Categories
Jôba

Jôba 41

1 Indro diso fanantenana ny mpihaza,

fa ny fijery ity biby be, dia ampy haharera-po azy.

2 Tsy misy sahy mihantsy an’i Leviatàna,

koa zovy moa no sahy hanohitra Ahy eo anatrehako?

3 Zovy no nanisy soa Ahy ka tsy maintsy valiako kosa indray?

Ahy avokoa ny eny ambanin’ny lanitra rehetra.

4 Tsy tiako hafenina ny momba ny rantsam-batany,

ny heriny, ny firindran’ny rafitry ny vatany.

5 Iza no efa nanainga na oviana na oviana ny sisin’ny fiarovan-tratrany?

Iza no efa namaky ny laharan’ny nifiny roa sosona?

6 Iza no efa namoha ny varavaran’ny vavany?

Manodidina ny nifiny, dia itoeran’ny fahatahorana.

7 Kanto ny filahatry ny laniny;

mova tsy ny tombokase mifanety erỳ;

8 mifampikasika avokoa izy rehetra,

ka tsy azon’ny rivotra idirana ny elanelany;

9 mifandray lany avokoa izy

dia tafakambana ka tsy mety hisaraka.

10 Mampitselatra fahazavana ny fieviny;

tahaka ny hodimason’ny maraina, ny masony.

11 Mivoaka lelafo ny vavany

misy kilalaon’afo mitselatra avy ao.

12 Mivoaka setroka ny vavorony,

mova tsy ny avy amin’ny vilany mangotraka sy mandevilevy.

13 Maharehitra arina ny fofon’ainy,

midedadeda avy ao am-bavany ny lelafo.

14 Mitoetra ao am-bozony ny hery;

miantsambotra eo alohany ny fampahatahorana.

15 Mirary avokoa ny hozatry ny nofony,

sady miraikitra mafy aminy tsy azo hotsonina.

16 Ny fony mafy toy ny vato,

mafy toy ny vato ambany fikosoham-bary.

17 Raha mitsangana izy, raiki-tahotra ny mahery indrindra,

torana azon’ny fivadiham-po.

18 Raha asiana ny sabatra izy, dia tsy mahalaitra azy ny sabatra,

na ny lefona, na ny longy, na ny zana-tsipìka.

19 Ataony toy ny mololo ny vy,

ary toy ny hazo vovohina, ny varahina.

20 Ny zana-tsipìka tsy mampandositra azy,

ny vaton’antsamotady ataony ho tapak’ahitra.

21 Ny kanonta toy ny vodivary aminy;

ny fikatrakatraky ny lefona ihomehezany.

22 Misy toa vakim-bilany maranitra amin’ny takìbany,

ka toy ny vy famakiam-bainga velariny amin’ny fotaka.

23 Mampandevy ny hantsana toy ny vilany izy,

ataony toy ny kapoaka misy zava-manitra ny ranomasina.

24 Voasori-pahazavana ny lala-nodiaviny,

ka hoatra ny misy volofotsy ny hantsana.

25 Tsy misy toa azy eny ambonin’ny tany,

fa noarîna tsy mahalala tahotra izy.

26 Ka handrininy eo anoloany ny voasandratra rehetra;

izy no mpanjakan’ny biby mahery rehetra.»

Categories
Jôba

Jôba 42

Valin-tenin’i Jôba farany.

1 Dia namaly an’i Iaveh i Jôba ka nanao hoe:

2 «Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao,

ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao.

3 Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra tsy amim-pahalalana?

Eny, miteny tsy amim-pahalalana tokoa aho,

ny amin’ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!

4 Mihainoa fa hiteny aho,

hanadina Anao aho ka valio.

5 Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao,

fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao.

6 Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina

eo amin’ny vovoka sy ny lavenona».

Omen’i Iaveh tsiny ireo olon-kendry telo

7 Nony avy nilaza izany teny izany tamin’i Jôba i Iaveh, dia hoy Izy tamin’i Elifaza avy any Temàna: «Mirehitra aminao sy amin’ireo sakaizanao roa lahy ny fahatezerako; satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba, ny filazanareo Ahy.

8 Koa ankehitriny mandehana maka vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin’i Jôba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary i Jôba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany no tsy hamaliako anareoaraka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba ny filazanareo Ahy».

9 Dia nandeha i Elifaza avy any Temàna sy i Baldada avy any Sohe ary i Sôfara avy any Naamàna, nanao araka izay voalazan’i Iaveh taminy, ka nankasitrahin’i Iaveh ny fivavahan’i Jôba.

Naverin’i Iaveh amin’ny laoniny ny fananan’i Jôba.

10 Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.

11 Dia tonga avokoa ireo rahalahiny sy anabaviny mbamin’ny sakaizany taloha namangy azy sy niara-nihinana taminy tao an-tranony. Nangoraka azy sy nampionona azy izy ireo, noho ny fahoriana nahatran’i Iaveh taminy teo; ary samy nanome azy kesità iray sy masom-bolamena iray avy izy rehetra.

12 Nambinin’i Iaveh mihoatra noho ny tamin’ny taloha ny andro niainan’i Jôba tatỳ aoriana, ka nanana ondry 14.000, rameva 6.000, omby 1.000 tsiroaroa, ary ampondra vavy 1.000.

13 Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy:

14 ny voalohany nataony hoe Jemimà, ny faharoa Ketsià, ary ny fahatelo Keren-Hapòka.

15 Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanaka vavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.

16 Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izay; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanaka lahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra.

17 Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainana.