Categories
Jodita

Jodita 1

I Nabokodonozora sy i Arfaksada

1 Nony efa nampanaiky ny firenena maro ho ambanin’ny fahefany i Arfaksada, mpanjakan’ny Meda, dia nanorina tanànafiarovana mafy anankiray, nataony hoe Ekbatàna, tamin’ny vato voapaika vita efa-joro.

2 Manda, fitopolo hakiho no haavony, telo hakiho no sakany, no nataony manodidina azy, ary nananganany tilikambo maromaro koa, ka zato hakiho ny haavony,

3 efa-joro mitovy efatra ny endriny, roapolo dia avy no haben’ny lafiny iray, ary nampifanarahiny amin’ny haavon’ny tilikambo ny varavarana nataony taminy.

4 Nirehareha ho tsy azo resena izy, noho ny herin’ny foloalindahiny sy ny hamaroan’ny kalesiny.

5 Kanjo, tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Asirianina, izay nanjaka tao Niniva, ilay tanàna lehibe, dia nanafika an’i Arfaksada izy,

6 ka naharesy azy tao amin’ilay tany lemaka lehibe atao hoe Ragao, fa nampian’ireo mponina amin’ny moron’i Eofratasy i Tigra, ary i Jadasona amin’ny tany lemak’i Eriôka, mpanjakan’ny Elisiànina.

7 Tamin’izay, nihalehibe ny fanjakan’i Nabokodonozora ka nentanin’ny ebo ny fony dia nandefasany iraka avokoa ry zareo rehetra nonina any Silisia, any Damasa, ny any an-tendrombohitra Libàna,

8 ny vahoaka any Karmelasy Sedara, ny monina any Galilea, amin’ny tany lemaka lehibe Esdrelôna,

9 ry zareo rehetra any Samaria an-dafin’ny ony Jordany, hatrany Jerosalema, ary amin’ny tany Gesena rehetra, hatrany amin’ny sisin-tanin’i Etiôpia.

10 Ireo vahoaka rehetra ireo, dia nandefasan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Asiria, iraka, avokoa.

11 Nefa niray hevitra samy nandàavokoa izy rehetra. Nalefany hody mainaizy ireo, ary fanesoana foana no nafitsony azy.

12 Ka nisafoaky ny hatezerana tamin’izany vahoaka rehetra izany i Nabokodonozora mpanjaka ary nianiana tamin’ny seza fiandrianany sy tamin’ny fanjakany, fa hamaly ratsy izany nataon’ireo tany rehetra ireo izany.

Categories
Jodita

Jodita 2

Fanafihan’i Hôlôferina tany Andrefana

1 Tamin’ny taona faha-13, nanjakan’i Nabokodonozora mpanjaka, tamin’ny andro faha-22n’ny volana voalohany, no nanapahana ny hevitra tao an-tranon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Asiria, ny hamaliany.

2 Dia nantsoiny avokoa ny loholony sy ny lehibe rehetra mbamin’ny mpiadiny, dia niara-nihevitra mangingina tamin’ireo izy.

3 Nolazainy tamin’ireo fa ny hampanaiky ny tany rehetra ho ambany fahefany no fikasany.

4 Nankatoavin’izy rehetra izany lahateniny izany, ka nampiantsoin’i Nabokodonozora i Hôlôferina, komandy ben’ny tafika,

5 nilazany hoe: «Miaingà ianao handeha hamely ny fanjakana rehetra any andrefana, indrindra indrindra ireo izay namotsifotsy ny teniko.

6 Aoka ny masonao tsy hitsitsyfanjakana iray akory, ary ampanekeo ahy avokoa ny tanàna mimanda rehetra.»

7 Tamin’izay dia nantsoin’i Hôlôferina ny lehibe sy ny manamboninahitry ny foloalindahin’ny Asirianina, ka naka miaramila hiantafika, araka ny didin’ny mpanjaka izy; 120.000 no isan’ny miaramila an-tongotra, ary 12.000 ny an-tsoavaly mpandefa tsipìka.

8 Rameva maro be tsy hita isa nitondra fitaovana sesehena ho an’ny miaramilany, sy andian’omby aman’ondry tsy tambo isaina, no nampialohainy ny tafiny.

9 Nasainy novonoina eny amin’ny halehany ny vary avy amin’i Siria manontolo.

10 Volamena sy volafotsy tsy hita noanoa no nalainy tao amin’ny tranon’ny mpanjaka.

11 Dia niainga izysy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly sy mpandefa tsipìka, ka nandrakotra ny tany, mova tsy ny valala.

12 Nony avy namaky ny sisin-tanin’i Asiria izy, dia tonga teo amin’ireo tendrombohitra lehibe any Ange, izay ao avaratr’i Silisia, dia nitsofohany avokoa ny tanàna mimanda, dia afany daholo ny fiarovana rehetra.

13 Nanihiny ka afany i Melitenailay tanàna malaza, ary nobaboiny avokoa ny mponina tao Tarsa, mbamin’ny taranak’i Ismaely izay nonina teo an-tandrifin’ny efitra, sy teo atsimon’i Selôna.

14 Nita an’i Eofrata izy, dia nankany Mesôpôtamia, ary niadiany an-keriny avokoa ny tanàna mimanda rehetra tamin’izany tany izany, hatramin’ny mason-dranon-driaka Kaborasaka hatrany amin’ny ranomasina.

15 Manaraka izany, dia azony avokoa ny tany rehetra manolotra an’i Eofrata, hatrany Silisia ka hatrany amin’ny faritanin’i Jafeta, izay mandroso mianatsimo.

16 Nentiny ho babo avokoa ny taranak’i Madiàna, norobainy daholo ny hareny ary novonoiny tamin’ny sabatra izay rehetra nanohitra azy.

17 Avy eo dia nidina teny an-tsahan’i Damasa izy, tamin’ny fotoam-pijinjana, nandoro ny vokatra rehetra sy nampikapa ny hazo amam-boaloboka rehetra.

18 Dia raiki-tahotra ny fiadiany ny mponina rehetraamin’ny tany.

Categories
Jodita

Jodita 3

1 Tamin’izany ny mpanjaka aman’andriandahy amin’ny tanàna rehetra sy amin’ny tany rehetra, dia ny tao Sirian’i Mesôpôtamia, Sirian’i Sobà, Libiaary Silisia, dia naniraka ambasadaoro nankany amin’i Hôlôferina nanao taminy hoe:

2 «Aonòny ny hatezeranao aminay, fa aleo velona aina hanompo an’i Nabokodonozora mpanjaka lehibe sy manaiky anao, toy izay maty, sady efa mifaditra ny ahitra amin’ny fahandevozana indray no hahafatesana.

3 Indro eo anatrehanao avokoa ny tanànanay rehetra, sy izay mety ho fanananay rehetra, ny tendrombohitra rehetra, ny havoanay, ny sahanay, ny andian’ombinay aman’ondry sy osy, ny soavalinay, ny ramevanay, ny harenay, ary ny fianakavianay.

4 Aoka ho eo ambany fifehezanao avokoa izay anananay rehetra.

5 Mpanomponao avokoa izahay sy ny zanakay.

6 Tongava any aminay, toy ny tompo tia fihavanana, ary alamino araka izay itiavanao azy ny fanompoana hataonay.»

7 Dia nidina avy eny an-tendrombohitra i Hôlôferina mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny, tamin-kery lehibe, ka nanjary tompon’ny tanàna rehetra mbamin’ny mponina rehetra amin’ny tany izy.

8 Ny tanàna rehetra dia samy nangalany lehilahy mahery sy izay voatsonga hiady, nataony mpanampy.

9 Ary loza tokoa ny tahotra nanindry ny olona tamin’izany faritany izany, ka ny mponina tamin’ny tanàna rehetra, na ny andriambaventy na ny olona manan-kaja indrindra, na ny sarambabem-bahoaka, raha tamy izy, dia nivoaka hitsena azy avokoa,

10 nitondra satroboninahitra amam-panilo handray azy, nandihy tamin’ny feon’amponga aman-tsodina.

11 Na dia izany aza anefa, tsy hain’izy ireo notonena ny hasiahan’ny fony tamin’izany nataony izany.

12 Noravany ny tanànan’izy ireo, nokapainy ny hazo masiny.

13 Satria didy azony tamin’i Nabokodonozora ny handringana ny andriamanitry ny tany rehetra, mba ho izy irery ihany no antsoina hoe andriamanitra amin’ny firenena rehetra izay azon’ny herin’i Hôlôferina hampanekena.

14 Nony avy nitety an’i Sirian’i Sobà, i Apamea rehetra, mbamin’i Mesôpôtamia manontolo izy, dia tonga teo amin’ny Idomeanina, amin’ny tanin’i Gabaà,

15 ka nony azony ny tanànan’ireo, dia nijanona telopolo andro teo izy, nanangona ny miaramila rehetra tamin’ny tafika nentiny.

Categories
Jodita

Jodita 4

Fahatairana tany Jodea

1 Nony nandre izany zavatra izany ny zanak’i Israely nonina tamin’ny tanin’i Jodà, dia raiki-tahotra tamin’ny hiavian’i Hôlôferina.

2 Nahatsiaro tsiravina sy nivadi-poloatra izy, nihevitra fa i Jerosalema sy ny tempolin’ny Tompo koa dia ho azon’io atao toy ny nanaovany ny tanàna hafa sy ny tempolin’ireny.

3 Naniraka nankany Samaria manontolo sy amin’ny manodidina hatrany Jerikôizy, notanany rahateo ny tampon-tendrombohitra rehetra.

4 Nohodidininy manda ny vohiny, ary nanangom-bary izy hatao fitaovana ho fiomanana haharetany miady.

5 I Eliasima mpisoronakoa nanoratra ho any amin’izay rehetra monina tandrifin’i Esdrelôna, tandrifin’ny tany lemaka lehibe izay ao akaikin’i Dôtaîna, ary tamin’izay rehetra monina amin’ny tany misy lalana faleha,

6 namporisika azy ireo hitana ny kisolosolon-tendrombohitra rehetra azo aleha mankany Jerosalema, sy hiambina ny hadilanana azo aleha eo anelanelan’ny tendrombohitra.

7 Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didin’i Eliasima mpisoron’ny Tompo.

Fitalahoana lehibe

8 Ary niantso ny Tompo tamim-pitalahoana mafy avokoa ny vahoaka rehetra sady samy nanetry ny fanahiny tamin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka avokoa, na ny tenany, na ny vadiny.

9 Nanao akanjo malailay ny mpisorona, niankohoka teo anoloan’ny Tempolin’ny Tompo ny ankizy madinika, ary norakofana lamba malailay ny ôtelin’ny Tompo.

10 Dia niray fo nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izy rehetra mba tsy havelany ho rembin’ny sasany ny zanany, na ho babo hozaraina ny vadiny, na horavana ny tanànany, na ho voaloto ny fitoerany masina, na ho tonga fandàtsan’ny firenena ny tenan’izy ireo.

11 Tamin’izay, i Eliasima mpisoron-dehiben’ny Tompo dia nitety ny tanin’i Israely rehetra, ka niteny tamin’ny vahoaka,

12 nanao hoe: «Aoka ho fantatrareo fa hohenoin’ny Tompo ny fitalahoanareo, raha maharitra amin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana eo anatrehany ianareo.

13 Tsarovinareo i Môizy mpanompon’ny Tompo. I Amaleka niantehitra tamin’ny heriny amam-pahefany, ny miaramilany aman’ampingany, ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny; i Môizy kosa nandresy azy, tsy tamin’ny ady amim-by, fa tamin’ny vavaka masina nataony tamin’Andriamanitra.

