,

mandra-pahazavan’ny andro.

5 Ny nofoko rakotra olitra aman-tako-pery vasoka,

ny hoditro mitsefatsefaka, sady ivoaha-nana.

6 Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko,

dia lany: tsy misy fanantenana intsony!

7 Andriamanitra ô, tsarovy fa fofona kely foana ny aiko!

ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko.

8 Ny maso mijery ahy, tsy hahita ahy intsony;

ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho eo intsony aho.

9 Mihahaka dia levona ny rahona:

toy izany koa izay midina ho any amin’ny Seoly dia tsy hiakatra intsony;

10 tsy hody ao an-tranony intsony izy,

ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany teo aloha.

11 Noho izany dia tsy hamehy ny vavako aho;

fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko,

handefa ny fitarainako noho ny ngidiny ato am-poko.

12 Ranomasina va aho, sa biby dia an-dranomasina,

no dia asianao fefy avokoa ny manodidina ahy?

13 Nony injay aho mba milaza hoe: ‹Hampionona ahy ny farafarako,

hampitony ny fitarainako ny fandriako›,

14 injay kosa Ianao mampitahotra ahy amin’ny nofy;

mampivadi-po ahy amin’ny tsindrimandry.

15 Endrey! Aleon’ny fanahiko alàna aina an-keriny;

ny taolako miantso ny fahafatesana!

16 Ny tenako voan’ny fihalevonana;

ny aiko mitsoaka amiko

ho amin’ny mandrakizay:

avelao re aho; fa fofona foana ny androko.

17 Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra erỳ,

fa mba mety hikarakara azy Ianao,

18 mamangy azy isa-maraina

ary zahanao toetra isan-tapak’andro?

19 Rahoviana re no hitsahatra ny fijerenao ahy?

Rahoviana re no havelanao aho, mba hisy hitelemako ivy?

20 Raha nanota aho, inona no azoko atao aminao,

ry Mpiandry ny olombelona ô!

Nahoana no dia apetrakao hiantefan’ny zana-tsipìkanao aho,

ka hampanjarianao enta-mavesatra ho ahy ny tenako?

21 Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko?

Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako?

Fa vetivety foana dia handry amin’ny vovoka aho,

ary hitady ahy Ianao; fa tsy hisy intsony aho».

Categories
Jôba

Jôba 8

Ny tsy maintsy ho fandehan’ny fahamarinan’Andriamanitra

1 Dia niteny i Baldada avy any Sohe tamin’izay ka nanao hoe:

2 «Mandra-pahoviana no hanaovanao teny toy izany,

sy vava miloaka toy ny tafio-drivotra mifofofofo?

3 Andriamanitra va hampandefitra ny rariny,

ny Tsitoha va hamadika ny fahamarinana?

4 Ny zanakao aloha raha nanota taminy,

dia natolony ho eo am-pelatanan’ny haratsiany.

5 Ianao kosa, raha mangata-bonjy amin’Andriamanitra ianao,

raha mitalaho amin’ny Tsitoha ianao,

6 raha madio sy mahitsy fo ianao,

dia hiambina anao Izy,

haveriny amin’ny fiadananyindray ny fonenan’ny fahamarinanao,

7 ka hataonao zavatra kely foana ny toetranao voalohany

noho ny faharoa efa lasa ambony loatra.

8 Anontanio ange ny olona tany aloha;

diniho ange izay efa notsapain’ny razana;

9 satria isika vao omaly, ka tsy mahalala na inona na inona,

ny androntsika eto an-tany mihelina toy ny aloka,

10 fa ireny kosa, tsy hanoro anao sy hilaza aminao va,

ka hamoaka oha-teny avy ao am-pony?

11 Maniry eny ivelan’ny heniheny va ny zozoro?

mitrebona tsy misy rano va ny harefo?

12 Mbola tanora, tsy voatapaka akory izy,

dia maina, alohan’ny zava-maitso eny an-tsaha.

13 Toy izany koa ny lalan-kalehan’izay manadino an’Andriamanitra,

ho levona ny fanantenan’ny tsy mpivavaka.

14 Ho maito ny tokiny,

hanahaka ny tranon-kala ny fitokiany.

15 Miankina amin’ny tranony izy, nefa tsy mafy orina io;

mifikitra aminy izy, nefa tsy mahajoro io.

16 Be aina eo ambany masoandro izy;

misandrahaka eo amin’ny tanimboliny, ny rantsany;

17 mifandiditra eo amin’ny korontam-bato ny fakany;

tafalentika hatreo ambanin’ny vato izy.

18 Raha voafongotra teo amin’ny fitoerany izy,

dia lavin’ny fitoeranyataony hoe:

‹Tsy nahita anao na oviana na oviana aho›.

19 Ka tapitra hatreo ny fijaliany

fa hafa indray no hisandratra avy amin’io tany io.

20 Tsia. Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny;

Izy tsy mitantana ny mpanao ratsy.

21 Hataony feno hehy mikakakaka ny rovanao,

hataony eo amin’ny molotrao ny hira fifaliana.

22 Ho safo-kenatra ny fahavalonao;

ary ho fongotra ny lain’ny ratsy fanahy».

Categories
Jôba

Jôba 9

Ny fahamarinan’Andriamanitra no mifehy ny zon’ny tena

1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:

2 «Fantatro tsara fa izany tokoa no izy:

Ahoana no hahamarina ny olombelona mifandahatra amin’Andriamanitra?

3 Fa raha mitady hifamaly aminy izy,

dia tsy hahavaly Azy, na dia iray amin’ny arivo aza.

4 Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny.

Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?

5 Mamindra ny tendrombohitra Izy, ka tsy fantatr’izy ireo,

mandrodana ireny amin’ny hatezerany Izy;

6 manifikìfika ny tany amin’ny fanorenany Izy,

dia mihozongozona ny andriny.

7 Mandidy ny masoandro Izy, dia tsy miposaka io;

asiany tombokase ny kintana.

8 Izy irery no mamelatra ny lanitra,

mandia ny onjan-dranomasina.

9 Izy no nahary ny Orsa, ny Telonohorefy, ny Kotokelimiadilaona,

ary ny lafin’ny lanitra atsimo.

10 Manao zava-dehibe tsy hay fantarina Izy,

dia zava-nahagaga tsy tambo hisaina.

11 Indro fa mandalo eo akaikiko Izy, tsy mahita Azy aho,

manalavitra indray Izy, tsy mahatsikaritra Azy aho.

12 Raha mipaoka remby Izy, zovy no hahasakana izany?

Zovy no hanao aminy hoe: ‹Fa inona ity ataonao?›

13 Andriamanitra! Tsy misy mahaketraka ny hatezerany, na inona na inona,

mitanondrika eo anoloany ireo maro mpisolanandrana.

14 Ka izaho ve no hanonofy izay hamaly Azy,

ka hifantina izay teny hifandaharako aminy?

15 Na hanana ny marina aza aho tsy hahavaly akory,

ny hangataka ny famindram-pon’Izy mpitsara ahy no hataoko.

16 Na ho nanaiky ny fitarainako aza Izy,

dia tsy noheveriko ho nihaino ny feoko,

17 Izy ilay manorotoro ahy toy ny ao amin’ny tadio,

sy mampitombo ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana;

18 tsy avelany hahita hiainana akory aho, sady vokisany zava-mangidy.

19 Raha ny hery no heverina, mahery Izy;

raha ny rariny indray, hoy Izy: Iza no mitory Ahy?

20 Na tsy manan-tsiny aza aho, hohelohin’ny vavako;

fa na marina aza, dia holazainy ho diso.

21 Tsy manan-tsiny, izany tokoa, aho, nefa tsy mifikitra amin’ny fiainana,

ary enta-mavesatra ho ahy ny fahavelomako.

22 Tsy mampaninona anefa izany; ka hoy aho hoe:

Samy aringany ihany na ny marina na ny meloka.

23 Raha mba mahafaty amin’ny indray mamono ahay ny loza!

Fa indrisy; ihomehezany ny fizahan-toetra ny marina.

24 Voatolotra eo an-tanan’ny ratsy fanahy ny tany;

saronan’Andriamanitra tava ny mpitsara eo.

Satria iza indray moa no hanao izany raha tsy Izy?