14 Toy izany avokoa no hanjò ny fahavalon’i Israely rehetra raha maharitra amin’ny asa efa natombokareo ianareo.»

15 Nony efa izany famporisihana izany, dia nitaraina tamin’ny Tompo izy ireo, nitoetra teo anatrehany;

16 hany ka na dia ireo nanolotra ny sorona dorana aza, teny aminy ihany ny akanjo malailay, teo an-dohany ihany ny lavenona, no nanolotra izany tamin’ny Tompo izy.

17 Ary izy rehetra samy nivavaka tamin’Andriamanitra avokoa, mba hamangiany an’i Israely vahoakany.

Categories
Jodita

Jodita 5

Dinika ady tao amin’ny lasin’i Hôlôferina

1 Nisy nilaza tamin’i Hôlôferina, komandin’ny tafiky ny Asirianina, fa mivonon-kanohitra ny zanak’i Israely ary efa nohidiany ny lalana any an-tendrombohitra.

2 Nisafoaka sy nirehi-katezerana i Hôlôferina, ka nantsoiny avokoa ny andriandahin’i Moabasy ny mpifehy an’i Amôna,

3 nilazany hoe: «Lazao ahy, vahoaka inona no mitàna ny tendrombohitra? An’inona ny tanànany, manao ahoana ny heriny sy ny hamaroany, manao ahoana ny herin’ny miaramilany, firy no isany ary iza no lehibe mifehy azy?

4 Nahoana no izy ireo ihany tamin’ny vahoaka rehetra atỳ andrefana no naneso anay sy tsy mba nivoaka hitsena anay handray anay amim-pihavanana?»

5 Dia hoy i Akiora, mpifehy ny taranak’i Amôna rehetra, namaly azy: «Raha sitrakao ny hihaino ahy, Tompoko, indro holazaiko eto imasonao ny marina, ny amin’ireo vahoaka monina amin’ny tendrombohitra ireo, ary tsy hisy diso na dia iray aza ny teny haloaky ny vavako.

6 Taranaky ny Kaldeanina ireo vahoaka ireo.

7 Tonga nonina tany Mesôpôtamia izy aloha, satria tsy tiany ny nanaraka ireo andriamanitry ny razany, izay nitoetra tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina.

8 Nony efa nilaozan’izy ireo ny fombam-pivavahan’ny razany, izay nivavaka tamin’andriamanitra maro,

9 dia ny Andriamanitry ny lanitra tokana izay nandidy azy hiala amin’ny taniny sy handeha honina any Kanaana, no nivavahan’izy ireo. Fa tamin’ilay mosary namely ny tany rehetra dia nidina tany Ejipta izy, ary nitombo fatratra izy tany, ka nandritra ny efajato taona dia tonga vahoaka tsy tambo isaina.

10 Nony mafy ny nitondran’ny mpanjakan’i Ejipta azy, fa notereny hanorina ny tanànany tamin-drihitra amam-biriky izy, dia niantso ny Tompo Andriamaniny, izay namely ny tany Ejipta manontolo tamin’ny loza samihafa.

11 Noroahin’ny Ejiptianina hiala tany aminy izy ireo ka nitsahatra ny loza namely azy; kanjo notadiaviny halaina indray hatao andevony fanindroany izy.

12 Nandositra ny Israelita, ary nosokafan’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo ny ranomasina, ka tonga toy ny rindrina teo an-daniny roa ny rano, dia azony novakina nandia tany maina ny fanambanin’ny ranomasina.

13 Nanenjika azy ireo ny tafiky ny Ejiptianina tsy tambo isaina, kanjo nosaforan’ny rano, tsy nisy afaka hitantara izany amin’ny taranaka mamdimby akory na dia iray aza.

14 Nony tafavoaka ny Ranomasina Mena ny Israelita dia nitoetra tao an’efitry ny tendrombohitra Sinai, izay tsy azon’olombelona nonenana na dia iray aza.

15 Ny loharano mangidy tao niova ho rano mamy hialany hetaheta, ary nandritra ny efapolo taona, hanina avy any an-danitra no noraisiny.

16 Na taiza na taiza nirosoany, tsy nitondra tsipìka, na zana-tsipìka izy, tsy nitondra ampinga na lefona izy, fa ny Andriamanitr’izy ireo no niady ho azy, sy nandresy hatrany.

17 Ary tsy mbola nisy nahaleo an’ireo vahoaka ireo na oviana na oviana, afa-tsy raha sendra niala tamin’ny fanompoana ny Tompo Andriamaniny izy.

18 Fa isaky ny nanompo andriamani-kafa afa-tsy Izy ihany izy ireo, dia natolony ho amin’ny fandrobana sy ny sabatra ary ny fahafaham-baraka.

19 Kanefa isaky ny nanenina indray izy ireo, tamin’ny nandaozany ny fanompoana ny Andriamaniny, dia nomen’ny Andriamanitry ny lanitra hery hanohitra ny fahavalony indray izy.

20 Farany, noresen’izy ireo ny mpanjakan’ny Kananeanina, ny Jeboseanina, ny Ferezeanina, ny Heteanina, ny Heveanina, ny Amôreana, ary ny manam-pahefana rehetra tamin’i Hesebona; dia nalainy ho azy ny taniny aman-tanànan’ireo.

21 Ka teo amin’izy ireo ny fiadanana, raha tsy nanota teo anatrehan’ny Andriamaniny koa izy ireo, satria hàlan’ny Andriamaniny ny ratsy.

22 Izany tokoa marina, fa talohan’ireto taona faramparany teo mantsy, niala tamin’ny lalana nodidian’ny Andriamaniny nalehany izy ireo dia resin’ny firenena maromaro tamin’ny ady, ka lasan-ko babotany an-tany hafa aza ny betsaka taminy.

23 Vao faingampaingana anefa, dia niverina tamin’ny Tompo Andriamaniny indray izy ireo, ka tafangona avy any am-pihahàfany tany, sy nonina tamin’ireo tendrombohitra rehetra ireo ary nahazo an’i Jerosalema, izay misy ny fitoerana masiny indray.»

24 «Koa ankehitriny, tompoko, manaova famotorana; raha misy hadisoana mahameloka azy eo anatrehan’ny Andriamaniny, dia ndeha isika hiakatra hamely azy; fa tsy maintsy hatolotry ny Andriamaniny aminao izy ireo, sy ho tafalatsaka eo ambany jiogan’ny fahefanao.

25 Fa raha tsy nahatezitra ny Andriamaniny ireo vahoaka ireo, dia tsy ho leontsika, satria harovan’ny Andriamaniny izy, ka isika indray no hanjary faneso amin’ny tany rehetra.»

26 Nony vao nitsaha-niteny i Akiora, nisafoaky ny hatezerana avokoa ny lehibe rehetran’i Hôlôferina, ka efa nihevitra ny hamono azy aza, nifampilaza hoe:

27 «Zovy moa ity olona ity no sahy milaza ny zanak’i Israely ho mahatohitra an’i Nabokodonozora mpanjaka sy ny tafiny, nefa ireo olona tsy àry fiadiana, tsy manan-kery, tsy mahay akory izay fomban’ady?

28 Ka mba hampiharihary amin’i Akiora fa namitaka antsika izy, ndao hiakarantsika ireo tendrombohitra ireo, ary rehefa mby eo an-tanantsika ny mahery indrindra amin’ireo, dia hataontsika indray mamono amin’ny sabatra izy sy ireo, mba hahafantaran’ny firenena fa i Nabokodonozora no andriamanitry ny tany, ary tsy misy afa-tsy izy.»

Categories
Jodita

Jodita 6

Atolotra eo an-tanan’ny Israelita i Akiora

1 Nony nitsaha-niteny ireo, nentin’ny hatezerana i Hôlôferina ka hoy izy tamin’i Akiora:

2 «Noho ianao mitsangan-ko mpaminany, ka manambara aminay fa harovan’ny Andriamaniny ny vahoakan’i Israely, dia tiako haseho anao kosa fa tsy misy andriamani-kafa afa-tsy i Nabokodonozora ihany.

3 Koa rehefa ataonay indray mamely toy ny olona iray monja ireo, dia ho fatin’ny sabatry ny Asirianina mbamin’ianao koa, ary ho indray levona aminao i Israely rehetra.

4 Ho fantatrao amin’izany fa i Nabokodonozora no tompon’ny tany rehetra. Amin’izay, ny sabatry ny miaramilako hahatrobaka ny valahanao, ianao hitsingidina voatrobaka, eo afovoan’ny voaratra amin’i Israely, ka tsy hiaina intsony mandra-paharinganao miaraka amin’ireo.

5 Raha inoanao ho marina ny faminanianao, atsaharo ity tarehy kivikivy, ary raha heverinao ho tsy mety tanteraka ny teniko, halaviro hiala aminao ity hatsatratsatra mandrakotra azy.

6 Mba hahafantaranao tsara anefa fa hiara-maty amin’ireo ianao, dia hakambana amin’ireo vahoaka ireo ianao hatramin’izao ankehitriny izao, mba hiara-mitsingidina aminy, voan’ny famaliako, rehefa ahatran’ny sabatro amin’ireo ny famaizana tandrify azy.»

7 Izay dia nomen’i Hôlôferina didy ny mpanompony hisambotra an’i Akiora sy hitondra azy ho any Betoliaany, ary hanolotra azy ho eo an-tanan’ny zanak’i Israely.

8 Rehefa nisambotra azy ny mpanompon’i Hôlôferina, dia namaky ny tany lemaka, kanjo nony mby teo akaikin’ny tendrombohitra ireo, nivoahan’ny mpandeha antsamotady hamely azy.

9 Niolaka ny Asirianina nanaraka ny kisolosolon’ny tendrombohitra; i Akiora kosa nafatony tongotra aman-tanana teo amin’ny hazo anankiray, dia navelany teo, dia niverina ho any amin’ny tompony izy.

10 Tamin’izay, nidina avy any Betolia ny zanak’i Israely, ka nony tonga teo aminy, novahany izy, nentiny ho any Betolia, dia nampandrosoiny ho eo afovoan’ny vahoaka, nanontaniany izay antony nandaozan’ny Asirianina azy nifatotra toy izany, teo.

11 Tamin’izany andro izany dia i Oziasa zanak’i Mikà, avy amin’ny fokon’i Simeôna, ary i Karmì atao hoe Gôtôniela koa, no lehibe mifehy ny tanàna.

12 Koa notantarain’i Akiora avokoa teo afovoan’ny loholona sy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, ny navaliny ny fanontanian’i Hôlôferina,

13 ny nitadiavan’ireo fehin’i Hôlôferina hamono azy noho izay nolazainy, ary ny nandidian’i Hôlôferina efa nentin’ny hatezerana, ny hanolorana azy ho eo an-tanan’ny Israelita, noho izany ihany, fa rehefa resiny ny zanak’i Israely dia hovonoiny i Akiora amin’ny fampijaliana maro loha, noho izy nilaza fa ny Andriamanitry ny lanitra no mpiaro azy ireo.

14 Nony tapitra ny tenin’i Akiora dia indray nihohoka tamin’ny tany nitsaoka ny Tompo ny vahoaka rehetra, ary indray nandefa ny fitolokoany aman-dranomasony sy namboraka ny fivavahany tamim-piraisam-po, teo anatrehan’ny Tompo,

15 nanao hoe: «Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ô, jereo izany avonavon’ireny, ary hevero ity fietrenay, atodiho ny tavan’ny olonao masina ny masonao, asehoy fa tsy mandao izay mametraka ny fitokiany aminao Ianao, fa manetry izay matoky ny tenany sy mirehareha amin’ny heriny kosa.»