25 Faingana noho ny tsimandoa ny androko,

lasa tsy mbola nahita ny fiadanana izy,

26 mandalo toy ny lakan-jozoro izy,

tahaka ny voromahery miantonta amin’ny rembiny.

27 Raha mba manao aho, hoe: ‹Aoka hohadinoiko ny fitarainako,

sy hajanoko ny tarehiko malahelo fa hanao endrika miramirana›;

28 dia indro nangovitra aho, noho ny fijaliako rehetra,

satria fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.

29 Ho voatsara ho meloka ihany,

ka nahoana no hanasa-tena foana?

30 Na dia handro amin’ny oram-panala aza aho,

ka hanadio ny tanako amin’ny ranon-davenona,

31 dia arobokao ao amin’ny fotaka kosa,

ka ataon’ny fitafiako zava-betaveta aho.

32 Tsy olombelona toa ahy Andriamanitra, ka ho azoko valiana,

mba hifanatrehanay eo amin’ny fitsarana.

33 Tsy misy mpanelanelana anay,

hametraka ny tanany aminay roa tonta.

34 Fa aoka hoesoriny amiko ny tsora-kazo,

aoka hitsahatra tsy hampivadi-po ahy ny fampitahorany;

35 amin’izay aho dia hiteny tsy amin-tahotra Azy,

Fa raha tsy izany aho dia mba verivery saina.

Categories
Jôba

Jôba 10

1 Sasatry ny miaina ny fanahiko,

havelako hijojojojo ny fitarainako,

hiteny amim-pahorian’ny foko aho.

2 Hoy aho amin’Andriamanitra: Aza manameloka ahy,

ampahalalao ny antony ilànao akisa aho.

3 Sa dia mahafaly Anao ny mampahory,

sy mamay ny asan’ny tananao;

ka hampamirapiratra ny fanambinanao eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy?

4 Manana maso nofo va Ianao,

sa mijery toy ny fijerin’ny olombelona?

5 Toy ny andron’ny olombelona va ny andronao,

sa toy ny taonan’ny mety maty ny taonanao,

6 no dia karohinao ny fahadisoako,

no dia enjehinao ny fahotako,

7 na dia fantatrao aza fa tsy meloka aho,

sady tsy misy mahafaka ahy amin’ny tananao akory koa?

8 Tananao no namorona ahy sy namolavola ahy,

izaho manontolo, ka tadiavinao holevonina indray aho ity!

9 Tsarovy fa novolavolainao toy ny tany manga aho;

ary haverinao ho amin’ny vovoka indray aho ity!

10 Moa tsy naidinao toy ny ronono aho,

ary nampandrianao toy ny ranomandry?

11 Notafianao hoditra ama-nofo aho,

ary norarinao taolana aman-kozatra.

12 Nomenao aina amam-panambinana aho,

ary narovanao tamin’ny fiahianao ny aiko.

13 Kanjo izao no nafeninao tao am-ponao:

hitako tsara izao ny nokendrenao:

14 Raha manota aho, dia mitsikilo ahy Ianao,

ary tsy mamela ny hadisoako Ianao.

15 Meloka moa aho, dia loza ho ahy;

Marina indray aho tsy sahy miandrandra akory;

fa safo-kenatra aho mahita ity fahoriako.

16 Raha mba mitraka aho, enjehinao toy ny fanaon’ny liona,

dia foteranao ampijaliana lozan-tany indray.

17 Manangam-bavolombelona vaovao hamely ahy indray Ianao;

dia ataonao avo sasaka ny fisafoakanao amiko,

tafika mifandimby no mandroso hamely ahy.

18 Nahoana no dia namoaka ahy tao am-bohoka Ianao?

dia maty eo aho, tsy ho nisy maso nahita ahy.

19 Ka ho toy ny tsy àry akory aho,

fa vao avy any an-kibon-dreny dia ho nentina tany am-pasana.

20 Tsy vita foana va ny androko? Aoka havelany aho!

aoka hihemotra Izy, dia haka aina kely aho,

21 alohan’ny hahalasanako tsy hiverina intsony,

ho any amin’ny tanin’ny haizina aman’aloky ny fahafatesana,

22 tany manjombona sy maizimaizin-dava,

anjakan’ny fikorontanana aman’aloky ny fahafatesana

sy itovian’ny fahazavana amin’ny alim-pito».