16 Nony nitsahatra nitomany ny vahoaka sy efa nandany ny andro manontolo tamin’ny fivavahana, dia nampionona an’i Akiora izy ireo,

17 nanao hoe: «Ny Andriamanitry ny razanay, izay nankalazainao fahefana anie hamaly anao amin’izany, ka hampahita anao ho valin’izanyny fandringanana azy ireo.

18 Ary rehefa avy izay hanomezan’ny Tompo Andriamanitray izany famonjena izany ny mpanompony, homba anao eto afovoanay anie Andriamanitra, mba hiarahanao monina aminay, araka izay sitrakao, dia ianao sy ny mpianakavinao rehetra.»

19 Nony nirava ny vahoaka tafavory teo, dia noraisin’i Oziasa tany an-tranony i Akiora, ka nanaovany fihinanam-be.

20 Nasainy koa ny loholona, ka nony tapitra ny fifadian-kanina, dia niara-nihinana izy.

21 Raha efa izany, nivory indray ny vahoaka ka niara-nivavaka mandritra ny alina tao amin’ny fitoerana niangonany, niantso vonjy tamin’ny Andriamanitr’i Israely.

Categories
Jodita

Jodita 7

Fanafihana an’i Israely

1 Ny ampitson’iny, dia nomen’i Hôlôferina didy ny miaramilany hiakatra hamely an’i Betolia.

2 Ny tafiny dia miaramila an-tongotra 120.000, ny an-tsoavaly 22.000, afa-tsy ny lehilahy volony hiady azony sambo-belona, sy ny tovolahy nalainy tamin’ny faritany sy ny tanàna.

3 Indray nioman-kiady amin’ny zanak’i Israely avokoa izy rehetra ireo, dia nandeha nanaraka ny tendrombohitra, hatrany an-tampony mahazatra an’i Dôtaîna, dia nitoby hatreo amin’ny fitoerana atao hoe Belmà, ka hatrany Kelmôna, tandrifin’i Esdrelôna.

4 Nony nahatazana izany vahoaka be izany ny zanak’i Israely dia nihohoka tamin’ny tany, nanisy lavenona ny lohany, niara-nivavaka tamin’ny Andriamanitr’i Israely mba hampiharihary ny indrafony amin’ny vahoakany.

5 Raha efa izany, noraisiny ny fiadiany, dia notanany ireo toerana misy sakeli-dalana azo aleha eo anelanelan’ny tendrombohitra ka nambenanay andro aman’alina.

6 Raha nitetitety ny manodidina i Hôlôferina, dia nahita loharano anankiray tatỳ ivelan’ny tanàna amin’ny ilany atsimo, misy lakan-drano nalehan’ny rano mankao, dia nasainy notapahina ny lakan-drano.

7 Nisy loharano sasany koa anefa, tsy lavitra ny manda loatra, falehan’izy ireo nafahy rano, an-katakonana, nantsaka rano kely toa hampitony ny hetahetany fotsiny, fa tsy hoe hanafa-ketaheta azy.

8 Kanjo tonga tao amin’i Hôlôferina ny taranak’i Amôna sy i Moaba, nanao hoe: «Ny zanak’i Israely tsy mba mitoky amin’ny lefony na amin’ny zana-tsipîkany, fa ireo tendrombohitra ireo no miaro azy, ary ireo havoana mihantona ambony hantsana ireo no heriny.

9 Ka mba hahazoanao mandresy tsy miady amin’ireo, asio mpiambina eo amin’ny loharanohisakana azy ireo tsy hantsaka rano eo, dia ho fatinao tsy amin’ady ireo, na ho reraky ny hetaheta, ka hanolotra ity tanànany, izay heveriny tsy ho azo anihina, noho izy miorina ambony tendrombohitra.

10 Nankasitrahin’i Hôlôferina sy ireo manamboninahiny izany hevitra izany, ka nasiany antoko-miaramila zato lahy avy manodidina ny isan-doharano.»

11 Rehefa roapolo androno nanaovana izany fiambenana izany, dia tankina maina avokoa ny rano tamin’ny lava-drano sy ny famorian-drano rehetra amin’ny mponina rehetra ao Betolia, hany ka tsy nisy tavela hialany hetaheta intsony tao an-tanàna, na dia indray andro monja aza, fa am-patrany no nizarana ny rano isan’andro ho an’ny vahoaka.

12 Tamin’izay, indray niangona teo amin’i Oziasa avokoa ny olona rehetra, na lahy na vavy, na tanora na ankizy, ka indray niredona nanao taminy hoe:

13 «Hotsarain’Andriamanitra anie ianao sy izahay, fa nampidi-doza anay ny nataonao, tamin’ny nandavanao tsy hanao fanekem-pihavanana tamin’ny Asirianina; ka izany no nanoloran’Andriamanitra antsika ho eo an-tanan’ireo.

14 Izany no tsy isian’ny olona tonga hamonjy antsika, kanefa isika ity efa ànan’ny hetaheta amam-pahoriana lehibe eo imason’ireo.

15 Koa ankehitriny, angony avokoa ny olona eto an-tanàna, dia ndeha isika hitolo-tena an-tsitrapo amin’ny fehin’i Hôlôferina.

16 Fa aleonay velona aina sy misaotra an’Andriamanitra any am-pahababoana toy izay maty sy ho afa-baraka amin’ny olon-drehetra, rehefa hitanay maty teo imasonay ny vady aman-janakay.

17 Halainay ho vavolombelona anio ny lanitra sy ny tany ary ny Andriamanitry ny razantsika, izay mamay antsika araka ny fahotantsika, fa mihanta aminao izahay, hanolotra ny tanàna izao ankehitriny izao eo an-tanan’ny miaramilan’i Hôlôferina, mba ho tojo faingana ny fahafatesana amin’ny lelan-tsabatra izahay, fa tsy hijaly foana mandra-pahafaty amin’ny hetaheta mahamay.»

18 Nony avy niteny toy izany izy ireo, dia nanezaka nigogogogo sy niantso mafy, nandritra ny ora maro, ny fiangonana nitaraina tamin’Andriamanitra nanao hoe:

19 «Nanota avokoa izahay sy ny razanay, nivadika izahay, nanao ny tsy marina izahay!

20 Ianao anefa, izay mpamindra fo, mamindrà fo aminay; na aoka ny Tenanao ihany no hamaly ny helokay amin’ny famaizana anay fa aza atolotrao amin’izay vahoaka tsy mahalala Anao akory ny olona manome voninahitra Anao,

21 mba tsy hisy hilaza amin’ny firenena hoe: Aiza ny Andriamanitr’izy ireo?»

22 Nony efa sasatry ny nitaraina mafy sy nitomany teo izy ireo, dia nangina.

23 Izay Oziasa vao nitsangana, vonton-dranomaso, nanao heo: «Matokia tsara, ry rahalahiko, ary andraso hadimianaaloha ny famindram-pon’ny Tompo.

24 Fa angamba hatsahany ny fahatezerany ary omeny voninahitra ny Anarany.

25 Rehefa tapitra ny hadimiana ka tsy tonga ny vonjy, dia hataontsika amin’izay ny hevitra naposakareo.»

Categories
Jodita

Jodita 8

Filazana momba an’i Jodita

1 Nampandrenesina ireo teny ireo i Joditavehivavy mpitondra tena, zanaka vavin’i Merarì, zanak’i Josefa zanak’i Oziasa zanak’i Elaì zanak’i Jamnora zanak’i Jedeôna zanak’i Rafaima zanak’i Akitôba zanak’i Melkiasa zanak’i Enàna zanak’i Nataniasa zanak’i Salatiela zanak’i Simeôna zanak’i Israely.

2 Maty tamin’ny fotoana fijinjana orja ny vadiny, atao hoe Manasesa.

3 Ilay nijery ny mpijinja nifehy amboara teny antsaha iny io, no voan’ny hainandro mahery ny lohany, ka maty tao Betolia tanànany izy, dia nalevina tao, teo amin’ny razany.

4 Efa telo taona sy enim-bolana no nitoetra ho mpitondra tena i Jodita.

5 Nanao efitrano nitokana, teo ambony tafon-tranony izy, dia nitoetra nitokana tao niaraka tamin’ireo ankizivaviny.

6 Nohodidininy lamba malailay ny valahany, ary nifady hanina isan’andro, nandritra ny andro niainany izy, afa-tsy tamin’ny andro sabata sy ny tsinam-bolana ary ny fetin’ny firenen’i Israely.

7 Tsara tarehy indrindra izy, ary namelan’ny lahy harem-be, mpanompo maro, tany feno andian’omby aman’ondry.

8 Nohajain’ny olona rehetra fatratra izy, fa lalina ny fahatahorany an’Andriamanitra, ka tsy nisy olona niteny ratsy azy, na dia indraimbava aza.

I Jodita sy ireo zokiolona

9 Nony reny fa hoe nanome teny hanolotra ny tanàna i Oziasa, raha afaka hadimiana, naniraka tany amin’i Kabrì sy i Karmì lohan’ny vahoaka izy.

10 Dia nankany aminy ireo, ka nilazany hoe: «Ahoana ange no nahasahian’i Oziasa nilaza fa hatolony amin’ny Asirianina ny tanàna, raha tsy mahazo vonjy ao anatin’ny hadimiana ianareo?

11 Fa zovy moa ianareo no hizaha toetra ny Tompo toyizany?

12 Tsy mba teny mitarika ny famindra-pony izany, fa vao mainka koa manesika Azy hitezitra sy mandrehitra ny fony hisafoaka.

13 Nametra fotoana tsy maintsy hanehoan’ny Tompo ny famindram-pony ianareo, ary nanondro andro taminy araka ny sitraky ny fonareo!

14 Mahari-po anefa ny Tompo, ka mivaloza isika amin’izany hadisoana izany; ary mangataha famelana amin-dranomaso.

15 Fa tsy mba mandrahona toy ny fanaon’olombelona, Andriamanitra, na mba mirehi-pahatezerana toy ny zanak’olombelona.

16 Ka aoka hanetry ny fanahintsika eo anatrehany isika; ary fo mietry no aoka hataontsika ao anatintsika fa izany no antonona ny mpanompony.

17 Manaova an-dranomaso amin’ny Tompo mba hampahitany antsika ny asan’ny famindram-pony araka izay fomba tiany, mba hanjary fototry ny voninahitra ho antsika ny fietren-tenantsika toraka ny nampidiran’ny fiavonavonan’ny fahavalontsika tebiteby tao am-pontsika.

18 Fa isika tsy mba nanaraka ny fahotan’ny razantsika, izay nahafoy ny Andriamaniny, sy nanompo andriamani-kafa,

19 ka noho izany heloka izany dia natolotra ho amin’ny sabatra amam-pandrobana sy ho fandàtsan’ny fahavalony, fa isika kosa tsy mba mahalala andriamanitra hafa, afa-tsy Izy ihany.

20 Andraso amim-panetren-tena ny fampiononany, fa hamaly ny rantsika, amin’ny fahavalontsika izay mampahory antsika, Izy; haetriny ny firenena mitsangan-kamely antsika; ary hanafotra henatra an’ireny Izy Tompo Andriamanitsika.»

21 «Ary ankehitriny, ry ranadahy, noho ianareo loholon’ny vahoakan’Andriamanitra sy iankinan’ny ain’izy ireo, velomy indray amin’ny teninareo ny herim-pon’izy ireo, mba hahatsiarovany fa nozahan-toetra ny razantsika, hahitana raha tena manompo ny Andriamaniny tokoa izy ireo.

22 Tsy maintsy tsarovany ny nizahan-toetra an’i Abrahama razantsika, sy ny niaretany fahoriana be, hahatongavany ho sakaizan’Andriamanitra.

23 Toy izany koa i Isaaka, toy izany i Jakôba, toy izany i Môizy mbamin’izay rehetra nankasitrahin’Andriamanitra, dia niharam-pahoriana be izy ireo, nefa naharitra tsy nivadika.

24 Fa ireo izay tsy mba nandray izany fizahan-toetra izany tamim-pahatahorana ny Tompo, fa nanarana ny tsy fandeferany ka nimonomonona nanome tsiny ny Tompo,

25 ireo dia naripaky ny mpandringana sy nolevonin’ny bibilava.

26 Koa aza mba mety mivarina amin’ny tsy fandeferana isika, noho izao fahoriana manjò antsika izao.

27 Fa aoka izao fijaliana, izay kely noho ny fahotantsika izao dia hoheverintsika ho toy ny tsora-kazo amaizan’ny Tompo antsika, toy ny famaizana ny mpanompony hanatsarana antsika, aoka hinoantsika fa tsy ny hamerezana antsika no nanirahana azy amintsika.»

28 Dia hoy i Oziasa sy ireo loholona, namaly azy: «Marina avokoa izany voalazanao izany, ka tsy misy azo kianina na dia iray aza.

29 Koa ankehitriny mivavaha ho anay amin’Andriamanitra ianao.»

30 Ary hoy i Jodita taminy: «Ekenareo fa avy amin’Andriamanitra izay mba voalazako;

31 ka mba zahao koa raha avy aminy ihany izao kasaiko hatao izao, dia mivavaha amin’Andriamanitra mba homeny hery hanatanterahako izay hevitra kasaiko aho.

32 Ianareo hijanona ao am-bavahady anio alina, izaho sy ny namako kosa hivoaka; dia mivavaha ianareo mba hitsinjo an’i Israely vahoakany ny Tompo ao anatin’ny hadimiana, araka ny voalazanareo.

33 Tsy tiako anefa ny hanadihadianareo ny zavatra kasaiko hatao, fa mandra-piveriko hilaza aminareo ny amin’izany, dia aza manao na inona na inona, afa-tsy ny mivavaka ho ahy, amin’ny Tompo Andriamanitsika, ianareo.»

34 Dia hoy i Oziasa, lehiben’i Jodà, taminy: «Mandehana soa aman-tsara ka homba anao anie ny Tompo hamaliana ny fahavalontsika.» Dia niala teo aminy izy ireo ka lasa nandeha.

Categories
Jodita

Jodita 9

Vavak’i Jodita

1 Nony lasa izy ireo dia niditra tao an’efitrano fivavahana i Jodita, niakanjo malailay, nanisy lavenona ny lohany, nihohoka teo anatrehan’ny Tompo, ary niantso Azy nanao hoe:

2 «Ry Tompo Andriamanitr’i Simeôna raiko ô! izay nanome sabatra azy hamaliany ny olona hafa firenena, nanao an-keriny tamin’ny virjiny anankiraysy nandoto azy ho afa-baraka,

3 Ianao izay nanolotra ny vadin’ireny, ho an’ny mpisavika, sy ny zanany vavy ho amin’ny fahandevozana, ary ny fananany rehetra ho anjara babon’ireo mpanomponao, mihanta aminao aho, mba ampio ity mpitondratena, ry Tompo Andriamanitro ô.

4 Ianao no nanao ireo asa mahagaga tamin’ny andro teo aloha, sy namorona ny fikasan’ireo izay nanaraka tatỳ aoriana, ka tanteraka izany noho ny sitraponao.

5 Ny làlanao rehetra, voasoritra rahateo; ny fitsarànao koa voalaminao sahady, noho ny fahitanao mialoha.

6 Ankehitriny, jereo ity tobin’ny Asirianina, toraky ny nijerenao fahizay ny tobin’ny Ejiptianina izay nitoky tamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny, sy tamin’ny habetsahan’ny miaramilany mpiady, fony izy nitam-piadiana nanenjika ny mpanomponao.

7 Kanjo nijery ny tobiny Ianao ka nesorin’ny haizina ny heriny.

8 Ny hantsana nampitsoka ny tongony, ary ny rano nanafotra azy.

9 Ho toy izany koa anie ireto, ry Tompo, fa mitoky amin’ny hamaroany izy ireo, sy amin’ny kalesiny aman-donginy, amin’ny ampingany aman-jana-tsipìkany, ary mitohatoha amin’ny lefony izy.

10 Tsy fantany fa Ianao no Andriamanitray, dia Ianao izay manamongomongo ny tafika hatramin’ny voalohany, sy manana anarana hoe Tompo.

11 Aingao, toy ny fahizàny taona izany, ny sandrinao, ka montsàny amin’ny herinao ny heriny, azerao eo anoloan’ny hatezeranao ny tanjany, fa manampò hiditra an-keriny amin’ny fitoeranao masina ireo, sy handoto ny tabernaklan’ny Anaranao, ary hikapa ny tandroky ny ôtelinao amin’ny sabany.

12 Ka ny sabany ihany kosa no ataovy mamolona ny avonavon’izany lehilahy izany.

13 Aoka hahavoafandrika azy ny fijereny ahy, ary asio amin’ny teny malefaka aloaky ny vavako izy.

14 Ataovy ampy hery ny foko hanazimbàko azy ary ampy tanjaka hamonoako azy.

15 Fa voninahitra tsy very tadidy ho an’ny Anaranao, ny hanjeran’ny tanam-behivavy azy.

16 Fa ny herinao, ry Tompo, dia tsy mba amin’ny hamaroan’isa, ny sitraponao tsy mba miankina amin’izay tanjaky ny soavaly, ary hatramin’ny voalohany dia tsy mba nankasitraka ny mpiavonavona Ianao, fa nankamamy mandrakariva ny olona manetry tena sy malemy fanahy kosa.

17 Ry Andriamanitry ny lanitra ô, Mpahary ny rano sy Tompon’ny zava-boaary rehetra, henoy ity vehivavy mahantra mihanta aminao, sy manankina ny fitokiany amin’ny indrafonao.

18 Tsarovy ny fanekenao, ry Tompo, ka omeo teny ny vavako, omeo hery ny hevitra voakasako ato am-poko, mba hahatahiry ny fahamasinana natafinao azy ny tranonao, ary mba ho fantatry ny firenena rehetra fa Ianao no Andriamanitra ka tsy misy hafa afa-tsy Ianao ihany.»

Categories
Jodita

Jodita 10

Dian’i Jodita tany amin’i Hôlôferina

1 Nony tapitra ny fivavahan’i Jodita tamin’ny Tompo, nitsangana avy teo amin’ilay fitoerany niankohofany tamin’ny tany teo anatrehan’ny Tompo izy.

2 Niantso ny ankizivaviny izy, ka nidina tao an-tranony, dia nalany ny akanjony malailay, nesoriny ny fitafiam-pitondratena teny aminy.

3 Nandro izy, dia nihosotra ny mira manitra indrindra, nanao volo, nanodidina ny lamba fehiloha tamin’ny lohany; niakanjo ny akanjo fitondrany amin’ny fety, namehy kapa tamin’ny tongony, nitondra ny fehitanany, ny fehivozony, ny kaviny, ary ny perany, dia niraratra tamin’ny fihaingoana rehetra.

4 Notovonan’ny Tompo aza ny famirapirany, satria tsy mba hafalian’ny nofo fa ny hatsaram-panahy no fototry ny nanaovany an’izany haingo rehetra izany; ka noho izany nampitomboin’ny Tompo fatratra ny hatsaran-tarehiny ka tonga namirapiratra teo imason’ny olona rehetra, tamin’ny hakantoana tsy azo tahafina.

5 Raha efa izany, ny ankizivaviny nasainy nitondra divay iray siny hoditra, diloilo iray tavoara, lafarina voaendy, voankazo maina ary mofo sy frômazy, dia niainga izy.

6 Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna, izy sy ny ankizivaviny, dia indreo eo i Oziasa mbamin’ny loholona, niandry azy.

7 Nony nahita azy izy, dia variana nitampim-bava noho ny hatsaran-tarehiny.

8 Tsy nanontany na inona na inona azy anefa ireo, fa namela azy handeha, nanao hoe: «Andriamanitry ny razantsika anie hanome fahasoavana anao; hohamafisiny amin’ny fahefany anie ny hevitra voakasa rehetra izay ao am-ponao, ka hankalazaina noho ny aminao i Jerosalema; ary hilahatra eo amin’ny an’ny olo-masina sy marina ny anaranao.»

9 Dia indray namaly tamin’ny feo iray, izay rehetra teo, nanao hoe: «Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany!»

10 Izay vao nivoaka ny vavahady i Jodita sy ny ankizivaviny sady nivavaka tamin’ny Tompo.

11 Nony nidina ny tendrombohitra izy, tamin’ilay vaky masoandro iny, dia nifanehatra tamin’ny mandry tsy aman’afon’ny Asirianina, ka nijanona nataony hoe: «Avy aiza ianao, ary ho aiza?»

12 Hoy ny navaliny: «Zanaka vavin’ny Hebrio aho, ary nandositra avy any aminy satria fantatro fa hatolotra ho babonareo izy, noho izy naneso anareo sy tsy nety nitolo-tena an-tsitrapo taminareo, hahita fitia eo anatrehanareo.

13 Ka noho izany, hoy aho anakampoko: Ndeha ho any anatrehan’ny andriandahy Hôlôferina aho, hanambara aminy ny ankaromiafin’ireo, sy hanoro azy ny fidirana hahazoany azy rehetra, tsy hisy hahafatesan’ny miaramilany, na dia iray aza.

14 Rehefa nandre ny teniny ireo olona ireo, dia nojereny ny tarehiny, ka variana teo ny masony, fa nahagaga azy loatra ity hatsaran-tarehiny tafahoatra.»

15 «Namonjy ny ainao ianao, hoy izy ireo taminy, amin’izao nanapahanao hevitra hankatỳ amin’ny tomponay izao.

16 Ary mahazo matoky ianao, fa horaisiny tsara rehefa miseho eo anatrehany, sady hahafinaritra ny fony indrindra ianao.» Dia nentiny ho any an-dain’i Hôlôferina izy sy nambarany taminy.

17 Vao tafiditra teo anatrehany izy, dia voa tamin’ny masony niaraka tamin’izay i Hôlôferina.

18 Hoy ireo manamboninahiny taminy: «Iza re no hahesoeso foana ny vahoaka Hebrio, izay tsara vehivavy toy itony? Tsy mendrika ho an’itony va ny hiadiantsika aminy, mba hananantsika an’itony?»

19 Hitan’i Jodita i Hôlôferina nipetraka tao an-dainy, tenona jaky amam-bolamena, voaravaka emeraodasy vato sarobidy.

20 Nafantony tamin’ny endriny ny masony, dia nihohokatamin’ny tany nitsaoka azy izy, nefa natsangan’ireo mpanompon’i Hôlôferina niaraka tamin’izay, araka ny didin’ity tompony, izy.